Les LAMENTATIONS de JÉRÉMIE Fitomaniana
   
   
La lettre hébraïque initiale de chacun des versets des chapitres 1, 2 et 4, suit l’ordre alphabétique ; au chapitre 3, il en est de même pour chaque paragraphe de trois versets, la lettre initiale de chacun de ceux-ci restant la même.  
Chapitre 1 Chapitre 1
1 Comment est-elle assise solitaire, la ville si peuplée ! Celle qui était grande entre les nations est devenue comme veuve ; la princesse parmi les provinces est devenue tributaire. 1 [Alahelo noho ny nanjo ny :Joda sy Jerosalema] Indrisy, mitoetra manirery izao ilay tanàna feno olona! Efa tonga toy ny mpitondratena izy! Ilay nalaza tamin'ny firenena sy andriambavy tamin'ny tany samy hafa dia efa miankin-doha kosa izao!
2 Elle pleure, elle pleure pendant la nuit, et ses larmes sont sur ses joues ; de tous ses amants, il n’en est pas un qui la console ; tous ses amis ont agi perfidement envers elle, ils sont pour elle des ennemis. 2 Mitomany dia mitomany izy nony alina, ary ny ranomasony dia eny an-takolany; Izay rehetra tia azy dia tsy misy mampionona azy; Ny sakaizany rehetra efa nivadika taminy ka tonga fahavalony.
3 Juda est allé en captivité à cause de [son] affliction et de la grandeur de [son] esclavage ; il habite parmi les nations, il n’a pas trouvé de repos ; tous ses persécuteurs l’ont atteint dans [ses] lieux resserrés. 3 Lasan-ko babo* ny Joda noho ny fahoriana sy ny haben'ny fanompoana; Mipetraka ao amin'ny jentilisa izy, nefa tsy mahita fitsaharana; Izay rehetra nanenjika azy dia nahatratra azy teo an-ketena.[Na: Lasa nivahiny]
4 Les chemins de Sion mènent deuil de ce qu’il n’y a personne qui vienne aux fêtes ; toutes ses portes sont désolées ; ses sacrificateurs gémissent, ses vierges sont dans la détresse ; elle-même est dans l’amertume. 4 Ireo lalana mankany Ziona dia mitomany, satria tsy misy miakatra ho amin'ny fotoam-pivavahana; Lao* ny vavahadiny rehetra, misento ny mpisorony; Ory ny virijinany, ary Ziona dia efa azon'ny fahoriana mangidy.[Na: Rava]
5 Ses adversaires dominent*, ses ennemis prospèrent ; car l’Éternel l’a affligée à cause de la multitude de ses transgressions ; ses petits enfants ont marché captifs devant l’adversaire. 5 Ny rafiny no mpanapaka*, ny fahavalony no miadana, Satria Jehovah no efa nampahory azy noho ny hamaroan'ny fahotany; Ny zanany madinika dia lasan-ko babo eo anoloan'ny fahavalony,[Heb. loha]
6 Et toute la magnificence de la fille de Sion s’est retirée d’elle. Ses princes sont comme des cerfs qui ne trouvent pas de pâture, et ils s’en sont allés sans force devant celui qui les poursuit. 6 Ary ny voninahitr'i Ziona zanakavavy rehetra dia efa tsy ananany intsony; Ny mpanapaka azy dia toy ny diera tsy mahita ahitra, Ary mandeha reraka eo anoloan'ny mpanenjika azy izy.
7 Jérusalem, dans les jours de son affliction et de son bannissement*, lorsque son peuple tombait dans** la main de l’ennemi et qu’il n’y avait personne qui lui aidât, s’est souvenue de toutes les choses désirables qu’elle avait dans les jours d’autrefois ; les adversaires l’ont vue, ils se sont moqués de sa ruine***. 7 Tsaroan'i Jerosalema amin'ny andro fahoriany sy fanjenjenany ny zava-tsoa rehetra izay nananany hatry ny ela; Fa nony naripaky ny fahavalo ny olony, ka tsy nisy namonjy azy, dia nahita azy ny fahavalo ka nihomehy ny faharavany*.[Heb. fitsaharany]
8 Jérusalem a grièvement péché, c’est pourquoi elle est [rejetée] comme une impureté ; tous ceux qui l’honoraient l’ont méprisée, car ils ont vu sa nudité : elle aussi gémit et s’est retournée en arrière. 8 Efa nanota dia nanota Jerosalema. ka izany no nahatonga azy ho fahavetavetana; izay rehetra nanaja azy dia mamingavinga azy, satria efa nahita ny fitanjahany ireny; Eny, na ny tenany aza dia miferinaina sady miamboho.
9 Son impureté était aux pans de sa robe, elle ne s’est pas souvenue de sa fin ; elle est descendue prodigieusement ; il n’y a personne qui la console ! Regarde, ô Éternel, mon affliction, car l’ennemi s’est élevé avec orgueil. 9 Ny lotony dia teo amin'ny moron-tongotr'akanjony, tsy nitsapa farany izy; Dia mahagaga ny fietreny, tsy misy mampionona azy. Jehovah ô, jereo ny fahoriako, fa mirehareha ny fahavalo.
10 L’ennemi a étendu sa main sur toutes ses choses désirables ; car elle a vu entrer dans son sanctuaire les nations, au sujet desquelles tu avais commandé qu’elles n’entreraient point dans ta congrégation. 10 Ny fahavalo naninjitra ny tànany naka ny zava-tsoany rehetra; Fa ny jentilisa, izay noraranao tsy hiditra amin'ny fiangonanao, dia hitany tafiditra ao amin'ny fitoerany masina.
11 Tout son peuple gémit ; ils cherchent du pain ; ils ont donné leurs choses désirables contre des aliments pour restaurer [leur] âme. Regarde, Éternel, et contemple, car je suis devenue vile. 11 Misento ny olony rehetra, mitady hanina; Eny, atakalony hanina ny zava-tsoany hamelombelona ny ainy; Jehovah ô, jereo ka diniho, fa vingavingaina aho.
