Alarobia 22 Desambra 2021

Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika. 2 Tesaloniana 3:18

 

Tavoahangy tany an-dranomasina

Toy ny fanaony isaky ny tolakandro, dia nitsangantsangana nanaraka ny moron-tsirak’i Irlande i Peadar. Tsy ela izy dia nahatsikaritra tavoahangy navelan’ny onja teo amin’ny torapasika. Tsy misy tokony hahagaga izany… Saingy nodinihiny akaiky kokoa izy io. Tena hafakely ilay tavoahangy : nisy taratasy tao anatiny ! Fantatra tatỳ aoriana fa vondron’olona nanao fikarohana momba ny fizotran’ny rian-dranomasina no nanipy azy io, telo taona lasa izay, teny amorona vongan-dranomasina mandry tany amin’ny Tendrontany Avaratra. Dia tany Irlande no niafarany ! Nahazo valisoa 5000 dolara ilay mpitsangantsangana.

Sambany angamba ianao no mamaky ny andinin-tSoratra masina nomena antsika androany. Fangatahana ny fahasoavan’i Kristy ho an’ireo mpino tany Tesalonika no namaranan’ny apostoly Paoly io taratasy io, nalefany efa ho 2000 taona izao. Taratasy tena manan-danja, satria anisan’ny Baiboly, ilay Tenin’Andriamanitra miantefa amin’ny olona rehetra. Toejavatra tena mahagaga ny nahafahan’io taratasy io, toy ny boky hafa rehetra ao amin’ny Baiboly, namakivaky ny loza tsy hita isa teo amin’ny tantara. Matetika ny Baiboly no nalaina tamin’ny tompony sy nodorana, nandritra ireo vanimpotoana nanenjehana ny kristiana. Na izany aza anefa dia notandrovin’Andriamanitra, ary mbola hotandroviny hatrany, ny hahavoatahiry ny fanambarana nasainy nosoratana. Maharitra sady fantatra eran’izao tontolo izao ny lanjany, ary mbola mitari-dalana antsika mandraka ankehitriny ny fampianarana ara-toe-panahy raketiny.

Angamba ianao nandalo tsy nitandrintandrina ilay tavoahangy teo amin’ny torapasika, dia ilay Baiboly eo amin’ny fitoeram-bokinao ? Fantaro ny hafatra entiny ; iankinan’ny ainao izany.