MANAMPY SA MANAKANA

 

Georges André

 

Document disponible sur le site http://nybaiboly.net.

Pour toute adresse de Bibliothèque Chrétienne à Madagascar, cliquer ICI.

Pour Antananarivo, l’adresse de la Bibliothèque est :

LOT IV L 39 D, Anosivavaka, Ambohimanarina — Tel: 033 15 552 35

 

FIZAHAN-TAKILA

1        Fampidirana

2        Ao amin’ny fianakaviana (ohatra avy amin’ny Testamenta Taloha)

2.1        Noa

2.2        Abrahama

2.3        Jakoba

2.4        Josefa

2.5        Ely

2.6        Davida

2.7        Vehivavy iray tsara fitondrantena (Ohabolana 31:10-31)

2.8        Ny fianakaviana

3        Amin’ny namana (Ohatra avy amin’ny Testamenta Taloha)

3.1        Joba sy ireo namany

3.2        Samoela sy Davida tany Naiota (1 Samoela 19:18)

3.3        Abigaila (1 Samoela 25)

3.4        Jonatana

3.5        Ahitofela, Hosay (2 Samoela 15:31-37 ; 16:15-17, 23)

3.6        Jonadaba (2 Samoela 13:3-5, 32-33)

3.7        Daniela

3.8        Ebeda-meleka (Jeremia 38:7-13)

4        Eo amin’ny fiangonana eo an-toerana (iombonana— ohatra avy amin’ny Testamenta Vaovao)

4.1        Ny teny ataontsika

4.1.1        Ny fahafaliana

4.1.2        Manarona (1 Petera 4:8 ; Jakoba 5:20b) — Manaratsy (1 Petera 2:1)

4.2        Fomba fihetsika, rivotra iainana

4.2.1        Mifaly, mitomany (Romana 12:15)

4.2.2        Famonjena ara-dalàna ny fivoriana (Hebreo 10:25) — Fahazarana mandao, Demasy (2 Timoty 4:10)

4.2.3        Ny fandraisana

4.3        Ny fandraisantsika ny asa fanompoana

5        Eo amin’izao tontolo izao

5.1        Fitoriana ny filazantsara

5.1.1        Ireo sakana

5.2        Fifandraisana – Fijoroana ho vavolombelona

6        Eo amin’ny mpirahalahy (amin’ny tsirairay – ohatra avy amin’ny Testamenta Vaovao)

 

 

1  Fampidirana

“Izy dia mpiahy ny maro”

(Romana 16:2)

 

“Hanafintohina...

  • ny iray amin’ireto madinika ireto “ (Matio 18:6)

  • ny rahalahiko” (1 Korintiana 8:13)

 

Ny Romana 16:1-2 dia miresaka amintsika momba an’i Foiby —anarana midika hoe “miramirana”— izay diakon’ny fiangonana tany Kenkrea ; nanampy olona maro izy ary nanampy ny apostoly koa. Ireo andininy 15 voalohany amin’io toko io dia toy ny santionan’ny tribonalin’i Kristy, izay hampisehoana mibaribary ny zava-tsoa rehetra novokarin’ny Tompo tao amin’ny olony tsirairay, ary koa ireo fahadisoany, mba hahatsapantsika fa lehibe ny fahasoavana namafana azy ireny tamin’ny ran’i Kristy. Moa ve tsy misy indraindray ao amin’ny fiangonana ireo lehilahy sy vehivavy miasa, ireo izay tsy manao na inona na inona, ary ireo izay... mampijaly ny hafa !

Angamba nentin’i Foiby tany Roma io taratasy tena manan-danja lehibe ho an’ny finoana kristiana io. Ireo andininy roa voalohany dia toy ny taratasy fanolorana, izay angatahan’ny apostoly koa mba handraisana azy “ao amin’ny Tompo” sy hanampiana azy “amin’izay raharaha ilàny anareo”.

Ny Teny dia miresaka momba ny hoe “ho mpiahy”, in-droapolo eo ho eo, ary ny hoe “hanampy”, in-dimampolo eo ho eo. Andriamanitra dia efa manampy, toy ny ao amin’ny Salamo 33:20 : “Ny fanahintsika miandry an’i Jehovah ; famonjena antsika sy ampingantsika Izy”. Indraindray dia ny Tompo no manampy, ohatra ao amin’ny Hebreo 13:6 : “Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho ; inona no azon’ny olona atao amiko ?” Farany ao amin’ny Romana 8:26 dia izao no vakiantsika : “Ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika”.

Vao eo amin’ny pejy faharoa ao amin’ny Baiboly isika dia efa mahita izany : “Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe : Tsy tsara raha irery ralehilahy ; dia hanaovako mpanampy tandrify ho azy izy”. Io no iraka voalohany nankinina tamin’ny vehivavy : ny lehilahy irery, na dia tany Edena aza, dia mila ampiana.

Raha toa isika ka manana tombontsoa ho mpanampy, dia mety ho sakana ihany koa na ho fahatafintohinana : “Fa na zovy na zovy no hanafintohina na dia iray aza amin’ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsara lavitra ho azy raha anantonana vato lehibe ahodim-boriky fikosoham-bary ny vozony, ka alentika any amin’ny ranomasina lalina izy” (Matio 18:6). Andininy matotra, manetriketrika, azo atao aza hoe mampahatahotra : hanafintohina ny “iray amin’ireny madinika mino Ahy ireny” : na zaza izany, na tanora, na olona vao niova fo tsy ela. Mety ho “tonga fahatafintohinana ho an’ny malemy... mahatafintohina ny rahalahiko” (1 Korintiana 8:9, 13) koa aho.

Rehefa mieritreritra ireo mpino rehetra, na antitra na tanora, nifanena tamintsika nandritra ny fiainana iray manontolo isika, dia afaka manontany tena hoe : inona moa izy ireo tamiko, mpanampy sa sakana ? Ary izaho, mba inona aho tamin’izy ireo ? Fahatsiarovana maro izany ! Nivavaka ho antsika ireo ray aman-dreny ary nampianatra antsika zavatra avy amin’ny Teny, isanandro nandritra ny fahazazantsika sy ny fahatanorantsika —misy ireo vavaka tanteraka, ary ireo sasany kosa izay hovalian’Andriamanitra indray andro any, arakaraka ny fahasoavany ; angamba nisy teny tsara fipetraka, avy amina rahalahy na anabavy, na resaka natao tamin’ny mpino efa nahazo taona kokoa... ary nandritra ireo dingana rehetra nolalovana, inona ny hery nitaomantsika ny hafa, na tsapantsika izany na tsia ? Nampahery ve ny ohatra nomentsika raha niezaka “namantatra izay ankasitrahan’ny Tompo” isika ? Nohararaotintsika ve ny hilaza teny iray “ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira” ? (Efesiana 5:10 ; Kolosiana 4:6).

Ny fitondrantena, ny fomba fiainana, ny toetra ve araka izay lazaintsika ? “Izay milaza fa ao amin’ny mazava izy, kanefa mankahala ny rahalahiny, dia mbola ao amin’ny maizina ihany. Izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin’ny mazava, ka tsy misy fahatafintohinana ao aminy” (1 Jaona 2:9-10), ary te hanampy ny manodidina azy izy. Inona no fihetsika ataontsika rehefa toloran’ny Tompo tranga tokony hanampiana isika ? Ny epistily voalohany nosoratan’i Jaona dia miresaka amintsika momba ny fiainana (anaty), fahazavana (ivelany), fitiavana (avy ao am-po).

Matetika, na dia tsy fantatsika aza, dia maro ireo vavaka niakatra ho eo amin’ny sezafiandrianan’ny fahasoavana mba hanampian’Andriamanitra antsika amin’ny fotoana heveriny ho mahamety izany sy araka ny fahendreny. Firifiry koa no efa notononintsika teo anatrehany, ho an’ireo rahalahy sy anabavintsika, ho an’ireo fianakaviantsika, ireo namantsika, ireo mpanompony ?

Ho hitantsika amin’ny manaraka hoe sehatra inona no handairan’izany hery mitaona izany, na ho fanampiana, na ho sakana : sehatry ny fianakaviana, ny namana, ny fiangonana eo an-toerana, ny tontolo manodidina antsika, ny rahalahintsika ao amin’ny finoana, na lavitra na akaiky.

Ao amin’ny Eksodosy 12, nandritra ny fanolorana ny zanak’ondry tamin’ny Paska, dia mety nisy “trano” vitsy olona loatra ka tsy mahalany zanak’ondry iray ; koa dia nozaraina tamin’izay mpifanolo-bodirindrina akaiky indrindra izany, “araka izay isan’ny olona”. Ohatra tsara tokoa izany ho an’ny fiangonana kely eo amin'ny toerana iray, momba ny fifampizarana ara-panahy izay mety ho fanampiana ny tsirairay !

Ahoana moa no mety hahatonga antsika ho mpanampy na sakana ? Voalohany indrindra, amin’ny toetra : Andriamanitra dia tsy mifidy ireo mpanonofinofy hanatanteraka asa, fa olona manana “toetra”. I Jaona dia nantsoin’i Jesosy hoe Boanarijesy (zana-baratra) ary fantany hoe nahoana. Kanefa, rehefa nofaniny i Jaona, dia lasa apostolin’ny fitiavana. Mba hanofanana ireo olona manana “toetra”, dia nisy voatery nailika mandritra ny fotoana voafetra : Mosesy, niandry ondry tany an’efitra ; Davida, nandritra ireo taona nandosirany an’i Saoly ; Elisa, nandraraka rano tamin’ny tànan’i Elia.

Nianatra faharetana izy ireo ; nivoatra ny maha-izy azy ireo ara-moraly sy ara-panahy ; avy eo izy dia afaka ny ho mpitondra, nitondra fitahiana ho an’ny vahoakany. Ny fisian’olona toa izany ao anaty vondrona iray dia mety hanova zavatra be dia be, na ho soa, na ho ratsy : eo anatrehany, dia tsy sahy miteniteny foana ny olona ; ny mifanohitra amin’izany aza, ny fahamaivanan’ny mpitarika dia mety hanaratsy  haingana dia haingana ny rivotra iainana.

Manan-danja lehibe koa ny fitondrantena, ny fomba fihetsika. Marihin'ny apostoly ireo Makedoniana, izay nanolotra ny tenany ho an’ny Tompo aloha, ao amin’ny 2 Korintiana 8:5 ; na dia tsy fantany aza dia ohatra ho an’ireo rahalahiny izy ireo tamin’izany.

Ny Tompo Jesosy dia mampianatra antsika mba haka fotoana malalaka mandrakariva ho an'ny hafa. Alina no nandraisany an’i Nikodemosy. Teo amin’ny fantsakana tao Sikara, tamin’ny antoandro benanahary, niresaka siny sy ny rano Izy ary niampita ho any amin'ny fitsaohana, ka nitarika ilay vehivavy ratsy fiaina ho amin’ny finoana.

Ary inona koa no ho lazaina momba ny famirapiratana izay matetika hita soritra eny amin’ireo mpino tena manetry tena tokoa, satria, toy ireo taloha, dia “miara-mandeha amin’Andriamanitra” izy ireo ?

Fa sakana toa inona kosa no entin’ny fifosana ! Mampidi-kevitra amin’ny sain-dratsy, maka tahaka mpanompon’Andriamanitra iray, mipi-maso fanarabiana, izany rehetra izany dia mety hahakivy ireo mpino tanora, na ireo iraky ny Tompo, nefa maro ireo sehatra izay tokony ho nitondrana hafaliana sy fitomboana ara-panahy ho an’ny rahalahy.

Izao no lazain’ny 1 Tesaloniana 5:11 amintsika : “Koa mifananara sy mifampatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany”. Aoka ho azontsika tsara fa tsy fivoriam-piangonana no resahina eto, fa fifandraisana rehefa mifanena aman’ olona, vitsivitsy na maromaro, izay ahafahana mifampahery ao amin’ny finoana.

Hebreo 12:12 dia mampirisika antsika hampahatanjaka “ny tànana miraviravy sy ny lohalika malemy” ; angamba miasa ireo tànana ireo, kanjo tonga ny fahakiviana, noho ny antony samihafa, tsy ampy ny fanavaozana ny toetra anatiny (2 Korintiana 4:16), ary maty ilay risi-po teo aloha (2 Timoty 1:6). Miha-mivaha ny fitondrantena, miha-mivaha ny fomba fivavahana, miha-malemy ny lohalika ary mila harenina. Ny ohatra no tsara kokoa noho ny teny : “Ary manaova lala-mahitsy halehan’ny tongotrareo, mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa, fa ny mba hahasitrana azy kosa” (Hebreo 12:13).

Eo amin’ny lafiny fananana indray, dia izao no lazain’ny 1 Jaona 3:17 amintsika : “Ary izay rehetra manam-pananana amin’izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran’ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny ?” Tsy hoe manampy ankavia sy ankavanana tsy am-piheverana, fa ny atao an-tsaina kosa dia ny hoe adidin’ny kristiana izany, manampy ny rahalahiko amin’ny filàny izay fantatro, araka izay ananako ; ny 2 Korintiana 8:12 dia manindry tsara ny hoe “araka izay ananany”.

Ny Tompo Jesosy mihitsy no niteny hoe : “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray” (Asa 20:35). Koa noho izany, ny Hebreo 13:16, aoriana kely ny filazana ny momba ny fitsaohana, dia miresaka amintsika momba ny asa soa atao amin’ireo rahalahintsika sy ny fizarana ny fananantsika hanampiana ny mpanompon'Andriamanitra. Ny teny hoe “sorona” dia ampiasaina na amin’ny fiderana, na amin’ny fanomezana. Mbola manampy ny 2 Korintiana 9:7 hoe : “Ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra”.

Amin’ireo sakana, dia aoka homarihina ihany koa ny fitiavana izao tontolo izao ; fahavalon’ny fiainana ara-panahintsika io, ary mety ho fandrika ho an’ny hafa, raha tsy hiresaka ny fialonana aterak’izany. Ny 1 Petera 3:3-4 dia manantitra momba ny fitafiana ivelany, ny 1 Korintiana 15:33 dia mampitandrina antsika amin’ny “fikambanana amin’ny ratsy”. Aoka ho tadidiantsika koa fa “fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao” (Jakoba 4:4).

Ho avy ny andro izay hiantsoana antsika “hanao ny tombana” momba ny fahatanorantsika, ny taona nahamatotra antsika, ny fahanterantsika : inona sisa no ho tafajanona ho an’ny Tompo ? Ary eo amin’ny tribonalin’i Kristy, dia haseho avokoa ny zavatra rehetra ; koa mandra-piandry izany, tsy mba tiantsika ve ny hamela ny fahazavan'io andro io hitsilo sahady ny fiainantsika, ary hitarika antsika amin’ny fankasitrahana etsy andaniny, ary amin’ny fibebahana etsy ankilany ? Ireo fahotana niaikena raha vao tsapantsika, dia diovin’ny asan’i Kristy (1 Jaona 1:9) ; ny fahatsiarovana ny fahafatesany, ary kisarisarin’izany ny “lavenona” ao amin’ny Nomery 19. 9. Ny amin’ny vokatry ny Fanahy amin’ny fahasoavana kosa, ny hany ho tafajanona dia ny fahatsiarovana fa “tsy manana na inona na inona ao aminay izahay fa manana ny rehetra ao aminao”.

