Ho aiza ianao ?

 

Mamelà ahy hametraka an’io fanontaniana io aminao. Ndeha alaintsika sary an-tsaina hoe toy izao no dinidinika nisy :

 

- Andeha hiasa aho, andeha hiala voly, andeha hiantsena.

- Eny, fantatrao tsara tokoa izay itondranao ny tongotrao raha etỳ an-tany, saingy ny tianay hanontaniana dia ny hoe mizotra mankaiza ny fiainanao ? Inona no tarigetranao ?

- Miala tsiny aho, fa tsy fantatro izany, sady tsy mametra-panontaniana amin’ny tenako ny amin’izany zavatra izany aho, sady efa maro rahateo ireo olana atrehiko amin’izao fotoana izao.

- Tsy mba mametra-panontaniana amin’ny tenanao ve ianao ? Tsy fantatrao angaha fa tsy maintsy hiala amin’ity tany ity ianao ary tsy fantatrao hoe rahoviana ?

- Eny e, tsy maintsy ho faty daholo isika, zavatra tsy azo sorohina izany.

- Marina loatra izany, saingy ankoatra ny fahafatesana, inona no hitranga ?

- Tsy dia fantatro loatra ny amin’izany ; antenaiko fa tsy hisy olana izany.

- Tsy misy fantatrao ve ny amin’izany ? Fanantenana manjavozavo ihany ve no mba anananao, dia mbola mahavita miaina am-pilaminana amin’izany tsy fahafantarana akory ity zava-hitranga tsy azo ivalozana ity izany ianao ? Mbola mandry am-piadanana ve ianao ny alina, ka tsy mampiahiahy anao akory ny fisaintsainana hoe : ho aiza aho no hifoha? Ho aiza ianao ? Afaka milaza aminao izahay ny amin’izany : mizotra mankany amin’Andriamanitra ianao, hihaona Aminy ianao.

 

“Aorian’ny fahafatesana, dia hisy fitsarana”

 

Hanao ahoana no fanatrehanao an’io Andriamanitra Masina io ? Toerana roa ihany no homeny anao : na ny lanitra ka ho eo anilany ianao, na ny helo, lavitra Azy. Aiza no halehanao ? Ho any an-danitra, eo anilan’i Jesoa ? Sa ho any amin’ny helo, ho sakaizan’i Satana ?

 

Ahoana no ahalalana izany ?

 

Mampianatra antsika ny Filazantsara fa tokana ny làlana ahatongavana any amin’Andriamanitra, dia ny mihaona Aminy tahaka ny mihaona amin’ny Ray ka miditra ny lanitra. Tsy inona io làlana io fa i Jesoa Kristy. Hoy ny filazany : “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alàlako” (Jaona 14:6).

 

Andriamanitra Izy tenany mihitsy koa no manasa anao : “Indro, efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny fahafatesana… Koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao” (Deoteronomia 30:15,19).

 

Tsy misy fotoana

 

Io no fialàna fanaon’ny sasany matetika, rehefa mandre ny amin’ny Filazantsara izy :

- Mbola maika aho, tsy manam-potoana hiresahana momba izany fivavahana izany na hamakiana ny Baiboly.

- Fa ataonao inona fotsiny àry izany ny fotoananao ?

- Hoy ianao ! manana ny manahirana ahy aho, ny asako etsy an-daniny, ny tokantranoko. Tsy maintsy miahy ny fiainako sy ny fianakaviako koa aho.

- Eny e, tsy azo lavina izany, kanefa dia tsy misy zavatra tsaratsara kokoa azonao omena ny fianakavianao ve ? Mbola zava-maivana ange ny fiahiana ny vatana noho ny fanahy e ! Moa ve dia tena variana amin’ny fiainanao ankehitriny ianao ka tsy mahatsiaro ny “fisian’ny hoavy”, izay mila alamina dieny etỳ? Toa zary lasa mpifehy anao ny asa fanaonao andavanandro ! Vitanao ihany anefa ny mampiato azy amin’ny fotoana ilàn’ny vatanao sakafo, na rehefa te hatory ianao. Asainao miala sasatra ihany ny vatanao sy ny sainao ; tsy mba tianao ho voky koa ve ny fanahinao ? Ary momba ireo fialam-boly sy fahafinaretana izay ahitanao fotoana anatanterahana azy indraindray, mamelà anay hilaza aminao fa tsinontsinona ireny raha ampitahaina amin’ireo fifaliam-be sy maharitra : ny fahalalana an’i Jesoa, ny fitiavan’Andriamanitra, ny fanantenana kristiana izay tonga mameno ny fo. Ankoatr’izany, ho avy ny andro, na tianao na tsy tianao, ho avy ny andro tsy maintsy hahafatesanao. Moa ho vonona ny hifanatrika amin’Andriamanitra ve ianao amin’izay fotoana izay? Tsy tianao ve ny hanomana izany dieny ankehitriny ? Ny Filazantsara no asain’Andriamanitra manambara aminao izao :

 

“Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16).

 

“Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah : na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala” (Isaia 1:18)

 

“Ary ny ran’i Jesoa Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra” (1 Jaona 1:7).