LE CANTIQUE DES CANTIQUES* Tonon-kiran'i Solomona
— * : En général, dans ce livre, les alinéas marquent la succession des interlocuteurs.  
   
   
Chapitre 1 Chapitre 1
1 Le cantique des cantiques, qui est de Salomon. 1 Ny tonon-kira tsara indrindra, izay nataon'i Solomona.
   
2 Qu’il me baise des baisers de sa bouche ! car tes amours sont meilleures que le vin. 2 [Ny ampakarina sy ny zanakavavin'i Jerosalema] Enga anie ka hanoroka ahy amin'ny fanorohan'ny vavany izy! Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao.
3 Tes parfums sont d’agréable odeur ; ton nom est un parfum répandu ; c’est pourquoi les jeunes filles t’aiment. 3 Mani-pofona ny menakao tsara, menaka manitra voaidina ny anaranao, koa izany no itiavan'ny zatovovavy anao.
4 Tire-moi : nous courrons après toi. — Le roi m’a amenée dans ses chambres. — Nous nous égayerons, et nous nous réjouirons en toi ; nous nous souviendrons* de tes amours plus que du vin. Elles t’aiment avec droiture. 4 Taomy aho, dia hihazakazaka hanaraka anao izahay; Nentin'ny mpanjaka ho ao an-efi-tranony aho. Hifaly sy hiravoravo aminao izahay; Hankalazainay mihoatra noho ny divay ny fitiavanao; Fitiavana marina no itiavany anao.
— v. 4 : ou : nous célébrerons.  
5 Je suis noire, mais je suis agréable, filles de Jérusalem ! comme les tentes de Kédar, comme les tentures de Salomon. 5 Mivalomainty aho, nefa tsara tarehy, ry zanakavavin'i Jerosalema, toy ny lain'i Kedara, toy ny ambain-dain'i Solomona.
6 Ne me regardez pas, parce que je suis noire, parce que le soleil m’a regardée* : les fils de ma mère se sont irrités contre moi, ils m’ont mise à garder les vignes ; ma vigne qui est à moi, je ne l’ai point gardée. 6 Aza mibanjina ahy, fa mivalomainty aho, satria efa azon'ny hainandro; Tezitra tamiko ny zanak'ineny; Notendreny ho mpiandry ny tanim-boalobony aho; Nefa ny tanim-boaloboko kosa, dia ny an'ny tenako, tsy mba nandrasako.
— v. 6 : ou : brûlée.  
7 Dis-moi, toi qu’aime mon âme, où tu pais [ton troupeau], où tu le fais reposer à midi ; car pourquoi serais-je comme une femme voilée auprès des troupeaux de tes compagnons ? 7 Lazao amiko, ry ilay tian'ny fanahiko, izay iandrasanao ny ondrinao, sy izay ampandrianao azy raha antoandro; Fa nahoana no ho tahaka izay mivezivezy foana* aho Eny amin'ny andian'ny namanao? [Na: misarona fisalobonana]
   
8 Si tu ne le sais pas, ô la plus belle parmi les femmes ! sors sur les traces du troupeau, et pais tes chevreaux près des habitations des bergers. 8 Raha tsy fantatrao, ry tsara tarehy indrindra amin'ny vehivavy, dia mandehana hanaraka ny andian'ny ondry aman'osy, ary andraso eny amin'ny lain'ny mpiandry ondry ny zanak'osinao.
   
9 Je te compare, mon amie, à une jument aux chars du Pharaon. 9 [Ny mpanjaka sy ny ampakarina] Ry tompokovavy havako, ianao dia ampitahaiko amin'ny soavalivaviko mitarika ny kalesin'i Farao.
10 Tes joues sont agréables avec des rangées de joyaux ; ton cou, avec des colliers. 10 Mahatsara ny tarehinao ireo voahangy voatohy; Manendrika ny vozonao ireo rado.
11 Nous te ferons des chaînes d’or avec des paillettes d’argent. 11 Nefa rojo volamena misy voavola mibontsimbontsina kosa no hataonay ho anao.
   
12 Pendant que le roi est à table, mon nard exhale son odeur. 12 Raha mipetraka amin'ny latabany ny mpanjaka, dia mamerovero tsara ny nardako.
13 Mon bien-aimé est pour moi un bouquet de myrrhe ; il passera la nuit entre mes seins. 13 Ny malalako dia miora am-pehezana madinika mandry eo an-tratrako.
14 Mon bien-aimé est pour moi une grappe de henné dans les vignes d’En-Guédi. 14 Ny malalako dia tahaka ny vonin'ny kofera amiko, any an-tanimbolin'i En-jedy.
   
