Le NOUVEAU TESTAMENT  
   
Épître aux GALATES Galatiana
   
Accès direct aux chapitres des Galates : 1, 2, 3, 4, 5, 6 Accès direct aux chapitres des Galates : 1, 2, 3, 4, 5, 6
   
Chapitre 1 Chapitre 1
1 Paul, apôtre, non de la part des hommes, ni par l’homme, mais par Jésus Christ, et Dieu le Père qui l’a ressuscité d’entre les morts, 1 [Fiarahabana] Paoly Apostoly - tsy avy tamin'olona, na tamin'ny alalan'olona, fa tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray, Izay nanangana Azy tamin'ny maty -
2 et tous les frères qui sont avec moi, aux assemblées de la Galatie* : 2 mbamin'ny rahalahy rehetra izay ato amiko, mamangy ny fiangonana* atỳ Galatia: [* Gr. eklesia]
3 Grâce et paix à vous, de la part de Dieu le Père et de notre seigneur Jésus Christ, 3 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika,
4 qui s’est donné lui-même pour nos péchés, en sorte qu’il nous retirât du présent siècle mauvais, selon la volonté de notre Dieu et Père, 4 Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin'izao miara-belona ratsy fanahy izao*, araka ny sitrapon'Andriamanitra Raintsika; [* Na: izao andro ratsy izao]
5 auquel soit* la gloire aux siècles des siècles ! Amen. 5 ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
— v. 2 : province d’Asie mineure (région actuelle d’Ankara). — v. 5 : ou : est.  
6 Je m’étonne de ce que vous passez si promptement de celui qui vous a appelés par la grâce de Christ, à un évangile différent, 6 [Fananarana ny Galatiana noho ny fivadibadihany, sy ny fanambarana ny mah'Apostoly an'i Paoly] Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala amin'izay efa niantso anareo tamin'ny fahasoavan'i Kristy ho amin'ny filazantsara hafa,
7 qui n’en est pas un autre ; mais il y a des gens qui vous troublent, et qui veulent pervertir l’évangile du Christ. 7 izay tsy filazantsara akory*, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran'i Kristy. [* Gr. anankiray koa]
8 Mais quand nous-mêmes, ou quand un ange venu du ciel vous évangéliserait outre ce que nous vous avons évangélisé, qu’il soit anathème. 8 Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy* izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona** izy. [* Na: manohitra] [** Gr. anatema]
9 Comme nous l’avons déjà dit, maintenant aussi je le dis encore : si quelqu’un vous évangélise outre ce que vous avez reçu, qu’il soit anathème*. 9 Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona* izy, [* Gr. anatema]
10 Car maintenant, est-ce que je m’applique à satisfaire des hommes, ou Dieu ? Ou est-ce que je cherche à complaire à des hommes ? Si je complaisais encore à des hommes, je ne serais pas esclave de Christ. 10 Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin'olona aho? Raha mbola mila sitraka amin'olona aho, dia tsy mpanompon'i Kristy.
— v. 9 : formule de malédiction.  
11 Or je vous fais savoir, frères, que l’évangile qui a été annoncé par moi n’est pas selon l’homme. 11 Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany.
12 Car moi, je ne l’ai pas reçu de l’homme non plus, ni appris, mais par la révélation de Jésus Christ. 12 Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany.
13 Car vous avez ouï dire [quelle a été] autrefois ma conduite dans le judaïsme, comment je persécutais outre mesure l’assemblée de Dieu et la dévastais, 13 Fa efa renareo ny toetro fahiny tamin'ny fivavahan'ny Jiosy, fa nanenjika ny fiangonan*'Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy; [* Gr. eklesia]
14 et comment j’avançais dans le judaïsme plus que plusieurs de ceux de mon âge dans ma nation, étant le plus ardent zélateur des traditions de mes pères. 14 ary nandroso tamin'ny fivavahan'ny Jiosy mihoatra noho ny maro izay indray mihira amiko eo amin'ny fireneko aho ka fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako indrindra.
15 Mais quand il plut à Dieu, qui* m’a mis à part dès le ventre de ma mère et qui m’a appelé par sa grâce, 15 Fa raha sitrak'Andriamanitra, Izay nanokana ahy hatrany an-kibon'ineny ny niantso ahy tamin'ny fahasoavany,
16 de révéler son Fils en moi, afin que je l’annonçasse* parmi les nations, aussitôt, je ne pris pas conseil de la chair ni du sang, 16 ny nampiseho ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin'ny jentilisa, niaraka tamin'izay dia tsy naka saina tamin'ny nofo aman-drà aho,
17 ni ne montai à Jérusalem vers ceux qui étaient apôtres avant moi, mais je m’en allai en Arabie, et je retournai de nouveau à Damas. 17 ary tsy niakatra tany Jerosalema ho any amin'izay Apostoly talohako aho, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damaskosy indray.
18 Puis, trois ans après, je montai à Jérusalem pour faire la connaissance de Céphas*, et je demeurai chez lui quinze jours ; 18 Ary rehefa afaka telo taona, dia niakatra tany Jerosalema hamangy an'i Kefasy aho ka nitoetra tao aminy dimy ambin'ny folo andro.
