Talata 28 Desambra 2021

Ary rehefa teraka Jesosy tao Betlehema…, indreo, nisy Magy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka nanao hoe : Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan’ny Jiosy ? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay, ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany. Ary nony nandre izany Heroda mpanjaka, dia nangorohoro izy mbamin’i Jerosalema rehetra. Matio 2:1-3

 

Mitombina ve ny tsy finoana ?

Ao amin’ny tantaran’ireo magy tonga mba hitsaoka an’i Jesosy Zaza, dia ny fahadisoan-kevitr’i Heroda mpanjaka no hany mifanahantsahana amin’ny habibiany (Matio 2). Noraisiny ho matotra ilay fanambarana hoe nisy kintana niseho, nanambara ny fahaterahan’ny mpanjakan’ny Jiosy. Izy, Heroda, no ilay mpaka tsy an-drariny ny sezafiandrianana ; nefa raha misy tokoa izany Zaza izany, dia tsy maintsy vonoina faran’izay haingana. Koa nampiantso ny lohandohany ara-pivavahana izy, mba hahafantarany raha milaza ny toerana tokony hahaterahan’ny Mesia ny Soratra Masina (tamin’izany fotoana izany, dia ny Testamenta Taloha). Hentitra ny valinteny : any Betlehema. Azo antoka fa tsy nino ireny faminaniana tranainy efa 700 taona ireny izy, nefa dia naniraka ny magy hankany amin’io tanàna io ihany ! Nanana fisalasalana ve izy ? Rehefa nandao an’i Betlehema, tsy nampandre azy, ireo mpitsidika avy any Atsinanana, dia nanatsoaka hevitra tamin’izany i Heroda, hoe hitan’izy ireo tany tokoa ilay Zaza. Manoloana zava-miafina izy.

Injany àry, Zazakely iray nambaran’ny Baiboly efa ho 1000 taona mahery lasa, efa nolazaina 700 taona mialoha ny tanàna hahaterahany, ary ny fahaterahany narahina fitrangan-javatra teny amin’ny habakabaka, dia kintana nihetsika teny amin’ny lanitra ! Heroda koa ve dia hino izany rehetra izany e ? Raha tsy nino izy, nahoana no nampamono ny zazalahy kely rehetra tao amin’io tanàna io ? Fa raha nino kosa, nahoana no tsy nanaiky fisehoan-javatra mihoatra noho ny voajanahary toy izany ? Dia nihevitra ve izy fa ho afaka mamono Zaza toy izany ? Sa ve izy te hiady amin’Andriamanitra ? Hadalana, fahamafisam-po, tsy fananana fanetrentena, fahadisoan-kevitra —tsy misy ohatra izany !

Aoka isika tsy hanahaka an’i Heroda. Aoka hanaiky am-pankasitrahana ny nahaterahan’ny Zanak’Andriamanitra, Izay tonga teto amin’izao tontolo izao mba hamonjy antsika. Aoka ho tonga saina hoe marina tokoa fa „Andriamanitra naniraka ny Zanany Lahitokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany” (1 Jaona 4:9).