FAHASAMBARAN’NY MPIVADY

SY NY FIANAKAVIANA

E. W. Bremicker

Fizahàn-takila

 

TENY FANOLORANA. 3

 

1-Fikororosy fahan’ny daholobe sy fahatokian’ny tsirairay……………….6

........ Ny fianakavian’i Manoa............................................................. 6

........ Ny fiainan’i Samsona ............................................................. 14

 

2-Ny fifandraisan’ny mpivady .......................................................... 18

........ Ny antso avy any an-danitra. 18

........ Ny toetran’ny fo. 19

........ Ny fankatoavana. 20

........ Kristy, ilay môdely tonga lafatra. 24

........ Famafazana mampalahelo. 25

........ Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo….. 26

........ Ny fisehon’ny fitiavana. 27

........ Ireo fototra ara-môralin’ny fitahiana. 28

 

3-Ny ray aman-dreny sy ny zanaka................................................. 31

Loza mitatao ateraky ny fanahafana
ny fanaon’izao tontolo izao...................................................... 31

........ Mahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra
mba hanatanterahana izany
. 32

........ Ireo foto-kevitr’Andriamanitra momba ny mpivady. 333

........ Ireo foto-kevitr’Andriamanitra momba ny ankizy. 37

........ Tokantrano folo izay novangian’ny Tompo Jesoa. 39

 

Bibles et Publications Chrétiennes - 30, rue Châteauvert F-26000 VALENCE



 

 

TENY FANOLORANA

 

Ny fiainan’ny mpivady sy ny fianakaviana kristiana, izay loha­he­vitr’ity bokikely ity, dia nanaovana famelabelarana telo, nandritra ireo fivoriana tany Dillenburg tamin’ny taona 1988.

Ankasitrahiko feno hatrany ireo rahalahy nandray feo sy nan­dra­ki­tra an-tsoratra ireo fivoriana, ary koa namerina namaky izany rakitra an-tsoratra izany, hatramin’ny fanontana azy, na tamin’ny teny Alemana izany na ny tamin’ny teny Frantsay. Atolotra ihany koa izany fan­ka­si­tra­hana izany, ho an’ireo rahalahy avy any Soisa sy Frantsa, izay nahafoy fotoana nandika ny rakitra an-tsoratra sy namboatra azy. Ny Tompo anie hanome harem-pahasoavana ho azy ireo !

Misaotra ny Tompo aho noho ny fitahiany, izay nampitombo ahy ihany koa, tamin’ny nianarako io lohahevitra io. Ny faniriako dia mba ho maro ireo izay handray be, eny ho be lavitra aza, amin’ny famakiana ity boky ity.

 

E.W. Bremicker



 

 

 

 

“Alatsaho ao amin’ny fonareo sy ao amin’ny fanahinareo izao teniko izao, … mba ho maro ny andronareo sy ny andron’ny taranakareo eo amin’ny tany …, toy ny faharetan’ny lanitra ambonin’ny tany.”

Deoteronomia 11. 18-21

 

 

Ny miaina fiainana tahaka ny any an-danitra, izany hoe, fiai­nana voamariky ny toetoetran’ny lanitra, dia hasambarana mbola atolotra antsika ankehitriny, ao amin’ny fanambadiana sy ao amin’ny fianakaviana: ahitantsika taratry ny fahasambarana any an-danitra ny fanambadiana sy ny fianakaviana, raha an­ka­toa­vintsika izay voalazan’Andriamanitra ao amin’ny Teniny. Te han­dinika akaiky io lohahevitra io izahay, ka mampiasa tan­ta­ram-piainana fianakaviana iray voarakitra ao amin’ny Tes­ta­men­ta Ta­lo­ha sy fitsipika vitsivitsy avy ao amin’ny Testamenta Vao­vao.


 

 

  1. FIKOROROSY FAHAN’NY DAHOLOBE SY FAHATOKIAN’NY TSIRAIRAY

 

Ny fianakavian’i Manoa

Mpitsara 13 hatramin’ny 16

 

Any amin’ny fiaraha-monina tandrefana manaraka ny fom­ba kristiana, ilay lazaina ho fanalalahana ny fitondràntena an­ke­hi­triny dia mitera-bokatra mampatahotra, izay tsy inona fa ny tsy firaharahana ireo soatoavina ara-môraly napetrak’Andriamanitra ao amin’ny olona (Romana 1. 28). Ny fanamaivanana ny fanam­ba­diana, ny fisaraham-panambadiana, ny fijangajangana ary ny fanalan-jaza dia lasa fomba mahazatra ankehitriny, tsy manaitra intsony. Lasa fiaraha-monin’ny mpamono olona sy ny mpi­jan­ga­janga no misy antsika izao, nefa toa tsy dia manelingelina antsika akory izany.

Ny isan’ny fisaraham-panambadiana voarakitra, nefa, dia sombiny bitika monja amin’ny tena zava-misy. Firy amin’ireo tokan­­trano mbola mijoro ihany ara-panjakana, moa, no ahitana ny samy maka ho azy ao an-trano, na tsy fifanarahana mihitsy? Indrisy, fa na ny mpino aza dia miaina fiainana mampalahelo tahaka izany, ary maro tsy araka ny iheverana azy ny isan’izy ireo. Tsy afaka misaraka sady tsy te hisaraka, nefa tsy mifam­pi­re­sa­ka intsony.

Nefa dia mbola afaka mahita hasambarana manokana isika, indrindra ao amin’ny fanambadiana sy ao amin’ny fiana­ka­via­na. Andriamanitra dia mampahafantatra antsika, ao amin’ny Teniny, ny fototra ijoroan’ny fanambadiana izay hanome antsika andro “toy ny faharetan’ny lanitra ambonin’ny tany”. Miankina amintsika ny faniriana hamantatra izany hasambarana izany.

Andriamanitra tenany no nametraka ny fitiavana ao am-pon’ny lehilahy sy ny vehivavy; nefa, tahaka ireo fanomezana hafa rehetra, io dia mbola nosimbain’ilay olona noarìny ihany koa. Ao amin’ny 2 Timoty 3. 3 dia ahitantsika hoe “ny andro farany dia ho andro mahory ka ny olona dia lasa tsy manam-pitiavana. Ilay fitiavana voajanahary napetrak’Andriamanitra tao am-pon­tsika dia voahitsakitsaka, vokatr’izany dia manjaka ny fitiavan-tena. Zovy àry no ho gaga raha mahita fa fanambadiana iray amin’ny telo dia miafara amin’ny fisarahana?

Manoa sy ny vadiny —izay tsy nolazaina antsika ny ana­rany— dia niaina tamina vanim-potoana tsy misy hafa amin’izao misy antsika izao, raha ny ara-môraly. Voasoratra fa ny zanak’i Israely nanao indray izay ratsy eo imason’i Jehovah (Mpitsara 13. 1). Rehefa ny tsirairay eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra no manao izay ataony ho tsara (toko 17. 6 sy 21. 25), dia ratsy eo imason’i Jehovah hatrany izany. Fanimpitony, izao, no ive­re­nan’io teny io ao amin’ny bokin’ny Mpitsara. Isaky ny nisy izany, dia tsy maintsy nanafay ny olony Andriamanitra; ary dia nian­tso­antso, hatrany, an’i Jehovah izy ireo, ka reny, ary dia niditra an-tsehatra Izy, namonjy azy ireo. Fa tsy mba nisy izany fitarainana izany tao amin’ny Mpitsara 13: teo ambany fifehezan’ny Filistina ny vahoakan’Andriamanitra, ary dia nianina tamin’izany. Tsy mito­vy amin’izany ve ny mitranga eo amin’ny tontolo kristiana anke­hi­tri­ny? Miaina ao anaty faharatsiana ny olona, sady tia izany, ka tsy maniry zavatra hafa intsony. Iza àry no hizaka ny vokatr’izany tsy fanajana an’Andriamanitra izany? Tsy iza fa ny taranaka.

Teo anivon’ireo vahoaka nandeha araka ny nahim-pony ireo, dia nisy mpivady nivavaka izay nahafapo an’Andriamanitra ny nijery azy, dia i Manoa sy ny vadiny. Ny anarany dia midika hoe “fanomezana”, na koa “toeram-pitsaharana”. I Manoa dia fano­mezan’Andriamanitra ho an’ny vadiny, ary torak’izany koa, ny vadiny ho azy; ary ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra dia tokony ho tahaka izany koa, ho an’ny vadiny. Rehefa mifampitondra taha­ka izany ny mpivady, dia fiombonana feno hasambarana no voka­ny.

Manana zavatra mavesa-danja hambara amin’izy roa Andria­manitra, ary dia ramatoa, izay atao hoe fanaka malemy, no ire­sa­hany voalohany. Niseho taminy ny Anjelin’i Jehovah, ka nano­me azy teny fampanantenana mahatalanjona, hoe hahazo zana­ka­lahy izy. Etsy andanin’izany Izy dia nanoro hevitra azy ny amin’ny tokony ho fitondràntenany. Ao amin’io torohevitr’ilay anjely ho an-dravehivavy io, dia azontsika anovozana fahalalana, rehefa manontany tena isika ny amin’izay tokony ho fiton­dràn­te­nan­tsika, manoloana ny faharavan’ny tontolo kristiana. Teny tsotra no raketiny, dia ny hoe: fisarahana amin’izao tontolo izao sy amin’ny ratsy. Tokony homarihina tsara fa Andriamanitra dia tsy nanom­­boka tamin’ny filazana izay tokony na tsy tokony hataon’ilay zazalahy, fa nampianatra mazava tsara kosa an’ilay vehi­vavy, ho reny rahampitso, ny amin’ny tokony ho fiton­dràn­te­na­ny, indrindra mikasika ireto manaraka ireto:

— Tsy tokony hisotro divay na toaka.

— Tsy tokony hihinana zava-padìna.

Ny haha-Nazirita ny zaza dia namaritra sahady ny tokony ho toetran-dreniny! Ny divay sy ny toaka, eto, toy ny any amin’ny andinin-tSoratra Masina hafa, dia sary enti-maneho ny fifalian’ny tany. Ny mpino izay mitady ny fiarahana amin’ny tsy mpino, ary miara-mifaly aminy, dia tsy mba hitondra zavatra mendrika an’An­dria­manitra ao an-tokantranony; hiova ho ratsy ny fifaliany ao amin’Andriamanitra, ary hiantraika amin’ny zanany izany. Any amin’ny andininy hafa, Andriamanitra dia milaza fa mpa­niratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, koa izay mirai­ki­raiky azon’iza­ny dia tsy hendry (Ohabolana 20. 1). Tsy maha­gaga moa ny mahita fa ny olon’izao tontolo izao dia tia ny fahafinaretana mihoa­tra noho ny fitiavany an’Andriamanitra (2 Timoty 3. 4), nefa tsy tokony hitovy amin’izany isika kristiana. Ny fiombonantsika dia amin’ny Ray sy i Jesoa Kristy Zanany, ka amin’izany no tokony hahi­tantsika ny fifaliantsika.

Ny torohevitra faharoa koa, Aza mihinana izay zava-padìna, dia mifono fampianarana manan-danja amin’izao vani­nan­dro izao. Ny hoe mihinana zava-padìna dia midika ho manao zava-dratsy. I Davida dia nanambady vehivavy nitazona terafima (sampy) (1 Samoela 19), ary mety nahafantatra izany; Rahely vadin’i Jakoba dia nangalatra ny terafiman-drainy ary nanafina izany tao an-tranolainy, nefa tsy mba fantatry ny vadiny izany (Genesisy 31). Raha ny ara-môraly no jerena, dia nameno ny sainy tamina zava-pady ireo vehivavy roa ireo, ary dia tena ratsy ny vokany.

Soritan’Andriamanitra eto ny fiantraikan’ny fitondràn­te­nan’ny renim-pianakaviana, mihoatra noho ny an’ny raim-pia­na­ka­viana, amin’ny zanany, eo an-tokantranony, arakaraka izay sakafom-panahiny, na ny Tenin’Andriamanitra na ny zavatr’izao tontolo izao. Izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo, fa izay araka ny Fanahy kosa, mihevitra izay zavatry ny Fanahy (Romana 8. 5). Raha ny zavatr’izao tontolo izao  —toy ny tantara foronina, gazety-boky samihafa, mozika, fana­tan­ja­han­tena, onjam-peo, fahitalavitra, sns.—  no amokisantsika isan’an­dro ny fanahintsika, dia mitoetra eo ambany fahefan’ny zava-dra­tsin’izao fiainana izao isika. Lasa manaraka tsy nahy ny fanaony sy ny fomba fisainany isika, eo amin’ny fiainantsika, ary ny tena loza, dia tonga hatrany amin’ny fiangonan’Andriamanitra izany: Ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana, fa ny fihevitry ny Fanahy kosa, fiainana sy fiadanana” (Romana 8. 6). Fantatry ny Tompo ny voka-dratsin’izany, dia alahelo sy tomany ao amin’ireo fiana­ka­viana maro nidirany (Marka 4. 19). Tsy ihambahambana fa ny iray amin’ireo terafima (sampy) lehibe amin’izao vanim­po­toa­nan­tsika izao, dia ny fahitalavitra. Mbola mitombina ankehitriny izay lazain’ny 1 Jaona 5. 21: “Anaka, arovy ny tenanareo amin’ny sampy; io no fampitandremana farany nataon’i Jaona, ao amin’ny epistily voalohany nosoratany. Nitahiry terafima Rahely sady nifikitra tamin’izany, ary tsy fantatry ny vadiny izany. Tsy fantatr’i Jakoba hoe nangalarin-dRahely antsokosoko ny sam­pin’ny rainy, ka dia nisendaotra izy, niteny tamin’i Labana hoe: Izay hahitanao ny andriamanitrao dia aza velomina. Ary dia maty tokoa Rahely taoriana kelin’izay. Mampitandrina antsika, eto, ny fihetsik’i Jakoba, ny amin’ny loza fonosin’ny tendrom-po izay mampiteniteny foana tsy amim-piheverana.

