Ny fakàm-panahy sy ny famonjena avy amin’Andriamanitra

 

Georges André

 

Document disponible sur le site http://nybaiboly.net.

Pour toute adresse de Bibliothèque Chrétienne à Madagascar, cliquer ICI.

Pour Antananarivo, l’adresse de la Bibliothèque est :

LOT IV L 39 D, Anosivavaka, Ambohimanarina — Tel: 033 15 552 35

 

 

Georges ANDRÉ

 

Fizahan-takila

1        Fakàm-panahy (*) roa karazana

1.1        Ny fakàm-panahy ivelany

1.1.1        Ny fanenjehana

1.1.2        Ny fitsapana

1.1.3        Ireo zavatra mety hahatonga ny fakàm-panahy

1.1.4        Ny fakàm-panahy anaty (*)

1.2        Ny fanampiana omen’Andriamanitra

1.2.1        Amin’ny fakàm-panahy ivelany

1.2.2        Amin’ireo fakàm-panahy anaty

2        Ny filàn’ny maso

2.1        Ny zavatra ivelany manintona ny maso

2.2        Misarika ny mason’olona hijery ny tena

3        Ny filàn’ny nofo

3.1        Ireo filàn’ny nofo mivaona

3.2        Ny fanaranam-po amin’ny fihinanana sy ny fisotroana

3.3        Ny fanampiana omen’Andriamanitra

4        Ny rehaka amin’izao fiainana izao

4.1        Ny fanafana omen’Andriamanitra

5        Ireo fakàm-panahy ivelany

5.1        Ny fanoherana

5.2        Ny ahiahy

5.3        Ny fakàm-panahy ara-tsaina

5.4        Ny fizahan-toetra

6        Ny famonjen’Andriamanitra

6.1        Amin’ny fakàm-panahy ivelany

6.2        Amin’ny fakàm-panahy anaty

6.3        Mandrakariva

 

 

1  Fakàm-panahy (*) roa karazana

 

(*) Io voambolana avy amin’ny teny grika io dia midika, arakaraky ny zavatra resahina, ho: fizahan-toetra, fakàm-panahy, zava-tsarotra iainana

 

Ny Jakoba 1. 2 hatramin’ny 3. 12 dia toa mifanohitra amin’ny andininy faha-13 hatramin’ny 15. Voalohany aloha, ampisehon’i Jakoba fa ny “fakàm-panahy samy hafa” dia fifaliana tanteraka, fizahan-toetra ny finoana mahatonga faharetana. Ampiany aza hoe: “Sambatra izay olona maharitra fakàm-panahy”.

Erỳ aoriana anefa izy dia manoritra fa Andriamanitra tsy azon’ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona, “fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ny filàny sy fitahiny izy”.

Ny tranga voalohany, dia milaza ny zava-tsarotra avy etỳ ivelany, toy ny fanenjehana, izay manery ny olona hanota; amin’ny tranga faharoa kosa, ny fakàm-panahy dia manolotra zavatra ho tsiriritin’ny olona ao anatiny ao, ka manosika azy amin’ny faharatsiana.

Inona no atao hoe fakàm-panahy? Fandrisihana hanota. Ny manota anefa, any amin’ny vontoatiny, dia “manao ny sitrapony, izay mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra izay efa fantatra”. Io “sitrapon’Andriamanitra” io dia nofehezin’ny Tompo Izy tenany mihitsy tamin’ny hoe: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra”, sy ny hoe “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Marka 12. 30-31).

Raha fantapantatra ny sitrapon’Andriamanitra kanefa tsy raharahaina, dia “manota” izany: “fandikàna lalàna” (1 Jaona 3. 4): manaraka ny nahim-po, ny faniriana, ny fitsiriritana, ka tsy miraharaha an’Andriamanitra.

Misy lafiny roa lehibe ny ota. Ny fandikàn-dalàna: fihoarana ny fetra noraràna. “Aza mangalatra”, hoy ny lalàna, nefa… maka ny an’ny hafa! Hihoarana amin’izany ilay fefy napetrak’Andriamanitra. Izany no fahamelohana, ilay lafiny “trosa” amin’ny heloka, fitsipika fototra ampidirin’ny Tompo amin’ny fanoharana isan-karazany, ohatra (Lioka 7. 41-42; Matio 18. 23-35).

Ny lafiny iray amin’ny ota dia ny fahalotoana, izay manapaka ny fiombonan’ny fanahy amin’Andriamanitra, Izay madio loatra ka tsy afaka hijery ny faharatsiana. Ny habokana no sary an’ohatra milaza io ota-fahalotoana io: tsy maintsy navoaka tany ivelan’ ny toby ilay boka (Nomery 5. 2); tsy misy afaka mikasika azy; izy rahateo, raha misy olona manakaiky azy, dia tsy maintsy niantso hoe: maloto, maloto. — Ao amin’ny Zakaria 3, raha niseho teo amin’ny fahazavan’Andriamanitra i Josoa, ilay mpisoronabe, dia hita fa nanao akanjo maloto izy. Nasehon’ny fahazavana izany fahalotoana izany. Miditra an-tsehatra Andriamanitra ary nanao hoe: “Indro, efa nesoriko ny helokao, ary hampiankanjoiko akanjo fihaingoana ianao”. Afaka manatanteraka ny asany amin’ny maha-mpisoronabe azy amin’izay i Josoa.

Ny didy aman-dalàna dia manasazy ny fahadisoana noho ny zavatra natao, indraindray natao tamin’ny teny, ary manarakaraka izany koa, ny fahadisoana noho ny tsy fanaovan-javatra, rehefa tsy nahatanteraka ny zavatra tokony ho natao. Ny Tenin’Andriamanitra irery ihany no manameloka ny fihevitra, ny fitsiriritana (Eksodosy 20. 17).

 

 

1.1  Ny fakàm-panahy ivelany

Ny zava-misy amin’izany aloha, voalohany indrindra, dia ny fanerena olona iray hanao izay mifanohitra amin’ny fihevitr’Andriamanitra. Eo ihany koa ny lafiny maha- fizahan-toetra azy, fitsapana ny finoana. Natahotra i Paoly tamin’ny Tesaloniana, izay vao niova fo, sao dia voahozongozana tamin’ny fakàm-panahy izy ireo, ary naniry ny hahafantatra izy ny momba “ny finoanareo, fandrao sendra naka fanahy anareo ny mpaka fanahy”. Nampangatsiaka ny faharisihan’izy ireo ve ny fanenjehana? Nahatsiaro maivamaivana tokoa izy raha nahalala fa tsy izany no niseho (1 Tesaloniana 3. 5).

Ny fanoherana ny fakàm-panahy ivelany dia mitaky fijaliana. Izao no voalaza amintsika momba an’i Kristy: “Nalaim-panahy ny tenany tamin’ny fahoriana nentiny” (Hebreo 2. 18). Ary ny momba ny lafiny maha-fitsapana azy, na fifehezana, “ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy izy” (Hebreo 12. 11).

Noho izany, ny “fakàm-panahy ivelany” dia misy lafiny samihafa.

 

1.1.1  Ny fanenjehana

Mety hibaribary izany, toy ny tamin’ny fiandohan’ny kristianisma, na nandritra ny Reformasiona tany Eoropa. Miha-miseho izany amin’izao androntsika izao, any amin’ireo tany marobe izay hampijaliana ny kristiana, hanaovana azy ireo am-ponja, hamindrana toerana azy ireo, na hampahoriana azy ireo amin’ny fomba samihafa.

Aty amintsika, tsy dia mibaribary loatra ny fomba fisehoany, fa toy ny fanebahana, ny tsy fanomezana ny tombontsoa tokony ho anjaran’ny kristiana iray eo amin’ny lafiny asa, ny fifandirana, ny tsy rariny. Ezak’i Satana hanozongozonana ny finoana, hampangatsiahana ny risi-pon’ny kristiana, hanaronana ny fijoroana ho vavolombelona, raha azo atao hatrany amin’ny fitsipahana ny fivavahana kristiana.

 

1.1.2  Ny fitsapana

“Sambatra izay olona maharitra fakàm-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satroboninahitra fiainana” (Jakoba 1. 12). Ny tanjon’io “fakàm-panahy” io dia ny hampibaribary, amin’ny fitsapana, ny toetra tsara sy ratsy, ny fahamarinan’ny finoan’ny olona iray. Mety ho Andriamanitra no mamela izany hiseho “raha tsy maintsy hisy izany” (1 Petera 1. 6). Mety ho Andriamanitra mihitsy aza no manao izany: “Nizahan’Andriamanitra toetra i Abrahama” (Genesisy 22. 1).

