HAFATR’ANDRIAMANITRA
HO ANAO

 

 

Ireto ampahan-teny manaraka omena anao ireto dia notsoahina avy ao amin’ny Baiboly, izay tenin’Andriamanitra. Tsy ny haneho aminao antokom-pivavahana vaovao tsy akory no tadiavinay. Ny fanirianay kosa dia ny hamantaranao marina tokoa ny toerana misy anao manoloana an’Andriamanitra, ary ny handraisanao amin’ny finoana ny famelan-keloka izay omeny maimaimpoana ho an’ireo izay mibebaka noho ny fiainany teo aloha sy manaiky an’i Jesoa ho Mpamonjy azy manokana.

 

 

Mila famonjena ianao

 

“Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana” (Hebreo 9:27).

 

“Tsy misy marina na dia iray akory aza” (Romana 3:10).

 

“Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra” (Romana 3:23).

 

 

Tsy mahavonjy tena ianao

 

“Tsy misy olona mahavotra ny hafa tsy akory na mahaloa tamby ho azy amin’Andriamanitra ; satria lafo loatra ny avotra aina, tsy ho voaloa na oviana na oviana” (Salamo 49:8-9).

 

“Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha” (Efesiana 2:8,9).

 

 

Efa voaoman’Andriamanitra ny famonjena anao

 

“Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin’ny fotoan’andro hamonjy ny ratsy fanahy” (Romana 5:6).

 

“Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika ; saingy isika no nihevitra Azy ho nofaizin’Andriamanitra Izay nikapoka sy nampietry Azy. Kanefa voalefona noho ny helotsika Izy sady notorotoroina noho ny fahadisoantsika ; ny famaizana antoky ny fiadanantsika no nihatra taminy, ary ny ratra nahazo Azy no nahasitrana antsika. Isika rehetra dia tahaka ny ondry nania, fa samy efa nandeha tamin’ny làlantsika avy ; ka nahatran’ny Tompo tamin’ilay Mpanompony avokoa ny vokatry ny fahadisoantsika rehetra” (Isaia 53:4-6).

 

“Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zananilahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16).

 

 

Ahoana àry no hahatonga anao
ho voavonjy ?

 

“Mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara” (Marka 1:15).

 

“Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy” (Jaona 5:24).

 

“Satria raha manaiky an’i Jesoa ho Tompo amin’ny vavanao ianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao” (Romana 10:9).

 

 

Afaka mahazo antoka ny maha-olom-boavonjy anao dieny izao ianao

 

“Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo” (1 Jaona 5:13).

 

“Aoka isika hanana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alàlan’i Jesoa Kristy Tompontsika” (Romana 5:1).

 

“Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany” (Jaona 1:12).

 

 

Fa raha tsy mino kosa ianao ?

 

“Fa izay tsy mety mino no hohelohina” (Marka 16:16)

 

“Fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran’ny Zanakalahy Tokan’Andriamanitra izy” (Jaona 3:18)

 

“Fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy” (Jaona 3:36).