Alatsinainy 28 Desambra 2020
Ary nisy vehivavy anankiray izay efa narary roa ambin’ny folo taona... Koa rehefa nahare ny amin’i Jesosy izy, dia nankeo ivohony namaky ny vahoaka ary nanendry ny lambany... Ary niaraka tamin’izay dia ritra ny loharanon’aretiny, ka tsaroany tao amin’ny tenany fa sitrana izy. Marka 5:25, 27, 29
— Azafady tompoko, evanjelista ianao, ka mba lazao ahy hoe ahoana no hahitako fiadanam-po.
— Jesosy Kristy irery ihany no mahay manome izany ho anao.
— Folo taona aho no nikaroka Azy, ka vao mainka ao anatin’ny fisalasalana kokoa hatrany.
— Hafahafa izany zavatra iainanao izany. Satria Jesosy efa nanambara hoe : “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo” (Jaona 14:27), nefa toa mbola tsy hitanao izany.
— Nandeha nihaino ireo mpitoriteny amerikana malaza indrindra aho, nanaraka ireo evanjelista tsara indrindra, namaky boky maro, nefa dia diso fanantenana hatrany.
— Hadinoy avokoa izy rehetra ireo. Modia any aminao, dia hidio ny varavaranao. Tsy mila manampahaizana manokana ianao, na fivoriana, na boky hafa ankoatra ny Baiboly. Fihaonana manokana amin’Ilay Zanak’Andriamanitra no ilainao. Eritrereto ilay olona nikasika ny akanjon’ny Tompo Jesosy. Tahaka azy koa, dia misavà lalana eo anivon’ny vahoaka ianao, ary manatòna an’i Jesosy tenany mihitsy. Hifandray amin’Ilay loharanon’ny fahazavana sy ny fitiavana ianao. Tahaka io vehivavy io, dia tokony hiantoraka eo an-tongony ianao, hatoky ny fahasoavany, ary handre ho anao manokana ny teny mahagaga nataon’ny Mpamonjy, hoe : “Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao : mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin’ny aretinao” (Marka 5:34). Dia hahita fitsaharana sy fidanana ianao.
Ny ampitso dia hitan’ilay evanjelista nisoritra teny amin’ny endrik’io vehivavy io fa tafahaona tamin’ny Mpamonjy izy ary nahita ny fiadanana tao aminy.