— v. 5 : litt.: sont à la tête. — v. 7* : ou : sa misère. — v. 7** : ou : par. — v. 7*** : ou : ses [jours de] repos.  
* *
12 N’est-ce rien pour vous tous qui passez par le chemin ? Contemplez, et voyez s’il est une douleur comme ma douleur qui m’est survenue, à moi que l’Éternel a affligée au jour de l’ardeur de sa colère. 12 Moa tsy mampaninona anareo va, ry mpandalo rehetra? Jereo sy izahao raha mba misy fahoriana toy ny fahoriako, izay namelezany ahy, dia ilay nampahorian'i Jehovah ahy tamin'ny andro firehetan'ny fahatezerany.
13 D’en haut il a envoyé dans mes os un feu qui les a maîtrisés ; il a tendu un filet pour mes pieds, il m’a fait retourner en arrière ; il m’a mise dans la désolation, dans la langueur, tout le jour. 13 Avy tany amin'ny avo no nandatsahany afo ho amin'ny taolako handoroany azy; Namela-pandrika harato haningorana ny tongotro Izy ka nampihemotra ahy; Nampahalao sy nampahareraka ahy mandritra ny andro Izy.
14 Le joug de mes transgressions est lié par sa main ; elles sont entrelacées, elles montent sur mon cou ; il a fait défaillir ma force ; le Seigneur m’a livrée en des mains d’où je ne puis me relever. 14 Ny ziogan'ny fahotako nofehezin'ny tànany; Voaolana ireny ka tonga eo an-katoko; noketrahiny ny heriko; Natolotry ny Tompo ho eo an-tànan izay tsy leoko aho.
15 Le Seigneur a abattu tous mes hommes forts au milieu de moi ; il a convoqué contre moi une assemblée pour écraser mes jeunes gens. Le Seigneur a foulé comme au pressoir la vierge, fille de Juda. 15 Nataon'ny Tompo tsinontsinona ny maheriko rehetra; Nanendry fotoana hamelezana ahy Izy, handringanana ny zatovoko; Ny Tompo nanosihosy an'i Joda zanakavavy virijina toy ny eo amin'ny famiazam-boaloboka.
16 À cause de ces choses je pleure ; mon œil, mon œil se fond en eau ; car il est loin de moi, le consolateur qui restaurerait mon âme. Mes fils sont péris, car l’ennemi a été le plus fort. 16 Izany zavatra izany no mampitomany ahy; e! ny masoko, ny masoko mamarin-dranomaso, fa lavitra ahy ny mpampionona izay tokony hamelombelona ny fanahiko; Ringana ny zanako, fa mahery ny fahavalo.
17 Sion étend ses mains, il n’y a personne qui la console. L’Éternel a commandé au sujet de Jacob que ses adversaires l’entourent ; Jérusalem est devenue au milieu d’eux une impureté. 17 Ziona mananty tanana, nefa tsy misy mampionona azy; Jehovah nandidy ny amin'i Jakoba mba ho tonga fahavalony ny manodidina azy; Jerosalema dia tonga fahavetavetana eo afovoan'ireo.
* *
18 L’Éternel est juste ; car je me suis rebellée contre son commandement. Écoutez, je vous prie, vous tous les peuples, et voyez ma douleur : mes vierges et mes jeunes gens sont allés en captivité. 18 Marina Jehovah, fa efa nandà ny teniny aho; Ry firenena rehetra, masìna ianareo, mba jereo ny fahoriako; Lasan-ko babo ny virijinako sy ny zatovoko.
19 J’ai appelé mes amants : ils m’ont trompée. Mes sacrificateurs et mes anciens ont expiré dans la ville, alors qu’ils se sont cherché de la nourriture afin de restaurer leur âme. 19 Nantsoiko ireo tia ahy, fa nofitahiny aho; Ny mpisoroko sy ny loholoko niala aina tao an-tanana, Tamin'ny nitadiavany hanina hamelombelona ny ainy.
20 Regarde, Éternel, car je suis dans la détresse ; mes entrailles sont agitées, mon cœur est bouleversé au dedans de moi, car je me suis grièvement rebellée : au dehors l’épée m’a privée d’enfants ; au dedans, c’est comme la mort. 20 Izahao, Jehovah ô, fa azom-pahoriana aho, mandevilevy ny foko; Miontana ato anatiko ny foko, fa naditra dia naditra aho; Eny ivelany dia ny sabatra no mahafoana anaka, ary ao an-trano dia toa misy fahafatesana kosa.
21 Ils m’ont entendue gémir : il n’y a personne qui me console ; tous mes ennemis ont appris mon malheur, ils se sont réjouis de ce que toi tu l’as fait. Tu feras venir le jour que tu as appelé, et ils seront comme moi. 21 Reny fa misento aho; tsy misy mampionona ahy; Ny fahavaloko rehetra nandre ny fahoriako, ka faly izy, satria Hianao no nanao izany; Hahatonga izay andro nantsoinao Hianao, ka dia ho tonga tahaka ahy koa ireo.
22 Que toute leur iniquité vienne devant toi, et fais-leur comme tu m’as fait à cause de toutes mes transgressions ; car mes gémissements sont nombreux, et mon cœur est languissant. 22 Aoka ho tonga eo anatrehanao ny faharatsiany rehetra, ary mba ataovy aminy kosa tahaka izay nataonao tamiko noho ny fahotako rehetra; Fa imbetsaka ny fisentoako, ka reraka ny foko.
Chapitre 2 Chapitre 2
1 Comment, dans sa colère, le Seigneur a-t-il couvert d’un nuage la fille de Sion ! Il a jeté des cieux sur la terre la beauté d’Israël, et, au jour de sa colère, il ne s’est pas souvenu du marchepied de ses pieds. 1 [Fitomaniana noho ny nanjo an'i Ziona sy ny Joda] Indrisy! Ziona zanakavavy dia saronan'ny Tompo rahona amin'ny fahatezerany; Nazerany avy tany an-danitra ho amin'ny tany ny reharehan'ny Isiraely, Ary tsy tsaroany ny fitoeran-tongony tamin'ny andro fahatezerany!
2 Le Seigneur a englouti, sans épargner, toutes les habitations de Jacob ; il a renversé dans sa fureur les forteresses de la fille de Juda ; il a jeté par terre, il a profané le royaume et ses princes. 2 Nolevonin*'ny Tompo ny fonenan'i Jakoba rehetra, fa tsy niantrany; Noravany an-katezerana ny fiarovan'i Joda zanakavavy ka nazerany tamin'ny tany, tsy nohamasininy ny fanjakana sy ny mpanapaka,[Heb. Natelin']
3 Il a retranché, dans l’ardeur de sa colère, toute la corne d’Israël ; il a retiré sa droite devant l’ennemi, et il a brûlé en Jacob comme un feu flamboyant qui dévore à l’entour. 3 Nokapainy tamin'ny fahatezerany mirehitra ny tandroky ny Isiraely rehetra; Nahemony teo anoloan'ny fahavalo ny tànany ankavanana; Ary nandoro an'i Jakoba Izy toy ny lelafo miredareda izay nandevona manodidina.
4 Il a bandé son arc comme un ennemi ; il s’est tenu là avec sa droite comme un adversaire, et il a tué tout ce qui était agréable à l’œil dans la tente de la fille de Sion ; il a versé, comme un feu, sa fureur. 4 Nanenjana ny tsipìkany toy ny fahavalo Izy, nijoro naninjitra ny tànany ankavanana toy ny rafilahy Izy ka nandripaka izay rehetra mahafinaritra ny maso; Ny fahatezerany dia naidiny toy ny afo tamin'ny lain'i Ziona zanakavavy.
5 Le Seigneur a été comme un ennemi ; il a englouti Israël ; il a englouti tous ses palais, il a détruit ses forteresses, et il a multiplié chez la fille de Juda le gémissement et la plainte. 5 Ny Tompo dia tonga toy ny fahavalo ka nandevona* ny Isiraely. Eny, nolevoniny** ny lapany rehetra, sady noravany ny fiarovany; Ary nampitomboiny ny fisentoana sy ny fitarainan'i Joda zanakavavy.[*Heb. nitelina][**Heb. nateliny]
6 Il a saccagé sa clôture comme un jardin ; il a détruit le lieu de son assemblée. L’Éternel a fait oublier dans Sion jour solennel et sabbat ; et, dans l’indignation de sa colère, il a méprisé roi et sacrificateur. 6 Ary noravany an-keriny toy ny tanimboly ilay nofefena ho Azy, sady noravany ny trano fihaonany; Nataon'i Jehovah hadino tao Ziona ny fotoam-pivavahana sy ny Sabata, ka nolaviny tamin'ny fahatezerany mirehitra ny mpanjaka sy ny mpisorona.
7 Le Seigneur a rejeté son autel, il a répudié son sanctuaire ; il a livré en la main de l’ennemi les murs de ses palais ; on a poussé des cris dans la maison de l’Éternel comme au jour d’une fête solennelle. 7 Ny alitarany narian'ny Tompo, ny fitoerany masina nolaviny; Natolony ho eo an-tànan'ny fahavalo ny mandan'ny lapa ao Ziona; Nanandratra ny feony tao an-tranon'i Jehovah toy ny amin'ny fotoam-pivavahana ireny.
8 L’Éternel s’est proposé de détruire la muraille de la fille de Sion ; il a étendu le cordeau, il n’a pas retiré sa main pour cesser de détruire* ; et il fait mener deuil au rempart et à la muraille : ils languissent ensemble. 8 Jehovah ninia handrava ny mandan'i Ziona zanakavavy; Nanenjana ny famolaina Izy ka tsy namonkina ny tanany tsy handrava*; dia mampitomany ny fiarovany ivelany sy ny manda Izy, ka miara-dreraka ireo.[Heb. hitelina]
9 Ses portes sont enfoncées dans la terre ; il a détruit et brisé ses barres ; son roi et ses princes sont parmi les nations ; la loi n’est plus ; ses prophètes aussi ne trouvent pas de vision de la part de l’Éternel. 9 Ny vavahadiny dia tototry ny tany, nosimbany sy notapatapahiny ny hidiny; Ny mpanjakany sy ny mpanapaka azy efa mby any amin'ny firenena; Tsy misy lalàna intsony, fa na ny mpaminaniny aza dia tsy mahita fahitana avy amin'i Jehovah.
10 Les anciens de la fille de Sion sont assis par terre, ils gardent le silence ; ils ont mis de la poussière sur leur tête, ils se sont ceints de sacs ; les vierges de Jérusalem baissent leur tête vers la terre. 10 Mipetraka amin'ny tany ny loholon'i Ziona zanakavavy ka mangina; Nasiany vovoka ny lohany, misikina lamba fisaonana izy; Ny virijina any Jerosalema nampitanondrika ny lohany ho amin'ny tany.
— v. 8 : litt.: d’engloutir.  
* *
11 Mes yeux se consument dans les larmes, mes entrailles sont agitées, mon foie s’est répandu sur la terre, à cause de la ruine de la fille de mon peuple, parce que les enfants et ceux qui tètent défaillent dans les places de la ville. 11 Pahina ny masoko azon'ny ranomaso, mandevilevy ny foko; Naidina tamin'ny tany ny atiko noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy, sy noho ny ankizy madinika sy ny zaza minono izay ana eny an-kalalahana ao an-tanàna.
12 Ils disent à leurs mères : Où est le blé et le vin ? — défaillant dans les places de la ville comme des blessés à mort, [et] rendant l’âme sur le sein de leurs mères. 12 Raha ana toy ny voatrobaka eny an-kalalahana ao an-tanana izy, na miala aina eo am-pofoan-dreniny, dia manontany an-dreniny hoe izy: aiza izay vary sy divay?