 

2  Ao amin’ny fianakaviana (ohatra avy amin’ny Testamenta Taloha)

“Ao an-tranon’ny marina misy harena be.” (Ohabolana 15:6) “Harena mahafinaritra sy diloilo no ao amin’ny tranon’ny hendry.” (Ohabolana 21:20) Ireo mpianatra tany Emaosy dia nangataka tamin’ny Tompo Jesosy hoe : “Mitoera at aminay ; fa efa ho hariva izao”. “Dia niditra hitoetra tao aminy Izy” (Lioka 24:29). Tsy izany ve no fanirian’ny tokantrano kristiana vaovao rehetra ? Hisy harena sarobidy kokoa noho ny fanatrehan’ny Tompo Izy tenany mihitsy ve, indrindra amin’ny Teniny ? Raha mitodika amin’ireo taranaka mpino telo na efatra taloha isika, dia nanamarika ny fiainana io Fanatrehana io. Nandalo ny taona ; niha-nivaha hatrany ny fiaraha-monina, tonga hatramin’ny famelàna ny fianakaviana ho potika aza. Fiaraha-mipetraka tsy misy fanambadiana, firaisan’ny lahy sy ny lahy na ny vavy sy ny vavy, mpivady sarahin’ny fisaraham-panambadiana... indraindray aza dia ao amin’ny fianakaviana kristiana (2 Timoty 3:5). Hain’ilay fahavalo ny nandrombaka ny “harena”. Taiza no tsy ampy ny fanampiana ? Taiza no nampisy ny fahatafintohinana ? —Andriamanitra irery no mahalala izany. Aoka isika hankasitraka tanteraka ny Tompontsika rehefa misy fianakaviana nohazonina hiray, ary nentina ho eo amin’ny Mpamonjy ny ankizy : mijanona ho iray ilay fianakaviana, ho Azy. Fahasoavan’Andriamanitra raisin’ireo ray aman-dreny avy Aminy izany.

Saingy fetsy ny fahavalo, ka hainy ny manakorontana sy mampisaraka ny fianakavian’ireo zanak’Andriamanitra : ny ray miady amin’ny reny, ny zanaka miady amin’ny ray aman-dreny, ny ankizy samy miady. Ahoana no fomba ahazoantsika ho tonga mpanampy ho an’ireo manodidina antsika ? Voalohany indrindra aloha, ary azo antoka izany, amin’ny fiaikena ireo tranga izay nanotantsika. Manaraka izany, amin’ny fangatahana amin’ny Tompo mba ho isan’ireo “mampandroso ny fihavanana” (Jakoba 3:18).

Dieny tany amin’ny Testamenta Taloha, dia maro ireo tranga asehon’ny Teny amintsika momba ny fitahian’Andriamanitra ny fianakaviana iray ; tranga hafa izay nisy fandrika, nisy sakantsakana ; fa koa tranga izay nidiran’ny fahasoavany an-tsehatra mba hanarina sy hamerina. Indrisy, fa misy ireo olona izay tsara fiantomboka kanefa ratsy fiafara.

 

2.1  Noa

Anisan’ireo fianakaviana voalohany resahan’ny Baiboly, ary anomezany antsipiriany sasantsasany, ny fianakavian’i Noa. Ao amin’ny Genesisy 6:9, dia ambara fa i “Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin’ny olona niara-belona taminy”. “Niara-nandeha tamin’Andriamanitra” izy, raha feno fahalovana sy herisetra ny tany. Mampahery tokoa ny mahita azy niditra tao amin’ny sambofiara, rehefa avy nanamboatra izany araka ny didin’Andriamanitra, niaraka tamin’ny “vadiny aman-janany mbamin’ny vinantony vavy” (7:7). “Tamin’ny finoana” no nanamboaran’ilay patriarka ny sambofiara, araka ny lazain’ny Hebreo 11, “hamonjena ny ankohonany” (11:7). Tsy vitan’ny hoe nozarain’ny vadiny ihany io finoana io, fa nozarain’ireo zanany sy ireo vadiny koa. Raha tsy nisy io finoana io, dia angamba tsy ho niditra tao anaty sambofiara izy ireo : fito andro tatỳ aoriana vao nanomboka ny safodrano ! Ny fianakaviana miray dia mamakivaky ny rano, tsy misy manjo azy, ary mahazo ny tsodranon’Andriamanitra (Genesisy 9:1).

Ny fanirian’ny ray aman-dreny kristiana, ambonin’ny zava-drehetra, dia ny hahavoavonjy ny zanany sy ny hanatonan’izy ireo manokana ny Tompo. Hiezaka ny hampianatra azy ireo ao amin’ny Teny isan’andro izy —hivavaka hiaraka aminy sy ho azy. Ambonin’ny zavatra rehetra, ny rivotra iainana ao amin’ny fianakaviana kristiana no hahatarika azy ireo, ny ohatra omen’ireo ray aman-dreniny, izay tia azy,  amin’ny antsipirian’ny fiainana, satria ireo ray aman-dreny ireo dia tsy “mpihaino manadino, fa mpanao ny asa” (Jakoba 1:25). Hoy Jehovah tamin’i Noa : “Manaova sambofiara ho anao”..."Dia nataon’i Noa izany”. —Hoy i Jehovah tamin’i Noa : “Midira ao anatin’ny sambofiara”..."Ary Noa... dia niditra tao anaty sambofiara”. Efa nolazaina mialoha ilay fitsarana, toy ny amin’izao androntsika izao, ary tsy maintsy fantatr’ireo zanatsika izany. Fa ho an’ny mino, dia misy ilay teny fampanantenana : “Izaho koa hiaro anao ho voavonjy amin’ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin’izao tontolo izao” (Apokalypsy 3:10). Ny finoana no nanamboatra ny sambofiara “fony niandry ny fahari-pon’Andriamanitra”. Talohan’ny hilatsahan’ilay didim-pitsarana, dia niditra tao anaty sambofiara ilay fianakavian’ny finoana, “ka dia namonjena azy ny rano” (1 Petera 3:20).

Dia indro, fa nimamo i Noa, izay efa antitra (9:21). Korontana tao amin’ny fianakaviany. Sema sy Jafeta dia “nandrakotra” tam-pahamaotinana ilay faharatsiana. Fa i Hama kosa dia nampiseho izany ary nianjera taminy ny ozon’ny rainy. Sema sy Jafeta, ho an’i Noa, dia antom-pankasitrahana an’Andriamanitra —nandray tsodrano maharitra izy ireo. Nandritra ilay vanimpotoana sarotra sy feno fankahalana nanamboarana ny sambofiara, dia niray hatrany ilay fianakaviana. Taorian’ny fanafahana, taorian’ny safodrano, dia niditra an-tsehatra ny fahavalo, ary indrisy fa tonga fahatafintohinana ho an-janany i Noa.

 

2.2  Abrahama

Finoana sy fanarahana ny antson’Andriamanitra no antony nivoahan’i Abrahama avy teo amin’ny taniny sy ny fianakaviany, ary nitondrany ny vadiny Saraha sy ny zana-drahalahiny Lota niaraka taminy. Noho ilay dadatoany, dia nisy asan’ny fahasoavan’Andriamanitra tao amin’i Lota, satria antsoina hoe “marina” izy ao amin’ny 2 Petera 2:7. Nanaraka ny ohatr’i Abrahama izy ka niara-dia taminy nandritra ny fotoana elaela. Saingy tsy ampy finoana ilay patriarka, ka nidina tany Egypta (Genesisy 12:10) ; tsy ho adinon’i Lota, izay mbola tanora, ny zavatra hitany tany. Rehefa tsy maintsy nanapa-kevitra hisaraka tamin’ny dadatoany izy, dia voasariky ny lemak’i Jordana izay azon-drano “tahaka ny tany Egypta” (13:10), ary nisafidy an’i Sodoma —izany dia sakana tsy fanahy iniana nataon’i Abrahama, kanefa dia nitondra vokatra mahafaty ho an’ny zana-drahalahiny.

Ho nandao io tontolo lo io ve i Lota raha nanampy azy ny dadatoany ka nanafaka azy tamin’ireo nambabo azy niaraka tamin’ny mpanjakan’i Sodoma ? Tsia, tsy niverina teny an-tendrombohitra i Lota —niverina tao amin’ilay tanàna voaozona izy (Genesisy 14). Hivavaka ho azy i Abrahama (18:32) ; i Lota ihany ary ireo zanany vavy roa no ho afaka amin’ny famotehana ; am-pahantrana tokoa no hamaranany ny fiainany. Nandritra ny fotoan-tsarotra nizorana tamin’ny finoana, nanomboka tao Ora, nandalovana tany Harana, mandra-pahatonga tany atsinanan’i Betela, dia mpanampy hatrany i Abrahama. Ilay fahadisoana nidinana tany Egypta no sakana nanampy trotraka ny faharavan’ny fiainan’ilay zana-drahalahiny.

Tsy manome antsipiriany momba ireo zanak’i Abrahama ny Teny —afa-tsy Isaka sy Ismaela— fa niteny fotsiny Andriamanitra hoe : “Fa efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandreman’ireo ny làlan’i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy” (18:19).

 

2.3  Jakoba

Raha mbola tsy nisy zaza, dia nirindra ihany ny fiainan’i Isaka sy Rebeka. Saingy lazaina amintsika, momba an’i Isaka irery, fa nivavaka nandritra ny roapolo taona izy mba hahazoana zaza. Tetsy andaniny koa i Rebeka dia nandeha irery nanontany an’i Jehovah, raha nitoe-jaza izy. Fa vao nisy ny zaza, dia lasa sakana ilay fomba fifanampiana sisa tafajanona. Satria tia haza i Isaka, dia tia kokoa an’i Esao izy, ary Rebeka, tetsy andaniny, dia tia kokoa an’i Jakoba satria izy no tia nijanona tao an-tranolay, izany hoe nijanona teo akaikin’ny reniny (Genesisy 25:27-28).

Samy tsy nisy nanampy ireo zanany tonga olon-dehibe izy ireo. Rehefa avy nivarotra ny fizokiany i Esao, dia naka vady teo amin’ny Hetita ; ary Jakoba, izay nampirisihin’i Rebeka, dia namitaka ny rainy ka tsy maintsy nandositra nandritry ny roapolo taona mahery, ary tsy hahita ny reniny intsony.

Hanao ahoana ny fianakavian’i Jakoba ? Inona no fanampiana ho entiny ho an’ireo zanany ? Fifampialonana teo amin’i Lea sy Rahely ; asa be loatra nataon’i Jakoba tamin’ireo biby fiompin’i Labana, satria izy no tompon’andraikitra tamin’izany, na dia nisasatra mafy aza izy : “Nony antoandro matin’ny hainandro aho, ary nony alina dia matin’ny fanala ; ary nandositra ny masoko ny torimaso” (Genesisy 31:40). Niandry fito taona vao tonga ireo zaza. Lea, izay hàlan’i Jakoba, dia nanana maro ; nialona i Rahely ary nahatonga ny hatezeran’ny vadiny (30:2). Tsy nanam-potoana i Jakoba, ary tsy nanana finiavana koa, hikarakara ireo taranany, na nandritra ny fahazazany na tatỳ aoriana.

Tsy misy fampitandremana ho antsika ve izany ? Rehefa maniry ny handroso amin’ny asa aman-draharaha, ny hahatratra ireo tanjona napetraka, dia mety tsy hiraharaha loatra ny fianakaviana. Kely loatra ny fotoana ho an’ny ankizy ; matetika ny famakiana ny Baiboly isanandro eo anivon’ny fianakaviana dia hamaivanina ; na dia ny asa fanompoana kristiana atao aza, noho ny antony mifangaro hanaovana azy ireo, dia mety ho sakana ho an’ny fianakaviana. Aoka isika hangataka mafy amin’ny Tompo mba hanome antsika firindrana amin’io “telolafy” io, izay mety ho tonga “fampisaratsarahana” eo amin’ny fianakaviana, ny asa aman-draharaha ary ny asa fanompoana kristiana izay be loatra. Raha toa ivon’ilay telolafy ny Tompo, dia hisy fitahiana. Ny fotoana ahafahantsika mikarakara ireo zanantsika alohan’ny handaozany ny akanin’ny ray aman-dreniny, dia tena fohy tokoa ; aoka isika haka fotoana ho azy ireo !

Fianakaviana misaritaka no niverina indray tamin’ny làlan’i Kanana —nentin’i Rahely ny terafiman-drainy— i Jakoba dia niasa saina momba ny mety ho valifaty ataon’i Esao rahalahiny. Ka rehefa niteny Andriamanitra hoe : “’Miaingà, miakara any Betela ianao... ary manorena alitara any ho an’Andriamanitra Izay niseho taminao, fony ianao nandositra ny tavan’i Esao rahalahinao” (Genesisy 35:1), dia tonga saina i Jakoba tamin’ny farany fa, teo amin’ny fianakaviany, dia nanjaka “ireo andriamani-kafa”. Nalevina tao ambany hazo terebinta tany Sikema izy ireo. Niakatra nankany Betela ihany ilay fianakaviana, fa i Jakoba irery no nivavaka. Tsy ho tonga any amin’ny faran’ny dia i Rahely ; maty teny an-dàlana nankany Efrata, izay i Betlehema, izy (35:19). Nalàm-baraka i Dina (34:5) ; novonoin’i Simeona sy Levy tamin-kabibiana ireo lehilahy tao Sikema, ary “voaozona” ny fahatezerany (49:7). Nanitsakitsaka ny rainy i Robena, ary veriny ny fizokiany (35:22).

Nefa ny fahasoavan’Andriamanitra dia nanome an’i Jakoba ireo zanak’i Rahely, dia Josefa sy Benjamina ; kanefa ho fifehezana ilay patriarka, izay nofitahin’ireo zanany hafa, dia nampinoana izy fa maty ilay tiany indrindra, ary nandritra ny roapolo taona, dia nisaona azy izy. Tatỳ aoriana koa, dia tsy maintsy nanome an’i Benjamina izy : "Ary izaho, raha foanana anaka aho, dia foana anaka ihany” (43:14).

Toa inona ny vokatry ny famitahan’i Jakoba sy ny sakana nentin’izany! Ary na dia nanazava ny harivan’ny fiainany aza ny fahamoram-pon’Andriamanitra, dia tafatoetra hatrany ireo fahatafintohinana nafafy teny amin’ny làlan-janany. Noho ny fahasoavana, dia afaka niresaka tamin’i Josefa izy, momba ilay “Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy hatrizay niainako ka mandraka androany, ny Anjely Izay Mpamonjy ahy tamin’ny loza rehetra” (48:15-16) ; kanefa dia nenina toy inona tamin’ny tsy nampianarany tamin’ireo zanany lahy folo ireo traikefa roa niainany tao Betela (35:9-15), raha tafaverina teo izy ka nahatsiaro ilay androm-pahoriany ! Momba an’i Peniela, dia tsy nisy na dia indraim-bava aza, mba afaka ho nanampy azy ireo. Farany, talohan’ny hahafatesany izy vao niresaka an’i Betela tamin’i Josefa (48:3-4).

 

2.4  Josefa

Lasibatry ny fankahalan’ireo rahalahiny i Josefa, ary na dia teo aza ny zavatra tsy maintsy nozakainy avy tamin’izy ireo nandritra ny taona maro, dia tonga fitahiana ho azy ireo ihany izy tany am-parany. Mba hamerenana tanteraka azy ireo, dia tsy nanala saron-tava teo no ho eo izy, raha tonga nitalaho tany Egypta izy ireo, fa nozahany toetra im-betsaka. Tsy maintsy voakasika ny fieritreretan’izy ireo. Fahaiza-mandanjalanja toa inona no nahaizany nanampy azy ireo, sady hentitra nefa feno fahasoavana, raha niaiky tamin’ny alalan’i Joda ireo rahalahiny, fa diso ary nanafina ny fahadisoany nandritra ny roapolo taona mahery. Ny fibebahana dia namerina indray ny firaisan’ilay fianakaviana.

