ESDRAS Ezra
   
   
Chapitre 1 Chapitre 1
1 Et la première année de Cyrus,* roi de Perse, afin que fût accomplie la parole de l’Éternel [dite] par la bouche de Jérémie, l’Éternel réveilla l’esprit de Cyrus, roi de Perse ; et il fit une proclamation dans tout son royaume, et la publia aussi par écrit, disant : 1 [Ny teny nataon'i Kyrosy nandefasana ny Jiosy hody, sy ny nanomezany azy ny fanaka avy tao amin'ny tempoly] Ary tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, dia notairin'i Jehovah ny fanahin'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, mba hanatanteraka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Jeremia, ka dia nandefa teny eran'ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:
2 Ainsi dit Cyrus, roi de Perse : L’Éternel, le Dieu des cieux, m’a donné tous les royaumes de la terre, et il m’a chargé de lui bâtir une maison à Jérusalem, qui est en Juda. 2 Izao no lazain'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany dia efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema izay any Joda.
3 Qui d’entre vous, quel qu’il soit, est de son peuple, — que son Dieu soit avec lui, et qu’il monte à Jérusalem, qui est en Juda, et qu’il bâtisse la maison de l’Éternel, le Dieu d’Israël (lui est Dieu), à Jérusalem. 3 Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Andriamaniny anie homba azy, fa aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy ka hanao ny tranon'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izy no Andriamanitra Izay any Jerosalema.
4 Et celui qui est de reste, dans tous les lieux où chacun séjourne, que les hommes du lieu lui viennent en aide, avec de l’argent, et avec de l’or, et avec des biens, et avec du bétail, outre les offrandes volontaires pour la maison de Dieu qui est à Jérusalem. 4 Ary na iza na iza sisa tratra, dia aoka ny tompon-tany ao amin'izay ivahiniany hanome azy volafotsy sy volamena sy fanaka ary biby fiompy mbamin'ny fanati-tsitrapo ho an'ny tranon'Andriamanitra, izay any Jerosalema.
— v. 1 : date : A.C. 536.  
5 Alors se levèrent les chefs des pères de Juda et de Benjamin, et les sacrificateurs et les lévites, tous ceux dont Dieu avait réveillé l’esprit, afin de monter pour bâtir la maison de l’Éternel qui est à Jérusalem. 5 Dia niainga ny lohan'ny firenen'i Joda sy Benjamina sy ny mpisorona sy ny Levita, dia izay rehetra efa namporisihin'Andriamanitra hiakatra hanao ny tranon'i Jehovah any Jerosalema.
6 Et tous ceux qui les entouraient les aidèrent avec des objets d’argent, avec de l’or, avec des biens, et avec du bétail, et avec des choses précieuses, outre tout ce qu’on offrit volontairement. 6 Ary izay rehetra manodidina dia nampahery ny tànan'ireo tamin'ny fanaka volafotsy sy volamena sy fanaka hafa sy biby fiompy ary zava-tsoa mbamin'izay rehetra nateriny tamin'ny sitrapo.
7 Et le roi Cyrus fit sortir les ustensiles de la maison de l’Éternel, que Nebucadnetsar avait fait sortir de Jérusalem et qu’il avait mis dans la maison de son dieu. 7 Dia navoak'i Kyrosy mpanjaka ny fanaky ny tranon'i Jehovah, izay efa nalain'i Nebokadnezara tany Jerosalema ka efa nataony tao an-tranon'ireo andriamaniny.
8 Et Cyrus, roi de Perse, les fit sortir par Mithredath, le trésorier, qui les compta à Sheshbatsar*, prince de Juda. 8 Ary Mitredata, mpitahiry ny haren'ny fanjakana, dia nasain'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia; namoaka ireny, ka nisainy sady natolony an'i Sesbazara, lehiben'ny firenen'i Joda.
9 Et en voici le nombre : trente bassins* d’or, mille bassins* d’argent, vingt-neuf couteaux, 9 Ary izao no isany: Lovia volamena telo-polo, lovia volafotsy arivo, antsy sivy amby roa-polo,
10 trente coupes* d’or, quatre cent dix coupes* d’argent de second ordre, [et] mille autres ustensiles ; 10 kapoaka volamena misarona telo-polo, lovia volafotsy manarakaraka folo amby efa-jato, ary lovia hafa koa arivo;
11 tous les ustensiles d’or et d’argent étaient [au nombre de] cinq mille quatre cents. Sheshbatsar apporta le tout lorsqu’on fit monter de Babylone à Jérusalem ceux de la transportation. 11 efa-jato amby dimy arivo no isan'ny fanaka volamena sy volafotsy rehetra. Ireo rehetra ireo dia nentin'i Sesbazara niaraka nankany Jerosalema tamin'ny babo izay niverina avy tany Babylona.
— v. 8 : nom chaldéen de Zorobabel ; voir 2:2. — v. 9 : bassin plat, soit pour recevoir le sang, soit pour les offrandes de fine farine. Comparer Nombres 7:13 et 1 Rois 7:40 ; le mot ne se trouve qu’ici. — v. 10 : gobelets à couvercle, ici et 8:27, et 1 Chron. 28:17.  
Chapitre 2 Chapitre 2
1 Et voici ceux* de la province qui remontèrent de la captivité de ceux qui avaient été transportés, lesquels Nebucadnetsar, roi de Babylone, avait transportés à Babylone, et qui retournèrent à Jérusalem et en Juda, chacun à sa ville, 1 [Ny anaran'ny Jiosy nentin'i Zerobabela nody] Ary izao no olona amin'izany tany izany izay niakatra avy amin'ny fahababoana, izay nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ka nentiny ho any Babylona, ary niverina ho any Jerosalema sy Joda, samy ho any an-tanànany avy,
2 lesquels vinrent avec Zorobabel, Jéshua, Néhémie, Seraïa, Reélaïa, Mardochée, Bilshan, Mispar, Bigvaï, Rehum, [et] Baana. 2 dia ny olona izay niaraka tamin'i Zerobabela sy Jesoa sy Nehemia sy Seraia sy Relaia sy Mordekay sy Bilsana sy Mispara sy Bigvay sy Rehoma ary Bana. Ary ny isan'ny lehilahy tamin'ny Isiraely dia izao:
— v. 1 : litt.: les fils.  
Nombre des hommes du peuple d’Israël :  
3 Les fils de Parhosh, deux mille cent soixante-douze ; 3 Ny taranak'i Parosy dia roa amby fito-polo amby zato sy roa arivo;
4 les fils de Shephatia, trois cent soixante-douze ; 4 ny taranak'i Sefatia dia roa amby fito-polo amby telon-jato;
5 les fils d’Arakh, sept cent soixante-quinze ; 5 ny taranak'i Ara dia dimy amby fito-polo amby fiton-jato;
6 les fils de Pakhath-Moab, des fils de Jéshua [et de] Joab, deux mille huit cent douze ; 6 ny taranak'i Pahatamoaba, avy tamin'ny zanak'i Jesoa sy Joaba, dia roa ambin'ny folo amby valon-jato sy roa arivo;
7 les fils d’Élam, mille deux cent cinquante-quatre ; 7 ny taranak'i Eliama dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
8 les fils de Zatthu, neuf cent quarante-cinq ; 8 ny taranak'i Zato dia dimy amby efa-polo amby sivin-jato;
9 les fils de Zaccaï, sept cent soixante ; 9 ny taranak'i Zakay dia enim-polo amby fiton-jato;
10 les fils de Bani, six cent quarante-deux ; 10 ny taranak'i Bany dia roa amby efa-polo amby enin-jato;
11 les fils de Bébaï, six cent vingt-trois ; 11 ny taranak'i Bebay dia telo amby roa-polo amby enin-jato;
12 les fils d’Azgad, mille deux cent vingt-deux ; 12 ny taranak'i Azgada dia roa amby roa-polo amby roan-jato sy arivo;
13 les fils d’Adonikam, six cent soixante-six ; 13 ny taranak'i Adonikama dia enina amby enim-polo amby enin-jato;
14 les fils de Bigvaï, deux mille cinquante-six ; 14 ny taranak'i Bigvay dia enina amby dimam-polo sy roa arivo;
15 les fils d’Adin, quatre cent cinquante-quatre ; 15 ny taranak'i Adina dia efatra amby dimam-polo amby efa-jato;
16 les fils d’Ater, [de la famille] d’Ézéchias quatre-vingt-dix-huit ; 16 ny taranak'i Atera, avy tamin'i Hezekia, dia valo amby sivi-folo;
17 les fils de Bétsaï, trois cent vingt-trois ; 17 ny taranak'i Bezay dia telo amby roa-polo amby telon-jato;
18 les fils de Jora, cent douze ; 18 ny taranak'i Jora dia roa ambin'ny folo amby zato;
19 les fils de Hashum, deux cent vingt-trois ; 19 ny taranak'i Hasoma dia telo amby roa-polo amby roan-jato;
20 les fils de Guibbar, quatre-vingt-quinze ; 20 ny zanak'i Gibara dia dimy amby sivi-folo;
21 les fils de Bethléhem, cent vingt-trois ; 21 ny zanak'i Betlehema dia telo amby roa-polo amby zato;
22 les hommes de Netopha, cinquante-six ; 22 ny mponina tany Netofa dia enina amby dimam-polo;
23 les hommes d’Anathoth, cent vingt-huit ; 23 ny mponina tany Anatota dia valo amby roa-polo amby zato;
24 les fils d’Azmaveth, quarante-deux ; 24 ny zanak'i Azmaveta dia roa amby efa-polo;
25 les fils de Kiriath-Arim, de Kephira et de Beéroth, sept cent quarante-trois ; 25 ny zanak'i Kiriat-arima sy Kefira ary Berota dia telo amby efa-polo amby fiton-jato;
26 les fils de Rama et de Guéba, six cent vingt et un ; 26 ny zanak'i Rama sy Gaba dia iraika amby roa-polo amby enin-jato;
27 les hommes de Micmas, cent vingt-deux ; 27 ny mponina tany Mikmasy dia roa amby roa-polo amby zato;
28 les hommes de Béthel et d’Aï deux cent vingt-trois ; 28 ny mponina tany Betela sy Ay dia telo amby roa-polo amby roan-jato;
29 les fils de Nebo, cinquante-deux ; 29 ny zanak'i Nebo dia roa amby dimam-polo;
30 les fils de Magbish, cent cinquante-six ; 30 ny taranak i Magbisy dia enina amby dimam-polo amby zato;
31 les fils de l’autre Élam, mille deux cent cinquante-quatre ; 31 ny zanak'ilay Elama anankiray dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
32 les fils de Harim, trois cent vingt ; 32 ny taranak'i Harima dia roa-polo amby telon-jato;
33 les fils de Lod, de Hadid et d’Ono, sept cent vingt-cinq ; 33 ny zanak'i Loda sy Hadida ary Ono dia dimy amby roa-polo amby fiton-jato;
34 les fils de Jéricho, trois cent quarante-cinq ; 34 ny zanak'i Jeriko dia dimy amby efa-polo amby telon-jato;
35 les fils de Senaa, trois mille six cent trente. 35 ny zanak'i Sena dia telo-polo amby enin-jato sy telo arivo.
   
36 Sacrificateurs : les fils de Jedahia, de la maison de Jéshua, neuf cent soixante-treize ; 36 Ary ny mpisorona koa dia izao: Ny taranak'i Jedaia, avy tamin'ny mpianakavin'i Jesoa, dia telo amby fito-polo amby sivin-jato;
37 les fils d’Immer, mille cinquante-deux ; 37 ny taranak'Imera dia roa amby dimam-polo sy arivo;
38 les fils de Pashkhur, mille deux cent quarante-sept ; 38 ny taranak'i Pasora dia fito amby efa-polo amby roan-jato sy arivo;
39 les fils de Harim, mille dix-sept. 39 ny taranak'i Harima dia fito ambin'ny folo sy arivo.
   
40 Lévites : les fils de Jéshua et de Kadmiel, d’entre les fils d’Hodavia, soixante-quatorze. 40 Ary ny Levita koa dia izao: Ny taranak'i Jesoa sy Kadmiela, avy tamin'ny taranak'i Hodavia, dia efatra amby fito-polo.
   
41 Chantres : les fils d’Asaph, cent vingt-huit. 41 Ary ny mpihira koa dia izao; Ny taranak'i Asafa dia valo amby roa-polo amby zato.
   
42 Fils des portiers : les fils de Shallum, les fils d’Ater, les fils de Talmon, les fils d’Akkub, les fils de Hatita, les fils de Shobaï, en tout cent trente-neuf. 42 Ary ny taranaky ny mpiandry varavarana koa dia izao: Ny taranak'i Saloma, ny taranak'i Atera, ny taranak'i Talmona, ny taranak'i Akoba, ny taranak'i Hatita, ny taranak'i Sobay, dia sivy amby telo-polo amby zato izy rehetra.
   
43 Nethiniens* : les fils de Tsikha, les fils de Hasupha, les fils de Tabbaoth, 43 Ary ny Netinima koa dia izao: Ny taranak'i Ziha, ny taranak'i Hasofa, ny taranak'i Tabaota,
44 les fils de Kéros, les fils de Siaha, les fils de Padon, 44 ny taranak'i Kerosa, ny taranak'i Siaha, ny taranak'i Padona,
45 les fils de Lebana, les fils de Hagaba, les fils d’Akkub, 45 ny taranak'i Lebana, ny taranak'i Hagabaha, ny taranak'i Akoba,
46 les fils de Hagab, les fils de Shamlaï, les fils de Hanan, 46 ny taranak'i Hagaba, ny taranak'i Salmay, ny taranak'i Hanana,
47 les fils de Guiddel, les fils de Gakhar, les fils de Reaïa, 47 ny taranak'i Gidela, ny taranak'i Gahara, ny taranak'i Reaia,
48 les fils de Retsin, les fils de Nekoda, les fils de Gazzam, 48 ny taranak'i Rezina, ny taranak'i Nekoda, ny taranak'i Gazama,
49 les fils d’Uzza, les fils de Paséakh, les fils de Bésaï, 49 ny taranak'i Oza, ny taranak'i Pasea, ny taranak'i Besay,
50 les fils d’Asna, les fils de Meünim*, les fils de Nephusim**, 50 ny taranak'i Asna, ny taranaky ny Meonita, ny taranaky ny Nefisita,
51 les fils de Bakbuk, les fils de Hakupha, les fils de Harkhur, 51 ny taranak'i Bakboka, ny taranak'i Hakofa, ny taranak'i Harora,
52 les fils de Batsluth les fils de Mekhida, les fils de Harsha, 52 ny taranak'i Bazlota, ny taranak'i Mehida, ny taranak'i Harsa,
53 les fils de Barkos, les fils de Sisera, les fils de Thamakh, 53 ny taranak'i Barkosa, ny taranak'i Sisera, ny taranak'i Tema,
54 les fils de Netsiakh, les fils de Hatipha. 54 ny taranak'i Nezia, ny taranak'i Hatifa.
— v. 43 : voir la note à 1 Chroniques 9: 2. — v. 51* : ou : des Maonites. — v. 51** : ou : des Nephusites.  
55 Fils des serviteurs de Salomon : les fils de Sotaï, les fils de Sophéreth, les fils de Peruda, 55 Ary ny taranaky ny mpanompon'i Solomona koa dia izao: Ny taranak'i Sotahy, ny taranak'i Sofereta, ny taranak'i Peroda,
56 les fils de Jaala, les fils de Darkon, les fils de Guiddel, 56 ny taranak'i Jala, ny taranak'i Darkona, ny taranak'i Gidela,
57 les fils de Shephatia, les fils de Hattil, les fils de Pokéreth-Hatsebaïm, les fils d’Ami. 57 ny taranak'i Sefatia, ny taranak'i Hatila, ny taranak'i Pokereta-hazebaima, ny taranak'i Amy.
   
58 Tous les Nethiniens et les fils des serviteurs de Salomon, trois cent quatre-vingt-douze. 58 Ny Netinima rehetra sy ny taranaky ny mpanompon'i Solomona dia roa amby sivi-folo amby telon-jato.
   
59 Et voici ceux qui montèrent de Thel-Mélakh, de Thel-Harsha, de Kerub-Addan, d’Immer ; mais ils ne purent pas montrer leurs maisons de pères et leur descendance*, s’ils étaient d’Israël : 59 Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Keroba sy Adana ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany izy, na avy tamin'ny Isiraely, na tsia):
60 les fils de Delaïa, les fils de Tobija, les fils de Nekoda, six cent cinquante-deux ; 60 ny taranak'i Delaia, ny taranak'i Tobia, ny taranak'i Nekoda, dia roa amby dimam-polo amby enin-jato.
61 et des fils des sacrificateurs, les fils de Hobaïa*, les fils d’Hakkots, les fils de Barzillaï, qui prit une femme d’entre les filles de Barzillaï, le Galaadite, et fut appelé de leur nom. 61 Ary ny avy tamin'ny taranaky ny mpisorona dia izao: Ny taranak'i Habaia, ny taranak'i Hakoza, ny taranak'i Barzilay; nampaka-bady avy tamin'ny zanakavavin'i Barzilay Gileadita io, ka dia notononina araka ny anarany.
62 Ceux-ci cherchèrent leur inscription généalogique, mais elle ne se trouva pas ; et ils furent exclus, comme profanes, de la sacrificature. 62 Ireo no nitady ny soratra filazana ny razany, fa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin'ny fisoronana.
63 Et le Thirshatha* leur dit qu’ils ne devaient point manger des choses très-saintes, jusqu’à ce que fût suscité** un sacrificateur avec les urim et les thummim. 63 Ary ny governora nilaza taminy fa tsy mahazo mihinana ny zavatra masina indrindra izy mandra-pitsangan'izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima.
— v. 59 : litt.: semence. — v. 61 : hébreu : ici : Habaja. — v. 63* : titre du gouverneur, sous les Perses. — v. 63** : litt.: se tint là.  
64 Toute la congrégation réunie était de quarante-deux mille trois cent soixante [personnes], 64 Ny tontalin'ny olona rehetra dia enim-polo amby telon-jato amby roa arivo sy efatra alina,
65 sans compter leurs serviteurs et leurs servantes ; ceux-ci [étaient au nombre de] sept mille trois cent trente-sept, et parmi eux, il y avait deux cents chanteurs et chanteuses. 65 afa-tsy ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny fito amby telo-polo amby telon-jato sy fito arivo; ary nisy mpihiralahy sy mpihiravavy roan-jato teo aminy;
66 Ils avaient sept cent trente-six chevaux, deux cent quarante-cinq mulets, 66 ny soavaliny dia enina amby telo-polo amby fiton-jato; ny ampondrany dia dimy amby efa-polo amby roan-jato;
67 quatre cent trente-cinq chameaux, [et] six mille sept cent vingt ânes. 67 ny ramevany dia dimy amby telo -polo amby efa-jato; ny borikiny dia roa-polo amby fiton-jato sy enina arivo.
   
68 Et des chefs des pères, quand ils arrivèrent à la maison de l’Éternel qui est à Jérusalem, donnèrent volontairement pour la maison de Dieu, pour la relever sur son emplacement ; 68 Ary ny sasany tamin'ny lohan'ny fianakaviana, rehefa tonga tao an-tranon'i Jehovah tany Jerosalema, dia nanatitra tamin'ny sitrapo hananganana ny tranon'Andriamanitra eo amin'ilay efa niorenany.
69 ils donnèrent au trésor de l’œuvre, selon leur pouvoir, soixante et un mille dariques* d’or, et cinq mille mines d’argent, et cent tuniques de sacrificateurs. 69 Nanome araka izay nananany avy izy hanampy ny vola voavory hanaovana ny asa, dia darika* volamena arivo sy enina alina ary mane volafotsy dimy arivo ary akanjo-mpisorona zato.[Izahao 1 Tan. xxix. 7]
— v. 69 : voir la note à 1 Chroniques 29:7.  
70 Et les sacrificateurs, et les lévites, et ceux du peuple, et les chantres, et les portiers, et les Nethiniens, habitèrent dans leurs villes : tout Israël se trouva dans ses villes. 70 Ary samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny sasany tamin'ny vahoaka sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra samy tao an-tanànany avy.
* *
Chapitre 3 Chapitre 3
1 Et quand arriva le septième mois, les fils d’Israël étant dans leurs villes, le peuple s’assembla comme un seul homme à Jérusalem. 1 [Ny nanombohana ny raharaham-pivavahana indray, sy ny nanorenana ny tempoly] Ary nony tonga ny volana fahafito, rehefa tafapetraka teny amin'ny tanànany avy ny Zanak'Isiraely, dia nivory tany Jerosalema toy ny olona iray izy.
2 Et Jéshua, fils de Jotsadak, et ses frères les sacrificateurs, et Zorobabel, fils de Shealthiel, et ses frères, se levèrent et bâtirent l’autel du Dieu d’Israël, pour y offrir des holocaustes, selon ce qui est écrit dans la loi de Moïse, homme de Dieu. 2 Dia nitsangana Jesoa, zanak'i Jozadaka, sy ny mpisorona rahalahiny ary Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy ny rahalahiny ka nanorina ny alitaran'Andriamanitry ny Isiraely hanaterana fanatitra dorana eo amboniny, araka izay voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra.
3 Et ils établirent l’autel sur son emplacement ; car la terreur des peuples de ces contrées était sur eux ; et ils offrirent dessus des holocaustes à l’Éternel, les holocaustes du matin et du soir. 3 Dia naoriny teo amin'ilay efa niorenany ihany ny alitara, satria natahotra ny tompon-tany izy, ary nanatitra fanatitra dorana teo amboniny ho an'i Jehovah izy, dia ny fanatitra dorana marain-tsy hariva.
4 Et ils firent la fête des tabernacles selon ce qui est écrit, et les holocaustes, jour par jour, selon leur nombre, selon l’ordonnance, le service de chaque jour* en son jour, 4 Ary nitandrina ny andro firavoravoana fitoerana ao amin'ny trano rantsan-kazo koa izy, araka ny voasoratra, sy ny amin'ny fanatitra dorana isan'andro araka ny isany avy, tahaka ny fanao, araka izay voatendry hatao isan'andro avy.
5 et après cela l’holocauste continuel, et celui des nouvelles lunes et de tous les jours solennels de l’Éternel qui étaient sanctifiés, et [les holocaustes] de tous ceux qui offraient une offrande volontaire à l’Éternel. 5 Ary rehefa afaka izany, dia nanatitra ny fanatitra dorana mandrakariva izy sy ilay fanao amin'ny voaloham-bolana sy amin'ny fotoam-pivavahana nohamasinina rehetra izay voatendrin'i Jehovah ary ny avy amin'izay rehetra nanatitra fanati-tsitrapo ho an'i Jehovah.
6 Depuis le premier jour du septième mois ils commencèrent à offrir des holocaustes à l’Éternel ; mais les fondements du temple de l’Éternel n’étaient pas encore posés. 6 Tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafito no niantomboka nanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah izy. Nefa tsy mbola natao ny fanorenan'ny tempolin'i Jehovah.
7 Et ils donnèrent de l’argent aux tailleurs de pierres et aux charpentiers, et des vivres et des boissons et de l’huile aux Sidoniens et aux Tyriens, pour amener du Liban des bois de cèdre à la mer de Japho*, suivant l’autorisation qu’ils avaient de Cyrus, roi de Perse. 7 Ary nomeny vola ny mpipai-bato sy ny mpandrafitra, ary ny any Tyro sy ny any Sidona dia nomeny zavatra hohanina sy hosotroina sy diloilo mba hitondrany hazo sedera avy any Libanona hatramin'ny ranomasina any Jopa, araka ny teny efa azony tamin'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia.
— v. 4 : litt.: la chose d’un jour. — v. 7 : ou : Joppé.  
8 Et la seconde année de leur arrivée à la maison de Dieu à Jérusalem,* au second mois, Zorobabel, fils de Shealthiel, et Jéshua, fils de Jotsadak, et le reste de leurs frères, les sacrificateurs et les lévites, et tous ceux qui étaient venus de la captivité à Jérusalem, commencèrent ; et ils établirent les lévites, depuis l’âge de vingt ans et au-dessus, pour surveiller l’œuvre de la maison de l’Éternel. 8 Ary tamin'ny volana faharoa tamin'ny taona faharoa taorian'ny nahatongavany tany amin'ny tranon'Andriamanitra tany Jerosalema dia niantomboka Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Jesoa, zanak'i Jozadaka, mbamin'ny rahalahiny sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita ary izay rehetra tonga tany Jerosalema avy tany amin'ny fahababoana, ka nanendry ny Levita izay hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra izy ho tonian'ny asa amin'ny tranon'i Jehovah.
9 Alors Jéshua et ses fils et ses frères, Kadmiel et ses fils, les fils de Juda*, se tinrent là comme un seul [homme] pour surveiller ceux qui faisaient l’ouvrage dans la maison de Dieu, [et aussi] les fils de Hénadad, leurs fils et leurs frères, les lévites. 9 Dia niara-nitsangana Jesoa sy ny zanany ary ny rahalahiny, ary Kadmiela sy ny zanany, zanak'i Joda, ho tonian'ny mpiasa tamin'ny tranon'Andriamanitra, ary ny zanak'i Henadada koa mbamin'ny zanany sy ny Levita rahalahiny.
10 Et lorsque ceux qui bâtissaient posèrent les fondements du temple de l’Éternel, on fit assister les sacrificateurs revêtus [de leurs robes], avec des trompettes, et les lévites, fils d’Asaph, avec des cymbales, pour louer l’Éternel selon les directions de David, roi d’Israël. 10 Ary rehefa naorin'ny mpiasa ny tempolin'i Jehovah, dia nasainy hidera an'i Jehovah ny mpisorona, sady niakanjo ny akanjony sy nitondra trompetra, ary ny Levita, zanak'i Asafa, kosa nitondra kipantsona, araka ny nandidian'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely.