13 Quel témoignage t’apporterai-je ? Que comparerai-je à toi, fille de Jérusalem ? Qui est-ce que j’égalerai à toi, afin que je te console, vierge, fille de Sion ? car ta ruine est grande comme la mer : qui te guérira ? 13 Inona no hataoko vavolombelona ho anao? Inona no hanoharako anao, ry Jerosalema zanakavavy? Inona no hampitahaiko aminao mba hampiononako anao, ry Ziona zanakavavy virijina? Fa lehibe toy ny ranomasina ny faharatranao, iza no mahasitrana anao?
14 Tes prophètes ont vu pour toi la vanité et la folie, et ils n’ont pas mis à découvert ton iniquité pour détourner ta captivité ; mais ils ont vu pour toi des oracles de vanité et de séduction*. 14 Ny mpaminaninao nahita lainga sy fahadalana ho anao; Ary tsy nampiseho ny helokao mba hiaro anao tsy ho babo; Fa nahita faminaniana lainga sy fampiviliana* ho anao izy.[Na: fandroahana]
15 Tous ceux qui passent par le chemin battent des mains sur toi ; ils sifflent et branlent la tête sur la fille de Jérusalem : Est-ce ici la ville dont on disait : La parfaite en beauté, la joie de toute la terre ? 15 Miteha-tanana anao izay rehetra mandalo eny an-dalana; Misitrisitra sy mihifikifi-doha amin'i Jerosalema zanakavavy izy ka manao hoe: Ity va ilay tanàna nataony hoe Tena fahatsaran-tarehy Fifalian'ny tany rehetra ?
16 Tous tes ennemis ouvrent la bouche sur toi ; ils sifflent et grincent des dents ; ils disent : Nous les avons engloutis ; oui, c’est ici le jour que nous attendions ! Nous l’avons trouvé, nous l’avons vu ! 16 Misanasana vava aminao ny fahavalonao rehetra; Misitrisitra sy mihidy vazana izy ka manao hoe: Efa nolevoninay*! Ity tokoa no andro nandrasanay ka efa azonay sady hitanay.[Heb. natelinay]
17 L’Éternel a fait ce qu’il s’était proposé, il a accompli sa parole qu’il avait commandée* dès les jours d’autrefois ; il a renversé et n’a point épargné, et il a fait que l’ennemi s’est réjoui sur toi ; il a élevé la corne de tes adversaires 17 Jehovah efa nanao izay nosaininy ka nahatanteraka ny teniny izay nandidiany hatramin'ny andro fahagola; Nandrava Izy, fa tsy niantra; Ary nampifaly ny fahavalo taminao Izy sady nanandratra ny tandroky ny rafilahinao.
.  
— v. 14 : ou : de cause d’exil. — v. 17 : c. à d. commandé [aux prophètes de dire].  
* *
18 Leur cœur a crié au Seigneur. Muraille de la fille de Sion, laisse couler des larmes jour et nuit, comme un torrent ; ne te donne pas de relâche, que la prunelle de tes yeux ne cesse point ! 18 Ny fonao* mitaraina amin'ny Tompo: Ry mandan'i Ziona zanakavavy! mandrotsaha ranomaso andro aman'alina toy ny riaka; Aza mangina, aoka tsy hitsahatra ny anakandriamasonao.[Heb. fony]
19 Lève-toi, crie de nuit au commencement des veilles ; répands ton cœur comme de l’eau devant la face du Seigneur. Lève tes mains vers lui pour la vie de tes petits enfants qui défaillent de faim au coin de toutes les rues. 19 Mitsangàna, miantsoantsoa amin'ny alina hatramin'ny filatsahan'ny fiambenana, Aidino tahaka ny rano eo anatrehan'ny Tompo ny fonao! Asandrato aminy ny tananao hifona ho an'ny ain'ny zanakao madinika, izay anan'ny hanoanana eny an-joron-dalambe rehetra eny.
20 Regarde, Éternel, et considère à qui tu as fait ainsi ! Les femmes dévoreront-elles leur fruit, les petits enfants dont elles prennent soin ? Tuera-t-on le sacrificateur et le prophète dans le sanctuaire du Seigneur ? 20 Jehovah ô, jereo ka izahao ny amin'ny olona izay nanaovanao izany. Ny vehivavy va hihinana ny ateraky na kibony, dia ny zanany madinika trotroiny? Hovonoina ao amin'ny fitoera-masin'i Jehovah va ny mpisorona sy ny mpaminany ?
21 L’enfant et le vieillard sont couchés par terre dans les rues ; mes vierges et mes jeunes hommes sont tombés par l’épée : tu as tué au jour de ta colère, tu as égorgé, tu n’as point épargné ! 21 Miampatrampatra eny an-dalambe ny tanora sy ny antitra; Ny virijinako sy ny zatovoko dia lavon'ny sabatra, Novonoinao tamin'ny andro fahatezeranao izy, eny, naripakao, fa tsy niantranao.
22 Tu as convoqué, comme en un jour de fête solennelle, mes terreurs de toutes parts ; et au jour de la colère de l’Éternel, il n’y a eu ni réchappé, ni reste : ceux dont j’avais pris soin et que j’avais élevés, mon ennemi les a consumés. 22 Nantsoinao ny fampangorohoroana manodidina ahy, toy ny amin'ny fotoam-pivavahana, ka dia tsy nisy sisa afa-nandositra tamin'ny andro fahatezeran'i Jehovah; Izay notrotroiko sy notezaiko aza dia lanin'ny fahavaloko.
* *
Chapitre 3 Chapitre 3
1 Je suis l’homme qui ai vu l’affliction par la verge de sa fureur. 1 [Ny amin'ny fitondrana alahelo, sy ny fampiononana ataon'Andriamanitra][ALEFA]Izaho ilay lehilahy nahita fahoriana tamin'ny tsorakazon'ny fahatezerany.
2 Il m’a conduit et amené dans les ténèbres, et non dans la lumière. 2 Izaho no notarihiny sy nampandehaniny ho amin'ny maizina, fa tsy ho amin'ny mazava.
3 Certes c’est contre moi qu’il a tout le jour tourné et retourné sa main. 3 Izaho ihany no asian'ny tànany mandritra ny andro mandrakariva.
   