Noho izany, dia tsara kokoa ny mamoky ny fanahintsika amin-javatra mahasoa, toy izay hampiasa ny saintsika tsy amim-piheverana ka hahatonga antsika hanao izay tsy mendrika. Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no ahitantsika izany sakafo maha­soa izany: Tahaka ny zaza vao teraka, dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin’izany, ho amin’ny famonjena (1 Petera 2. 2). Hitantsika ao amin’ny zaza rehe­tra, manomboka amin’ny andro ahitany masoandro, izany filàna izany, ary eto Andriamanitra dia manome fampianarana azo ampiharina andavanandro. Ny sakafo voalanjalanja dia antoky ny fahasalamana sy ny fitomboana ary ny filaminan-tsaina; ary dia mila izany isika, amin’izao andron’ny faharavana izao.

Hitantsika teo ny antony iray lehibe mety manimba ny fifan­draisan’ny mpivady kristiana, dia ny fanafenana zavatra amin’ny vady, nefa tokony ho tsotra sy mahitsy eo anatrehan’ny vady sy eo anatrehan’Andriamanitra; ary araka ny fihevitr’An­dria­ma­nitra, dia ny lahy no lohan’ny tokantrano. Tsy tokony hanao zavatra tsy ekeny na afenina azy. Ny fahazaran-dratsy mifanafina amin’ny samy mpivady dia tena mampiana-dratsy ny ankizy. I Jakoba, “ilay mpisoloky”, dia nanafin-javatra sy namitaka ny nano­di­dina azy. Noho izany, ny folo tamin’ireo zanany lahy dia lasa mpa­mi­taka, ary dia nizaka ny vokatr’izany tany amin’ny tany rehetra nalehany, nandritra ny roa amby roapolo taona.

Etsy andanin’izany, inona kosa no nataon’ny vadin’i Manoa taorian’ny nisehoan’ilay anjely taminy? Tsy nitady olona hafa izy, fa tonga dia nanatona ny vadiny. Maneho ny fatokisany tanteraka ny vadiny izany. Tena sambatra tokoa ny vehivavy izay afaka matoky tanteraka ny vadiny, izay azony izaràna ny zavatra rehetra. Ohatra ho antsika koa i Manoa; inona no nataony? Nitodika tamin’Andriamanitra izy, dia nivavaka. Asehony mazava tsara, amin’izany, ny fomba fiarahana amin’Andriamanitra, maha­zatra azy. Ary isika lehilahy manambady ve, mba maha­fan­tatra izany fiombonana iainana andavanandro izany, izany fifan­drai­sana mitohy sy maharitra amin’Andriamanitra izany?

Tsapan’i Manoa ny andraikiny, ary zarainy amin’ny vadiny. Tsy mba nitady “ny hisehoan’ilay olon’Andriamanitra aminy koa” izy, fa dia ataony ho iray izy sy ny vadiny, amin’ny ilazany hoe: Ry Tompo ô, aoka hankatỳ aminay indray ny lehilahin’An­dria­manitra, ilay efa nirahinao, ka hampianatra anay izay tokony hataonay.” Hita tsara, eto, ny firindrana misy eo amin’ny mpivady, amin’ny fanabeazana ny ankizy. Izany fitaizana ny ankizy izany dia adidin’ny ray sy ny reny miaraka, fa tsy natokana ho an’ny iray amin’izy roroa ihany. Tokony hiray hevitra izy ireo ny amin’izay fomba hanabeazana, ka hitady amin’ny alalan’ny vavaka ny fahen­drena ilaina ho amin’izany.

Momba izany indrindra, dia fampitandremana mafonja ho antsika ny tantaran’i Isaka sy i Rebeka: Isaka dia tia an’i Esao, fa i Rebeka kosa tia an’i Jakoba (Genesisy 25. 28). Tsy izany no tokony ho zava-nitranga; niteraka vokatra nahamenatra izany fiangarana sy tsy fitovian-kevitra izany. Nioty ny vokatra mangidy tamin’izany izy mivady sy ireo zanany. Ry ray aman-dreny, ny fitondràntenantsika dia mamboatra sy mamaritra betsaka ny ho toetran’ny zanatsika. Raha mitanila izany, mandeha araka ny fisai­nan’ny nofo, dia mihevitra ve isika fa hahita fifaliana ireo zanatsika ao an-tokantrano? Mandinika antsika izy ireo, ary maka lesona ho azy, avy amin’ny fihetsika ataontsika, na ho amin’ny ratsy izany na ho amin’ny tsara. Ny fankatoavan’ny ray aman-dreny ny Teny, dia mampirotsaka ny fitahian’Andriamanitra ho amin’ny ankohonana manontolo. Marina fa miankina amin’ny faha­soavan’Andriamanitra isika, nefa izany dia tsy manala veli­vely ny andraikitsika ho môdely amin’ny fankatoavana sy ny firai­ke­tam-po amin’Andriamanitra.

Loza iray hafa mananontanona, indrindra fa ny vehivavy, ny tonga ho tia bebe kokoa ny zanany noho ny vadiny. Ao amin’ny Titosy 2. 4, dia tsara ny manamarika ny filaharan’ny fampirisihana ny vehivavy tanora amin’ny fitiavany: ny vady, aloha, izay vao ny zanaka. Raha avadika io fandaharan’An­dria­ma­nitra io, dia ho avy koa ny fikorontanana, miaraka amin’ny voka-dratsiny rehetra.

Mailaka i Manoa sy ny vadiny, nankatò ny tenin’An­dria­ma­ni­tra; ary izany no tsiambaratelon’ny fitahiana ny fiainam-piana­ka­viana. Rehefa tsy mankatò isika, dia tsy misy azon’Andriamanitra atao afa-tsy ny manohitra antsika, na dia zanany aza isika; ny làlan’ny tsy fankatoavana dia fahotana, ary “ny tavan’i Jehovah, tezitra amin’ny mpanao ratsy” (Salamo 34. 16).

Namaly ny vavaka nataon’i Manoa Andriamanitra, ka dia niverina niseho fanindroany. Ny navalin’ilay Anjelin’i Jehovah ny fanontaniana ny amin’ny fomba hitaizana ilay zazalahy kely, dia famerenana indray ny tokony ho fitondràntenan’ny reniny. Dia hoy i Manoa tamin’ilay Anjelin’i Jehovah: Iza moa no anaranao, mba hanomezanay voninahitra anao? (and. 17). Tokony hataontsika lohalaharana mandrakariva ao amin’ny fiainantsika koa, ny fano­me­zam-boninahitra an’Andriamanitra. Manaitra fatratra ny valin-tenin’ilay Anjelin’i Jehovah: Nahoana no manontany ny ana­ra­ko ianao? fa anarana mahagaga izany. Misarika ny sain­tsika ho any amin’ny Isaia 9. 5, izay anambaràn’ny Fanahin’ny famina­nia­na ny Tompo Jesoa hoe: “Ny anarany, atao hoe: Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andria­nan’ny fiadanana.” Araka izany, dia Izy indrindra, ilay Mahagaga, no nanoloana an’i Manoa! Ho antsika amin’izao fotoa­na izao koa, io Tompo mahagaga io dia miahy antsika, mahafoy fotoa­na hanam­py antsika amin’izay manahirana antsika, ao amin’ny adin­tsika sy ny fahoriantsika. Ary ny zavatra ataony dia mahagaga, tahaka Azy ihany koa. Avy eo, rehefa nanatitra ny fanatitra dora­na i Manoa, dia avy tao amin’ny lelafo teo ambony alitara no niakaran’ilay Anjelin’i Jehovah ho any an-danitra. Fantatr’i Manoa ilay nifampiraharaha taminy, ka nihorohoro izy, ary natahotra ny ho faty. Hita tsara, eto, ny maha fanomezana sarobidy ho azy an’ilay vehivavy vadiny. Nahay nanavaka ny zava-panahy noho izy ilay vehivavy vadiny, ka tena mpanolo-tsaina tsara ho azy. Andriamanitra dia te hanome ho an’ny lehi­lahy izay vady tandrify hanampy azy; sambatra izay mahazo mpa­nampy toy izany ka mankasitraka azy indrindra!

Tsy iainantsika isan’andro ve ny fanampiana ataon-dramatoa vadintsika? Afaka manao izany izy, na eo amin’ny lafiny ara-panahy na koa ara-materialy. Vonona ny handray torohevitra ara-panahy ve isika, rehefa tsapantsika fa avy amin’Andriamanitra izany? Zavatra iray tsara marihina koa, dia ny fahaizana man­ka­sitraka noho ny fanampiana omen’ny vehivavy vadintsika. Hain­tsika ve ny maneho izany aminy? Isaorantsika an’Andria­ma­ni­tra isan’andro ny sakafo omeny; fa mba isaorantsika Azy koa ve ny vady nomeny sy ny fahafoizan-tena tsy tapaka asehon’io vady io? Tsy mahataitra antsika akory izany, matetika, na koa raisintsika ho toy ny zavatra mandeha ho azy. Ny toko tsirairay ao amin’ny epistily ho an’ny Kolosiana, nefa, dia mampirisika antsika hahay man­kasitraka; ary kristiana sambatra ireo lehilahy izay mahay man­kasitraka, satria mahatsapa ny zava-tsoa omen’An­dria­ma­ni­tra.

Hitantsika ao amin’ny andininy faha-24 ny nahaterahan’ilay zaza nampanantenaina, dia i Samsona, izay midika hoe “lehila­hin’ny masoandro”. Iza àry no masoandro? Ao amin’ny Salamo 84. 11 dia ahitantsika hoe: Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra.” Eny, ny Tompo tokoa io masoandro io, ary ao Aminy no ahitantsika fahazavana sy fiarovana ho an’ny fiai­nan­tsika. Fanampin’izany, ny masoandro dia maneho hery koa: “Aoka izay tia Azy (...) ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin’ny heriny izy” (Mpitsara 5. 31). Mba hamonjeny ny olony, Andriamanitra dia mbola tsy nanangana olona matanjaka ara-batana toa an’i Samsona. Manantitra mafy io tanjaka ara-batana io ny Tenin’Andriamanitra.

Ary dia tsipihin’ny Fanahin’Andriamanitra mazava tsara (and. 24): dia nitombo ny zaza.” Tena nitombo tokoa izy, satria nihinana sakafo nifanaraka tamin’ny toromarika nomen’ilay anjely, sakafo nifanaraka tamin’ny fifadiana efa nataon-dreniny. Fanon­ta­niana tena manan-danja ho antsika tsirairay ny hoe: Inona ny sakafo omentsika ny zanatsika? Mba misy tenin’ny Tompo Jesoa omen­tsika azy ve, rehefa miara-misakafo iny ny fianakaviana, ary koa ny hariva mandritra ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra? Ndeha averina vakiana izay voalazan’Andriamanitra ao amin’ny Deo­teronomia 6. 6-7: Aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-trano ianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha.” Dia mbola mampirisika toy izany koa Izy ao amin’ny toko faha-11 (and. 19). Ahoana koa ny fomba fam­pitantsika ny Tenin’Andriamanitra, mba ho takatry ny zana­tsi­ka? Vakiantsika ve rehefa tafavory hisakafo isika, ary tsy haza­vai­na akory? Raha izany, dia ho sarotra ho an’ny zaza, matetika, ny hahazo azy, sady tsy hisy vokany akory. Ny zava-dehibe, dia ny aha­fahantsika manatsoaka vatsim-panahy ho an’ny zanatsika, avy amin’ilay andininy novakiana. Arakaraka ny maha-kely ny vatsi­ny no haha-mora latsaka azy ao amin’ny fandrik’i Satàna, izay mitady ny handavo azy. Mizàra maka fotoana, araka izay tratra, ampianarana ny ankizy ho tia ny Tenin’Andriamanitra sy iarahana mitadidy andininy izay mora azon’izy ireo tsara.

