Zoma 24 Desambra 2021

Raha fantatrao ny fanomezan’Andriamanitra… Jaona 4:10

Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Jaona 3:16

 

Fanomezana toa inona !

2000 taona mahery lasa izay, dia nisy vahiny avy any atsinanana, tonga tany Jerosalema. Nametraka fanontaniana nahaketraka ny mponina izy ireo : „Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan’ny Jiosy ?” (Matio 2:2).

Mba satry loatra raha tsy nisy izany tranga izany. Sahiran-tsaina i Heroda mpanjaka, mbamin’ny tanàna manontolo koa, niaraka taminy. Nisosa tsara mantsy ny fiainana ara-toekarena, ara-kolontsaina sy ara-piarahamonina, ary tsy vonona ny mponina tao Jerosalema hanova zavatra be eo amin’ny fomba fiainany.

Tsy mbola toy izany koa ve, amin’izao andro ankehitriny izao ? Mizotra ny fiainana, manaraka ny fizaran-taona sy ny toejavatra tsara na ratsy. Tonga ny Krismasy, miaraka amin’ny hazo Noely, ny tranon’omby sy ny fanomezana marobe. Nefa ve tsy ny nahaterahan’i Jesosy no ankalazain’olona maro, rehefa Krismasy ? Saingy tsy nesorina ve ny tena hevitra lalina raketin’io tranga io ? Ao anatin’ny fety, iza no mbola mba mihevitra ny fanomezan’Andriamanitra, nanolotra an’i Jesosy Kristy ho antsika ? Nefa dia fanomezana toy inona anie io e ! Tsy misy fanomezana hafa azo ampitahaina aminy.

Rehefa mandà fanomezana, dia maniratsira ilay manome izany. Andraikitra toy inona moa ny mandà an’i Jesosy Kristy, Izay natolotr’Andriamanitra ho Mpamonjy ny isambatanolona ! Ny fanomezana dia mariky ny fitiavana. Ny olona tiana no tolorana fanomezana. Andriamanitra nanome antsika an’i Jesosy, dia nampiseho amintsika ny porofo lehibe indrindra fa tia antsika Izy.

Amin’ireo fanomezana hatolotra anao amin’izao Krismasy izao, aza atao tsinontsinona ny fanomezan’Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, mba ho Mpamonjy. Izy no afaka hanova ny fiainanao sy hanome anao fiaingana vaovao.