19 et je ne vis aucun autre des apôtres, sinon Jacques le frère du Seigneur. 19 Nefa ny Apostoly sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba*, rahalahin'ny Tompo. [* Na: fa Jakoba kosa]
20 Or dans les choses que je vous écris, voici, devant Dieu, je ne mens point. 20 Ary izay zavatra soratako aminareo, indro, eo anatrehan'Andriamanitra fa tsy mandainga aho.
21 Ensuite j’allai dans les pays de Syrie et de Cilicie. 21 Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin'ny tany Syria sy Kilikia aho;
22 Or j’étais inconnu de visage aux assemblées de la Judée qui sont en Christ, 22 ary tsy mbola fantatry ny fiangonana* any Jodia, izay ao amin'i Kristy, ny tarehiko. [* Gr. eklesia]
23 mais seulement elles entendaient dire : Celui qui nous persécutait autrefois, annonce* maintenant la foi qu’il détruisait** jadis ; 23 Fa nandre ihany izy hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny .
24 et elles glorifiaient Dieu à cause de moi. 24 Ary dia nankalazany an'Andriamanitra aho.
— v. 15 : ou : au Dieu qui. — v. 16, 23* : comme Actes 8:4 : annoncer la bonne nouvelle, évangéliser. — v. 18 : nom araméen de Pierre (comme 2:9, 11). — v. 23** : ou : ravageait (verset 13 : dévastais).  
Chapitre 2 Chapitre 2
1 Ensuite, au bout de quatorze ans, je montai de nouveau à Jérusalem avec Barnabas, prenant aussi Tite avec moi. 1 Ary nony afaka efatra ambin'ny folo taona, dia niakatra tany Jerosalema indray izaho sy Barnabasy, ary Titosy dia nentiko niaraka tamiko koa.
2 Or j’y montai selon une révélation, et je leur exposai l’évangile que je prêche parmi les nations, mais, dans le particulier, à ceux qui étaient considérés, de peur qu’en quelque manière je ne courusse ou n’eusse couru en vain 2 Ary niakatra araka ny fanambarana aho, ka nambarako taminy ny filazantsara izay toriko any amin'ny jentilisa, nefa nangingina ihany tamin'izay manan-daza, fandrao ho mihazakazaka foana aho, na efa nihazakazaka foana.
3 (cependant, même Tite qui était avec moi, quoiqu’il fût Grec, ne fut pas contraint à être circoncis) : 3 Kanefa na dia Titosy izay niaraka tamiko aza, dia tsy mba noterena hoforana, na dia Grika aza izy,
4 et cela à cause des faux frères, furtivement introduits, qui s’étaient insinués pour épier la liberté que nous avons dans le christ Jésus, afin de nous réduire à la servitude ; 4 dia noho ny rahalahy sandoka nampidirina misokosoko, izay niditra mangingina hisafo ny fahafahantsika, izay ananantsika ao amin'i Kristy Jesosy, mba hanandevozany antsika;
5 auxquels nous n’avons pas cédé par soumission, non pas même un moment, afin que la vérité de l’évangile demeurât avec vous. 5 fa tsy nety nikoy ireo izahay na dia ora iray monja aza, mba hitoeran'ny fahamarinan'ny filazantsara aminareo.
6 Or, de ceux qui étaient considérés comme étant quelque chose…, quels qu’ils aient pu être, cela ne m’importe en rien : Dieu n’a point égard à l’apparence de l’homme…, à moi, certes, ceux qui étaient considérés n’ont rien communiqué de plus ; 6 Fa ny amin'ny olona atao ho manan-daza (na nanao ahoana na nanao ahoana izy dia tsy mampaninona ahy; Andriamanitra tsy mizaha tavan'olona), izaho tsy nomen'ireo manan-daza ireo saina na tamin'inona na tamin'inona.
7 mais au contraire, ayant vu que l’évangile de l’incirconcision m’a été confié, comme celui de la circoncision l’a été à Pierre, 7 Fa hafa kosa no nataony, fa nony hitany fa notolorana ny filazantsara ho adidiko ho an'ny tsy voafora aho, tahaka an'i Petera ho an'ny voafora
8 (car celui qui a opéré en Pierre pour l’apostolat de la circoncision a opéré en moi aussi envers les nations), 8 (fa Izay niasa ho an'i Petera hah'Apostoly azy ho an'ny voafora no niasa ho ahy koa ho an'ny jentilisa),
9 et ayant reconnu la grâce qui m’a été donnée, Jacques, et Céphas*, et Jean, qui étaient considérés comme étant des colonnes, me donnèrent, à moi et à Barnabas, la main** d’association, afin que nous [allassions] vers les nations, 9 ary nony fantatr'i Jakoba sy Kefasy ary Jaona, izay natao ho andry, ny fahasoavana nomena ahy, dia notolorany ny tanana ankavanan'ny fihavanana izaho sy Barnabasy, mba hankany amin'ny jentilisa izahay, fa izy kosa ho any amin'ny voafora.
10 et eux vers la circoncision, [voulant] seulement que nous nous souvinssions des pauvres, ce qu’aussi je me suis appliqué à faire. 10 Izao ihany no tiany, dia ny mba hahatsiarovanay ny malahelo, sady nahazoto ahy indrindra rahateo ny hanao izany.
— v. 9* : voir note à 1:18. — v. 9**: litt.: les [mains] droites.  
11 Mais quand Céphas vint à Antioche, je lui résistai en face, parce qu’il était condamné. 11 Ary nony tonga tany Antiokia Kefasy, dia nanohitra azy nifanatrika aho, satria hita fa nanan-tsiny izy.
12 Car, avant que quelques-uns fussent venus d’auprès de Jacques, il mangeait avec ceux des nations* ; mais quand ceux-là furent venus, il se retira et se sépara lui-même, craignant ceux de la circoncision ; 12 Fa fony tsy mbola tonga ny sasany any tany amin'i Jakoba, dia niara-nihinana tamin'ny jentilisa ihany izy; fa nony tonga ireo, dia nihatakataka izy ka niala, satria natahotra ny momba ny famorana izy.
13 et les autres Juifs aussi usèrent de dissimulation avec lui, de sorte que Barnabas même fut entraîné avec eux par leur dissimulation. 13 Ary ny Jiosy sasany koa niara-nihatsaravelatsihy taminy, ka Barnabasy avy aza mba voataonan'ny fihatsaram-belatsihiny koa.
14 Mais quand je vis qu’ils ne marchaient pas droit, selon la vérité de l’évangile, je dis à Céphas devant tous : Si toi qui es Juif, tu vis comme les nations et non pas comme les Juifs, comment contrains-tu les nations à judaïser ? 14 Fa rehefa hitako fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan'ny filazantsara ireo, dia hoy izaho tamin'i Kefasy teo anatrehan'ny olona rehetra : Raha ianao izay tena Jiosy aza no manao tahaka ny fanaon'ny jentilisa, fa tsy tahaka ny fanaon'ny Jiosy, nahoana ny jentilisa no terenao hanao tahaka ny fanaon'ny Jiosy?
15 Nous qui, de nature, sommes Juifs et non point pécheurs d’entre les nations, 15 Taranaky ny Jiosy isika, fa tsy mba mpanota avy amin'ny jentilisa,
16 sachant néanmoins que l’homme n’est pas justifié sur le principe des œuvres de loi, ni autrement que par la foi en Jésus Christ, nous aussi, nous avons cru au christ Jésus, afin que nous fussions justifiés sur le principe de la foi en Christ et non pas sur le principe des œuvres de loi : parce que sur le principe des œuvres de loi nulle chair ne sera justifiée. 16 nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin'ny asan'ny lalàna ny olona, fa amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy, dia nino an'i Kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin'ny finoana an'i Kristy, fa tsy amin'ny asan'ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna.
17 Or si, en cherchant à être justifiés en Christ, nous-mêmes aussi nous avons été trouvés pécheurs, Christ donc est ministre de péché ? Qu’ainsi n’advienne ! 17 Fa raha mitady hohamarinina ao amin'i Kristy isika, nefa ny tenantsika no hita fa mpanota, moa mpanompo ny ota va Kristy? Sanatria izany!
18 Car si ces mêmes choses que j’ai renversées, je les réédifie, je me constitue transgresseur moi-même. 18 Fa raha ny zavatra efa noravako no atsangako indray, dia mampiseho ny tenako fa diso aho.
19 Car moi, par [la] loi, je suis mort à [la] loi, afin que je vive à Dieu. 19 Fa raha izaho, dia tamin'ny lalàna no nahafatesako ny amin'ny lalàna, mba ho velona ho an'Andriamanitra aho.
20 Je suis crucifié avec Christ ; et je ne vis plus, moi, mais* Christ vit en moi ; — et ce que je vis maintenant dans [la] chair, je le vis dans [la] foi, la [foi] au Fils de Dieu, qui m’a aimé et qui s’est livré lui-même pour moi. 20 Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.
21 Je n’annule pas la grâce de Dieu ; car si [la] justice est par [la] loi, Christ est donc mort pour rien. 21 Tsy mahafoana ny fahasoavan'Andriamanitra aho; fa raha avy amin'ny lalàna ny fahamarinana, dia maty foana Kristy.
— v. 12 : litt.: avec les nations. — v. 20 : ou : mais je vis, — non plus moi, mais.  
Chapitre 3 Chapitre 3
1 Ô Galates insensés, qui vous a ensorcelés, vous devant les yeux de qui Jésus Christ a été dépeint, crucifié [au milieu de vous] ? 1 [Ny famonjena sy ny fahafahan'ny mino an'i Kristy ampitahaina amin'ny fahamelohana sy ny fahandevozan'izay miankina amin'ny lalàna] Ry Galatiana adala, iza no nanimba* anareo; kanefa teo imasonareo indrindra no nanehoana marimarina an'i Jesosy Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana? [* Gr. mamosavy]
2 Je voudrais seulement apprendre ceci de vous : avez-vous reçu l’Esprit sur le principe des œuvres de loi, ou de l’ouïe de [la] foi ? 2 Izao ihany no tiako holazainareo amiko: Moa ny asan'ny lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny fitoriana ny finoana*? [* Na: fandrenesana amin'ny finoana]
3 Etes-vous si insensés ? Ayant commencé par l’Esprit, achèveriez-vous maintenant* par la chair ? 3 Adala toy izany va ianareo? Rehefa nanomboka tamin'ny Fanahy ianareo, dia hahatanteraka amin'ny nofo va ankehitriny?
4 Avez-vous tant souffert en vain, si toutefois c’est en vain ? 4 Moa izany zavatra be izany dia efa niaretanareo foana, raha dia foana tokoa izany?