15 Voici, tu es belle, mon amie ; voici, tu es belle ! Tes yeux sont des colombes. 15 Indro, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako; Indro, tsara tarehy ianao; Voromailala ny masonao.[Na: Manana masom-boromailala ianao]
   
16 Voici, tu es beau, mon bien-aimé ; oui, tu es agréable ! Oui, notre lit est verdoyant. 16 Indro, tsara tarehy ianao, ry malalako, eny, mahafinaritra; Maitso ny fandriantsika.
17 Les solives de nos maisons sont des cèdres ; nos lambris des cyprès. 17 Sedera ny sakamandimbin'ny tranontsika, ary kypreso ny peta-drindrintsika.
Chapitre 2 Chapitre 2
1 Je suis le narcisse de Saron, le lis des vallées. 1 Izaho dia voninkazo eny an-tanety* ihany sy lilia eny an-dohasaha.[Na: any Sarôna]
   
2 Comme le lis entre les épines, telle est mon amie entre les filles. 2 Toy ny lilia eo amin'ny tsilo, dia toy izany tompokovavy havako eo amin'ny zazavavy.
   
3 Comme le pommier entre les arbres de la forêt, tel est mon bien-aimé entre les fils ; j’ai pris plaisir à son ombre, et je m’y suis assise ; et son fruit est doux à mon palais. 3 Toy ny hazo poma amin'ny hazo any an'ala, dia toy izany ny malalako eo amin'ny zatovo. Mahafinaritra ahy indrindra ny mipetraka eo ambanin'ny alokalony, sady mamy ao am-bavako ny voany.
4 Il m’a fait entrer dans la maison du vin ; et sa bannière sur moi, c’est l’amour. 4 Nentiny ho ao an-tranon-divay aho, ary ny fanevany eo amboniko dia fitiavana.
5 Soutenez-moi avec des gâteaux de raisins, ranimez-moi avec des pommes ; car je suis malade d’amour. 5 Hatanjaho amin'ampempam-boaloboka aho, ary velombelomy amin'ny poma aho, fa mararim-pitia.
6 Sa main gauche est sous ma tête, et sa droite m’embrasse. 6 Aoka ny tànany ankavia hanondana ahy, ary aoka ny tànany ankavanana hanohona ahy.
   
