Le NOUVEAU TESTAMENT  
   
Épître aux COLOSSIENS Kolosiana
   
Accès direct aux chapitres des Colossiens : 1, 2, 3, 4 Accès direct aux chapitres des Colossiens : 1, 2, 3, 4
   
Chapitre 1 Chapitre 1
1 Paul, apôtre du christ Jésus par la volonté de Dieu, et Timothée, le frère, aux saints et fidèles frères en Christ qui sont à Colasses* : 1 [Fiarahabana ny Kolosiana, sy fisaorana an'Andriamanitra noho ny toetr'ireo] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, ary Timoty rahalahy,
2 Grâce et paix à vous, de la part de Dieu notre Père [et du seigneur Jésus Christ] ! 2 mamangy ny olona masina any Kolosia, dia ny rahalahy mahatoky ao amin'i Kristy: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika.
— v. 1 : ou : Colosses.  
3 Nous rendons grâces au Dieu et Père de notre seigneur Jésus Christ, priant toujours pour vous*, 3 Misaotra an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, izahay amin'ny fangatahanay mandrakariva ho anareo,
4 ayant ouï parler de votre foi dans le christ Jésus et de l’amour que vous avez pour tous les saints, 4 rehefa renay ny finoanareo an'i Kristy Jesosy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra,
5 à cause de l’espérance qui vous est réservée dans les cieux et dont vous avez déjà ouï parler dans la parole de la vérité de l’évangile, 5 noho ny fanantenana izay tehirizina any an-danitra ho anareo, dia ilay efa renareo fahiny tamin'ny tenin'ny fahamarinan'ny filazantsara,
6 qui est parvenu jusqu’à vous, comme aussi [il l’est] dans tout le monde, et qui porte du fruit et croît, comme aussi parmi vous, depuis le jour où vous avez entendu et connu la grâce de Dieu en vérité, 6 izay efa mby eo aminareo, tahaka ny eny amin'izao tontolo izao koa, sady vokatra sy mitombo tahaka ny eo aminareo koa hatramin'ny andro nandraisanareo sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan'Andriamanitra araka ny marina;
7 comme vous l’avez entendue d’Épaphras, notre bien-aimé compagnon de service*, qui est un fidèle serviteur du Christ pour vous, 7 tahaka ny efa renareo tamin'i Epafra, mpanompo namanay sady malala, izay mpanompon'i Kristy mahatoky ho anay*, [* Na: (anareo)]
8 qui nous a aussi fait connaître votre amour dans l’Esprit. 8 sady efa nanambara taminay koa ny fitiavanareo ao amin'ny Fanahy.
— v. 3 : ou : Nous rendons toujours grâces au … Christ, priant pour vous. — v. 7 : litt.: co-esclave.  
9 C’est pourquoi nous aussi, depuis le jour où nous en avons ouï parler, nous ne cessons pas de prier et de demander pour vous que vous soyez remplis de la connaissance de sa volonté, en toute sagesse et intelligence spirituelle, 9 [Fivavahan'i Paoly ho an'ny Kolosiana, sy filazana ny fahalehibiazan'ny voninahitr'i Kristy] Ary noho izany izahay koa hatramin'ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo amin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin'ny Fanahy,
10 pour marcher d’une manière digne du Seigneur pour lui plaire à tous égards, portant du fruit en toute bonne œuvre, et croissant par la connaissance de Dieu : 10 mba handehananareo miendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin'ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin'ny asa tsara rehetra sady mitombo amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra,
11 étant fortifiés en toute force, selon la puissance de sa gloire, pour toute patience et constance*, avec joie, 11 ary ampahatanjahina amin'ny hery rehetra araka ny herin'ny voninahiny ho amin'ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin'ny hafaliana,
12 rendant grâces au Père qui nous a rendus capables* de participer au lot des saints dans la lumière ; 12 ka misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin'ny lovan'ny olona masina eo amin'ny mazava,
13 qui nous a délivrés du pouvoir des ténèbres, et nous a transportés dans le royaume du Fils de son amour, 13 sady nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany,
14 en qui nous avons la rédemption, la rémission des péchés ; 14 Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.