5 Celui donc qui vous fournit l’Esprit et qui opère des miracles au milieu de vous, [le fait-il] sur le principe des œuvres de loi, ou de l’ouïe de [la] foi ? 5 Ary Izay manome anareo ny Fanahy sy mahavita asa lehibe eo aminareo, moa avy amin'ny asan'ny lalàna va izany, sa avy amin'ny fitoriana ny finoana*? [* Na: fandrenesana amin'ny finoana]
6 comme Abraham a cru Dieu, et cela lui fut compté à justice*. 6 Dia tahaka an'i Abrahama nino an'Andriamanitra, ka dia nasaina ho fahamarinany izany (Gen. 15. 6).
7 Sachez donc que ceux qui sont sur le principe de [la] foi, ceux-là sont fils d’Abraham. 7 Koa fantaro fa izay amin'ny finoana no zanak'i Abrahama.
8 Or l’écriture, prévoyant que Dieu justifierait les nations sur le principe de [la] foi, a d’avance annoncé la bonne nouvelle à Abraham : «En toi toutes les nations seront bénies» [Genèse 12:3]. 8 Ary satria hitan'ny Soratra Masina rahateo fa amin'ny finoana no anamarinan'Andriamanitra ny jentilisa, dia nitory ny filazantsara tamin'i Abrahama rahateo izy, nanao hoe: Aminao no hitahiana ny firenena rehetra (Gen. 12. 3);
9 De sorte que ceux qui sont sur le principe de [la] foi sont bénis avec le croyant Abraham. 9 ka dia izay amin'ny finoana notahina mbamin'i Abrahama mpino.
10 Car tous ceux qui sont sur le principe des œuvres de loi sont sous malédiction ; car il est écrit : «Maudit est quiconque ne persévère pas dans toutes les choses qui sont écrites dans le livre de la loi pour les faire» [Deutéronome 27:26]. 10 Fa izay rehetra amin'ny asan'ny lalàna dia eo ambanin'ny fanozonana; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàna (Deo. 27. 26).
11 Or que par [la] loi personne ne soit justifié devant Dieu, cela est évident, parce que : «Le juste vivra de* foi» [Habakuk 2:4]. 11 Ary hita marimarina fa amin'ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan'Andriamanitra ; fa ny marina amin'ny finoana no ho velona* (Hab. 2. 4). [* Na: ny marina ho velon'ny finoana]
12 Mais la loi n’est pas sur le principe de [la] foi, mais : «Celui qui aura fait ces choses vivra par elles» [Lévitique 18:5]. 12 Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa izay mahatandrina izany no ho velona aminy (Lev. 18. 5).
13 Christ nous a rachetés de la malédiction de la loi, étant devenu malédiction pour nous (car il est écrit : «Maudit est quiconque est pendu au bois») [Deutéronome 21:23], 13 Kristy nanavotra anay tamin'ny ozon'ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa voasoratra hoe : Voaozona izay rehetra mihantona amin'ny hazo (Deo. 21. 23),
14 afin que la bénédiction d’Abraham parvînt aux nations dans le christ Jésus, afin que nous reçussions par la foi l’Esprit promis*. 14 mba ho tonga amin'ny jentilisa ny fitahiana an'i Abrahama ao amin'i Kristy Jesosy, ary mba horaisintsika amin'ny finoana ny teny fikasana ny amin'ny Fanahy.
— v. 3 : ou : vous rendriez-vous maintenant parfaits. — v. 6 : voir Genèse 15:6. — v. 11 : ailleurs : sur le principe de. — v. 14 : litt.: la promesse de l’Esprit ; comparer Actes 2:33 (même note).  
15 Frères, je parle selon l’homme : personne n’annule une alliance qui est confirmée, même [celle] d’un homme, ni n’y ajoute. 15 Ry rahalahy - miteny araka ny fanaon'ny olona aho - na dia ny fanekena* ataon'olona ihany aza, rehefa vita mafy, dia tsy fanao ny manatsoaka na manampy izany. [* Na: didim-pananana]
16 Or c’est à Abraham que les promesses ont été faites, et à sa semence. Il ne dit pas : «et aux semences», comme [parlant] de plusieurs ; mais comme [parlant] d’un seul : — «et à ta semence» [Genèse 22:18], qui est Christ. 16 Ary tamin'i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy lazainy hoe: Ary ho an'ny taranaka, toy ny milaza ny maro; fa toy ny milaza ny anankiray, ary ho an'ny taranakao (Gen. 22. 18), dia Kristy izany.
17 Or je dis ceci : que la loi, qui est survenue quatre cent trente ans après, n’annule point une alliance antérieurement confirmée par Dieu, de manière à rendre la promesse sans effet. 17 Ary izao no lazaiko: Ny fanekena izay nataon'Andriamanitra mafy fahiny dia tsy tsoahan'ny lalàna, izay vao natao telo-polo amby efa-jato taona tato aoriana, hahafoana ny teny fikasana.
   
18 Car si l’héritage est sur le principe de loi, il n’est plus sur le principe de promesse ; mais Dieu a fait le don à Abraham par promesse. 18 Fa raha avy amin'ny lalàna ny lova, dia tsy avy amin'ny teny fikasana intsony; nefa tamin'i Abrahama dia teny fikasana no nanomezan'Andriamanitra azy.
   
19 Pourquoi donc la loi ? Elle a été ajoutée à cause des transgressions*, jusqu’à ce que vînt la semence à laquelle la promesse est faite, ayant été ordonnée** par des anges***, par la main d’un médiateur***. 19 Inona ary ny lalàna ? Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin'ny taranaka izay nomena ny teny fikasana; ary nalahatr'anjely teo an-tànan'ny mpanalalana izany.
20 Or un médiateur* n’est pas [médiateur] d’un seul, mais Dieu est un seul. 20 Ary ny mpanalalana dia tsy an'ny irery, fa Andriamanitra dia iray ihany.
— v. 19*: c. à d. dans le but de faire ressortir le mal par des transgressions. — v. 19** : ordonnée se rattache à la loi. — v. 19*** : voir Actes 7:53. — v. 19**** : c. à d. Moïse. — v. 20 : ou : le médiateur  
21 La loi est-elle donc contre les promesses de Dieu ? Qu’ainsi n’advienne ! Car s’il avait été donné une loi qui eût le pouvoir de faire vivre, la justice serait en réalité sur le principe de [la] loi. 21 Ka moa manohitra ny teny fikasan'Andriamanitra va ny lalàna? Sanatria izany! Fa raha nisy lalàna mahavelona nomena, dia avy tamin'ny lalàna tokoa ny fahamarinana
22 Mais l’écriture a renfermé toutes choses sous le péché, afin que la promesse, sur le principe de [la] foi en Jésus Christ, fût donnée à ceux qui croient. 22 Fa ny Soratra Masina efa nanidy azy rehetra teo amin'ny fahotana, mba homena ny mino ny teny fikasana noho ny finoana an i Jesosy Kristy.
23 Or avant que la foi vînt, nous étions gardés sous [la] loi, renfermés pour* la foi qui devait être révélée ; 23 Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin'ny lalàna isika ka voahidy ho amin'ny finoana izay efa haseho ato aoriana.
24 de sorte que la loi a été notre conducteur* jusqu’à Christ, afin que nous fussions justifiés sur le principe de [la] foi ; 24 Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin'i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika.
25 mais, la foi étant venue, nous ne sommes plus sous un conducteur*, 25 Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika.
26 car vous êtes tous fils de Dieu par la foi dans le christ Jésus. 26 Fa ianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy.
27 Car vous tous qui avez été baptisés pour Christ, vous avez revêtu Christ : 27 Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy.
28 il n’y a ni Juif, ni Grec ; il n’y a ni esclave, ni homme libre ; il n’y a ni mâle, ni femelle ; car vous tous, vous êtes un dans le christ Jésus. 28 Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy.
29 Or si vous êtes de Christ, vous êtes donc [la] semence d’Abraham, héritiers selon [la] promesse. 29 Fa raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.
— v. 23 : ou : jusqu’à. — v. 24, 25 : ou : gouverneur, précepteur.  
Chapitre 4 Chapitre 4
1 Or je dis qu’aussi longtemps que l’héritier est en bas âge, il ne diffère en rien d’un esclave, quoiqu’il soit seigneur de tout ; 1 Ary hoy izaho: Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny andevo izy, na dia tompon'ny zavatra rehetra aza;
2 mais il est sous des tuteurs et des curateurs jusqu’à l’époque fixée par le père. 2 fa fehezin'izay mpitondra sy mpitaiza azy izy mandra-pahatongan'ny fetr'andro voatendrin'ny rainy.
3 Ainsi aussi nous, lorsque nous étions en bas âge, nous étions asservis sous les éléments du monde ; 3 Dia tahaka izany koa isika, fony mbola zaza, dia nandevozin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao;
4 mais, quand l’accomplissement* du temps est venu, Dieu a envoyé son Fils, né** de femme, né** sous [la] loi, 4 fa rehefa tonga ny fotoan'andro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin'ny lalàna,
5 afin qu’il rachetât ceux [qui étaient] sous [la] loi, afin que nous reçussions l’adoption*. 5 hanavotany izay ambanin'ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganan'anaka.
6 Et, parce que vous êtes fils, Dieu a envoyé l’Esprit de son Fils dans nos cœurs, criant : Abba*, Père : 6 Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin'Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô.
7 de sorte que tu n’es plus esclave, mais fils ; et, si fils, héritier aussi par Dieu. 7 Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra.
8 Mais alors, ne connaissant pas Dieu, vous étiez asservis à ceux qui, par [leur] nature, ne sont pas dieux* : 8 Kanefa tamin'izany, fony mbola tsy nahalala an'Andriamanitra ianareo, dia nanompo izay andriamani-tsi-izy;
9 mais maintenant, ayant connu Dieu, mais plutôt ayant été connus de Dieu, comment retournez-vous de nouveau aux faibles et misérables éléments auxquels vous voulez encore de nouveau être asservis ? 9 fa ankehitriny, rehefa mahalala an'Andriamanitra ianareo - nefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo - nahoana ianareo no dia miverina indray ho amin'ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona, nefa tianareo hotompoina indray?
10 Vous observez des jours, et des mois, et des temps, et des années. 10 Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra.
11 Je crains, quant à vous, que peut-être je n’aie travaillé en vain pour vous. 11 Matahotra ny aminareo aho, fandrao dia nisasatra foana taminareo.
— v. 4* : ou : la plénitude. — v. 4** : proprement : devenu. — v. 5 : c’est la réception de la position de fils comme don. — v. 6 : voir Marc 14:36 et Romains 8:15. — v. 8 : répond à 2 Chroniques 13:9.  
12 Soyez comme moi, car moi aussi [je suis] comme vous, frères ; je vous en prie. Vous ne m’avez fait aucun tort ; 12 Ry rahalahy, mangataka aminareo aho, aoka ho tonga tahaka ahy ianareo, fa izaho kosa mba efa tonga tahaka anareo. Tsy naninona ahy akory ianareo;
13 — et vous savez que dans l’infirmité de la chair je vous ai évangélisé au commencement ; 13 nefa fantatrareo fa noho ny fahalemen'ny nofo no nitoriako ny filazantsara taminareo tamin'ilay voalohany;
14 et vous n’avez point méprisé, ni rejeté avec dégoût ma* tentation qui était en ma chair ; mais vous m’avez reçu comme un ange de Dieu, comme le christ Jésus, 14 ary ny teo amin'ny nofoko izay tonga fakam-panahy anareo dia tsy mba nohamavoinareo na nolavinareo; fa nandray ahy tahaka ny mandray anjelin'Andriamanitra ianareo, eny, dia tahaka an'i Kristy Jesosy aza.
15 Quel était donc votre bonheur ? Car je vous rends témoignage que, si cela eût été possible, arrachant vos propres yeux, vous me les eussiez donnés. 15 Aiza ary ilay nataonareo ho fahasambarana? Fa vavolombelonareo aho fa raha azo atao, na dia ny masonareo aza dia ho nesorinareo ka nomenareo ahy.
16 Je suis donc devenu votre ennemi en vous disant la vérité ? 16 Koa efa tonga fahavalonareo va aho, satria milaza ny marina aminareo?
17 Ils ne sont pas zélés à votre égard comme il faut, mais ils veulent vous exclure*, afin que vous soyez zélés à leur égard. 17 Mazoto mila fitia aminareo izy ireo, nefa tsy araka ny mety; fa izy ta-hanidy anareo any ivelany, mba hampahazoto anareo hila fitia aminy kosa.
18 Mais il est bon d’être toujours zélé pour le bien, et de ne pas l’être seulement quand je suis présent avec vous. 18 Fa tsara raha ilam-pitia amin'ny tsara mandrakariva, na dia sendra tsy eo aminareo aza aho.
— v. 14 : plusieurs : votre. — v. 17 : c. à d. exclure de toute communication avec moi.  
19 Mes enfants, pour l’enfantement desquels je travaille de nouveau jusqu’à ce que Christ ait été formé en vous, 19 Anaka, izay aharariako indray amin'ny fiterahana mandra-paharin'i Kristy ao anatinareo,
20 oui, je voudrais être maintenant auprès de vous et changer de langage, car je suis en perplexité à votre sujet. 20 enga anie ka ho tonga eo aminareo aho ankehitriny ka hanova ny feoko; fa misalasala aho ny aminareo.
   
21 Dites-moi, vous qui voulez être sous [la] loi, n’écoutez-vous pas la loi ? 21 Milazà amiko, ianareo izay te-ho ambanin'ny lalàna: tsy renareo va ny lalàna?
22 Car il est écrit qu’Abraham a eu deux fils, l’un de la servante, et l’autre de la femme libre*. 22 fa voasoratra hoe: Abrahama nanana zanaka roa lahy, ny anankiray tamin'ny andevovavy, ary ny anankiray tamin'ny tsy andevo.
23 Mais celui qui [naquit] de la servante naquit selon la chair, et celui qui [naquit] de la femme libre [naquit] par la promesse. 23 Kanefa ilay tamin'ny andevovavy dia nateraka araka ny nofo; fa ilay tamin'ny tsy andevo kosa dia nateraka tamin'ny teny fikasana.
24 Ces choses doivent être prises dans un sens allégorique : car ce sont deux alliances, l’une du mont Sina, enfantant pour la servitude, et c’est Agar. 24 Ary izany dia azo atao fanoharana; fa izy roa vavy ireo dia fanekena roa; ny anankiray avy tamin'ny tendrombohitra Sinay ka miteraka ho amin'ny fahandevozana, dia Hagara izany.
25 Car «Agar» est le mont Sina, en Arabie, et correspond à la Jérusalem de maintenant, car elle est dans la servitude avec ses enfants. 25 Ary* ny hoe Hagara dia ny tendrombohitra Sinay any Arabia ka mifamaly amin'i Jerosalema ankehitriny; fa andevo izy mbamin'ny zanany. [* Na: (Fa)]
26 Mais la Jérusalem d’en haut est la femme libre qui est notre mère. 26 Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo.
27 Car il est écrit : «Réjouis-toi, stérile qui n’enfantes point ; éclate [de joie] et pousse des cris, toi qui n’es point en travail d’enfant ; car les enfants de la délaissée sont plus nombreux que [les enfants] de celle qui a un mari» [Ésaïe 54:1]. 27 Fa voasoratra hoe: Mifalia, ramomba, izay tsy miteraka; Miantsoa sy minanananà, ianao izay tsy mbola mihetsi-jaza; Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny an'ny manana-bady (Isa. 54. 1).
28 Or vous, frères, comme Isaac, vous êtes enfants de promesse. 28 Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an'isaka.