4 Il a fait vieillir ma chair et ma peau ; il a brisé mes os. 4 [BETA] Nataony antitra ny nofoko sy ny hoditro, notapatapahiny ny taolako.
5 Il a bâti contre moi, et m’a environné de fiel et de peine. 5 Manorina izay hamelezany ahy Izy ary manemitra ahy amin'ny zava-mangidy sy ny fahoriana.
6 Il m’a fait habiter dans des lieux ténébreux, comme ceux qui sont morts depuis longtemps. 6 Ampitoeriny ao amin'ny maizina toy izay efa maty fahagola aho.
   
7 Il a fait une clôture autour de moi, afin que je ne sorte point ; il a appesanti mes chaînes. 7 [GIMELA] Nofefeny manodidina aho ka tsy afa-nivoaka, nataony mavesatra ny gadrako.
8 Même quand je crie et que j’élève ma voix, il ferme l’accès à ma prière. 8 Ary na dia mitaraina sy minananana aza aho, dia tampenany ny fivavako.
9 Il a barré mes chemins avec des pierres de taille ; il a bouleversé mes sentiers. 9 Vato voapaika no narafiny natampiny ny lalako, naolikoliny ny alehako.
   
10 Il a été pour moi un ours aux embûches, un lion dans les lieux cachés. 10 [DALETA] Tonga bera manotrika ahy Izy, ary toy ny liona ao amin'ny fierena;
11 Il a fait dévier mes chemins et m’a déchiré ; il m’a rendu désolé. 11 Namily ny alehako Izy, ary noviravirainy aho ka nataony mahatsiravina.
12 Il a bandé son arc, et m’a placé comme un but pour la flèche. 12 Nanenjana ny tsipìkany Izy ka nanangana ahy ho toy ny marika hokendrena zana-tsipìka.
   
13 Il a fait entrer dans mes reins les flèches* de son carquois. 13 [HE] Nampitsatoka ny zana-tsipìkany* tamin'ny voako Izy.[Heb. zanaky ny tranon-jana-tsipìka]
14 Je suis la risée de tout mon peuple, leur chanson tout le jour. 14 Tonga fihomehezan'ny fireneko rehetra aho sady ataony an-kira mandritra ny andro.
15 Il m’a rassasié d’amertumes, il m’a abreuvé d’absinthe. 15 Novokisany zava-mangidy aho ary nobobohany zava-mahafaty.
— v. 13 : litt.: fils.  
16 Il m’a brisé les dents avec du gravier ; il m’a couvert de cendre. 16 [VAO] Ary notorotoroiny tamin'ny sila-bato ny nifiko, sady natsinkasinkasiny tamin'ny lavenona aho.
17 Et tu as rejeté mon âme loin de la paix, j’ai oublié le bonheur ; 17 Ary noroahinao tsy hahita fiadanana ny fanahiko, ka efa hadinoko ny tsara.
18 et j’ai dit : Ma confiance* est périe, et mon espérance en l’Éternel. 18 Dia hoy izaho: Levona ny faharetako sy ny fanantenako an'i Jehovah.
— v. 18 : ou : force.  
19 Souviens-toi de mon affliction, et de mon bannissement*, de l’absinthe et du fiel. 19 [ZAINA] Tsarovy ny fahoriako sy ny fanjenjenako, dia ny zava-mahafaty sy ny rano mangidy.
20 Mon âme s’en souvient sans cesse, et elle est abattue au dedans de moi. — 20 Tsaroan'ny fanahiko indrindra izany, ka mitanondrika ato anatiko izy.
21 Je rappelle ceci à mon cœur, c’est pourquoi j’ai espérance : 21 Izany no ho eritreretiko ato am-poko, ka dia hanantena aho.
— v. 19 : ou : ma misère.  
22 Ce sont les bontés de l’Éternel que nous ne sommes pas consumés, car ses compassions ne cessent pas ; 22 [HETA] Ny famindram-pon'i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany.
23 elles sont nouvelles chaque matin ; grande est ta fidélité ! 23 Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao.
24 L’Éternel est ma portion, dit mon âme ; c’est pourquoi j’espérerai en lui. 24 Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho.
   
25 L’Éternel est bon pour ceux qui s’attendent à lui, pour l’âme qui le cherche. 25 [TETA] Tsara Jehovah amin'izay manantena Azy, dia amin'ny olona izay mitady Azy.
26 C’est une chose bonne qu’on attende, et dans le silence, le salut de l’Éternel. 26 Tsara ny miandry ny famonjen'i Jehovah amin'ny fanginana.
27 Il est bon à l’homme de porter le joug dans sa jeunesse : 27 Tsara amin'ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy.
   
28 Il est assis solitaire, et se tait, parce qu’il l’a pris sur lui ; 28 [JODA] Aoka hanjokaiky irery izy ka hangina, raha ampitondraina izany.
29 il met sa bouche dans la poussière : peut-être y aura-t-il quelque espoir. 29 Aoka hanohoka ny vavany eo amin'ny vovoka izy, angamba hisy hantenaina.
30 Il présente la joue à celui qui le frappe, il est rassasié d’opprobres. 30 Aoka hanolotra ny takolany ho amin'izay mamely azy izy ka ho feno latsa.
   
31 Car le Seigneur ne rejette pas pour toujours ; 31 [KAFA] Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo;
32 mais, s’il afflige, il a aussi compassion, selon la grandeur de ses bontés ; 32 Eny fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben'ny famindram-pony.
33 car ce n’est pas volontiers qu’il afflige et contriste les fils des hommes. 33 Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak'olombelona.
   
34 Qu’on écrase sous les pieds tous les prisonniers de la terre, 34 [LAMEDA] Ny fanitsakitsahana ny mpifatotra rehetra ambonin'ny tany ho eo ambanin'ny tongotra,
35 qu’on fasse fléchir le droit d’un homme devant la face du Très-haut, 35 Ny familiana ny rariny amin'ny olona eo anatrehan'ny Avo Indrindra,
36 qu’on fasse tort à un homme dans sa cause, le Seigneur ne le voit-il point* ? 36 Ny famadihana ny adin'ny olona, dia samy tsy sitraky* ny Tompo.[Heb. jeren']
— v. 36 : selon quelques-uns : le Seigneur ne le voit pas [avec complaisance].  
37 Qui est-ce qui dit une chose, et elle arrive, quand le Seigneur ne l’a point commandée ? 37 [MEMA] Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian'ny Tompo?
38 N’est-ce pas de la bouche du Très-haut que viennent les maux et les biens ? 38 Tsy avy amin'ny vavan'ny Avo Indrindra va no ivoahan'ny soa sy ny loza ?
39 Pourquoi un homme vivant se plaindrait-il, un homme, à cause de la peine* de ses péchés ? 39 Koa ahoana no imonomononan'ny olona mbola velona, fa no tsy aleo misento noho ny amin'ny fahotany avy*? [Na: Eny, nahoana no imonomononan'ny olona, raha mijaly noho ny fahotany?]
— v. 39 : ou : se plaindrait-il ? Qu’un homme [se plaigne] à cause.  
40 Recherchons nos voies, et scrutons-les, et retournons jusqu’à l’Éternel. 40 [NONA] Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin'i Jehovah.
41 Élevons nos cœurs avec nos mains vers *Dieu dans les cieux. 41 Aoka hasandratsika amin'Andriamanitra any an-danitra ny fontsika sy ny tanantsika.
42 Nous avons désobéi et nous avons été rebelles ; tu n’as pas pardonné. 42 Izahay efa nanota sy nanao ditra, ary Hianao kosa tsy namela heloka.
   
43 Tu t’es enveloppé de colère et tu nous as poursuivis ; tu as tué, tu n’as point épargné. 43 [SAMEKA] Nisarona fahatezerana Hianao ka nanenjika anay; eny, novonoinao izahay, fa tsy niantranao.
44 Tu t’es enveloppé d’un nuage, de manière à ce que la prière ne passât point. 44 Nisarona rahona Hianao, ka dia voasakana ny vavaka.
45 Tu nous as faits la balayure et le rebut au milieu des peuples. 45 Nataonao tahaka ny fakofako sy ny zavatra nariana teo afovoan'ny firenena izahay.
   
46 Tous nos ennemis ont ouvert la bouche sur nous. 46 [PE] Ny fahavalonay rehetra misanasana vava aminay.
47 La frayeur et la fosse sont venues sur nous, la destruction et la ruine. 47 Mahavoa anay ny tahotra sy ny lavaka ary ny fandringanana sy ny fahatorotoroana.
48 Des ruisseaux d’eaux coulent de mes yeux à cause de la ruine de la fille de mon peuple. 48 Rano mandriaka no mijononoka amin'ny masoko noho ny faharatran'ny oloko zanakavavy.
   
49 Mon œil se fond en eau, il ne cesse pas et n’a point de relâche, 49 [AINA] Ny masoko mandrotsa-dranomaso ka tsy mijanona, eny, tsy misy fiatoana,
50 jusqu’à ce que l’Éternel regarde et voie des cieux. 50 Ambara-pitazan'i Jehovah ka ho tsinjony any an-danitra.
51 Mon œil afflige mon âme à cause de toutes les filles de ma ville. 51 Ny masoko mampiditra fahoriana ho an'ny fanahiko noho ny amin'ny zanakavavin'ny tanànako rehetra.
   
52 Ceux qui sont mes ennemis sans cause m’ont donné la chasse comme à l’oiseau. 52 [TSADE] Izay fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana dia nanenjika ahy mafy hoatra ny fanenjika voron-kely.
53 Ils m’ont ôté la vie dans une fosse, et ont jeté des pierres* sur moi. 53 Nanjera ahy tao an-davaka famoriandrano izy ka nitady hahafaty ahy sady nitora-bato ahy.
54 Les eaux ont coulé par-dessus ma tête ; j’ai dit : Je suis retranché ! 54 Mandifotra ny lohako ny rano, ka dia hoy izaho: Maty* aho ity![Heb. Voajinja]
— v. 53 : litt.: [une] pierre.  
55 J’ai invoqué ton nom, ô Éternel ! de la fosse des abîmes. 55 [KOFA] Jehovah ô, niantso ny anaranao tany an-davaka lalina indrindra aho.
56 Tu as entendu ma voix ; ne cache point ton oreille à mon soupir, à mon cri. 56 Ny feoko dia efa renao, aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana kely aho.
57 Tu t’es approché au jour que je t’ai invoqué ; tu as dit : Ne crains pas. 57 Nanakaiky Hianao tamin'ny andro niantsoako Anao, ka dia hoy Hianao: Aza matahotra.
   
58 Seigneur, tu as pris en main la cause* de mon âme, tu as racheté ma vie. 58 [RESY] Tompo ô, Hianao nandahatra ny adiko izay nikasika ny aiko, eny, nanavotra ny aiko Hianao.
59 Tu as vu, Éternel, le tort qu’on me fait ; juge ma cause. 59 Jehovah ô, hitanao ny fitsarana miangatra natao tamiko, ka mba tsarao ny adiko.
60 Tu as vu toute leur vengeance, toutes leurs machinations contre moi. 60 Hitanao ny famalian-dratsy rehetra ataon'ireo, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy
— v. 58 : litt.: les causes.  
61 Tu as entendu leurs outrages, ô Éternel ! toutes leurs machinations contre moi, 61 [SINA] Jehovah ô, efa renao ny latsa ataony, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy,
62 les lèvres de ceux qui s’élèvent contre moi, et ce qu’ils se proposent contre moi tout le jour. 62 Dia ny molotr'izay mitsangana hanohitra ahy sy ny saina ataony mandritra ny andro hamelezana ahy.
63 Regarde quand ils s’asseyent et quand ils se lèvent : je suis leur chanson. 63 Jereo ny fipetrany sy ny fitsangany, fa ataony an-kira aho.
   
64 Rends-leur une récompense, ô Éternel ! selon l’ouvrage de leurs mains. 64 [TAO] Hovalianao araka ny asan'ny tànany izy, Jehovah ô.
65 Donne-leur un cœur cuirassé ; ta malédiction soit sur eux ! 65 Eny, hohamaizininao ny fony, hihatra aminy ny ozonao.
66 Poursuis-les dans ta colère et détruis-les de dessous les cieux de l’Éternel. 66 Henjehinao amin'ny fahatezerana izy ka haringanao tsy ho etỳ ambanin'ny lanitr'i Jehovah.
* *
Chapitre 4 Chapitre 4
1 Comment l’or est-il devenu obscur, et l’or fin a-t-il été changé ! [Comment] les pierres du lieu saint sont-elles répandues au coin de toutes les rues ! 1 [Fietren-tena noho ny fitsarana ataon'Andriamanitra, ary fanantenam-pamonjena] Indrisy! efa matromatroka ny volamena; Efa niova ny tena volamena tsara! Ny vato nohamasinina dia efa nahahany eny an-joron-dalambe rehetra eny.
2 Les fils de Sion, si précieux, estimés à l’égal de l’or fin, comment sont-ils réputés des vases de terre, ouvrage des mains d’un potier ? 2 Indrisy! ny zanaka mahafinaritr'i Ziona, izay saro-bidy tahaka ny tena volamena, dia efa atao ho toy ny siny, asan-tànan'ny mpanefy tanimanga!
3 Les chacals même présentent la mamelle, allaitent leurs petits ; la fille de mon peuple est devenue cruelle comme les autruches du désert. 3 Na dia ny amboadia* aza dia manolotra nono hampinonoany ny zanany; Fa ny oloko zanakavavy kosa dia efa masiaka toy ny ostritsa any an-efitra.[Na: jakala]
4 La langue de celui qui tétait se colle par la soif à son palais ; les petits enfants demandent du pain, personne ne le rompt pour eux. 4 Ny lelan'ny zaza minono miraikitra amin'ny lanilaniny noho ny hetaheta; Ny ankizy madinika mangataka hanina, nefa tsy misy mizara ho azy.
5 Ceux qui mangeaient des mets délicats sont là, périssant dans les rues ; ceux qui étaient élevés sur l’écarlate embrassent le fumier. 5 Izay nihinana zava-py dia mahantra eny an-dalambe; Izay notezaina tamin'ny jaky dia mandamaka eny amin'ny zezika*.[Heb. Naziritany]
6 Et la peine de l’iniquité de la fille de mon peuple est plus grande que la peine du péché de Sodome qui fut renversée comme en un moment sans qu’on ait porté les mains sur elle. 6 Fa ny heloky ny oloko zanakavavy dia lehibe noho ny helok'i Sodoma, Izay noravana indray mipi-maso monja, nefa tsy nokasihin-tanana akory,
* *
7 Ses nazaréens étaient plus purs que la neige, plus blancs que le lait ; leur corps était plus vermeil que des rubis*, leur taille un saphir. 7 Ny lehibeny* dia mangatsakatsaka noho ny fanala, eny, fotsy noho ny ronono; Mena noho ny voahangy** ny tenany; Tahaka ny vato safira ny endriny.[*Heb. Naziritany][**Na: perila]
8 Leur figure est plus sombre que le noir, on ne les connaît pas dans les rues ; leur peau s’attache à leurs os, elle est sèche comme du bois. 8 Fa izao kosa dia mainty noho ny arina ny tarehiny, ka tsy fantatra eny an-dalana izy; Ny hodiny miraikitra amin'ny taolany ka tonga maina toy ny hazo.
9 Ceux qui ont été tués par l’épée ont été plus heureux que ceux qui sont morts par la famine ; parce que ceux-ci ont dépéri, consumés* par le manque du produit des champs. 9 Tsara ny matin-tsabatra noho ny maty mosary; Fa ireto dia mihareraka toy ny voatrobaka noho ny tsi-fisian'ny vokatry ny saha.
10 Les mains de femmes tendres ont cuit leurs enfants, ils ont été leur viande dans la ruine de la fille de mon peuple. 10 Ny tanan'ny vehivavy malemy fanahy aza dia nahandro ny zanany: Eny, izany no nohaniny tamin'ny fandringanana ny oloko zanakavavy.
— v. 7 : ou : corail. — v. 9 : litt.: transpercés.  
* *
11 L’Éternel a accompli sa fureur, il a versé l’ardeur de sa colère et a allumé dans Sion un feu qui en a dévoré les fondements. 11 Tanterahin'i Jehovah ny fahavinirany, naidiny ny fahatezerany mirehitra, ary Izy nampirehitra afo tao Ziona, handevonana ny fanorenany.
12 Les rois de la terre et tous les habitants du monde n’eussent pas cru que l’adversaire et l’ennemi entreraient dans les portes de Jérusalem. 12 Ny mpanjakan'ny tany sy ny mponina rehetra amin'izao tontolo izao dia tsy nanampo fa ny rafilahy sy ny fahavalo no ho tafiditra ao amin'ny vavahadin'i Jerosalema.
13 C’est à cause des péchés de ses prophètes, des iniquités de ses sacrificateurs, qui versaient au milieu d’elle le sang des justes. 13 Noho ny fahotan'ny mpaminany sy ny heloky ny mpisorony, izay nandatsaka ny ran'ny marina tao aminy, no nahatongavan'izao.
14 Ils erraient aveugles par les rues, ils étaient souillés de sang, de sorte qu’on ne pouvait toucher leurs vêtements. 14 Niraparapa toy ny jamba teny an-dalambe izy, sady voahosin-drà ny tenany, ka tsy nisy sahy nikasika ny akanjony.
15 Retirez-vous ! un impur ! leur criait-on ; retirez-vous, retirez-vous, ne touchez pas !… Quand ils se sont enfuis, ils ont erré çà et là ; on a dit parmi les nations : Ils n’auront plus leur demeure ! 15 Ny olona niantsoantso azy hoe: Mialà ianareo, fa maloto, mialà, mialà, aza mikasika anay. Raha nandositra sy niraparapa izy, dia hoy ny olona tany amin'ny jentilisa: Tsy mahazo mivahiny atỳ intsony ireny.
16 La face de l’Éternel les a coupés en deux* ; il ne veut plus les regarder. Ils n’ont pas respecté la face des sacrificateurs, ils n’ont pas usé de grâce envers les vieillards. 16 Ny fahatezeran*'i Jehovah no nampihahakahaka azy, ary tsy mijery azy intsony Izy; Ny mpisorona tsy hajain'ireny, ary ny antitra tsy amindrany fo.[Heb. tavany]
17 Pour nous, nos yeux se consumaient après un secours de vanité ; nous avons attendu continuellement une nation qui ne sauvait pas. 17 Mbola pahina ny masonay miandry foana ny hamonjy anay; Nitazana teo amin'ny tilikambo izahay nanantena ny firenena izay tsy nahavonjy anay.