 

2.5  Ely

Mpisorona i Ely, olon’Andriamanitra, mpitarika ara-panahy —tokony ho izany izy— kanefa tsy fantany izay niseho teo amin’ny fianakaviany. Efa tena antitra izy vao nahalala ny fitondrantenan’ireo zanany (1 Samoela 2:22). Navelany hanao izay sitrapony izy ireo ; ary raha niteny azy ireo izy, dia tam-pahalemena tokoa : “Tsy tsara ny teny reko ; fa mampanota ny olon’i Jehovah ianareo” (and 24). Tsy vitan’ny hoe tsy mpanampy izy ; fa ny gaboraraka nasehony dia azo antoka fa sakana ; ny tsy fisian’ny heriny dia hitarika ny faharavan’ny fianakaviany sy i Israely.

 

2.6  Davida

Mpanjaka araka ny fon’Andriamanitra i Davida, “nahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra hahasoa ny olona niara-belona taminy” (Asa 13:36), ary isan’ny olona nisongadina indrindra tao amin’ny Testamenta Taloha. Nofanina teo amin’ny sekolin’Andriamanitra izy, ary tonga mpanjaka.

Ny mpanjaka dia tsy tokony hanana vady maro (Deoteronomia 17:17). Nanohitra izany didin’Andriamanitra izany i Davida, ary nanana vady maro, ny iray tamin’izy ireo dia jentilisa, Maka, zanakavavin’ny mpanjakan’i Gesora, izay ho renin’i Absaloma, izay hametraka olana maro ho an-drainy. Ilaina tokoa ny mampitandrina ireo zanatsika sy miambina am-bavaka mba tsy hifidy vady tsy an’ny Tompo izy ireo rehefa lehibe. Mety hitondra fahorian-dalina eo amin’ny fiainana iray manontolo izany.

Tany Hebrona dia nanan-janaka i Davida (2 Samoela 3:2-5) : raha mbola kely izy ireo dia nafindra tany Jerosalema. Koa dia tsy nanam-potoana ho azy ireo intsony ny mpanjaka. Nandifotra azy loatra ireo ady maro, ny fandrindrana ny fanjakana ary zavatra hafa maro. Nalemy izy tamin’ireo zanany. Tonga izy dia nanaiky ny fangatahan’i Amnona, ilay zanany lahimatoa. Mody narary ilehio, ary naniry mba hoe hanao mofo ho azy i Tamara anabaviny, hafa reny taminy (13:6-7) ; tsy nanana faharanitan-tsaina ny mpanjaka ary tsy nahita ilay fandrika nataon-janany ho an’ilay tovovavy, izay ho halàny baraka, ary vao mainka aza namorainy ny tetika nataony. Vontom-pahoriana i Tamara nipetraka tao an-tranon’i Absaloma anadahiny. Tena sosotra tamin’izany i Davida, kanefa dia tsy nisy fepetra noraisiny.

Namaly faty ny anabaviny i Absaloma, ary nasainy novonoina i Amnona, izay tokony ho mpandova ny seza fiandrianana. Nampitomany an’i Davida izany ; nandositra i Absaloma ; rehefa nandeha ny fotoana, dia nanao izay rehetra azo natao i Davida mba hahitana indray ilay zanany, nanoroka azy, kanefa dia tsy nandray fepetra, na dia iray aza, hanasaziana azy (14:33).

Dia nikomy tamin-drainy avy eo i Absaloma, ary voatery nandositra niala tao Jerosalema i Davida. Raha nandresy ilay zanaka mpikomy i Joaba sy ny miaramilany, dia very hevitra i Davida ary niontana ny fony ka nitomany hoe : “Ry Absaloma, zanako, zanako, ry Absaloma, zanako ô ! Inay anie aho no maty nisolo anao, ry Absaloma zanako, zanako ô” (19:1). Nahoana no be tomany toy izany, kanefa tamin’ny zanak’i Batseba dia nanaiky ny fizahan-toetra izy, tamin’ny nilazany hoe : “Izaho no hankany aminy, fa izy tsy hiverina et amiko intsony” (12:23), teny izay marina fa an-kolaka, kanefa milaza ny finoany ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty. Fa ho an’i Absaloma, dia tsy misy fanantenana, tsy hatsangana amin’ny maty miaraka amin’ireo “ao amin’i Kristy” izy. Very izy.

Izao no lazaina amintsika momba an’i Adonia, mpandova fahefatra, izay nanohitra ny rainy ka nitsangana ho mpanjaka talohan’ny fahafatesany : “Ary ny rainy tsy mbola niteny mafy azy akory hatrizay niainany” (1 Mpanjaka 1. 6).

Angamba very ny ampahany tamin’ny faharanitam-panahin’i Davida taorian’ny tantara tamin’i Batseba. Toa inona no mety ho vokatry ny fahalavoan-dehibe na dia nisy aza ny fanarenana ! Ny tsy fahaizana nanampy ireo zanany tamin’ny fitaizana azy ireo, ary farany, ny fahitana azy ireo maty nisesy noho ny herisetra. Ireo zavatra maro loatra nanahirana azy nandritra ny fahatanoran’ireo zanany, sy ny fahalemeny amin’ny maha-ray azy, dia tsy fanampiana fa tena sakana tamin’ny fiainan’ireo lehilahy telo ireo.

 

2.7  Vehivavy iray tsara fitondrantena (Ohabolana 31:10-31)

Nomena an’i Adama i Eva mba ho mpanampy sahaza azy. Kanefa indrisy, fa ny mifanohitra amin’izany no nataony. Toa inona anefa ny fanampiana ataon’ity vehivavy iray ho an’ny fianakaviany, amin’ny fiafaràn’ny bokin’ny Ohabolana : “Matoky azy ny fon’ny lahy... Soa no ataon-dravehivavy aminy, fa tsy ratsy”. Tsy mety reraka miasa izy, “Hery sy voninahitra no fitafiany...Manokatra ny vavany amin’ny fahendrena izy ; ary ny lalàn’ny famindrampo no eo amin’ny lelany”.

Ary rehefa tonga eo amin’ny harivan’ny fiainany izy, “ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra”. Feno fankasitrahana reny toy izany izy ireo. Midera azy koa ny vadiny : “Maro no zazavavy nanao soa, fa ianao manoatra noho izy rehetra !” Marina fa mety ho maro ny vady tsara fitondrantena, fa ianao izay niara-dia tamiko teo amin’ny fiainana dia manoatra noho ireny rehetra ireny ! Mety ho azo lazaina hoe eritreritra manokana ihany izany, kanefa dia sambatra izay lehilahy afaka miteny toy izany amin’ny vady nomen’Andriamanitra azy. “Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa sady mahita sitraka eo imason’i Jehovah” (Ohabolana 18:22).

Mifanohitra amin’izany kosa, nisy vehivavy roa, vadin’ny mpanjakan’ny Israely, izay tsy vitan’ny hoe sakana, fa tena antambo ho an’ny vadiny sy ny fianakaviany. I Ahaba dia nanambady an’i Jezebela, zanakavavin’ny mpanjakan’ny Sidoniana (1 Mpanjaka 16. 31) ; nampirisihiny hanompo sampy izy. Tonga hatramin’ny fananganana alitara ho an’i Bala tao Samaria aza i Ahaba. Rehefa nandeha ny fotoana, dia “nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason’i Jehovah [i Ahaba], satria nampirisihin’i Jezebela vadiny izy” (1 Mpanjaka 21. 25). I Jezebela dia nianjera avy teo am-baravarankely, ary lanin’ny alika (2 Mpanjaka 9. 36). I Jaosafata dia mpanjaka mpivavaka , amin’ny ankapobeny, nitondra fitahiana ho an’ny vahoakany. Kanefa, nanaiky izy ny hanambadian’ny zanany lahy Jehorama ny zanakavavin’i Ahaba (2 Tantara 21:6), ary “nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah izy”. Nanjaka valo taona i Jehorama ary “lasa tsy nisy nalahelo azy izy” (2 Tantara 21:20).

Ny mpanjakan’ny Israely Omry, dia “nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohany” (1 Mpanjaka 16. 25). Izy no rain’i Ahaba sy Atalia (2 Tantara 22:2), izay renin’i Ahazia. Taorian’ny nahafatesan-janany, dia naringan’i Atalia avokoa ny zanak’andriana rehetra (2 Tantara 22:10). I Joasy, izay mbola zazakely, irery ihany no voavotry ny nenitoany Joseba (2 Mpanjaka 11. 2). Tamin’izany no nahafahan’i Atalia nanjaka tamin’ny tany. Io “vehivavy ratsy fanahy” io, niaraka tamin’ny zanany, no “efa nandrava ny tranon’Andriamanitra ; ary ny zavatra masina rehetra tao an-tranon’i Jehovah koa dia efa nateriny ho an’ireo Bala” (2 Tantara 24:7). Taorian’io fanjakany mahatsiravina io, dia novonoin’ireo mpanapaka ny miaramila tao an-tranon’ny mpanjaka izy (2 Tantara 23:15).

Ireo vehivavy roa ireo dia tsy vitan’ny hoe tsy nanampy ny vahoakan’Andriamanitra mihitsy, fa nampitondra fahoriana azy.

 

2.8  Ny fianakaviana

(Salamo 127 sy 128)

“Raha tsy Jehovah no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy”. Io andininy io dia azo ampiharina tsara amin’ny olona izay manorin-tokantrano miaraka amin’ny Tompo. Ny zanaka no “lova avy amin’i Jehovah... tamby”. Ho sambatra ilay iray, fehezanteny averina in-telo ao amin’ireo salamo roa ireo, raha matahotra an’i Jehovah izy ka mandeha amin’ny lalany. Fa koa, “ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra ao anatin’ny tranonao ; ny zanakao dia tahaka ny zanak’oliva manodidina ny latabatrao”. Izany no fianakaviana miray, ny vehivavy loharanom-pifaliana (voaloboka), ny zanaka zanak’oliva manome diloilo, kisarisarin’ny Fanahy Masina. Eo ny fitahian’Andriamanitra. Avy any Jerosalema izany (ho antsika dia kisarisarin’ny fiangonana) ; hisy ny zafikely : “ny zafinao”. Raha ny marina, dia i Jehovah no nanorina ny trano, ary ny ray no nahatonga fitahiana ho an’ny fianakaviany iray manontolo.

Ireo salamo ireo dia manantitra fa tsara raha mba fifaliana ho an’ny ankizy ny famakiana Baiboly ao amin’ny fianakaviana ; mba tsy hilaza izy ireo hoe : Enga anie mba tsy hisy famakian-teny androany hariva ! Fa ny mifanohitra amin’izany, tokony ho takany sy hahaliana azy io famakiana Teny io, mba ho faly handray anjara amin’izany izy. Raha mbola zaza izy ireo, dia aleo mianona amin’ny tantara azo tsapain-tànana, dia mandeha tsikelikely mankamin’ny fahamarinana ara-tsaina, indrindra fa ireo voarakitra ao amin’ny Testamenta Vaovao. Azo atao ny mametra-panontaniana azy ireo, fanontaniana sahaza ny taonany, izay handraisany anjara mavitrika. Ny kisarisary dia lalana mitondra amin’izany. Tsy ampy ny hoe mamaky fotsiny andininy vitsivitsy, milaza teny fohy, mivavaka, dia vita... Faly erỳ ireo ankizy ! Fa ny mifanohitra amin’izany, misaintsaina tsara, azo atao aza hoe manomana ilay andininy hovakiana, ary mampivoitra, omban’ny Tompo sy ny Fanahiny, ireo hevitra takatry ny zanatsika hahasoa azy ireo sy ho fifaliana ho azy. Lafiny iray amin'ny fahasambaran'ny fianakaviana mivory manodidina latabatra iray izany. Hoy ny Tompo Jesosy : “Avelao ny zaza hanatona Ahy” ; amin’ny fampianarana azy ireo ho tia ny Tompo Jesosy no hanatonan’izy ireo Azy. Nefa azo “sakanana” koa izy ireo, mazava ho azy fa tsy fanahy iniana, raha manao ny famakiana ny Teny ho sorisory ho azy ireo, raha manototra azy ireo amina lohahevitra na famakafakana, izay tsy mbola takany amin’ny taonany.

Ny tena zavatra ratsy lehibe, dia ny mitsikera rahalahy iray, mpampianatra Sekoly Alahady iray, naman’ny fianakaviana iray, na havana iray.

Ny tena tokony omena azy ireo dia ny faniriana hanatona an’i Jesosy, ka tsy mametraka azy manoloana zavatra tsy maintsy atao nefa mahasorena, na amin’ny fanerena azy ireo hanaraka fitsipika hentitra, fa aleo aza mampianatra azy ireo mankatoa fa ankasitrahana ao amin’ny Tompo izany” (Kolosiana 3:20). Amin’izay, rehefa miha-lehibe izy ireo ka miha-maka andraikitra, dia ho ao am-pony ny fitiavana hahafantatra samirery “izay ankasitrahan’ny Tompo” (Efesiana 5:10).

 

3  Amin’ny namana (Ohatra avy amin’ny Testamenta Taloha)

Amin’ny ankapobeny, ireo tena fifankatiavana dia miforona eo amin’ny fiandohan’ny fiainana, indraindray atỳ aoriana. Sarobidy tokoa ireo fifankatiavana maharitra mandritra ny fiainana iray manontolo. Hoy ny Deoteronomia 13:7 amintsika : “Sakaizanao izay toy ny ainao”. Ny dikanteny hafa dia milaza hoe “sakaiza tsy foy”. Raha manjaka ny tena fifampitokisana sy ny fahamafisam-bava tanteraka, dia hifamaly ny fitia : ho fanampiana tokoa izany raha “ao amin’ny Tompo” io fifankatiavana io. Ny fahatokiana dia rahavavin’ny fifankatiavana : “Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra” (Ohabolana 17:17) ; ary koa “Fa misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza” (18:24). Tsy misy namana olombelona izay mety tena ho namana tanteraka ; ny andininy toy izany dia azo ampiharina amin’ny Tompo Jesosy irery ihany. Ao amin’ny Jaona 15:15, dia hoy Izy amin’ny mpianany : “Fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo”. Ao amin’ny Lioka 12:4 : “Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe...”, raha hampahery ny fon’izy ireo Izy manoloana ireo zava-tsarotra sy fanoherana miandry azy ireo.

Jehovah dia niantso an’i Abrahama hoe “sakaizako” (Isaia 41:8). Jakoba (2:23) dia manantitra fa i Abrahama dia nantsoina hoe “sakaizan’Andriamanitra”. Lalina tokoa ny fiombonana nananan’ny patriarka tamin’Andriamanitra ! Jehovah dia niteny nifanatrika tamin’i Mosesy toy ny olona miresaka amin’ny sakaizany (Eksodosy 33:11). Nifanakaiky tokoa izy ireo hany ka naniry ny hahita ny voninahitr’i Jehovah i Mosesy. Inona no valiny ? —“Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao... Fa hiantra izay hiantrako Aho ary hamindra fo amin’izay hamindrako fo... Tsy mahazo mahita ny tavako ianao ; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona”. Toa inona ny fifandraisan-dalina nisy teo amin’Andriamanitra, “Izay mitoetra eo amin’ny mazava tsy azo atonina, Izay tsy hitan’olona sady tsy hainy jerena” (1 Timoty 6:16), sy ny mpanompony !