Mampalahelo ny mahita ny habetsahan’ny zanaka kris­tia­na tezaina ao amin’ny tsy fahalalana ny sitrapon’An­dria­ma­ni­tra. Dia tokony ho gaga ve isika, raha lasa any amin’izao tontolo izao izy ireo, noho isika tsy nanome sakafom-panahy azy? Koa dieny mbola zaza àry izy, dia aoka hampahafantarintsika ny fa­ha­le­hi­bea­zan’ny Tompo Jesoa, mba tsy ialany Aminy intsony any aoria­na. Ny zanak’i Israely dia nanao ambinambin-javatra ny fitan­ta­ra­na tamin’ny zanany ny fahagagana nataon’Andriamanitra, ta­min’ny nanafahany azy ireo avy tany Egypta. Inona àry no vo­ka­tr’iza­ny? Vakiantsika ny Mpitsara 2. 10: Ary taranaka hafa, izay tsy nahalala an’i Jehovah na ny asa efa nataony ho an’ny Israely, no nitsangana nandimby azy. Mety ho anisan’izany “taranaka hafa” izany koa ve ny zanatsika?

Indraindray isika dia mandre hoe anjaran’ny Sekoly Ala­ha­dy ny miandraikitra izany. Marina fa ilaina ny Sekoly Alahady, nefa tsy midika velively izany, hoe afaka adidy ny ray aman-dreny. Ary tombontsoa ho antsika, aza, amin’ny maha ray aman-dreny antsika, ny mampianatra ny zanatsika mba ahafahany mivoa­tra, no sady miorim-paka ao amin’i Kristy. Ny hazo dia tsy hahatohitra ny rivo-mahery rehetra mandalo, raha tsy efa lalim-paka, ka afaka mitroka avy amina tany tsara izay tsiro ilainy. Mba tian’Andriamanitra ny hamolavola antsika hitovy amin’ny hazo taha­ka izany, isaky ny taranaka mifandimby.

Mazava ho azy, fa tena zava-dehibe tokoa ny mivavaka mba hahavoavonjy ny zanatsika, nefa tsy mijanona hatreo ny asantsika; raha tsy manome azy ny vatsim-panahy isika, dia tsy hahita fahombiazana. Tsy afa-misaraka ireo. Isika rehetra, na ray aman-dreny na zanaka, dia samy mila ny fitarihan’ny Tenin’An­dria­manitra isan’andro.

 

 

Ny fiainan’i Samsona

 

Ndeha isika handinika zavatra sasantsasany nitranga teo amin’ny fiainan’i Samsona. Araka ny andininy faha-25, dia tena tsara fiandohana ny fiainany. “Dia niantomboka nanindry azy indrain­dray ny Fanahin’i Jehovah, tany Mahane-dana, teo anela­ne­lan’i Zora sy i Estaola.” Manazava ny saintsika ny hevitr’ireo anarana ireo. Zora dia midika hoe ‘tanànan’ny fanenitra’. Ary Andriamanitra dia naniraka fanenitra tokoa, handroaka ny faha­va­lo mba handositra eo anoloan’ny Zanak’i Israely (Eksodosy 23. 28; Deoteronomia 7. 20; Josoa 24. 12). Izany dia nampianatra an’ireo Zanak’i Israely fa avy amin’Andriamanitra irery ihany ny hery. Estaola dia midika hoe ‘vavaka’, na ‘hataka’, ka mam­pahatsiahy antsika ny fiankinana. Mahane-dana dia ny ‘tobin’ny fitsarana’, ny toeran’ny fandinihan-tena, ao no ampiharantsika ireo Tenin’ny Soratra Masina manindrontsindrona ny fanahintsika. Tsy afaka ny hitahy antsika ny Tompo, raha tsy ampiharintsika ireo toetra telo ireo. Izay no nitranga tamin’i Samsona, ary mba tokony ho toy izay koa ny amintsika.

Taorian’io fanombohana tena tsara io, dia amin’alahelo kosa no anatrehantsika ny fikororosy fahan’io lehilahin’An­dria­ma­ni­tra io, satria vehivavy telo no nanam-pahefana taminy ka nanam­bany azy, teo amin’ny fiainany, ambara-pahafatiny tany am-ponja.

Ao amin’ny toko faha-14, dia nidina nankany Timna i Samsona, ka nahita vehivavy anisan’ireo zanakavavin’ny Filistina, izay niriny ho vady. Timna dia azo adika hoe ‘anjara voaomana’, ka maneho amintsika, eto, hoe ahoana no nanomanan’i Samsona ‘anjara’ tena hangidy ho an’ny tenany. Ny fitsiriritana dia name­lo­na tao anatiny ny faniriana, ka nanosika azy hanao tsinontsinona ny torohevitry ny ray aman-dreniny, ary dia tsy noraharahainy ny fampitandreman’ny rainy azy. Ho tanteraka eo amin’ny fiainan’i Samsona izay voalaza ao amin’ny Ohabolana 30. 17, hoe: Ny maso izay miandranandrana amin-dray sady tsy mety manaja reny, dia hotsaingotsaingohan’ny goaika eny an-dohasahan-driaka ary hohanin’ny zana-boromahery.”

Akory moa ny fanantitranteran’ny Tenin’Andriamanitra amin­tsika ny tsy tokony hiraisan’ny mpino amin’ny tsy mpino! Ratsy hatrany ny vokatr’izany. Mba irintsika fatratra ve ny hahita ny zanatsika tsy hihevitra, na dia kely akory aza, hanambady tsy mpino? ary mba ampitandremantsika ve izy ireo tsy handia izany làlan’ny tsy fankatoavana izany?

Nampiseho fahalemena ihany ny ray aman-drenin’i Sam­so­na, satria nony farany dia nanaiky hidina tany Timna niara­ka taminy izy ireo. Tatỳ aoriana dia ny rainy ihany sisa no nana­ra­ka azy (and. 10). Nankaiza àry ny reniny? Tsy nanaiky intsony ve izy, ka nampiseho tamin’ny nandàvany tsy hanaraka ny vadiny, ny tsy fankasitrahany ny làlana mivaona nizoran-janany? Tsy haintsika ny valin’izany. Na izany na tsy izany, nefa, ary na dia tokony han­ja­ka mandrakariva eo amin’ny mpivady aza ny fifa­na­ra­han-tsaina, dia mety hisy ny toe-javatra izay tsy tokony hanao­va­na mari­ma­ritra iraisana. Tokony hanjaka ao am-po sy ao an-tsaintsika man­dra­kariva ny sitrapon’Andriamanitra.

Ao amin’ny fiandohan’ny toko faha-16, dia hitantsika fa niditra tao an-tranona mpivaro-tena iray i Samsona. Na dia ny mpanompon’Andriamanitra, aza  —eto, dia mpitsara ny Israely—, dia mety ho latsaka amina fahalavoana toy izany, ary tsy tokony hohamaivanintsika izany loza mananontanona izany. Ambaran’i Jehovah fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohe­lo­hin’Andriamanitra” (Hebreo 13. 4), ary araka ireo làlana fiton­dràn’ny Tompo, i Samsona dia tsy maintsy hizaka ny vokatry ny fitsaràna azy toy izany.

Farany, i Delila no vady fahatelo teo amin’ny fiainan’i Sam­so­na. Toa tsy mba nandray fananarana avy tamin’ny toe-javatra niseho teo aloha mihitsy izy, raha tsy niraraka tamin’ny tany ny randrany fito. Rava ilay mariky ny maha-voa­ho­so­tr’Andriamanitra azy, very ilay loharanon’ny heriny. Nopotserina ny masony, ary dia tsy nahita ny mazava intsony ilay “lehilahin’ny masoandro”. Nahoana àry? Satria nandeha araka ny sitrapony izy, fa tsy mba nety nihaino. Inenina no amakiantsika momba azy, hoe “nidina izy”. Tena mampisaintsaina koa ny mahita fa noho ny fiton­dran’Andriamanitra azy no nanesorany izay mety ho fandrika ho azy, dia ny masony. Tsy nilaza ve izy hoe: Nahita aho… izy no mahafinaritra ahy (14. 2-3)? Mba ho fampitandremana ho antsika, anie, izao nahazo an’i Samsona izao!

Mahatsikaritra ve isika, rehefa mamaky ny faran’ny tan­ta­ran’i Samsona, hoe taiza izy no tsy maintsy nandany ny androny sisa, nony latsaka teo an-tànan’ny fahavalony? Tany Gaza, voafatotra tamina rojo vy, tao amin’ny trano figadrana, ary nitoto koba. Niala taminy ilay fatanjahany mahagaga, ary ny hery kely sisa mba nananany dia nanompoany ireo fahavalony, izay efa resiny foana hatrizay. Nefa tao amin’io toerana io indrindra, dia Gaza, no nandehanany tany am-boalohany tamin’ny nahim-pony, ka nandraisany “ny vavahadin’ny tanàna mbamin’ny tolàna roa, dia nongotany izy mbamin’ny hidiny ka nataony teny an-tsorony, dia nentiny ho any an-tampon’ny tendrombohitra izay tandrifin’i Hebrona” (16. 3). Nahoana ny Fanahy Masina no misarika ny saintsika amin’i Hebrona, eto amin’ity tantara ity? Tokony ho tadidin’i Samsona fa tany aloha tany ny razambeny dia niaina tao amin’io tanàna io, feno fiadanana sy fitahian’ilay Andriamaniny. Inona sisa ny amin’ity mpanompon’Andriamanitra ity, dia ilay mpi­tsara ny Israely? Nataony tsinontsinona ny fiombonana tamin’ilay Andriamaniny, ary tafalatsaka lalina tao amin’ny faho­tana naha­sa­ri­ka azy izy!

Teo ambany fitondràn’Andriamanitra no nijinjan’i Samsona ny voka-dratsin’ny fitondràntenany; na izany aza, noho ny famin­dràmpon’i Jehovah, dia tsy nandao azy Izy. Tao amin’ny naha­fa­tesany no nanomezany azy ny fandresena goavana indrindra. Manao ahoana re io Andriamanitsika io! Fahavelony i Samsona dia nidina hatrany amin’ny ambany indrindra, ary nony maty izy, “ny rahalahiny… nitondra ny fatiny niakatra, dia nandevina azy teo anelanelan’i Zora sy i Estaola, tao amin’ny fasan’i Manoa rainy. Ary izy efa nitsara an’i Israely roapolo taona.”

Tao amin’ilay toerana nanombohany ny asany no nisy ny fasany. Ny fiafaràn’ny tantarany dia mampahatsiahy ireo anarana mifono famantarana tamin’ny niandohany: ny herin’Andriamanitra (Zora), ny fiankinana (Estaola) ary ny fitsarana ny nofo (Mahane-dana). Raha nirakitra ireo rehetra ireo tao am-pony i Samsona, dia tsy ho nitsahatra alohan’ny fotoana toy izao ny fanompoany.

Tiantsika ve ny hametraka ny fiainantsika manokana sy ny an’ny fianakaviantsika eo ambany fitahian’Andriamanitra? Ka ny androntsika ho toy ny faharetan’ny lanitra ambonin’ny tany? (Deoteronomia 11. 21). Raha izany, dia tazony tsara ireo fam­pia­na­rana lazain’ny Teniny. Faniriany ny hahita antsika ho sambatra. Antsika ny safidy, na ny hiaina izany atao hoe fiainam-piana­ka­via­na sambatra, na ny tokantranontsika ho toy ny an’ireo rehetra izay tsy nahomby.


  1. NY FIFANDRAISAN’NY MPIVADY

Efesiana 5. 19-29

 

Ny antso avy any an-danitra

 

Mety manaitra antsika ny hoe ao amin’ny epistily ho an’ny Efesiana no maro indrindra ny teny momba ny fifandraisan’ny mpivady sy ny fifandraisa ao amin’ny fianakaviana. Ny fame­la­be­la­rana mikasika ny foto-pampianarana hita ao amin’io epistily io, mihoatra noho ny hafa rehetra, dia maneho ny tanjon’An­dria­ma­ni­tra ho amin’ny mandrakizay, momba an’i Kristy sy ny fiangonana. Avy amin’Andriamanitra, ilay Rain’ny voninahitra, avokoa, ny zava­tra rehetra hita ao. Ny loharanon’ny fanirian’ny fony no aseho mia­loha, fa tsy ny toeram-pahaverezana misy antsika, toy ny ao amin’ny epistily ho an’ny Romana. Ny toko 1 dia mampa­ha­fan­ta­tra ny toeram-boninahitra misy antsika ankehitriny eo anatre­han’An­driamanitra, tsy toy ny zanaka fotsiny, fa tena zanaka maha­lala ireo fikasàn’Andriamanitra. Ny toko 3 dia maneho amin­tsi­ka ny toerana ametrahany ny fiangonana, ary dia i Paoly no nomena hampahafantatra izany zava-miafina izany. Ny mpinon’ny vanim-potoanan’ny fahasoavana no mandrafitra izany fiangonana izany, dia ilay vadin’i Kristy, ho mandrakizay. Mifampizara ny za­va­tra rehetra Aminy isika, noho ny nanolorany ny tenany ho azy.

Ny Fanahin’Andriamanitra àry no maneho antsika io tan­jo­na mandrakizay any an-danitra io, ho môdely ho an’ny fifan­drai­san­tsika ao amin’ny fanambadiana. Noho izany, ny fahazavan’ny fikasàn’Andriamanitra, araka ny haben’izany manontolo, dia ana­za­va­na ny tokantranontsika. Ny fomban’izao tontolo izao ve, sa ny Tenin’Andriamanitra, no manan-danja ho antsika sy ho an’ny fianakaviantsika? Ny fomban’izao tontolo izao, araka ny efa nahi­tan­tsika azy, dia mifototra amin’ilay hevitra tokana hoe samy manao izay heveriny ho mety ny tsirairay. Ny vokatr’izany fomba fiainana izany, araka izay efa voalazantsika ihany, dia ny fitom­boana mahatsiravin’ny isan’ny fisaraham-panambadiana, ary zara raha azontsika an-tsaina ny fahoriana miafina ao ambadiky ny tsirairay amin’ireny. Ny foto-kevitra napetrak’Andriamanitra kosa dia ity: Izay mandinika ny teny no hahita soa (Ohabolana 16. 20). Ny hoe “mandinika ny tenin’Andriamanitra” dia midika hoe mampihatra azy ka manary ilay sitrapontsika manokana, izay loha­ranon’ny ny fahasahiranana rehetra, ary koa manaiky ny fahe­fan’i Kristy, amin’ny maha-Tompo Azy. Izay olona manao izany dia hahita ny fitahian’Andriamanitra, ao amin’ny fiainany manon­tolo.

Ny epistily ho an’ny Efesiana, manomboka ao amin’ny 5. 22 ka hatramin’ny 6. 9, dia ahitantsika karazam-pifandraisana telo, mampiseho ny foto-kevitr’Andriamanitra, izay azontsika ampi­ha­ri­na sy tokony hampiharintsika.

— Fifandraisan’ny mpivady;

— Fifandraisan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka;

— Fifandraisan’ny mpampiasa sy ny mpiasa.

Ao amin’ny 5. 19-21 dia misy zavatra roa manan-danja ampitaina amintsika, mikasika ireo fifandraisana ireo.

 

 

Ny toetran’ny fo

 

Voalohany indrindra, Andriamanitra dia miresaka momba ny fontsika sy izay tokony ho hita ao anatiny: “mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an’ny Tompo, misaotra an’Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika.” Io epistily io, izay mitanisa toetra fito momba ny fo, eto, dia miresaka ny amin’ny fo misaotra. Azo antoka fa ny fiainana ao an-tokantrano sy ny fifandraisana any am-piasana dia miteraka olana, nefa izany fiainana tsy maintsy andalovana izany dia tsy tokony hanakana antsika tsy hisaotra sy hidera an’An­dria­ma­ni­tra. Izay mpino mahay mankasitraka dia mpino sambatra. Ahoana no anombohantsika sy amaranantsika ny tontolon’an­dron­tsika? Ny mihira sy mankalaza an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo dia mampiseho antsika hoe mankasitraka Azy sy miva­vaka aminy. Rehefa maraina, tonga ve ny vavaka dia atom­bo­tsika amin’ny filazana izay manahirana antsika, sa ny asa vitan’ny Tompo teo amin’ny hazofijaliana, aloha, no mameno ny sain­tsika? Ny fisainantsika ny momba Azy sy izay nataony, mantsy, dia mitondra antsika hisaotra sy hivavaka, ary izany no toetran’ny fo tsara indrindra mba ahafahantsika mahafantatra ny làlana itarihany antsika, eny na ny mikasika ny fifandraisana anda­vanandro eo amin’ny fianakaviana aza. Tsy ny tarige­tran­tsi­ka manokana, na dia tena ambony sy tsara aza izany, no ha­na­ma­rika ny rivotra iainana ao an-tokantranontsika, fa ny fana­tre­han’ny Tompo tenany mihitsy.

 

 

Ny fankatoavana

 

Faharoan’izay, Andriamanitra dia miresaka amintsika mom­ba ny fanoavana: “sady mifanaiky amin’ny fahatahorana an’i Kristy.” Raha ny toetra voajanahary ao anatintsika, dia sarotra ho antsika ny manaiky, ary tsy vitantsika izany raha tsy ao ny fata­ho­ra­na an’i Kristy, izay hamboatra ny toetra sy izay ho fetran’ny fane­kentsika. Fanirian’Andriamanitra ny hanajantsika ny Teniny sy ny hatahorantsika ny hanao na inona na inona tsy hahafaly Azy. Ao amin’ny fifandraisantsika andavanandro no ahafahantsika maneho fa tena manana fiainana kristiana isika, ary haha­fan­ta­ra­na koa raha tena tiantsika ny hiaina araka ny fihevitr’An­dria­ma­ni­tra.

Isika rehetra dia samy mahafantatra amin’ny amban­go­van­gony ireo fampianarana omen’Andriamanitra ao amin’ny Efe­sia­na 5. Na izany aza, nefa, dia ahitana tombontsoa lalandava ny mba mandinika izany sy manontany tena hoe: Inona àry no lazain’Andriamanitra amiko androany, amin’ny alàlan’ny Teniny? Ary dia hitantsika ao hoe: Ianareo vehivavy, maneke ny va­di­na­reo, tahaka ny anekena ny Tompo. Fa ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no lohan’ny fiangonana; ary Izy no mpa­mon­jy ny tena. Fa tahaka ny aneken’ny Fiangonana an’i Kristy no haneken’ny vavy ny lahy koa, amin’ny zavatra rehetra (and. 22-24). Raha miteny tahaka izany amin’ny vehivavy Andriamanitra, dia satria tsy tena manavanana azy ny fanekena. Nefa izany fanekena tokony hasehony amin’ny vadiny izany dia tsy natao ho an’ny lehilahy hafa. Ao amin’ny Tompo ihany, izay aseho eto ho fahefana faratampony, no tena ahafahana manatanteraka izany. Araka izany, na ho an’ny lahy na ho an’ny vadiny, dia ny fahefan’ny Tompo[1] no lohalaharana sy mahatonga ny fifan­drai­san’izy mivady hanana ny tena lanjany. Rehefa samy manaiky ny fahefan’ny Tompo izy roa, dia tsy ho sarotra ho an’ny vavy ny hanaiky ny lahy, ary tsy ho lasa hanjakazaka fahatany ny lahy. Eny, kianina ny fanoavan’ny vehivavy, tsy ao amin’izao tontolo izao ihany, fa ao amin’ny tontolo kristiana koa; resahina ny five­la­ra­na sy ny fanafahana ny vehivavy, nefa tsy miteny toy izany ny Tenin’Andriamanitra. Tsy mitondra fitahiana ny fanafahana ny vehi­vavy, fa vao mainka aza mampiditra fikorontanana, ady, faha­ra­van’ny tokantrano, ary vokatr’izany, dia fahoriana.

Tsara homarihina ny famerimberenan’ny Testamenta Vao­vao io fanoavan’ny vehivavy io. Ndeha aloha vakiana ny ao amin’ny 1 Korintiana 14. 34-35: “Aoka hangina ny vehivavy, raha ao am-piangonana; fa tsy avela hiteny izy, fa aoka hanoa tsara ara­ka ny lazain’ny lalàna koa. Ary raha misy tiany hianarana, dia aoka izy hanontany ny lahy raha mby any an-trano, fa maha­me­na­tra raha miteny ao am-piangonana ny vehivavy.” Araka izany, dia hamafisina ireo zavatra voalaza tao amin’ny Testamenta Talo­ha. Nefa izany fampirisihana izany dia mahakasika an-kolaka ny lehilahy koa, satria raha hanontany ny vadiny ny vehivavy any an-trano, dia tokony efa nahazo mazava tsara ilay Tenin’An­dria­ma­ni­tra, izany, ny lahy. Fantatsika ve ny Baiboly, mba ahafahantsika ma­maly ireo fanontaniana apetraky ny vadintsika? Tsy ampy ny famakiana andininy tsindraindray, tokony handalina ny Soratra Masina amin’ny antsipiriany isika, mba ahafahantsika mamaly marina tsara ny fanontaniana. Firifiry moa, amin’ireo vehivavy tia fivavahana, ny mijaly tsy mahazo fanampiana ara-panahy avy amin’ny vadiny, noho izy ireto tsy dia miraika firy amin’ny Tenin’An­driamanitra sy ny fihevitr’Andriamanitra!

Mahita andininy faharoa manan-danja koa isika, ao amin’ny 1 Timoty 2. 11-12:Aoka ny vehivavy hianatra mangingina ka hanaiky tsara, fa ny vehivavy tsy avelako hampianatra na hana­paka ny lehilahy.” Io dia foto-kevitra manan-danja nomen’An­dria­manitra: tsy tokony hanapaka ny lahy ny vavy, satria tsy tian’Andriamanitra hanao izany, ary dia omeny ny antony, ao amin’ireo andininy manaraka. Koa hifanohitra amin’ny heviny, izay efa nambarany mazava tsara, ny fanaovana izany. Moa ve tsy misy tokantrano kristiana ahitana vehivavy miandraikitra zava­tra mihoatra noho ny tokony ho anjarany?

Hitantsika koa, ao amin’ny Titosy 2, ny sehatra aha­zoan’ny vehivavy kristiana efa zokinjokiny manome ohatra tsara, amin’ny fampianarana ireo mbola zandrinjandriny. Ny lazainy fara­ny amin’ireo lohahevitra fito tanisainy ao, dia ny hoe: hanaiky ny vadiny” izy, ary tena lehibe ny antony ambaran’ny apostoly, hoe: mba tsy hitenenana ratsy ny Tenin’Andriamanitra (and. 5). Ny bokin’ny Ohabolana 14. 1 dia milaza fa ny vehivavy hendry dia samy manao ny tranony, fa ny adala kosa mandrava ny tranony amin’ny tànany.” Raha misy fanambadiana tsy miorina eo amin’ny Tenin’Andriamanitra, izay tsy azo hozongozonina, dia loza mahatsiravina no mananontanona azy. Aoka àry isika hitan­dri­na, mba tsy isika ihany no hanimba ny hasambarantsika amin’ny tanantsika, ka hahavery ilay fitahiana tian’Andriamanitra hafeno antsika.

Voasoratra ihany koa ao amin’ny Kolosiana 3. 18 ny hoe: Iana­reo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo.” Noho izany, ny faneken’ny vehivavy dia tsy faha­faham-baraka velively, fa kosa tena firavaka ho azy, noho izy manome voninahitra ny Tompo.

Ary farany, misy tsongandahatsoratra fahadimy izay entin’ny apostoly Petera ilazàna ny momba io fanekena io: Toy izany koa, ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voa­tao­nan’ny fitondràntenan’ny vavy izy, na dia tsy amin’ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny), rehefa hitany ny fahadiovan’ny fitondràntenanareo amin’ny fatahorana. Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana, fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lo, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason’Andriamanitra. Fa tahaka izany no niravahan’ny vehivavy masina fahiny, izay nanantena an’Andriamanitra sady nanaiky ny vadiny (1Petera 3. 1-5). Misy fampianarana roa lehibe, azo raisina avy amin’izany: voalohany, ny fitondràntenan’ny vehivavy dia mety ho fijoroana ho vavo­lom­be­lo­na; ankoatra izany, misy vidiny lehibe amin’Andriamanitra ny halemem-panahy sy ny fahatoniana. Noho ny toetra voajanahary ao anatintsika, dia tsy mora hatrany ny manatanteraka izany fitsipika izany. Aoka nefa ho fantatry ny vehivavy fa izany toetra izany dia manome voni­na­hi­tra ny Tompo, mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra.