29 Mais, comme alors celui qui était né selon la chair persécutait celui qui [était né] selon l’Esprit, [il en est] de même aussi maintenant. 29 Kanefa tahaka ny tamin'izany andro izany, ilay teraka araka ny nofo dia nanenjika ilay araka ny Fanahy, dia tahaka izany koa ankehitriny.
30 Mais que dit l’écriture ? «Chasse la servante et son fils, car le fils de la servante n’héritera point avec le fils de la femme libre» [Genèse 21:10]. 30 Nefa ahoana no lazain'ny Soratra Masina? Roahy io andevo-vavy io sy ny zananilahy; fa ny zanaky ny andevo tsy hiray lova amin'ny zanaky ny tsy andevo (Gen. 21. 10).
31 Ainsi, frères, nous ne sommes pas enfants de [la] servante, mais de la femme libre. 31 Ary amin'izany, ry rahalahy, tsy zanak'andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo.
— v. 22 : voir Genèse 16 et 21.  
Chapitre 5 Chapitre 5
1 Christ nous a placés dans la liberté en nous affranchissant ; tenez-vous donc fermes, et ne soyez pas de nouveau retenus sous un joug de servitude. 1 Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin'ny zioga fanandevozana intsony.
2 Voici, moi Paul, je vous dis que si vous êtes circoncis, Christ ne vous profitera de rien ; 2 [Famporisihana ny Galatiana tsy hahavery ny fahafahany, fa hazoto handroso amin'ny fitondran-tena tsara] Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy.
3 et je proteste* de nouveau à tout homme circoncis, qu’il est tenu d’accomplir toute la loi. 3 Ary lazaiko marina indray amin'ny olona manaiky hoforana rehetra fa mpitrosa tsy maintsy mankatò ny lalàna rehetra izy.
4 Vous vous êtes séparés de tout le bénéfice qu’il y a dans le Christ, vous tous qui vous justifiez par [la] loi ; vous êtes déchus de la grâce. 4 Dia tafasaraka amin'i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna; efa lavo niala tamin'ny fahasoavana ianareo.
5 Car nous, par [l’]Esprit, sur le principe de [la] foi, nous attendons l’espérance de la justice. 5 Fa izahay amin'ny Fanahy sy noho ny finoana dia miandry ny fanantenana* ny fahamarinana. [* Na: fanantenan']
6 Car, dans le christ Jésus, ni circoncision, ni incirconcision, n’ont de valeur, mais [la] foi opérante par [l’]amour. 6 Fa ao amin'i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin'ny fitiavana.
7 Vous couriez bien, qui est-ce qui vous a arrêtés pour que vous n’obéissiez pas à la vérité ? 7 Hianareo nihazakazaka tsara, iza no nisakana anareo tsy hanaiky ny marina?
8 La persuasion ne vient pas de celui qui vous appelle. 8 Izany fitaomana izany dia tsy avy tamin'ilay miantso anareo.
9 Un peu de levain fait lever la pâte tout entière. 9 Ny masirasira kely dia mahatonga ny vongana rehetra ho masirasira avokoa.
10 J’ai confiance à votre égard par le Seigneur, que vous n’aurez point d’autre sentiment ; mais celui qui vous trouble, quel qu’il soit, en portera le jugement. 10 Izaho matoky anareo ao amin'ny Tompo fa tsy hisaina zavatra hafa akory ianareo; fa ilay mampitabataba anareo no hiharan'ny fanamelohana, na zovy na zovy izy.
   
11 Mais moi, frères, si je prêche encore la circoncision, pourquoi suis-je encore persécuté ? — alors le scandale de la croix est anéanti. 11 Fa izaho, ry rahalahy, raha mbola mitory ny famorana ihany, nahoana aho no mbola enjehina? Dia afaka tokoa ny fahatafintohinana noho ny hazo fijaliana.
12 Je voudrais que ceux qui vous bouleversent se retranchassent* même. 12 Enga anie ka hiesotra* aza izay mampitabataba anareo. [* Na: hanakilema tena]
— v. 3 : j’atteste formellement. — v. 12 : ou : se mutilassent tout à fait.  
13 Car vous, frères, vous avez été appelés à la liberté ; seulement [n’usez] pas de la liberté comme d’une occasion pour la chair, mais, par amour, servez-vous* l’un l’autre ; 13 Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin'ny fitiavana.
14 car toute la loi est accomplie dans une seule parole, dans celle-ci : «Tu aimeras ton prochain comme toi-même» [Lévitique 19:18]. 14 Fa tanteraka amin'ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).
15 Mais si vous vous mordez et vous dévorez l’un l’autre, prenez garde que vous ne soyez consumés l’un par l’autre. 15 Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao mifandringana.
— v. 13 : servir, être esclave, comme Romains 12:11.  
16 Mais je dis : Marchez par l’Esprit, et vous n’accomplirez point la convoitise de la chair. 16 Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo.
17 Car la chair convoite contre l’Esprit, et l’Esprit contre la chair ; et ces choses sont opposées l’une à l’autre, afin que vous ne pratiquiez pas les choses que vous voudriez. 17 Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo.
18 Mais si vous êtes conduits par [l’]Esprit, vous n’êtes pas sous [la] loi. 18 Fa raha tarihin'ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna.