15 qui est [l’]image du Dieu invisible, [le] premier-né de toute [la] création ; 15 Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao;
16 car par lui ont été créées toutes choses, les choses qui sont dans les cieux et les choses qui sont sur la terre, les visibles et les invisibles, soit trônes, ou seigneuries, ou principautés, ou autorités : toutes choses ont été créées par lui et pour lui ; 16 fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin'ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana*, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany; [* Gr. seza fiandrianana]
17 et lui est avant toutes choses, et toutes choses subsistent par lui ; 17 ary Izy no talohan'ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra.
18 et il est le chef* du corps, de l’assemblée, lui qui est [le] commencement, [le] premier-né d’entre les morts, afin qu’en toutes choses il tienne, lui, la première place ; 18 Ary Izy no Lohan'ny tena, dia ny fiangonana*; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin'ny maty, mba ho Lohany amin'ny zavatra rehetra Izy. [* Gr. eklesia]
19 car, en lui, toute la plénitude s’est plu à habiter, 19 Fa sitraky ny Ray ho ao aminy no hitoeran'ny fahafenoana rehetra,
20 et, par lui, à réconcilier toutes choses avec elle-même*, ayant fait la paix par le sang de sa croix, par lui, soit les choses qui sont sur la terre, soit les choses qui sont dans les cieux. 20 sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny ràny teo amin'ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana - eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny etỳ ambonin'ny tany, na ny any an-danitra.
21 Et vous qui étiez autrefois étrangers et ennemis quant à votre entendement, dans les mauvaises œuvres, 21 Ary ianareo, izay olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin'ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy, no efa nampihavaniny ankehitriny
22 il vous a toutefois maintenant réconciliés dans* le corps de sa chair, par la mort, pour vous présenter saints et irréprochables et irrépréhensibles devant lui, 22 tao amin'ny tenan'ny nofony, tamin'ny fahafatesana, mba hatolony ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany,
23 si du moins vous demeurez dans la foi, fondés et fermes, et ne vous laissant pas détourner de l’espérance de l’évangile que vous avez ouï, lequel a été prêché dans toute la création qui est sous le ciel, [et] duquel moi, Paul, je suis devenu serviteur. 23 raha maharitra amin'ny finoana ianareo ka mafy orina sady tafatoetra ary tsy mety hafindra hiala amin'ny fanantenana avy amin'ny filazantsara, izay efa renareo sady notorina eny ambanin'ny lanitra rehetra eny; ary izany no nanaovana ahy Paoly ho mpanompo.
— v. 11 : ailleurs : longanimité. — v. 12 : ou : dignes. — v. 18 : la tête. — v. 20 : c. à d. : la plénitude, comparer 2:9. — v. 22 : ou : par.  
24 Maintenant, je me réjouis dans les* souffrances pour vous, et j’accomplis dans ma chair ce qui reste [encore à souffrir] des afflictions du Christ pour son corps qui est l’assemblée, 24 Ankehitriny dia mifaly amin'ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin'ny nofoko izay tsy vita tamin'ny fahorian'i Kristy ho an'ny tenany, dia ny fiangonana*, [* Gr. eklesia]
25 de laquelle moi je suis devenu serviteur selon l’administration de Dieu qui m’a été donnée envers vous, pour compléter la parole de Dieu, 25 izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fitondran'Andriamanitra nomena ahy ho anareo, hahatanteraka ny fitoriana ny tenin'Andriamanitra,
26 [savoir] le mystère qui avait été caché dès les* siècles et dès les* générations, mais qui a été maintenant manifesté à ses saints, 26 dia ny zava-miafina, ilay voàfina hatramin'ny fahagola sy ny taranaka maro, fa voaseho ankehitriny amin'ny olony masina,
27 auxquels Dieu a voulu donner à connaître quelles sont les richesses de la gloire de ce mystère parmi les nations, c’est-[à-dire] Christ en* vous l’espérance de la gloire, 27 izay efa tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren'ny voninahitr'ity zava-niafina ity any amin'ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra;
28 lequel* nous annonçons, exhortant tout homme et enseignant tout homme en toute sagesse, afin que nous présentions tout homme parfait en Christ : 28 Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin'ny fahendrena rehetra ny olona rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin'i Kristy izy rehetra.