Manaraka io andininy notanisaina teo io, dia mitantara mom­ba ny vehivavy iray ao amin’ny Testamenta Taloha ny apos­to­ly Petera, ary manambara tsara ny aminy. I Saraha, vadin’i Abrahama, no ohatra omeny antsika. Eo anatrehan’i Jehovah dia antsoiny hoe “tompo” ny vadiny. Ny irin’Andriamanitra dia tsy fanoavana ivelany fotsiny ihany, fa fanekena avy ao am-po. Tsy mandidy velively ny vehivavy hankatò anjambany Izy, fa hanoa. Fa raha i Saraha no ataontsika ohatra, dia asehon’Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha, fa ilay hevitra naposany mikasika an’i Agara dia nisy akony ratsy, teo amin’ny taranak’i Abrahama. Andriamanitra tenany no mametraka fetra ny amin’ny fanekena, araka ny hita ao amin’ny Efesiana 5. 22, tahaka ny anekena ny Tompo. Nony nisy mosary tao amin’ny tany Kanana, dia nihena hery ny finoan’ilay olon’ny finoana. Naleony nidina tany Egypta, araka ny nahim-pony, toy izay nikaroka ny fitarihan’Andriamanitra. Fandrika, nefa, ny fatahorana olona (Ohabolana 29. 25), ary dia nifandamina tamin’i Saraha izy, ny mba ilazan’i Saraha hoe anabaviny. Marina tapany io, nefa manoloana ny tranga eto, dia nanjary tena lainga entina hamitahana. Noho io lainga vokatry ny fitiavan-tenan’i Abrahama io, dia navelany ho an’i Farao ny vadi­ny, ary raha tsy niditra an-tsehatra Andriamanitra, dia ho nafoiny mandrakizay ny vadiny. Taona maromaro tatỳ aoriana, dia mbola namerina izany fihetsika izany ihany izy ireo, tany Gerara, teo anatrehan’ny Filistina. Samy nanota izy mivady, teto: tsy ampy finoana i Abrahama, ka nandidy ny vadiny hanafina ny rohy misy amin’izy ireo; ary i Saraha dia nanaiky ny vadiny mihoa­tra noho ny tokony ho izy. Dia toy izany koa ankehitriny, misy fetra ny fane­ken’ny vehivavy kristiana ny vadiny. Raha toa ny vadiny ka mandidy azy hanao zavatra tsy araka ny sitra­pon’An­dria­manitra, dia afaka mandà izy, ary tokony handà. Ny mifa­no­hi­tra amin’izany aza, mahafinaritra tokoa ny mahita ny vehivavy afa­ka tena manam­py ny vadiny, amin’ny trangan-javatra toy ireny. Ho antsika lehilahy izay mora taitaitra rehefa manao zavatra, ka tafiditra any amina làlan-diso, dia tena ilaina tokoa ny torohevitry ny vady tia mivavaka. Toy izany koa, rehefa tsy manam-pahen­dre­na isika any amin’ny fivoriana, ekentsika ve, ohatra, ny toro­he­vi­try ny vadintsika milaza hoe lava vavaka loatra isika?

 

 

Kristy, ilay môdely tonga lafatra

 

Ndeha hiverina hijery ny Efesiana 5. Milaza ny apostoly hoe: maneke … tahaka ny anekena ny Tompo.” Io indrindra ny fatra, ary miaraka amin’izany, ny fahamboniana fonosin’ny fanoa­va­na. Ary ao amin’ny andininy faha-23 no anomezany ny voto­a­tin’izany, araka an’Andriamanitra: Fa ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan’ny Fiangonana, ary Izy no mpamonjy ny tena. Araka izany, amin’ny fanaovan’ny lahy an’i Kristy ho môdeliny no hahalavorary ny andraikiny amin’ny maha lohan’ny vavy azy. Kristy no mpamonjy ny tena[2], izany hoe ny Fiangonana. Ny fanolorany ny tenany ho azy dia tsy tamin’ny andro lasa ihany, fa mbola manohy mikarakara azy koa Izy, an­ke­hi­triny. Manolokolo ny Fiangonana Izy; dia tahaka izany koa ny lahy, tokony hiahy izay hahasoa ny vadiny ary hanampy azy amin’izay zava-mitranga rehetra. Izao no fanontaniana tena mi­pe­tra­ka amintsika lehilahy: Rehefa manana adin-tsaina na alahelo ny vadintsika, mba tsikaritsika ihany ve? Mety mijaly mangina izy, nefa tsy tsinjontsika izany. Mora amintsika lehilahy ny tsy mitodika afa-tsy amin’ny tenantsika, mifantoka amin’ny tenantsika, hany ka tsy tsikaritsika akory izay mety manahirana ny vadintsika. Ny hariva isika, rehefa mody ao an-trano, reraky ny asa, dia mihe­vi­tra fa azon’ny vavy izany zavatra izany, ary dia miandry azy hika­ra­kara. Fa mba tsapantsika ve hoe mety ho reraka ihany koa ny vadintsika, ka tokony hokarakaraintsika toy izany koa?

 

 


Famafazana mampalahelo

 

Hiverina kely amin’ny tantaran’i Abrahama sy ny taranany isika, hamarana ny resaka fanoavana, ka haka fampianarana miainga avy amin’ny Efesiana 5. 24. Raha notoavin’ny vadiny sy nohajainy i Abrahama amin’ny maha-loham-pianakaviana azy, dia nahitana fihemorana sy tsy fanajana kosa teo amin’ny zananilahy sy ny zafikeliny, Isaka sy Jakoba. I Rebeka, vadin’i Isaka, dia ninia nanao fitaovana ny zanany, hamitahana ny vadiny, ka nanim­ba ny tao an-tranony. Tamin’ny fahatanorany izy dia nano­me ohatra tsara ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, ka tonga isan’ireo kisarisary tsara indrindra maneho ny Fian­go­na­na, ao amin’ny Testamenta Taloha. Nampalahelo, nefa, fa nami­taka ny vadiny izy tatỳ aoriana, ary vokatr’izany dia voatery nandao ny tranon-dray aman-dreniny i Jakoba, ka tsy nihaona tamin-dreniny intsony. Taiza àry no nianaran’i Rebeka mandain­ga? Ny vadiny dia nandainga tamin’ny Filistina, hoe anabaviny izy. Ary ny vadiny kosa, taiza no nianarany mandainga? Izy koa ve tsy nahazo ohatra ratsy tamin’i Abrahama rainy? Niantomboka tamina voa ratsy nafafin’i Abrahama ireo rehetra ireo, voa ratsy nitera-boka-dratsy tamin’ny zanany sy ny zafiny, araka ny hitan­tsi­ka tao amin’i Isaka sy i Jakoba. I Jakoba mpamitaka, “ilay mpi­so­so­ka” hatry ny nahaterahany, dia mba voafitaka imbetsaka koa. Rahely vadiny dia namitaka azy, ary toa tsy tsikariny akory izany. Namitaka azy koa i Labana, rafozandahiny, ary farany, dia nanao toy izany koa ny zananilahy folo, nampitondra ny akanjon’i Josefa teo aminy sady nandainga teo imasony. Nandritra ny 22 taona no nijaliany mafy noho io fitaka mahonena io. Nangidy tokoa izany vokatra izany, ary mampatsiahy antsika ilay foto­ke­vitr’An­dria­ma­ni­tra milaza fa izay afafin’ny olona no hojinjainy (Galatiana 6. 7).

Inona àry no fositra niandohan’ireo famitahana nifanesy tao amin’ny taranak’i Abrahama ireo? Voalohany indrindra, efa notsipihintsika teo aloha ny tsy fahampian’ny fatokian’i Abrahama an’Andriamanitra, ka nidinany tany Egypta, tsy nanontany akory ny sitrapon’Andriamanitra; ary vokatr’izany izy dia tonga nanery an’i Saraha hanana fitondràntena tsy mahitsy teo anatrehan’ny Egyptiana. Faharoa, dia teo koa ilay fankatoavana anjambany sady tafahoatra nataon’i Saraha. Fahatelo, dia ny finiavan’i Re­be­ka tsy ahafantatra sy fanaovany tsinontsinona ny fahefan’ny loham-pianakaviana. Ary isika, “voa” manao ahoana no am­pi­tain­tsika amin’ny zanatsika sy ny zafikelintsika? Tsara ve sa ratsy ny ohatra asehontsika azy ireo?

Ny tantaran’i Mosesy ao amin’ny Eksodosy 4. 24-26, koa, dia mirakitra torohevitra mampitandrina antsika. Teny an-dàlana hiverina any Egypta, dia “nitsena azy Jehovah ka nitady hamono azy.” Inona no antony, nefa nankatò Azy izy, tamin’izany? Satria nisain’Andriamanitra ny fisian’i Zipora vadiny. Nitsipaka mafy ny famorana ny zananilahy io vadiny io. I Mosesy te hanaiky an’An­dria­manitra; ny vavy, nefa, nanohitra. Nila niditra mivantana an-tsehatra Andriamanitra, vao nitsahatra ny fanoheran’ilay renin-jaza. Aoka isika tsy hitsaratsara an’i Zipora, fa handini-tena sady hanontany tena ny amin’ny lesona tian’Andriamanitra hampia­na­ri­na antsika, amin’ny alàlan’ireny tantara ao amin’ny Testamenta Taloha ireny. Tsy afaka mandeha araka ny nahim-pontsika isika, momba ny zavatra napetrak’Andriamanitra ao amin’ny Teniny, ka tsy hitanty ny vokatr’izany.

 

 

Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo…

 

Manomboka ao amin’ny Efesiana 5. 25, dia mivantana amin’ny lehilahy ny Teny: Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny Fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, … mba horaisiny ho an’ny tenany izany ho fiangonana malaza, tsy misy pentipentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy. Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany.

Anisan’ireo andinin-tSoratra Masina tsara indrindra ireo. Noho ny fitiavan’i Kristy no nanolorany ny tenany ho an’ny Fian­go­nana, nanomezany izay rehetra nananany, hatramin’ny tenany, mba hividianany ilay vatosoa tena sarobidy (Matio 13. 46). Nefa tsy tamin’izany ihany no niseho feno ny fitiavan’ny Tompo. Amin’izao fotoana izao Izy dia manamasina sy manadio ny fian­go­na­na amin’ny alàlan’ny Teny, itsinjovany ny andro izay handrai­sa­ny azy am-boninahitra ho an’ny tenany. Io fifandraisana feno fitiavana io, izay tsy hivalamparantsika aloha, izao, no filamatra ampitahana ny fitondràntenan’ny lehilahy. Marina fa refy avo dia avo izany, saingy tsy afaka nanome latsak’izany Andriamanitra: “Tahaka an’i Kristy!”

Tsy misy amintsika, na dia iray aza, nahatratra izany haavo izany. Tokony hekentsika fa tena lavitra ny fatran’ny fitia­van’i Kristy ny fitiavantsika Azy. Ao amin’ny Testamenta Talo­ha, dia vitsy ireo lehilahy nolazain’Andriamanitra fa tia ny vadiny. Ao amin’ny 1 Samoela 1 dia lazainy fa i Elkana tia an’i Hana vadi­ny. Mba ho afaka miteny toy izany momba antsika tsirairay ve Izy? Fankasitrahana maningana koa no ambarany, mikasika lehi­la­hy iray izay tsy ho noeritreretintsika akory, dia i Jakoba, izay lazainy intelo fa tia an-dRahely. Fantatr’Andriamanitra izany, ary hitany fa tsara ny manamarika izany amintsika. Ankoatra izany, dia voalaza koa i Isaka fa tia an’i Rebeka vadiny. Tamin’ny vao nivady izy ireo, dia nomeny ny vadiny ny fitiavany manontolo. Indri­sy nefa, tatỳ aoriana, fa nitongilana tany amin’ny hanim-py ny fony, ka tsy nisy Teny momba ny fitiavany ny vadiny intsony. Ary ahoana ny amintsika? Angamba nitia ny fofombadintsika isika, saingy nony vita ny mariazy, nihanangatsiaka ve ny fitiavantsika sa nihamafy orina, nihalalina? Izay mandray ny vadiny ho fano­me­zan’ny Tompo ho azy, dia hitombo fitia hatrany ho azy sady hahay maneho izany aminy. Indrisy fa maro ny mpivady no mitovy amin’i Isaka sy i Rebeka, ary dia fahavoazana toy inona re izany!

 

 

Ny fisehon’ny fitiavana

 

Ao amin’ny Kolosiana 3. 19, ny lehilahy dia ampirisihana hitia ny vadiny sy tsy ho sosotra aminy; midika izany fa mety hanao izany izy ireo! Misy lehilahy lasa masiaka ratsy sy tsy manaja, nefa tsy mahatsapa izany akory. Nandritra ny fifa­mo­foa­na, nefa, dia tena naneho fitiavana izy ireo, nahay miresaka, nahafantatra izay andrasan’ny olon-tiany aminy, ary mpanampy nahafatra-po. Inona sisa tavela, tamin’izany? Rehefa nivady kelikely, indreo ireny lehilahy ireny fa tsy mihevitra afa-tsy ny hotom­poina ary sahy, tsy misy henatra, ny ho tezitezi-poana. Marina fa ny lehilahy no lohan’ny fianakaviana ka miantsoroka izany andraikitra izany, nefa tsy misy mihitsy tenin’Andriamanitra mampirisika azy hanararaotra izany toerany izany, manoloana ny vadiny. Ny mifanohitra amin’izany, aza, no vao mainka ampi­ri­si­hana antsika, dia ny hitia tahaka ny nitiavan’i Kristy. Naidin’An­dria­manitra ao am-pontsika ny fitiavany, tamin’ny alalan’ny Fana­hy Masina, ary tombontsoa lehibe ny fahafahana maneho izany fitiavana izany. Nivavaka ho an’ny Efesiana ny apostoly Paoly, ao amin’ny 3. 17, mba “hamaka sy hiorina mafy amin’ny fitiavana” izy ireo, ary raha mivelona amin’izany fitiavan’Andriamanitra izany isika, dia afaka ny hanovo izay hery rehetra ilaina. Ny fitiavan’ny lahy ny vadiny dia miseho amin’ny famelomany sy ny fanka­ma­mia­ny azy, tahaka ny ataon’i Kristy, ary izany dia mahakasika na ny lafiny ara-panahy na ny ara-nofo. “Mamelona sy mankamamy”, izany no adidy voalohany miandry ny lehilahy, satria izy no nanan­kinana ny fiainam-pianakaviana, avy amin’ny asa ataony. Sehatra manokana nomena ny vehivavy ny fikojakojana ny ao an-tokantranony.

Na dia nanjary tsy nomena hasina loatra aza, ankehitriny, ny vehivavy mijanona ao an-trano mikarakara ny ankohonany, dia tsy miova kosa ny hevitr’Andriamanitra mikasika izany. Efa voa­so­ra­tra ao amin’ny Titosy 2. 5 ho an’ny vehivavy tanora fanahy ny hiasa ao an-tranony.

Nosoratan’Andriamanitra izany fandaminana izany, tsy hoe hanoherana ny vehivavy, fa satria mifono fiarovana ho azy ireo izany. Maro herehina ny vehivavy tompon’andraikitra ao an-tranony sady renim-pianakaviana. Tamin’ny fotoana nandraisan’i Abrahama ireo vahiny avy any an-danitra, dia nitoetra tao an-dainy i Saraha, nanao ny asa aman’andraikiny tao an-tokantrano, tao amin’ilay toerana maha mpanampy mahatoky ny vadiny azy.

 

 

Ireo fototra ara-môralin’ny fitahiana

 

Ao amin’ny Efesiana 5. 28 dia manohy i Paoly hoe: “dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny.” Tsy hoe fahombiazana, na resaka isehosehoana, ny fitiavantsika ny vadin­tsika, fa adidy voa-janahary: nefa tsy tokony hanontany tena ve isika hoe: marina amiko ve izany? Manokana fotoana ho an’ny vadintsika ve isika, sa dia variana any ivelany any, mitady izay mahasoa antsika na koa miala voly? Aleo dinihina lalina izay lazain’ny apostoly Petera ao amin’ny epistiliny voalohany 3. 7, “Ary toy izany koa, ianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoa­van’ny fiainana, mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.” Zava-dehibe telo no ampitain’io andinin-tSoratra Masina io amintsika:

— Aoka hiara-mitoetra amin’ny vady araka ny marina isika, izany hoe, mahatsapa tsara ilay fifandraisana anaty misy amin’ny mpivady; izay manatanteraka izany teny fampirisihana izany dia tsy handao lava ny tokan­tra­nony.

— Aoka hieritreritra azy ho fanaka malemilemy kokoa isika; noho izany, dia aoka hitandrina tsara amin’izay hatao aminy. Tsy mitovy ny fomba fieritreretana sy ny faha­tsapan’ny vehivavy sy ny lehilahy zavatra iray.

— Aoka tsy hanambany azy amin’ny zavatra ataony isika, fa mainka kosa hanome haja azy, satria ianareo samy manana ilay tombontsoa tsy manan-tsahala, dia ny fan­do­vana ny fiainana mandrakizay.

 

Ireo dia fepetra apetraky ny Tenin’Andriamanitra, mba tsy ho voasakana ny fivavahantsika, fa mba hisy vokany. Ny amin’izay indrindra, dia te hiresaka momba ny mpivady iray izay aho, ravehivavy mbola tanora nefa dia tena efa reraka no sady tsy salama loatra. Ny hariva, amin’ny fotoana fanariana ny fako ao an-trano, dia maka aina tsara sady mamaky boky eo ambony seza lava ralehilahy, ary dia mamela ilay vadiny hibata irery ny enta-mavesatra. Izany ve no fanomezana haja azy? Tsia dia tsia tokoa. Ny andro rehetra iainantsika dia tokony hohararaotina itia­va­na ny vadintsika, amelomana azy, itoerana eo anilany, ary anome­zana haja azy. Mahavita izany ihany isika indraindray, nefa mety manao izany an-tsirambina ihany koa. Aiza àry ny ho tambin-kasasarantsika rehefa hanatrika ny fitsaràn’i Kristy isika?

Ny mamelona sy mitia dia mahakasika ny lafiny ara-panahy koa. Raha tsy efa voaraintsika ho antsika manokana izany hafatra izany, dia tsy afaka ny mizara azy amin’ny hafa isika. Tokony hatao ny iray, ary tsy azo hadinoina ny iray hafa. Inona no andaniantsika ireny takariva na alina mampalalaka antsi­ka ireny? “Mankafỳ fatratra ny fialam-bolintsika” ve? Mankafỳ ny zavatr’izao tontolo izao ve isika, sa mba manam-potoana ama­kia­na ny Tenin’Andriamanitra sy miara-mandalina izany? Indro, misy ohatra iray hafa indray, lehilahy vao nanambady, izay tena tia an’Andriamanitra sy maniry ny hanokanan’ny vadiny fotoana amakiana boky fanadihadiana ny Tenin’Andriamanitra, fa tsy ireny tantaram-pitiavana izay tadiaviny fatratra ireny, satria tsy dia tiany loatra ny boky ara-panahy. Tamin’ny fo feno fitiavana no niki­ri­za­ny hanaitra ny sain’ny vadiny ny amin’izany, ka dia tratrany ny tan­jo­ny nony farany, tamin’ny fisafidianana boky tsara naha­sa­ri­ka ny sain’ny vadiny. Ankehitriny dia mitovy izao ny boky vakian’izy ireo.

Ary farany, dia indro misy toromarika lehibe avy amin’ny apos­toly Petera: mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo. Mampalahelo fa misy lehilahy mpino sy fianakaviana kristiana izay tsy mba miara-mivavaka mihitsy. Amin’ny ankapobeny dia nan­dritra ny fifamofoana no efa niavian’izany tsy fahombiazana izany. Ranabavy malala isany, raha manana fofombady ianao nefa mbola tsy niara-nivavaka taminao izy, dia diniho tsara raha toa ka “ao amin’ny Tompo” tokoa ny fanambadiana kasainao. Ny vavaka iarahana, toy ny vavaka atao irery, dia andry iankinan’ny fiainana, ao amin’ny tokantrano kristiana.

Ny fofombady tsirairay ve tsy samy naniry fatratra ny hanome fitiavana hanasoa ny vadiny? Tokony ho hafa noho izany ve no izy rehefa atỳ aoriana? Raha tena maka marina ny toerana nomena azy ao an-tokantrano ny lehilahy, ary i Kristy no ataony môdely tarafina, dia ho moramora ho an’ny vadiny ny handray azy ho tena lohan’ny fianakaviana, sy hitoetra eo anilany amin’ny maha mpanampy sarobidy azy ka tsy foiny intsony.


  1. NY RAY AMAN-DRENY SY NY ZANAKA

Efesiana 5. 9 — 6. 4

 

 

Loza mitatao ateraky ny fanarahana
ny fanaon’izao tontolo izao

 

Fitsipi-pitondrantena manao ahoana no iainantsika ao an-tokantrano sy eo anivon’ny fianakaviana? Ao amin’ny epistily ho an’ny Efesiana dia heverina ho toy ny kristiana any an-danitra isika; ary araka izany, dia tokony hiaina araka ny fomban’ny lanitra ireo andro fohy iainan­tsi­ka eto an-tany. Ny olon’izao tontolo izao dia tsy mahafantatra fomba fiainana hafa ankoatra ny fia­ra­ha-monina misy azy, ary dia tandindomin-doza isika amin’ny hifin­dran’izany toe-tsaina ankehitriny izany. Tsy zavatra efa ekena manodidina antsika ve ny fanaovana tokantranomaso? Miray trano ivelan’ny fanambadiana ny olona, ary tsy misy miasa saina ny momba izany intsony!

Ny kristiana manaraka ny fomban’izao tontolo izao dia tsy mba hahazo ny fitahian’Andriamanitra. Vakio àry ny Galatiana 6. 7-8: Aza mety hofitahina ianareo, Andriamanitra tsy azo vazi­va­zina, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy. Fa izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo. Aoka isika tsy hamita-tena, natao ho antsika manokana izany teny hen­ti­tra izany, satria izay mamafy tsimparifary tsy mba hijinja vary. Izay miaina sy mamafy araka ny fomban’izao tontolo izao dia tsy hijinja afa-tsy faharatsiana.

Tanjon’i Satàna mandrakariva ny hanimba ilay faha­sam­ba­rana ao amin’ny fanambadiana sy eo anivon’ny fianakaviana, ary ampiasainy daholo izay azo atao rehetra, hahatanteraka izany. Ezahiny mafy ny hisarika antsika hiaina araka ny fomban’izao tontolo izao, mba handrodanana ny fomban’An­dria­ma­nitra. Irintsika sy azontsika atao ve ny mandeha amin’izany làlana izany?

 

 


Mahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra,
mba hanatanteraka izany

 

Tsy isalasalana fa tena tandindomin-doza be tokoa isika. Ao amin’ny Kolosiana 1. 9-10, dia hoy i Paoly: Ary noho izany izahay koa, hatramin’ny andro nandrenesanay, dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalàna tsara ny sitrapony ianareo, amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy, mba handehananareo men­drika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin’ny zavatra rehe­tra.” Ilaintsika tokoa ny vavaka toy izany, ho an’ny tokan­tra­non­tsi­ka sy ny fianakaviantsika! Rehefa feno fahalalàna ny sitrapony isika, dia tsy misy toerana ho an’ny zavatra hafa intsony ao am-pontsika. Nefa aleo ihany manontany tena hoe: “Mivavaka ohatra izany ve isika, na ho an’ny tenantsika mano­kana na ho an’ny rahalahy sy anabavintsika?” Andriamanitra dia nitahiry manokana an’io vavaka fangatahan’ny apostoly io, mba hianarantsika miva­va­ka toy izany. Averina indray: fantatsika marina ve ny sitra­pon’Andriamanitra ho an’ny mpivady sy ny fiana­kaviana, sa dia aleontsika miaina araka ny eritreritsika? I Saoly mpanjaka dia lehilahy nandeha araka izay noheveriny ho mety eo imasony, ary tsy maintsy nampitandreman’Andriamanitra toy izao: He! ny mana­­ra­ka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny sabo­ran’ondrilahy. Fa ny miodina dia toy ny heloka amin’ny fanka­tovana, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy tera­fima” (1 Samoela 15. 22-23).

Fahotana lehibe eo anatrehan’Andriamanitra ny fanao­vana ny sitrapon’ny tena. Ndeha hovakiana ny 1 Petera 1. 2, Ara­ka ny fahalalàna rahateo, izay an’Andriamanitra Ray, amin’ny fana­masinan’ny Fanahy, ho amin’ny fanarahana sy ny fama­za­fa­zan’ny ran’i Jesoa Kristy.” Mety hieritreritra isika hoe diso i Petera teo amin’ny fandaharana sy fitanisana teo, tamin’ny nametrahany ny fanarahana alohan’ny famafazana ny ra, nefa dia izay mihitsy no fandaharan’Andriamanitra, izay mamoaka ny maha zava-dehibe eo imasony ny fankatoavana. Teny an-dàlana ho any Damaskosy, rehefa napetraka teo amin’ny fahaza­van’An­dria­ma­ni­tra i Saoly, dia izao no fanontaniany voalohany: Tompoko, inona no hataoko?” (Asan’ny Apostoly 22. 10). Izany no atao hoe fan­ka­toa­vana. Tatỳ aoriana izy vao nahalala ny hasarobidin’ilay ra.

Mbola ny apostoly Petera ihany no nampatsiahy antsika hoe lasa zanaka mpanoa isika (1 Petera 1. 14). Ny fankatoavana dia midika hoe “fanafoanana tanteraka ny sitraponao, mba hande­ha­na­na araka ny sitrapon’Andriamanitra”. Ao amin’ny bokin’ny Mpitsara isika dia mahita vahoaka iray manontolo manao izay fanta­ny fa mety. Mpivady iray ihany no nambara fa nitady ny sitra­pon’Andriamanitra. Izany sitrapon’Andriamanitra izany irery ihany no nankasitrahin’i Manoa sy ny vadiny. Dia nandeha araka ny fankatoavana sy ny fatahorana ny Tenin’Andriamanitra izy ireo. Ny fankatoavana sy ny fatahorana dia miaraka mandrakariva, fa ireo no miantoka ny fahasambarana ho an’ny mpivady sy ny fiana­kaviana.

Fantatsika izay rehetra nolazain’i Josoa, tamin’ny faran’ny fiainany, nanoloana ny vahoakan’i Israely: Fa raha izaho sy ny anko­honako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay (Josoa 24. 15). Andinin-tSoratra Masina mahafinaritra fotsiny ihany ve izany, ahan­tona eny amin’ny rindrina, na teny mamy imolotra ihany, sa tena izany tokoa no fanirian’ny fontsika? Misy, amin’ny toerana sasa­ny, ahitana trano tsara sady voakarakara tokoa; ary eo akai­ki­ny eo, trano efa simba, rava tanteraka, ny varavarankely efa potika, ny tafo efa mitete ary efa anirian’ny bozaka hatraiza hatraiza. Iza amin’ireo no mitovy amin’ny tokantranonao, ilay trano voakarakara sa ilay efa rava? Tahaka ny trano ihany, ny fanam­badiana sy ny fianakaviana koa dia tokony hokolokoloina. Raha tsy araka ny fomban’Andriamanitra nefa no anaovana izany, dia tsy voatazona ny filaminan’ireo.

 

 

Ireo foto-kevitr’Andriamanitra momba ny mpivady

 

Efa nisy nodinihintsika ny sasany amin’ireo foto-kevitra ireo. Ohatra: ahoana ny momba ilay faneken’ny vehivavy ny vadiny sy ny fitiavan’ny lahy ny vadiny? Ahoana ny momba ireo loha­he­vitra fito tokony hampianarin’ny vehivavy anti-panahy ny tanora (Titosy 2. 4-5)? Fa aiza tokoa àry ireo vehivavy anti-panahy naha­tanteraka marina ireo zavatra ireo teo amin’ny androm-piainany, ka afaka hampita izany ho fampianarana ireo zandriny? Tsy tokony hodian-tsy hita ireo fanontaniana ireo.

Ao amin’ny Efesiana 5. 29 dia misy izao teny izao: “Tsy mba nisy olo­na tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an’i Kristy amin’ny Fiangonana.” Efa hitantsika fa ho amin’ny lafi­ny ara-panahy ihany koa izany fikarakarana izany, fa tsy ho ara-nofo fotsiny, ary Kristy, eto, no ohatra tsy manan-tsahala. Izy dia mamelona sy mitia antsika isan’andro tsy tapaka. Eritrereto fotsi­ny, ohatra, ny fivorian’ny mpino: manao ahoana ny fanetreny tena hiaraka amintsika, mba ho ivon’ny fivoriana sy hitahy antsi­ka.

Hitantsika ao amin’ny 1 Tesaloniana 2. 7-8 ny apostoly Paoly izay nanara-dia ny tompony, raha niteny hoe: Nalemy fana­hy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany nate­rany, dia toy izany no nahazoto anay, … satria efa malalanay ianareo.” Mora azo izany kisarisary izany. Iza no “malemy fanahy” toa an’i Kristy? Naka tahaka Azy i Paoly. Manao toy izany ve ianao? Malemy fanahy amin’ny vadinao ve ianao? Sa matetika no tsy miraharaha azy? Manan-javatra ianarana isan’andro amin’ilay Lohan’ny tena isika.

“Mamelona” dia midika hoe manomana, avy eo dia mizara ilay sakafo. Mety efa mahazatra antsika ny mamaky eo am-pisakafoana ny Tenin’Andriamanitra na ny alimanaka, ary tsara izany. Fa mba miezaka ny hanazava izay teny novakiana ve isika? Mba miara-miresaka izany ve isika? Nataontsika ho saro­bi­dy ve ny Tenin’Andriamanitra, dia ilay Teny izay afaka mam­pi­o­ri­na antsika rehetra? Raha tsy azon’ny zanatsika ny Tenin’An­dria­ma­ni­tra, dia hahamonaina azy ny mamaky izany. Indraindray isika dia maheno raim-pianakaviana miteny hoe: tsy haiko izany, tsy fano­mezam-pahasoavana nomena ahy izany. Fialan-tsiny mitom­bi­na ve izany? Sa kosa tsy ao anatintsika ny fitiavana ny Tompo, ary tsy miaina eo anilany isika? Izay tsy miombona tanteraka amin’ny Tompo dia tsy mba mahay mitia tahaka Azy, ary tsy afa­ka mamelona tahaka Azy. Ho henatra ho antsika izany, mano­loa­na ny fitsaràn’i Kristy, raha tsy azony omena antsika ny tambin-kasasarana efa nomaniny ho antsika.

Mitanisana trano na fianakaviana 14 ny boky voalohan’i Samoela; roa amin’ireo ihany no milamina. Ao amin’ny 2. 35 dia ny tokantranon’i Tsadoka, ilay mpisorona mahatoky; ary ao amin’ny 25. 28, ny tokantranon’i Davida, ilay mpanjaka araka ny fon’i Jehovah. Tokantrano toy izany no tian’Andriamanitra omena antsika, tsy mihozongozona, miorina eo ambony vatolampy. Izay manorina eny ambony fasika, izany hoe, miaina araka ny eritre­ri­ny sy araka ny tombontsoany, dia tsy mba hahita fiorenana tsara. Amin’ireo tokantrano hafa voatanisa ao ireo, tsy maro ve ny maneho endrika mampalahelo? Eritrereto fotsiny ny momba an’i Ely mpisorona: tsy mba nahita filaminana izy, satria nataony tsinontsinona ny fomba fitaizana ny ankizy araka an’Andria­ma­ni­tra. Nahakasika izany trano izany ny fitsaràn’Andriamanitra: indray andro ihany no nahafaty ny rainy sy ny zanany roalahy.

Ao amin’ny Efesiana 5. 30-31 dia misy sary mam­pi­to­la­ga­ga, momba an’i Kristy sy ny Fiangonana: fa momba ny Tenany isika. Ary noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin’ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa.Momba ny tenany isika, satria efa maty ho antsika Izy. Ary ho mandrakizay no hiraisantsika tanteraka Aminy, amin’ny maha-isan’ny Tenany antsika, araka ny voalaza ao amin’ny Efesiana 1. 17, 22-23, Ny Rain’ny voninahitra no … nanao Azy ho lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an’ny Fiangonana, izay tenany, dia ny fahafenoan’Izay mameno izao zavatra rehetra izao amin’ny rehetra.” Izany firaisana akaiky izany dia ampiharin’ny Tenin’An­dria­manitra amin’ny lehilahy sy ny vadiny, amin’izao fotoana izao.

Zavatra takian’Andriamanitra ny handaozan’ny lehilahy ny tranon’ny ray aman-dreniny, rehefa manambady. Izay manam­ba­dy ao amin’ny Tompo (araka ny fampianarana mazava tsara ao amin’ny 1 Korintiana 7. 38-39) dia manao ny tsara. Aoka hisaina izany isika. Tokony hamela ny zanany handeha ny ray aman-dreny. Be ny fahorian’ny tokantrano maro, vokatry ny fifan­drai­sa­na lalina loatra misy eo amin’ny zanaka sy ny rainy na ny reniny. Izy ireo nefa dia tokony hahatsapa fa hafa ny fiainan’ny zanany raha vao nanambady izy, ary misy fifamatorana lalina kokoa sy vao­vao ho azy ireo. Miova ny endriky ny fahefan’ny ray aman-dreny amin’ny zanany, raha vao manorin-tokantrano izy. Na izany aza, dia misy hatrany ny fifandraisany amin’ny ray aman-dreny, ary tokony hotsarovana tsara izany.

Mariho kely fa ny andininy ao amin’ny Genesisy 2 notanisain’ny apostoly io dia miresaka “lehilahy”, fa tsy tovolahy na ankizy; izany hoe, mitaky fahamatorana ny fanambadiana. Firy amin’ireo fanambadiana tsy matotra no ratsy fiafara sy mam­pi­ton­dra fahoriana! Firy amin’ireo mpivady tanora fanahy no misedra olana goavana ary lasa tsy manome vonina­hi­tra an’An­dria­ma­ni­tra! Ireo zavatra mitranga amin’ny fiainana dia miantso lalandava ny mba hihazonana ilay Tenin’Andriamanitra hoe: Izay mandinika ny teny no hahita soa. Ary izay matoky an’i Jehovah no ho sambatra (Ohabolana 16. 20). Mazava ny fitsi­pik’Andriamanitra: Amboary ny asanao any ivelany; ary ataovy lavo­rary ny any an-tsaha. Ka rehefa vita izany, dia mahazo manao ny tranonao ianao (Ohabolana 24. 27). Ny lehilahy manambady, voalohany indrindra, dia tokony ho afaka mamelona ny vadiny sy ny fiana­ka­viany, na ara-nofo izany na ara-panahy. Tsy tokony hahagaga nefa ny mahita fa mbola manaraka ny toro­he­vi­try ny ray aman-dreny ihany ny mpivady vao, satria efa nahita fiai­na­na betsaka izy ireo.

Avy eo dia hitantsika fa hikambana amin’ny vadiny ny lehi­lahy, ka ho nofo iray ihany izy roroa (Genesisy 2. 24). Man­dri­tra ny fifamofoana, izay fotoana sarobidy eo ana­tre­han’An­dria­ma­ni­tra, dia mianatra ny hifankahafantatra sy hifankatia ireo mpi­fa­mo­fo. Tsy lasa “nofo iray” nefa izy roroa, raha tsy efa vita maria­zy. Fanampin’izany, Andriamanitra dia miteny eto hoe roa, fa tsy telo na efatra na mihoatra izany. Misy dikany koa io foto-kevitra io. Tsy hitantsika ve, ohatra, ao Afrika, ny voka-dratsin’ny fana­na­na vady maro? Ao amin’ny Testamenta Taloha ihany koa, ary na dia teo aza ny faharipon’Andriamanitra, dia maro ny ohatra mane­ho fa ny fananana vady maro dia tsy mba nahazo tsodrano avy amin’i Jehovah. Saino kely, ohatra, ny momba an’i Abrahama sy i Hagara, na koa ny fiafara ratsin’i Solomona, izay nivily nanaraka andria­mani-kafa noho ny fampirisihan’ireo vadiny marobe hafa fire­ne­na. Ny fanarahana izay lazain’ny Tompo ihany no làlana toka­na ahazoana ny fitahian’Andriamanitra.

Ny ao amin’ny Genesisy 2 dia mitantara ny nam­boa­ran’Andriamanitra an’i Eva. Araka ny filazan’ny olona iray azy, dia tsy avy amin’ny tongotr’i Adama, tsy akory, no nanao­va­na an’i Eva, satria tsy tokony hohitsakitsahina izy, na avy amin’ny lohany, satria tsy tokony hanjaka aminy. Noforonina avy amin’ny taolan-tehezan’i Adama i Eva, izany hoe akaikin’ny fony. Eo ani­lan’ny lehilahy no toeran’ny vehivavy, mba ho tiany, fa tsy ao am­ba­niny na eo amboniny.

Faranan’ny apostoly amin’ny teny hoe, “Zava-miafina lehi­be izany; fa milaza ny amin’i Kristy sy ny Fiangonana aho. Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehi­la­hy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hatahotra ny lahy” (Efesiana 5. 32-33). Ho famaranana, mampitandrina antsika ireo andinin-tSoratra Masina roa ireo, ny amin’ny zavatra roa lehibe eo amin’ny fiai­nan’ny mpivady, dia izao:

— Tokony hotandreman’ny lehilahy lalandava ny hatsa­ran’ny fitiavany ny vadiny. Tokony ho tiany tahaka ny tenany izy.

— Ny vavy, sady manampy hatrany ilay olon-tiany, no toko­ny hanaiky sady hankasitraka ny toerana no­men’An­driamanitra ny vadiny ho lohan’ny fianakaviana.

 

 

Ireo foto-kevitr’Andriamanitra momba ny ankizy

 

Rehefa avy naneho ny hasarobidin’ny mariazy sy ny fifan­drai­san’ny mpivady ny apostoly, dia manohy ny resaka amin’ny fampianarana mikasika ny ankizy, ao amin’ny Efesiana 6. 1-3. Fita­hiana nomena antsika izy ireo, ary tokony horaisina am-panka­sitrahana avy amin’Andriamanitra, nefa tsy tokony hialana ny andraikitra mifamatotra amin’izany: Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ny Tompo, fa marina izany. ‘Manajà ny ray sy ny reninao’ (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana), ‘mba hahita soa ianao sy ho maro andro ambonin’ny tany’ (Ekso­do­sy 20. 12 / Deoteronomia 5. 16)”. Hazonin’Andriamanitra man­dra­ka ankehitriny, ka mitoetra hatrany, ny teniny sy ny toky ome­ny. Ny fankatoavan’ny zanaka dia voatanisa imbetsaka ao amin’ny Testamenta Vaovao, izay manamafy ny maha-zava-dehi­be izany eo imason’Andriamanitra. Nefa tokony hianarana sy hampi­harina izany. Adidin’ny ray aman-dreny, indrindra indrindra ny ray, ny mampianatra ny zanany hankatò.

Omen’Andriamanitra fampianarana mazava isika, ao amin’ny Testamenta Taloha, amin’ny ohatra momba fianakaviana isan-karazany. Misy ireo ohatra tsara, ary ao koa ireo ohatra ratsy. Efa hitantsika ny fiafarana mampalahelo nanjo ny fiana­ka­vian’i Ely. Inona no antony? Nanao izay tiany hatao ireo zana­ni­la­hy, nampitandrina azy ireo izy, nefa tsy nanakana azy tamin’iza­ny. Araka izany, dia aleo vakiana ireto tenin’An­dria­ma­ni­tra mavesa-danja ireto: nefa tsy nihaino ny tenin-drainy izy ireo (1 Sa­moela 2. 25), ary koa, fa efa nambarako taminy fa hotsarai­ko mandrakizay ny taranany noho ny heloka izay fantany, satria ny zanany nahatonga ozona ho an’ny tenany, nefa tsy nosa­ka­na­ny” (1 Samoela 3. 13).