11 Et ils s’entre-répondaient en louant et en célébrant l’Éternel : Car il est bon, car sa bonté envers Israël [demeure] à toujours. Et tout le peuple poussa de grands cris, en louant l’Éternel, parce qu’on posait les fondements de la maison de l’Éternel. 11 Dia nanao hira nifamalivaly nidera sy nisaotra an'i Jehovah izy, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony amin'ny Isiraely. Dia nihoby mafy ny olona rehetra, raha nidera an'i Jehovah, satria vita ny fanorenan'ny tranon'i Jehovah.
12 Et beaucoup d’entre les sacrificateurs, et d’entre les lévites, et d’entre les chefs des pères, les vieillards qui avaient vu la première maison, pleuraient à haute voix lorsque les fondements de cette maison furent posés devant leurs yeux, et beaucoup poussaient des cris de joie, en élevant leur voix ; 12 Nefa maro ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan'ny fianakaviana, dia ny antitra izay efa nahita ny trano voalohany, no nitomany mafy dia mafy, nony naorina teo imasony izany trano izany; nefa maro kosa no nanandratra ny feony nihoby sy nifaly;
13 et le peuple ne pouvait distinguer entre le bruit des cris de joie et la voix du peuple qui pleurait ; car le peuple poussait de grands cris, et le bruit s’entendait au loin. 13 ka dia tsy fantatry ny olona izay fifaliana na izay fitomaniana noho izany horakoraka be izany, fa nihoby mafy ny olona, ka re lavitra ny horakoraka.
— v. 8 : date : A.C. 536. — v. 9 : ou plutôt Hodavia ; voir 2:40.  
* *
Chapitre 4 Chapitre 4
1 Et les ennemis de Juda et de Benjamin entendirent que les fils de la transportation bâtissaient le temple de l’Éternel, le Dieu d’Israël ; 1 [Ny nataon'ny Samaritana hisakanana ny Jiosy tsy hanao ny tempoly sy ny nandraran'ny mpanjakan'i Persia azy tsy hanao intsony] Ary nony ren'ny fahavalon'ny Joda sy ny Benjamina fa ireo efa nody avy tamin'ny fahababoana dia efa manao tempoly ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
2 et ils s’approchèrent de Zorobabel et des chefs des pères, et leur dirent : Nous bâtirons avec vous, car nous recherchons votre Dieu, comme vous, et nous lui offrons des sacrifices depuis les jours d’Ésar-Haddon, roi d’Assyrie, qui nous a fait monter ici. 2 dia nanatona an'i Zerobabela sy ny lohan'ny fianakaviana izy ka nanao taminy hoe: Aoka mba hiara-manao aminareo izahay, fa mitady an'Andriamanitrareo tahaka anareo ihany koa izahay, ary ho Azy no namonoanay zavatra hatao fanatitra hatramin'ny andron'i Esara-hadona, mpanjakan'i Asyria, izay efa nampakatra anay ho atỳ.
3 Et Zorobabel, et Jéshua, et le reste des chefs des pères d’Israël, leur dirent : Vous n’avez pas affaire avec nous pour bâtir une maison à notre Dieu, mais nous seuls, nous bâtirons à l’Éternel, le Dieu d’Israël, comme nous l’a commandé le roi Cyrus, roi de Perse. 3 Fa Zerobabela sy Jesoa mbamin'ny namany lohan'ny fianakaviana tamin'ny Isiraely namaly azy hoe: Tsy misy raharaha hikambananareo aminay amin'ny hanaovana trano ho an'Andriamanitray; fa izahay ihany no hanao trano ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, araka izay efa nandidian'itompokolahy Kyrosy, mpanjakan'i Persia, anay.
4 Alors le peuple du pays rendit lâches les mains du peuple de Juda ; 4 Ary ny tompon-tany nanao izay hampiraviravy tanana ny Jiosy sy nandevilevy azy mba tsy hanao ny trano
5 et ils leur firent peur de bâtir, et ils soudoyèrent contre eux des conseillers pour faire échouer leur plan, durant tous les jours de Cyrus, roi de Perse, et jusqu’au règne de Darius, roi de Perse. 5 sady nanamby olona hanome hevitra hanohitra azy hahafoana ny heviny hatramin'ny andro nanjakan'i Kyrosy tany Persia ka hatramin'ny nanjakan'i Dariosy, mpanjakan'i Persia.
   
6 Et sous le règne d’Assuérus, au commencement de son règne,* ils écrivirent une accusation contre les habitants de Juda et de Jérusalem. 6 Ary raha vao nanjaka Ahasoerosy, dia nanoratra ho any aminy ireo hanendrikendrika ny mponina tany Joda sy Jerosalema.
7 Et aux jours d’Artaxerxès,* Bishlam, Mithredath, Tabeël et le reste de ses collègues, écrivirent à Artaxerxès, roi de Perse ; et la lettre était écrite en écriture syriaque et traduite en syriaque : 7 Ary tamin'ny andron'i Artaksersesy no nanoratan'i Bislama sy Mitredata sy Tabela mbamin'ny namany sisa ho any amin'i Artaksersesy, mpanjakan'i Persia; ary ny soratra tamin'ny taratasy dia nataony tarehin-tsoratra Syriana* sady nataony teny Syriana* koa.[Heb. Aramiana]
8 Rehum, chancelier, et Shimshaï, secrétaire, écrivirent une lettre contre Jérusalem au roi Artaxerxès, en ces termes. 8 Rehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra dia nanoratra taratasy ho any amin'i Artaksersesy mpanjaka hanendrikendrika an'i Jerosalema toy izao:
9 Alors Rehum, chancelier, et Shimshaï, secrétaire, et le reste de leurs collègues, les Dinites, les Apharsathkites, les Tarpelites, les Apharsites, les Arkévites, les Babyloniens, les Susankites, les Déhaviens, les Élamites, 9 Rehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra ary ny namany sisa, dia ny Dinaita, ny Afarsatkita, ny Tarpelita, ny Afarsaita, ny Arkevita, ny Babyloniana, ny Sosanita, ny Dehavita sy ny Elamita,
10 et le reste des peuplades que le grand et noble Osnappar transporta et fit habiter dans les villes* de Samarie et dans le reste [du pays] de ce côté du fleuve**, etc… 10 mbamin'ny firenena sisa izay nentin'i Asnapara lehibe sady malaza ho babo, ka namponeniny tany an-tanàna Samaria sy tany amin'ny tany sasany etỳ an-dafin'ny ony etỳ...
11 C’est ici la copie de la lettre qu’ils lui envoyèrent : Au roi Artaxerxès : Tes serviteurs, les hommes de ce côté du fleuve, etc. 11 Izao no teny amin'ny taratasy nampitondrainy ho any amin'i Artaksersesy mpanjaka: Ny lehilahy mpanomponao etỳ an-dafin'ny ony etỳ .....
12 Que le roi sache que les Juifs qui sont montés de chez toi vers nous [et] sont venus à Jérusalem, bâtissent la ville rebelle et méchante, et que les murailles s’achèvent, et qu’ils restaurent* les fondements. 12 Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa ny Jiosy, izay niakatra avy tany aminao hankatỳ aminay, dia efa tonga any Jerosalema ka manamboatra ilay tanàna fikomiana sady ratsy, dia mahavita ny mandany izy izao ary manamboatra ny fanorenany koa.
13 Que le roi sache donc que si cette ville est bâtie et que ses murailles s’achèvent, ils ne payeront ni tribut, ni impôt, ni péage, et, plus tard, cela portera préjudice aux rois. 13 Koa aoka ho fantatry ny mpanjaka fa raha hatao io tanàna io, ka hatsangana indray ny mandany, dia tsy hety handoa hetra, na haba, na sara, izy; ka dia hahatonga fatiantoka ho an'ny fanjakana izany any aoriana.
14 Or comme nous mangeons* le sel du palais, et qu’il n’était pas convenable pour nous de voir qu’on faisait tort au roi, à cause de cela nous avons envoyé et nous avons informé le roi, 14 Koa satria mahazo ny fivelomanay* avy amin'ny lapan'ny mpanjaka izahay, dia tsy mety raha odianay tsy hita ny fatiantoky ny fanjakana, ka dia efa naniraka hampahafantatra ny mpanjaka izany izahay, [Heb. mihinana ny sira]
15 afin qu’on cherche dans le livre des annales de tes pères : et tu trouveras dans le livre des annales et tu sauras que cette ville est une ville rebelle, et qu’elle a porté préjudice aux rois et aux provinces, et que, dès les jours anciens, on y a fait des séditions ; c’est pourquoi cette ville a été détruite. 15 mba hizahana ny boky tantaran'ny razanao; dia ho hitanao eo amin'ny boky tantara, ka ho fantatrao fa tanàna fikomiana io tanàna io ka naha-fatiantoka ny mpanjaka sy ny tany maro, sady efa nisy fikomiana niseho tao hatrizay ela izay; koa izany no nandravana io tanàna io.
16 Nous faisons savoir au roi que si cette ville est rebâtie et que ses murailles s’achèvent, à cause de cela, tu n’auras plus de possession* de ce côté du fleuve. 16 Ary mampahafantatra ny mpanjaka izahay fa raha hamboarina io tanàna io, ka vita ny mandany, dia tsy hanana fanjakana amin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ intsony ianao.
— v. 6 : date : A.C. 529. — v. 7 : date : A.C. 522. — v. 10* : ou, litt.: la ville. — v. 10** : litt.: de l’autre côté du fleuve, c. à d. le pays situé à l’ouest de l’Euphrate. — v. 12 : litt.: lient ensemble. — v. 14 : litt.: salons. — v. 16 : litt.: portion.  
17 Le roi envoya un rescrit à Rehum, chancelier, et à Shimshaï, secrétaire, et au reste de leurs collègues qui habitaient à Samarie, et dans le reste [du pays] de l’autre côté du fleuve : Paix, etc. 17 Dia nampitondrain'ny mpanjaka ny valiny ho any amin-dRehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra mbamin'ny namany sisa izay nonina tany Samaria sy tany amin'ny tanàna sasany an-dafin'ny ony, nanao hoe: Fiadanana .....
18 La lettre que vous nous avez envoyée a été lue exactement devant moi. 18 Ny taratasy izay nampitondrainareo ho atỳ aminay dia efa voavaky tsara teo anatrehako;
19 Et de par moi un ordre a été donné, et on a cherché, et on a trouvé que, dès les jours anciens, cette ville s’est soulevée contre les rois, et qu’il s’y est fait des révoltes et des séditions, 19 ary izaho nandidy, ka nasaiko nizahana, dia hita fa nanandra-tena nikomy tamin'ny mpanjaka maro hatrizay ela izay tokoa io tanàna io, ka nisy fikomiana sy fihodinana niseho teo.
20 et qu’il y a eu sur Jérusalem de puissants rois qui ont régné sur tout ce qui est de l’autre côté du fleuve, et que le tribut, l’impôt, et le péage leur ont été payés. 20 Ary efa nisy mpanjaka mahery izay nanjaka tany Jerosalema nanapaka ny tany rehetra any an-dafin'ny ony ka nandoavana hetra sy haba ary sara.
21 Ainsi, donnez ordre de faire cesser ces hommes, et que cette ville ne soit pas bâtie, jusqu’à ce que l’ordre en soit donné de par moi. 21 Koa dia manaova didy hampitsahatra ireo olona ireo, mba tsy hamboarina io tanàna io, raha tsy mahazo teny avy atỳ amiko.
22 Gardez-vous de manquer à faire cela : pourquoi le dommage augmenterait-il au préjudice des rois ? 22 Ary tandremo tsara, fandrao misy tsy vitanareo izany; fa nahoana no havela handroso ny ratsy ka hahatonga fatiantoka ho an'ny fanjakana?
23 Alors, aussitôt que la copie de la lettre du roi Artaxerxès eut été lue devant Rehum et Shimshaï, le secrétaire, et leurs collègues, ils allèrent en hâte à Jérusalem vers les Juifs, et les firent cesser par force et par puissance. 23 Ary rehefa voavaky teo anatrehan-dRehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra mbamin'ny namany ny taratasin'i Artaksersesy mpanjaka, dia niakatra faingana ho any Jerosalema ho any amin'ny Jiosy izy ka nampitsahatra azy an-keriny*. [Heb. amin-tsandry aman-kery]
24 Alors le travail de la maison de Dieu* qui est à Jérusalem cessa ; et il fut arrêté jusqu’à la seconde année du règne de Darius**, roi de Perse. *** 24 Dia natsahatra tsy natao ny tranon'Andriamanitra, izay tany Jerosalema; ary mbola nitsahatra ihany izany hatramin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosy, mpanjakan'i Persia.
— v. 24* : Les parties du livre écrites en araméen sont : 4:8-16 et 18-23, et 7:12-26. Elles ont toujours : Élah au lieu d’Éloah (comparer Deut. 32:15). — v. 24** : Darius I, fils d’Hystaspe. — v. 24*** : date : A.C. 519.  
* *
Chapitre 5 Chapitre 5
1 Et les prophètes, Aggée le prophète, et Zacharie, fils d’Iddo, prophétisèrent aux Juifs qui étaient en Juda et à Jérusalem, au nom du Dieu d’Israël. 1 [Ny namporisihan'i Hagay sy Zakaria ny Jiosy handroso hanao na tempoly indray, sy ny naneken'i Dariosy, mpanjakan'i Persia, ny hanaovany azy] Ary ny mpaminany, dia Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak'Ido, naminany tamin'ny Jiosy tany Joda sy Jerosalema tamin'ny anaran'Andriamanitry ny Isiraely izay tao aminy.