 

3.1  Joba sy ireo namany

Sitrak’Andriamanitra ny hanokana boky iray manontolo amin’ny Teniny ho ana lehilahy iray. Nanana lesona lehibe tiany hampitaina amintsika Izy. Ireo toko roa voalohany dia milaza ny fizahan-toetra navelan’Andriamanitra hiseho tamin’io mpanompony io : ny fananana, ny fahasalamana, ny vadiny, ny fanginan’ireo namany. Nandritra ny fito andro, dia nipetraka nanodidina azy ireo namany ireo, ary niha-navesatra hatrany ny fanginan’izy ireo. Dia nitroatra i Joba ka nahatonga ireo kabary tsy misy fahatakaran-javatra nataon’ireo namany telo lahy. Kanefa anie dia tonga “mba hampionona azy” izy ireo (Joba 2:11), ary naniry ny hampiseho ny tena fitiavany e! Avy lavitra izy ireo, kanefa inona no nentiny ? “Nanameloka an’i Joba” izy ireo (32:3). Tsy nahay nandresy lahatra azy izy ireo : “Andriamanitra no maharesy azy fa tsy olona” (32:13). Tsy nitondra an’i Joba teo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra izy ireo.

Jehovah mihitsy anefa no niteny momba ilay patriarka, hoe “olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy”. Averiny in-droa izany (1:8 ; 2:3). Angamba nanota ireo zanany nandritra ireo andro fanasana nataony, koa nanatitra fanatitra dorana ho azy ireo i Joba, “araka ny isan’izy rehetra” (1:5). Fa tsy mba nanatitra ho azy manokana izy ! Tsy fantany ny tao am-pony lalina tao ; hanokatra ny masony ilay fizahan-toetra. Tsy hain’ireo namana ny nanao izany. Toy ny vadin’i Joba, dia sakana izy ireo ary tsy nahitan-teny fampiononana na dia iray aza. Mety ho marina ireo rijan-kevitra nataony, kanefa tsy araka ny zava-misy :

miresaka ny traikefany i Elifaza : “Araka izay efa hitako” (4:8). Tsy azony ny fijalian’i Joba.

Bilidada dia mandroso ny fomban-drazana : “Fa masìna ianao, anontanio ange ny ntaolo, ka fantaro ny hevitra hitan’ny razana... Tsy ireny va no hampianatra anao ?” (8:8-10).

Zofara dia niampanga mivantana. “Ary dia hiteny [ianao] hoe : ...Tsy nanan-tsiny teo imasonao aho. Enga anie ka... hiloa-bava hamaly anao [Andriamanitra]... Tsy dia novalian’Andriamanitra avokoa ny helokao” (11:4-6). Io ilay mpanara-dalàna : mitaky Andriamanitra ; manohitra anao Izy ; manan-trosa Aminy ianao.

Ary tsy voavaha ny olan’i Joba. Ny mifanohitra amin’izany aza, nanirikiry azy ireo namany tamin’ireo fiampangany. Dia nanamari-tena i Joba ka lasa niteny hoe : “Tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho... Ny foko tsy manome tsiny ahy akory na dia ny amin’ny androko iray monja aza” (27:5-6). Niampanga an’Andriamanitra izy : “Nesorin’Andriamanitra tamiko ny rariny” ... Madio tsy manam-pahadisoana aho...Mitady izay handrafiany ahy Andriamanitra” (34:5 ; 33:9-10).

Dia navelan’Andriamanitra nisy tena sakaiza, mbola tanora kokoa, hiseho : Eliho. Izy no hitondra an’i Joba eo anatrehan’Andriamanitra mba hahitany samirery ny vahaolana amin’ny zava-mangirifiry manjo azy. Nanosika an’ilay tovolahy ny fanahy tao anatiny (32:18), ny fofon’ain’ny Tsitoha no namelona azy (33:4).

Nampitovy ny tenany tamin’i Joba izy : “Indro, izaho koa mba an’Andriamanitra tahaka anao ihany ; eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin’ny tanimanga” (33:6). Tsy te handoka izy, na handentika azy, saingy nasehony mazava ny fanakianana : “Efa nilaza... ianao hoe : Madio tsy manam-pahadisoana aho... Mitady izay handrafiany ahy Andriamanitra... He ! Izany no tsy mahamarina anao, ... fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon’ny zanak’olombelona... Kanefa misy fanao iray itenenan’Andriamanitra, eny, fanao roa aza... Manokatra ny sofin’ny olona Izy... mba hampiala ny olona amin’ny fanaony... Raha misy Anjely ho Mpanalalana ho azy, iray amin’ny arivo, hanoro izay tokony halehan’ny olona (amin’ny fitsarany ny tenany), dia hamindra fo aminy [Andriamanitra] ka hanao hoe : ... Efa nahita avotra Aho” (33:8-24). Amin’izay dia hisy ny mifandraika amin’ny fahateraham-baovao ao amin’ny Testamenta Vaovao. Hiteny i Joba hoe : "Efa nanota aho, fa nanao ny rariny ho heloka, kanefa tsy novaliana araka ny nataoko ; fa navotany ny fanahiko mba tsy hivarina any an-davaka... Izany rehetra izany no ataon’Andriamanitra amin’ny olona... mba hihazavany amin’ny fahazavan’aina"(33:27-30).

Nanana teny ho an’Andriamanitra i Eliho : “Indro, lehibe Andriamanitra, kanefa tsy mba mamingavinga... Dia manokatra ny sofiny hihaino fananarana Izy... Iza no mba mpampianatra tahaka Azy ?” (36:5, 10, 22).

Eliho, ilay namana mahatoky, ilay mpanampy sarobidy, dia nangina ; tsy nanana na inona na inona ampiana intsony i Joba (31:40) ; koa dia afaka niresaka taminy mivantana Andriamanitra (toko 38-41).

Farany dia niondrika i Joba ary niaiky ny fahalehibeazan’Andriamanitra : “Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao... Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko... Hanontany Anao aho ka ampahafantaro. Fandrenesan’ny sofina ihany no nandrenesako Anao ; fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao ; koa dia miaiky sy mibebaka eto amin’ny vovoka sy ny lavenona aho” (42:2-6). Tsiravina izy niampanga an’Andriamanitra, nefa tokony ho nitsara tena !

Ary naverin’i Jehovah ny fiadanan’i Joba taloha, rehefa avy nivavaka ho an’ireo namany izay nampijaly azy tokoa izy, izay tsy niresaka an’Andriamanitra araka ny tokony ho izy (42:7). In-droa noho izay nananany fahiny no nomen’Andriamanitra azy, afa-tsy ireo zanany, satria ireo zanany ireo dia tsy very : efa natolotra ny fanatitra ho azy ireo, toy ny ho an’ireo namany (1:5 ; 42:8).

 

3.2  Samoela sy Davida tany Naiota (1 Samoela 19:18)

Tsy maintsy nandositra i Davida nanoloana ny fahatezeran’i Saoly. Nialokaloka tany amin’i Samoela tao Rama izy, ary notantarainy azy izay rehetra nataon’i Saoly taminy. Dia lasa nandritra ny fotoana elaela nankany Naiota izy ireo, nitokana (toa an’i Jesosy sy ny mpianany, Marka 6:31). Ilay ho tonga mpanjaka dia niditra teo amin’ny sekolin’Andriamanitra, ary ilay mpanompo efa antitra kosa dia hivoaka amin’izany. Tena mpanampy ho an’ilay namany tanora i Samoela, toa an’i Kefasy tatỳ aoriana tamin’i Saoly mbola tanora... nandritra ny dimy ambin’ny folo andro ! (Galatiana 1:18).

Inona no fanampiana mba mety ho hitan’ny tanora eo amin’ny rahalahy na anabavy iray efa manana traikefa, azo hamborahana ny ao am-po, hilazalazana ireo olana manjo sy ireo fanontaniana, ka ho afaka hanome ny valiny mahafa-po ?

Nisaona an’i Saoly i Samoela. Nasain’Andriamanitra nanosotra an’i Davida teo anivon’ny fianakaviana izy (1 Samoela 16:13). Izao ilay lahiantitra dia nahita ilay mpanjaka naongana araka ny tena naha-izy azy, ary nianatra ny hahalala kokoa ilay olona izay nolazain’i Jehovah taminy hoe “ho mpanjaka ho Ahy” izy. Nanam-potoana ilay mpaminany efa antitra mba hanosorana ilay mpiandry ondry tanora ; amin’izao androm-pahoriana ho an’i Davida izao, dia nanam-potoana handraisana azy izy. Enga anie ka mba hisy, any amin’ireo fiangonana samihafa, lehilahy sy vehivavy niara-niaina tamin’ny Tompo, ka mba ho afaka ho tena mpanampy ireo tanora izay matoky azy ireo, ary koa raibe na renibe vonona ny hampahery ireo zafikeliny.

 

3.3  Abigaila (1 Samoela 25)

Vehivavy hendry sady tsara tarehy i Abigaila, fa nanambady lehilahy saro-po sy ratsy amin’izay ataony, dia i Nabala. Nandà tsy hanome an’i Davida ny sakafo tokony ho an’ireo zatovony izy, noho ny soa nataon’izy ireo taminy. Te hamaly faty ka nitondra ny sabany teny am-balahany i Davida sy ireo olony, ary niakatra hamono an’i Nabala. Vao nahare izany i Abigaila, dia nihazakazaka hitsena ireo mpanafika, nitondra sakafo ary nihazona an’i Davida : “Raha... manendry anao [Jehovah] ho mpanapaka ny Israely, dia tsy ho alahelo na ho nenina amin’ny fon’ny tompoko izany, fa tsy nandatsa-dra foana ianao, na namaly ho an’ny tenanao, tompoko” (and 31). Nisaotra an’i Jehovah i Davida naniraka an’i Abigaila hitsena azy ; tamin’ny alalany no noravan’Andriamanitra ny drafitra nataon’ny fahavalo mba hahalavo an’i Davida. Nangataka ity vehivavy ity mba hahatsiarovany azy. Namaly azy Davida hoe : "Efa nohenoiko ny feonao, ary nankasitrahako  ianao". Samy nitolagaga tamin'ny iray, samy nifanaja, samy nahay nandanjalanja ny fihetsika sy ny teny. Nefa i Abigaila dia voafatotra tamin’i Nabala tamin’ny fanambadiana. Efa maty ilehio vao nampakarin’i Davida ho vady izy ; hamaly aza izy fa tonga ho toy ny mpanompo ! Tena mpanampy mahavariana mihitsy izy tamin’ny fotoana iray voasoritra tsara, ary izy roa dia nahay niandry ny ora nofidian’Andriamanitra mba hiraisany.

Ny fifankatiavana eo amin’ny lehilahy sy vehivavy, dia mety hitondra soa ara-panahy raha miankin-doha amin’ny Tompo, kanefa tokony hisy hatrany ny fahamalinana sy ny fahamaotinana. Mora loatra ny mamotika tokantrano iray, indrindra raha be loatra na lava loatra ny fifampikasohana. Mpiara-miasa izay manjary tiana. Fifampisarihana meloka. Enga anie mba hanampy antsika Andriamanitra ! Misy tranga izay tsy maintsy ilàna ny fisarahana eo no ho eo, na dia mangirifiry aza izany, araka ny nolazain’i Jesosy Izy tenany mihitsy (Matio 5:28-29).

 

3.4  Jonatana

Niverina avy niady tamin’ny Filistina i Davida, ary ny lohan’i Goliata no teny an-tànany. Tena nitolagaga taminy i Jonatana, ary niraiki-po tamin’i Davida. “Tia azy ohatra ny tenany mihitsy izy” (1 Samoela 18:1). Izy no ho ilay namana mahatoky tamin’ireo tranga nampangirifiry izay nikatsahan’i Saoly hamono an’i Davida.

Nesorin’i Jonatana ny akanjo maha-mpanjaka azy, ny fitafiany, ny sabany, ny tsipikany ary ny fehikibony : nomeny an’i Davida daholo izany rehetra izany (Davida eto dia kisarisarin’i Kristy). Im-betsaka izy no hampahery ilay namany, izay niharan’ny fahasarotam-piaron’ny rainy nitady hamono azy.

Nifankahita farany izy roalahy, ary nisaraka tsy hifankahita intsony (2 Samoela 23:16-18). Raha mieritreritra ny tantaran’izany isika, tokony ho navelan'i Jonatana ve ilay rainy mampalahelo izay efa nitady hamono azy in-droa, na dia teo aza ny Eksodosy 20:12 : “Manajà ny rainao...” ? Ho nanaraka an’i Davida nankany amin’ny Filistina izy, ary mety ho niady tamin’ny vahoakany ihany. Niaraka tamin’i Saoly izy ary maty teo an-tendrombohitr’i Gilboa. Safidy roa maha-sanganehana sy mampitaintaina, izay tsy azon’ireo mpisakaiza roalahy novinavinaina. Mazava ho azy fa raha ataontsika hoe kisarisarin’i Kristy i Davida, dia azo lazaina koa fa mety misy tranga tena faratampony haneken’ny Tompo ny hisarahan’ny mpino iray amin’ireo ray aman-dreniny mba hifikirany amin’i Jesosy, na dia atao aza hoe dia mety ho tahiana noho ny fahasoavana ny fijoroana ho vavolombelona mahatoky ao anatin’ny fianakaviana iray mankahala ny Filazantsara. Na izany na tsy izany, dia tsy nanana alahelo tamin’i Jonatana mihitsy i Davida. Ny mifanohitra amin’izany aza, tao amin’ilay hira atao hoe Tsipìka (2 Samoela 1), dia nomarihiny manokana ilay namany : “nahafinaritra ahy indrindra ianao... nahagaga ny fitiavanao ahy” (and 26).

 

3.5  Ahitofela, Hosay (2 Samoela 15:31-37 ; 16:15-17, 23)

Tsy maintsy niala tao Jerosalema i Davida, mba handosirana an’i Absaloma zanany. Amin’izany, dia misy mpisakaiza roalahy resahina amintsika : Ahitofela sy Hosay. Ren’i Davida fa ity voalohany, izay mpanolo-tsaina azy, dia any Jerosalema miaraka amin’ireo mpioko sy Absaloma. Fivadihan’ny sakaiza iray.

Raha tonga teny an-tampon’ny tendrombohitra Oliva i Davida, dia nifanena tamin’ny sakaizany iray hafa, Hosay, ary nampirisihin’ilay mpanjaka ilehio hiverina any Jerosalema, mba hanapotika ny tetik’i Ahitofela. Taloha kelin’izany dia nivavaka tamin’i Jehovah i Davida momba izany (15:31). Namaly ilay vavaka Andriamanitra, ary nataony ho ny soso-kevitr’i Hosay no nandresy ny an’i Ahitofela. Namono tena i Ahitofela (17:23), ary Hosay kosa, ilay namana mahatoky, izay nanao sorona ny ainy tamin’ny niverenany tany amin’i Absaloma, dia mbola niaraka tamin’ny mpanjaka ihany. Ny zanany lahy, Bana, dia lasa iray tamin’ny mpiandraiki-draharahan’i Solomona (1 Mpanjaka 4. 16).

 

3.6  Jonadaba (2 Samoela 13:3-5, 32-33)

Naman’i Amnona, ilay lahimatoan’i Davida, sady zanak’olom-pirahalahy aminy i Jonadaba, ary mpanolo-tsaina ratsy izy, havanana tokoa, fetsy, nefa lany henatra. Tsy nihambahamba izy nanoro hevitra mampalahelo tamin’ny namany momba an’i Tamara, ilay mpiray ray amin’i Amnona. Very i Amnona nanaraka izany torohevitra izany.

Raha nasain’i Absaloma novonoina i Amnona, dia fantatr’i Jonadaba mialoha izany. Nampitony an’i Davida izy —“Aoka ny tompoko tsy hanao hoe : matiny avokoa ny zatovo rehetra, zanakalahin’ny mpanjaka ; fa Amnona ihany no maty ; fa Absaloma efa nifofo azy hatramin’ny andro nisavihiny an’i Tamara anabaviny.” Azon’i Jonadaba natao tsara ny hisoroka io famonoan’olona io raha nampilaza an’i Amnona sakaizany na i Davida izy. Nefa tsy nanao izany izy. Aoka isika hitandrina momba ireo namana eo amin’izao tontolo izao, izay tsy matahotra an’Andriamanitra, angamba miaro ny tombontsoany, ary mety hitarika any amin’ny fandrika mety hahafaty indraindray.

