Asabotsy 28 Desambra 2024

Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao. Romana 10:9

 

Onja mahery mitondra fahafatesana, onja mahery mitondra fiainana

Tamin’ilay fitobahan-dranomasina namely an’i Azia Atsimo-atsinanana ny 26 desambra 2004, dia nisy zatovovavy iray teo amoron’ny ranomasimbe. Rehefa nahita ny rano nisintona tampoka lavitry ny torapasika izy, dia nahatsiaro ny nampianarina azy tany an-tsekoly momba ny tsunami. Hainy tsara ny nandray io fambara mialoha io, ka nandefa fanairana ny olona izy. Tamin’izany izy dia nahavotra olona ampolony maro tsy ho tratran’ny „onja mahery mitondra fahafatesana”. Ireo izay nihaino azy, na teo aza ny naha tanora azy sy ny toa fahatonian’ny ranomasina, dia afaka nandositra ara-potoana. Tamin’izany ny zava-dehibe dia ny nino azy sy ny nandray am-pahamatorana ilay fampitandremany, mba handositra tsy nisy hataka andro. Sarobidy ny segondra tsirairay.

Hoy ny Baiboly amintsika : „Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao”. Hovonjena amin’inona ? Hovonjena amin’ny fahafatesana mandrakizay, izany hoe amin’ny fanalavirana mandrakizay an’Ilay Andriamanitra fitiavana. Toy ny tokony ninoana io tovovavy io, mba hialana tsy ho tratran’ilay tsunami, dia tokony hino ny fahafatesana sy ny fitsanganan’i Jesosy Kristy velona indray, mba ho voavonjy tsy hiharan’ny fahafatesana mandrakizay, tokony hino fa tsy ho tompon’ny teny farany ny fahafatesana. Ny fitsanganan’i Jesosy velona indray dia tahaka „onja mahery mitondra fiainana”, izay mampiala antsika amin’ny nofinofy sy torimasontsika, amin’ny fahadontoana sy tsy finoantsika. Ndao holavina izay rehetra mahatonga antsika ho marenina tsy hahare ny tenin’i Kristy, ary ndao hitsangana mba hanambara ny hafatra feno hery entiny, hoe : „Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray… Mino izany va ianao ?” (Jaona 11:25-26).