Alatsinainy 2 Desambra 2024
Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy. 1 Korintiana 15:22
Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana ; ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo ; ary mbola ao amin’ny fahotanareo ihany ianareo. 1 Korintiana 15:16-17
Tena lohahevitra lehibe fototra izany… Satria ny fahafatesana, vokatry ny ota eto amin’izao tontolo izao, no fiafaran’ny fiainana eto an-tany. Ary inona no hisy aorianan’ny fahafatesana ?
Ireo filazantsara dia manambara marina ny nitsanganan’i Jesosy Kristy velona indray, fitsanganana nohamarinina vavolombelona maro. „Ary raha Kristy no torina fa natsangana velona indray, ahoana no ilazan’ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan’ny maty ?” (1 Korintiana 15:12). Ambaran’ny Baiboly fa ny olona rehetra dia hitsangana velona indray avokoa. Nefa tsy ho amina fotoana iray mitovy, na ho amina tanjona iray mitovy. „Avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony ; dia hivoaka izy : izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana ; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana” (Jaona 5:28-29).
Ireo izay nandà ny tolotra nataon’Andriamanitra dia hitsangana mba hotsaraina. Hiseho izany aorianan’ny hanjakan’i Kristy am-boninahitra etỳ an-tany. Amin’izay dia ho tanteraka ny fahitana mahatahotra nomena an’ny apostoly Jaona hoe : „Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ny sezafiandrianana… Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny… ; dia samy notsaraina araka ny asany izy” (Apokalypsy 20:12-13).
Nefa alohan’izany, ireo izay niaiky fa mpanota ary nandray an’i Jesosy ho Mpamonjiny dia hatsangana rehefa ho tonga Izy, mialoha ireo fitsarana, haka ny mpino velona eto an-tany. „Ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra… ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana, aloha ; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo… ; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika” (1 Tesaloniana 4:16-17).