29 à quoi aussi je travaille, combattant selon son opération qui opère en moi avec puissance. 29 Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiàsan'ny herin'ilay miasa mahery ato anatiko.
— v. 24 : ou : mes. — v. 26 : ou : aux. — v. 27 : ou : parmi. — v. 28 : c. à d. Christ.  
Chapitre 2 Chapitre 2
1 Car je veux que vous sachiez quel combat j’ai pour vous et pour ceux qui sont à Laodicée, et tous ceux qui n’ont point vu mon visage en la chair, 1 [Fananaran'i Paoly ny Kolosiana mba haharitra tsara tsy ho voafitaky ny mpampianatra sandoka] Fa tiako ho fantatrareo ny hamafin'ny fiezahako ho anareo sy izay any Laodikia mbamin'izay rehetra tsy mbola nahita ny tavako amin'ny nofo,
2 afin que leurs cœurs soient consolés, étant unis ensemble dans l’amour et pour toutes les richesses de la pleine certitude d’intelligence, pour la connaissance du mystère de Dieu, 2 mba hampifalina ny fony amin'ny ampiraisana azy amin'ny fitiavana sy ho amin'ny haren'ny fahatokiana be avy amin'ny fahazavan-tsaina, ho amin'ny fahalalana tsara ny zava-miafina izay an'Andriamanitra, dia Kristy,
3 dans lequel sont cachés tous les trésors de la sagesse et de la connaissance. 3 Izay iafenan'ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra.
4 Or je dis ceci, afin que personne ne vous séduise par des discours spécieux ; 4 Ary izany no lazaiko, fandrao hisy hampahadiso hevitra anareo amin'ny teny toa marina.
5 car lors même que je suis absent de corps*, toutefois je suis avec vous en esprit, me réjouissant et voyant votre ordre, et la fermeté de votre foi en Christ. 5 Fa na dia tsy manatrika anareo amin'ny nofo aza aho, dia manatrika anareo ihany amin'ny fanahy ka mifaly sy mijery ny filaminanareo sy ny tsi-fiovan'ny finoanareo an'i Kristy.
— v. 5 : litt.: de chair.  
6 Comme donc vous avez reçu le christ Jésus, le Seigneur, 6 Koa tahaka ny nandraisanareo an'i Kristy Jesosy Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa,
7 marchez en lui, enracinés et édifiés en lui, et affermis dans la foi, selon que vous avez été enseignés, abondant en elle avec des actions de grâces. 7 ka mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin'ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto* amin'ny fisaorana. [* Na: (mitombo amin'izany)]
8 Prenez garde que personne ne fasse de vous sa proie* par la philosophie et par de vaines déceptions, selon l’enseignement** des hommes, selon les éléments du monde, et non selon Christ ; 8 Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin'ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, fa tsy araka an'i Kristy.
9 car en lui habite toute la plénitude de la déité corporellement ; 9 Fa ao amin'ny tenany no itoeran'ny fahafenoan'ny fomban'Andriamanitra rehetra;
10 et vous êtes accomplis* en lui, qui est le chef** de toute principauté et autorité, 10 ary ianareo dia tanteraka ao aminy, sady Izy no Lohan'ny fanapahana sy ny fahefana rehetra,
11 en qui aussi vous avez été circoncis d’une circoncision qui n’a pas été faite de main, dans le dépouillement du corps de la chair par la circoncision du Christ, 11 ary tao aminy koa no namorana anareo tamin'ny famorana tsy nataon-tanana, tamin'ny fanesorana ny tenan'ny nofo, dia tamin'ny famoran'i Kristy;
12 étant ensevelis avec lui dans* le baptême, dans* lequel aussi vous avez été ressuscités ensemble par la foi en l’opération de Dieu qui l’a ressuscité d’entre les morts. 12 fa niara-nilevina taminy ianareo tamin'ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan'Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin'ny maty.
13 Et vous, lorsque vous étiez morts dans vos fautes et dans l’incirconcision de votre chair, il vous a vivifiés ensemble avec lui, nous ayant pardonné toutes nos fautes, 13 Ary ianareo, izay efa matin'ny fahadisoana sy ny tsi-fiforan'ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin'i Kristy, rehefa navelany ny fahadisoantsika rehetra;
14 ayant effacé l’obligation* qui était contre nous, [laquelle consistait] en ordonnances [et] qui nous était contraire, et il l’a ôtée en la clouant à la croix : 14 ary novonoiny ny sora-tànan'ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin'ny hazo fijaliana,
15 ayant dépouillé les principautés et les autorités, il les a produites en public, triomphant d’elles en la [croix]. 15 ary nesoriny tsy ho eo amin'ny tenany* ny fanapahana sy ny fahefana, ary noho ny hazo fijaliana dia nasehony miharihary ny fitondrany ireo toy ny fanaon'izay avy nandresy. [* Na: noreseny ka nobaboiny]
— v. 8* : ou : ne vous dépouille. — v. 8** : ou : la tradition. — v. 10* : c. à d. : pleins ou remplis. — v. 10** : ou : la tête. — v. 12 : ou : par. — v. 14 : écrit, — obligation à laquelle quelqu’un est soumis par sa signature.  
16 Que personne donc ne vous juge en ce qui concerne le manger ou le boire, ou à propos d’un jour de fête ou de nouvelle lune, ou de sabbats, 16 Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata;
17 qui sont une ombre des choses à venir ; mais le corps* est du Christ. 17 aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy.
18 Que personne ne vous frustre du prix [du combat], faisant sa volonté propre dans [l’]humilité et dans [le] culte des anges, s’ingérant dans les choses qu’il n’a pas vues*, enflé d’un vain orgueil par les pensées de sa chair, 18 Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra sy ny fivavahana amin'ny anjely, ka mitompo amin'ny zavatra efa* hitany sady feno fiavonavonana noho ny fisainan'ny nofony [* Na: (tsy)]
19 et ne tenant pas ferme le chef*, duquel tout le corps, alimenté et bien uni ensemble par des jointures et des liens, croît de l’accroissement de Dieu. 19 ka tsy mihazona ny Loha; Izy no itomboan'ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara amin'ny famavany sy ny hozatra, araka ny fampitomboan'Andriamanitra.
— v. 17 : la réalité par opposition à l’ombre. — v. 18 : ou, selon d’autres : s’abandonnant à ses visions. — v. 19 : ou : la tête.  
20 Si vous êtes morts* avec Christ aux éléments du monde, pourquoi, comme si vous étiez encore en vie dans le monde, établissez-vous* des ordonnances, 20 Ary raha niara-maty tamin'i Kristy ianareo ka efa afaka tamin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin'izao tontolo izao ihany ianareo ka mety hodidiana hoe:
21 — ne prends pas, ne goûte pas, ne touche pas ! 21 Aza mandray, aza manandrana, aza manendry -
22 — (choses qui sont toutes destinées à périr par l’usage,) selon les commandements et les enseignements des hommes 22 levona amin'ny fanaovana ihany izany rehetra izany - araka ny didy sy ny fampianaran'olona?
23 (qui ont bien une apparence de sagesse en dévotion volontaire et en humilité, et en ce qu’elles n’épargnent pas le corps, ne [lui] rendant pas un certain honneur), pour la satisfaction de la chair ? 23 Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin'ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo.
— v. 20* : ou : mourûtes ; c’est un fait passé. — v. 20** : ou : êtes-vous assujettis à.  
Chapitre 3 Chapitre 3
1 Si donc vous avez été ressuscités avec le Christ, cherchez les choses qui sont en haut, où le Christ est assis à la droite de Dieu ; 1 [Ny tokony hanariana ny asan'ny nofo sy ny hitondran-tena miendrika ny filazantsara] Koa raha niara-natsangana tamin'i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin'ny itoeran'i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra.
2 pensez aux choses qui sont en haut, non pas à celles qui sont sur la terre ; 2 Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.
3 car vous êtes morts, et votre vie est cachée avec le Christ en Dieu. 3 Fa efa maty ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra.
4 Quand le Christ qui est notre* vie, sera manifesté, alors vous aussi, vous serez manifestés avec lui en gloire. 4 Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin'ny voninahitra ianareo.
— v. 4 : plusieurs lisent : votre.  
5 Mortifiez donc vos membres qui sont sur la terre, la fornication, l’impureté, les affections déréglées, la mauvaise convoitise, et la cupidité, qui est de l’idolâtrie ; 5 Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany;
6 à cause desquelles la colère de Dieu vient sur les fils de la désobéissance ; 6 fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsi-fanarahana;
7 parmi lesquels* vous aussi vous avez marché autrefois, quand vous viviez dans ces choses. 7 izany koa no nalehanareo fahiny, fony mbola velona taminy ianareo.
— v. 7 : ou : dans lesquelles.  
8 Mais maintenant, renoncez, vous aussi, à toutes ces choses : colère, courroux, malice, injures, paroles honteuses venant de votre bouche. 8 Fa ankehitriny, esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin'ny vavanareo.
9 Ne mentez point l’un à l’autre, ayant dépouillé le vieil homme avec ses actions 9 Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra* taloha mbamin'ny asany; [* Gr. olona]
10 et ayant revêtu le nouvel [homme] qui est renouvelé en connaissance, selon [l’]image de celui qui l’a créé, 10 ary efa notafinareo ny toetra* vaovao, izay havaozina ho amin'ny fahalalana tsara araka ny endrik'izay nahary azy. [* Gr. olona]
11 où il n’y a pas Grec et Juif, circoncision et incirconcision, barbare, Scythe, esclave, homme libre ; mais où Christ est tout* et en tous. 11 Fa amin'izany dia tsy misy jentilisa* sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin'ny rehetra. [* Gr. Grika]
— v. 11 : litt.: toutes choses.  
12 Revêtez-vous donc, comme des élus de Dieu, saints et bien-aimés, d’entrailles* de miséricorde, de bonté**, d’humilité, de douceur, de longanimité, 12 Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin'Andriamanitra sady masina no malala.
13 vous supportant l’un l’autre et vous pardonnant les uns aux autres, si l’un a un sujet de plainte contre un autre ; comme aussi le Christ vous a pardonné, vous aussi [faites] de même. 13 Mifandefera,ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo* ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. [* Na: (Kristy)]
14 Et par-dessus toutes ces choses, [revêtez-vous] de l’amour, qui est le lien de la perfection. 14 Ary aoka ho ambonin'izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin'ny fahatanterahana izany.
15 Et que la paix du Christ, à laquelle aussi vous avez été appelés en un seul corps, préside dans vos cœurs ; et soyez reconnaissants. 15 Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan'i Kristy, fa ho amin'izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.
— v. 12* : de sentiments profonds. — v. 12** : de bonté, d’humilité … : compléments de revêtez-vous et non pas d’entrailles.  
