Alahady 26 Desambra 2021

Ary hoy ilay anjely taminy (tamin’i Maria) : … Indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe JESOSY. Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra. Lioka 1:30-32

Ary niteraka ny Lahimatoany izy (Maria), dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin’ny fihinanam-bilona ; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny. Lioka 2:7

 

Jesosy, kely sa lehibe ?

Angamba ianao androany, farafaharatsiny, mahare resaka momba an’i Jesosy, teraka tany Betlehema 2000 taona mahery lasa izay. Rehefa Krismasy dia mahazatra ny olona ny miresaka an’i „Jesosy zazakely”. Mety hampihetsi-po ny mahita zazakely, nefa ilaina ihany koa ny mahafantatra.

Ilay anjely nanambara ny hahaterahany tamin’i Maria dia nilaza mazava hoe : „Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra”. Nitandrina tsara Andriamanitra, hampiseho fa tsy mba zaza toy ny hafa rehetra Jesosy, fa manana ny toetran’Andriamanitra. Koa nahoana àry Ilay Zanak’Andriamanitra no tsy maintsy ho teraka any an-tranom-biby ? Satria Izy te ho tonga tetỳ anivon’ny olombelona tamin’ny fanetrentena faran’izay lalina, te hidina eo amin’ny toeran’ireo mahantra indrindra, ary te hamangy azy ireo any amin’ny toerana maizina indrindra.

Tsy tonga Izy mba hanjaka, fa mba hihaona amin’ny olombelona amin’ny maha izy azy ireo : ireo voaheloka, mba hotolorany famelan-keloka ; ireo voailika, mba tiany homena hasina indray ; ireo nohajambain’ny heviny manokana na ny hevitry ny hafa, mba hohazavainy amin’ny fahamarinana. Jesosy dia tonga teto amin’ny sehatra misy antsika, teo amin’izay ahafahany mifanena amintsika, mba hanazava antsika amin’ny fanatrehany. Notakonany ny fahalehibeazany araka ny maha Andriamanitra Azy, mba hahafahantsika manatona Azy.

Androany Jesosy dia mangataka tsotra fotsiny ny mba horaisina ao am-pontsika (vakio Jaona 1:12). Ary amin’ireo izay mandray Azy, dia maneho ny tenany ho Ilay Mpamonjy lehibe Izy, satria lehibe, araka ny nambaran’ilay anjely. Natao tsinontsinona Izy, nozimbazimbaina, novonoina ho faty, nefa noho „izany no nanandratan’Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra… sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo, ho voninahitr’Andriamanitra Ray” (Filipiana 2:9-11).