Le NOUVEAU TESTAMENT  
   
   
Épître de JUDE Joda
   
1 Jude, esclave de Jésus Christ et frère de Jacques, aux appelés, bien-aimés en Dieu le Père, et conservés en* Jésus Christ : 1 [Fananarana ny amin'ny mpampianatra sandoka] Joda, mpanompon'i Jesosy Kristy sady rahalahin'i Jakoba, mamangy izay olona voantso, malala ao amin'Andriamanitra Ray sy voatahiry ho an'i Jesosy Kristy;
2 Que la miséricorde, et la paix, et l’amour vous soient multipliés ! 2 hampitomboina ho anareo anie ny famindram-po sy ny fiadanana ary ny fitiavana.
— v. 1 : ou : par.  
3 Bien-aimés, quand j’usais de toute diligence* pour vous écrire de notre commun salut, je me suis trouvé dans la nécessité de vous écrire afin de vous exhorter à combattre pour la foi qui a été une fois enseignée aux saints ; 3 Ry malala, raha manao izay zotom-po rehetra hanoratra aminareo aho hilaza ny amin'ny famonjena iombonantsika, dia nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, hananatra mba hiezahanareo mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an'ny olona masina.
4 car certains hommes se sont glissés [parmi les fidèles], inscrits jadis à l’avance pour ce jugement*, des impies, qui changent la grâce de notre Dieu en dissolution, et qui renient notre seul maître** et seigneur, Jésus Christ. 4 Fa misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin'izany fahamelohana izany, dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan'Andriamanitsika ho fijejojejoana sady nandà ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika*. [* Na: mandà ny Andrian-tokana sy Jesosy Kristy Tompontsika]
— v. 3 : ou : je désirais ardemment. — v. 4 : ici, la chose mise a leur charge. — v. 4** : maître d’un esclave, ailleurs seigneur ou souverain ; comme Luc 2:29.  
5 Or je désire vous rappeler, à vous qui une fois saviez tout, que le Seigneur, ayant délivré le peuple du pays d’Égypte, a détruit ensuite ceux qui n’ont pas cru ; 5 Ary ta-hampahatsiaro anareo aho, na dia efa fantatrareo rahateo aza ny zavatra rehetra, fa rehefa novonjen'ny Tompo ho afaka tany Egypta ny olona, dia naringany ihany tao aorian'izany izay tsy nino.
6 — et qu’il a réservé dans des liens éternels, sous l’obscurité, pour le jugement du grand jour, les anges qui n’ont pas gardé leur origine, mais qui ont abandonné leur propre demeure ; 6 Ary ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin'ny fatorana mandrakizay ao amin'ny maizina ho amin'ny andro fitsarana lehibe.
7 comme Sodome et Gomorrhe*, et les villes d’alentour, s’étant abandonnées à la fornication de la même manière que ceux-là, et étant allées après une autre chair, sont là comme exemple, subissant la peine d’un feu éternel. 7 Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin'ny iaretany fijaliana amin'ny afo maharitra mandrakizay.
8 De la même manière cependant, ces rêveurs aussi souillent la chair, et méprisent la domination, et injurient les dignités*. 8 Kanefa toy izany koa, ireo dia manonofy ka mandoto ny nofo sady mandà ny manana fahalehibiazana ary miteny ratsy* ny manana voninahitra. [* Gr. manao blasfemia; izahao Mat. IX 3]
9 Mais Michel l’archange, quand, discutant avec le diable, il contestait touchant le corps de Moïse, n’osa pas proférer de jugement injurieux contre [lui] ; mais il dit : Que le *Seigneur te censure ! 9 Fa Mikaela arikanjely aza, raha niady tamin'ny devoly ka nifanditra ny amin'ny fatin'i Mosesy, dia tsy sahy niteny ratsy hahameloka azy, fa hoy izy: "Hananatra anao anie Jehovah".
10 Mais ceux-ci, ils injurient tout ce qu’ils ne connaissent pas, et se corrompent* dans tout ce qu’ils comprennent naturellement comme des bêtes sans raison**. 10 Fa ireo kosa dia miteny ratsy izay zavatra rehetra tsy fantany akory; ary izay zavatra fantany fotsiny, tahaka ny fahalalan'ny biby tsy manan-tsaina kosa, no animbany* ny tenany. [* Na: andotoany]
11 Malheur à eux, car ils ont marché dans le chemin de Caïn*, et se sont abandonnés à l’erreur de Balaam** pour une récompense, et ont péri dans la contradiction de Coré***. 11 Hahita loza izy! fa efa nandeha tamin'ny lalan'i Kama, sady efa nimaona fatratra hanaraka ny fahadisoan'i Balama hahazoany tamby, ary efa ringana tamin'ny fiodinan'i Kora izy.
