Zoma 17 Desambra 2021

Jesosy namaly ka nanao taminy (tamin’i Nikodemosy) hoe : Lazaiko aminao marina dia marina tokoa : Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra. Jaona 3:3

Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy. Jaona 3:5

 

Ny fanjakan’ny lanitra (2)

Tsy maintsy ateraka indray ianareo

Ny fanjakan’ny lanitra (antsoina ihany koa hoe „fanjakan’Andriamanitra”) dia tantanan’Andriamanitra avy any an-danitra. Tsy manana tany voafaritra hoe azy na sisin-tany izy io. Misy olona anisan’io fanjakana io any amin’ny kontinanta rehetra. Tsy zo momba ny tany na momba ny ra no ahafahan’izy ireo miditra ao, fa amin’ny alalan’izay nohazavain’i Jesosy tamin’i Nikodemosy, mpitarika ara-pivavahana, dia „ny fahateraham-baovao”.

Vao miresaka fahateraham-baovao Jesosy, dia manafoana avy hatrany ny fiheverana ho afaka manatsara ny toetran’ny tena, mba ho mendrika hiditra ao amin’io fanjakana io. Tsia, tsy maintsy ailika tanteraka io toetra io, izay tsy mahay manao afa-tsy ny ratsy. Ny fahateraham-baovao dia fahaterahana ho ao amin’ny tontolon’ny lanitra, ho ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ; ary ny rano (kisarisarin’ny Tenin’Andriamanitra) sy ny Fanahy Masina no miara-manatanteraka azy. Raha te hateraka indray aho, dia tsy maintsy mihaino izay lazain’Andriamanitra ahy sy mino izany, mba hampidiran’Andriamanitra ato anatiko ny Fanahiny, Izay manome ahy aina vaovao, ny fiainana mandrakizay.

Ny fanjakan’Andriamanitra, izany, dia voarafitr’ireo olona mino izay lazain’Andriamanitra. Ny finoana no hany fandraisana anjara takina amin’ny olona iray, ho amin’ny fahaterahany indray ; Andriamanitra no manao ny sisa rehetra ! Tsy ovainy ny endritsika ivelany, na ny tontolo hita maso iainantsika, fa ampidiriny kosa isika ho ao amina sehatra vaovao ara-toe-panahy sy ara-panahy. „Ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina” (Romana 14:17).

Niteny matetika Jesosy hoe : „Efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra”. Akaiky anao izy io ankehitriny ; ataovy ny dingana, midira ao, amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy !