Pourquoi je ne suis pas « Témoin de Jéhovah » ? 

           NAHOANA AHO NO TSY

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 


Satria mampihanjahanja ny tena toetoetr’ity fikambanana iray ity ny fanambarana hita ao amin’ireo boky nosoratany.

 

MOA ARA-BAIBOLY VE NY FOTO-PINOAN’NY « VAVOLOMBELON’I JEHOVAH » ?

 

Mifanohitra amin’izay ambaran’ny Baiboly ny tsy fandeferany

(Lioka 9.52 – 55)

« Manolotra ny tenany ho amin’ny  fandevonana tanteraka izay rehetra … manohitra (ny Vavolombelon’i Jehovah) » « Aoka Andriamanitra ekena ho marina. ». Ed 54 p. 221

 

Mifanohitra amin’izay ambaran’ny Baiboly ny tsy fivelarany amin’

ny hafa (Jaona 3.16)

« Izay rehetra tsy anisan’ny mpikambana ao amin’ny fikambanana hita maso izay an’i Jehovah (izany hoe ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah) dia ao amin’ny fikambanan’ny mpanohitra azy avokoa » (an’ny Devoly). « Tilikambo Fiambenana » 1975 p.155

 

Mifanohitra amin’izay ambaran’ny Baiboly ny  finoany

(1 Tesaloniana 2.13)

« Tsy hanana ahiahy na inona na inona isika rehefa tia an’i Jehovah sy ny fikambanana… hino ny zavatra rehetra isika, izany hoe hino an’izay

rehetra voalaza ao amin’ny Tilikambo Fiambenana, satria hita ho maha-

toky hatrany izy io… ary efa hatramin’ny fiandohany izany ».

« Voatendry ho amin’ny Asa » Ed. p.158

 

Mifanohitra amin’izay ambaran’ny Baiboly ny fihambohamboany (Galatiana 1.8)

« Milaza izy ireo fa ny dika teny sy ny fanakarana ny hevitry ny Baiboly dia « nomena mangingina ny sampam-pampielezana misy ao amin’io Fikambanana io. Ary ireo anjely isan’ambaratongany  izay mpanara-maso ny Vavolombelon’i Jehovah no nanome izany ».

 

Fanambarana nataon’ny filoha mpanampy Franz teo anatrehan’ny fitsarana tany Edimbourg ny 23 Novambra 1954.

 

SANTIONANY AMIN’IREO FIFANOHERANA HITA

 

Mikasika ny « fahatongavan’ »  ny  Tompo

 

1921 : « Zava-baovao na  asa famoronana vitsivitsy ihany, tany aorian’ny 1874, no hitanay ho azo nangonina hanaporofoana ny efa fahatongavan’ny Tompo nanomboka tamin’io daty io. Ohatra … ny milina fitehirizam-peo… ny bisikileta… ny vilanibe mibaiko tena… ny dinamita, sns » « Lokangan’Andriamanitra » p.209

 

Kanefa …

 

1950 : « Hatramin’ny 1914 no efa nanehoan’i Kristy mazava tsara tamin’ny olombelona tamin’ny toerana rehetra ny porofon’ny fahatongavany fanindroany, na ny fiaviany indray ».

« Izao no fiainana mandrakizay » p. 222

 

Mikasika an’ireo « manampahefana fara tampony »

 

1918 : Ireo « manampahefana fara tampony » no filohan’ny fikambanana hita mason’i Satana, dia ireo izay tsy maintsy eken’ny kristiana rehetra ». (jereo ny Romana 13.1) « Ny marina no hahafaka anareo »  p.287

 

Kanefa :

 

1929 : « Nisy tara-pahazavana lehibe nanazava azy ireo. Nilaza ny « Tilikambo Fiambenana » fa « i Jehovah sy i Kristy no manampahefana fara tampony fa tsy ireo mpitondra eto amin’izao tontolo izao akory ».

« Ny marina no hahafaka anareo »  p.287

 

Kanefa…

 

1969 : « Ireo manam-pahefana eo amin’ny sehatra pôlitika » no ao ambadiky ny filazana hoe : « fahefana fara tampony ».

« Ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fahafahan’ireo zanak’Andriamanitra »  p.189

 

Kanefa …

 

« Noho izy ireo mahatoky amin’ny Tenin’Andriamanitra dia miala amin’ny fifanoheran’ireo fampianarana ara-pivavahana sy ny filôzôfian’olombelona ny Tilikambo Fiambenana ».

« Tilikambo Fiambenana »   75,  pejy misy ny lohateny

 

Mikasika an’i « Beth Sarim », ny « Tranon’ireo mpanjaka »

 

« Tamin’ny 1929 no voaorina… ny trano iray mitondra ny anarana hoe … « Tranon’ireo mpanjaka »… Natao hipetrahan’ny Filohan’ny Fikambanana sy ireo mpiara-miasa aminy izy io, hatramin’ny fotoana hamerenana azy amin’ny « mpanjakan’ » ny tany ho avy indray… Rehefa honina ao ny sasany amin’ireo mpanjaka nitsangana tamin’ny maty dia ho levona ireo mpanevateva ary ho voamarina kosa ny finoan’ireo nanangana an’i « Beth Samir » « Famonjena ». Ed 1939 p.272

 

Kanefa …

 

Namidy io trano io tamin’ny vanim-potoan’ny ady lehibe faharoa, satria tonga tsy naha te ho tia teo imason’ireo « Vavolombelon’i Jehovah » intsony. Ka hatao ahoana ireo mpanjaka !

 

Mikasika ny Jiosy

 

1929 : « Tonga tamin’ny fiafarany ny vanim-potoana nanjombona lavabe niainan’ny vahoaka Isiraely. Nahita fitia teo imason’Andriamanitra indray izy ». « Fiainana » Ed 29 p.222

 

Kanefa …

 

1948 : « Tsy misy amin’ny filazana ny fampodiana an-tanindrazana an’ireo Jiosy ankehitriny… mifanaraka amin’ny faminanian’ny Baiboly mikasika ny fampiverenana indray azy ireo noho ny indrafon’i Jehovah ».

« Aoka Andriamanitra ekena ho marina ».  Ed.54 p.235

 

SANTIONANY AMIN’IREO FAMINANIANA DISO

Mikasika ny Haramagedona na ny « Fiafaran’izao tontolo izao » :

 

Momba ny 1914 :

 

« Raisinay ho fahamarinana mafy orina ny filazana fa amin’ny 1914 no higadonan’ny  fiafaran’izao tontolo izao sy  hiantombohan’ny fanjakan’Andriamanitra ». « Ny fiposahan’ny taona Arivo » Ed 1903 andiany faha-2 « Antomotra ny andro » p.97

 

Fanamarihana : Tamin’ireo boky natonta hatramin’ny 1923 dia natao hoe « aorian’ny 1914 » ny hoe « amin’ny 1914 ».

 

Momba ny 1925 :

 

« Afaka miandry isika fa amin’ny 1925 no hiverina amin’ny fahavelomana indray ireo olon’ny finoana (i Abrahama, i Isaka, i Jakoba ary ireo mpino rehetra tany aloha) hitsangana amin’ny maty izy ireo amin’izay fotoana izay, hitafy ny maha-olona tonga lafatra, ary ho tonga fanehoana hita mason’ny lamina vaovaon’ny zavatra ety an-tany ». « An’alinaliny amin’ireo olona  ety an-tany amin’izao fotoana izao no mbola ho eo amin’ny 1925. Ary miorina amin’ny fanambaran’ny Tenin’Andriamanitra dia afaka ny hilaza isika fa olona an’alinaliny amin’ireo mbola miaina amin’izao fotoana izao no tsy hahita fahafatesana ».

(« An’alinkisa … » Ed. 1920 p. 75 sy 83 ; Rutherford.)

 

Hatramin’ny 1941 :

 

« Tsy misy mametraka fisalasalana mihitsy ny amin’ny maha akaiky ny Haramagedona … koa nahoana  no tsy hiandry ny andro hanjakan’ny fiadanana maharitra ety an-tany vao hanambady ?

 

Fanamarihana : Efa feno 59 sy 57 taona i John sy i Eunice tamin’ny 1980 … mbola miandry ihany izay fotoana hanambadiany anefa izy roalahy ireo. Ao amin’ny « Mifohaza » nivoaka tamin’ny 22.2.75, pejy 11, dia nanolo-kevitra ny tsy tokony hiterahana ny Fikambanana mba hananana fotoana betsaka kokoa hahafahana mitory…

 

Momba ny 1972 :

 

Hatramin’i Adama ka hatramin’ny fiafaran’ny taona 1946 taorian’i Jesoa Kristy , dia nisy 5974 taona. Izany hoe efa aty amin’ny faramparan’ny 6000 taonan’ny tantaran’ny zanak’olombelona izany isika, dia eo am-piandrasana indrindra ny trangan-javatra mahatahotra izay ambaran’ny zava-niseho tamin’ny andron’i Noa. (Lioka 17.26-30)

(« Ny marina no hahafaka anareo »  p. 140). Fanamarihana : ataovy ny kajy : 6000 – 5974 = 26 taona ary 1946 + 26 = 1972

 

 

Momba ny 1975

 

« Tamin’ny fararanon’ny taona 4026 talohan’izao vanim-potoanantsika izao no nahariana an’i Adama. Tamin’izany taona izany ihany koa no nahariana an’i Eva. Taoriana kelin’izany no niantombohan’ny andro nialan’Andriamanitra sasatra. Hifarana izany ny  6000 taona voalohan’ny fisian’ny zanak’olombelona sy ny 6000 taona voalohan’ny andro fitsaharan’Andriamanitra amin’ny taona 1975. (« Mifohaza » novoaka tamin’ny 8 Aprily 67 p.19)

« Moa tsy fotoana mety indrindra amin’i Jehovah hanorenana taona arivo hitsaharana ho an’ireo olona rehetra noariany ve ny fiafaran’ireo taona arivo enina izay taom-panandevozana teo ambany fangejan’i Satana, ilay Devoly, io ? Izany tokoa  ! (Bulletin interieur n°8, 7, Aprily 70 p.21)

 

 

FEHINY :

 

 

Ny Filoha Mpanorina : Charles Taze Russel :

 

(Na tsy tanteraka aza ny faminaniany mikasika ny 1914)

 

« Raha mahita zavatra tsara kokoa ny olona iray dia aoka izy hanaiky izany. Fa raha tsy misy  mahita zavatra tsara kokoa kosa aminareo, dia tianay ny tsy hanadinoany ny filazana izany aminay ».

(« Ny Tilikambo Fiambenana » 15 Desambra 1914, tamin’ny teny Anglisy).

Fanamarihana : Mahalala zavatra tsara lavitra izahay, manorata aminay.

 

Ny Fikambanan’ny « Vavolombelon’i Jehovah »

 

« Marina tokoa fa tany aloha dia nisy nilaza mialoha ny amin’ny « fiafaran’izao tontolo izao » ary nametraka ny daty hiavian’izany

mihitsy aza … kanefa dia tsy tanteraka izany. Tsy nisy zavatra nitranga. Mpaminany sandoka ireny olona ireny… Tsy mahalala ny fahamarinana ambaran’ny Tenin’Andriamanitra izy ireny, ary tsy ahitana porofo fa Andriamanitra no mitarika sy mampiasa azy ».

(« Mifohaza » nivoaka tamin’ny 8 Aprily 1969 p ;23)

Fanamarihana : mamelà anay hanamafy  fa araka izany fanambaràna ataony izany dia milaza tena ho anisan’ny mpaminany sandoka ity fikambanana ity hatramin’ny fiafaran’ny taona 1975.

 

 

Ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra tsy miova

 

FA NY MPAMINANY IZAY SAHY HILAZA TENY AMIN’NY ANARAKO  NEFA

 TSY NASAIKO NOLAZAINY NA IZAY MITENY AMIN’NY ANARAN’ANDRIAMANI-KAFA DIA HATAO MATY. RAHA HOY IANAO ANAKAMPO : HATAONTSIKA

AHOANA NO FAHAFANTATRA NY TENY IZAY NOLAZAIN’I JEHOVAH ? RAHA

MITENY AMIN’NY ANARAN’I JEHOVAH NY MPAMINANY KA TSY EFA NY ZAVA-

TRA NA TSY TANTERAKA DIA TENY IZAY TSY NOLAZAIN’I JEHOVAH IZANY. TAMIN’NY FAHASAHISAHIANA NO NILAZAN’NY MPAMINANY IZANY KOA AZA MATAHOTRA AZY. (Deoteronomia 18.20)

 

Ireny koa dia halaviro… fa isan’ireny izay … mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina. (2 Timoty 3.5-6)

 

Mijanòna eo an-dalana ianareo ka izahao ary anontanio izay lalana masaka hatry ny ela, dia izay lalana mankany amin’ny tsara ka iny no izory, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo. (Jeremia 6.16)

 

Hoy i Jesoa : Mankanesa aty amiko (fa tsy any amin’ireo antokom-pivavahana samihafa) ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako (fa tsy ny an’ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah) ka mianara amiko (fa tsy amin’ireo olona matsilo) fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo (izany no tsy fantatry ny « Vavolombelon’i Jehovah) ! (Matio 11.28-29)

 

 

 

Raha tsy ampiasainao avy hatrany ity trakitra ity dia tehirizo mba homena ny « Vavolombelon’i Jehovah » ho avy hamangy anao.

 

 

 

ANDININ-TSORATRA MASINA VITSIVITSY TSY INOAN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH

 

Mikasika an’i Jesoa Kristy :

 

·          Kristy izay ambonin’izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amena ! (Romana 9.5)

·          Fa ao amin’ny tenany no hahafenoan’ny fomban’Andriamanitra rehetra (Kolosiana 2.9)

 

Fanamarihana : nodisoina ireo andininy ireo ao amin’ny dika teny « Monde Nouveau »

 

Ny amin’ny famonjena ankehitriny sy mandrakizay :

 

·          Hoy i Jesoa : Izay mandre ny teniko ka mino izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy. (Jaona 5.24)

·          Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa. (Romana 8.1)

·          Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina. (Hebreo 10.14)

·          Izany no nosoratako taminareo izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo. (1 Jaona 5.13)

 

Ny amin’ny fahoriana mandrakizain’ireo very

 

·          Ary hampijaliana andro aman’alina mandrakizay mandrakizay ireo. (Apokalypsy 20.10)

 

Ny amin’ny fiantsoana kristiana

 

·          Hoy i Jesoa : ho vavolombeloko ianareo… hatramin’ny  faran’ny tany. (Asa 1.8). « Vavolombelon’i Jesoa » izany ny kristiana (Apokalypsy 17.6) toy ny naha « Vavolombelon’i Jehovah » ny Jiosy fahiny (Isaia 43.10), tsy nampiasaina intsony tao amin’ny Soratra Masina nadika avy amin’ny teny Grika nampiasain’ny mpino io faharoa io.

 

Ny amin’ny hanarenana indray ny vahoaka Jiosy :

 

·          Sao narian’Andriamanitra anie ny olony ? Sanatria izany ! … Andriamanitra tsy nanary ny olony… Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany ry rahalahy… Fa efa misy hamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-mpiditry ny hafenoan’ny jentilisa, ary amin’izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra. (Romana 11.1-2, 25-26)

 

Ny amin’ny fiverenan’i Jesoa amim-boninahitra

 

·          Hitomany ny firenena rehetra ambonin’ny tany  ary hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra izy. (Matio 24.30)

 

·          Indro Izy avy amin’ny rahona ary ny maso rehetra hahita Azy. (Apokalypsy 1.7)

 

Ny andininy izay maha-diso hevitra azy ireo ka hanamarinany ny tenany :

 

·          Fa ny lalan’ny marina dia toy ny fipoak’andro maraina, izay miha mazava mandra-pitataovovonan’ny andro. (Ohabolana 4.18) (lazain’izy ireo fa ny fampianarany izay miha-mahazo vahana no tondroin’izany teny izany)

 

Ny andininy izay ambaran’izy ireo fa nosoratana manokana ho an’ny « Vavolombelon’i Jehovah » :

 

·          Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana tsy misy kilema, fa hangidihidy sofina izy ka hamory mpampianatra ho azy araka ny filàny, ary hampiala ny sofiny amin’ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin’ny anganongano. (2 Timoty 4.3-4)