2 Alors Zorobabel, fils de Shealthiel, et Jéshua, fils de Jotsadak, se levèrent et commencèrent à bâtir la maison de Dieu qui est à Jérusalem ; et avec eux, les prophètes de Dieu qui les assistaient. 2 Dia nitsangana Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Jesoa, zanak'i Jozadaka, ka nanomboka nanao ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema indray; ary ireo mpaminanin'Andriamanitra ireo dia teo aminy ka nanampy azy.
3 En ce temps-là, Thathnaï, gouverneur de ce côté du fleuve, et Shethar-Boznaï, et leurs collègues, vinrent vers eux, et leur parlèrent ainsi : Qui vous a donné ordre de bâtir cette maison et d’achever cette muraille ? 3 Ary tamin'izany andro izany ihany koa dia nankany amin'ireo Tatenay, governoran'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ, sy Setara-bozenay mbamin'ny namany; ka izao no nataony taminy: Iza no nandidy anareo hanao io trano io sy hahavita io manda io?
4 Alors nous leur dîmes* quels étaient les noms des hommes qui bâtissaient cet édifice. 4 Ary izao koa no nataonay* taminy Iza avy no anaran'izay lehilahy manao io trano io? [Na: (nataony)]
5 Et l’œil de leur Dieu était sur les anciens des Juifs ; et ils ne les firent pas cesser jusqu’à ce que l’affaire parvint à Darius ; et alors ils répondirent par lettre à ce sujet. 5 Nefa ny mason'Andriamaniny nitsinjo ny loholon'ny Joda, ka tsy nahasakana azy ireo, mandra-pahatongan'ny teny ho any amin'i Dariosy sy ny nahazoany ny valiny ny amin'izany raharaha izany.
— v. 4 : litt.: dîmes ainsi.  
6 Copie de la lettre que Thathnaï, gouverneur de ce côté du fleuve, et Shethar-Boznaï et ses collègues les Apharsakites, qui étaient de ce côté du fleuve, envoyèrent au roi Darius. 6 Ny tenin'ny taratasy izay nampitondrain'i Tatenay, governoran'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ, sy Setara-bozenay ary ny Afarsekita namany, izay amin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ; ho any amin'i Dariosy mpanjaka;
7 Ils lui envoyèrent un rapport dans lequel il était ainsi écrit : Au roi Darius, toute paix ! 7 eny, nampitondrainy ho any aminy ny taratasy izay nisy teny toy izao: Ho an'i Dariosy mpanjaka anie ny fiadanana be.
8 Qu’il soit connu du roi que nous sommes allés dans la province de Juda, à la maison du grand Dieu ; et elle se bâtit avec de grandes pierres*, et le bois se pose dans les murs ; et cet ouvrage se poursuit avec zèle et prospère dans leurs mains. 8 Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa nankany amin'ny tany Joda izahay ho any an-tranon'Andriamanitra lehibe, izay atao amin'ny vato vaventy, sady misy hazo alatsaka amin'ny rindrin-trano, ary mandroso tsara izany asa izany sady ambinina eo an-tànany.
9 Alors nous avons interrogé ces anciens, nous leur avons parlé ainsi : Qui vous a donné ordre de bâtir cette maison et d’achever cette muraille ? 9 Dia nanontany ireo loholona ireo izahay nanao hoe: Iza no nandidy anareo hanao io trano io sy hanangana io manda io?
10 Et nous leur demandâmes aussi leurs noms pour te les faire savoir, afin de t’écrire les noms des hommes qui sont les principaux parmi eux ; 10 Nanontany ny anarany avy koa izahay mba hampahafantarinay anao sy hosoratanay ny anaran'ny olona izay lohany;
11 et ils répondirent ainsi, disant : Nous sommes les serviteurs du Dieu des cieux et de la terre, et nous bâtissons la maison qui fut bâtie anciennement, il y a bien des années ; et un grand roi d’Israël l’a bâtie et achevée. 11 ka izao no teny navaliny anay: Izahay dia mpanompon'Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ka manamboatra ny trano izay efa vita ela, fa ny mpanjaka lehibe anankiray tamin'ny Isiraely no nanao sy nahavita azy.
12 Mais quand nos pères provoquèrent le Dieu des cieux, il les livra en la main de Nebucadnetsar, roi de Babylone, le Chaldéen, et il détruisit cette maison et transporta le peuple à Babylone. 12 Fa noho ny nampahatezeran'ny razanay an'Andriamanitry ny lanitra, dia natolony izy ho eo an-tànan'i Nebokadnezara Kaldeana, mpanjakan'i Babylona, izay efa nandrava io trano io ka nitondra ny olona ho babo tany Babylona.
13 Mais la première année de Cyrus, roi de Babylone, le roi Cyrus donna ordre de bâtir cette maison de Dieu. 13 Fa tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Babylona, kosa dia nanao didy Kyrosy mpanjaka, mba hatao indray io tranon'Andriamanitra io.
14 Et aussi les ustensiles d’or et d’argent de la maison de Dieu, que Nebucadnetsar a sortis du temple qui était à Jérusalem et a emportés dans le temple de Babylone, le roi Cyrus les sortit du temple de Babylone, et les livra au nommé Sheshbatsar, qu’il avait fait gouverneur ; 14 Ary ny fanaka volamena sy volafotsy momba ny tranon'Andriamanitra, izay efa nalain'i Nebokadnezara tao amin'ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny ho any amin'ny tempoly any Babylona, dia nalain'i Kyrosy mpanjaka tao amin'ny tempoly any Babylona ka natolotra tamin'ny anankiray atao hoe Sesbazara, izay efa notendreny ho governora;
15 et il lui dit : Prends ces ustensiles, va, place-les dans le temple qui est à Jérusalem, et qu’on bâtisse la maison de Dieu sur son emplacement. 15 ary hoy izy taminy: Raiso ireo fanaka ireo, ka andeha, apetraho ao amin'ny tempoly izay any Jerosalema; ary aoka ny tranon'Andriamanitra hatsangana eo amin'ilay efa niorenany ihany.
16 Alors ce Sheshbatsar est venu et a posé les fondements de la maison de Dieu qui est à Jérusalem, et depuis lors jusqu’à présent elle se bâtit ; mais elle n’est pas achevée. 16 Dia avy Sesbazara ka nanao ny fanorenan'ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema; ary hatramin'izany andro izany ka mandraka ankehitriny dia efa natao ihany izy, saingy tsy mbola vita.
17 Et maintenant, s’il semble bon au roi, qu’on recherche dans la maison des trésors du roi, qui est là à Babylone, s’il est vrai que, de par le roi Cyrus, ordre a été donné de bâtir cette maison de Dieu à Jérusalem ; et que le roi nous envoie sa volonté sur cela. 17 Koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hizahana ny trano firaketan'ny mpanjaka, izay any Babylona, na misy didy nataon'i Kyrosy mpanjaka hanaovana io tranon'Andriamanitra any Jerosalema io, na tsia; ary aoka ny sitrapon'ny mpanjaka hambarany aminay ny amin'izany zavatra izany.
— v. 8 : litt.: pierres qu’on roule.  
Chapitre 6 Chapitre 6
1 Alors le roi Darius donna ordre, et on chercha dans la maison des archives où étaient déposés les trésors, à Babylone. 1 Ary tamin'izany Dariosy mpanjaka dia nandidy, ka nizahana ny trano fitehirizan-taratasy, izay nitehirizana ny rakitra tany Babylona.
2 Et on trouva à Akhmetha*, dans la capitale** qui est dans la province de Médie, un rouleau, et, dedans, un mémoire ainsi écrit : 2 Dia tao Akmeta, tao an-dapa izay any amin'ny tanin'ny Mediana, no nahitana horonan-taratasy anankiray, ka voasoratra teo izao tantara izao:
3 La première année du roi Cyrus, le roi Cyrus donna l’ordre, touchant la maison de Dieu à Jérusalem : Que la maison soit bâtie pour être un lieu où l’on offre* des sacrifices, et que ses fondements soient solides. Sa hauteur sera de soixante coudées, sa largeur de soixante coudées, 3 Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy dia nandidy izy nanao hoe: Ny amin'ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema, dia aoka hatao mihitsy izany ho fanateran'ny olona fanatitra, ary aoka hatao mafy ny fanorenany, ka enim-polo hakiho ny hahavony, ary enim-polo hakiho koa ny sakany,
4 [avec] trois rangées de grandes pierres*, et une rangée de bois neuf ; et que les dépenses soient payées par la maison du roi ; 4 dia vato vaventy telo andalana sy hazo vaovao iray andalana; ary aoka haloa avy amin'ny tranon'ny mpanjaka izay lany;
5 et aussi que les ustensiles d’or et d’argent de la maison de Dieu, que Nebucadnetsar a sortis du temple de Jérusalem et a emportés à Babylone, soient rendus, et qu’on les porte au temple de Jérusalem, en leur lieu ; et tu les placeras dans la maison de Dieu. 5 ary ny fanaky ny tranon'Andriamanitra, na ny volamena na ny volafotsy, izay nalain'i Nebokadnezara tao amin'ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny ho any Babylona, dia aoka haverina ho any amin'ny tempoly any Jerosalema indray ireo, samy ho amin'ny fitoerany avy, ka aoka hapetraka ao an-tranon'Andriamanitra avokoa.
6 Ainsi, Thathnaï, gouverneur de l’autre côté du fleuve, Shethar-Boznaï, et leurs collègues, les Apharsakites, qui êtes de l’autre côté du fleuve, tenez-vous loin de là ; 6 Koa amin'izany, ry Tatenay, governora any an-dafin'ny ony, sy ry Setara-bozenay mbamin'ny Afarsakita namanareo, izay any an-dafin'ny ony, mihataha ianareo.
7 laissez se faire le travail de cette maison de Dieu. Que le gouverneur des Juifs et les anciens des Juifs bâtissent cette maison de Dieu sur son emplacement. 7 Aza misakana ny fanaovana io tranon'Andriamanitra io; aoka ny mpanapaka ny Jiosy sy ny loholon'ny Jiosy hanao io tranon'Andriamanitra io eo amin'ilay efa niorenany ihany.
8 Et, de par moi, ordre est donné touchant ce que vous ferez à l’égard de ces anciens des Juifs pour la construction de cette maison de Dieu : Que, des biens du roi provenant du tribut de l’autre côté du fleuve, les dépenses soient promptement payées à ces hommes, pour qu’ils ne soient pas interrompus ; 8 Ary izaho manao didy ny amin'ny hataonareo amin'ny loholon'ireo Jiosy ireo hanaovany izany tranon'Andriamanitra izany: aoka ny haren'ny mpanjaka, dia ny hetra avy amin'ny any an-dafin'ny ony, no handoavana marina izay lany ho an'ireo lehilahy ireo, mba tsy ho azon-tsampona izy.
9 et que ce qui leur est nécessaire, jeunes taureaux, et béliers, et agneaux, pour les holocaustes au Dieu des cieux, froment, sel, vin, et huile, selon l’ordre des sacrificateurs qui sont à Jérusalem, leur soit donné, jour par jour, sans manquer, 9 Ary izay zavatra ilainy, na zanak'omby, na ondrilahy, na zanak'ondry, ho fanatitra dorana ho an'Andriamanitry ny lanitra, na vary tritika na sira, na divay sy diloilo, araka izay andidian'ny mpisorona any Jerosalema, dia aoka homena azy isan'andro isan'andro tsy tapaka izany,
10 afin qu’ils offrent* de l’encens au Dieu des cieux et qu’ils prient pour la vie du roi et de ses fils. 10 mba hanaterany fanatitra ho hanitra ankasitrahana ho an'Andriamanitry ny lanitra sy hivavahany mba ho ela velona ny mpanjaka mbamin'ny zanany.
11 Et de par moi ordre est donné, que si quelque homme change ce rescrit, un bois soit arraché de sa maison et dressé, et qu’il y soit attaché, et que sa maison soit réduite en un tas de fumier à cause de cela. 11 Ary izaho manao didy fa na iza na iza no mandika izao teny izao, dia aoka hangalana hazo avy amin'ny tranony, ary haorina, dia hahantona eo ny tenany; ary aoka hatao firinga ny tranony noho izany.
12 Et que le Dieu qui y a fait demeurer son nom renverse tout roi et peuple qui étendrait sa main pour changer [et] pour détruire cette maison de Dieu qui est à Jérusalem. Moi, Darius, j’ai donné [cet] ordre ; qu’il soit promptement exécuté. 12 Ary Andriamanitra, Izay efa nampitoetra ny anarany teo, anie handringana ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra, izay maninjitra ny tanany handika ny didiko ka handrava izany tranon'Andriamanitra any Jerosalema izany. Izaho Dariosy no nanao ny didy; aoka hotovina marina tokoa izany.
— v. 2* : Ecbatane, capitale de la Grande Médie. — v. 2** : ou : forteresse, château fort. — v. 3 : litt.: sacrifie. — v. 8 : litt.: pierres qu’on roule. — v. 10 : offrir, ici et verset 17, et 7:17, ailleurs : présenter.  
13 Alors Thathnaï, gouverneur de ce côté du fleuve, Shethar-Boznaï, et leurs collègues, firent ainsi promptement, selon [l’ordre] que le roi Darius avait envoyé. 13 [Ny nahavitana ny tempoly, sy ny nitokanana azy] Ary tamin'izany Tatenay, governora amin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ, sy Setarabozenay mbamin'ny namany dia nankato marina izany teny efa nampitondrain'i Dariosy ho any aminy izany.
14 Et les anciens des Juifs bâtirent et prospérèrent par la prophétie d’Aggée, le prophète, et de Zacharie, fils d’Iddo. Et ils bâtirent et achevèrent, selon l’ordre du Dieu d’Israël et selon l’ordre de Cyrus, et de Darius, et d’Artaxerxès, roi de Perse. 14 Dia nanao ny trano ny loholon'ny Jiosy ka nambinina noho ny faminanian'i Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak'Ido. Ary nanao ny trano izy ka nahavita azy, araka ny didin'Andriamanitry ny Isiraely sy araka ny didin'i Kyrosy sy Dariosy ary Artaksersesy, mpanjakan'i Persia.
15 Et cette maison fut achevée le troisième jour du mois d’Adar : c’était la sixième année du règne du roi Darius. * 15 Dia vita io trano io tamin'ny andro fahatelo tamin'ny volana Adara tamin'ny taona fahenina nanjakan'i Dariosy mpanjaka.
— v. 15 : date : A.C. 515.  
16 Et les fils d’Israël, les sacrificateurs et les lévites, et le reste des fils de la transportation, célébrèrent la dédicace de cette maison de Dieu avec joie ; 16 Ary ny Zanak'Isiraely, na ny mpisorona, na ny Levita, na ny olona sisa izay nody avy tamin'ny fahababoana, dia nitokana io tranon'Andriamanitra io tamin'ny fifaliana;
17 et ils offrirent pour la dédicace de cette maison de Dieu, cent taureaux, deux cents béliers, quatre cents agneaux, et, comme sacrifice pour le péché, pour tout Israël, douze boucs, selon le nombre des tribus d’Israël. 17 ary ny nateriny hitokanana io tranon'Andriamanitra io dia omby zato sy ondrilahy roan-jato sy zanak'ondry efa-jato; ary ny ho fanatitra noho ny ota kosa ho an'ny Isiraely rehetra dia osilahy roa ambin ny folo, araka ny isan'ny firenen'Isiraely.
18 Et ils établirent les sacrificateurs dans leurs classes, et les lévites dans leurs divisions, pour le service de Dieu à Jérusalem, selon ce qui est écrit au livre de Moïse. 18 Dia nanendry ny mpisorona ho amin'ny firazanany avy sy ny Levita ho amin'ny antokony avy izy, hanao ny fanompoana an'Andriamanitra izay any Jerosalema, araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'i Mosesy.
   
19 Et les fils de la transportation célébrèrent la Pâque le quatorzième [jour] du premier mois ; 19 Ary ny olona izay efa nody avy tamin'ny fahababoana dia nitandrina ny Paska tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany;
20 car les sacrificateurs et les lévites s’étaient purifiés comme un seul [homme] : ils étaient tous purs ; et ils égorgèrent la pâque pour tous les fils de la transportation, et pour leurs frères les sacrificateurs, et pour eux-mêmes. 20 fa ny mpisorona sy ny Levita samy efa nanadio ny tenany rahateo, dia nadio izy rehetra ka namono ny Paska ho an'izay rehetra efa nody avy tamin'ny fahababoana sy ho an'ny mpisorona rahalahiny ary ho an'ny tenany,
21 Et les fils d’Israël qui étaient de retour de la transportation [en] mangèrent, et, avec eux, tous ceux qui s’étaient séparés de l’impureté des nations du pays pour rechercher l’Éternel, le Dieu d’Israël. 21 Dia nihinana izany ny Zanak'Isiraely izay efa nody avy tamin'ny fahababoana mbamin'izay rehetra niavaka ho namany ka niala tamin'ny fahalotoan'ny firenena tompon-tany hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
22 Et ils célébrèrent la fête des pains sans levain pendant sept jours, avec joie ; car l’Éternel les avait rendus joyeux, et il avait tourné vers eux le cœur du roi d’Assyrie, pour fortifier leurs mains dans l’œuvre de la maison de Dieu, du Dieu d’Israël. 22 ka dia nitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira hafitoana tamin'ny fifaliana izy; fa Jehovah efa nampifaly azy ary efa nampiova ny fon'ny mpanjakan'i Asyria hamindra fo aminy ka hampahery ny tànany tamin'ny nanaovany ny tranon'Andriamanitra, dia Andriamanitry ny Isiraely.
* *
Chapitre 7 Chapitre 7
1 Et après ces choses, sous le règne d’Artaxerxès*, roi de Perse, Esdras, fils de Seraïa, fils d’Azaria, fils de Hilkija, 1 [Ny nandehanan'ny Jiosy maro koa izay nentin'i Ezra avy tany Babylona] Ary rehefa afaka izany, tamin'ny nanjakan'i Artaksersesy, mpanjakan'i Persia, dia niakatra Ezra, zanak'i Seraia, zanak'i Azaria, zanak'i Hilklay
2 fils de Shallum, fils de Tsadok, fils d’Akhitub, 2 zanak'i Saloma, zanak'i Zadoka, zanak'i Ahitoba,
3 fils d’Amaria, fils d’Azaria, fils de Meraïoth, 3 zanak'i Amaria, zanak'i Azaria, zanak'i Meraiota,
4 fils de Zerakhia, fils d’Uzzi, fils de Bukki, 4 zanak'i Zerahia, zanak'i Ozy, zanak'i Boky,
5 fils d’Abishua, fils de Phinées, fils d’Éléazar, fils d’Aaron, le chef des sacrificateurs, 5 zanak'i Abisoa, zanak'i Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona mpisoronabe;
6 — cet Esdras monta de Babylone : il était un scribe versé dans la loi de Moïse qu’avait donnée l’Éternel, le Dieu d’Israël. Et le roi lui accorda toute sa requête, selon que la main de l’Éternel, son Dieu, était sur lui. 6 io Ezra io dia niakatra avy tany Babylona (mpanora-dalàna izy sady nahay ny lalàn'i Mosesy, izay efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely); ary nomen'ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, araka ny nomban'ny tànan'i Jehovah Andriamaniny azy.
7 (Et [un certain nombre] des fils d’Israël, et des sacrificateurs, et des lévites, et des chantres, et des portiers, et des Nethiniens, montèrent à Jérusalem, la septième année du roi Artaxerxès). 7 Ary niakatra koa ny sasany amin'ny Zanak'Isiraely sy ny sasany amin'ny mpisorona mbamin'ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima mba hankany Jerosalema tamin'ny taona fahafito nanjakan'i Artaksersesy mpanjaka.
8 Et il arriva à Jérusalem, le cinquième mois ; c’était la septième année du roi. * 8 Ary tonga tany Jerosalema Ezra tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahafito nanjakan'ny mpanjaka.
9 Car le premier [jour] du premier mois le projet de partir de Babylone fut arrêté* ; et le premier [jour] du cinquième mois il arriva à Jérusalem, selon que la bonne main de son Dieu était sur lui. 9 Fa tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany no niaingany niakatra avy tany Babylona; ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahadimy no nahatongavany tany Jerosalema araka ny soa nataon'ny tànan'Andriamaniny taminy.
10 Car Esdras avait disposé son cœur à rechercher la loi de l’Éternel, et à la faire, et à enseigner en Israël les statuts et les ordonnances. 10 Fa Ezra nampiomana ny fony hitady ny lalàn'i Jehovah ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika.
— v. 1 : très-probablement : Artaxerxès I, dit Longue-Main. — v. 8 : date : A.C. 468. — v. 9 : selon d’autres : il commença de monter de Babylone.  
11 Et c’est ici la copie de la lettre que le roi Artaxerxès donna à Esdras le sacrificateur, le scribe, scribe des paroles des commandements de l’Éternel et de ses statuts [donnés] à Israël : 11 Ary izao no tenin'ny taratasy izay nomen'i Artaksersesy mpanjaka an'i Ezra mpisorona, ilay mpanora-dalàna mahay ny tenin'ny lalàn'i Jehovah sy ny didiny tamin'ny Isiraely:
12 Artaxerxès, roi des rois, à Esdras, sacrificateur, scribe accompli* de la loi du Dieu des cieux, etc. 12 Artaksersesy, mpanjakan'ny mpanjaka, ho an'i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay tsara ny lalàn'Andriamanitry ny lanitra.
13 De par moi ordre est donné que tous ceux du peuple d’Israël et de ses sacrificateurs et des lévites, qui, dans mon royaume, sont disposés à aller à Jérusalem avec toi, y aillent ; 13 Izaho manao didy fa na iza na iza eto amin'ny fanjakako amin'ny olona Isiraely sy ny mpisorony ary ny Levita no te-hiaraka aminao hankany Jerosalema, dia mahazo mandeha izy.
14 puisque tu es envoyé par* le roi et ses sept conseillers pour t’enquérir au sujet de Juda et de Jérusalem, selon la loi de ton Dieu, qui est dans ta main, 14 Fa ianao efa nirahin'ny mpanjaka sy izy fito lahy mpanolo-tsainy handinika ny toetran'i Joda sy Jerosalema araka ny lalàn'Andriamanitrao izay eny an-tananao;
15 et pour porter l’argent et l’or que le roi et ses conseillers ont librement offert au Dieu d’Israël, dont la demeure est à Jérusalem, 15 ary hitondra ny volafotsy sy ny volamena izay efa naterin'ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsaina tamin'ny sitrapo ho an'Andriamanitry ny Isiraely, Izay monina any Jerosalema;
16 ainsi que tout l’argent et l’or que tu trouveras dans toute la province de Babylone, avec l’offrande volontaire du peuple et des sacrificateurs qui offrent volontairement pour la maison de leur Dieu qui est à Jérusalem ; 16 ary ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay ho azonao eran'ny tany Babylona sy ny fanati-tsitrapo aterin'ny olona sy ny mpisorona, dia izay ateriny amin'ny sitrapo hanaovany ny tranon'Andriamaniny, izay any Jerosalema.
17 tu achèteras donc promptement, avec cet argent, des bœufs, des béliers, des agneaux, et leurs offrandes de gâteaux et leurs libations, et tu les offriras sur l’autel de la maison de votre Dieu, qui est à Jérusalem. 17 Koa amin'izany dia ividiano omby sy ondrilahy sy zanak'ondry mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy amin'io vola io araka izay marina, ka atero eo ambonin'ny alitara ao an-tranon'Andriamanitrareo izay any Jerosalema ireny.
18 Et ce qu’il vous paraîtra bon à toi et à tes frères de faire avec le reste de l’argent et de l’or, faites-le selon la volonté de votre Dieu. 18 Ary izay rehetra sitrakao sy ny rahalahinao hatao amin'ny volafotsy sy ny volamena sisa, dia ataovy izany araka ny sitrapon'Andriamanitrareo.
19 Et les ustensiles qui te sont donnés pour le service de la maison de ton Dieu, remets-les devant le Dieu de Jérusalem. 19 Ary ny fanaka izay nomena anao hanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitrao dia atolory eo anatrehan'Andriamanitra any Jerosalema.
20 Et le reste des choses nécessaires pour la maison de ton Dieu que tu pourras avoir à donner, tu les donneras de la maison des trésors du roi. 20 Ary izay rehetra mbola hilainao koa ka tsy maintsy haloanao ho an'ny tranon'Andriamanitrao dia alao ao amin'ny trano firaketan'ny mpanjaka.
21 Et de par moi, moi Artaxerxès, le roi, ordre est donné à tous les trésoriers de l’autre côté du fleuve, de faire promptement tout ce qu’Esdras, sacrificateur, scribe de la loi du Dieu des cieux, vous demandera, 21 Ary izaho, Artaksersesy mpanjaka, dia manao didy koa ho amin'ny mpitahiry ny haren'ny fanjakana rehetra izay any an-dafin'ny ony, fa na inona na inona no ilain'i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay ny lalàn'Andriamanitry ny lanitra, aminareo, dia tovy marina izany,
22 jusqu’à cent talents d’argent, et jusqu’à cent cors de froment, et jusqu’à cent baths de vin, et jusqu’à cent baths d’huile, et du sel, sans prescription [de quantité] : 22 na hatramin'ny talenta volafotsy zato sy ny vary tritika zato kora sy ny divay zato bata sy ny diloilo zato bata ary ny sira tsy misy fatrany aza.
23 que tout ce qui est ordonné par le Dieu des cieux soit fait exactement pour la maison du Dieu des cieux ; car pourquoi y aurait-il colère contre le royaume du roi et de ses fils ? 23 Na inona na inona andidian'Andriamanitry ny lanitra dia aoka hataonao tanteraka avokoa ho an'ny tranon'Andriamanitry ny lanitra; fa nahoana no havela hisy fahatezerana hihatra amin'ny fanjakan'ny mpanjaka sy ny zanany?
24 Et nous vous faisons savoir que, sur tous les sacrificateurs et les lévites, chantres, portiers, Nethiniens, et serviteurs de cette maison de Dieu, il ne peut être levé aucun tribut, ni impôt, ni péage. 24 Ary mampahafantatra anareo koa izahay fa ny mpisorona rehetra sy ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana sy ny Netinima ary ny mpanompo amin'io tranon'Andriamanitra io dia tsy mba hampandoavina hetra, na haba, na sara.
25 Et toi, Esdras, selon la sagesse de ton Dieu, laquelle est en ta main, établis des magistrats et des juges qui jugeront tout le peuple de l’autre côté du fleuve, tous ceux qui connaissent les lois de ton Dieu ; et à celui qui ne les connaît pas, faites-les connaître ; 25 Ary ianao, ry Ezra, araka ny fahendren'Andriamanitrao izay eo an-tananao, dia manendre mpanapaka sy mpitsara, izay hitsara ny olona rehetra any an-dafin'ny ony, dia izay rehetra mahalala ny lalàn'Andriamanitrao; fa izay tsy mbola mahalala izany dia aoka hampianarinareo.
26 et quiconque ne pratique pas la loi de ton Dieu et la loi du roi, qu’il en soit fait justice promptement, ou par la mort, ou par l’exil*, ou par la confiscation de ses biens, ou par l’emprisonnement. 26 Ary na iza na iza tsy mety mankatò ny lalan'Andriamanitrao sy ny lalàn'ny mpanjaka, dia aoka hotsaraina marina izy na hovonoina, na horoahina, na hosazina, na hafatotra.
— v. 12 : selon quelques-uns ce mot signifie : [paix] parfaite ; alors il faut traduire : scribe de la loi du Dieu des cieux, paix parfaite, etc,. — v. 14 : litt.: de devant. — v. 26 : litt.: déracinement.  
27 Béni soit l’Éternel, le Dieu de nos pères, qui a mis de telles [pensées] dans le cœur du roi, d’orner la maison de l’Éternel qui est à Jérusalem, 27 Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, Izay efa nanisy izany tao am-pon'ny mpanjaka hahatsara tarehy ny tranon'i Jehovah any Jerosalema.
28 et qui a étendu sur moi sa bonté devant le roi, et ses conseillers, et tous les puissants princes du roi ! Et moi, je fus fortifié selon que la main de l’Éternel, mon Dieu, était sur moi, et je rassemblai d’Israël des chefs pour monter avec moi. 28 sady efa nampahazo ahy famindram-po teo anatrehan'ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy ary ny mpanapaka lehibe rehetra ao amin'ny mpanjaka. Ary dia nampaherezina aho araka ny nomban'ny tanan'i Jehovah Andriamanitro ahy ka nahangona loholona tamin'ny Isiraely mba hiara-miakatra amiko.
* *
Chapitre 8 Chapitre 8
1 Et voici les chefs des pères et la généalogie de ceux qui montèrent avec moi de Babylone, sous le règne du roi Artaxerxès : 1 [Ny olona niaraka tamin'i Ezra, sy ny nankanesany ho any Jerosalema] Ary izao no lohan'ny fianakaviana sy filazana ny firazanan'ny olona izay niara-niakatra tamiko avy tany Babylona tamin'ny nanjakan'i Artaksersesy mpanjaka:
2 des fils de Phinées, Guershom ; des fils d’Ithamar, Daniel ; des fils de David, Hattush ; 2 Gersoma, avy tamin'ny taranak'i Finehasa; Daniela, avy tamin'ny taranak'Itamara; Hatosy, avy tamin'ny taranak'i Davida;
3 des fils de Shecania, des fils de Parhosh, Zacharie, et avec lui, enregistrés par généalogies, les mâles, cent cinquante ; 3 Zakaria, avy tamin'ny taranak'i Sekania (avy tamin'ny zanak'i Parosy), mbamin'ny namany dimam-Polo amby zato lahy voasoratra araka ny firazanany;
4 des fils de Pakhath-Moab, Élioénaï, fils de Zerakhia, et avec lui deux cents hommes* ; 4 Elihoenay, zanak'i Zerahia, avy tamin'ny taranak'i Pahata-moaba, mbamin'ny namany roan-jato lahy;
5 des fils de Shecania, le fils de Jakhaziel, et avec lui trois cents hommes ; 5 ny zanak'i Jahaziela, avy tamin'ny taranak'i Sekania, mbamin'ny namany telon-jato lahy;
6 et des fils d’Adin, Ébed, fils de Jonathan, et avec lui cinquante hommes ; 6 Ebeda, zanak'i Jonatana, avy tamin'ny taranak'i Adina, mbamin'ny namany dimam-polo lahy;
7 et des fils d’Élam, Ésaïe, fils d’Athalia, et avec lui soixante-dix hommes ; 7 Jesaia, zanak'i Atalia, avy tamin'ny taranak'i Elama, mbamin'ny namany fito-polo lahy;
8 et des fils de Shephatia, Zebadia, fils de Micaël, et avec lui quatre-vingts hommes ; 8 Zebadia, zanak'i Mikaela, avy tamin'ny taranak'i Sefatia, mbamin'ny namany valo-polo lahy;
9 [et] des fils de Joab, Abdias, fils de Jekhiel, et avec lui deux cent dix-huit hommes ; 9 Obadia, zanak'i Jehiela, avy tamin'ny taranak'i Joaba, mbamin'ny namany valo ambin'ny folo amby roan-jato lahy;
10 et des fils de Shelomith, le fils de Josiphia, et avec lui cent soixante hommes ; 10 ny zanak'i Josifia, avy tamin'ny taranak'i Selomita, mbamin'ny namany enim-polo amby zato lahy;
11 et des fils de Bébaï, Zacharie, fils de Bébaï, et avec lui vingt-huit hommes ; 11 Zakaria, zanak'i Bebay, avy tamin'ny taranak'i Bebay, mbamin'ny namany valo amby roa-polo lahy,
12 et des fils d’Azgad, Jokhanan, fils d’Hakkatan, et avec lui cent dix hommes ; 12 Johanana, zanak'i Hakatana, avy tamin'ny taranak'i Azgada, mbamin'ny namany folo amby zato lahy;
13 et des fils d’Adonikam, les derniers, et ce sont ici leurs noms : Éliphéleth, Jehiel, et Shemahia, et avec eux soixante hommes ; 13 ary ny avy tamin'ny taranak'i Adonikama, zandriny taoriana ireo, ary izao no anarany: Elifeleta sy Jeiela sy Semaia mbamin'ny namany enim-polo lahy,
14 et des fils de Bigvaï, Uthaï et Zabbud, et avec eux soixante-dix hommes, 14 Otahy sy Zaboda, avy tamin'ny taranak'i Bigvay, mbamin'ny namany fito-polo lahy.
— v. 4 : litt.: mâles, dans tout ce passage.  
15 Et je les rassemblai vers le fleuve qui s’en va vers Ahava, et nous campâmes là trois jours ; et je considérai le peuple et les sacrificateurs, et je n’y trouvai aucun des fils de Lévi. 15 Ary novoriko teo amoron'ny ony mankany Ahava izy, ka nilasy teo hateloana izahay; ary nony nandinika ny olona sy ny mpisorona aho, dia nahita fa tsy nisy taranak'i Levy teo na dia iray akory aza.
16 Alors j’envoyai chercher Éliézer, Ariel, Shemahia, et Elnathan, et Jarib, et Elnathan, et Nathan, et Zacharie, et Meshullam, qui étaient des chefs, et Joïarib, et Elnathan, hommes intelligents ; 16 Ka dia nirahiko Eliezera sy Ariela sy Semaia sy Elnatana sy Jariba sy Elnatana sy Natana sy Zakaria sy Mesolama (samy loholona ireo) ary Joariba sy Elnatana (samy mpampianatra ireo).
17 et je les envoyai à Iddo, qui était chef dans la localité [appelée] Casiphia, et je mis dans leurs bouches des paroles pour les dire à Iddo [et] à ses frères*, les Nethiniens, dans la localité [appelée] Casiphia, pour nous amener des serviteurs pour la maison de notre Dieu. 17 Ary nampitondraiko teny ho any amin'Ido, loholona any Kasifia, ireo, ka nambarako azy izay teny holazainy amin'Ido sy ny Netinima rahalahiny any Kasifia, mba ho entiny any aminay izay ho mpanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon'Andriamanitray.
18 Et ils nous amenèrent, selon que la bonne main de notre Dieu était sur nous, un homme intelligent d’entre les fils de Makhli, fils de Lévi, fils d’Israël, et Shérébia et ses fils et ses frères, [au nombre de] dix-huit ; 18 Ary araka ny soa nataon'ny tànan'Andriamanitray taminay no nitondrany olon-kendry anankiray* ho any aminay avy tamin'ny taranak'i Maly, zanak'i Levy, zanak'Isiraely, ary Serebia, sy ny zanany mbamin'ny rahalahiny, valo ambin'ny folo lahy, [Na: an'Isi-sekela]
19 et Hashabia, et avec lui Ésaïe, d’entre les fils de Merari, ses frères et leurs fils, [au nombre de] vingt ; 19 ary Hasabia sy Jesaia, avy tamin'ny taranak'i Merary, mbamin'ny rahalahiny ary ny zanany roa-polo lahy;
20 et des Nethiniens, que David et les princes avaient donnés pour le service des lévites, deux cent vingt Nethiniens, tous désignés par [leurs] noms. 20 ary avy tamin'ny Netinima, izay notendren'i Davida sy ny mpanapaka hanompo ny Levita, dia roa-polo amby roan-jato lahy; notononina anarana avokoa ireo.
21 Et là, près du fleuve Ahava, je publiai un jeûne, pour nous humilier devant notre Dieu, pour lui demander le vrai* chemin, pour nous et pour nos enfants, et pour tout notre avoir. 21 Dia niantso andro fifadian-kanina aho teo amoron'ny ony Ahava hampahorianay tena eo anatrehan'Andriamanitray, mba hangataka Azy hahalavorary ny dianay sy ny an'ny vady aman-janakay ary ny biby fiompinay rehetra.
22 Car j’avais honte de demander au roi des forces et de la cavalerie pour nous aider en chemin contre l’ennemi ; car nous avions parlé au roi, en disant : La main de notre Dieu est en bien sur tous ceux qui le cherchent ; et sa force et sa colère sont contre tous ceux qui l’abandonnent. 22 Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin'ny mpanjaka hiaro anay amin'ny fahavalonay eny an-dalana, satria efa niteny tamin'ny mpanjaka izahay ka nanao hoe: Sy tànan'Andriamanitray mahasoa izay rehetra mitady Azy; fa ny heriny sy ny fahatezerany kosa mamely izay rehetra mahafoy Azy.
23 Et nous jeûnâmes, et nous demandâmes cela à notre Dieu, et il nous exauça. 23 Ary nifady hanina izahay ka nangataka izany tamin'Andriamanitray, dia nihaino anay Izy.
— v. 17 : texte incertain : nous suivons ici les Septante et la Vulgate. — v. 21 : hébreu : droit.  
24 Et je séparai douze des chefs des sacrificateurs, Shérébia, Hashabia, et dix de leurs frères avec eux, 24 Ary nanokana roa ambin'ny folo lahy tamin'ny lohan'ny mpisorona aho, dia Serebia sy Hasabia ary rahalahiny folo lahy ho namany,
25 et je leur pesai l’argent et l’or, et les ustensiles, l’offrande* pour la maison de notre Dieu, qu’avaient offerte le roi, et ses conseillers, et ses princes, et tout Israël qui se trouvait là. 25 ka nolanjaiko ny volafotsy sy ny volamena horaisiny mbamin'ny fanaka, dia ny fanatitra ho ao an-tranon'Andriamanitray, izay efa naterin'ny mpanjaka sy ireo mpanolotsainy sy ireo mpanapaka ary ny Isiraely rehetra izay vory teo;
26 Et je pesai en leurs mains six cent cinquante talents d’argent, et en ustensiles d’argent cent talents, [et] en or cent talents, 26 eny, nolanjaiko hatolotra azy ny talenta volafotsy dimam-polo amby enin-jato sy fanaka volafotsy, lanjan'ny talenta zato, ary talenta volamena zato
27 et vingt coupes* d’or valant mille dariques, et deux vases d’airain d’un beau brillant, précieux** comme l’or. 27 sy kapoaka volamena misarona roa-polo, lanjan'ny darika* arivo, ary fanaka varahina roa manganohano, tsara toy ny volamena. [Izahao 1 Tan. xxix. 7]
28 Et je leur dis : Vous êtes saints, [consacrés] à l’Éternel, et les ustensiles sont saints, et l’argent et l’or sont une offrande volontaire à l’Éternel, le Dieu de vos pères. 28 Ary hoy izaho taminy: Hianareo dia masina ho an'i Jehovah, sady masina koa ny fanaka; ary ny volafotsy sy ny volamena dia fanati-tsitrapo ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo.