16 Que la parole du Christ habite en vous richement, — en toute sagesse vous* enseignant et vous exhortant l’un l’autre, par des psaumes, des hymnes, des cantiques spirituels, chantant de** vos cœurs à Dieu dans [un esprit de] grâce. 16 Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra.
17 Et quelque chose que vous fassiez, en parole ou en œuvre, [faites] tout au nom du seigneur Jésus, rendant grâces par lui à Dieu le Père. 17 Ary na inona na inona no ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin'ny alalany.
— v. 16* : ou :richement en toute sagesse, vous. — v. 16** : litt.: dans.  
18 Femmes, soyez soumises à vos maris, comme il convient dans le Seigneur. 18 Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin'ny Tompo.
19 Maris, aimez vos femmes et ne vous aigrissez pas contre elles. 19 Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo. ary aza sosotra* aminy. [* Gr. mangidy]
20 Enfants, obéissez à vos parents en toutes choses, car cela est agréable dans le Seigneur. 20 Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin'ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin'ny Tompo izany.
21 Pères, n’irritez pas vos enfants, afin qu’ils ne soient pas découragés. 21 Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.
22 Esclaves, obéissez en toutes choses à vos maîtres selon la chair, ne servant pas sous leurs yeux seulement, comme voulant plaire aux hommes, mais en simplicité de cœur, craignant le Seigneur. 22 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny zavatra rehetra, tsy amin'ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa amin'ny fahatsoram-po, matahotra ny Tompo;
23 Quoi que vous fassiez, faites-[le] de cœur, comme pour le Seigneur et non pour les hommes, 23 ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona,
24 sachant que du Seigneur vous recevrez la récompense de l’héritage : vous servez* le seigneur** Christ. 24 satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an'i Kristy Tompo ianareo.
25 Car celui qui agit injustement, recevra ce qu’il aura fait injustement ; et il n’y a pas d’acception de personnes. 25 Fa izay manao ny tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony; fa tsy misy fizahan-tavan'olona,
Chapitre 4. 1 Maîtres, accordez à vos esclaves ce qui est juste et équitable, sachant que vous aussi vous avez un maître dans les cieux. Chapitre 4. 1 Hianareo tompo, ataovy amin'ny mpanomponareo izay marina sy izay mety, satria fantatrareo fa ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.
— v. 24* : servir, être esclave. — v. 24** : ou : le maître.  
2 Persévérez dans la prière, veillant en elle avec des actions de grâces ; 2 [Ny amin'ny naman'i Paoly, sy fanaovam-beloma ny sakaizany tao Kolosia] Mahareta amin'ny fivavahana, ka miambena amin'izany amin'ny fisaorana,
3 priant en même temps aussi pour nous, afin que Dieu nous ouvre une porte pour la parole, pour annoncer le mystère du Christ, [mystère] pour lequel aussi je suis lié, 3 ary mangataha koa ho anay, mba hamohan'Andriamanitra varavarana ho an'ny teny hilazanay ny zava-niafina izay an'i Kristy, sady izany no namatorana ahy,
4 afin que je le manifeste comme je dois parler. 4 mba haharihariko tsara izany tahaka izay tokony hitenenako.
   
5 Marchez dans la sagesse envers ceux de dehors, saisissant l’occasion. 5 Mandehana amin'ny fahendrena amin'izay ao ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa.
6 Que votre parole soit toujours dans [un esprit de] grâce, assaisonnée de sel, afin que vous sachiez comment vous devez répondre à chacun. 6 Aoka ny fiteninareo ho amin'ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.