19 Or les œuvres de la chair sont manifestes, lesquelles sont la fornication, l’impureté, l’impudicité, 19 Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,
20 l’idolâtrie, la magie*, les inimitiés, les querelles, les jalousies, les colères, les intrigues, les divisions, les sectes, 20 fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,
21 les envies, les meurtres, les ivrogneries, les orgies, et les choses semblables à celles-là, au sujet desquelles je vous déclare d’avance, comme aussi je l’ai déjà dit, que ceux qui commettent de telles choses n’hériteront pas du royaume de Dieu. 21 fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra.
22 Mais le fruit de l’Esprit est l’amour, la joie, la paix, la longanimité, la bienveillance, la bonté, la fidélité, 22 Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,
23 la douceur, la tempérance : contre de telles choses, il n’y a pas de loi. 23 fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.
24 Or ceux qui sont du Christ ont crucifié la chair avec les passions et les convoitises. 24 Fa izay an'Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filany tamin'ny hazo fijaliana.
25 Si nous vivons par l’Esprit, marchons aussi par l’Esprit. 25 Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy.
26 Ne soyons pas désireux de vaine gloire, en nous provoquant les uns les autres [et] en nous portant envie les uns aux autres. 26 Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.
— v. 20 : ou : les empoisonnements.  
Chapitre 6 Chapitre 6
1 Frères, quand même un homme s’est laissé surprendre par quelque faute, vous qui êtes spirituels, redressez un tel homme dans un esprit de douceur, prenant garde à toi-même, de peur que toi aussi tu ne sois tenté. 1 Ry rahalahy, raha misy olona azon'ny ota tsy nahy aza*, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin'ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany. [* Na: azo olan-tanana amin'izay fahadisoana aza]
   
2 Portez les charges les uns des autres, et ainsi accomplissez la loi du Christ ; 2 Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn'i Kristy.
3 car si, n’étant rien, quelqu’un pense être quelque chose, il se séduit lui-même ; 3 Fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy.
4 mais que chacun éprouve sa propre œuvre, et alors il aura de quoi se glorifier, relativement à lui-même seulement et non relativement à autrui : 4 Fa aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin'ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin'ny olon-kafa;
5 car chacun portera son propre fardeau. 5 fa samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra.
   
6 Que celui qui est enseigné dans la parole fasse participer à tous les biens [temporels] celui qui enseigne. 6 Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa ho an'izay mampianatra.
   
7 Ne soyez pas séduits ; on ne se moque pas de Dieu ; car ce qu’un homme sème, cela aussi il le moissonnera. 7 Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany.
8 Car celui qui sème pour sa propre chair moissonnera de la chair la corruption ; mais celui qui sème pour l’Esprit moissonnera de l’Esprit la vie éternelle. 8 Fa izay mamafy ho an'ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy.
9 Or ne nous lassons pas en faisant le bien, car, au temps propre, nous moissonnerons, si nous ne défaillons pas. 9 Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.
10 Ainsi donc, comme nous en avons l’occasion, faisons du bien à tous, mais surtout à ceux de la maison de la foi. 10 Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin'ny olona rehetra, indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana.
   
11 Vous voyez quelle longue lettre je vous ai écrite de ma propre main. 11 [Anatra farany] Indro ny havaventin'ny soratra izay soratan'ny tanako ho aminareo.
12 Tous ceux qui veulent avoir une belle apparence dans la chair, ceux-là vous contraignent à être circoncis, seulement afin qu’ils ne soient pas persécutés à cause de la croix de Christ. 12 Na iza na iza te-hiseho ho tsara amin'ny nofo, dia ireo no manery anareo hoforana, nefa noho izao ihany : fandrao henjehina noho ny hazo fijalian'i Kristy izy.
13 Car ceux-là qui sont circoncis, eux-mêmes ne gardent pas [la] loi ; mais ils veulent que vous soyez circoncis, afin de se glorifier dans votre chair. 13 Fa na dia ny tenan'izy voafora aza dia tsy mitandrina ny lalàna; kanefa tiany ho forana koa ianareo, mba hireharehany amin'ny nofonareo.
14 Mais qu’il ne m’arrive pas à moi de me glorifier, sinon en la croix de notre seigneur Jésus Christ, par laquelle* le monde m’est crucifié, et moi au monde. 14 Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay* nahavoahombo izao tontolo izao tamin'ny hazo fijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin'izao tontolo izao. [* Na: izay]
15 Car ni la circoncision, ni l’incirconcision ne sont rien, mais une nouvelle création. 15 Fa samy tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny ho olom-baovao.
16 Et à l’égard de tous ceux qui marcheront selon cette règle, paix et miséricorde sur eux et sur l’Israël de Dieu ! 16 Ary izay rehetra mandeha araka ity fitsipika ity, dia ho aminy anie ny fiadanana sy ny famindram-po, ary ho amin'ny Isiraelin'Andriamanitra.
— v. 14 : ou : par lequel.  
17 Désormais que personne ne vienne me troubler, car moi je porte en mon corps les marques du Seigneur* Jésus. 17 Amin'izao sisa izao aoka tsy hisy hanahirana ahy intsony; fa izaho mitondra ny marik'i Jesosy voatomboka eo amin'ny tenako.
18 Que la grâce de notre seigneur Jésus Christ soit avec votre esprit, frères ! Amen. 18 Ho amin'ny fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.
— v. 17 : plusieurs omettent : Seigneur.