 

3.7  Daniela

Sesitany tany Babylona i Daniela, niaraka tamina tanora maro izay taranaka mpanjaka, ary nahita namana telo tamin’izy ireo izy. Na teo aza ny loza nitatao tamin’izy ireo, dia niara-nandray fanapahan-kevitra hentitra izy ireo, naroson’i Daniela, mba handà ireo sakafo tsaran’ny mpanjaka efa natolotra tamin’ny sampy. Novalian’Andriamanitra ny fahatokian’izy ireo. Nisy fizahan-toetra hafa ary nahatonga azy ireo niara-nivavaka (2:18). Tamin’ny fomba mahagaga no namalian’Andriamanitra azy ireo. Tatỳ aoriana, dia nandika ny didin’ny mpanjaka ireo mpisakaiza telo lahy, tsy nisy an’i Daniela, tamin’ny nandàvany tsy hiankohoka teo anatrehan’ilay sary vongana, ary namaly ny finoan’izy ireo Andriamanitra. I Daniela koa dia handalo fizahan-toetra hafa, tsy nisy ny fanampian’ireo namany ; ny fahatsiarovana ireo andro niaraha-niaina dia ho fanampiana lalandava ho an’izy ireo.

 

3.8  Ebeda-meleka (Jeremia 38:7-13)

Nazera tao anaty lavaka famorian-drano i Jeremia, ary nilentika tany anaty fotaka ka efa ho faty (Fitomaniana 3. 52-54). Niantsoantso an’i Jehovah izy, Izay namaly hoe : “Aza matahotra”. Andriamanitra dia hampiasa an’i Ebeda-meleka, ilay ionoka Etiopiana tao an-tranon’ny mpanjaka. Tohina tamin’ny ratsy rehetra natao tamin’ilay mpaminany izy, ary niditra teo anoloan’i Zedekia mba hitalaho taminy ho an’ilay lehilahy mampalahelo, izay tiany ampiana. Nomen’ilay mpanjaka lehilahy telopolo izy hampiakatra an’i Jeremia avy tao an-davaka. Nikarakara tokoa i Ebeda-meleka, ka nitady lamba rovitra sy voro-damba mba hatao ao ambany helik’i Jeremia, eo ambanin’ireo tady, mba hisintonana azy avy eo amin’io lavaka izay hihazonan’ny fotaka azy io. Fanampiana tsara fipetraka avy amin’ny vahiny iray izay onena tamin’ny fahorian’ilay lehilahin’Andriamanitra. Fahamoram-po mampahatsiahy ny an’Andriamanitra momba ny vahoakany : “Tamin’ny kofehy fitarihana olona no nitarihako azy, dia tamin’ny mahazakan’ny fitiavana” (Hosea 11:4). Tsy ho hadinon’Andriamanitra i Ebeda-meleka, ary nampanantena ny hamonjy azy Izy (Jeremia 39:16-18).

Mba tena hanampiana ireo namantsika, moa ve tsy tokony isika aloha no “hamaka sy hiorina mafy amin’ny fitiavana” ? (Efesiana 3:18).

 

4  Eo amin’ny fiangonana eo an-toerana (iombonana— ohatra avy amin’ny Testamenta Vaovao)

“Tonga tet ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota” (1 Timoty 1:15). Ny famonjena dia ho an’ny tsirairay manokana; samy voaantso, rehefa mibebaka, hanaiky ny Mpamonjy : Izay rehetra mino Azy... hanana fiainana mandrakizay (Jaona 3:16). Nefa tsy natao handeha irery ny mpino ; amin’ny lafiny iray, dia angamba mety ho mora kokoa izany, saingy tsy araka ny fihevitr’Andriamanitra. “Jesosy ho faty... mba hanangona ny zanak’Andriamanitra izay efa niely, ho antoko iray” (Jaona 11:51-52).

“Ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry” (Jaona 10:11). Ny sasany dia voahidy tao anaty vala, kisarisarin’ireo jiosy nofehezin’ny didy, ny fitsipiky ny lalàna ary ny fomban-drazana. Fa i Jesosy kosa niantso ireo ondriny amin’ny anarany, ary nitondra azy ireo nivoaka. Dia mandeha eo anoloan’izy ireo Izy, ary manaraka Azy ny ondry (and 3-4).

Nisy “ondry hafa” avy amin’ireo firenena izay tsy mbola nifandray mihitsy tamin’i Jehovah, “izay tsy amin’ity vala ity”. “Ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko ; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry” (and 16).

Ireo ondry tao am-bala dia nohazonina hikambana tamin’ny fefy. Ny andian’ondry dia hazonina hikambana amin’ny ivo : ny Mpiandry.

Tsy tonga haneho ny zava-miafina momba ny fiangonana i Jesosy, kanefa eto Izy dia manipy teny ny amin’izany : ny jiosy sy ny jentilisa dia hakambana ho iray. Tany amin’ny epistily ho an’ny Efesiana vao nampahalalan’i Paoly, indrindra indrindra, io zava-miafina nampahafantarina azy io : “Ny hahatongavan’ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin’i Kristy Jesosy noho ny filazantsara” (Efesiana 3:6). Io tena io, izay Kristy no loha (Kolosiana 1:18), dia ho foronina amin’ny fahatongavan’ny Fanahy Masina, izay “nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na jiosy na jentilisa, na andevo na tsy andevo” (1 Korintiana 12:13). Efa tao anatin’ny filazantsara ny tsimoka momba izay ho lazaina ao amin’ireo epistily. Noho izany, “ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany” : fahasamihafana ao anatin’ny firaisana (1 Korintiana 12:12).

Azo atao ny mivory toy ny ondry iray andiany. Samy mihazona ny maha-izy azy, ary arakaraka ny fanakaikezan’ireo ondry ny mpiandry no hifanakaikezan’izy ireo koa.

Fa ny hoe anisan’ny momba ny tena iray dia zavatra hafa mihitsy. Izany dia hoe anisan’ny zava-manan’aina iray —ary “Andriamanitra efa nametraka izay rehetra momba ny tena, samy ho eo amin’ny tena araka ny sitrapony” (1 Korintiana 12:18). Tsy ny hamorona rafitra iray manana ny fitsipiny, ny fanekem-pinoany, na koa hanavao ireo didy, fa ny hivory satria nakamban’ny Tompo sy ny Fanahiny, ary Izy mihitsy no ivony : “Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia eo afovoany Aho” (Matio 18:20). Tsy voalaza hoe “niara-nivory” fa ara-bakiteny dia hoe “notarihina hiaraka” mankany (teny fameno manambara lalana) amin’ny anaran’i Jesosy. Ny Fanahy Masina no mahatonga io firaisana io, ary na dia vitsy aza ireo mpino izay mivory amin’io fanorenana io, mankasitraka ao am-pony fa iray ihany ireo rehetra rantsam-batan’ny tena, eo imason'Andriamanitra sy ny Tompo Jesosy, dia azo lazaina amin’izy ireo, toy ny tamin’ny Korintiana hoe : “Ary ianareo no tenan’i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy” (12:27) (*).

 

(*) Ny soratra ifotony dia milaza hoe : Ianareo no tenan’i Kristy, fa tsy hoe : Ianareo no ilay tenan’i Kristy.

 

Ahoana no hahatonga ho mpanampy fa tsy ho sakana ao amin’ny fiangonana eo an-toerana toa izany ? Lafiny telo samihafa no azo jerena :

Ny fiteny

Ny fihetsika sy ny rivotra iainana aterak’izany

Ny asa fanompoana (*)

 

(*) Ireo fanontaniana ireo dia valianay araka ny fomba iainana azy, fa tsy ara-poto-pampianarana, fa maro ireo boky miresaka izany).

 

4.1  Ny teny ataontsika

Manambara izay hitan’Andriamanitra ao am-pontsika ireny : “Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony ; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy ; fa amin’ny haben’ny ao am-pony no itenenan’ny vavany” (Lioka 6:45).

Ny lela dia mety ho sakana tsy hanehoana ireo hevitra mipololotra avy ao am-po ; noho ny fahasarotan-kenatra na ny fameran-tena diso be loatra, dia tsy sahy manambara izay tsara ; momba ny ratsy indray, mety miasa io sakana io, nefa indrisy fa fotoana kely ihany ; indray andro any dia hivoaka ireo sain-dratsy ! Koa ilaina ny mahatsapa izany haingana, ary miaiky izany eo anatrehan’Andriamanitra tsy misy hatak’andro.

 

4.1.1  Ny fahafaliana

Aoka “mianina amin’izay anananareo” hoy ny Hebreo 13:5 amintsika. Manome teny fampanantenana ny Tompo ; raha raisintsika ho antsika izany ka feno fatokisana isika, dia hiteny hoe : “Ny Tompo no Mpanampy ahy”. Fahafaliana sy fankasitrahana an’Andriamanitra ; fa koa fomba fihetsika ao amin’ny fiangonana. Hanararaotra ireo sakafo ara-panahy rehetra omen’ny Tompo isika, na dia eo aza ireo fahalemena maro ; hahay hankasitraka amin’ireo tranga samihafa ny soa entin’ny fahasoavany.

Inona no toe-po ho entintsika amin’ireo teny ataontsika ao amin’ny fivoriana toy izany ? Ny olona izay mifaly amin’ny toerana nametrahan’Andriamanitra azy sy amin’ireo firavoravoana hitany miaraka amin’ny rahalahiny manodidina ny Tompo, dia ho fanampiana be tokoa ao amin’ny fiangonana. Raha toa izy faly ny “manaratsy rahalahy” (Jakoba 4:11) dia mety hahatonga fisaritahana maro ! Ary avy aiza moa ireo fanakianana, io tsy fahafaham-po io ? Satria mora loatra ny manohatra ny tena amin’ny hafa, na amin’ny lafiny ara-bola, na amin’ny toerana misy anao ao amin’io fiangonana io. Hitondra teny toy ny ao amin’ny fiaraha-monin’olombelona ve isika, miaraka amin’ireo tsy fahafaliana samihafa rehetra izay miova ho fanoherana, ary indraindray aza mihoatra noho izany ? Sa kosa hitondra filaminana ao amin’ny fiangonana ? Manampy i Jakoba hoe : “Aza mifampimonomonona (ara-bakiteny aza mitaraina), ry rahalahy, fandrao hohelohina ianareo” (5:9). Ny fanoherana dia avy ao anaty aloha : niady tamin’itsy rahalahy na tamin’itsy anabavy itsy, na itsy fomba fihetsika iombonana iroa ny saintsika ; nitady antony anomezan-drariny mandrakariva ny tenantsika isika. Farany, dia nivoaka ireo alahelo ireo rehefa nitambatra ! Sakana toa inona no mety ho entin’izany ao amin’ny fiangonana !

 

4.1.2  Manarona (1 Petera 4:8 ; Jakoba 5:20b) — Manaratsy (1 Petera 2:1)

Tsy tokony heverina ho tsy misy ny faharatsiana lehibe iray ao amin’ny fiangonana, satria mihevitra fa manampy raha manarona izany. Mampianatra antsika momba izany ny 1 Korintiana 5. Fa zavatra hafa kosa ny hoe tsy mitantara havia sy havanana ny ratsy izay mety ho fantatra : “Raha misy mahita ny rahalahiny manao ota tsy mahafaty, dia aoka hifona ho azy izy” (1 Jaona 5:16). Tsy fahafatesana mandrakizay no resahina eto, fa fahafatesana ara-batana na ara-moraly, eo ambany fitondran’Andriamanitra. Tsapa ny fahadisoan’ny rahalahy iray. Mifona ho azy mba hiasan’ny Fanahin’Andriamanitra ao am-pony, handresy lahatra azy fa nanota izy ary hitarika azy hiaiky izany (1 Jaona 1:9). Ao amin’ny Matio 18:15, dia mitady izay ahazoana azy.

Misy tsy fifankahazoana mitranga eo amin’ny rahalahy roa. Tsy mifampiarahaba intsony izy ireo, tsy mifampiteny intsony, fa samy lasa mitaraina any amin’ny olon-kafa ny amin’ny zavatra nataon’ilay iray azy. Moa ve hisy rahalahy hendry (Filipiana 4:3) hilofo hampihaona azy ireo ka hampihatra izay lazain’i Jakoba 5:16 hoe : “Mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo” ? Amin’izany no mety hanarenana ilay fiombonana, noho ny fahasoavan’Andriamanitra. Izany no efa hitan’i Petera mialoha : “Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara : fa ny fitiavana manarona fahotana maro” (1 Petera 4:8).

Tsy mampitombo zavatra isika raha milaza fa ny fanaratsiana dia loza lehibe mihitsy eo amin’ny kristiana. Ny manaratsy dia tsy mamorona zavatra ratsy, fa manaparitaka zava-dratsy efa misy fotsiny. Ny manendrikendrika indray dia milaza lainga, na manitatra be loatra ny zava-misy. Amin’ireo tranga roa ireo, ny tanjona afenina dia matetika ny fitiavana te hiseho ho tsara ! Hoy ny Ohabolana 18:8 hoe : “Ny tenin’ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra”.

Ny fanaratsiana, indrindra moa fa ny fanendrikendrehana, dia mety tsy hahatokisana intsony ny rahalahy iray, na hanakivy azy, ary hanakana ny asa fanompoany eo imason’ny hafa. Raha toa tsy azon’ny fahavalo hatao ny manaratsy ny fampianarana, satria araka ny Teny izany, dia misy olona asainy miteny zavatra ratsy momba io olona io. Ireo fahavalon’ny apostoly dia nilaza hoe : “Fa ny epistiliny, hoy izy, dia mavesatra sy mahery ; fa malemy kosa ny fanatrehan’ny tenany, ary tsinontsinona ny teniny” (2 Korintiana 10:10).

Rariny raha hilaza amintsika ny 1 Petera 2 hoe “Esory... ny fihatsarambelatsihy sy ny fialonana ary ny fanaratsiana rehetra”, alohan’ny hiresahany momba ny hoe “hanatitra fanati-panahy sitrak’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy” (and 1 sy 5). Raha mihizingizina amin’izany, dia tsy ho afaka hiasa “amin’ny Fanahin’Andriamanitra” (Filipiana 3:3) intsony ilay “fisoronana masina” (and 5). Ary moa ve mbola ho azo hitokiana ihany fa hanambara “ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga” (and 9) ilay “fanjakà-mpisorona” ?

Hoy ny Ohabolana 15:1 : “Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy ; fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana”. Ny Mpitsara 8. 1-3 dia mampahatsiahy antsika hoe ilay valinteny mora nataon’i Gideona dia nampitsahatra ny hatezeran’ireo Efraimita, fa ao amin’ny Mpitsara 12. 1-6 kosa, ny herisetran’i Jefta dia nahatonga ady an-trano.

Mihambo ny hanala ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahy ny olona (Matio 7:3-5). Hoy ny Tompo : “Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ny masonao, ary amin’izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao.” Mora ny manakiana rahalahy iray noho ny fahadisoany tsy dia mankaiza loatra, nefa tsy mahatsiaro tena fa mbola lavitra dia lavitra ny hitovizanao amin’ny Tompo, na dia noho io fihetsika mampiseho fanambonian-tena io fotsiny ihany aza.

Fa aoka ho jerena ny zava-tsoa mety ho entin’ny teny ataontsika : “Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ny mihaino fahasoavana” (Efesiana 4:29). Ary manampy ny Kolosiana 4:6 hoe : “Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.” Tena ilaintsika tokoa ny mangataka amin’ny Tompo mba hanampy antsika hanana fiteny ho fanampiana fa tsy ho sakana, na ho an’ireo rahalahintsika, na ho an’ny Filazantsara (Jaona 4:9).