12 Ceux-ci, ils sont des taches* dans vos agapes, faisant des festins avec vous sans crainte, se repaissant eux-mêmes : nuées sans eau, emportées par les vents ; arbres d’automne, sans fruit, deux fois morts, déracinés ; 12 Ireo no harambato voasaron-drano* eo amin'ny fanasam-pifankatiavanareo, raha miara-mihinana aminareo izy, dia mpiandry mamahan-tena, nefa tsy matahotra; rahona tsy misy rano, entin'ny rivotra, ireo; hazo fararano, nefa tsy misy voany, indroa maty, voafongotra; [* Na: Ireo no pentimpentina]
13 vagues impétueuses de la mer, jetant l’écume de leurs infamies ; étoiles errantes, à qui l’obscurité des ténèbres est réservée pour toujours. 13 onjan-dranomasina mitopatopa mamorivory ny fahamenarany; kintana mifindrafindra, ka voatahiry ho azy mandrakizay ny fahamaintisan'ny maizina.
14 Or Énoch aussi, le septième depuis Adam, a prophétisé de ceux-ci, en disant : Voici, le Seigneur est venu au milieu de* ses saintes myriades, 14 Ary Enoka koa, ilay fahafito nandimby an'i Adama, dia efa naminany ny amin'ireny olona ireny ka nanao hoe: "Indro, tonga Jehovah mbamin'ny masiny tsy omby alinalina
15 pour exécuter le jugement contre tous, et pour convaincre tous les impies d’entre eux de toutes leurs œuvres d’impiété qu’ils ont impiement commises et de toutes les [paroles] dures que les pécheurs impies ont proférées contre lui. 15 hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan'ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin'ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan'ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy."
16 Ceux-ci, ils sont des murmurateurs, se plaignant de leur sort, marchant selon leurs propres convoitises (tandis que leur bouche prononce d’orgueilleux discours), et admirant les hommes en vue de [leur propre] profit. 16 Ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy, mandeha araka ny filany (ary ny vavany manao teny miavonavona loatra) ka mandoka olona mba hahazoany zavatra.
— v. 7 : Genèse 19. — v. 8 : litt.: gloires. — v. 10* : ou : se détruisent, périssent. — v. 10** : selon leur nature d’êtres sans raison. — v. 11* : Genèse 4. — v. 11** : Nombres 22 à 24. — v. 11*** : Nombres 16. — v. 12 : ou : écueil. — v. 14 : ou : avec.  
17 Mais vous, bien-aimés, souvenez-vous des paroles qui ont été dites auparavant par les apôtres de notre seigneur Jésus Christ, comment ils vous disaient que, 17 Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan'ny Apostolin'i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny;
18 à la fin du temps, il y aurait des moqueurs, marchant selon leurs propres convoitises d’impiétés ; 18 fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan'ny haratsiam-panahiny.
19 ceux-ci sont ceux qui se séparent [eux-mêmes], des hommes naturels*, n’ayant pas l’Esprit. 19 Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy*. [* Na: tsy mba manana fanahy]
20 Mais vous, bien-aimés, vous édifiant vous-mêmes sur votre très-sainte foi, priant par le Saint Esprit, 20 Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin'ny Fanahy Masina;
21 conservez-vous dans l’amour de Dieu, attendant la miséricorde de notre seigneur Jésus Christ pour la vie éternelle ; 21 ary tehirizo ny tenanareo ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, miandry ny famindram-pon'i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay.
22 et les uns qui contestent, reprenez-les ; 22 Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana*; [* Na: raha miady aminareo izy]
23 les autres sauvez-les avec crainte, les arrachant hors du feu, haïssant même le vêtement souillé par la chair. 23 ary ny sasany kosa sariho avy amin'ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin'ny nofo aza.
— v. 19 : ailleurs : homme animal.  
24 Or, à celui qui a le pouvoir de vous garder sans que vous bronchiez et de vous placer irréprochables devant sa gloire avec abondance de joie, 24 Ary ho an'izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan'ny voninahiny amin'ny firavoravoana,
25 — au seul Dieu, notre Sauveur, par notre seigneur Jésus Christ, gloire, majesté, force et pouvoir, dès avant tout siècle, et maintenant, et pour tous les siècles ! Amen. 25 ho an'Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin'ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin'ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena.