Alarobia 15 Desambra 2021

Aza manao hoe : Araka izay nataony tamiko no mba hataoko aminy kosa, hovaliako ny olona araka izay nataony. Ohabolana 24:29

Aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy. Efesiana 4:32

 

Mpiara-monina

Mpifanolo-bodirindrina i Fano sy Lova, nefa niharatsy ny fifandraisany, noho ny ady tany teo amin’izy roa lahy.

Taorianan’izany dia nandre ny Filazantsara i Fano, ary nametraka ny finoany tao amin’i Jesosy Kristy. Rehefa nodinihiny teo ambany fahazavan’Andriamanitra ny fiainany, dia tsapany fa tsy nety mihitsy ny nataony tamin’i Lova. Niaiky izany fahadisoany izany tamin’Andriamanitra izy, ary nahatsapa fa mila mihavana amin’ilay mpiara-monina aminy. Nanatona an’i Lova izy, ary niteny taminy hoe :

— Te hangataka famelana aminao aho. Nisy fifandirana maro teo amintsika, ary izaho no diso.

— Izany foana no nolazaiko, hoy i Lova namaly, sady nianjona. Noho izany, dia tsy mamela anao aho.

— Amin’ny hoavy dia ho hafa tanteraka ny fomba fiainako, hoy i Fano, nisisika, satria tsy maintsy hiseho eo anatrehan’ny fitsaran’Andriamanitra avokoa isika, indray andro any.

Gaga be ny fianakavian’i Lova. Nohazavain’ny zanany lahy tamin’izy ireo mantsy fa nanjary kristiana i Fano. Lasa eritreritra ity raim-pianakaviana. Hoy izy anakampo : Matoa afaka manova olona toy izany ny Filazantsara, dia misy zavatra tsara ao. Tsaroany ny tenin’i Fano momba ny fitsaran’Andriamanitra. Niaiky izy, nony farany, fa izy koa dia mpanota, ary namboraka ny fahamelohany teo anatrehan’Andriamanitra.

Dia nankany amin’i Fano i Lova, ary noraisiny tsara, sady nilazany hoe :

— Tonga mangataka famelan-keloka amiko ianao, nefa hitako ankehitriny fa ratsy lavitra noho ny nataonao ny nataoko.

Dia nifandray tanana izy ireo, ho marika fa niverina ny fihavanana. Nanjary mpirahalahy ao amin’i Kristy ireto mpifanolo-bodirindrina nifankahala.