29 Veillez, et gardez-les jusqu’à ce que vous les pesiez devant les chefs des sacrificateurs et des lévites, et devant les chefs des pères d’Israël à Jérusalem, dans les chambres de la maison de l’Éternel. 29 Koa miambena ianareo, ka tandremo ireny mandra-pandanianareo azy indray eo anatrehan'ny lohan'ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan'ny fianakaviana amin'ny Isiraely any Jerosalema, dia amin'ny efi-trano ao an-tranon'i Jehovah.
30 Et les sacrificateurs et les lévites reçurent au poids l’argent et l’or, et les ustensiles, pour les porter à Jérusalem, à la maison de notre Dieu. 30 Dia noraisin'ny mpisorona sy ny Levita izany volafotsy sy volamena ary fanaka voalanja izany mba ho entiny ho any Jerosalema ho ao an-tranon'Andriamanitray.
— v. 25 : ailleurs : offrande élevée. — v. 27* : voir 1:10. — v. 27** : litt.: désirables.  
31 Et nous partîmes du fleuve Ahava le douzième [jour] du premier mois, pour aller à Jérusalem. Et la main de notre Dieu fut sur nous, et il nous délivra de la main de l’ennemi et de [toute] embûche sur le chemin. 31 Dia niala teo amin'ny ony Ahava izahay tamin'ny andro faharoa ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany mba hankany Jerosalema; ary ny tànan'Andriamanitray nomba anay, ka Izy no namonjy anay tamin'ny tanan'ny fahavalo sy ny mpanotrika teny an-dalana.
32 Et nous arrivâmes à Jérusalem, et nous demeurâmes là trois jours. 32 Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nijanona hateloana aloha.
33 Et le quatrième jour, l’argent et l’or et les ustensiles furent pesés dans la maison de notre Dieu, entre les mains de Merémoth, fils d’Urie, le sacrificateur (et avec lui [était] Éléazar, fils de Phinées, et avec eux Jozabad, fils de Jéshua, et Noadia, fils de Binnuï, lévites), 33 Ary tamin'ny andro fahefatra no nandanjana ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka ho eo an-tànan'i Meremota, zanak'i Oria mpisorona, tao an-tranon'Andriamanitray; ary teo aminy koa Eleazara, zanak'i Finehasa; ary teo amin'izy roa lahy koa Jozabada, zanak'i Jesoa, sy Noadia, zanak'i Binoy; Levita izy roa lahy ireo;
34 selon le nombre [et] selon le poids du tout ; et en même temps tout le poids en fut inscrit. 34 an-isany sy an-danjany izany rehetra izany; ary voasoratra tamin'izany andro izany ny lanjany rehetra.
35 Les fils de la transportation qui étaient revenus de la captivité présentèrent des holocaustes au Dieu d’Israël, douze taureaux pour tout Israël, quatre-vingt-seize béliers, soixante-dix-sept agneaux, douze boucs en sacrifice pour le péché, le tout en holocauste à l’Éternel. 35 Ary ny olona izay niverina avy tamin'ny fahababoana dia nanatitra fanatitra dorana ho an'Andriamanitry ny Isiraely, dia vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo ho an'ny Isiraely rehetra sy ondrilahy enina amby sivifolo sy zanak'ondry fito amby fito-polo ary osilahy roa ambin'ny folo ho fanatitra noho ny ota: fanatitra dorana ho an'i Jehovah ireo rehetra ireo.
36 Et ils remirent les édits du roi aux satrapes du roi et aux gouverneurs de ce côté du fleuve, et ceux-ci donnèrent leur appui au peuple et à la maison de Dieu. 36 Ary ny didin'ny mpanjaka dia natolony tamin'ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka tamin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ; ary izy ireo nampandroso ny olona sy ny tranon'Andriamanitra.
* *
Chapitre 9 Chapitre 9
1 Et quand ces choses furent terminées, les chefs s’approchèrent de moi, en disant : Le peuple d’Israël, et les sacrificateurs et les lévites, ne se sont pas séparés des peuples des pays, quant à leurs abominations, [savoir] celles des Cananéens, des Héthiens, des Phéréziens, des Jébusiens, des Ammonites, des Moabites, des Égyptiens, et des Amoréens, 1 [Ny alahelon'i Ezra, raha nahare fa ny Jiosy efa nifanambady tamin'ny firenena hafa, ary ny nibebahan'ny olona tamin'izany] Ary rehefa vita izany rehetra izany, dia nanatona ahy ny mpanapaka ka nanao hoe: Ny Isiraely sy ny mpisorona ary ny Levita dia tsy mbola miavaka amin'ny olona tompon-tany, fa manao araka ny fahavetavetan'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Jebosita sy ny Amonita sy ny Moabita sy ny Egyptiana ary ny Amorita ihany izy.
2 car ils ont pris de leurs filles pour eux et pour leurs fils, et ont mêlé la semence sainte avec les peuples des pays ; et la main des chefs et des gouverneurs* a été la première dans ce péché**. 2 Fa efa naka tamin'ny zanakavavin'ireo ho vadiny sy ho vadin'ny zananilahy izy, ka efa miharoharo amin'ny olona tompon-tany ny taranaka masina; eny, ny lehibe sy ny mpanapaka aza no nitari-dalana tamin'izany fahadisoana izany.
3 Et quand j’entendis cela, je déchirai mon manteau et ma robe, et j’arrachai les cheveux de ma tête et ma barbe, et je m’assis désolé ; 3 Ary nony nandre izany zavatra izany aho, dia nandriatra ny lambako sy ny akanjoko sady nandrompotra ny volon-dohako sy ny somotro, dia nipetraka tahaka ilay torana iny aho.
4 et vers moi s’assemblèrent tous ceux qui tremblaient aux paroles du Dieu d’Israël, à cause du péché de ceux qui avaient été transportés ; et je restai assis, désolé, jusqu’à l’offrande du soir. 4 Dia nivory teo amiko izay rehetra nangovitra noho ny tenin'Andriamanitry ny Isiraely ny amin'ny fahadisoan'ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana; ary izaho mbola nipetraka tahaka ilay torana iny ihany hatramin'ny fotoan'ny fanatitra hariva.
— v. 2* : hébreu : segan, mot d’origine perse. — v. 2** : ailleurs : infidélité ; de même verset 4 et 10:6.  
5 Et lors de l’offrande du soir, je me levai de mon humiliation, et, mon manteau et ma robe déchirés, je m’agenouillai, et j’étendis mes mains vers l’Éternel mon Dieu, 5 Ary nony tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva dia nody ny aiko, ka nitsangana aho, sady nandriatra ny lambako sy ny akanjoko indray, dia nandohalika nanandratra ny tanako ho amin'i Jehovah Andriamanitro aho
6 et je dis : Mon Dieu, je suis confus, et j’ai honte de lever ma face vers toi, ô mon Dieu ; car nos iniquités se sont multipliées par-dessus nos têtes, et notre coulpe a grandi jusqu’aux cieux. 6 ka nanao hoe: Andriamanitro ô, menatra sy mangaihay aho, raha miandrandra aminao, ry Andriamanitro ô; fa efa nihamaro mihoatra ny lohanay ny helokay, ary ny fahotanay dia lehibe manakatra ny lanitra;
7 Dès les jours de nos pères jusqu’à ce jour, nous avons été grandement coupables ; et à cause de nos iniquités, nous, nos rois, nos sacrificateurs, nous avons été livrés en la main des rois des pays, à l’épée, à la captivité, et au pillage, et à la confusion de face, comme [il paraît] aujourd’hui ; 7 fa hatramin'ny andron'ny razanay ka mandraka androany dia lehibe ny helokay; ary ny helokay no nanolorana anay sy ny mpanjakanay ary ny mpisoronay ho eo an-tànan'ny mpanjakan'ny tany hafa, hovonoin-tsabatra sy ho babo sy ho voaroba ary hangaihay tahaka ny amin'izao anio izao.
8 et maintenant, pour un moment, nous est arrivée une faveur de la part de l’Éternel notre Dieu, pour nous laisser des réchappés et pour nous donner un clou* dans son saint lieu, afin que notre Dieu éclaire nos yeux et nous redonne un peu de vie dans notre servitude, car nous sommes serviteurs ; 8 Koa ankehitriny vao niseho vetivety ny fahasoavana avy tamin'i Jehovah Andriamanitray tamin'ny namelany anay ho nisy sisa afaka sy tamin'ny nanomezany anay fihantonana* eo amin'ny fitoerany masina, mba hohazavain'Andriamanitray ny masonay ka homena famelombelomana kely amin'ny fahandevozanay izahay.[Izahao Isa. xxii. 23]
9 mais, dans notre servitude, notre Dieu ne nous a pas abandonnés, et il a étendu sa bonté sur nous devant les rois de perse, afin de nous redonner de la vie pour élever la maison de notre Dieu et pour restaurer ses ruines, et pour nous donner des murs en Juda et à Jérusalem. 9 Fa andevo izahay, nefa tsy nafoin'Andriamanitray, na dia tamin'ny fahandevozanay aza, fa nataony nahazo famindram-po eto imason'ireo mpanjakan'i Persia ihany hanomezany anay famelombelomana, hanangananay ny tranon'Andriamanitray sy hanamboaranay ny rava eo, ary hanomezany anay manda any Joda sy Jerosalema.
10 Et maintenant, ô notre Dieu, que dirons-nous après cela ? Car nous avons abandonné tes commandements, 10 Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, ahoana no holazainay amin'izany? Fa efa nahafoy ny didinao izahay,
11 que tu as commandés par tes serviteurs les prophètes, en disant : Le pays dans lequel vous entrez pour le posséder, est un pays rendu impur par l’impureté des peuples des pays, par les abominations dont ils l’ont rempli d’un bout à l’autre par leurs souillures. 11 dia ilay nampilazainao ny mpaminany mpanomponao hoe: Ny tany izay efa hidiranareo holovana dia tany maloto noho ny fahalotoan'ny tompon-tany sy ny fahavetavetany, izay efa nataony manenika azy noho ny fahalotoany;
12 Et maintenant, ne donnez pas vos filles à leurs fils, et ne prenez pas leurs filles pour vos fils, et ne cherchez pas leur paix ou leur bien, à jamais, afin que vous soyez forts, et que vous mangiez les biens* du pays, et que vous les laissiez en possession à vos fils à toujours. 12 koa aza manome ny zanakareo-vavy ho vadin'ny zananilahy, na maka ny zananivavy ho vadin'ny zanakareo-lahy; aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy mandrakizay, mba hahery ianareo ka hihinana ny soa avy amin'ny tany, dia hamela izany ho lovan'ny taranakareo mandrakizay.
13 Et après tout ce qui nous est arrivé à cause de nos mauvaises œuvres et à cause de notre grand péché*… ; mais toi, notre Dieu, tu nous as moins punis** que ne méritaient nos iniquités, et tu nous as donné une délivrance comme celle-ci ; 13 Ary na dia efa nanjo anay aza izany rehetra izany noho ny asa ratsinay sy ny fahadisoanay betsaka, dia tsy nampijaly anay araka ny helokay Hianao Andriamanitray, fa efa namela anay ho nisy sisa afaka toy izao ihany,
14 — est-ce que nous retournerions à enfreindre tes commandements et à nous allier par mariage avec les peuples qui font* ces abominations ? Ne serais-tu pas courroucé contre nous jusqu’à nous consumer, en sorte qu’il n’y aurait ni reste ni réchappés ? 14 fa raha handika ny didinao indray izahay ka hifanambady amin'ireny olom-betaveta ireny, moa tsy ho tezitra aminay mandra-pahalany ritranay va Hianao, ka tsy hisy sisa afaka akory?
15 Éternel, Dieu d’Israël, tu es juste, car nous sommes un reste de réchappés, comme [il paraît] aujourd’hui. Nous voici devant toi dans notre culpabilité, car, à cause de cela, on ne peut se tenir devant toi. 15 Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, marina Hianao, fa izahay no hany sisa afaka tahaka ny amin'izao anio izao; indreto izahay eto anatrehanao amin'ny fahadisoanay, fa noho izany dia tsy mahajanona eto anatrehanao izahay.
— v. 8 : ou : pieu. — v. 12 : litt.: le bon. — v. 13* : plutôt : coulpe. — v. 13** : ou : épargnés plus. — v. 14 : litt.: peuples de.  
Chapitre 10 Chapitre 10
1 Et comme Esdras priait et faisait sa confession, pleurant et se prosternant devant la maison de Dieu, il se rassembla vers lui, d’Israël, une très-grande congrégation d’hommes et de femmes et d’enfants, car le peuple pleurait beaucoup. 1 Ary raha mbola nivavaka sy nitsotra Ezra sady nitomany sy niankohoka teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra, dia nivory teo aminy ny olona maro be avy tamin'ny Isiraely, na lehilahy, na vehivavy mbamin'ny ankizy madinika; fa nitomany mafy dia mafy koa ny olona.