Andriamanitra koa dia manafay ny olony, mba hampivoatra azy ireo, “mba handraisantsika ny fahamasinany” eo amin’ny fiainantsika (Hebreo 12. 7, 10).

 

1.1.3  Ireo zavatra mety hahatonga ny fakàm-panahy

Voalohany indrindra, dia ny olona izay mankahala an’Andriamanitra sy ny olony izy ireo: “Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo… Fa satria tsy naman’izao tontolo izao ianareo… dia halan’izao tontolo izao ianareo”. Mety ho saronana amin’ny fahalalam-pomba sy ny fahaiza-miaina io fankahalana io, nefa, raha ifotony, dia eo ihany izany. Tokony ho gaga amin’izany ve?

Ny zava-misy dia mety hivadika ho fakàm-panahy ivelany, fitsapana ny finoana, toy ilay fositra namotika ny tanatanamangan’i Jona, nitsapa ny faharetany (Jona 4).

Iza no tao ambadik’ilay fositra, raha tsy Andriamanitra Izy tenany mihitsy? Mety avelany hiseho ny fizahan-toetra, indraindray aza dia Izy mihitsy no “manomana” azy, satria izay no hitany fa tsara. Indraindray dia i Satana no mampirisika ny olona hanohitra ny zanak’Andriamanitra, na mitambesatra amin’ny zavatra iainany.

e)     Ny Tompo Jesoa Izy tenany mihitsy dia nalaim-panahy

Araka ny voalazan’ny Hebreo 4. 15, Izy dia: “efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota”. Tsarovy ny ezaka nataon’ilay mpaka fanahy tany an’efitra; ny fanoherana tsy an-kijanona nataon’ny fariseo sy ireo lohandohan’ny vahoaka; ny fampirisihan’ilay mpianatra iray, i Petera, izay nitady ny hanakana Azy tsy hiatrika ny hazofijaliana. Tamin’ny zavatra rehetra, dia “naharitra ny fanoherana nataon’ny mpanota” taminy Izy.

Fa tao Aminy, dia tsy nisy ny fitsiriritana ara-nofo. Tsy nisy toetra tao Aminy izay nisarika Azy ho amin’ny faharatsiana. Ireny fakàm-panahy rehetra ireny dia tsy nanao afa-tsy ny nampiharihary ny fahalavorariany: “Izay tsy nanota akory… Izay tsy nahalala ota… Tsy mba misy ota ao aminy” (1 Petera 2. 22; 2 Korintiana 5. 21; 1 Jaona 3. 5). Izany no anampian’ny Hebreo 4. 15 amin’ny fomba manetriketrika hoe: “… kanefa tsy nanana ota”.

 

1.1.4  Ny fakàm-panahy anaty (*)

(*) Nohazoninay — mba hanamaivan-javatra — ilay fomba fiteny ampiasain’ny sasany hoe “fakàm-panahy anaty”.  “Raha ny tena marina, dia misy ny fitsiriritana alohan’ny fampirisihana hanota; ny fakàm-panahy dia manolotra zavatra, izay hironan’ilay toetra taloha voasarika, satria efa vonona ho amin’izany izy. Noho izany, ny fitsiriritana no mifanojo amin’ny fakàm-panahy; izy no mitarika ny ota tanterahana noho ny herin’ny fakàm-panahy”

 

Tsy fanerena avy ivelany hanao ratsy intsony io, fa, araka ny lazain’i Jakoba: “Samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ny filàny sy fitahiny izy” (1. 14). Mbola tsy miova ao anatin’ny mpino ilay toetra mpanota, na dia efa nahazo fiainam-baovao aza izy, ny fiainan’Andriamanitra. Ny “nofo” dia faly amin’ny fakàm-panahy izay mampihetsika ny fitsiriritana, fa ny fitsapana ivelany kosa dia mitondra fijaliana ao amin’ilay olona manohitra azy.

Ny 1 Jaona 2. 15-17 dia manoritra ny hoe “mitia”: “Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao, dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray”. Io fitiavana izao tontolo izao io dia miseho amin’ny “filàn’ny nofo” (ny fitsiriritana no manosika hanao ratsy), “ny filàn’ny maso” (ny fo dia voasarik’ilay zavatra irina), “ny rehaka momba izao fiainana izao” (izay te hisondrotra, nefa ny fanetren-tena mietry).

Ny zava-misy ivelany dia mety hampitroatra ny fitsiriritana anaty. I Satana dia tonga naka fanahy an’i Eva sy nampitsiry fisalasalana tao am-pony; tatỳ aoriana izy dia haka fanahy an’i Jesoa ary hitady izay hahalavo Azy. Fa tao amin’i Eva ihany no namaly ny fitsiriritana anaty: “Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra hampahahendry” (Genesisy 3). Ampiasain’ny fahavalo ny zavatra ivelany hampitsimoka ilay fitsiriritana anaty. Fa Andriamanitra dia tsy mba maka fanahy, ary tsy misy olona afaka milaza hoe: “Andriamanitra no maka fanahy ahy” (Jakoba 1. 13). (Afaka mampiasa an’i Satana sy ny fakàm-panahiny anefa Izy hitsapana ny olony, toy ny tamin’i Joba).

 

1.2  Ny fanampiana omen’Andriamanitra

Efa nomarihintsika fa: “Mahatoky Andriamanitra… momba ny fakàm-panahy dia asiany làlana hahafahanareo” (1 Korintiana 10. 13).

 

1.2.1  Amin’ny fakàm-panahy ivelany

Ny ilaina dia ny tsy voahozongozona, ny fanoherana ny devoly izay mitady izay harapany (1 Petera 5. 8-9). Ho an’izany, dia eo ny herin’Andriamanitra izay azon’ny finoana ampiasaina (1 Petera 1. 5); ny Tompo Jesoa dia afaka “mahavonjy izay alaim-panahy” (Hebreo 2. 18).

Manoritra izany ny Salamo 144. 1-2. Nandritra ireo ady rehetra natrehany tamin’ny fiainany, dia imbetsaka i Davida no nanandrana izany: “Jehovah Vatolampiko… Mpiantra sy batery fiarovana ho ahy sady fiarovana avo sy Mpanafaka ahy, ary ampingako sy fialofako”. Nefa raha nanaraka ny nahim-pony izy, dia nialokaloka tany Gata, tany amin’i Akisy (1 Samoela 27. 1-2).Tatỳ aoriana, raha nitsangantsangana teo amin’ny tampon-tranony izy, fijery mitsiriritra iray dia nitarika azy tamin’ny faharatsiana mampahory (2 Samoela 11). Nefa kosa, raha mbola niaraka tamin’Andriamanitra izy, na inona na inona fanafihana maro nataon’ny fahavalo — tamin’ny fahatanorany, raha nenjehin’i Saoly izy; nandritra ny nanjakany, raha notafihin’ireo fahavalo marobe izy — dia nahita io herin’Andriamanitra manafaka io izy.

 

1.2.2  Amin’ireo fakàm-panahy anaty

Ny ilaina dia tsy ny manohitra, fa ny “mandositra”: “Mandosira ny filàn’ny tanora fanahy” (2 Timoty 2. 22). Ohatra tsara amin’izany i Josefa, izay nandà tsy hijanganjanga amin’ny vadin’i Potifara. Ilay fakàm-panahy ivelany dia nety ho nampitsimoka ny fitsiriritana anaty, saingy nahay nandà izy ary “nandositra” (Genesisy 39. 12).

Ny Teny dia miantso antsika “hamono” ny fahalotoana, izany hoe, raha ara-bakiteny, dia hamela izany “ho faty”, amin’ny fanesorana ny sakafony (Kolosiana 3. 5). Mila ny herin’ny Fanahy izany: “Fa raha ny Fanahy no amonoanareo ny asan’ny tena, dia ho velona ianareo” (Romana 8. 13).

Zava-dehibe koa, araka ny nolazain’ny Tompo Jesoa tao Getsemane, ny tsy “hidirana amin’ny fakàm-panahy” (Marka 14. 38). Tsy manao izay ahatafiditra ny tena amin’ny tranga izay misy fakàm-panahy mety hampidi-doza. “Mety ihany ny fanahy”: mora aminy ny mieboebo ho tsy voatariky ny ratsy, ary manadino fa “ny nofo no tsy manan-kery”. Izany no niainan’i Petera, raha voatosiky ny heverina ho hafanam-po ho an’ny Tompo izy ka niditra tao an-kianjan’ny tranon’ny mpisoronabe, ary nandà Azy.

Aoka isika hitandrina amin’ireo fanasàna araka ny fomban’izao tontolo izao, amin’ny fisakaizana mampiahiahy, izay manomboka amin’ny fahalalam-pomba, nefa mety hivaona mora foana. Raha nivoaka hizaha “ny zazavavy tompon-tany” i Dina, zanakavavin’i Jakoba, dia tsy nanampo ny voka-dratsin’izany izy; vetivety foana izy dia nalaim-panahy ary nampiditra angano tamin’ny manodidina azy rehetra (Genesisy 34).

Ny vahaolana iray hafa koa, izay tena mandaitra, dia ny mankeo amin’ny fahazavan’Andriamanitra. Ohatra tsara amin’izany ny Salamo 27: “Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako?” (and 1). Miditra eo anatrehan’Andriamanitra, mijery ny zavatra rehetra amin’ny fahazavany, mba ho voakasiky ny hatsaran’ny Tompo ny fo, fa koa mba hitady izay eritreriny: “Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah, izany no ho tadiaviko: dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’i Jehovah sy mandinika ny tempoliny” (and 4). Ary ampian’i Davida hoe: “Raha hoy Ianao: tadiavonareo ny tavako, dia hoy ny navalin’ny foko: eny, ny tavanao no tadiaviko, Jehovah ô” (and 8). Mahatsikaritra ny zavatra amin’ny fahazavan’Andriamanitra alohan’ny hirosoana; mitady ny tavan’ny Tompo sy ny hatsaràny, mba ho Izy no hanana ny toerana voalohany ao am-po. Fahanana amin’ny zavatra maharitra ilay olona vaovao, izany no hiaro antsika amin’ny fitsiriritana.

 

2  Ny filàn’ny maso

Rehefa avy nilaza tamin’ny ankapobeny ny apostoly Jaona hoe: “Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao”, dia manohy izy hoe: “Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filàn’ny nofo sy ny filàn’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany”.

Sarotra ny manavaka mazava ireo zavatra telo ireo, izay manintona ny mpino eo amin’izao tontolo lo sy maloton’ny ota izao. Saingy, raha ny hita, ny mahatonga ny filàn’ny maso dia matetika ireo zavatra manintona ny maso ary mitarika haniriana hanana izay tsy nomen’Andriamanitra. Ary noho ny toa fireharehana, dia mitarika ny mason’ny hafa hijery anao izany; ny filàn’ny nofo dia mampirisika hitodika amin’ilay zavatra ivelany izay mahatonga io fitsiriritana io, ary mitondra ny fahafinaretana ara-nofo ara-bakiteny; — ny rehaka momba izao fiainana izao dia manondrotra amin’ny toerana avo kokoa noho izay misy ny tena na ny hananana, mba hanjakana amin’ny hafa. Mifanohitra amin’izany ny fanetrentena,  izay mitarika hietry sy hidina.

 

2.1  Ny zavatra ivelany manintona ny maso

I Eva no ohatra voalohany amin’izany. Nampirisihin’ny menarana izy, ary hitany “fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso”. Raha vao tafiditra io fitsiriritana io dia nitarika azy hatrany amin’ny tsy fankatoavana mazava ilay didy efa fantany.

Ny filàn’ny maso dia mahatonga faniriana hanana zavatra izay tsy nomen’Andriamanitra, ka noho izany, voarara. Tamin’ny fanababoana an’i Jeriko, dia nandidy mazava Andriamanitra mba tsy hakana na inona na inona, rehefa ho baboina ny tanàna (Josoa 6. 18-19). I Akana dia “nahita kapôty tsara avy any Babylona sy sekely volafotsy roanjato ary anja-bolamena”; notsiriritiny izany, nalainy ary nafeniny tao amin’ny  tranolainy. Ny fijerin’ny maso no nampitsimoka ny fitsiriritana tao aminy, izay nahatonga ny faniriana ratsy haka ho azy ny harena izay tsy nomen’Andriamanitra.

Ny Testamenta Vaovao dia miantso io fitiavana hanan-javatra io hoe “fieremana” (Kolosiana 3. 5; Efesiana 5. 3), ary soritany aza fa ny “olona mierina” dia mpanompo sampy (Efesiana 5. 5). Io faniriana miredareda hanana bebe kokoa io, ny “pleonexia” amin’ny teny grika, dia adika koa hoe “hahihirana”. (tsy izany no ao amin’ny Lioka 12. 15 fa fieremana).

Ny fitsiriritana ny fananan’ny hafa dia miteraka fialonana sy io filàna tsy voafehy hanana azy io koa. Ny 1 Timoty 6. 9-10 dia mampitandrina amin’ny “fitiavam-bola”. Te hanana ny ilaina hamaliana ireo “filàna maro tsy misy antony sady mandratra” nampidirina tao amin’ny olona, izay maniry tsy maintsy hanana ny harena tsy nomen’Andriamanitra. Gehazy, ilay zatovon’i Elisa, dia nieritreritra fa adala tokoa ny tompony tsy nandray ireo fanomezan’i Namana (2 Mpanjaka 5. 20-27). Raha nahita ny volafotsy, ny fitafiana sy ny volamena nentin’ilay mpanapaka ny miaramila syriana izy, dia tafiditra tao anatiny ny fitsiriritana. Nihazakazaka nanenjika ilay boka sitrana izy, ary noho ny lainga notantarainy, dia nahazo talenta volafotsy roa sy fitafiana indroa miova, izay nafeniny haingana tao an-trano. “Moa andro fandraisana… va izao?”, hoy ny mpaminany nanome tsiny azy — i Balama dia “tia ny tambin’ny tsy fahamarinana”: noho ny vola , dia tonga hanozona ny vahoakan’Andriamanitra izy, nefa navadik’i Jehovah ho tso-drano ilay ozona (Nomery 22; 2 Petera 2. 15). — Sekely volafotsy telopolo no nivarotan’i Jodasy ny Mpampianany, raha nihaino ny feon’ny fitsiriritany izy.

Ny fananan-karena dia mety ho fandrika, na sakana mihitsy aza, tsy hidirana any amin’ny fanjakàn’Andriamanitra. Hoy i Jesoa: “Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra noho ny hidiran’ny manankarena amin’ny fanjakàn’Andriamanitra”. Gaga loatra tamin’izany ny mpianatra, ka nanontany tena hoe: “Iza indray no azo vonjena?” “Raha amin’ny olona, hoy i Jesoa nijery azy ireo, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahak’izany amin’Andriamanitra” (Marka 10. 24-27).

Marina fa “Andriamanitra… manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika » (1 Timoty 6. 17), fa mba hifaliantsika “miaraka aminy” (Romana 8. 32). Noho izany, ny harena ankinin’ny Tompo amin’ny olony, na be na kely, dia harena tantanana ho Azy : ny zavatra bitika, ny harena tsy marina, ny zavatra an’olon-kafa (Lioka 16. 1-12). Raha tsara tantana ireo, ilay mpianatra izay nahatoky tamin’ny kely indrindra dia hahatoky koa amin’ny zavatra lehibe, dia ireo harena ara-panahy, izay tena harena marina, izay anjarany ho mandrakizay. Atoron’i Paoly an’i Timoty izay fampiasàna tokony hanaovan’ny mpanankarena ireo fananana mety ho nankinin’Andriamanitra tamin’izy ireo: “Mba hanao asa soa, mba hanan-karena amin’ny asa tsara, hazoto manome sy miantra” (1 Timoty 6. 18). Ny herin’Andriamanitra rehetra mihitsy no ilaina mba ho voaaro amin’io filàn’ny maso io, izay mitady ny “mihary harena ho an’ny tenany ihany, nefa tsy mba manankarena ny amin’Andriamanitra” (Lioka 12. 21).

Mba handresena an’izao tontolo izao, dia ilaina ny finoana, tsy ilay finoana tany am-boalohany nahazoana famonjena, fa ilay finoana velona iainana andavanandro: “Fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika” (1 Jaona 5. 4). Amin’ny fiainana andavanandro, ny manokana ny fotoana ilaina hanaovana ireo asa soa izay efa nomanin’Andriamanitra mialoha, mba hanompoana ny Tompo amin’ny Filazantsara na amin’ny olony, dia hiaro antsika amin’ireo tranga marobe izay ho nitarihin’ny filàn’ny maso antsika hanalavitra Azy.

