Asabotsy 1 Febroary 2025

(Hoy Jesosy :) Mangataha, dia homena ianareo ; mitadiava, dia hahita ianareo. Lioka 11:9

Fa raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy ; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy. Hebreo 11:6

 

Ahoana no fomba hanatonana an’Andriamanitra

Ny andinin-tSoratra Masina androany dia milaza amintsika fa tena ilaina ny finoana, mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra. Mba hanatonana Azy, dia fepetra roa no takina :

Mino fa Andriamanitra no Izy. Izany dia tsy mino tsotra fotsiny hoe misy Andriamanitra, fa mino hoe „Andriamanitra no Izy”, mampahatsiahy antsika ny anarana nanehoan’Andriamanitra ny tenany fahiny tamin’i Mosesy : „Izaho”, na „Izaho Izay Izy” (Eksodosy 3:14). Io anaram-boninahitra io dia maneho ny maha mandrakizay an’Andriamanitra sy ny toetrany tsy miovaova. Ao aminy mantsy dia „tsy misy fiovaovana na aloka avy amin’ny fihodinana” (Jakoba 1:17). Izany Ilay Andriamanitra hatoniko.

Mino fa Izy dia mamaly soa izay manatona Azy. Tsy foana tsy akory ny fanatonana an’Andriamanitra : tsy mba mandiso fanantenana ireo izay mitoky aminy Izy.

Ry kristiana, io andinin-tSoratra Masina io dia mampiseho antsika ny toe-tsaina tokony hananana rehefa mivavaka. Isika ve tsy efa mba niresaka taminy ny manahirana antsika, nefa nihevitra fa tsy hahomby mihitsy izany dingana ataontsika izany ? Isika ve indraindray tsy mivavaka sady mieritreritra fa na ahoana na ahoana dia efa tsy misy lalan-kivoahana intsony ny toejavatra miseho, tsy misy antenaina intsony, ary Andriamanitra dia tsy miraika amin’izany ? Raha toy izany ny toe-tsaina ivavahantsika, tokony ho gaga ve isika raha tsy mahazo valim-bavaka ?

Inona no holazainao raha manatona anao ny zanakao lahy kely, mitondra kilalao simba ary miteny aminao hoe : „Dada a, tsy mino aho hoe ho hainao amboarina ity kilalaoko ity. Ary tsy fantatro raha te hikarakara azy ity akory ianao”. Halahelo ianao noho ny tsy fatokian’ny zanakao anao !

Ry zanak’Andriamanitra, ndao àry rehefa mivavaka amin’ny Raintsika, hahatsiaro fa Izy no Ilay Andriamanitra mandrakizay, Tsitoha, ary izay manatona Azy am-pinoana dia tsy ho diso fanantenana na oviana na oviana !