2 Et Shecania, fils de Jekhiel, des fils d’Élam, prit la parole et dit à Esdras : Nous avons été infidèles à notre Dieu, et nous avons pris des femmes étrangères d’entre les peuples du pays. Mais maintenant, il y a espérance pour Israël à cet égard. 2 Dia namaly Sekania, zanak'i Jehiela, isan'ny taranak'i Elama, ka nanao tamin'i Ezra hoe: Izahay efa nanao izay mahadiso amin'Andriamanitsika, fa efa naka vehivavy hafa firenena avy tamin'ny tompon-tany ho vadinay; nefa mbola misy fanantenana ihany ho an'ny Isiraely ny amin'izany zavatra izany.
3 Et maintenant, faisons alliance avec notre Dieu pour renvoyer toutes les femmes et ceux qui sont nés d’elles, selon le conseil de mon seigneur et de ceux qui tremblent aux commandements de notre Dieu, et qu’il soit fait selon la loi. 3 Koa aoka izahay hanao fanekena amin'Andriamanitsika hisaotra ny vady rehetra sy hanary izay naterany araka ny anatra nataonao, tompokolahy, sy izay mangovitra noho ny didin'Andriamanitsika; ary aoka hatao araka ny lalàna izany.
4 Lève-toi, car la chose repose sur toi, et nous serons avec toi ; sois fort et agis. 4 Mitsangàna, fa adidinao izany; ary indreto koa izahay eto aminao; dia matokia tsara, ka ataovy izany.
5 Et Esdras se leva, et il fit jurer aux chefs des sacrificateurs, des lévites, et de tout Israël, d’agir selon cette parole ; et ils jurèrent. 5 Dia nitsangana Ezra ka nampianiana ny lohan'ny mpisorona sy ny Levita ary ny Isiraely rehetra hanao araka izany teny izany; dia nianiana ireo.
6 Et Esdras se leva de devant la maison de Dieu, et alla dans la chambre de Jokhanan, fils d’Éliashib ; et il entra là : il ne mangea point de pain et ne but point d’eau, car il menait deuil sur le péché de ceux qui avaient été transportés. 6 Dia nitsangana niala teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra Ezra ka nankany amin'ny efi-trano nitoeran'i Johanana, zanak'i Eliasiba; ary nony tafiditra tao izy, dia tsy mba nihinan-kanina na nisotro rano, fa nalahelo izy noho ny fahadisoan'ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana.
   
7 Et on fit passer en Juda et à Jérusalem un appel* à tous les fils de la transportation de se rassembler à Jérusalem, 7 Dia nandefa teny eran'i Joda sy Jerosalema ireo ho any amin'ny olona rehetra izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana mba hivory any Jerosalema;
8 et pour que quiconque ne viendrait pas dans les trois jours selon le conseil des chefs et des anciens, tous ses biens fussent confisqués*, et que lui-même fût séparé de la congrégation de ceux qui avaient été transportés. 8 ary na iza na iza no tsy tonga amin'ny hateloana araka ny tenin'ny mpanapaka sy ny loholona, dia horobaina* ny fananany rehetra, ary hesorina amin'ny fiangonan'ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana izy.[Heb. hatao herema]
— v. 7 : litt.: voix. — v. 8 : litt.: voués à l’exécration.  
9 Et tous les hommes de Juda et de Benjamin se rassemblèrent à Jérusalem dans les trois jours : c’était le neuvième mois, le vingtième [jour] du mois ; et tout le peuple était assis dans la place de la maison de Dieu, tremblant à cause de cette affaire et à cause des pluies. 9 Ary nony tamin'ny andro fahatelo dia vory tany Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin'ny Joda sy ny Benjamina, dia tamin'ny andro faharoa-polo tamin'ny volana fahasivy; ary nipetraka teo an-kalalahana akaikin'ny tranon'Andriamanitra ny olona rehetra ka nangovitra noho izany zavatra izany sy noho ny ranonorana be.
10 Et Esdras, le sacrificateur, se leva et leur dit : Vous avez été infidèles, et vous avez pris* des femmes étrangères, pour ajouter à la coulpe d’Israël. 10 Dia nitsangana Ezra mpisorona ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nanao izay mahadiso, satria naka vehivavy hafa firenena ho vadinareo ka nampitombo ny fahadisoan'ny Isiraely.
11 Et maintenant, faites confession à l’Éternel, le Dieu de vos pères, et faites ce qui lui est agréable, et séparez-vous des peuples du pays et des femmes étrangères. 11 Koa mitsora amin'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ka ataovy ny sitrapony; ary misaraha amin'ny olona tompon-tany sy ny vehivavy hafa firenena.
12 Et toute la congrégation répondit et dit à haute voix : Oui, à nous de faire selon tes paroles ; 12 Dia namaly ny fiangonana rehetra ka niredona mafy hoe: Izay lazainao dia tsy maintsy hataonay;
13 mais le peuple est nombreux, et c’est la saison des pluies, et il n’y a pas moyen de se tenir dehors ; et ce n’est pas l’œuvre d’un jour ni de deux, car nous avons grandement péché* dans cette affaire. 13 nefa maro ny olona, ary fahavaratra ny andro, ka tsy mahatoetra etỳ ala-trano izahay, sady raharaha tsy vita indray andro na indroa andro aza izao, fa maro izahay no efa nanota tamin'izany zavatra izany;
14 Que nos chefs donc, pendant cette affaire, se tiennent là pour toute la congrégation, et que tous ceux qui, dans nos villes, ont pris* des femmes étrangères, viennent à des époques déterminées, et avec eux les anciens de chaque ville et ses juges, jusqu’à ce que l’ardeur de la colère de notre Dieu soit détournée de nous. 14 koa aoka ny mpanapaka anay no hitoetra eto ho solon'ny fiangonana rehetra, ary ny olona rehetra any amin'ny tanànantsika avy izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny no aoka hankatỳ amin'izay fotoan'andro hatao, ary hiaraka aminy koa ny loholony isan-tanàna sy ny mpitsara ao, mandra-pahavitan'izany raharaha izany sy ny hialan'ny firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitsika amintsika.
15 Seuls, Jonathan, fils d’Asçaël, et Jakhzia, fils de Thikva, s’opposèrent à cela* ; et Meshullam, et Shabthaï, le lévite, les appuyèrent. 15 Jonatana, zanak'i Asahela, sy Jahaza, zanak'i Tikva, ihany no nanohitra izany; ary Mesolama sy Sabetahy Levita niandany taminy koa.
— v. 10 : litt.: fait habiter [avec vous / eux]. — v. 13 : ou : beaucoup d’entre nous ont péché. — v. 15 : d’autres : se tinrent là pour cette [affaire].  
16 Et les fils de la transportation firent ainsi. Et Esdras, le sacrificateur, et des hommes qui étaient chefs des pères, furent séparés selon leurs maisons de pères, et tous par leurs noms. Et ils s’assirent le premier jour du dixième mois pour examiner l’affaire ; 16 Fa ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana kosa dia nanaraka izany; ary voatokana Ezra mpisorona sy ny sasany amin'ny lohan'ny fianakaviana, araka ny fianakaviany avy, sady samy efa notononina anarana, dia nipetraka handinika Izany raharaha izany tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafolo.
17 et, le premier jour du premier mois, ils en eurent fini avec tous les hommes qui avaient pris* des femmes étrangères. 17 Ary nony tonga ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany dia vitany ny raharaha ny amin'ny lehilahy rehetra Izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny.
18 Et, parmi les fils des sacrificateurs, il s’en trouva qui avaient pris des femmes étrangères : des fils de Jéshua, fils de Jotsadak, et de ses frères : Maascéïa, et Éliézer, et Jarib, et Guedalia. 18 Ary ny hita teo amin'ny taranaky ny mpisorona izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny dia izao: Ny teo amin'ny taranak'i Jesoa, zanak'i Jozadaka, sy ny rahalahiny dia Mahaseia sy Eliezera sy Jariba ary Gedalia;
19 Et ils s’engagèrent à renvoyer leurs femmes, et ils offrirent pour leur faute*, un bélier du troupeau comme offrande pour le délit. 19 dia nanola-tanana nanaiky hisaotra ny vadiny izy ireo sy handoa ondriny iray avy ho fanati-panonerany.
20 Et des fils d’Immer : Hanani et Zebadia ; 20 Ary ny avy tamin'ny taranak'Imera dia Hanany sy Zebedia;
21 et des fils de Harim, Maascéïa, et Élie, et Shemahia, et Jekhiel, et Ozias ; 21 ary ny avy tamin'ny taranak'i Harima dia Mahaseia sy Elia sy Semaia sy Jehiela ary Ozia;
22 et des fils de Pashkhur, Élioénaï, Maascéïa, Ismaël, Nethaneël, Jozabad et Elhasça. 22 ary ny avy tamin'ny taranak'i Pasora dia Elioenay sy Mahaseia sy Isimaela sy Netanela sy Jozabada ary Elasa.
23 Et des lévites : Jozabad, et Shimhi, et Kélaïa (c’est Kelita), Pethakhia, Juda, et Éliézer. 23 Ary ny avy tamin'ny Levita dia Jozabada sy Simey sy Kelaia (Kelita izany) sy Petahia sy Joda ary Eliezera:
24 Et des chantres : Éliashib. Et des portiers : Shallum, et Télem, et Uri. 24 ary ny avy tamin'ny mpihira dia Eliasiba; ary ny avy tamin'ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Talema ary Ory.
25 Et de ceux d’Israël : des fils de Parhosh, Ramia, et Jizzija, et Malkija, et Mijamin, et Éléazar, et Malkija, et Benaïa ; 25 Ary ny avy tamin'ny Isiraely koa: ny avy tamin'ny taranak'i Parosy dia Ramia sy Jizia sy Malkia sy Miamina sy Eleazara sy Malkia ary Benaia;
26 et des fils d’Élam, Matthania, Zacharie, et Jekhiel, et Abdi, et Jerémoth, et Élie ; 26 ary ny avy tamin'ny taranak'i Elema dia Matania sy Zakaria sy Jehiela sy Abdia sy Jeremota ary Elia;
27 et des fils de Zatthu, Élioénaï, Éliashib, Matthania, et Jerémoth, et Zabad, et Aziza ; 27 ary ny avy tamin'ny taranak'i Zato dia Elioenay sy Eliasiba sy Matania sy Jeremota sy Zabada ary Aziza;
28 et des fils de Bébaï, Jokhanan, Hanania, Zabbaï, Athlaï ; 28 ary ny avy tamin'ny taranak'i Bebay dia Johanana sy Hanania sy Zabay sy Atlay;
29 et des fils de Bani, Meshullam, Malluc et Adaïa, Jashub, et Sheal, et Ramoth ; 29 ary ny avy tamin'ny taranak'i Bany dia Mesolama sy Maloka sy Adaia sy Jasoba sy Seala ary Ramota;
30 et des fils de Pakhath-Moab, Adna, et Kelal, Benaïa, Maascéïa, Matthania, Betsaleël, et Binnuï, et Manassé ; 30 ary ny avy tamin'ny taranak'i Pahata-moaba dia Adna sy Kelala sy Benaia sy Mahaseia sy Matania sy Bezalila sy Binoy ary Manase;
31 et les fils de Harim, Éliézer, Jishija, Malkija, Shemahia, Siméon, 31 ary ny avy tamin'ny taranak'i Harima dia Eliezera sy Jisia sy Malkia sy Semaia sy Simeona
32 Benjamin, Malluc, Shemaria ; 32 sy Benjamina sy Maloka ary Semaria;
33 des fils de Hashum, Mathnaï, Matthattha, Zabad, Éliphéleth, Jerémaï, Manassé, Shimhi ; 33 ny avy tamin'ny taranak'i Hasoma dia Matenay sy Matata sy Zabada sy Elifeleta sy Jeremay sy Manase ary Simey;
34 des fils de Bani, Maadaï, Amram et Uel, 34 ny avy tamin'ny taranak'i Bany dia Maday sy Amrama sy Oela
35 Benaïa, Bédia, Keluhu, 35 sy Benaia sy Bedeia sy Keloho
36 Vania, Merémoth, Éliashib, 36 sy Vania sy Meremota sy Eliasiba
37 Matthania, Mathnaï, et Jaasçaï, 37 sy Matania sy Matenay sy Jasao
38 et Bani, et Binnuï, Shimhi, 38 sy Bany sy Binoy sy Simey
39 et Shélémia, et Nathan, et Adaïa, 39 sy Selemia sy Natana sy Adaia
40 Macnadbaï, Shashaï, Sharaï, 40 sy Maknadebay sy Sasay sy Saray
41 Azareël et Shélémia, Shemaria, 41 sy Azarela sy Selemia sy Semaria
42 Shallum, Amaria, Joseph ; 42 sy Saloma sy Amaria ary Josefa;
43 des fils de Nebo, Jehiel, Matthithia, Zabad, Zebina, Jaddaï et Joël, Benaïa. 43 ny avy tamin'ny taranak'i Nebo dia Jeiela sy Matitia sy Zabada sy Zebina sy Jadao sy Joela ary Benaia.
44 Tous ceux-ci avaient pris des femmes étrangères, et il y en avait parmi eux dont les femmes avaient eu des enfants. 44 Ireny rehetra ireny no samy efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny avokoa, sady efa niteraka ny vehivavy sasany tamin'ireny
— v. 17 : litt.: fait habiter [avec eux]. — v. 19 : ailleurs : culpabilité, délit.