“Hampamoahina ny olona amin’ny andro fitsarana noho ny amin’ny teny foana rehetra izay ataony” ! (Matio 12:36).

 

4.2  Fomba fihetsika, rivotra iainana

4.2.1  Mifaly, mitomany (Romana 12:15)

Hoy ny Romana 12:15 amintsika : “Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany”. Fanampiana toa inona no mety ho entin’izany fihetsika izany ! Angamba ho mora kokoa ny hitomany miaraka amin’ireo izay mitomany, tratran'ny aretina mafy na nidonam-pahoriana. Fa ny mifaly miaraka amin’ireo izay mifaly dia mitaky tsy fitiavan-tena na fitsiriritana. Fampaherezana tokoa ho an’ny mpivady vao, amin’ny fiandohan’ny fiarahany miaina, ny fahatsapana ny fiombonan’ireo rahalahy sy anabavy maro mandritra ny vavaka sy ny fanehoana ny Teny amin’ny fivoriana aorian’ny fanambadiany !

Mihoatra noho izany aza : ny miara-mifaly amin’ny Mpiandry izay nahita indray ilay ondry veriny ka milaza amin’ny namany sy ny mpifanolo-bodi-rindrina aminy hoe : “Avia hiara-mifaly amiko”. Na koa araka ny nolazain’ny apostoly Jaona hoe : “Faly indrindra aho, satria nisy hitako ny zanakao sasany mandeha amin’ny fahamarinana” (2 Jaona 4). Mifaly mahita tanora miezaka ny hanaraka ny Tompo, fa tsy manisy fisalasalana na fiahiahiana amin’ireo dingana voalohany ataony eo amin’ny finoana. Ny mifanohitra amin’izany aza, manampy azy ireo ary, raha ilaina, mampianatra azy ireo “araka izay hainy hohenoina” (Marka 4:33).

 

4.2.2  Famonjena ara-dalàna ny fivoriana (Hebreo 10:25) — Fahazarana mandao, Demasy (2 Timoty 4:10)

Hoy ny Hebreo 10:24-25 amintsika : “Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara ; aza mahafoy ny fiarahantsika niangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro”. Io fampirisihina io dia natao taoriana kelin'ny niresahana momba ny “fahatokiana” ananantsika hiditra ao amin’ny fitoerana masina, mba “hanatona”. Tombontsoa tsy fantatra tany Israely fahiny izany, satria ireo mpisorona irery ihany no afaka niditra tao amin’ny fitoerana masina, ary ny mpisoronabe irery ihany, tao amin’ny fitoerana masina indrindra, indray mandeha isan-taona. Nefa ankehitriny,

 

Voasasa, marina, lavorary, miditra ao amin’ny fitoerana masina isika,

Ao amin’ny fanazavan’ny tavan’Andriamanitra.

 

Avy aiza moa ilay fahazarana, mateti-pitranga loatra, tsy handehanana ara-dalàna any amin’ireo fivoriana ? Miankina amin’ny fomba fandaminana ny fotoana izany. Ireo tanora dia hilaza fa mandany ny fotoanany rehetra ny fianarany. Kanefa, vitsy ireo vanim-potoana eo amin’ny fiainana izay araraotina kokoa noho izany, hananana ora vitsivitsy ao anatin’ny herinandro hivoriana. Rehefa tonga ny fanambadiana sy ny ankizy, ny zavatra tsy maintsy hatao eo amin’ny asa aman-draharaha, dia mbola ho be kokoa ny hery ilaina. Io famonjena ara-dalàna ny fivoriana io dia hitondra soa ho an’ny tena, fa ho fanampiana koa, fampaherezana ho an’ireo rahalahy sy anabavy. Ireo tsilo tamin’ny fanoharana : asa be loatra, fanahiana, fitsiriritana ny zavatr’izao tontolo izao, dia afaka mamono ilay voa vao mitsiry, mampihataka koa ny mpino amin’ny fiangonana. Izany no nanjo an’i Demasy izay “tia izao fiainana izao”, nilaozany ny apostoly ary lasa nankany Tesalonika izy, inona no tanjony ? Azo antoka aloha fa tsy nitondra fampaherezana tahaka ny famangian’i Timoty fahiny izy (1 Tesaloniana 3:2, 6).

Aoka isika hahay hisaotra ny Tompo noho ireo rahalahy sy anabavy nangoniny niaraka tamintsika —ao amin’ny fifaliana, ao amin’ny fitiavana ny olona masina (Hebreo 6:10), mahay mifandefitra sy mifamela heloka araka ny Kolosiana 3:12-13, “tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo”, tsy mizaha tavan’olona (Jakoba 2:1-4), na misy fangidiana (Hebreo 12:15b). Mbola manan-danja hatrany amin’izao fotoana izao ny Matio 18:28-30 ! Indraindray dia tsy maintsy manaiky, raha tsy mahakasika foto-pampianarana izany, ny fahasamihafana kely eo amin’ny zavatra hatao, ny fomba amam-panao eo an-toerana, ny firosoana izay tsy mbola vitan’ny sasany, ary manampy hameno ny tsy fahalalan’ireo izay vao nanatona ny Tompo tsy ela (Romana 14 ; Filipiana 3:15-16) : “Fa hasehon’Andriamanitra aminareo izany, raha sendra manana sain-kafa ianareo. Kanefa aoka ho amin’ilay efa azontsika sahady no mbola hizorantsika”.

 

4.2.3  Ny fandraisana

Paoly dia nanana fifalian-dehibe sy fiononana tamin’ny fitiavan’i Filemona, “satria efa novelombelominao ny fon’ny olona masina, ry rahalahy” (and 7). Hoy i Jaona tamin’i Gaio : “Manao asa mahatoky ianao na amin’inona na amin’inona ataonao amin’ireo rahalahy ireo... izay nanambara ny fitiavanao teo anatrehan’ny fiangonana ; dia ho soa no ataonao, raha mamoaka azy koa araka izay mendrika hatao noho ny amin’Andriamanitra ianao” (3 Jaona 5-6).

Mandray am-pifaliana ireo izay maniry hanatona ny Mpamonjy, Izay mbola tsy fantany ; mandray ireo mbola malemy finoana, “nefa aza mandray azy hitsaranareo ny eritreriny” (Romana 14:1) ; mahay mandrisika sy mampahery tanora maniry ny handray anjara eo amin’ny Latabatry ny Tompo, ary tsy mamela azy hiandry ela loatra alohan’ny hamelàna azy haka ny toerana izay efa novidian’ny Tompo ho azy. Ny olona toa an’i Diotrefa dia azo antoka fa tsy nitondra fanampiana mihitsy tao amin’ny fiangonana. Te ho lohany izy ; tsy noraisiny ireo rahalahy ary nosakanany izay te handray azy ireo. Sakana toa inona izany ao amin’ny fiangonana ! (3 Jaona 9-10).

 

4.3  Ny fandraisantsika ny asa fanompoana

Mba ho fampiorenana sy ho fikarakarana ny fiangonana, dia misy fanomezam-pahasoavana nankinina tamina mpanompo nofidian’Andriamanitra. Ao amin’ny Romana 12, dia samihafa ireo fanomezam-pahasoavana ireo “araka ny fahasoavana izay nomena antsika” (and 6). Fanomezam-pahasoavana ampiasaina “araka ny ohatry ny finoana izay nozarain’Andriamanitra ho anareo avy” (and 3). Ao amin’ny Efesiana 4, Kristy Izay natsangana tamin’ny maty sy nakarina any an-danitra dia nanome fanomezam-pahasoavana ho an’ny olona “ho fanatanterahana ny olona masina”, mba hikarakaran’izy ireo ny “asan’ny fanompoana amin’ny fiangonana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy” (and 12), ary “mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitombolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samihafa rehetra” (and 14). Ny “tena rehetra” koa no mamokatra, “noho ny fifanompoan’ny isan-tonony, araka ny fiàsan’izay rehetra momba azy amin’izay mety ho anjara asany avy”, ny fandrosoan’ny tenan’i Kristy (and 16).

Ao amin’ny 1 Korintiana 12, ny Fanahy Masina dia mizarazara “ho samihafa ny fanomezam-pahasoavana” “hahasoa”. Ireo fanomezam-pahasoavana ireo dia nankinina amin’ “izy rehetra” (and 4, 7).

“Fa Andriamanitra efa nametraka izay rehetra momba ny tena, samy ho eo amin’ny tena araka ny sitrapony” (and 18). “Fa tamin’ny nanamboaran’Andriamanitra ny tena, dia izay kely voninahitra no nomeny voninahitra bebe kokoa... mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra” (and 24-25). Farany, nanome fanomezam-pahasoavana samihafa Andriamanitra ao amin’ny fiangonana, ary antsoina ny tsirairay hampiasa izany amin’ny fitiavana (toko 13), raha tsy izany dia ho zava-poana daholo ny rehetra.

Ahoana no tokony handraisantsika izany fanomezam-pahasoavana izany ?

Voalohany, “mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo... ary mananatra anareo, ary mba hohajainareo indrindra amin’ny fitiavana izy noho ny asany” (1 Tesaloniana 5:12-13), na dia azo atao tsara aza ny manao tsinontsinona azy ireo, toy ny nanaovan’ireo Korintiana sasany ny apostoly Paoly (2 Korintiana 10:10) ; manararaotra ny asasoratra nomen’ny Tompo antsika ary mankafy izany.

Ao amin’ny Asan'ny Apostoly 11:23, dia tonga tany Antiokia i Barnabasy. Tsy tonga ho toy ny mpitsara izy, fa “nahita ny fahasoavan’Andriamanitra, dia faly”. Nankasitraka ny soa nataon’Andriamanitra izy, ary hitondra ny anjara birikiny, irery aloha, avy eo miaraka amin’i Saoly, hampirisika ireo mpino “haharitra hiray amin’ny Tompo amin’ny fo minia fatratra” ; maro ireo olona nanampy ho an’ny Tompo ; farany, niara-nivory tao amin’ny fiangonana izy ireo ary nampianatra vahoaka marobe. Ireo mpanompo ireo dia tena nitondra fanampiana lehibe dia lehibe tokoa teo amin’ny fiandohan’ny fivavahana kristiana, ary nandritra ny tantarany rehetra, tamin’ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra. Araka ny 1 Petera 4:10, izy roalahy ireo dia nampiasa ny fanomezam-pahasoavana noraisiny. Ny tsirairay dia antsoina ho “tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samihafa izay an’Andriamanitra”. Tsy ho voninahitry ny tenany, fa mandray “ny hery izay omen’Andriamanitra azy”, “mba hankalazana an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy”. Aoka ho marihina fa ilay voambolana hoe “olona” dia miverina matetika amin’ny tsongandahatsoratra toy itony, ary aoka isika hanontany tena raha mahay hitondra tena ho toy ny mpanampy isika ho an’ireo rahalahintsika “araka ny ohatry ny voafaritr’Andriamanitra ho anjaranay” (2 Korintiana 10:13).

Mifanohitra amin’izany koa anefa, dia azo atao ny mamono ny Fanahy (1 Tesaloniana 5:19) na amin’ny teny ratsy fipetraka, na amin’ny tsy fitenenana rehefa atosiky ny Fanahy hanao izany, na amin’ny fanaovana tsinontsinona izay nampitain’ny Fanahy tamin’ny alalan’ilay fitaovana voafidy.

Ny mpanompo, voalohany indrindra, dia antsoina hiseho “ho fianarana ny asa tsara, amin’ny fampianaranao maneho ny tsy faharatsiana, ny fahamaotinana, ny teny tsy misy kilema” (Titosy 2. 7-8). Amin’izany izy dia tena ho mpanampy tokoa ireo rahalahiny, fa tsy ho toy ireo izay mitory filazantsara mifanohitra amin’ny notorian’i Paoly. Zava-doza tokoa izany, ary mety ho tratry ny ozon’Andriamanitra izay manampy ny Filazantsara, na manova izany : fa raha misy olona “mitory filazantsara aminareo afa-tsy izay efa notorianay taminareo, aoka ho voaozona izy” (Galatiana 1:8) ; ary raha toa misy olona mitarika anareo nefa tsy mitoetra ao amin’ny fampianaran’i Kristy, mankeo aminareo ka tsy mitondra izany fampianarana izany, dia aza mampiantrano azy akory (2 Jaona 9-10). Ny olona toy izany dia tsy vitan’ny hoe sakana, fa mety handiso ny Tenin’Andriamanitra, ary mety hanozongozona ny tena mpanompony aza.

Aoka ho tadidiantsika koa fa amin’ireo fanomezam-pahasoavana tanisaina amin’ny fiafaran’ny 1 Korintiana 12, dia misy ny “fanampiana, fitondrana” (and 28) amin’ireo rahalahy na anabavy izay mamaly am-pahatsorana izay nankinin’Andriamanitra tamin’izy ireo, ary tonga fitahiana ho an’ny manodidina azy.

Ny faminaniana, ny fahalalana, dia hitsahatra, fa “ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay” (13:8).

 

5  Eo amin’izao tontolo izao

“Tsy naman’izao tontolo izao... nirahina ho amin’izao tontolo izao”

(Jaona 17:14, 16, 18)

 

5.1  Fitoriana ny filazantsara

Isaky ny fiafaran’ny filazantsara, taorian’ny fitsanganana tamin’ny maty ary alohan’ny handaozan’ny Tompo ireo mpianany, dia nankininy tamin’izy ireo, amin’ny fomba samihafa kanefa mitovy hevitra ihany, ny iraka hanao “mpianatra ny firenena rehetra” ary hampianatra azy ireo (Matio 28:19-20), —mitory “ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra” (Marka 16:15), —“mba hotoriana amin’ny anarany ny fibebahana sy ny famelàn-keloka amin’ny firenena rehetra” (Lioka 24:47), —“tahaka ny nanirahan’ny Ray Ahy no hanirahako anareo kosa” (Jaona 20:21). Ary rehefa hamela azy ireo Izy, dia notsindriny indray hoe —“Ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany” ianareo (Asan'ny Apostoly 1:8). Ny mpianatra dia olona vitsy dia vitsy teo anivon’ilay fanjakana romana midadasika sy ireo fanompoan-tsampy rehetra. Tao anatin’ny fitopolo taona dia niparitaka ny Filazantsara, tamin’ny faritra atsinanan’ny fanjakana, manodidina ny Ranomasina Mediteranea, ary tany an-tany hafa aza ! Hoy i Jesosy : “Mandehana”. Nampanantena azy ireo ny fanatrehany Izy (Matio), ny fombàny azy (Marka), ny heriny amin’ny alalan’ny Fanahy Masina (Lioka), ny fiadanany, amin’ny fanompoana Azy sy ny fanarahana Azy (Jaona 20:21 ; 21:23 ; 12:26) ; ary ao amin’ny Asan'ny Apostoly, izany rehetra izany dia “hatramin’ny faran’ny tany”.

Hoy Izy : “Izaho momba anareo mandrakariva” (Matio 28:20). Ary ny Fanahy izay noraisin'ny mpianatra dia hahatonga azy ireo ho vavolombelona. Ankehitriny koa, dia mbola miasa amin’ny Fanahiny sy ny Teniny Andriamanitra, Teny izay tena miparitaka tokoa eran’izao tontolo izao ; fantatry ny Tompo ny isan’ireo fanahy nentina ho Azy.

Mba hahatonga ho “vavolombelona”, dia tsy ilaina ny hoe ho evanjelista. Hoy ny Tompo : “Ho vavolombeloko ianareo” fa tsy hoe : Tiako ianareo raha mba ho vavolombeloko. Nisy famantarana fahagagana izay nomena tany am-piandohana mba hinoana ny Filazantsara. Fa ny Tenin’Andriamanitra, noho ny asan’ny Fanahy, no miasa sy manavao (jereo Asan'ny Apostoly 13:11-12) : ny Fanahy no hampiaiky ny fahotana (Jaona 16:8) ary ny Teny no mahatonga ny fahateraham-baovao (1 Petera 1:23). Ny vavolombelona dia nantsoina hilaza izay hitany na reny na niainany. “Ary izay niely noho ny fanenjehana tamin’i Stefana”, ireo mpino tsotra, dia nivezivezy tetsy sy teroa, nitory ny Teny, tamin’ny Jiosy aloha, dia tamin’ireo Grika koa. “Ary ny tànan’ny Tompo nomba azy ireo, ka maro no isan’izay nino sy niverina ho amin’ny Tompo” (Asan'ny Apostoly 11:19-21). Tsy nisy anarana vavolombelona nolazaina. Tsy maintsy nandositra ny fanenjehana izy ireo ; kanefa dia nisy foana izy ireo, teo amin’ny toerana izay nanelezana azy ireo, ary nitory ny Tompo Jesosy ; nivory ho fiangonana izy ireo, tany Antiokia ohatra, izay nampiorenan’ny fampianaran’i Barnabasy azy ireo, avy eo ny fampianaran’i Paoly.

Ankehitriny koa, dia mbola antsoina ho vavolombelona ny mpino rehetra. Resy lahatra amin’izany ve isika tsirairay avy, ary vonona hanararaotra ny tranga hapetraka eo anoloantsika ? Marina fa misy koa ireo evanjelista izay nomen’ny Tompo io fanomezam-pahasoavana io (Efesiana 4:11), izay tsy maintsy entintsika am-bavaka sy ampiantsika amin’ireo fanomezantsika (Hebreo 13:16 : “hiantra”).

Talohan’ny hanirahana ireo mpianany hitory teny sy hanasitrana, dia tian’i Jesosy aloha mba “ho ao Aminy” izy ireo (Marka 3:14). Ny zavatra tokony hatao voalohany indrindra dia ny mihaino Azy, miresaka Aminy, mitady ny fiombonana Aminy, avy eo, toy ireo olona taloha, rehefa avy mitory teny, dia mipetraka eo anilany indray ary mitantara Aminy “izay rehetra efa natao sy izay nampianarina” (Marka 6:30). Entiny mihataka izy ireo aloha mba haka aina —fiatoana tena ilaina ! Ny fandraisantsika ny Tompo dia zava-dehibe miohatra amin’ny fanompoantsika Azy : manana ny toetra ilaina aloha vao miasa. Amin’ny fiombonana Aminy no hianarana ho vavolombelona, na ho “fanampiana” (1 Korintiana 12:28) izay mahay manisy menaka” eo amin’ny toerana ilàna izany.

 

5.1.1  Ireo sakana

Onena ireo vahoaka ny Tompo Jesosy, ary nampianatra azy ireo. Raha tokony ho nomena hanina izy ireo, dia notadiavin’ny mpianatra horavana : “Tsy manana...”. Fialàn-tsiny matetika : Tsy mahay miteny aho, tsy hitako izay holazaina... nefa dia nampitomboin’i Jesosy ireo mofo dimy sy hazandrano roa ary voky ny rehetra. Tsy maintsy nentina teo amin’ny Tompo aloha izany ; rehefa avy nisaotra Izy, dia nankininy tamin’izy ireo indray. Ireo no fialàn-tsiny nataon’i Mosesy, Gideona, ireo mpitsikilo nalefa hijery ny tany, fialàn-tsinin’ireo olona nasaina : “Efa nividy tany aho... Efa nividy omby folo aho... Efa nampaka-bady aho... !” (Lioka 14:18-20). Fialàn-tsiny mba tsy hijoroana ho vavolombelona ; fialàn-tsiny mba tsy handraisana ny fijoroana ho vavolombelona na ny fanasana, kanefa avy amin’ny Tompo izany.

Sarotra ny hieritreritra hoe misy mpino tsy mankasitraka ny asa fitoriana ny filazantsara. Izy no sakana, izy no tsy manana ilay fo onena ireo fanahy very, toy ny an’ny Tompo Jesosy raha nahita ireo vahoaka reraka sy nihahaka “toy ny ondry tsy misy mpiandry” (Matio 9:36). Tsy mitovy fihetseham-po Aminy ve isika ?

Misy sakana anatiny sy ivelany. Ao amin’ny Filazantsara rehetra, dia ireo Fariseo izany, anarana izay midika amin’ny teny arameana hoe ireo “nosarahana”. Nikatsaka mandrakariva ny hahita fahadisoana teo amin’i Jesosy izy ireo ; nosakanany ny fanompoan’ny mpianatra tamin’ny fifikarany be loatra tamin’ny lalàna sy ny fomban-drazana. Avy eo, amin’ny ankapobeny, dia fahavalon’ny Filazantsara ny Jiosy, satria tsy afaka ny hanaiky ny fitoriana izany tamin’ny jentilisa izy ireo (1 Tesaloniana 2:15-16). Ary na dia ireo rahalahy avy tamin’ny Jiosy izay nanatona ny Tompo aza dia sahirana tokoa hanaiky fa io Filazantsara io dia natao ho an’ny jentilisa koa (Asan'ny Apostoly 11:3 ; 21:20-25 ; sns). Nandà izany asa izany izy ireo.

Filipo, izay feno ny Fanahy Masina, dia tsy nisalasala handeha ho any Samaria, avy eo ho any amin’ny lalana mankany Gaza, mba ho fitaovana hitondra ilay Etiopiana ho eo amin’i Jesosy. Ananiasy, raha nasain’ny Tompo nanao izany, dia nanary ny tahony ka nametra-tànana tamin’ilay lehilahy mpanenjika lozabe : “Ry Saoly rahalahy...” (Asan'ny Apostoly 9). Petera, izay notarihin’ny Fanahy, dia nandresy ny fitsarany an-tendrony ka nankany amin’i Kornelio (Asan'ny Apostoly 10).

Tamin’ny dia voalohany nataon’i Paoly sy Barnabasy, dia nifady hanina sy nivavaka ireo mpino (Asan'ny Apostoly 13:3) ; tamin’ny diany faharoa, dia hoy i Paoly tamin’i Barnabasy : "Andeha isika hiverina...” (15:36). Fa i Barnabasy dia nikasa ny hitondra an’i Jaona-Marka hiaraka amin’izy ireo. Tsy nankasitrahan’i Paoly anefa izany. Nisaraka izy ireo, nefa tsy niara-nivavaka aloha. Koa tsy maintsy nametraka sakana teo anoloan’i Paoly ny Fanahy (Asan'ny Apostoly 16:6-7) mandra-pankatoany ilay antson’ny Tompo tamin’ny fahitana hoe mankanesa any Makedonia.

Tsy ampy ny hoe marisika sy manana firehetam-po hitory ny Filazantsara. Amin’ny vavaka sy ny fiankinan-doha no ahatakarana fa tsy mahavita na inona na inona raha tsy misy ny Tompo Jesosy ; tsy maintsy azontsika fa tsy isika no manova ny fanahy —asan’ny Fanahy Masina izany. Isika dia nantsoina ho vavolombelona, alohan’ny zavatra rehetra, hilaza ny Tompo Jesosy, hanambara ny maha-tsara Azy sy ny asany ; ary hamela ny sisa rehetra ho karakarain’ny Fanahy Masina.

Zava-dehibe tokoa ny resy lahatra fa tsy misy Mpamonjy hafa ankoatran’i Jesosy : “Ary tsy misy famonjena amin’ny hafa ; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izy hahazoantsika famonjena” (Asan'ny Apostoly 4:12). Raha toa azontsika antoka fa ho avy tsy ho ela Jesosy, araka ny teny fampanantenany, dia ho tsapantsika koa fa maika ny hampielezana ny hafatra momba ny famonjena irery ihany, amin’ny fampiasana ireo fitaovana rehetra eo am-pelatanantsika.

Avy teo amin’ny Tesaloniana ny Tenin’ny Tompo no nanakoako eran’i Akaia sy teny tontolo teny (1 Tesaloniana 1:8). Fa talohan’izany, dia nandray ny Teny noho ny asan’i Paoly aloha izy ireo (2:13) ; i Timoty no nanamafy orina ny finoan’izy ireo ; izany no vavaka nataon’ny apostoly ho azy ireo (3:2, 13). Nianatra ny fomba hizorana sy hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra izy ireo (4:1). Ambonin’izany, dia tsy tian’ny apostoly “tsy ho fantatrareo” ny momba ny hakan’ny Tompo ny mpino hiaraka Aminy (4:16-17). Ny asa rehetra nataon’ny Teny sy ny Fanahy tao amin’ny fon’olona no nahatonga ny Filazantsaran’ny fahasoavana hiparitaka tamin’ny alalan’izy ireo.

Ny vaovao hoe niditra tao an-tranon’ny tsy voafora sy niara-nihinana tamin’izy ireo i Petera (Asan'ny Apostoly 11:3) dia nialoha lalana ny apostoly tany Jerosalema. Rehefa tafaverina tany izy, dia nisy rahalahy fatra-panaraka ny lalàna sy mafy fo tokoa tena nanome tsiny azy. Kanefa tsy naroson’i Petera ny maha-apostoly azy hilazany hoe : Apostoly aho, ary fantatro izay ataoko. Tsia. An-kamorana, am-pitandremana no anazavany amin’izy ireo ny antsipiriany rehetra tamin’ny nitondran’ny Tompo azy ho any Kaisaria, ahoana ny fomba nirotsahan’ny Fanahy Masina tamin’ireo olona nandray ny Teny : “Iza moa aho no hahasakana an’Andriamanitra ?” (and 17). Dia nanaiky ireo Jiosy fa “efa nomen’Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana”.

Raha misy evanjelista, indrindra raha tanora, mahita fanoherana momba ny asa nankinin’ny Tompo taminy, dia mety aminy raha tsy sosotra izy fa manazava am-panetrentena sy am-pitandremana ny fomba nitondran’ny Tompo azy, ary inona ireo vokatra hita maso tamin’ny asa vita.

Nihatra mandrakariva ny fanenjehana nandritra ny tantaran’ny Eglizy rehetra. Nefa ireo sakana napetraky ny fahavalo tsy hielezan’ny Filazantsara dia tsy nahasakana ny fiparitahany mandrak’ankehitriny. Inona no anjara raisintsika amin’izany, amin’ny maha vavolombelona antsika, na amin’ny asa fanompoana mety ho nankinin’ny Tompo tamintsika ? Mba hahafahantsika manao izany, dia tsy maintsy mifanaraka amin’ny vavaka nataon’ny Tompo ny fandehantsika, hoe “tsy naman’izao tontolo izao” isika. Raha toa isika mifandray amin’izao tontolo izao, raha toa isika manaraka azy na dia amin’ny ampahiny fotsiny aza, dia tsy fanampiana intsony ny fijoroantsika ho vavolombelona fa mety ho sakana aza. Isika koa anefa “nirahina ho amin’izao tontolo izao” mba hitondra ny vaovao mahafalin’ny fahasoavan’Andriamanitra, amin’ny fomba samihafa, kanefa miankin-doha Aminy.

Nivavaka teny an-tendrombohitra Jesosy (Lioka 9:28). “Navesatry ny tory” ny mason’i Petera, Jakoba sy Jaona, izay niaraka taminy. Afaka mihataka irery miaraka amin’i Jesosy ve, kanefa hatory ? Izany hoe tsy mitady ny fiombonana miaraka Aminy ? Ahoana no hijoroana ho vavolombelony raha tsy mahalala Azy bebe kokoa hatrany isika ? Ary hoy ny Teny amintsika : “Nefa nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr’i Jesosy” (and 32). Raha tsy nisy io fahitana io, dia tsy afaka ny tena hitory tsara ny Filazantsaran’ny fahasoavany.

 

5.2  Fifandraisana – Fijoroana ho vavolombelona

Ny Galatiana 6:10, izay mampirisika antsika tsy ho sasatra ny “hanao soa”, dia manoritra hoe : “Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana”. Manana ny anjara toerany ny fanampiana ara-bola. Tsy lavina, araka ny nampianaran’i Jaona tao amin’ny epistiliny voalohany, fa atao amin’ireo rahalahintsika mila izany aloha. Fa ity andininy ity koa dia milaza hoe : amin’ny olona rehetra, “araka ny ananantsika andro hanaovana”. Ny fanampiana entintsika amin’olona mila izany, izay napetraka teo anoloantsika, dia mety hanokatra varavarana hitoriana ny Filazantsara.

Ny “manao soa” dia midika koa hoe mizara ireo fananana ara-panahy nomeny antsika amin’ireo mpino izay ampifanenan’ny Tompo amintsika, tsy mihazona ilay “harena” ho antsika irery, fa araka ny voalaza hoe “mizara ny fahamarinana”, na an-teny na an-tsoratra, na amin’ireo fitaovana hafa izay ampiasain’ny Tompo.

Misy lanjany tokoa ny fitondrantenantsika rehetra. Hoy ny Tompo tamin’ireo mpianany : “Ianareo no fanasin’ny tany” (Matio 5:13). Tsy hoe : ianareo no tokony ho, fa : ianareo no. Enga anie ny mpino, amin’ny fitondrantenany rehetra eo amin’izao tontolo izao, mba ho ilay miaro amin’ny fahalovana sy manampy hanalavitra ny faharatsiana. Ny fitondrantena ratsy asehon’ny zanak’Andriamanitra dia sakana ho an’ny Filazantsara, ary mety ho tonga fahatafintohinana ho an’ny hafa.

Hoy koa ny Tompo Jesosy hoe : “Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao”, fijoroana ho vavolombelona mangina nefa mazava, jiro apetraka eo amin’ny tavin-jiro fa tsy afenina any ambany vata (ny asa aman-draharaha) na ny fandriana (ny hakamoana) (Matio 5:14-16). Io jiro io dia “mazava ho an’izay rehetra ao an-trano” (and 15), ary koa ho an’ireo mpamangy (Lioka 8:16). Eo amin’izao tontolo izao dia mamirapitra ho an’ny rehetra izany. Mazava ho azy fa ny sakana tsy hamirapiratan’ilay jiro dia ny fitiavana izao tontolo izao sy ny zavatra eo amin’izao tontolo izao : “Raha misy olona tia izao tontolo izao, dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray” (1 Jaona 2:15).

Noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fahalalana ny Tenan’ny Tompo, dia “afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin’izao tontolo izao noho ny filàna” ny mpino (2 Petera 1:4). Mba hahamarina izany eo amin’ny fiainana, dia tsy tokony handeha “tahaka ny fandehan’ny jentilisa” intsony izy (Efesiana 4:17), manaiky fa hafa, tsy mandray anjara mavitrika amin’izay mety hampisaraka antsika amin’ny Tompo, tsy mandeha amin’ireo toerana izay tsy hiarahan'ny Tompo amintsika. Anisan’ny fijoroana ho vavolombelona koa izany : misaraka ara-moraly amin’izao tontolo izao mba ho an’Andriamanitra, nefa vonona, toy ny Tompo Jesosy, hanampy ireo izay lavitra Azy (Lioka 5:29-32).

Tsy ho vita izany fihetsika izany raha tsy noho ny finoana miasa, velona, mifikitra amin’ny Tompo : “Ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika” (1 Jaona 5:4). Hafa noho ny an’izao tontolo izao ny tanjona sy ny fahafalian’ny finoana. Ho hafahafa ny fijerin’ny tsy mpino izany (1 Petera 4:4) ; tsy maintsy hamoaka ny momba azy ireo amin’Ilay vonona ny hitsara ny velona sy ny maty izy ireo. Fa mandra-piandry izany, dia ho nisy aloha ny fijoroana ho vavolombelona momba ny lanjan’izay nataon’Andriamanitra ho sarobidy ho an’ny fontsika, dia ny Zanany aloha.

 

6  Eo amin’ny mpirahalahy (amin’ny tsirairay – ohatra avy amin’ny Testamenta Vaovao)

Hatramin’ny andro niantsoana azy ireo, dia nanaraka ny Tompo i Petera sy Jaona. Nisy fifamatorana manokana nitombo teo amin’izy ireo. Kanefa, na dia tsy fanahy iniana aza, dia lasa fahatafintohinana ho an’ilay namany i Jaona, tamin’ny andro farany niainan’i Jesosy. Simona Petera dia nanaraka teny lavidavitra teny ireo miaramila nitondra ny Tompo tany amin’ny lapan’i Kaiafa. Tonga teo amin’ny varavarana nihidy izy, sakana navelan’Andriamanitra hisy. Nefa nanararaotra ireo olom-pantany i Jaona mba hampidirana an’i Petera (Jaona 18:15). Vokatra roa : nandà ny Mpampianany i Petera na dia efa nisy aza ny fampitandremana noraisiny ; nitomany mafy indrindra izy ; fa tamin’ny lafiny iray kosa, dia nianatra nahalala ny tenany izy. Efa niteny taminy ny Tompo hoe : “Izaho nangataka ho anao...ary rehefa mibebaka ianao, dia hampaherezo ireo rahalahinao” (Lioka 22:32). Hisy izany ny fanarenana.

Talohan’izany, teo amin’ny tendrombohitra niovan-tarehy, dia “navesatry ny tory” ny mason’i Petera sy Jaona (Lioka 9:32). Tao Getsemane, dia “matorin’alahelo” izy roalahy (Lioka 22:45). Tsy afaka niari-tory ora iray niaraka tamin’i Jesosy akory izy ireo. Na ny iray na ny iray, dia tsy nanampy ny namany mihitsy tamin’ny famohazana azy, kanefa ny Mpampianatra dia efa tonga in-telo nanatona azy ireo. Dia tsy ho afaka ny “niari-tory” niaraka taminy araka ny nangatahany ve izy ireo ?

Ny marainan’ny fitsanganana tamin’ny maty, dia nampilaza an’i Petera sy Jaona i Maria Magdalena : “Nalain’olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy” (Jaona 20:2). Petera no nivoaka voalohany ary nihazakazaka nankany amin’ny fasana. Tsy hiaraka aminy ve i Jaona, satria i Petera efa nandà ny Mpampianany ? —“Ary niara-nihazakazaka izy roalahy” (and 4)— fampaherezana izany ! Izy roalahy no vavolombelon’ny fitsanganana tamin’ny maty.

Tatỳ aoriana, dia notarihin’i Petera ny mpianatra maro, ary anisan’izany i Jaona, handeha hanjono (Jaona 21). Niasa nandritra ny alina tontolo izy ireo, nefa tsy nahazo na inona na inona. Nony maraina, dia teo amoron-drano Jesosy. Tsy fantatry ny mpianatra hoe Jesosy io. Afaka fotoana elaela —noho ny feony ve, sa noho ny fihetsiny ?— dia fantatr’i Jaona Izy ; ary ilay mpianatra izay tian’i Jesosy dia niteny tamin’ilay namany hoe : Ny Tompo irỳ. Nirotsaka tao an-dranomasina i Petera ary nankeny Aminy. Ireo mpianatra sasany dia nanaraka azy ho eo “amin’io Jesosy io”, Izay efa niarahan’izy ireo nofantarina nandritra ny asa fanompoany : jono mahagaga, mofo sy hazandrano... Nanaraka izany ilay resaka tsy azo adinoina nataon’i Jesosy tamin’i Simona, izay haveriny ho amin’ny fanompoana. Fitahiana toa inona no nentin’i Jaona tamin’ilay namany !

Herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia “niakatra ho eo an-kianjan’ny tempoly tamin’ny ora fahasivy fotoam-pivavahana” izy roalahy (Asan'ny Apostoly 3:1). Hiaraka izy ireo hitsena an’i Paoly any Jerosalema, ary hanolotra aminy ny tànana ankavanan’ny fihavanana (Galatiana 2:9).

Saoly dia novàna fo teny amin’ny lalan’i Damaskosy. Notantanana izy nankany an-tanàna, ary tsy nahita na inona na inona ; nifady hanina nandritra ny telo andro izy. Hisy olona hanampy azy ve ? “Ary nisy mpianatra anankiray tany Damaskosy, atao hoe Ananiasy, ... ary hoy ny Tompo taminy : Mitsangàna... Izahao... izay lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsosy ; fa, indro, efa mivavaka izy”. Natahotra ny hankany amin’io lehilahy fantatra fa mpanenjika ny kristiana io i Ananiasy, kanefa nankatò izy, ary nentiny ho an’ilay vao niova fo ny fanampiana izay tsy ho hadinoin’i Saoly (Asan'ny Apostoly 9:10-19).

Tatỳ aoriana, dia niakatra nankany Jerosalema i Saoly, izay mbola tanora. Te hiaraka amin’ireo mpianatra izy, kanefa natahotra azy ny rehetra. Dia handeha irery ve izy ? —“Fa Barnabasy naka azy ka nitondra azy ho any amin’ny apostoly” ; dia nandray azy ireo (Asan'ny Apostoly 9:27).

Taona vitsy tatỳ aoriana, i Saoly, izay efa nofanin’ny Tompo, dia niakatra nankany Jerosalema “hamangy an’i Kefasy” ary “nitoetra tao aminy dimy ambin’ny folo andro” (Galatiana 1:18). Saoly dia tsy “nahafantatra an’i Kristy araka ny nofo” (2 Korintiana 5:16). Ilay rahalahy efa zokiny, izay niara-niaina tamin’ny Tompo, no niresaka Azy amin’ny antsipiriany tamin’ilay mpianatra tanora. Toa inona ny hamaroan’ny zavatra nianarana nandritra ireo andro vitsivitsy ireo !

Olon’Andriamanitra telo izany no tena nanampy tokoa ilay ho tonga “fanaka voafidy... ho fitondrana” ny anaran’i Jesosy “eo anatrehan’ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny zanak’Israely” (Asan'ny Apostoly 9:15).

Tetsy andaniny koa, dia tsy maintsy nianatra nanaiky hampiana i Saoly. Nisy tànana nahatoky nitondra azy tany Damaskosy, ary tany no nilazana taminy izay tokony hataony. Nirahin’ny Tompo Jesosy i Ananiasy, ary nanaiky tam-pankasitrahana i Saoly ho vangiany sy hametrahany tànana. Nankany Damaskosy izy, feno fandrahonana sy famonoana, kanefa dia tsy maintsy nanaiky ny hiala tao amin’ilay tanàna, nampidinina tao anaty sobiky avy eo amin’ny manda. Tonga tany Jerosalema izy ary tsy maintsy nanaiky hoe i Barnabasy no hitondra azy ho eo amin’ny apostoly. Tatỳ aoriana, dia tao amin’ny tranon’i Kefasy no nandraisany ny fampianarana rehetra azon’io apostoly io nomena azy. Ny manampy dia fahafaliana, ny manaiky ho hampiana dia fahafaliana koa, raha toa ny Tompo no mitarika amin’ireo tranga roa ireo.

Saingy, manahirana mandrakariva ny manome hevitra rahalahy na anabavy iray. Raha toa izy ireo miankin-doha amin’Andriamanitra, dia ho tanteraka ao amin’ny fiainan’izy ireo, ho fitahiana azy, ny sitrapon’Andriamanitra ; kanefa ilay manome torohevitra ve tena mahalala izany sitrapon’Andriamanitra izany ?  “Aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ny Tompo” (Efesiana 5:17). Mety ho very hevitra ireo olona voakasik’izany ; avelan’ny Tompo hisy izany. Afaka mampiasa olony iray ny Tompo mba hanazava ny hafa. Kanefa toa inona ny fahamalinana tokony hananana alohan’ny hampirisihina olona iray handeha amin’ny lalana izay mety tsy ho noheverin’ny Tompo ho azy, na eo amin’ny asa fanompoana izany, na eo amin’ny fanambadiana, na eo amin’ny tranga hafa eo amin’ny fiainana. Mety ho mpanampy ianao, fa mety ho fandrika koa.

Ao amin’ny Galatiana 2:11, dia tonga tany Antiokia i Kefasy. Fantany ny atao hoe fahafahana kristiana. Taloha izy dia tany amin’i Kornelio, notarihin’ny Fanahin’Andriamanitra ; avy eo izy dia nanazava tamin’ireo loholona tao Jerosalema ny fomba nitondrana azy. Koa dia niara-nihinana tamin’ireo jentilisa izy. Indro anefa fa nisy sasantsasany, “avy tany amin’i Jakoba”, izay tonga tao Antiokia ; olona fatra-panaraka ny lalàna sy ny fomban-drazana izy ireo. Dia natahotra i Kefasy. Nihatakataka niala tamin’ireo jentilisa izy ; tamin’izany izy dia nanjary sakana ho an’ireo jiosy hafa, na dia i Barnabasy aza, izay niara-nihatsaravelatsihy taminy. Navelan’i Kefasy ny fahamarinan’ny Filazantsara. Tsy maintsy niteny azy teo imasom-bahoaka i Paoly. Mety ho nanampy olona maro ny olona iray ; kanefa, raha tokony hatoky ny fankasitrahan’ny Tompo izy nefa mety ho voatariky ny fanarahan-dalàna, dia mety ho lasa sakana ho an’ireo rahalahiny. Mazava ho azy fa ho an’i Paoly sy Kefasy resahana eto amin’iy toko ity, dia fahamarinana fototra no voakasika, fa tsy hoe fomba fijery samihafa fotsiny, na fomba fandraisana tsy mitovy ny andininy sasany amin’ny Teny. Fa rehefa ny fahamarinana fototra, izay voalaza mazava tsara ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, no voakasika, dia tsy tokony hatahotra haneho ny fampianarana araka izay efa nomena antsika.

Akoila sy Prisila dia nanampy an’i Paoly, nandray azy tao an-tranony tany Korinto, niara-niasa taminy. Niaraka nankany Efesosy izy telo ireo tatỳ aoriana (Asan'ny Apostoly 18:1-3 ; 19).

Avy any Aleksandria i Apolosy, olona mahay mandaha-teny sy mahery amin’ny Soratra Masina, mafana fo, nefa tsy mahalala afa-tsy ny batisan’i Jaona. Tsy eo intsony i Paoly ; hiteny mazava amin’i Apolosy va i Ankoila hoe : tsy ampy ny fampianaranao, tsy azonao ny fampianaran’i Jesosy ? Nasain’izy mivady io lehilahy mahay io, ary tany an-tranony, am-pahatoniana, no nanazavan’izy ireo marimarina kokoa ny lalan’Andriamanitra. Tsy nanao tsinontsinona azy izy ireo ; kely ny zava-pantany ; koa tsy maintsy hazavaina amin’ny mangingina izy : tena fanampiana marina izany (Asan'ny Apostoly 18:24-26). 

Efa hitantsika i Foiby, diakona tao amin’ny fiangonana tao Kenkrea. Nandeha nivahiny tany an-tany hafa izy ; nanampy ny sasany izy, ary ho setrin’izany, dia nangataka ny apostoly “mba hampianareo izy amin’izay raharaha ilàny anareo” : ohatra tsara tokoa ho antsika. Ireo ankizy koa dia antsoina “hamaly soa ny ray aman-dreniny ; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan’Andriamanitra” (1 Timoty 5:4). Ireo tanora dia hahatsiaro hoe toa inona ny nisasaran’ireo ray aman-dreniny ho azy ireo ; niasa mafy izy ireo nitaiza azy, nampianatra azy ny Teny ary nahatonga ny Tenan’ny Tompo ho velona ho azy ; ho setrin’izany, dia tsara raha hasehon’ireo ankizy ireo ray aman-dreniny ny toe-panahiny araka an’Andriamanitra sy ny fankasitrahany, ary hanohy ho tia sy hanaja azy ireo, na dia tsy miankina aminy intsony aza izy rehefa nanorin-tokantrano. Misy tanora sasany manadino ireo ray aman-dreniny, toy ny hoe tsy nanao na inona na inona taminy izy ireo. Tsy rariny izay hofaizin’Andriamanitra izany (Ohabolana 30:17). Tsy hoe hamerim-bola tsy akory, fa fitiavana sy fikarakarana.

Eodia sy Syntyke (Filipiana 4:2-3) dia niara-niasa fatratra tamin’i Paoly teo amin’ny Filazantsara taloha. Ankehitriny dia misy tsy fifanarahan-tsaina eo amin’izy roa vavy, angamba fifandrafiana. Mitalaho ny apostoly, amin’izy roa vavy, mba hiray saina ao amin’ny Tompo, mba hitovy ny zavatra itodihan’ny sain’izy ireo. Mangataka koa izy mba hanampian’ilay “tena mpiara-miasa” aminy azy roa vavy. Tsy mora izany, kanefa raha toa ilay rahalahy nantsoina hanampy azy ireo afaka mivavaka miaraka amin’ny iray, avy eo miaraka amin’ilay iray hafa, raha afaka mitarika azy roa hiara-mivavaka, dia hisy dingana lehibe ho vita. Io fanampiana ao amin’ny mangingina io dia hisy vokany kokoa noho ny fanambarana ampahibemaso hoe : Fahatafintohinana izany tsy fifanarahan-tsain’ireo anabavy roa ireo, izay efa niara-niasa, mahamenatra ! Tsy manitatra na inona na inona, fa havohitra kosa ny tsara, toy ny ataon’ny Tompo ao amin’ny taratasy ao amin’ny Apokalypsy 2 sy 3 ; ary avy eo, mampirisika amin’ny fanetren-tena sy fitiavana mendrika haseho. Ny Tompo irery ihany no afaka mampiseho antsika izay tokony holazaintsika, sy koa ny fomba tokony hilazana izany.

Ny ankohonan’i Stefanasy dia atao ohatra ho antsika, satria “efa nanolo-tena ho amin’ny fanompoana ny olona masina” izy ireo (1 Korintiana 16:15).

Ao amin’ny epistiliny farany, dia nihetsi-po tokoa i Paoly nampahatsiaro ny famangian’i Onesiforosy, izay nampahery azy matetika, ary tsy menatra ny gadrany, fa nitady azy fatratra tany Roma. Tsaroan’ilay apostoly ireo fanampiana maro nataony tany Efesosy (2 Timoty 1:16-18).

Ireo olona rehetra ireo dia tsy apostoly —fa araka ny tranga napetraky ny Tompo teo anoloany, dia nataony am-po ny hitondra fanampiana manodidina azy, na dia ho an’ilay apostoly efa antitra, gadra ary navela ho irery aza.

Enga anie ka mba homen’ny Tompo antsika rehetra ny fitiavana hanampy ny manodidina antsika. Misy banga ara-pitiavana amin’ny fo maro, indrindra eo amin’ireo olona efa antitra, izay mety hiseho ho mafy fo satria, raha ny marina, dia tsy ampy fitiavana sy fanajana izy ireo. Enga anie ireo tanora sy ireo zokinjokiny mba hahay hampiseho amin’ny namana toy izany, ny fahalianany sy ny haja mendrika ho azy ireo. Ho an’izay mampiseho fa manana fotoana izy, indrindra amin’ireo tena manirery sy ireo tena mahantra, dia vohain’ny Tompo mihitsy ny lalana hitondrany fanampiana izay tsy ho hadinoina.

“Fiadanana anie ho an’ny rahalahy ary fitiavana mbamin’ny finoana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo !” (Efesiana 6:23).