Ohatra hafa indray no voalaza ao amin’ny fianakavian’i Davida. Izy tenany dia nianatra nankatò, fony tao an-tranon’i Jese rainy. Rehefa nirahina ho any amin’ny rahalahiny izy, dia tsy nian­dri­andry fa “nifoha marainakoa”, mba hanatanteraka ny sitra­pon’ny rainy. Imbetsaka taorian’io, dia mbola voatanisa hatrany ny fankatoavan’i Davida, na an’Andriamanitra na an’i Saoly koa, satria niantomboka tao an-tranon-drainy no nianarany izany, ary dia nanaraka azy tamin’ny androm-piainany rehetra izany. Inona àry no nitranga tao amin’ny fianakaviany avy eo? Nanaraka ny ohatra nomen-drainy ve izy? Indrisy fa tsia. Naka vady maro izy ary nanan-janakalahy 20 tamin’ireo. Ahoana no nitaizany azy? Amnona dia tonga mpijangajanga tao an-tranon-drainy ihany, Absaloma dia sady namono ny rahalahiny no nandrombaka ny fanjakana, ary Adonia dia nitady haka an-keriny ny satro-boni­na­hi­try ny rainy. Kisarisary mahonena toy izany no asehon’ny Fana­hy Masina eo anoloantsika izao, mamela antsika hanopy maso ny fiaina-miafin’i Davida, dia ny fahalemeny manoloana ireo zana­ni­lahy; momba an’i Adonia, dia voalaza fa ny rainy mbola tsy niteny mafy azy akory hatrizay niainany, nanao hoe: Nahoana ianao no manao toy izao?

Tokony hapetratsika izao fanontaniana izao: “Inona no ianaran’ny zanatsika ao an-trano?” ny fankatoavana ve, sa zava­tra hafa? Fa ny fankatoavana dia tsy mba afa-misaraka amin’ny fitia­vana; tsy misy làlana hafa. Tokony hankatò ny ray aman-dreny ny ankizy, raha mbola miara-mitoetra amin’izy ireo. Raha efa mitokan-trano indray izy ireo, dia afaka amin’izany, na dia mbola mitahiry hatrany ny fanajana azy ireo aza, eny fa na dia efa maty aza ireo. Tsahivin’ny apostoly eto ny teny fampanantenana: “… mba hahita soa ianao sy ho maro andro eto ambonin’ny tany. Ny tsirairay amintsika dia samy mahita ohatra maro, manodidina antsika, manamafy ny fahamarinan’izany fam­pia­na­ran’An­dria­ma­ni­tra izany, satria firifiry tokoa moa no nijinja voka-dratsy rehefa tsy nihaino ny ana-dray aman-dreny nandritry ny hatanorany. Toy izany no nanozonan’Andriamanitra hahafohy ny andron’ireo za­nak’i Ely, izay niaina tao anaty fahotana, tahaka ny an’ireo zanak’i Davida telo notanisaina tetsy aloha, satria voasoratra hoe: ny tavan’i Jehovah tezitra amin’ny mpanao ratsy (Salamo 34. 16).

 

 

Tokantrano folo novangian’ny Tompo Jesoa

 

Rehefa avy nandinika ireo toro-marik’Andriamanitra mom­ba ny tokantrano sy ny fianakaviana isika, sady nam­pa­ha­tsia­hy ireo foto-kevitra ambaran’ny Soratra Masina tokony hara­hin­tsika, dia hahazo fitahiana betsaka eo am-panarahana ny Tompo Jesoa any amin’ireo tokantrano folo nidirany, araka ny raiketin’ny fila­zan­tsara nosoratan’i Lioka.

 

1. Ny tranon’i Simona Petera: Lioka 4. 38-39

Ny rafozambavin’i Simona dia natory teo am-pandriana, tratran’ny tazo mahery, izay kisarisarin’ny samboaravoara sy ny ahiahy mety hahazo ny fontsika sy ny tokantranontsika. Tian’An­dria­manitra hanam-piadanan-tsaina isika, “tsy ho maro ahina” (1 Ko­rintiana 7. 32), ary dia ataony afaka manompo Azy tahaka ny rafozambavin’i Simona.

 

2. Ny tranon’i Levy: Lioka 5. 29-39

Tsy vitan’ny hoe nampandroso ny Tompo tao an-tranony ihany i Levy, fa nanao fanasana lehibe niaraka tamin’ny mpamory hetra sy olona maro hafa. Tsy ohatra tsara halain-tahaka ve izany, ny amin’ny fampiantranoana vahiny? Sady asa atao ho an’An­driamanitra koa.

 

3. Ny tranon’i Simona ilay Fariseo: Lioka 7. 36-50

Nanasa ny Tompo i Simona, nefa tsy mba nandray Azy araka ny tokony ho izy: tsy nanome rano hanasany tongotra, tsy mba nanoroka na nampiseho fitiavana, tsy nanosotra menaka ny lohany, ho mariky ny fanajana. Ity lehilahy ity dia tsy mba nana­ra­rao­tra ny andro iray toa zato nandalo teo aminy. Ary isika ve mba manome ny toerana voalohany ho an’ny Tompo, ao amin’ny fontsika sy ao an-tokantranontsika?

 

4. Ny tranon’i Jairo: Lioka 8. 51-56

Nanome baiko hentitra ny Tompo, tao: “nasainy nomena hani­na” ilay zazavavy natsangany tamin’ny maty. Manana ny lanja­ny hatrany, manoloana ny zanatsika, izany didy izany, mba hano­mezantsika azy ireo ny sakafom-panahy, amin’ny fitantarana ireo tantara ao amin’ny Tenin’Andriamanitra sy fanazarana azy ireo amin’Ilay Andriamanitra te ho namany.

 

5. Ny tranon’i Marta: Lioka 10. 38-40

Fantatsika tsara io tokantrano io, fa mahazatra ny Tompo ny misintaka kely any. Zava-dehibe roa ihany no hotsahivintsika eto: voalohany, dia tao no nipetrahana teo an-tongony, nihaino Azy; manaraka izay, dia nanaiky ny hampianariny i Marta. Tokony hanana ireo toetra roa ireo isika.

 

6. Ny tranon’ny Fariseo iray nanana ny lazany:

Lioka 14. 1-4

Tafintohina ny Tompo nahita azy ireo nitady ny fitoerana voalo­hany. Miezaka mafy tokoa ve isika mba hanajan’ny olona antsika sy mba hisondrotana? Ny tompon-trano, eto, dia tsy nana­sa afa-tsy ireo mpanasa mahazatra azy ihany. Tsy mba toetran’ny Tompo ny avonavona sy ny fitiavan-tena tao, ary mana­la baraka Azy izany raha miseho eo amin’ny olony. Tsy nitady tombon-tsoa Izy, ary nanetry tena tokoa, sady nanafoana ny tenany!

 

7. Ny tranon’i Zakaiosy: Lioka 19. 1-10

Tamin-kafaliana lehibe no nandraisan’i Zakaiosy ny Tom­po. Manao toy izany koa ve isika? Tsy te ho vahiny mandalo fotsi­ny Izy, fa te ho ivon’ny zavatra rehetra sy ho Tompontsika ao an-trano.

 

8. Ny Tempoly: Lioka 19. 45-46

Mitaky ny maha-tranony ny Tempoly ny Tompo, tamin’ny nilazany hoe: “Ny tranoko dia trano fivavahana, fa ianareo kosa nanao azy ho zohy fieren’ny jiolahy.” Ary isika, ahoana ny fiton­dràn­tenantsika ao an-tranony, dia ny Fiangonan’Ilay Andria­ma­ni­tra velona, mpanome tànana ve isika sa vato misakana?

 

9. Ilay trano nivoha ho an’ny Tompo: Lioka 22. 7-13

Eto ny Tompo dia naniry ny hankalaza farany ny Paska, niaraka tamin’ny mpianany. Vonona ve isika ny hamoha malalaka ny tranontsika ho Azy tanteraka?

 

10. Ny tranon’ilay mpisoronabe: Lioka 22. 54-71

Io no trano nidirany farany, tao no tokony ho nandraisana Azy tamin’ny voninahitra rehetra. Nefa dia io no trano ratsy indrin­dra, ho Azy: tao no nampahitana Azy ny fahoriana rehetra sy ny nanao­vana Azy ho toy ny olon-dratsy.

 

Ireo ny trano folo. Iza amin’ireo no mitovy amin’ny antsika? Ny Tenin’Andriamanitra dia feno torohevitra tsara. Antsika ny safidy, anjarantsika ny manapa-kevitra! Toetra manao ahoana no asehon’ny tranontsika?

Hofaranantsika ity famelabelarana ity, amin’ny fiverenana vetivety amin’ny fiainan’i Samoela, ilay “lehilahin’An­dria­ma­ni­tra”, satria feno fampianarana amina lafiny maro izany. Inona ny zava­tra voalohany nolazain’Andriamanitra momba azy: ny asany? ny vavaka nataony? Tsia. Ny zavatra voalohany hitantsika dia ny fian­­ko­­hofana: “dia nivavaka tamin’i Jehovah izy” (1 Samoela 1. 28). Mbola zaza izy dia efa mpivavaka teo anatre­han’An­dria­ma­ni­tra, niaraka tamin’ny ray aman-dreniny. Izany tokoa ve no tan­jon­tsi­ka voalohany, amin’ny fitaizana ny zanatsika? Mazava ho azy fa mila mandeha any am-pianarana izy ireo, mba hahazoany asa, nefa ny laharam-pahamehana dia ny hanabeazana azy ho an’An­dria­manitra ka hahatonga azy ho mpitsaoka, satria na dia ny ankizy aza dia afaka misaotra ny Tompo noho ny asa vitany teo amin’ny hazofijaliana, tao Kalvary. Ny fitsaohana an’An­dria­ma­ni­tra no hita voalohany teo amin’ny fiainan’i Samoela, ary dia izay no nataony farany: “… any Rama …, fa tao ny tranony; ary nitsara ny Israely tao izy sady nanorina alitara tao ho an’i Jehovah.” Natom­bony sy nofaranany tamin’ny fivavahana amin’ny Tompo ny fiainany, ary raha ny tena marina, dia vokatry ny fitaizan’ny ray aman-dreniny azy izany.

Ny filazantsaran’i Marka 2. 1 dia mitantara hoe, “re fa tao an-trano Izy.” Ny hafa koa ve mba mahatsapa fa ao an-tranon­tsika i Jesoa, toy ny any an-tranony, ary tena Tompo tokoa? Raha izany no izy, ary tena izany tokoa, dia hahatsapa faha­sambarana marina isika.[3]

 



 

Bonheur

 dans le couple

 et la famille

 

Alatsaho ao amin’ny fonareo sy ao amin’ny fanahinareo izao teniko izao, … mba ho maro ny andronareo sy ny andron’ny taranakareo eo amin’ny tany …, toy ny faharetan’ny lanitra ambonin’ny tany.”

Deoteronomia 11. 18-21

 

 

Ho maro andro tahaka ny faharetan’ny lanitra ambonin’ny tany, izany hoe, voamariky ny toetra ananan’i Jesoa Izay any an-danitra ankehitriny, izany no fahasambarana izay mbola atolotra antsika amin’izao fotoana izao ao amin’ny fanambadiana sy ny fianakaviana: ireo dia ahitana ny taratry ny fahasambarana any an-danitra, raha mana­raka izay voalazan’Andriamanitra ao amin’ny Teniny isika.

Tantaram-piainana fianakaviana iray voarakitra ao amin’ny Tes­ta­men­ta Taloha no nampiasain’ny mpanoratra, hamelabelarany io loha­he­vi­tra kanto io, ary nampifandraisiny tamin’ny fampianarana notsoahina tao amin’ny Testamenta Vaovao.



[1] Ilaina tokoa ny mahazo tsara fa ny fampirisihana ataon’ny Tompo dia ho an’ny tsi­rai­ray, araka ny toerana misy azy avy. Ohatra, ny Tompo miteny amin’ny lahy hoe: “Tiava ny vadinareo.” Raha miteny amin’ny vadiny ny lehilahy hoe: “Tokony hanaiky ahy ianao”, dia tsy manatanteraka ny Teny izy, na inona na inona eritreretiny.

[2] Azo raisina amin’ny heviny hoe vatana ara-nofo koa io, ary akana fampa­he­re­za­na manokana ho an’ny vehivavy izay mijaly noho ny ataon’ny vadiny izay tsy mpino.

[3] Fanamarihan’ny mpandika avy amin’ny teny alemana ho amin’ny teny fran­tsay: Io fila­zan­tsara nosoratan’i Lioka 2: 8 io dia miteny amintsika sahady, manao hoe: “Tsy nisy nitoe­rany tao an-tranom-bahiny.” Tsy nisy toerana ho azy, teo amin’ny tany izay noarìny tamim-boninahitra ary notsidihany tamin’ny fahasoavana? Moa ve Izy mitana ny toerana voalohany ao am-pontsika sy ao an-tranontsika?