Misy ANDRIAMANITRA

 

 

 

 

Bibles et Publications chrétiennes

30, rue Chateauvert BP 335 F-26003 Valence CEDEX


 

Fizahan-takila

Misy Andriamanitra

Andriamanitra tokana

Tsy maintsy misy antony

Avy aiza ny olombelona?

Ny dindon’ny Mpahary

Ny aina sy ny fikolokoloina azy

Nahoana no misy fangirifiriana?

Andriamanitra tetỳ an-tany


 

MISY ANDRIAMANITRA

Ny olombelona dia mirona amin’ny tsy fanekena hino izay tsy hitan’ny masony na izay tsy takatry ny sainy.

Andriamanitra dia fanahy, koa tsy mety ho hitan’ny mason’olombelona Izy; ny Mpahary dia tsy maintsy ambonin’ny voariny: manana ny fetrany io voary io ka, noho izany, tsy afaka hahalala afa-tsy izay nambara taminy.

Fandàvana ny fisian’Andriamanitra, ny atheisma, no fototra iorenan’ny rijankevitra maro ary filozofia tranainy na ankehitriny. Nefa ireo rijankevitra ireo dia mametraka fanontaniana maro kokoa noho ny olana voavahany, amin’ny sain’olombelona.

Ny hevitra hoe misy Andriamanitra, araka ny lazain’ireo miandany amin’izany rijankevitra izany, dia zavatra noforonin’ny sain’olombelona. Nisy ny antony nipoirany sy nitomboany, ary ankehitriny dia miha foana izany. Ndeha hamelabelatra fohifohy momba ny porofo sasantsasany fa misy Andriamanitra.

Aoka aloha ho marihina fa ny finoana hery mihoatra ny olombelona dia nisy tamin’ny fotoana sy toerana rehetra. Na oviana na oviana, na mandeha faran’izay lavitra indrindra amin’ny tantara aza, dia ahitana fivavahana. Kanefa raha miresaka fivavahana, dia midika izany fa misy Andriamanitra iray. Ny fiheverana an’Andriamanitra dia mety ho nodisoana, tsy amin’ny tokony ho izy, novàna hitarika amin’ny zavatra adaladala aza indraindray, nefa nisy foana izany. Avy aiza àry izy io, raha tsy nisy fahamarinana nifandraika taminy?

Andriamanitra tokana

Angamba ho lazaina fa ny olombelona fahiny, zendana tamin’ny fahitana ireo hery miasa ao amin’ny natiora, nihetsi-po tamin’ny fijerena ny kintana, dia nanao ireny ho andriamanitra, ary, tatỳ aoriana, rehefa niha nazava ny saina, dia nanjary namorona Andriamanitra tokana. Ny mifanohitra amin’izany anefa no marina. Ny hevitra momba ny Andriamanitra tokana, mpamorona sy mpitantana ny zavatra rehetra, dia hevitra voalohany; tatỳ aoriana vao nipoitra ny fanompoan-tsampy. Very teo amin’ny olombelona ny hevitra momba ilay Andriamanitra tokana, na tsy nihazona afa-tsy hevitra manjavozavo izy. Ireo andriamanitra, vokatry ny sainy, dia nanamarina tamin’ny fomba fihetsiny ny fitiavana sy faniriana maloto ao amin’ny fon’olombelona.

Ndeha hojerena ny Baiboly, izay tsy iadian-kevitra fa boky tranainy indrindra misy, na dia atao aza hoe amin’ny ampahany ihany. Na tsy hiresaka momba ny maha tsindrimansry azy aza isika, ndeha izy ho raisina ho toy ny boky avy tamin’ny fahagola lavitra tany. Izao no fiantombohany: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany”; avy eo, ireo toko rehetra ao amin’ny Genesisy, toa ireo boky manaraka koa, dia maneho Andriamanitra tokana, mpahary mahefa ny zavatra rehetra. Tsy manaporofo ny fisiany io boky io, fa asehony kosa Izy miasa ary fantatr’ireo olona hiresahany. Efa nisy tamin’izany àry ny hevitra momba an’Andriamanitra, fa tsy zavatra vao nivelatra akory. Ny fanompoan-tsampy, ny fahamaroan’ny andriamanitra, dia niforona tatỳ aoriana; tsy izany mihitsy izany no loharano nipoirana, fa izany aza no fanovàna ilay hevitra tany am-boalohany momba an’Andriamanitra.

Avy aiza àry izany io hevitra momba ilay Andriamanitra tokana io? Efa ao anatintsika tsirairay io: raha azo lazaina, manambara ny fisiany amintsika Andriamanitra; nasiany marika ny voariny. “Iza moa Izy, ho an’ireo olona mino Azy, io Andriamanitra lavinareo io? Hoy isika amin’ireo tsy mino. Tsy maintsy ho tsy manam-petra Izy, velona mandrakizay, tsitoha, manerana izao tontolo izao ary mahalala ny zavatra rehetra. Ary isika izay voary manam-petra dia tsy afaka haminavina ny fisiany akory, raha tsy misy Izy. Ny manodidina antsika sy ny zava-boary rehetra dia manana ny fetrany, kanefa dia azoko an-tsaina ny fisian’Ilay tsy manam-petra amin’ny lafiny rehetra. Tsy maintsy ho Izy mihitsy no nanambara ny tenany tamiko, amin’ny maha lehibe dia lehibe Azy. Ny finiavanao hanala ny hevitra momba Azy avy ao an-tsainao sy avy ao an-tsain’ny sasany dia efa porofo fa misy Andriamanitra. Raha tsy misy Izy, inona no antony hiadiana amin’ny tsy misy? Saingy misy Andriamanitra; fa tsy tianao fotsiny ny hisian’ny olona lehibe noho ianao, izay mahalala anao, mifehy anao ary iankinanao, raha tena dinihina, ary izany no antony tianao hanafoanana azy. Hoy ianao ao am-ponao hoe: tsy misy izany Andriamanitra izany, kanefa, na izany aza, tsy miala ao aminao ny fiheverana an’Andriamanitra, satria MISY IZY”.

Tsy maintsy misy antony

Hoy aho hoe: “Miankina ianao”. Eny, miankina amin’ny antony manana hery tsy toha ianao, tsy jamba akory, fa manan-tsaina sy hendry. Satria tokoa ianao anie ka velona, nefa tsy ianao no nanao ny tenanao e! Ary tsy vitan’ny hoe fifangaroan’ny taolana, nofo, hozatra sy ra ianao; ao anatinao no misy “anao”, ny maha “izaho” anao, zavatra tsy azo tsapain-tanana, ary, na dia voakasiky ny tenanao hita maso aza, dia tsy azo afangaro aminy, fa kosa mibaiko sy mampiasa azy. Ao anatinao ilay olona mieritreritra, misaina, mamakafaka, mahatsiaro, tia na tsy tia. Io firaisana mahagaga misy vatana sy fanahy io, izay atao hoe olombelona, voary tsy manam-paharoa, io zava-manan’aina ahitana ampahiny samy manana ny andraikiny tsirairay avy io, inona no fiaviany? Ireo taova izay tena marefo ireo tokoa, kanefa mety tsara ho an’ny zavatra ampiasana azy, io vatana miha-lehibe sy mitombo manomboka amin’ny fahazazana ka hatramin’ny fahalebiazana io, mba azavao amiko hoe iza no namorona izany? Avy aiza ny fanahy izay mitombo koa miaraka amin’ireo fahaizana samihafa, izay toy ny taova aminy? Avy aiza io saina izay manao lanja miakatra io, mandrefy ny elanelana eny amin’ny habakabaka, mikaroka ny any amin’ny fanambanin’ny tany ary mametra-panontaniana amin’ny tenany? Avy aiza io fahendrena izay ampiasain’ny tsy mpino, ary ampiasainy amin’ny tsy tokony ho izy, hitsanganana hanohitra an’Andriamanitra io? Farany, avy aiza io olona anaty io izay mahazo an-tsaina ny atao hoe tsy misy fetra, izay, na dia maminavina ny halehiben’ny tontolo aza, na dia mihevitra aza fa lava dia lava tokoa ny fotoana, dia mbola voatery ihany milaza fa: “Tsy mbola ny tsy misy fetra izany”?

Resahina ny làlan’ny natiora, izay milaza fa ny olombelona dia avy amin’ny olombelona, ny biby dia avy amin’ny biby, ny zava-maniry dia avy amin’ny zava-maniry toa azy ihany; fa ireo lalàna ireo, iza no nametraka azy? Mpanao lalàna hafahafa kosa izany antony jamba izany, izay lazaina hoe kisendrasendra! Antony hafahafa ihany, satria izy tsy manan-tsaina, dia mamorona olona manan-tsaina!

Avy aiza ny olombelona?

Eny tokoa, avy aiza ny olombelona? Tsy maintsy nisy lehilahy sy vehivavy voalohany: iza no namorona azy? Hino ilay rijankevitra tsy mitombina momba ny fivoarana ve ianao, izay milaza fa ny razambenao taloha lavitra tany dia molioska na sela? Raha atao aza hoe marina ny rijankevitra toy izany, dia tsy maintsy miafara amin’ny antony fara-tampony ihany amin’ny fivoarana: iza no namorona ny sela voalohany? Fa saina mahitsy sy hendry iza no hanaiky mandrakizay fa molekiola natambatambatra, tamin’ny fomba iray, no hamokatra ny hevitra? Na koa hoe izany saina izany dia avy amin’ny fitambarana singa tsy fanta-piaviana, izay niova tsikelikely, natosika hery tsy fantatra, ho lasa taova, ary farany, namorona ny olombelona? Tsia; nisy Andriamanitra tsitoha sy manan-tsaina izay nanao ny olona araka ny endriny, ary avy amin’izany no nisian’ny fieritreretana an’Andriamanitra, izay vosoratra ao anatiny ao ary manaporofo ny fisian’io Andriamanitra fara-tampony io. Mety ho nivaona ny olombelona ka tonga amin’izao toerana misy azy izao, lo sy ratsy fanahy; fa Andriamanitra kosa namorona azy ho mahitsy.

Ny dindon’ny mpahary

Ndeha aloha hilaozana ny olombelona sy ny porofo omeny amin’ny vatany sy ny sainy fa misy Andriamanitra; ndao kosa jerena ny tontolo ivelany. Tsy ho hitantsika ao ve Andriamanitra amin’ny asa nataony? Tsy hitantsika hatraiza hatraiza ve ny marika mazava navelan’ny hery sy saina avo lenta, izay nanao ny zavatra rehetra sy nandamina izany araka ny tanjona iray? Hilaza ve ianao fa kisendrasendra izany? Raha izany dia ny kisendrasendra no Andriamanitra. Tsy antony jamba intsony izy, satria ny antony toy izany dia tsy hahay hanao afa-tsy zavatra mikorontana.

Hitantsika eny amin’ny lanitra ireo vongana misy hazavana, ary ny ankamaroan’izy ireny dia lavitra dia lavitra tokoa. Iza no nanao azy ary iza no mihazona azy amin’io fihazakazahany tsy miova io? Ireo kintana ireo dia voafehin’ny lalàna tsy miova, izay mandamina ny alehany, lalàna izay hitan’ny olombelona tamin’ny fikarohany, hany ka afaka milaza isan-tsengondra izy hoe aiza no misy ny kintana izatsy na izaroa, ary afaka manambara ny fotoana mazava hiverenan’ny tranga izatsy na izaroa. Iza àry no nametraka ireny lalàna ireny? Iza no namokatra ny fahazavana avy amin’ireo zavatra rehetra mamirapiratra eny amin’ny lanitra? Ny kisendrasendra ve, antony jamba ve? Tonga ho azy teo ve ireny? Tsy ihomezana ve raha misy olona iray manambara fa niforona ho azy teo ny fiaran-dalamby, tsy nila ny kajy sy ny sary nataon’ny injeniera, tsy nila ireo mpiasa izay nanaraka ny drafitra sy ny baiko ka nanefy ny vy, namisaka azy ho takelaka, namboatra sy nanapaka ireo silany samihafa, nametraka ny rindramby ary ny zavatra rehetra amin’ny toerany avy? Dia ho lazaina fa ny rindra mahavariana misy eo amin’ny tontolo dia tsy misy Mpahary manan-tsaina nanao azy rehetra, nandanja azy rehetra, nandamina ny zavatra rehetra ary nampihetsika azy araka ny lalàna voafaritra mazava sy tsy misy fiovana! Na dia omena fotoana an’alinalina taona aza ny kisendrasendra, moa ve ho afaka hamokatra tontolo toy izany izy?

Ny aina sy ny fikolokoloina azy

Jereo indray àry izao ny tany sy ny fipetraky ny zavatra eo amboniny, amin’ny ankapobeny, dia ho lazainao ve fa niforona ho azy teo izy, noho ny fitambaran’ny molekiola nataon’ny hery jamba? Jereo ny habakabaka manodidina ny tanintsika. Ny rivotra mamorona azy izay iainantsika dia fitambarana entona roa, ny iray manolokolo ny aina, kanefa raha irery izy dia hamotika izany aina izany vetivety, ary ny faharoa , izay tsy azo iainana raha irery, dia manalefaka ny fandoroan’ilay voalohany. Iza no nanafangaro azy ireo amin’ny fatra tokony ho izy mba ho azo iainana? Ny oksizena amin’ny rivotra, izay ampidirina ao amin’ny havokavoka, no tonga mandoro ireo faika entin’ny ra. Ny asidra karbonika, avoaka etỳ ivelany amin’ny rivotra, dia fohin’ireo zava-maniry izay mampisaraka ny singa ao aminy indray ary mamerina ny oksizena. Iza àry no nandrindra io fisehoana mahagaga amin’ny fifohana sy famerenana amin’ny laoniny ny entona io, mba hahatonga ny fatran’ireo entona tsy hiova?

Iza ilay mpahary mahay izay tsy nanana milina, fa nampiasa fomba tsotra dia tsotra, nefa mampirindra ny lalànan’ny natiora? Ny kisendrasendra ve?

Iza ilay mpiasa nandrakotra ny tany tamin’ny bozaka, tamin’ny zava-maniry sy hazo izay miisa an’arivony maromaro ny karazany? Ny karazany tsirairay dia manana ambioka manome io karazana io ihany. Iza no mihazona ny fitohizan’ireo karazana ireo? Iza no nanao ny voninkazo, izay misy loko sy hanitra marobe? Iza no mampitondra ny hazo ireo voa aman’arivony, izay tsy mitovy endrika sy tsiro? Mbola hilaza ihany ve ianao fa kisendrasendra izany? Hilaza ve ianao fa ireo zava-manan’aina samihafa rehetra ireo dia avy amin’ny sela iray, izay nitombo, ary namokatra tsikelikely zava-maniry sy biby? Mbola tokony holazaina aza hoe avy aiza io sela io ary iza no nanome azy herim-piainana hivoatra haka endrika maro samihafa toy izany. Maninona izany fivoarana izany, izany fiovana izany, no tsy misy intsony? Rariny raha ho gaga amin’ny fomba mahatonga ny zava-manan’aina hifanentana amin’ny tontolo iainany (ary mampiseho ny maha-zava-mahagaga ny zava-manan’aina izany), fa azo hitarina amin’ny fivoaran’io sela voalohany io ve izany? Ny fivoarana dia tombatombana ihany, fa tsy zava-misy. Tsy nisy nahita izany. Ny zavatra eo ambany masontsika, dia ny fisian’ny zava-maniry sy ny biby, izay manaranaka araka ny lalàna tsy miovaova. Mbola averina ihany, iza no nanao ireo lalàna ireo? Iza no mihazona azy tsy hisy fiovana? Iza no mihazona ny tontolo amin’izao tombina misy azy izao? Ny harena an-kibon’ny tany koa dia manambara amintsika hery sy fahendrena nametraka ny zavatra rehetra hamaly ny filàn’ny olombelona. Inona no hotsoahintsika amin’izany fahamarinana rehetra izany? Ny hoe misy Andriamanitra, Andriamanitra iray sy tsitoha, saina fara-tampony, Mpahary ny tontolo hita maso sy ny tontolon’ny saina izay hazavainy.