7 Je vous adjure, filles de Jérusalem, par les gazelles ou par les biches des champs, n’éveillez pas, ne réveillez pas [mon] amour, jusqu’à ce qu’elle* le veuille. 7 Mampianiana anareo amin'ny gazela* na amin'ny dieravavy any an-tsaha aho, ry zanakavavin'i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha tsy efa sitrapony.[Anaram-biby haingan-tongotra]
— v. 7 : ou : qu’il ; litt.: ne réveillez pas l’amour, jusqu’à ce qu’il le veuille.  
* *
8 La voix de mon bien-aimé ! le voici qui vient, sautant sur les montagnes, bondissant sur les collines. 8 [Tenin'ny ampakarina, raha nitoetra irery izy] Injay, ny feon'ilay malalako! Indro, tamy izy ka miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra ary mitsambitimbikina eny amin'ny havoana.
9 Mon bien-aimé est semblable à la gazelle, ou au faon des biches. Le voici, il se tient derrière notre mur, il regarde par les fenêtres, il regarde* à travers les treillis. 9 Ny malalako dia tahaka ny gazela* na ny diera* tanora; Indro, mijanona eo ala-tranonay** izy, mitsidika eo am-baravarankely, manarangarana eo amin'ny makarakara.[*Anaram-biby haingan-tongotra][**Heb. ivelan'ny rindrinay]
10 Mon bien-aimé m’a parlé, et m’a dit : Lève-toi, mon amie, ma belle, et viens ! 10 Niteny ny malalako ka nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary!
11 Car voici, l’hiver est passé, la pluie a cessé, elle s’en est allée ; 11 Fa, indro, lasa ny ririnina, ritra tsy misy intsony ny ranonorana;
12 les fleurs paraissent sur la terre, la saison des chants est arrivée, et la voix de la tourterelle s’entend dans notre pays ; 12 Miposaka eo amin'ny tany ny voninkazo; Tonga ny taona fanaovam-peo fifaliana, ary re atỳ amin'ny tanintsika ny feon'ny domohina.
13 le figuier embaume ses figues d’hiver, et les vignes en fleur exhalent leur parfum. Lève-toi, mon amie, ma belle, et viens ! 13 Ny aviavy* mahamanitra ny voany tanora, mamony ny voaloboka ka mamerovero tsara. Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary![aviavimbazaha]
14 Ma colombe, [qui te tiens] dans les fentes du rocher, dans les cachettes des lieux escarpés, montre-moi ton visage, fais-moi entendre ta voix ; car ta voix est douce, et ton visage est agréable. 14 E, ry voromailalako ao amin'ny tsefatsefaky ny harambato, dia ao amin'ny fialokalofana amin'ny fiakarana mideza, aoka hahita ny endrikao sy handre ny feonao aho; Fa mamy ny feonao, sady mahafinaritra ny endrikao.
15 — Prenez-nous les renards, les petits renards qui ravagent les vignes, car nos vignes sont en fleur. — 15 Sambory ny amboahaolo, dia ireo amboahaolo madinika izay manimba ny tanim-boaloboka; Fa efa mamony izao ny voalobotsika.
16 Mon bien-aimé est à moi, et je suis à lui, qui paît parmi les lis, 16 Ahy ny malalako, ary azy aho, dia ilay miandry ny ondriny eny amin'ny lilia.
17 jusqu’à ce que l’aube se lève et que les ombres fuient. — Tourne-toi* ; sois semblable, mon bien-aimé, à la gazelle ou au faon des biches sur les montagnes de Béther**. 17 Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro*, mitodiha, ry ilay malalako, ary aoka ho tahaka ny gazela** na ny diera** tanora eny an-tendrombohitra be hantsana*** ianao. [*Heb. mandositra ny aloka][**Anaram-biby haingan-tongotra][***Na: tendrombohitra manelanelana]
— v. 9 : ou : se montre. — v. 17* : quelques-uns : Reviens. — v. 17** : ou : coupées de ravins.  
Chapitre 3 Chapitre 3
1 Sur mon lit, durant les nuits, j’ai cherché celui qu’aime mon âme ; je l’ai cherché, mais je ne l’ai pas trouvé. 1 Teo am-pandriako nony alina dia mazàna nitady ilay tian'ny fanahiko aho; Nitady azy aho, fa tsy nahita azy.
2 — Je me lèverai maintenant, et je ferai le tour de la ville dans les rues et dans les places ; je chercherai celui qu’aime mon âme. — Je l’ai cherché, mais je ne l’ai pas trouvé. 2 Dia hoy izaho: Hifoha aho ka handehandeha eo an-tanàna, dia eny an-dalambe sy eny an-kalalahana, hitady ilay tian'ny fanahiko eny, nitady azy aho, nefa tsy nahita azy.
3 Les gardes qui font la ronde par la ville m’ont trouvée. Avez-vous vu celui que mon âme aime ? 3 Hitan'ny antily izay mandehandeha eny an-tanàna aho; Dia hoy izaho: Sao mba hitanareo lahy ilay tian'ny fanahiko iny?
4 À peine avais-je passé plus loin*, que j’ai trouvé celui qu’aime mon âme ; je l’ai saisi, et je ne l’ai pas lâché que je ne l’aie amené dans la maison de ma mère, et dans la chambre de celle qui m’a conçue. 4 Nony vao nandalo ireo vetivety foana aho, dia hitako ilay tian'ny fanahiko, ka nohazoniko izy, fa tsy navelako handeha, mandra-pitondrako azy ho any an-tranon'ineny, dia any amin'ny efi-tranon'ilay niteraka ahy.
— v. 4 : hébreu : loin d’eux.  
5 Je vous adjure, filles de Jérusalem, par les gazelles ou par les biches des champs, n’éveillez pas, ne réveillez pas [mon] amour, jusqu’à ce qu’elle le veuille*. 5 Mampianiana anareo amin'ny gazela* na amin'ny dieravavy* any an-tsaha aho, ry zanakavavin'i Jerosalema; Aza manaitra na mamoha ny fitiavana, raha tsy efa sitrapony.[Anaram-biby haingan-tongotra]
— v. 5 : ou : qu’il ; litt.: ne réveillez pas l’amour, jusqu’à ce qu’il le veuille.  
* *
6 Qui est celle-ci qui monte du désert, comme des colonnes de fumée, parfumée de myrrhe et d’encens, [et] de toutes sortes de poudres des marchands ? 6 [Ny amin'ny nampakarana an-dravehivavy] Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, tahaka ny setroka mitankosina, sady tsara fofona amin'ny miora sy ny ditin-kazo mani-pofona mbamin'ny vovoka manitra samy hafa entin'ny mpandranto?
7 — Voici son lit, celui de Salomon ; soixante hommes forts l’entourent, d’entre les hommes forts d’Israël ; 7 Indro ny filanjan*'i Solomona! Lehilahy enim-polo, mahery avokoa, avy amin'ny lehilahy mahery amin'ny Isiraely, no manotrona azy.[Heb. farafara]
8 tous tiennent l’épée [et] sont exercés à la guerre, ayant chacun son épée sur sa cuisse à cause des frayeurs de la nuit. 8 An-tsabatra avokoa izy rehetra sady mahay miady, samy mitondra ny sabany eo am-balahany avy noho ny tahotra amin'ny alina.
9 Le roi Salomon s’est fait un palanquin de bois du Liban. 9 Nanao filanjana* ho azy Solomona mpanjaka tamin'ny hazo avy any Libanona: [Heb. farafara]
10 Il a fait ses colonnes d’argent, son dossier d’or, son siège de pourpre, son intérieur pavé d’amour par les filles de Jérusalem. 10 Volafotsy no nataony andriny, ary volamena ny fiankinana, volomparasy ny ondany, ny ao anatiny voaravaka amin'ny fanomezam-pitiavana avy tamin'ny zanakavavin'i Jerosalema.
11 Sortez, filles de Sion, et voyez le roi Salomon, avec la couronne dont sa mère l’a couronné au jour de ses fiançailles, et au jour de la joie de son cœur. 11 Mivoaha, ry zanakavavin'i Ziona, ka mijere an'i Solomona mpanjaka, misatroka ilay satro-boninahitra nasatro-dreniny azy tamin'ny andro nampakarany vady, dia tamin'ny andro nifalian'ny fony.
Chapitre 4 Chapitre 4
1 Voici, tu es belle, mon amie ; voici, tu es belle ! Tes yeux sont des colombes derrière ton voile ; tes cheveux sont comme un troupeau de chèvres sur les pentes de la montagne de Galaad. 1 Endrey, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako! Endrey, tsara tarehy ianao! Ny masonao dia voromailala eo amin'ny fisalobonanao*; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny an-kilan'ny tendrombohitr'i Gileada.[Na: volonao milantolanto]
2 Tes dents sont comme un troupeau de [brebis] tondues, qui montent du lavoir, qui toutes ont des jumeaux, et pas une d’elles n’est stérile. 2 Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany efa voahety, izay miakatra avy eo amin'ny fampandroana; Samy kambana avy ireo, fa tsy misy tsy mana-namana.
3 Tes lèvres sont comme un fil écarlate, et ta bouche* est agréable ; ta joue est comme un quartier de grenade derrière ton voile. 3 Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao, ary mahafinaritra ny vavanao*; Tahaka ny hasin'ampongaben-danitra ny takolakao eo amin'ny fisalobonanao**,[*Heb. fitenenanao][**Na: volonao milantolanto]
4 Ton cou est comme la tour de David, bâtie pour y suspendre des armures ; mille boucliers y sont suspendus, tous les pavois des vaillants hommes. 4 Ny vozonao dia tahaka ny tilikambon'i Davida, natao ho trano fihantonam-piadiana; Ampinga arivo no voahantona eo, dia ny ampinga rehetra an'ny lehilahy mahery.
5 Tes deux seins sont comme deux faons jumeaux d’une gazelle, qui paissent parmi les lis. 5 Ny nononao roa dia toy ny diera kambana mbola tanora, izay homana eny amin'ny lilia.
— v. 3 : d’autres : ton parler.  
6 Jusqu’à ce que l’aube se lève, et que les ombres fuient, j’irai à la montagne de la myrrhe et à la colline de l’encens. 6 Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro*, dia handeha aho ho any amin'ny tendrombohitry ny miora sy ny havoan'ny ditin-kazo mani-pofona.[Heb. mandositra ny aloka]
   
7 Tu es toute belle, mon amie, et en toi il n’y a point de défaut. 7 Tsara avokoa izato bikanao izato, ry tompokovavy havako; Tsy misy kilema ianao.
8 [Viens] avec moi du Liban, [ma] fiancée, viens du Liban avec moi ; regarde du sommet de l’Amana, du sommet du Senir et de l’Hermon, des tanières des lions, des montagnes des léopards. 8 Hiaraka amiko avy any Libanona ianao, ry ampakariko, eny, hiaraka amiko avy any Libanona, hitazana eny an-tampon'i Amana, eny an-tampon'i Senira sy Hermona, eny an-davaky ny liona, eny an-tendrombohitry ny leoparda.
9 Tu m’as ravi le cœur, ma sœur, [ma] fiancée ; tu m’as ravi le cœur par l’un de tes yeux, par l’un des colliers de ton cou. 9 Efa lasanao ny foko, ry havako* ampakariko, efa lasanao ny foko tamin'ny masonao an-ila sy tamin'ny rojo anankiray amin'ny vozonao.[Heb. ampakariko]
10 Que de charme ont tes amours, ma sœur, [ma] fiancée ! Que tes amours sont meilleures que le vin, et l’odeur de tes parfums plus que tous les aromates ! 10 Akory ny hatsaran'ny fitiavanao, ry havako* ampakariko! Akory ny hatsaran'ny fitiavanao! eny, tsara noho ny divay! Ary ny fofon'ny menaka manitrao dia mihoatra noho ny zava-manitra rehetra! [Heb. ampakariko]
11 Tes lèvres, [ma] fiancée, distillent le miel ; sous ta langue il y a du miel et du lait, et l’odeur de tes vêtements est comme l’odeur du Liban. 11 Mitete tantely toy ny avy amin'ny tohotra ny molotrao, ry ampakariko; Tantely sy ronono no ao ambanin'ny lelanao, ary ny fofon'ny fitafianao dia tahaka ny fofon'i Libanona.
12 [Tu es] un jardin clos, ma sœur, [ma] fiancée, une source fermée, une fontaine scellée. 12 Saha voahidy ny havako* ampakariko, loharano voahidy, fantsakan-drano voaisy tombo-kase.[Heb. anabaviko]
13 Tes plants sont un paradis de grenadiers et de fruits exquis, de henné et de nard, 13 Hianao no saha anirian'ny ampongaben-danitra tsara voa, sady misy kofera sy narda,
14 de nard et de safran, de roseau odorant et de cinnamome, avec tous les arbres à encens ; de myrrhe et d’aloès, avec tous les principaux aromates ; 14 Eny, narda sy safrona, veromanitra sy havozomanitra sy ny hazo misy ny ditin-kazo mani-pofona rehetra. Miora sy hazo manitra* Mbamin'ny zava-manitra tsara rehetra;[Heb. ahalota]
15 une fontaine dans les jardins, un puits d’eaux vives, qui coulent du Liban ! 15 Loharano ao an-tanimboly ianao, loharano miboiboika, ary renirano kely avy any Libanona.
   
16 Réveille-toi, nord, et viens, midi ; souffle dans mon jardin, pour que ses aromates s’exhalent ! Que mon bien-aimé vienne dans son jardin, et qu’il mange ses fruits exquis. 16 Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra; avia, ry avy any atsimo, Mitsofa eny an-tsahako hielezan'ny fofony manitra. Aoka ny malalako hankatỳ an-tanimboliny ka hihinana ny voankazony tsara.
Chapitre 5 Chapitre 5
1 Je suis venu dans mon jardin, ma sœur, [ma] fiancée ! J’ai cueilli ma myrrhe avec mes aromates, j’ai mangé mon rayon de miel avec mon miel, j’ai bu mon vin avec mon lait. Mangez, amis ; buvez, buvez abondamment, bien-aimés ! 1 Efa tonga eto an-tsahako aho, ry havako ampakariko; Mioty ny miorako mbamin'ny zava-manitro aho; Efa homana ny toho-tanteliko mbamin'ny tanteliko aho, ary efa misotro ny divaiko mbamin'ny rononoko; Homàna ianareo, ry sakaizako, misotroa, eny, mivokisa divay, ry malala.
* *
2 Je dormais, mais mon cœur était réveillé. C’est la voix de mon bien-aimé qui heurte : Ouvre-moi, ma sœur, mon amie, ma colombe, ma parfaite ! Car ma tête est pleine de rosée, mes boucles, des gouttes de la nuit. 2 [Teny nataon'ny ampakarina sy ny mpanjaka ary ny zanakavavin'i Jerosalema] Natory aho, nefa nahatsiaro ihany ny foko; Injay! ny feon'ny malalako, izay mandondòna ka manao hoe: Vohay aho, ry havako* ampakariko, Ry voromailalako, ilay ahy tsy misy kilema; Fa vonton'ando ny lohako, Ny voloko milantolanto dia kotsan'ny andon'ny alina.[Heb. ampakariko]
3 — Je me suis dépouillée de ma tunique*, comment la revêtirais-je ? J’ai lavé mes pieds, comment les salirais-je ? — 3 Fa hoy izaho: Efa niala akanjo aho, ka hataoko ahoana indray no fiakanjo? Efa nioza tongotra aho, ka hataoko ahoana no fandoto azy?
4 Mon bien-aimé a avancé sa main par le guichet, et mes entrailles se sont émues à cause de lui. 4 Nampiditra ny tànany teo amin'ny loaka ilay malalako, dia nangorakoraka azy ny foko.
5 Je me suis levée pour ouvrir à mon bien-aimé, et de mes mains a dégoutté la myrrhe, et de mes doigts, la myrrhe limpide, sur les poignées du verrou. 5 Nitsangana hamoha varavarana ny malalako ihany aho, ary nitete miora ny tanako, eny, ny rantsan-tanako nitete ranon'ny miora teo amin'ny famohana ny hidin-trano.
6 J’ai ouvert à mon bien-aimé, mais mon bien-aimé s’était retiré, il avait passé plus loin ; mon âme s’en était allée pendant qu’il parlait. Je le cherchai, mais je ne le trouvai pas ; je l’appelai, mais il ne me répondit pas. 6 Namoha varavarana ny malalako aho, kanjo efa nihodina izy ka lasa; Very hevitra aho tamin'ny nitenenany; Nitady azy aho, fa tsy nahita; Niantso azy aho, fa tsy novaliany.
7 Les gardes qui font la ronde par la ville me trouvèrent ; ils me frappèrent, ils m’ont blessée ; les gardes des murailles m’ont ôté mon voile de dessus moi. 7 Nahita ahy ny antily izay mandehandeha eny an-tanàna, dia nikapoka ka nandratra ahy; Ny mpiambina ny manda nanala ny lamba fisaronako.
8 Je vous adjure, filles de Jérusalem, si vous trouvez mon bien-aimé, que lui direz-vous ? Que je suis malade d’amour. 8 Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin'i Jerosalema: Raha mba hitanareo re ny malalako, dia ahoana no holazainareo aminy? Lazao fa mararim-pitia aho.
— v. 3 : ou : manteau.  
9 Ton bien-aimé qu’est-il de plus qu’un autre bien-aimé, ô la plus belle parmi les femmes ? Ton bien-aimé qu’est-il de plus qu’un autre bien-aimé, que tu nous adjures ainsi ? 9 Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, ry tsara tarehy amin'ny vehivavy? Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, no dia mampianiana anay toy izao ianao?
   
10 Mon bien-aimé est blanc et vermeil, un porte-bannière entre dix mille. 10 Ny malalako dia sady fotsy mangatsakatsaka no mena, notsongaina tamin'ny alinalina.
11 Sa tête est un or très-fin ; ses boucles sont flottantes, noires comme un corbeau ; 11 Ny lohany dia toy ny tena volamena tsara; Ny volony dia milantolanto sady mangilohilo toy ny goaika.
12 ses yeux, comme des colombes près des ruisseaux d’eau, baignés dans le lait, bien enchâssés* ; 12 Ny masony dia tahaka ny voromailala eo anilan'ny sakeli-drano, mandro amin'ny ronono sady tahaka ny vato soa alatsaka an-tranontranony izy.
13 ses joues, comme des parterres d’aromates, des corbeilles de fleurs parfumées ; ses lèvres, des lis distillant une myrrhe limpide ; 13 Ny takolany dia tahaka ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, dia tahaka ny tany navosaina* misy voninkazo manitra. Ny molony dia tahaka ny lilia sady mitete ranon'ny miora.[Heb. tilikambo]
14 ses mains, des rondelles d’or, où sont enchâssés des chrysolithes ; son ventre, un ivoire poli, couvert de saphirs ; 14 Ny tenany dia tahaka ny anja-bolamena voaisy krysolita; Ny tenany dia tahaka ny ivory voarafitra tsara sady misarona safira;
15 ses jambes, des colonnes de marbre blanc, reposant sur des socles d’or fin ; son port, comme le Liban, distingué comme les cèdres ; 15 Ny ranjony dia tahaka ny andry vatosanga* miorina amin'ny faladia tena volamena; Ny tarehiny dia tahaka an'i Libanona, tsara toy ny sedera.[marmora fotsy]
16 son palais est plein de douceur, et toute sa personne est désirable. Tel est mon bien-aimé, tel est mon ami, filles de Jérusalem ! 16 Mamy dia mamy ny vavany*, eny, maha-te-ho-tia avokoa izy. Toy izany ny malalako, ary toy izany ny sakaizako, ry zanakavavin'i Jerosalema! [Heb. lanilaniny]
— v. 12 : d’autres : se tenant au milieu de l’abondance.  
Chapitre 6 Chapitre 6
1 Où est allé ton bien-aimé, ô la plus belle parmi les femmes ? De quel côté ton bien-aimé s’est-il tourné ? et nous le chercherons avec toi. 1 Nankaiza ny malalanao, ry tsara tarehy amin'ny vehivavy? Nivily nankaiza ny malalanao? Mba hiarahanay aminao hitady azy.
   
2 Mon bien-aimé est descendu dans son jardin, aux parterres des aromates, pour paître dans les jardins et pour cueillir des lis. 2 Lasa nidina ho any an-tsahany ny malalako, dia any amin'ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, hiandry ny ondriny eny amin'ny tanimboly sy hioty ny lilia.
3 Je suis à mon bien-aimé, et mon bien-aimé est à moi ; il paît parmi les lis. 3 An'ny malalako aho, ary ahy ny malalako, dia ilay miandry ny ondry andiany eny amin'ny lilia.
   
4 Tu es belle, mon amie, comme Thirtsa, agréable comme Jérusalem, redoutable comme des troupes sous leurs bannières. 4 Tsara tarehy tahaka an'i Tirza ianao, ry tompokovavy havako, eny, tsara tarehy tahaka an'i Jerosalema, mahatahotra toy ny antokon'ny miaramila mitondra faneva.
5 Détourne de moi tes yeux, car ils me troublent. Tes cheveux sont comme un troupeau de chèvres sur les pentes de Galaad ; 5 Avilio ny masonao tsy hijery ahy, Fa mampiontanontana ny foko izy; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny ankilan'i Gileada.
6 tes dents, comme un troupeau de brebis qui montent du lavoir, qui toutes ont des jumeaux, et pas une d’elles n’est stérile ; 6 Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany, izay miakatra avy eo amin'ny fampandroana; Samy kambana avy ireo. Fa tsy misy tsy mana-manana,
7 ta joue est comme un quartier de grenade derrière ton voile. 7 Tahaka ny hasin'ampongaben-danitra ny takolakao eo amin'ny fisalobonanao*.[Na : ny volonao milantolanto]
8 Il y a soixante reines, et quatre-vingts concubines, et des jeunes filles sans nombre : 8 Misy mpanjakavavy enim-polo sy vaditsindrano valo-polo ary zatovovavy tsy hita isa.
9 ma colombe, ma parfaite, est unique ; elle est l’unique de sa mère, la choisie de celle qui l’a enfantée. Les filles l’ont vue, et l’ont dite bienheureuse ; les reines aussi et les concubines, et elles l’ont louée. 9 Fa iray monja kosa no voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, vavy tokan-dreniny sady tsongaina amin'izay naterany. Ny zazavavy nahita azy ka nanao azy ho sambatra, eny, ny mpanjakavavy sy ny vaditsindrano, ka nidera azy.
   
10 Qui est celle-ci qui apparaît comme l’aurore, belle comme la lune, pure comme le soleil, redoutable comme des troupes sous leurs bannières ? 10 Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina, izay tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro sady mahatahotra toy ny antokon'ny miaramila mitondra faneva?
   
11 Je suis descendu au jardin des noisettes, pour voir la verdure de la vallée, pour voir si la vigne bourgeonne, si les grenadiers s’épanouissent. 11 Lasa nidina nantany an-tsaha tsara hazo* aho, hijerijery ny zava-maitso an-dohasaha, hizaha raha mitsimoka ny voaloboka sy mamony ny ampongaben-danitra.[Heb. an-tanin'egoza]
12 Sans que je m’en aperçusse, mon âme m’a transporté sur les chars de mon peuple de franche volonté. 12 Tsy nampoiziko ny nanandratan'ny fanahiko ahy ho eo amin'ny kalesin'ny fireneko be voninahitra.
* *
13 Reviens, reviens, Sulamithe ! reviens, reviens, et que nous te voyions. — Que verriez-vous dans la Sulamithe ? — Comme la danse de deux bandes. Chapitre 7
Chapitre 7 1 Miverena, miverena, ry Solemita; Miverena, miverena, mba hijerenay anao. Inona no hitanareo amin'ny Solemita? Dihy tahaka ny an'i Mahanaima*.[Na: ataon'ny mpandihy roa tonta;]
1 Que tes pieds sont beaux dans ta chaussure, fille de prince ! Les contours de tes hanches sont comme des joyaux, ouvrage des mains d’un artiste. 2 Endrey! mahate-hijery ny famindran'ny tongotrao mikiraro*, ry zazavavy zanak'andriana! Dia tahaka ny firavaka ny amboam-penao, nataon'ny tanan'ny mahay zavatra.[Heb. mikapa]
2 Ton nombril est une coupe arrondie, où le vin aromatique ne manque pas ; ton ventre, un tas de froment, entouré de lis. 3 Ny foitrao dia tahaka ny tomaboha kivorivory; Tsy ho diso divay noharoharoan-java-manitra anie izy! Ny kibonao dia tahaka ny vary tritika voatoby sady voaravaka lilia manodidina.
3 Tes deux seins sont comme deux faons jumeaux d’une gazelle. 4 Ny nononao roa dia tahaka ny gazela kambana mbola tanora.
4 Ton cou est comme une tour d’ivoire ; tes yeux sont comme les étangs [qui sont] à Hesbon, vers la porte de Bath-Rabbim ; ton nez est comme la tour du Liban, qui regarde vers Damas ; 5 Ny vozonao dia tahaka ny tilikambo ivory; Ny masonao dia tahaka ny kamory any Hesbona, dia eo am-bavahadin'ny tanàna be olona*; Ny oronao dia tahaka ny tilikambo any Libanona, izay manandrify an'i Damaskosy.[Na: eo am-bavahadin'i Beta-rabina]
5 ta tête, sur toi, comme le Carmel, et les cheveux de ta tête comme la pourpre. Un roi est enchaîné par [tes] boucles. 6 Ny lohanao dia tahaka an'i Karmela, ary ny volon-dohanao milantolanto dia somary volomparasy. Voatanan'ny volo olioly ny mpanjaka!
6 Que tu es belle, et que tu es agréable, mon amour, dans tes délices ! 7 Endrey! tsara tarehy sady mahafinaritra ianao, ry malala*, amin'izao zava-mahafinaritra rehetra izao![Heb. ry fitiavana]
7 Ta taille ressemble à un palmier, et tes seins à des grappes. 8 Izato tsangananao dia tahaka ny rofia*, Ary ny nononao dia tahaka ny sampahony.[palma]
8 J’ai dit : Je monterai sur le palmier, je saisirai ses rameaux ; et que tes seins soient comme les grappes de la vigne, et le parfum de ton nez comme des pommes, 9 Hoy izaho: Hananika ny rofia* aho ka handray ny rantsany; Ary aoka ny nononao ho toy ny sampahom-boaloboka amiko, ary ny fofonainao ho tahaka ny an'ny poma,[palma]
9 et ton palais comme le bon vin,… * 10 Ny vavanao dia toy ny divay tsara, eny, divay mikorotsaka mora eo an-tendan'ny malalako sady miditra misononoka amin'ny molotry ny matory.
— v. 9 : la Sulamithe interrompt ici.  
Qui coule aisément pour mon bien-aimé, [et] qui glisse sur les lèvres de ceux qui s’endorment.  
10 Je suis à mon bien-aimé, et son désir se porte vers moi. 11 An'ny malalako aho, sady manina ahy* izy.[Heb. ho amiko ny faniriany;]
11 — Viens, mon bien-aimé, sortons aux champs, passons la nuit dans les villages. 12 Avia, ry malalako, aoka handeha ho any an-tsaha isika; Andeha handry any ambanivohitra isika.
12 Nous nous lèverons dès le matin, [pour aller] aux vignes ; nous verrons si la vigne bourgeonne, si la fleur s’ouvre, si les grenadiers s’épanouissent : là je te donnerai mes amours. 13 Dia aoka hifoha maraina koa ho any an-tanim-boaloboka isika; Aoka hizahantsika raha mitsimoka ny voaloboka, sy mivelatra ny voniny, ary mamony ny ampongaben-danitra any no hanehoako ny fitiavako anao.
13 Les mandragores donnent [leur] parfum ; et à nos portes il y a tous les fruits exquis, nouveaux et anciens : mon bien-aimé, je les ai gardés pour toi ! 14 Mamerovero tsara ny dodaima*, sady ao am-bavahadintsika misy voankazo tsara samy hafa, na ny vao na ny ela: Efa notehiriziko ho anao izany, ry malalako.[mandragora]
Chapitre 8 Chapitre 8
1 Oh ! que tu fusses pour moi comme un frère qui ait sucé les mamelles de ma mère ! Si je te trouvais dehors, je t’embrasserais, sans qu’on m’en méprisât. 1 Enga anie ka ho tahaka ny anadahiko, izay ninono an'ineny, ianao! Dia ho nahita anao teny ala-trano aho ka ho nanoroka anao. Eny tsy ho azon'olona notevatevaina aho.
2 Je t’amènerais, je t’introduirais dans la maison de ma mère : tu m’instruirais* ; je te ferais boire du vin aromatisé, du jus de mes grenades. 2 Dia ho entiko ka hampidiriko ho ao an-tranon'ineny ianao, ary hampianarinao aho; Hampisotroiko divay noharoharoan-java-manitra mbamin'ny ranon'ampongaben-danitro ianao.
3 Sa main gauche serait sous ma tête, et sa droite m’embrasserait ! 3 Aoka hanondana ahy ny tànany ankavia, ary aoka hanohona ahy ny tànany ankavanana.
— v. 2 : ou : elle m’instruirait.  
4 Je vous adjure, filles de Jérusalem, pourquoi éveilleriez-vous, et pourquoi réveilleriez-vous [mon] amour, avant qu’elle le veuille* ! 4 Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin'i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana, raha tsy efa sitrapony.
— v. 4 : ou : qu’il ; litt.: ne réveillez pas l’amour, avant qu’il le veuille.  
* *
5 Qui est celle-ci qui monte du désert, s’appuyant sur son bien-aimé ? — Je t’ai réveillée sous le pommier : là ta mère t’a enfantée dans les douleurs, là celle qui t’a enfantée a été en travail. 5 [Ny nandehanany ho any amin'ny tany nihavian'ny ampakarina] Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, mitehina amin'ny malalany? Teo ambanin'iny hazo poma no namohazako anao; Teo no niterahan-dreninao anao, eny, teo no nahararian'ilay niteraka anao.
   
6 Mets-moi comme un cachet sur ton cœur, comme un cachet sur ton bras ; car l’amour est fort comme la mort, la jalousie, cruelle comme le shéol ; ses ardeurs sont des ardeurs de feu, une flamme de Jah*. 6 Ataovy toy ny fanombohan-kase ao am-ponao aho sy toy ny fanombohan-kase eo an-tsandrinao; Fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, masiaka tahaka ny fiainan-tsi-hita* ny fahasaro-piaro; Ny lelafony dia lelafo midedadeda, eny, lelafon'i Jehovah.[Heb. Sheola]
7 Beaucoup d’eaux ne peuvent éteindre l’amour, et des fleuves ne le submergent pas ; si un homme donnait tous les biens de sa maison pour l’amour, on l’aurait en un profond mépris. 7 Na dia ny ony maro aza tsy mahavono ny afon'ny fitiavana, ary ny renirano tsy mahapaoka azy; Na dia misy olona manome ny fananany rehetra ao an-tranony aza hamidy fitiavana, dia hatao tsinontsinona izy.
— v. 6 : voir Psaume 68:4.  
8 Nous avons une petite sœur, et elle n’a pas encore de seins. Que ferons-nous pour notre sœur, au jour qu’on parlera d’elle ? 8 Manana zandrivavy tsy mbola misy nono izahay*; Ahoana no hataonay** amin'ny zandrivavinay***, raha mby amin'izay andro hangatahan'olona azy ho vady?[Na: isika][**Na: hataontsika][***Na: zandrivavintsika]
9 — Si elle est une muraille, nous bâtirons sur elle une demeure* d’argent ; et si elle est une porte, nous la fermerons avec une planche de cèdre. 9 Raha manda izy, dia hanangananay* tilikambo volafotsy eo an-tampony; Fa raha varavarana kosa izy, dia hotampenanay** hazo fisaka sedera.[*Na: hananganantsika][**Na: hotampenantsika]
— v. 8 : ou : enceinte crénelée.  
10 Je suis une muraille, et mes seins sont des tours ; je fus alors à ses yeux comme celle qui a trouvé la paix. — 10 Mànda aho, dia toy ny tilikambo ny nonoko. Raha eo imasony dia toy ny efa mahita soa aho.
11 Salomon avait une vigne à Baal-Hamon : il remit la vigne à des gardiens ; chacun devait apporter pour son fruit mille [pièces] d’argent. 11 Solomona nanan-tanim-boaloboka tao Bala-hamona; Nahofany tamin'olona mpiandry voly ny tanim-boaloboka, ka samy tsy maintsy mitondra sekely volafotsy arivo ho solon'ny vokatra.
12 Ma vigne, qui est à moi, est devant moi. À toi, Salomon, les mille [pièces] ; et deux cents pour ceux qui en gardent le fruit. 12 Ny tanim-boaloboko, eny, ilay an'ny tenako, dia eto anatrehako, Ny arivo kosa dia anao, ry Solomona, ary ny roan-jato ho an'izay mpiandry voly.
   
13 Habitante des jardins, les compagnons sont attentifs à ta voix ! Fais que je l’entende ! 13 Ry mitoetra eny an-tsaha! Te-hihaino ny feonao ireo namako; Mba ampandreneso izany koa aho.
   
14 Fuis, mon bien-aimé, et sois semblable à une gazelle ou au faon des biches, sur les montagnes des aromates. 14 Mandosira, ry malalako, ary aoka ianao mba ho toy ny gazela* na ny diera tanora eny an-tendrombohitry ny zava-manitra.[Anaram-biby haingan-tongotra]