Mila fitiavana

 

Nohariana mba hitady fitiavana ny olombelona, toy ny zava-maniry mila masoandro sy rano ahafahany mivelatra. Mila mandray sy manolotra izany fitiavana izany izy.

Ny mampalahelo anefa dia toa tsy mety tanteraka ireo zavatra roa loha ireo mandritra ny androm-piainany manontolo. Nahoana ? Satria izany mihitsy no toetran’ny olombelona manoloana ny fitiavana. Izay tia antsika ihany no tiavintsika, ary samy miandry ny hafa haneho fitiavana aminy ny tsirairay vao hamaly izany. Ary eto amin’izao  tontolo hanjakan’ny fitiavan-tena izao, dia mihatery dia tery ny sehatra isehoan’ny fitiavana. Mety mitaraina angamba isika hoe tsy maneho fitiavana amintsika ny hafa, kanefa moa mba maneho fitiavana amin’izy ireny ve isika ? Moa na dia isika koa aza, tsy ny tenantsika ihany ve no banjinintsika ?

Araka ny fiheveran’ny olombelona, dia izay maha-te ho tia ihany no tokony hotiavina. Hany ka tsy hisy mihitsy ny fifankahazoana akaiky raha tsy samy manafina ny toetra ratsiny avy ny andaniny sy ny ankilany. Vantany vao mipoitra ireny toetra ratsy ireny, dia mahazo laka avy hatrany ny tsy fifankahazoana, ny fikorontanana, ny fisarahana… Diso fanantenana amin’ireo namantsika isika, ary izy ireo koa mba diso fanantenana amintsika.

Na inona na inona endrika mahafinaritra atafintsika ny maha-olombelona antsika, dia tsy milaza amintsika mihitsy ny Baiboly hoe mendrika hotiavina isika, na afaka hiova ho maha te ho tia. Ambaran’ny Baiboly fa raha eo imason’Andriamanitra, dia “sady hala no mpankahala” isika (Titosy 3:3). Mitady fitiavana isika, nefa tsy maha-te ho tia; koa izany no mahatonga korontana mandrakariva eo amin’ny fo sy ny saina.

 

Ny fitiavan’Andriamanitra…

 

Andriamanitra irery ihany no afaka namaha io olana io. Tamin’ny fomba ahoana ? Izy no nitia antsika voalohany, ary na manao ahoana na manao ahoana ny toetrantsika dia tia antsika Izy.

 

“Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha” (1 Jaona 4:19).

 

“Fa Andriamanitra dia mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy… Fa …  fony mbola fahavalo …isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany” (Romana 5:8,10).

 

“Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika” (1 Jaona 3:16).

 

… ny antony

 

Tao am-pony samirery tao, ary dia tao dia tao ihany, no nahitan’Andriamanitra ny anton’izao fitiavany antsika izao. Tia antsika Izy, tsy hoe satria mendrika ny hotiavina isika, fa toetran’Andriamanitra ny mitia.

“Andriamanitra dia fitiavana” : indroa no nilazan’i Jaona izany ao amin’ny epistily voalohany nosoratany (1 Jaona 4:8,16).

 

…ny iantefany

 

Iza no tiaviny? Izaho sy ianao, ny olon-drehetra, ao anatin’izany ireo olona heverina ho ratsy na meloka indrindra. Raha Andriamanitra mankahala ota ilay Andriamanitra masina, dia Andriamanitra tia ny mpanota koa Izy.

 

...ny halaliny

 

“Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16).

“Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanany Lahitokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alàlany. Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika” (1 Jaona 4:9-10).

Eny, tian’Andriamanitra tokoa ny olombelona. Manantitrantitra izany Izy, ary mampiseho miharihary ny porofom-pitiavany...kanefa, indraindray mahazo valinteny am-piavonavonana hoe: “Inona no nentinao nitia anay?”(Malakia 1:2).

Re ombieny ombieny ny filazana toy ny hoe: Raha tian’Andriamanitra tokoa ny olona nohariany, nahoana no dia avelany hiharitra fijaliana sy hianjadian’ny tsy rariny toy izao? Ny tokony hobanjinina dia ny fitiavan’Andriamanitra (izay mamela vetivety ny olona hanimba ny tenany sy ny hafa), tsy voafetran’ity fiainana an-tany izay mandalo ity, fa mitodika amin’ny mandrakizay. Raha tena tianao ny hahalala marina tokoa izany atao hoe fitiavan’Andriamanitra, tsy misy fitaka, maharitra mandrakizay izany, dia saintsaino ny hazofijaliana, hevero ny amin’ilay Andriamanitra izay nahafoy ny Zanany Lahitokana mba ho famonjena ny fahavalony, ho famonjena ireo izay manombo Azy eo amin’ny hazofijaliana.

Miharihary amin’izany fa ilay toetra mahonena eo amin’ny olombelona no mampisongadina indrindra ny halalin’ny famindrampo izay nisintona antsika avy ao an-davaka ka nampakatra antsika ho any amin’ny avo: ary tsy mpanota voavela heloka fotsiny ihany isika, fa nasandratra ho zanak’io Andriamanitra fitiavana io ihany koa.

 

“Endrey! Manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra!”(1 Jaona 3:1).

 

Ianao izay mety ho diso fanantenana tamin’ny fitiavan’olombelona, na izay niseho tamin’ny lafiny tsara indrindra, na izay tena fitaka ratsy indrindra, aza gaga amin’izany; tsy ho fenonao na oviana na oviana amin’ny fitiavan’olombelona io fahabangana lehibe ao anatinao io.

Ny fitiavan’Andriamanitra irery ihany no feno sy tanteraka, loharano tsy mety ritra.

Nefa tokony hangetaheta ianao, hangetaheta izany fitiavan’Andriamanitra izany, ka hamaly ny antson’ny Tompo Jesoa hoe: “Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro” (Jaona 7:37).

 

“Izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony” (Jaona 6:35).