Asabotsy 26 Desambra 2020
Jesosy avy any Nazareta ... nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery, sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy. Asan’ny Apostoly 10:37, 38
2000 taona mahery lasa izay, dia nisy tranga nanamarika ny zanak’olombelona, dia ny nahatongavan’i Jesosy Kristy tetỳ an-tany.
Izy dia teraka tahaka ny zazakely. Tsy nahoan’ny olona izany, fa ny anjely kosa dia nankalaza ny fahaterahany, izay fahatanterahana faminaniana nambara taonjato maromaro tany aloha (Mika 5:2). Tonga Izy mba hamerina indray ny fifandraisana am-pihavanana eo amin’Andriamanitra sy ny olona.
Lavorary ny fiainany. Ireo izay niara-belona taminy dia talanjona tamin’ny toetra tsara nananany sy ny fitondrantenany. Ny iray tamin’ireo namono Azy ho faty dia nanambara hoe : “Marina tokoa fa Zanak’Andriamanitra io Lehilahy io” (Marka 15:39).
Ny fiainan’i Jesosy, ny teniny, ny fahagagana marobe nataony dia nanamarina fa Andriamanitra Izy, ary manome fahefana feno an’ireo fahamarinana tena lehibe nambarany :
— Misy lalana roa ho an’ny olona, dia ny lalan’ny fiainana mandrakizay sy ny lalan’ny fahaverezana mandrakizay.
— Andriamanitra dia tia ny olombelona rehetra, liana ny amin’ny tsirairay, ary manampy izay mangataka izany aminy.
Matoa Jesosy Kristy nanasitrana marary marobe nandritra ny fiainany, dia satria indrindra indrindra te hamonjy ny tsirairay amin’ny fahafatesana mandrakizay. Ho amin’izany dia tsy ampy ny fiainany lavorary, fa tsy maintsy maty Izy. Nisolo toerana antsika Izy, nizaka ny famaizana sahaza ny fahotantsika, ka naneho tamin’izany ny fitiavany antsika.
Raha fintinina, ny fiainany, ny teniny, ny asany, ny fahafatesany mihitsy aza, sy ny fitsanganany tamin’ny maty, izany rehetra izany dia mampiseho fa Izy no Ilay Andriamanitra nanjary olombelona, tonga mba hamonjy antsika. Anjaran’ny tsirairay, ankehitriny, ny mitady izay hahafantarana Azy, amin’ny famakiana ny Baiboly ; anjaran’ny tsirairay ny mitoky aminy, mitia, mankatò, manompo, ary mitsaoka Azy.