Le NOUVEAU TESTAMENT  
   
   
Seconde Épître à TIMOTHÉE 2 Timoty
   
Accès direct aux chapitres de 2 Timothée : 1, 2, 3, 4 Accès direct aux chapitres de 2 Timothée : 1, 2, 3, 4
   
Chapitre 1 Chapitre 1
1 Paul, apôtre de Jésus Christ par la volonté de Dieu, selon la promesse de la vie qui est dans le christ Jésus, 1 [Ny fahatsiarovan'i Paoly an'i Timoty sy ny fitiavany azy] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, mba ho mpitory ny teny fikasana milaza ny fiainana izay ao amin'i Kristy Jesosy,
2 à Timothée, [mon] enfant bien-aimé : Grâce, miséricorde, paix, de la part de Dieu le Père et du christ Jésus notre Seigneur ! 2 mamangy an'i Timoty, zanako malala: ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.
   
3 Je suis reconnaissant envers Dieu, que je sers dès* mes ancêtres avec une conscience pure, de ce que je me souviens si constamment de toi dans mes supplications, nuit et jour 3 Misaotra an'Andriamanitra aho, Izay tompoiko araka ny nataon'ny razako amin'ny fieritreretana madio, fa tsy manam-pitsaharana akory ny fahatsiarovako anao amin'ny fivavahako andro aman'alina;
4 (désirant ardemment de te voir, me souvenant de tes larmes, afin que je sois rempli de joie,) 4 ary maniry hahita anao aho* (satria tsaroako ny ranomasonao), mba ho feno fifaliana aho [* Na: fa andro aman'alina dia maniry hahita anao aho];
5 me rappelant la foi sincère qui [est]* en toi, et qui a d’abord habité dans ta grand-mère Loïs et dans ta mère Eunice, et, j’en suis persuadé, en toi aussi. 5 fa nisy nahatsiarovako ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, izay nitoetra taloha tao anatin'i Loisa renibenao sy Eonika reninao, ary matoky aho fa ao anatinao koa izany.
6 C’est pourquoi je te rappelle de ranimer le don de grâce de Dieu, qui est en toi par l’imposition de mes mains ; 6 [Famporisihana an'i Timoty mba hamelona tsara ny fanomezam-pahasoavana azony avy tamin'Andriamanitra. ] Ary noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra, izay ao anatinao tamin'ny fametrahako ny tanako.
7 car Dieu ne nous a pas donné un esprit de crainte, mais de puissance, et d’amour, et de conseil*. 7 Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.
8 N’aie donc pas honte du témoignage de notre Seigneur, ni de moi son prisonnier, mais prends part aux souffrances de l’évangile, selon la puissance de Dieu, 8 Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra,
9 qui nous a sauvés et nous a appelés d’un saint appel, non selon nos œuvres, mais selon son propre dessein, et sa propre grâce qui nous a été donnée dans le christ Jésus avant les temps des siècles, 9 Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin'i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola;
10 mais qui a été manifestée maintenant par l’apparition de notre Sauveur Jésus Christ, qui a annulé la mort et a fait luire la vie et l’incorruptibilité par l’évangile ; 10 fa naharihary ankehitriny tamin'ny nisehoan'i Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, Izay nahafoana ny herin'ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalòvana mandrakizay;
11 pour lequel moi j’ai été établi prédicateur et apôtre et docteur des nations. 11 ny amin'io filazantsara io no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra*. [* Na: [mpampianatra ny jentilisa]
12 C’est pourquoi aussi je souffre ces choses ; mais je n’ai pas de honte, car je sais qui j’ai cru, et je suis persuadé qu’il a la puissance de garder ce que je lui ai confié*, jusqu’à ce jour-là. 12 Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy* mandra-pihavin'izay andro izay. [* Na: ilay zavatra natolony ahy]
13 Aie un modèle* des saines paroles que tu as entendues de moi, dans la foi et l’amour qui est dans le christ Jésus. 13 Tano amin'ny finoana ny ny fitiavana ao amin'i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema, izay efa renao tamiko.
14 Garde le bon dépôt par l’Esprit Saint qui habite en nous. 14 Ilay zavatra tsara natolotra anao dia tehirizo amin'ny fampaherezan'ny Fanahy Masina, Izay mitoetra ao anatintsika.
15 Tu sais ceci, que tous ceux qui sont en Asie, du nombre desquels sont Phygelle et Hermogène, se sont détournés de moi. 15 Fantatrao fa efa nahafoy ahy izay rehetra any Asia; isan'ireny Fygelo sy Hermogena.
16 Le Seigneur fasse miséricorde à la maison d’Onésiphore, car il m’a souvent consolé et n’a point eu honte de ma chaîne, 16 Homen'ny Tompo famindram-po anie ny ankohonan'i Onesiforosy; satria namelombelona ny fanahiko matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako;
17 mais, quand il a été à Rome, il m’a cherché très-soigneusement et il m’a trouvé. 17 fa raha tany Roma izy, dia nitady ahy fatratra ka nahita
18 Le Seigneur lui fasse trouver miséricorde de la part du Seigneur dans ce jour-là ; et tu sais mieux [que personne] combien de services il a rendus dans Éphèse. 18 (ny Tompo anie hampahita azy famindram-po amin'ny Tompo amin'izay andro izay); ary ny hafatratry ny nanompoany ahy tany Efesosy dia fantatrao tsara.
— v. 3 : à la suite de. — v. 5 : ou : [était], à cause du «ranimer» du verset 6. — v. 7 : ou : de sobre bon sens. — v. 12 : litt.: mon dépôt. — v. 13 : aussi : exposé, sommaire ; ailleurs : exemple.  
Chapitre 2 Chapitre 2
1 Toi donc, mon enfant, fortifie-toi* dans la grâce qui est dans le christ Jésus ; 1 [Famporisihana an'Timoty haharitra tsara, na dia azom-pahoriana aza] Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin'ny fahasoavana izay ao amin'i Kristy Jesosy.
2 et les choses que tu as entendues de moi devant plusieurs témoins, commets-les à des hommes fidèles qui soient capables d’instruire aussi les autres. 2 Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa.
3 Prends ta part des souffrances* comme un bon soldat de Jésus Christ. 3 Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran'i Kristy Jesosy.
4 Nul homme qui va à la guerre* ne s’embarrasse dans les affaires de la vie, afin qu’il plaise à celui qui l’a enrôlé pour la guerre ; 4 Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin'ny raharahan'izao fiainana izao. mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila.
5 de même si quelqu’un combat dans la lice, il n’est pas couronné s’il n’a pas combattu selon les lois ; 5 Ary raha misy manezaka amin'ny filalaovana, dia tsy satrohana satro-boninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna.
6 il faut que le laboureur travaille premièrement, pour qu’il jouisse des fruits. 6 Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra.
— v. 1 : ou : sois fort. — v. 3 : voir 1:8. — v. 4 : ou : qui est soldat dans l’armée.  
7 Considère ce que je dis ; car le Seigneur te donnera de l’intelligence en toutes choses. 7 Diniho izay lazaiko, fa homen'ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin'ny zavatra rehetra ianao.
   
8 Souviens-toi de Jésus Christ, ressuscité d’entre les morts, de la semence de David, selon mon évangile, 8 Tsarovy Jesosy Kristy Izay natsangana tamin'ny maty, dia Ilay avy tamin'ny taranak'i Davida, araka ny filazantsarako,
9 dans lequel j’endure des souffrances jusqu’à être lié de chaînes* comme un malfaiteur ; toutefois la parole de Dieu n’est pas liée. 9 izay iaretako fahoriana hatramin'ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny tenin'Andriamanitra dia tsy mba voafatotra.
10 C’est pourquoi j’endure tout pour l’amour des élus, afin qu’eux aussi obtiennent* le salut qui est dans le christ Jésus, avec la gloire éternelle. 10 Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin'ny olom-boafidy, mba hahazoan'ireny koa famonjena. dia izay ao amin'i Kristy Jesosy. mbamin'ny voninahitra mandrakizay.
11 Cette parole est certaine ; car si nous sommes morts avec lui, nous vivrons aussi avec lui ; 11 Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa;
12 si nous souffrons*, nous régnerons aussi avec lui ; si nous le renions, lui aussi nous reniera ; 12 raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika;
13 si nous sommes incrédules, lui demeure fidèle, car il ne peut se renier lui-même. 13 fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany.
— v. 9 : litt.: jusqu’aux liens. — v. 10 : ici : aient, ne soient pas privés de. — v. 12 : ou : endurons.  
14 Remets ces choses en mémoire, protestant* devant le Seigneur qu’on n’ait pas de disputes de mots, [ce qui est] sans aucun profit, [et] pour la subversion des auditeurs. 14 [Ny mety hataon'i Timoty noho ny fisian'ny mpampianatra sandoka] Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan'ny Tompo izy mba tsy hiady teny, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamadika ny mpihaino,
15 Étudie-toi à te présenter approuvé à Dieu, ouvrier qui n’a pas à avoir honte, exposant justement* la parole de la vérité ; 15 Mazotoa manolotra ny tenanao amin'Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara* ny teny fahamarinana. [* Na: mamoaka tsara; na: mizotra mahitsy amin']
16 mais évite les discours vains et profanes, car [ceux qui s’y livrent] iront plus avant dans l’impiété, 16 Fa halaviro ny fibedibedena foana; fa mbola handroso amin'ny haratsiam-panahy ihany izy ireny,
17 et leur parole rongera comme une gangrène, desquels sont Hyménée et Philète qui se sont écartés de la vérité, 17 ary ny teniny dia handany tahaka ny aretina mihady*; isan ireny Hymeneo sy Fileto, [* Gr. gangrena]
18 disant que la résurrection a déjà eu lieu, et qui renversent la foi de quelques-uns. 18 izay nania tamin'ny marina ka milaza fa efa lasa sahady ny fitsanganan'ny maty, dia mamadika ny finoan'ny sasany.
19 Toutefois le solide fondement de Dieu demeure, ayant ce sceau : Le Seigneur connaît ceux qui sont siens, et : Qu’il se retire de l’iniquité*, quiconque prononce* le nom du Seigneur. 19 Kanefa ny fanorenana mafy nataon'Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: "Ny Tompo mahalala ny azy", ary koa: "Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran'ny Tompo hiala amin'ny ratsy."
20 Or, dans une grande maison, il n’y a pas seulement des vases d’or et d’argent, mais aussi de bois et de terre ; et les uns à honneur, les autres à déshonneur. 20 Fa ao an-trano lehibe, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka hazo sy tany koa, ny sasany homem-boninahitra, ary ny sasany halam-baraka.
21 Si donc quelqu’un se purifie de ceux-ci, il sera un vase à honneur, sanctifié, utile au* maître, préparé pour toute bonne œuvre. 21 Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin'ireny, dia ho fanaka homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an'ny Tompo, voavoatra ho amin'ny asa tsara rehetra.
22 Mais fuis les convoitises de la jeunesse, et poursuis la justice, la foi, l’amour, la paix, avec ceux qui invoquent le Seigneur d’un cœur pur ; 22 Fa mandosira ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio.
23 mais évite les questions folles et insensées*, sachant qu’elles engendrent des contestations. 23 Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany.
24 Et il ne faut pas que l’esclave du Seigneur conteste, mais qu’il soit doux envers tous, propre à enseigner, ayant du support ; 24 Ary tsy mety raha miady ny mpanompon'ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin'ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra,
25 enseignant* avec douceur les opposants, [attendant] si Dieu, peut-être**, ne leur donnera pas la repentance pour reconnaître la vérité, 25 mananatra ny mpanohitra amin'ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina,
26 et s’ils ne se réveilleront pas du piège du diable, par qui ils ont été pris, pour faire sa* volonté. 26 ka hody ny sainy ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony*. [* Na: ka hody ny sainy - ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona - hanao ny sitrapon'Andriamanitra; na: fa ataon'ny mpanompon'ny Tompo sambo-belona izay hanao ny sitrapon'Andriamanitra]
— v. 14 : ou : adjurant — v. 15 : litt.: découpant droit. — v. 19* : ailleurs : injustice. — v. 19** : litt.: nomme. — v. 21 : ou : propre au service du. — v. 23 : litt.: indisciplinées. — v. 25* : ou : redressant. — v. 25** : ou : quelque jour. — v. 26 : celle de Dieu.  
Chapitre 3 Chapitre 3
1 Or sache ceci, que dans les derniers jours il surviendra des temps fâcheux ; 1 [Ny amin'ny fihemorana any am-parany,] Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory.
2 car les hommes seront égoïstes, avares, vantards, hautains, outrageux, désobéissants à leurs parents, ingrats, sans piété, 2 Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy*, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, [* Gr. manao blasfemia; izahao Mat. 9,3]
3 sans affection naturelle, implacables*, calomniateurs, incontinents**, cruels, n’aimant pas le bien***, 3 tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara,
4 traîtres, téméraires, enflés d’orgueil, amis des voluptés plutôt qu’amis de Dieu, 4 mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an'Andriamanitra,
5 ayant la forme de la piété, mais en ayant renié la puissance. Or détourne-toi de telles gens. 5 manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.
6 Car d’entre eux sont ceux qui s’introduisent dans les maisons et qui mènent captives des femmelettes chargées de péchés, entraînées par des convoitises diverses, 6 Fa isan'ireny izay misokosoko miditra any an-tranon'ny sasany ka mahalasa ho babo ny vehivavy adaladala, vesaran'ny fahotana, entin'ny filàna maro,
7 qui apprennent toujours et qui ne peuvent jamais parvenir à la connaissance de la vérité. 7 mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina.
8 Or de la même manière dont Jannès et Jambrès* résistèrent à Moïse, ainsi aussi ceux-ci résistent à la vérité, hommes corrompus dans leur entendement, réprouvés quant à la foi : 8 Ary tahaka ny nanoheran'i Jana sy Jambra an'i Mosesy no anoheran'ireo koa ny fahamarinana, dia olona maloto saina sady tsy manam-pinoana marina.
9 mais ils n’iront pas plus avant, car leur folie sera manifeste pour tous, comme a été celle de ceux-là aussi. 9 Kanefa tsy handroso intsony izy; fa ny hadalany dia haseho amin'ny olona rehetra, tahaka ny an'ireo koa.
10 Mais toi, tu as pleinement compris* ma doctrine, ma conduite, mon but constant, ma foi, mon support, mon amour, ma patience, 10 [Famporisihana an'i Timoty handroso tsara araka ny efa nataony ihany] Fa ianao kosa dia efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondran-tenako, ny fisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako,
11 mes persécutions, mes souffrances, telles qu’elles me sont arrivées à Antioche, à Iconium et à Lystre, quelles persécutions j’ai endurées ; — et le Seigneur m’a délivré de toutes. 11 ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia ny fanenjehana izay niaretako; ary ny Tompo nahafaka ahy tamin'izany rehetra izany.
12 Et tous ceux aussi qui veulent vivre pieusement dans le christ Jésus, seront persécutés ; 12 Eny, izay rehetra te-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesosy, dia henjehina.
13 mais les hommes méchants et les imposteurs iront de mal en pis, séduisant et étant séduits. 13 Fa ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina.
14 Mais toi, demeure dans les choses que tu as apprises et dont tu as été pleinement convaincu, sachant de qui tu les as apprises, 14 Fa ianao kosa dia mahareta amin'izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany;
15 et que, dès l’enfance, tu connais les saintes lettres, qui peuvent te rendre sage à salut par la foi qui est dans le christ Jésus. 15 fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin'ny famonjena amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy.
16 Toute écriture est inspirée de Dieu, et utile pour* enseigner, pour convaincre, pour corriger, pour instruire dans la justice, 16 Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana,
17 afin que l’homme de Dieu soit accompli et parfaitement accompli pour toute bonne œuvre. 17 mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.
— v. 3* : ou : déloyaux. — v. 3** : ou : intempérants. — v. 3*** : ou : n’aimant pas les gens de bien. — v. 8 : selon la tradition juive, chefs des devins d’Exode 7 à 9. — v. 10 : ou : tu as suivi avec exactitude ; comme 1 Timothée 4:6. — v. 16 : Toute écriture divinement inspirée est aussi utile pour.  
Chapitre 4 Chapitre 4
1 Je t’en adjure devant Dieu et le christ Jésus, qui va juger vivants et morts, et par* son apparition et par son règne : 1 Eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy:
2 prêche la parole, insiste en temps et hors de temps, convaincs, reprends, exhorte, avec toute longanimité et doctrine ; 2 mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.
3 car il y aura un temps où ils ne supporteront pas le sain enseignement ; mais, ayant des oreilles qui leur démangent, ils s’amasseront des docteurs selon leurs propres convoitises, 3 Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema*; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; [* Gr. salama]
4 et ils détourneront leurs oreilles de la vérité et se tourneront* vers les fables. 4 ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano.
5 Mais toi, sois sobre en toutes choses, endure les souffrances, fais l’œuvre d’un évangéliste, accomplis pleinement ton service ; 5 Fa ianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.
6 car, pour moi, je sers déjà de libation*, et le temps de mon départ** est arrivé ; 6 Fa izaho dia efa hatolotra* sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko. [* Gr. haidina ho fanatitra aidina]
7 j’ai combattu le bon combat, j’ai achevé la course, j’ai gardé la foi : 7 Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho;
8 désormais m’est réservée la couronne de justice, que le Seigneur juste juge me donnera dans ce jour-là*, et non seulement à moi, mais aussi à tous ceux qui aiment** son apparition. 8 hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny fisehoany koa.
— v. 1 : c. à d. : je t’adjure par. — v. 4 : ou : auront été détournés. — v. 6* : comme en Philippiens 2:17, allusion au rite consistant à verser du vin sur un sacrifice (Nombres 15:5, etc.). — v. 6** : = ma mort ; exactement : action de lever l’ancre pour partir vers la haute mer ; comparer Philippiens 1:23. — v. 8* : le jour de l’apparition du Seigneur en gloire, qui sera aussi le jour des récompenses. — v. 8** : ou : auront aimé.  
9 Empresse-toi de venir bientôt auprès de moi, 9 [Fanaovam-beloma sy hafatra] Mazotoa hankatỳ amiko faingana ianao;
10 car Démas m’a abandonné, ayant aimé le présent siècle ; et il s’en est allé à Thessalonique, Crescens en Galatie, Tite en Dalmatie ; 10 fa Demasy efa nandao ahy, satria tia izao fiainana izao izy ka lasa nankany Tesalonika; Kreska nankany Galatia, Titosy nankany Dalmatia.
11 Luc seul est avec moi. Prends Marc et amène-le avec toi, car il m’est utile pour le service. 11 Lioka ihany no ato amiko. Alao Marka, ka ento miaraka aminao, fa mahasoa ahy amin'ny fanompoana izy.
12 Or j’ai envoyé Tychique à Éphèse. 12 Tykiko dia nirahiko ho any Efesosy.
13 Quand tu viendras, apporte le manteau que j’ai laissé en Troade chez Carpus, et les livres, spécialement les parchemins. 13 Ilay kapôty navelako tany Troasy tao amin'i Karpo, dia ento, raha mankaty ianao, ary ny boky, indrindra fa ireo boky hoditra.
14 Alexandre, l’ouvrier en cuivre, a montré envers moi beaucoup de méchanceté ; le Seigneur lui rendra selon ses œuvres. 14 Aleksandro, mpanefy varahina, efa nanisy ratsy ahy be loatra; ny Tompo hamaly azy araka ny asany;
15 Garde-toi aussi de lui, car il s’est fort opposé à nos paroles. 15 tandremonao ihany izy iny, fa nanohitra fatratra ny teninay.
16 Dans ma première défense, personne n’a été avec moi, mais tous m’ont abandonné : que cela ne leur soit pas imputé. 16 Tamin'ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy rehetra (aza mba isaina ho helony anie izany).
17 Mais le Seigneur s’est tenu près de moi et m’a fortifié, afin que par moi la prédication fût pleinement accomplie et que toutes les nations l’entendissent ; et j’ai été délivré de la gueule du lion. 17 Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy, mba hotanterahina tokoa amin'ny ataoko ny fitorian-teny, ary mba ho ren'ny jentilisa rehetra izany; ary izaho novonjena tao am-bavan'ny liona.
18 Le Seigneur me délivrera de toute mauvaise œuvre et me conservera pour son royaume céleste. À lui la gloire, aux siècles des siècles ! Amen. 18 Ary ny Tompo hanafaka ahy amin'ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin'ny fanjakany any an-danitra; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
   
19 Salue Prisca et Aquilas et la maison d’Onésiphore. 19 Manaova veloma amin'i Prisila sy Akoila mbamin'ny ankohonan'i Onesiforosy;
20 Éraste est demeuré à Corinthe, et j’ai laissé Trophime malade à Milet. 20 Erasto nitoetra tany Korinto; fa Trofimo nilaozako tany Mileto, satria narary izy.
21 Empresse-toi de venir avant l’hiver. Eubulus et Pudens, et Linus et Claudia, et tous les frères, te saluent. 21 Mazotoa hankatỳ alohan'ny ririnina. Manao veloma anao Eobolo sy Poda sy Lino sy Klaodia mbamin'ny rahalahy rehetra.
22 Le seigneur Jésus Christ soit avec ton esprit. Que la grâce soit avec vous ! 22 Ho amin'ny fanahinao anie ny Tompo. Ho aminareo anie ny fahasoavana.