18 Ils ont fait la chasse à nos pas, de manière que nous ne pouvions pas marcher sur nos places : notre fin est proche, nos jours sont accomplis ; notre fin est venue ! 18 Mitsongo-dia anay izy, ka tsy mahazo mandeha eny an-dalambe aza izahay; Akaiky ny fara-fiainanay, tapitra ny andronay, eny, tonga ny fara-fiainanay.
19 Ceux qui nous poursuivaient ont été plus rapides que les aigles des cieux, ils nous ont donné la chasse sur les montagnes, ils nous ont tendu des embûches dans le désert. 19 Ny mpanenjika anay dia haingam-pandeha noho ny voromahery eny amin'ny lanitra, ka miolomay manenjika anay any an-tendrombohitra ary manotrika anay any an-efitra izy.
20 Le souffle de nos narines, l’oint de l’Éternel, a été pris dans leurs fosses, celui dont nous disions : Nous vivrons sous son ombre parmi les nations. 20 Ny fofonainay, ilay voahosotr'i Jehovah, dia efa voafandriky ny longoany, dia ilay nataonay hoe: Ao ambanin'ny alokalony no hahavelona anay any amin'ny firenena.
— v. 16 : ou : divisés, dispersés.  
* *
21 Sois dans l’allégresse et réjouis-toi, fille d’Édom, qui habites dans le pays d’Uts ! La coupe passera aussi vers toi ; tu en seras enivrée, et tu te mettras à nu ! 21 Mifalia sy miraveravoa ihany ary, ry Edoma zanakavavy, izay monina any amin'ny tany Oza, ianao koa no horosoana ny kapoaka, ka ho mamo sy hitanjaka ianao.
22 La peine de ton iniquité a pris fin, fille de Sion ; il ne te mènera plus captive. Il visitera ton iniquité, fille d’Édom ; il découvrira tes péchés. 22 Tsy misy intsony ny helokao, ry Ziona zanakavavy, tsy ho entina ho babo intsony ianao; Hamaly anao Izy, ry Edoma zanakavavy, noho ny helokao ka hampiseho ny fahotanao.
Chapitre 5 Chapitre 5
1 Souviens-toi, ô Éternel ! de ce qui nous est arrivé. Regarde, et vois notre opprobre. 1 [Fitarainana amin'Andriamanitra sy fangatahana ny hodian'ny soa nananana fahiny] Jehovah ô, tsarovy izay nanjo anay; Hevero sy diniho ny latsa mahazo anay.
2 Notre héritage est dévolu à des étrangers, nos maisons, à des forains. 2 Ny lovanay dia afindra ho an'ny vahiny ary ny tranonay ho an'ny hafa firenena.
3 Nous sommes des orphelins, sans père ; nos mères sont comme des veuves. 3 Efa kamboty izahay ka tsy manan-dray, ny reninay dia toy ny mpitondra-tena.
4 Nous buvons notre eau à prix d’argent ; notre bois nous vient par achat. 4 Na dia ny loharanonay aza dia andoavanay vola vao azonay isotroana, ary ny kitay hazonay dia vidinay vao azo.
5 Ceux qui nous poursuivent sont sur notre cou ; nous nous fatiguons, pas de repos pour nous ! 5 Rambondrambonan'ny mpanenjika amin'ny hatokay izahay; Reraka izahay fa tsy manam-pitsaharana.
6 Nous avons tendu la main vers l’Égypte, vers l’Assyrie, pour être rassasiés de pain. 6 Nanolo-tanana tamin'ny Egyptiana sy ny Asyriana izahay mba ho voky hanina.
7 Nos pères ont péché, ils ne sont plus, et nous portons la peine de leurs iniquités. 7 Nanota ny razanay tsy etỳ intsony izy; Ary izahay no mivesatra ny helony.
8 Des serviteurs dominent sur nous ; personne ne nous délivre de leur main. 8 Andevo no manapaka anay; Tsy misy manafaka anay amin'ny tànany.
9 Nous recueillons notre pain au [péril de] notre vie, à cause de l’épée du désert. 9 Noho ny sabatra mamely any an-efitra dia manao vy very ny ainay izahay vao mahazo hanina.
10 Notre peau brûle comme un four, à cause de l’ardeur de la faim. 10 Mahamay toy ny fatana ny hodi-tray noho ny fahamaimaizana avy amin'ny mosary.
11 Ils ont humilié les femmes dans Sion, les vierges dans les villes de Juda. 11 Nosavihina ny vehivavy tao Ziona ary ny virijina tao amin'ny tanànan'ny Joda.
12 Des princes ont été pendus par leur main ; la personne des vieillards n’a pas été honorée. 12 Nahantona tamin'ny tànany ny lehibe; Ary ny antitra tsy mba nohajaina.
13 Les jeunes gens ont porté les meules, et les jeunes garçons ont trébuché sous le bois. 13 Ny zatovo nitondra ny fikosoham-bary; Ary ny ankizy madinika nivembena nitondra ny hazo.
14 Les vieillards ne sont plus assis dans* la porte, les jeunes gens n’[y] chantent plus. 14 Ny loholona tsy misy eo am-bavahady, ary ny zatovo tsy mitendry zava-maneno intsony.
15 Notre cœur a cessé de se réjouir ; notre danse est changée en deuil. 15 Ny hafalian'ny fonay dia nitsahatra, ary ny dihinay niova ho fitomaniana.
16 La couronne de notre tête est tombée. Malheur à nous, car nous avons péché. 16 Efa afaka ny satro-boninahitra tamin'ny lohanay; Idiran-doza izahay, fa efa nanota!
17 À cause de cela notre cœur est abattu ; à cause de ces choses nos yeux sont obscurcis, 17 Ary noho izany dia reraka ny fonay, eny, noho izany dia maizina ny masonay,
18 À cause de la montagne de Sion qui est désolée : les renards s’y promènent. 18 Noho ny amin'ny tendrombohitra Ziona, izay efa lao sady ikarenjen'ny amboahaolo.
— v. 14 : litt.: ont cessé de.  
* *
19 Toi, ô Éternel ! tu demeures à toujours, ton trône est de génération en génération. 19 Jehovah ô, ianao no mipetraka mandrakizay, eny, ny seza fiandriananao no maharitra hatramin'ny taranaka fara mandimby.
20 Pourquoi nous oublies-tu à jamais, nous abandonnes-tu pour de longs jours ? 20 Ahoana no dia anadinoanao anay mandrakizay sy ahafoizanao anay andro lava ?
21 Fais-nous revenir à toi, ô Éternel ! et nous reviendrons ; renouvelle nos jours comme [ils étaient] autrefois ! 21 Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay.
22 Ou bien, nous aurais-tu entièrement rejetés ? Serais-tu extrêmement courroucé contre nous ? 22 Moa dia nandà anay tokoa va Hianao sy tezitra aminay indrindra?