Nahoana no misy ny fangirifiriana?

Mamaly ny tsy mpino an’Andriamanitra hoe: “Raha misy Andriamanitra, dia tokony ho tsara fanahy Izy; raha tsy izany, tsy Andriamanitra Izy. Koa nahoana àry, raha misy Izy, no misy eto an-tany ireo fangirifiriana, ireo tsy rariny, ireo ratsy tsy tambo isaina?” Ny zavatra marihiko voalohany aloha, dia mampiseho io fanakianana io fa misy ao amin’ilay olona nanao azy ny saina momba ny hatsaram-panahy sy ny ratsy, ny rariny sy ny tsy rariny, ary manontany aho hoe: Iza no nametraka izany tao an-tsainao? Manaiky ianao fa misy lalàna fara-tampony momba ny tsara sy ny ratsy, ny marina sy ny tsy marina; iza no nametraka izany lalàna izany? Ny valiny, ary tsy misy valiny hafa, dia ny hoe: “Ilay tsara fara-tampony, ilay fahamarinana fara-tampony”. Fa ambonin’izany, raha toa ny olombelona, izay voarin’Andriamanitra, naniratsira ny mpahary azy, raha nikomy tamin’ny fahefany izy, raha niala tsy hiankina aminy izy, raha nisaraka tamin’Ilay hany loharanom-pahasambarana ho azy izy, dia tokony hahagaga ve raha voagejan’ny faharatsiana sy ny fangirifiriana izy, ho setrin’ny fahadisoany? Azo lazaina ho tsy mampisy an’Andriamanitra ve izany? Ary farany, raha nomen’Andriamanitra lalana iray ilay olona mpanota, noho ny halehiben’ny famindram-pony, hialàna amin’ny fahantrany sy hahitana indray ny hasambarana, hasambarana izay tsara mihoatra lavitra noho ilay azy very teo, tsy voamarina ve Andriamanitra?

Ho tsinin’Andriamanitra ve raha tsy manaiky izany ny olona? Ho azo atao porofo ve ny fisian’ny faharatsiana hanoherana ny fisian’Andriamanitra?

Fa manohy ihany ny tsy mpino hoe: “Asehoy ahy Andriamanitra, dia hino Azy aho”. Andriamanitra dia fanahy; tsy hitan’ny mason’ny olombelona Izy; ny fanahy irery ihany no afaka mahita Azy rehefa manambara ny tenany Izy. Tsy niseho tamin’ny asa nataony ve Izy? Mila mahita ny mpanao famantaranandro ve aho vao hahatoky fa iny famantaranandro tazoniko iny dia nataony? Noho ny zava-bita, dia fantatro fa nisy ny olona nanao azy fa tsy ilaina ny ahitako azy.

Andriamanitra tetỳ ambonin’ny tany

Nefa tsy tamin’ny asany ihany akory no nanambaràn’Andriamanitra ny fisiany. Izy mihitsy no tonga tetỳ an-tany. Ilay mpahary izao tontolo izao no niseho tamin’ny olombelona. Ary raha manana ny masom-panahy hijery ianao, fo handinika ara-moraly ny zava-misy, dia hiaiky ianao fa niseho tetỳ an-tany Andriamanitra. Ny fahatongavan’i Kristy tetỳ an-tany dia zavatra tsy iadian-kevitra, toy ny nisian’i Aleksandra na i Kaisara. Ary toy ny nampisehoan’izy ireo ny halalin-tsainy tamin’ny asany, izay indrisy! fa famonoana olona sy ra mandriaka, dia naneho ny tenany koa Andriamanitra, Olona teo anivon’ny olona, tamin’ny heriny sy ny hamoram-panahiny tsy misy toa azy. Jesoa avy any Nazareta! Hitsiky angamba ny tsy mpino amin’io anarana io, satria efa raisiny ho toy ny angano i Kristy sy ny asa nataony; na, raha manaiky ihany izy fa nisy i Jesoa, dia ilay olombelona ihany no hitany. Kanefa ny fisian’i Kristy dia zavatra azo antoka, toy ny fisian’ireo olona izay nitondra an’izao tontolo izao tamin’ny androny. Ny fahamarinan’ireo tantara milaza ny momba Azy dia tsy azo lavina, ary ny fisian’ny Eglizy kristiana fotoana fohy taorian’ny nahaveloman’i Kristy koa dia porofo fa tsy angano ny momba Azy. Ny filazantsara anefa dia milaza amintsika ireo asa feno hery izay nataon’i Jesoa tamin’ny teniny ary fahefana ambonin’ny an’ny olombelona ihany no nahavitana ireo asa ireo, asa noho ny fahasoavana sy ny fahamoram-po foana… Ny filazantsara no maneho amintsika ny fiainany madio sy masina, mendrika Ilay Andriamanitra toa Azy, ary mandrakitra ireo fampianarany feno fitiavana sy fahamasinana avy amin’Andriamanitra, feno fiadanana sy famindram-po, ary koa fahamarinana. Asehony antsika Izy amin’ny fanambaràny ny zava-miafina ao amin’ny fon’olombelona, amin’ny fitsaràny ny ratsy, fa koa amin’ny fandraisany ireo rehetra izay mijaly, ny fo mitomany, ny mpanota mibebaka izay navelany heloka toa an’Andriamanitra. Nanambara Andriamanitra masina sy marina Izy. Izy io Andriamanitra io, fa Izy koa no ilay Andriamanitra fitiavana izay nitondra ny fiadanana tetỳ an-tany, ary mampanantena aorian’izao fiainana izao ny fahasambarana tanteraka. Aoka ireo tsy mahalala an’Andriamanitra hamaky ny filazantsara amin’ny saina tsy miangatra, dia hisy fahazavana avy any an-danitra hanazava ny fanahiny, hampiaiky azy fa misy Andriamanitra ary io Andriamanitra io dia naneho ny tenany tao amin’i Jesoa Kristy. Io no olona manambara ny zava-miafina rehetra any am-po, ny filàn’ny fanahy lalina anaty any, ary mamaly izany; iza izany raha tsy Andriamanitra? Mihevitra ve ianao fa raha mandà ny fisian’Andriamanitra, dia ho azonao tanterahina ny hahasambatra ny olombelona? Raha tsy misy Andriamanitra, tsy misy Kristy, dia tsy misy koa ny fampaherezana, tsy misy ny fanantenana! Fa io hetaheta mahery vaika sy tsy mety tony ao am-pon’ny olombelona io mba hahitana fahasambarana, tsy porofo ve izany fa natao hahita io fahasambarana io sy hisitraka izany izy? Ary iza no afaka hamaly io filàna io, io sento miantefa any amin’ny tsy misy fetra io? Andriamanitra irery ihany, Andriamanitra izay misy, Andriamanitra izay namorona antsika ho Azy ary te hamonjy antsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.


 


Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy[1] .

Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy[2].

Andriamanitra… nampiteny tamintsika ny Zanany.. Izy no nahariany izao tontolo izao[3].

Tsy zavatra mety ho simba… no nanavotana anareo tamin’ny fitondrantena adala… fa ny ra soan’i  Kristy…[4]

Ary ho an’ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an’Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena[5].



[1] Jaona 1. 18

[2] 2 Korintiana 5. 19

[3] Hebreo 1. 1,2

[4] 1 Petera 1. 18,19

[5] 1 Timoty 1. 17