   
7 Tychique, le bien-aimé frère et fidèle serviteur et compagnon de service* dans le Seigneur, vous fera savoir tout ce qui me concerne : 7 Ny toetro rehetra dia holazain'i Tykiko aminareo, dia ilay rahalahy malala sy mpanompo mahatoky ary namako manompo ao amin'ny Tompo;
8 je l’ai envoyé vers vous tout exprès, afin qu’il connaisse l’état de vos affaires, et qu’il console vos cœurs, 8 ny anton'ny nanirahako azy ho atỳ aminareo indrindra dia ny hahafantaranareo ny toetray, sy ny mba hamporisihany ny fonareo;
9 avec Onésime, le fidèle et bien-aimé frère, qui est des vôtres. Ils vous informeront de toutes les choses d’ici. 9 ary Onesimosy, rahalahy mahatoky sy malala izay avy aminareo, dia nirahiko koa. Izy roa lahy hampahafantatra anareo ny zavatra rehetra atỳ .
— v. 7 : litt.: co-esclave.  
10 Aristarque, mon compagnon de captivité, vous salue, et Marc, le neveu* de Barnabas, touchant lequel vous avez reçu des ordres (s’il vient vers vous, recevez-le), 10 Manao-veloma anareo Aristarko, mpiara-mifatotra amiko, sy Marka, havan'i Barnabasy (ny aminy dia efa nandidiana anareo, ka raha tonga atỳ aminareo izy, dia raiso),
11 et Jésus appelé Juste, — qui sont de la circoncision*. Ceux-ci sont les seuls compagnons d’œuvre pour le royaume de Dieu qui [aussi] m’ont été en consolation. 11 ary Jesosy, izay atao hoe Josto, avy amin'ny voafora ireo. Ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan'Andriamanitra sady tonga fampiononana ahy.
12 Épaphras qui est des vôtres, esclave du christ Jésus, vous salue, combattant toujours pour vous par des prières, afin que vous demeuriez* parfaits et bien assurés dans toute la volonté de Dieu* ; 12 Manao veloma anareo Epafra, ilay anankiray avy aminareo sady mpanompon'i Kristy Jesosy ary mikely aina mandrakariva amin'ny fangatahana ho anareo, mba hitoeranareo marina, ka hatoky tsara* amin'izay rehetra mety ho sitrapon'Andriamanitra. [* Na: ho tanteraka]
13 car je lui rends témoignage qu’il est dans un grand travail [de cœur] pour vous, et pour ceux qui sont à Laodicée, et pour ceux qui sont à Hiérapolis. 13 Fa vavolombelony aho fa mikely aina fatratra ho anareo sy ho an'ny any Laodikia ary ho an'ny any Hierapolia izy.
14 Luc, le médecin bien-aimé, vous salue, et Démas. 14 Manao veloma anareo Lioka malala, mpanao fanafody, sy Demasy.
15 Saluez les frères qui sont à Laodicée, et Nymphas, et l’assemblée qui [se réunit] dans sa maison. 15 Manaova veloma ny rahalahy any Laodikia ary Nymfa sy ny fiangonana ao an- tranony.
16 Et quand la lettre aura été lue parmi vous, faites qu’elle soit lue aussi dans l’assemblée des Laodicéens, et vous aussi lisez celle qui [viendra] de Laodicée. 16 Ary rehefa voavaky atỳ aminareo ity epistily ity, dia asaovy hovakina ao amin'ny fiangonan*'ny Laodikiana koa; ary vakionareo kosa ilay avy amin'ny Laodikiana. [* Gr. eklesia]
17 Et dites à Archippe : Prends garde au service que tu as reçu dans le Seigneur, afin que tu l’accomplisses. 17 Ary lazao amin'i Arkipo hoe: Tandremo ny fanompoana izay noraisinao tao amin'ny Tompo mba hahatanterahanao izany.
— v. 10 : ou : cousin. — v. 11 : c. à d. : d’origine juive. — v. 12* : ou : soyez. — v. 12** : litt.: en toute volonté de Dieu, en tout ce qui est tel.  
18 La salutation, de la propre main de moi, Paul. — Souvenez-vous de mes liens. La grâce soit avec vous ! 18 Ity no veloma ataon'ny tanako, izaho Paoly. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana.