Ny tena soa toavina

 

Miteraka ady hevitra mafana ankehitriny ireo fomba sy toe-tsaina iorenan’ny fiarahamonina, izay antsoina hoe: “soa toavina”. Miseho mandrakariva izany, na eo amin’ny sehatry ny fianakaviana na eo amin’ny tontolon’ny fivavahana na eo amin’ny firenena na fahefana, ary koa eo amin’ny lafiny fifandraisana eo amin’ny maha-samy olona: fahamendrehana, fiantrana, fahamarinana, haja. Asaina mikomy ny tanora hanohitra ireo karazana fihatsarambelatsihy hita miharihary sy ireo tsy rariny tsy voatanisa intsony, nefa koa nampianarina ny hanao tsinontsinona ireo fandeferana sy fahafoizantena eo amin’ny fiainana andavanandro. Noheverina fa ny fanekena tsy hampihatra zo iray dia fanaovana zinona ny maha-olombelona.

Azo ampitahaina amina andriamby miodikodina noho ny fanintonan’ireo karazam-by manodidina azy ny feon’ny fieritreretana, ka mitsambikimbikina manketsy sy mankeroa.

Raha ny tena izy, toa tsy misy intsony na ny tsara na ny ratsy, ho an’ny ankamaroan’ny olona. Inona àry no ao ambadik’izany fandavana ankitsirano izay rehetra mety ho fitsipika moraly izany? Tsy misy afa-tsy ny fiavonavonana sy ny fitiavantena, izany hoe ny filàn’ny fon’ny olona mihitsy no niova hatramin’ilay fotoana nidiran’ny ota teo amin’izao tontolo izao. “Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana” (Romana 5:12). Ny “IZAHO” irery sisa no manjaka ao amin’ny olona: ny hampivelatra ny maha olona, ny hiezaka hiala amin’izay sakantsakana mba hifalifaliana amin’izao fiainana izao! Miafara amin’ny fifandonana mahatsiravina sy hatraiza hatraiza eo amin’ireo “mpizahozaho” rehetra ny fanandratana hatrany ity “IZAHO” ity, ao anatin’ny herisetra sy ny fahavetavetana.

 

Ny fitiavana

 

Manoloana izany onja izany, dia vatolampy iray ihany no ifaharana:  ny fitiavana. Avadiky ny olona matetika ny hevitr’io teny io, toy ny ataony amin’ny voambolana hafa. Fanoloran-tena ny fitiavana fa tsy faniriana hanana, fandavana ny tena fa tsy fanehoana ny “izaho”. Mody mampiseho fitiavana ny olona, fa ny tena fitiavana no hany soa toavina tsy miova mandrakizay, mifanohitra tanteraka amin’ilay finiavana hanjaka ankafizina indrindra ankehitriny.

 

I Jesoa Kristy no modely tonga lafatra indrindra amin’ny fanehoana ity fitiavana marina ity. Ny ainy mihitsy no natolony ho an’ireo mpanota: “Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika” (1 Jaona 3:16). Efa hitantsika ao amin’Andriamanitra ihany koa izany: tia izao tontolo izao Izy ka “nanolotra ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16).

 

Tsy ampy raha ny mofo ihany

 

Mahavariana ihany ity hevitr’i Jean Jaurès, lehilahy sosialista tany amin’ny fiandohan’ny taonjato faha 20, ity. Hoy izy: “Raha indray andro any ianareo manome karama antonony ny mpiasa mba hiainany malalaka, dia mbola tsy ho ampy ilazanareo izany fa nanao izay nahasambatra azy ianareo. Misy mantsy ireo zava-tsoa maharitra mandrakizay izay tsy maintsy mbola katsahin-draolombelona”.

 

Manamarina izany teny izany tokoa ny tantara, indrindra amin’izao taonjato iainantsika izao. Toa tsapan’ny olona ho nihatsara ny fari-piainany, nefa dia mbola tsy nahita fahasambarana ihany izy. Any amin’ireo firenena izay efa mandroso sy manankarena indrindra aza no ahitana korontana be indrindra sy anjakan’ireo karazam-paharatsiana mamoafady indrindra. Any amin’ireo sokajin’olona tena manana ny ampy no ahitana ireo karazana aretin-tsaina sy ny famonoan-tena maro indrindra. Mihalalina ny hantsana manasaraka ireo sarambabem-bahoaka tsy manana ny ampy sy ireo mpanefoefo mitombo isa hatrany, ka miteraka hatezerana sy fifandonana tsy misy fiafaràny. Hitan’ny olon’ny taonjato faha 21 ny zava-miafin’ny fananana ny ampy, fa mbola tsy hitany kosa ny tsiambaratelon’ny tena fahasambarana.

 

Ny fahasambarana

 

Eo anilan’Andriamanitra no ahitana ny fahasambarana.Tsy misy izy raha tsy misy Andriamanitra. Mety hahita fahafinaretana ihany angamba ianao na fifaliana sarintsariny sy mihelina, raha lavitra an’Andriamanitra, kanefa kosa tsy hahita ny tena fahasambarana na oviana na oviana. Inona àry io fahasambarana io? Ny miaina miaraka amin’Andriamanitra, ny mahalala Azy raha ao anatin’ny fizahan-toetra izay ampandiaviny ny olona hahasoa azy, ny mahatsiaro Azy ihany koa raha sendra fifaliana satria avy aminy rahateo izany. Fahasambarana koa ny mivavaka Aminy, ny midera Azy ary ny mamaky ny Teniny — ny Baiboly —  sy ny manao ny sitrapony. Mialoha izany rehetra izany anefa dia tsy maintsy efa novahana aloha ny olana momba ireo otantsika, izay mampisaraka antsika amin’ilay Andriamanitra masina. Ahoana àry no hanesorana ireo otantsika ireo? Tsy haintsika atao izany, fa Andriamanitra no efa nanao izany. Tamin’ny alalan’ny sorom-panavotana notanterahin’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana no namelàn’Andriamanitra ny fahotan’ireo rehetra izay mino Azy.

 

Izany no hany làlana izay nosokafan’Andriamanitra ho an’ny olombelona, tsy misy, ary tsy hisy, làlana hafa ankoatra io.

 

Efa mizotra amin’ izany làlana izany ve ianao?

 

“Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany” (Salamo 32:1)

“Mainka sambatra aza ny mihaino ny Tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany” (Lioka 11:28).