 

2.2  Misarika ny mason’olona hijery ny tena

Ny filàn’ny maso koa dia miseho amin’ny faniriana te hamiratra, te hiseho ho mihoatra noho ny maha izy azy ny tena, amin’ny fisehosehoana amin’ny fitafiana, amin’ny fomba fihaingoana, na ny mifanohitra amin’izany amin’ny tsy firaharahiana fitafiana, toetra izay mitady ny hanasongadina ny tena. Ho haderadera izay zavatra ananana, toy ny nataon’i Hezekia tamin’ny namangian’ireo iraky ny mpanjakan’ny Babylona azy (Isaia 39). Ao amin’ny tokantrano kristiana iray, moa ve ireo izay “miditra” mahita ny “hazavana”? (Lioka 8. 16). Ho raisina ao amin’ny trano izay misy toerana ho an’ny Tompo ve izy ireo, izay ahitana mpivady miray saina sy ankizy falifaly, nefa tezaina ho Azy? Sa kosa ny zavatra ho hitany dia firentirentin’ny harena, fitadiavana izay hisehoana ivelany mba hanintonana ny maso?

Io filàna hamiratra io dia mety hiseho amin’ny fikatsahana voninahitra. I Paoly sy Barnabasy dia nandà fatratra ny fanatitra nataon’ireo mponina tao Lystra (Asa 14. 11-18). Fa ny mpanjaka Heroda kosa dia nahatsiaro ho nieboebo tokoa tamin’ny antsoantson’ny vahoaka nankasitraka ny kabariny: “Feon’Andriamanitra izany, fa tsy an’olona!” (Asa 12. 22).

Azo atao koa ny mitady hisongadina amin’ny fanaovana asa soa (Matio 6. 1-4), na amin’ny fahalalana, fahalalana ara-tsaina izay “mampieboebo” fa tsy mampandroso (1 Korintiana 8. 2). Mora ny mitanisa lahatsoratra marobe ara-Baiboly, izay toa mirindra tokoa, nefa tsy mitondra fitahiana ho an’ny mpihaino — ny tena antony dia ny hampiseho mazava fa manam-pahalalana ny tena ary hitadiavan-tsitraka. Na dia nakarina ho any amin’ny lanitra fahatelo aza i Paoly, ka nanana antony hireharehana noho izany, dia tsy nanao izany izy “fandrao misy olona mihevitra ahy ho mihoatra noho izay ahitany ahy na izay andrenesany ny teniko” (2 Korintiana 12. 6).

Ny fariseo dia nanalehibe ny kiromborombo tamin’ny akanjony ary nivavaka teny an-tsisin-dàlana, mba hanamarihan’ny olona ny fitiavany mivavaka. Amin’ny fiaraha-monina, dia ho katsahina ny hiseho ho manan-tsaina na manam-pahalalana noho ny hafa, ary manandra-tena amin’ny fanambaniana ny sasany.

“Ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha” (1 Korintiana 13. 4). Izany no fanefitrin’ny fisehosehoana. Raha tia ny Tompo ianao, tia ny rahalahinao, dia hiambina mba hanetry tena mandrakariva, mba tsy hifantohan’ny mason’ny olona aminao, fa amin’i Kristy.

 Azo antoka fa ny filàn’ny nofo, ary mihoatra noho izany aza ny rehaka eo amin’izao tontolo izao, dia mifanakaiky kely tokoa amin’ny filàn’ny maso. Raha toa ianao mitady sitraka, dia matetika te hanambony tena. Raha toa ianao mitady izay manintona ny maso, dia miditra an-tsehatra ny nofo — na dia amin’ny dikany ara-bakiteny aza. Niezaka anefa isika nanoritra mazava ireo toetra isanisany nolazain’i Jaona, mba hahatonga azy ireo hanaitra ny fo sy ny saintsika.

 

3  Ny filàn’ny nofo

 

Ny tiana holazaina amin’io lohateny io dia tsy ny “nofo” amin’ny ankapobeny, ilay toetra ratsy hita ao amin’ny asasoratr’i Paoly indrindra indrindra, fa kosa “ny firehetam-pon’ny olombelona”.

Ny filàn’ny nofo dia avy ao anaty, araka ny voalazan’ny Tompo Jesoa: “Izay mivoaka avy ao amin’ny olona, dia izany no mahaloto azy. Fa avy ao anatin’ny olona, dia avy ao am-pony, no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana…” (Marka 7. 20-21). Miditra an-tsehatra izy rehefa tsy voafehy ny faniriana voajanahary (*) indrindra fa amin’ireto lafiny roa ireto, dia ny fijangajangana sy ny fihinanana sy fisotroana be loatra, ny “fahatendan-kanina”.

 

(*) Ireo faniriana ireo (ny saimbatana hanao firaisana, ny hanoanana, ny hetaheta, sns…) dia toetra araka ny tokony ho izy. Nefa inona moa ny antony hanomezana fahafaham-po azy ireo? Ny olombelona dia voary feno fanirina, tsara na ratsy arakaraky ny zavatra iantefany.

 

3.1  Ireo filàn’ny nofo mivaona

Raha niresaka momba ny fitsanganan’ny maty ny Tompo Jesoa, dia nanoritra fa “amin’ny fitsanganan’ny maty dia tsy mba hisy hampaka-bady, na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy” (Matio 22. 30). Any an-koatra dia tsy hiditra an-tsehatra intsony ny fahafatesana ara-batana na ny vokatr’izany, ny fampitana aina. Eto an-tany, ny aina rehetra, na an’ny zava-maniry, na an’ny biby, na an’ny olombelona, dia ampitaina ho taranaka mifandimby. Misy fahasamihafana lehibe anefa: ny zava-maniry, na ny biby, dia manaraka amin’ny fotoana voatondro; ny olombelona kosa dia afaka manao izany araka ny sitrapony, ary fanahy iniana. Mihoatra noho izany aza, ireo zaza teraka noho ny firaisan’ny lehilahy sy vehivavy iray dia tsy voary  ety an-tany fotsiny, toy ny biby na ny zava-maniry, fa fanahy izay hanana fiainana mandrakizay. Izany no mahatonga ny Tenin’Andriamanitra ho hentitra tokoa momba ny fivaonan’io fahafahana mampita aina io. Raha ao anatin’ny fanambadiana no anaovana izany, raha lehilahy sy vehivavy nikambana tao amin’ny Tompo “mba ho nofo iray” (Efesiana 5. 31), dia mitondra fahafinaretana tokoa. Ny firaisana ivelan’izany dia antsoin’ny Teny hoe “fijangajangana”.

Ny vanim-potoana eo anelanelan’ny fahamaotina sy ny fanambadiana dia sarotra tokoa, ary mitaky fifehezan-tena maharitra, eo ambany mason’ny Tompo ary ampian’ny heriny. Raha niteny tamin’ny taranak’i Arona ny Levitikosy 22. 4-7, dia nampiseho fa ny tsy fahatanana dia tsy nekena tany Isiraely ary nahatonga ho maloto; nilaina ny fanadiovana; fa taorian’ny filentehan’ny masoandro, dia nadio ilay mpisorona ka afaka nihinana indray tamin’ny zavatra masina. Tsy ahitantsika fatra marina ve izany, amin’ny lanja tokony omentsika ireo olana miseho amin’ny tovolahy maro, izay mahatsiaro tosika ao anatiny ao, nahatonga azy hanome vahana an-tsitrapo ny fikorian’io ranon’aina io? Tsara ny manavaka ny seho kisendrasendra amin’ny fahazarana, izay mety hitarika amin’ny fanandevozana tanteraka na amin’ny fibahanan’izany ao an-tsaina ka hahatonga aretin-tsaina, fahosan’ny fiainana ara-panahy, fahaverezan’ny fiombonana amin’ny Tompo.

Ny firaisan’ny lehilahy sy vehivavy iray ivelan’ny fanambadiana dia melohin’ny Testamenta Taloha mafy tokoa, ary mihoatra noho izany aza ao amin’ny Testamenta Vaovao: “Fa ny tena kosa dia tsy ho an’ny fijangajangana, fa ho an’ny Tompo… Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo” (1 Korintiana 6. 13-20). Feno fankasitrahana tokoa isika satria manampy ny Teny hoe: “… ary ny Tompo ho an’ny tena” (and 13). Afaka matoky ny heriny isika, ny vahaolana omeny, mba hiaro antsika. Tena ilaina mihitsy ny heriny rehetra, amin’izao tontolo manodidina izay ahitana fa zavatra saika maningana tokoa ny fahadiovan’ny fifandraisana araka ny Tenin’Andriamanitra.

Ny fijangajangana, ny firaisan’ny lehilahy sy vehivavy izay samy manambady, dia vao mainka loza. Ny fandikàna io lalàna io, ao amin’ny Eksodosy 20. 14, dia mahatonga fanamelohana ho faty ao amin’ny Levitikosy 20. 10. “Mahatondra afo ao an-tratran’akanjony va ny olona, ka tsy ho may ny akanjony?... Dia toy izany izay mankamin’ny vadin’ny namany… Izay ta hanimba tena no manao izany. Voakapoka sy afa-baraka izy ary tsy ho afaka amin’ny tondro-molotra” (Ohabolana 6. 27-33).

Mbola mihoatra noho izany no nolazain’ny Tompo Jesoa, satria ny fo no jereny. Rehefa avy nampahatsiahy ny didy tao amin’ny lalàna Izy, dia nanampy hoe: “Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady” (Matio 5. 28)!

Antsoin’ny Levitikosy 18. 22 hoe fahavetavetana ny firaisan’ny lehilahy samy lehilahy na vehivavy samy vehivavy, tahaka ny voalazan’ny Romana 1. 27 koa. Fivaonana amin’ny lalàna ara-boajanahary izany, “fanirian-dratsy” (Kolosiana 3. 5).

 

3.2  Ny fanaranam-po amin’ny fihinanana sy ny fisotroana

Tany an’efitra, ny vahoaka Isiraely dia naniry ny hahita indray ny sakafo toy ny teny amoron’i Neila (Eksodosy 16. 3; Nomery 11. 5). Rehefa Andriamanitra no nanome izany, dia azo noraisina avy amin’ny tànany izany; ny loza mitatao dia ny faniriana hiverina any Egypta, eo amin’izao tontolo izao, mba hanomezana fahafaham-po ny filàna ara-nofo tsy mitombina. Ny 1 Petera 4. 3-4 dia mampahatsiahy fa talohan’ny niovany fo, dia nanaram-po toy izany ireo olona sasany. Zahan-toetra ny mpino rehefa “gaga” ireo namany taloha, na ny mpiara-miasa aminy ankehitriny, satria tsy miaraka aminy izy amin’ireo fikatsahany fahafinaretana ara-nofo. Tsy maintsy manaiky ny kristiana fa tsy mitovy amin’ny sasany. Manantitra izany ny Romana 13. 13-14: “Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro”. Rehefa avy nanameloka ny fanaranam-po amin’ny fihinanana sy fisotroana ny apostoly, dia manampy hoe: “Aza miahy ny amin’ny nofo ahatanteraka ny filàny”.

Namoa-doza tokoa ny toaka tamin’ny andron’ny raintsika. Mba efa lefy ve izany ankehitriny? Nisy zavatra hafa mbola mamoa-doza kokoa nanampy izany, fanafody sy zava-mahadomelina isan-karazany, izay mety hahasarika, ary tsy tandrintandrina akory. Ny fahononan-tena, ny fifehezan-tena, omban’ny hery omen’Andriamanitra, no afaka hiaro antsika: “Koa amin’izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany” (1 Korintiana 10. 31).

 

3.3  Ny fanampiana omen’Andriamanitra

Teo anoloan’ny fakàm-panahy ivelany, ny nilaina dia ny “manohitra”. Raha toa sendra ny filàn’ny nofo, dia tsy maintsy “mandositra” (1 Korintiana 10. 14). Ny Kolosiana 3. 5 dia milaza amintsika hoe “vonoy ny momba ny tenanareo etỳ an-tany”. Eto àry, ny hoe mamono, dia midika hoe “mamela ho faty”, amin’ny fanesorana ny sakafo amin’ilay taova ka mahatonga azy hihamalemy. Inona no “sakafo” raisintsika amin’ireny sary manintona ny masontsika ireny, amin’ny zavatra vakiantsika, amin’ny toerana handehanantsika? Ity boky na gazety-boky ity, ity sary ity, izay toa tsy nanaitra tam-boalohany, dia indreo fa mitamberina ao an-tsaina aoriana, miaraka amin’ny faharatsiany.

Ny Tompo Jesoa mihitsy no mandidy hoe: “Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory hiala izy, ka ario ho afaka aminao… Ary raha ny tànanao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho izy, ka ario ho afaka aminao” (Matio 5. 29-30).

Ho an’ny mpino izay “tarihina sy fitahin” ny filàn’ny nofo, ny vahaolana omen’ny Tenin’Andriamanitra dia ny hoe “tapaho” (Matio 5. 30). Matetika mafy dia mafy tokoa izany; nefa inona no hanan-danja kokoa amin’ny fanahy: ny fitiavana ny Tompo sa ny fanomezana fahafaham-po ny tena?

Mananatra ny mpino i Petera hoe: “Fadio ny filàn’ny nofo, fa miady amin’ny fanahy ireny” (1 Petera 2. 11). “Aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filàny”, hoy isika raha nitanisa ny Romana 13. 14. Firifiry akory ireo tranga mahalavo izay azo nialàna, raha toa nitandrina “tsy halaim-panahy”!

Ny zavatra nataon’i Samsona tany Isiraely dia nihen-danja tokoa noho ny filàn’ny nofo. Ary ny fiainan’i Davida dia nanjombona hatramin’ny farany, noho ny tsy fahafehezan-tena indray andro fotsiny, izay nipoiran’ny fitsiriritana noho ny maso nijery, ary loza tokoa ny vokatr’izany.

Fiarovan-tena koa ny mameno tsara ny fotoana. Tsy iadian-kevitra fa ny toerana voalohany aloha dia ho an’ny Tenin’Andriamanitra sy ny vavaka, izay sakafo sy rivotra iainan’ny fanahy. Kanefa toy inona ny fitahiana afafin’ Andriamanitra eny amin’ny làlantsika eny, mba hifaliana “ao aminy”: zavatra tsara ataon’ny saina ho amin’ny asa na ho amin’ny fanitarana fahalalana, fotoana hialan-tsasatra, na hanalana andro kely eny ambanivohitra, na hanaovana fanatanjahan-tena ilaina, izany rehetra izany dia fiarovan-tena hanakana amin’ny làlan-diso maro.

Ny renin’i Lemoela dia namela anatra telo ho an-janany (Ohabolana 31):

“Aza omena ny vehivavy ny herinao, na ny fombam-piainanao ho an’izay manimba mpanjaka”;

“Eny, tsy mety amin’ny mpanjaka ny misotro divay, na amin’ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka; fandrao, raha misotro izy, dia manadino”;

“Sokafy ny vavanao hisolo ny moana, hahazoan’ny kamboty ny rariny; sokafy ny vavanao”.

Tsy fananarana mandràra ihany, fa misy iray mampanao zavatra: Sokafy ny vavanao hizara ny harena nomen’ny Tompo Jesoa anao. Sokafy ny vavanao ho an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra ary tsy mahay miresaka aminy. Sokafy ny vavanao ho an’ireo kamboty sy ireo nariana. Sokafy ny vavanao hanaparitahana ny Filazantsaran’ny fahasoavana. Ny manokana fotoana hanompoana ny Tompo, amin’ny fiankinana aminy sy noho ny fitiavana Azy, dia ho afaka hamonjy fanahy maro amin’ny fahaverezana ary hiaro antsika amin’ny fahotana sesehena.

 

4  Ny rehaka amin’izao fiainana izao

Ny filàn’ny maso dia mitarika hanintona ilay zavatra tsiriritina ho an’ny tena; ny filàn’ny nofo dia manosika hanome fahafaham-po ireo fanirian-dratsy amin’ny toetrantsika; ny rehaka kosa dia manondrotra ny tena ho eo ambonin’ny hafa.

Izany no “fahamelohan’ny devoly” (1 Timoty 3. 6), araka ny hanambaràn’ny Isaia 14. 13-14 azy amintsika: “Ary ianao efa nanao anakampo hoe: any an-danitra no hiakarako, ary ambonin’ny kintan’Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako… Ho tahaka ny Avo Indrindra (aho)”.

Hain’i Satana ny nampitsimoka io rehaka io tao am-pon’i Eva, tamin’ny nilazany taminy hoe: “Ho tahaka an’Andriamanitra ianareo” (Genesisy 3. 5). Amin’ny faran’ny tantaran’ny Eglizy, dia hirehareha i Laodikia hoe: “Manankarena sy nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory”, ary rehaka ara-panahy loza kokoa noho ilay iray ara-nofo izany (Apokalypsy 3. 17).

Ny rehaka dia mieboebo amin’ny maha-izy ny tena, amin’ny zavatra atao, amin’ny zavatra ananana.

Mety ho manan-tsaina, na tsara tarehy, na matanjaka hatrany an-kibon-dreniny isika, ary tsy nisy zavatra nataontsika ahazoana an’izany. Hoy i Adonia, ilay zanak’i Davida fahefatra: “Izaho no hanjaka… lehilahy tsara tarehy tokoa izy” (1 Mpanjaka 1. 5-6). Ilay fariseo dia nivavaka anakampo hoe: “Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany” (Lioka 18. 11).

Mora tokoa ny mieboebo amin’ny zavatra natao. Nisy toetra tsara ho marihina tokoa, izay nasehon’ny mpanjaka Ozia. Nomaniny daholo izay hampandroso ny vahoakany ara-toe-karena, sy izay hiarovana azy ireo. Niely lavitra tokoa ny lazany. “Fa mahagaga ny nanampiana azy, ka tonga mahery tokoa izy” (2 Tantara 26. 15). “Ary nony nahery izy, dia niavonavona ny fony”. Notadiaviny ampiarahana ho azy ny asan’ny mpanjaka sy ny mpisorona. Nanangan-tezitra aza izy raha notadiavin’ireo zanak’i Arona ho sakanana. Tamin’ny fahatanorany, dia “noheverin’i (Saoly) ho kely ny tenany”(1 Samoela 15. 17). Dia niakatra tao am-pony ny avonavona. Nolazainy fa azy ireo fandresen’i Jonatana (13. 4). Tsy nandringana ny Amalekita izy, ary ny saim-pantany ihany no nataony toy izay hankatoa ny tenin’Andriamanitra, izay nolazainy tamin’ny alalan’i Samoela. Na dia niseho ho nibebaka aza izy, dia nangataka tamin’ilay mpaminany hanome voninahitra azy teo anoloan’ny loholon’ny Isiraely (15. 30). — Efa nampilazaina roa ambin’ny folo volana mialoha i Nebokadnezara, nefa dia tsy niala tamin’ny avonavony ihany: “Tsy ity va no Babylona lehibe, izay nataoko ho lapan’ny fanjakana tamin’ny haben’ny heriko mba ho voninahitry ny fahalebiazako?”. Tsy maintsy nokapohin’Andriamanitra ho lasa adala izy, hampianarana azy fa “izay mandeha amin’ny fiavonavonana dia hain’(ny Avo Indrindra) aetry” (Daniela 4. 27, 34). — Na i Gideona aza dia tsy naharitra fa naniry ny hanao fahatsiarovana ny fandreseny, ary nanjary fandrika taminy sy ny ankohonany izany (Mpitsara 8. 27).

Ny rehaka koa dia misisika amin’ny hafinaretana amin’izay ananana; toy ilay mpanankarena ao amin’ny Lioka 12 izay nameno ny sompiny ary niteny tamin’ny fanahiny fa manankarena izy, ary ampy azy mandritra ny taona maro izany. — Ny harena ara-panahy dia mety ahatonga rehaka mamoa-doza mihoatra noho izany: “Ny fahalalana mampieboebo; fa ny fitiavana no mampandroso” (1 Korintiana 8. 1). “Ary inona no anananao, izay tsy noraisinao?” (1 Korintiana 4. 7). Koa nahoana no hirehareha amin’izany?

Ny rehaka koa dia mitady izay toerana ambonin’ny hafa. Mampitandrina ny apostoly hoe: “Aza miavonavon-kevitra ka mihevitra mihoatra izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain’Andriamanitra ho anareo avy” (Romana 12. 3). — I Diotrefa dia “te ho lohany ao amin’ny fiangonana”. Noroahiny hiala tao ireo rahalahy tsy ankasitrahany, ary izay te handray azy ireo dia noraràny (3 Jaona 9-10). — Fahiny i Kora, Datana sy Abirama dia nitsangana nanohitra an’i Mosesy sy Arona, nitady haka toerana izay tsy nomen’Andriamanitra azy ireo (Nomery 16).

Na ny fiainan’ireo mpianatr’i Jesoa koa aza dia tsy nilaozan’izay nipoiran’io hambo te ho ambonin’ny hafa io. Teny an-dàlana, taorian’ny nilazan’i Jesoa tamin’izy ireo ny momba ny fijaliany, dia mbola miady hevitra ihany izy ireo hoe iza no lehibe indrindra (Marka 9. 33-34). Nanatona Azy i Jakoba sy Jaona (ary ny reniny) mba hangataka Aminy ny toerana tsara indrindra, dia ny ankavanana sy ankavia, rehefa any amin’ny voninahiny Izy (10. 35). Ary zavatra hila tsy ho azo inoana, asehon’i Lioka amintsika ny fifandiran’izy ireo, taorian’ny nanorenana ny Fanasàn’ny Tompo, izay fotoana nametrahan’ny Tompo teo anoloan’ny fon’izy ireo ny fijaliana izay miandry Azy (Lioka 22. 24).

Ny rehaka koa dia mirona hifampitaha amin’ny hafa eo amin’ny fanompoana ny Tompo. Mampitandrina amin’io loza mitatao io i Paoly: “Fa izahay tsy sahy hanao ny tenanay ho isan’ny sasany izay midera tena, na hampitaha ny tenany aminy; fa tsy hendry ireny, satria manohatra ny tenany amin’ny tenany sy mampitaha ny tenany amin’ny tenany. Fa izahay tsy mba hirehareha tsy amin’ohatra, fa araka ny ohatry ny voafaritr’Andriamanitra ho anjaranay” (2 Korintiana 10. 12-13): manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny fanompoana apetraky ny Tompo eo anoloantsika, mampiasa ireo fanomezam-pahasoavana mety nomeny antsika, “tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an’Andriamanitra”, “araka ny ohatry ny finoana izay nozarain’Andriamanitra ho anareo avy”, fa tsy misalovana izay anjara nomena ny sasany, na hiseho hamirapiratra noho izany, na hanana laza izay hahatonga antsika ho ambonin’izy ireo.

Ny loza mitatao iray hafa koa dia ny fireharehana “hankalaza ny anankiray, fa hanevateva ny anankiray kosa” (1 Korintiana 4. 6). Fandrika ho an’ny tena izany, ho an’ny fiangonana ary ho an’ilay mpanompo izay hankalazaina.

 

 

4.1  Ny fanafana omen’Andriamanitra

Raha lavo tamin’ny fieboeboana nampidera ny hareny rehetra tamin’ireo iraky ny mpanjakan’i Babylona i Hezekia, dia “nanetry tena (izy) noho ilay efa niavonavonan’ny fony” (2 Tantara 32. 26). Ohatra tokony arahina isaky ny mahatsapa isika fa taditra tao anatintsika ny avonavona ary nisy akony. Miaiky ny fahadisoantsika amin’Andriamanitra; mamerina an-tsaina indray fa mpanota voavonjy noho ny fahasoavana fotsiny isika; mahatsiahy ny asa vita teo amin’ny hazofijaliana, ny fijalian’ny Tompo, ny indrafo nomena ary mbola omena antsika. Ary, vahaolana lehibe indrindra, tsy mitsahatra ny miverina amin’ny ohatra nomen’ny Tompo Jesoa: “Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesoa koa, Izay… nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo… dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana” (Filipiana 2. 5-8).

Raha mandà ny hanetry tena, dia tsy maintsy mampietry antsika Andriamanitra. Izany no nanjo an’i Nebokadnezara. Fa nihatra tamin’i Hamana kosa ny fitsaràn’Andriamanitra, raha nohindrahindrain’ny olona izy ka naniry hoentina mitety ny tanàna, tahaka ny “lehilahy tian’ny mpanjaka homem-boninahitra”, kanefa nahantona tamin’ny hazo, dimampolo hakiho ny haavony, izay nomaniny ho an’i Mordekay  (Estera 3-7).

Ao amin’ny fanoharana momba ireo olona nasaina izay nifidy ny toerana tsara indrindra, dia nampitandrina ny Tompo Jesoa hoe: “Aza mipetraka eo amin’ny fitoerana aloha, fandrao hisy olona nalaina izay mihaja kokoa noho ianao, ary ho avy izay nanasa anao sy izy ka hilaza aminao hoe: Omeo toerana io olona io: dia ho menatra ianao ka hifindra ho any amin’ny fitoerana aoriana indrindra” (Lioka 14. 7-9).

Rehefa avy nampirisika i Petera hoe: “Samia misikina fanetrentena ianareo, ka mifanompoa”, dia nanampy hoe: “Fa Andriamanitra manohitra ny miavonavona fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena. Koa amin’izany, manetre tena ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoan’andro” (1 Petera 5. 5-6; Jakoba 4. 6; Ohabolana 3. 34).

 

5  Ireo fakàm-panahy ivelany

Avy any ivelany izy ireo, ary mitady handavo; misedra ny finoana koa izy ireo, mba hahitàna mazava ny tena fisiany. Ny fakàm-panahy toy izany, eo amintsika, dia mety hampitsiry ny fitsiriritana, dia ilay famalian’ny fo ratsy izay mifaly amin’ny faharatsiana; na, mifanohitra amin’izany, mety hifanehatra amin’ny finoana mitoky amin’Andriamanitra ary manafaka.

 

5.1  Ny fanoherana

Vokatry ny fankahalan’ny olombelona tarihin’i Satana izany: “Raha hàlan’izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa hàlany talohanareo… Satria tsy naman’izao tontolo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo izao, dia hàlan’izao tontolo izao ianareo… Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa” (Jaona 15. 18-20). Nandritra ireo taonjato voalohany nisian’ny Eglizy, toy ny matetika nisy teo amin’ny tantarany, dia nihatra mafy tamin’ny mpino ny fanenjehana, ilay “fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra” (1 Petera 4. 12). Soritan’ny taratasy ho an’i Smyrna koa izany: “Hanam-pahoriana hafoloana ianareo” (Apokalypsy 2. 10).

Mety hanana endrika fandrabirabiana na fanendrikendrehana io fanoherana io (1 Petera 2. 12), tsindry hazo lena mihatra amin’ny mpino amin’ny asany, sakana apetrak’i Satana koa eny an-dàlana sy eo amin’ny fanompoana ny Tompo (1 Tesaloniana 2. 18).

Maro ireo ohatra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, mampiseho io fanoherana izay indraindray feno herisetra io. Ireo tovolahy Hebreo telo izay nandà tsy hiankohoka teo anoloan’ilay sarivongana dia natsipy tao anaty lafaoro mahamay. I Jaona Mpanao batisa dia nampidirina am-ponja ary notapahin-doha. I Jeremia mpaminany dia niharan’ny fanalàm-baraka isan-karazany imasom-bahoaka, ary fampijaliana. Ny sasany dia nafahana, ny sasany “tsy nety nanao izay hahafahana”. Ny sasany kosa dia natsoina hatoky “hatramin’ny fahafatesana” (Hebreo 11. 33-38).

Ao amin’ny fanoharana momba ny mpamafy, ny voa latsaka teny ambony vatolampy dia mampiseho ireo olona izay nandray ny Teny am-pifaliana, nefa tsy namaka tao anatiny izany, dia lavo raha tonga ny fahoriana na ny fanenjehana noho ny teny.

Ny Tompo Jesoa koa dia efa niharan’ny fakàm-panahy toy izany, — avy amin’ny fahavalo, tany an-tany efitra na tany Getsemane; — avy amin’ny fariseo na ireo mpanapaka hafa teo amin’ny vahoaka, nandritra ny fanompoany. Nandritra ny fiainany iray manontolo, dia “naharitra ny fanoherana nataon’ny mpanota taminy” (Hebreo 12. 3).

Manoloana ny fanoherana toy izany, dia antsoina ny mpino “hanohitra” (1 Petera 5. 9), mba ho “mahatoky” (Apokalypsy 2. 10). Tsy ho vitany izany raha tsy noho ny herin’Andriamanitra izay miasa ao anatiny. Ho setrin’ny finoana, araka ny fatran’ilay fanenjehana, no hanomanan’Andriamanitra ny fivoahana, amin’ny fanomezany ny hery tsy ho voahozongozona.

 

5.2  Ny ahiahy

Ny zavatra ivelany, indrindra ny tsy fahazoana antoka ny hoavy, dia mampipoitra ao anatintsika ny ahiahy, ny tahotra, ary mety ho tebiteby aza. Ny tsy fananantsika fahatokiana no mahatonga izany.

Mampirisika ny olony ny Tompo Jesoa hoe: “Aza manahy ny amin’ny ainareo” (Matio 6. 25). Manoritra ny apostoly hoe: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana… no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra” (Filipiana 4. 6). Niaina izany fahasambarana izany ny mpanao salamo: “Raha be ny ahiahy ato anatiko, dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao” (Salamo 94. 19).

Ambonin’ny zava-drehetra, dia mahatsiahy fa manana Ray isika, voambolana izay averina impito ao amin’ny Matio 6. Tsy mitsahatra ny miverina amin’ireo teny fampanantenana ao amin’ny Soratra Masina, mitana izany ao an-tsaina, mba ahazoana mampiasa izany rehefa miseho ny ahiahy. Mianatra ny mametraka Aminy ny fanahiantsika rehetra, satria Izy no miahy antsika (1 Petera 5. 7).

Ao amin’ny fanoharana momba ny mpamafy no ahitantsika koa fanazavana momba ny ahiahy toy izany: “Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin’ny tsilo, dia ireo no ilay nandre ny teny, fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filàna ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy” (Marka 4. 18-19). Azo antoka fa miaraka amin’ny ahiahy ny fitsiriritana; nefa ireo koa dia miasa hangeja ny teny ao amin’ny fanahy ary manakana azy tsy hamoa. Raha toa manahy foana momba ny hoavy ny fanahintsika, mitebiteby amin’ny zava-miseho sy ny olana, dia hanalavitra an’Andriamanitra izy.

Hoy ny mpanao salamo: “Ankino amin’i Jehovah ny làlanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka… Miantombena tsara miandry an’i Jehovah ianao ka manantenà Azy” (Salamo 37. 5-7).

 

5.3  Ny fakàm-panahy ara-tsaina

Amin’ny “zana-tsipika mirehitra rehetra izay alefan’ilay ratsy”, izay lazain’ny apostoly ao amin’ny Efesiana 6. 16, no azontsika hanasokajiana koa ireo “zana-tsipika” izay alefan’ny fahavalo mba hampiroaroa saina antsika.

Nanao safeliteny tamin’i Eva izy hoe: “Hanky! Efa nataon’Andriamanitra hoe?” (Genesisy 3. 1). Fomba maro samihafa tokoa no andefasan’i Satana ireo “zana-tsipikany”: amin’ny zavatra vakiana, amin’ny fianarana, amin’ny resaka ifanaovana amin’ny olona tsy dia miorina tsara. Ny Teny dia miantso handositra “ny fibedibedena foana sy ny fanoherana avy amin’izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy, izay neken’ny sasany, ka nania tamin’ny finoana izy” (1 Timoty 6. 20-21). Manampy ny apostoly hoe: “Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany” (2 Timoty 2. 23).

Ao amin’ny fanoharana momba ny tsimparifary, dia tsara ny voa nafafy tao amin’ilay tanimbary. Kanefa “raha natory ny olona”, dia tonga ny fahavalo ka namafy voan-tsimparifary teny amin’ny vary. Tamin’ny voalohany aloha, dia tsy nisy nahita na inona na inona. Nitombo ny vary. Fotoana kely tatỳ aoriana, dia “niposaka koa ny tsimparifary”. Nisy hevitra nasisika na fisalasalana tafiditra tao an-tsaina. Amin’ny voalohany, tsy misy akony izany. Fantatra tsara fa tsy tokony homen-danja ireny. Kanefa ireo voa nafafy dia hitera-bokatra indray andro any. Dia ho gaga mahita tanora, izay toa tia ny Tompo sy nanaraka ny Teniny, kanefa niala tamin’ny fampianarana azony. Raha natory ny olona, dia namafy ny tsimparifariny ny fahavalo.

Inona no fanafana omen’Andriamanitra antsika? — Alohan’ny zava-drehetra, dia “ny ampingan’ny finoana”, ilay finoana izay mandray ny Tenin’Andriamanitra satria avy Aminy, tsy manova na mamboamboatra izany. Hoy i Paoly tamin’i Timoty: “Diniho izay lazaiko, fa homen’ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin’ny zavatra rehetra ianao” (2 Timoty 2. 7). Taorian’ireo zavatra maro niainany, izay nampibaribary ny tao anatin’ny fony lalina tao, dia hoy i Joba namintina izany: “Hanontany Anao aho, ka ampahafantaro” (42. 4). Fomba fihetsiky ny fanahy manoloana ny Tompony, izay azontsika alaina tahaka tsara manoloana ireo fakàm-panahy mety ateraky ny fisalasalana ao an-tsaintsika.

 

5.4  Ny fizahan-toetra

“Raha tsy maintsy hisy izany”, hoy i Petera, “dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ny fakàm-panahy maro samy hafa ianareo”, ary izao no tanjona amin’izany: mba ho hita ny finoanareo, izay nosedraina tamin’ny afo, “ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana, amin’ny hisehoan’i Jesoa Kristy” (1 Petera 1. 5-7). “Sambatra izay olona maharitra fakàm-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satroboninahitra fiainana” (Jakoba 1. 12). Indraindray, dia avelan’Andriamanitra hiseho ny fizahan-toetra, ny fakàm-panahy, mba hanazavana tsara ny sakana amin’ny fiombonana Aminy, mba hahatonga antsika hitsara ireny ary ho afaka hisitraka indray ny fahazavan’ny tavany. Izany no nataony tamin’i Joba, namelany an’i Satana hizaha toetra azy, nampiasany koa ireo sakaizany hampisongadinana ilay fizahozahoana nameno azy.

Ny “fakàm-panahy” toy izany dia mety hanana endrika fanoherana, fanenjehina; na vokatry ny zava-tsarotra mahazo, toy ny aretina na famoizana olon-tiana, izay mety hitarika ho amin’ny fahakiviana; na fivadihan-javatra na tsy fahombiazana, izay hitarika ho amin’ny fikomiana; na fahadisoam-panantenana, izay hahatonga ho leo (Jeremia 17. 16); na zavatra tsy ampoizina, izay hampitsahatra ny fanompoana ny Tompo. Ny fizahan-toetra toy izany anefa dia mety ho lasa “fiderana”, raha mampanatona an’Andriamanitra, ary mitarika hitady hery sy fampaherezana ao Aminy; nahazo hery ny fanahy mba hamakivakiana ilay fakàm-panahy. Ny mpanompo dia tokony “ho voazaha toetra mialoha”, alohan’ny hanompoany. Mampiseho fa tsy misy zavatra manan-danja eo amin’ny fiainany, izay mety ho lasa sakana amin’ny asa ampanaovin’Andriamanitra azy. Mety ho Andriamanitra no manao izany fizahan-toetra izany, na rahalahy. Ilaina ny fotoana hampisongadinana ny toetry ny fo sy ny fandrosoana ara-panahy, alohan’ny hidirana tanteraka amin’ny fanompoana iray ho an’ny Tompo.

 

6  Ny famonjen’Andriamanitra

Arakaraky ny nijerentsika ireo fakàm-panahy samihafa no nanamarihintsika koa ny zavatra azo hifikirana nomen’Andriamanitra mba hiatrehana izany. Andao haverina indray mandeha indray izany, mba hahavonona tsara antsika hiatrika ireo olana eo amin’ny fiainana kristiana.

6.1  Amin’ny fakàm-panahy ivelany

Ny fiarahan’ny Tompo amintsika sy ny fifonany ho antsika no misongadina voalohany indrindra.

Hoy ny Hebreo 2. 17-18 amintsika: “Koa amin’izany dia mendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin’Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona. Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin’ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panhy koa Izy”. Io fahatakaran’ny Tompo ny zava-manjo ny olony io dia tsy vokatry ny heriny amin’ny maha Andriamanitra Azy, fa noho ny fiainana izay nodiaviny tetỳ an-tany, miaraka amin’ireo kilema, ireo fetra, ireo fahalemena misy etỳ; nahalala hetaheta Izy, hanoanana, hasasarana; fanoherana sy fankahalana; fahatsiarovan-tena ho irery; tsy fahazahoan’ny olony Azy. Niharam-pahoriana Izy, raha nalaim-panahy; noho izany, dia afaka mamonjy ireo alaim-panahy Izy. Hitany ny ngidin’ny fiainana eo amin’ny tonolo maloto sy mankahala. Mazava ho azy fa tsy nisy tao Aminy ny toetra ratsy, ny fitsiriritana; tsy nahita izay “hifaharana” tao Aminy ny fakàm-panahy. Fa “mahay miara-mitondra ny fahalementsika” Izy, satria “efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota” (Hebreo 4. 15). Efa niainany izany fijaliana izany.

Mihoatra noho izany aza, satria nitsangana tamin’ny maty Izy, ary natao ho Mpisoronabe any an-danitra “araka ny herin’ny fiainana tsy manam-pahataperana”, — “dia mahavonjy tokoa (hatramin’ny farany) izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy” (Hebreo 7. 16, 25). Io fanalàlana ataon’ny Tompo io dia azontsika ampiasana mandrakariva, kanefa kosa ny takiany dia ny hanatonantsika “an’Andriamanitra  amin’ny alalany”.

Eo koa ny ohatra navelany hampahery antsika: “Fa hevero tsara Ilay naharitra ny fanoherana nataon’ny mpanota taminy, fandrao ho ketraka ianareo, ka ho reraka ny fanahinareo” (Hebreo 12. 3). Aoka isika hianatra hahita amin’ny masontsika (1 Jaona 1. 1) ny Tompo Jesoa, amin’ny famakiana ny filazantsara; ny ohatra nomeny, ny fahamatorany, ny fahari-pony no hampahery antsika raha mitady ho kivy isika.

Ary toy ny mpanao salamo, dia aoka isika hahay mibanjina Azy: “Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo; Jehovah hamonjy azy amin’ny andro fahoriana. Jehovah hitandrina azy sy hiaro azy tsy ho faty; hatao ho sambatra ambonin’ny tany izy… Jehovah hanohana azy eo ambonin’ny farafara itsaboana azy; ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovànao” (Salamo 41. 1-3). Mahazo an-tsaina Ilay nietry, tonga mahantra mba hampanan-karena antsika, ary “nanaraka ny làlany tamim-panetrentena”. Fampaherezana izany amin’ny famakivakiana ireo fizahan-toetra sy fakàm-panahy eo amin’ny fiainana! Ahoana moa no “ahazoana Azy an-tsaina”, raha tsy, mbola haverina ihany, mijery Azy araka ny hanehoan’ny filazantsara Azy amintsika, tsy amin’ireo tranga samihafa niseho tamin’ny fiainany ihany, fa amin’ny fikatsahana ny hahatsapa ny tao amin’ilay fo izay nipoiran’ny zavatra rehetra nataony.

Izay isika vao afaka hiaina ny fahari-po, izay soritana matetika ao amin’ny epistilin’i Jakoba. Hangataka fahendrena isika (Jakoba 1. 5), izay hanampy antsika hahatakatra ny tanjon’ny fizahan-toetra, ny lesona tian’ny Tompo ampitaina amintsika amin’ireo zavatra avelany hiseho, ary hianatra ny fomba hiatrehana izany isika. Ho valin’ny vavaka, “Andriamanitra manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa”.

 

6.2  Amin’ny fakàm-panahy anaty

Araka ny efa nosoritana, ny zava-dehibe dia ny “mandositra” ny filàn’ny tanora fanahy, ny fijangajangana, ny fanompoan-tsampy. Raha toa misy ohatra ratsy mitady hahasarika antsika, “ireny koa dia halaviro” (2 Timoty 3. 5).

Amin’io lafiny io, mailo tsara momba ireo fifandraisana mety hironana ho amin’ny fahalavoana, izay hanalantsika baraka ny Tompo. Ny fisakaizana ao amin’i Kristy dia zava-tsoa sarobidy azo ianteherana eo amin’ny làlan’ny finoana; ny loza mitatao dia eo amin’ireo fisakaizana, na fahafantarana olona izay miditra lalindalina kokoa ka mitarika ho eo amin’izao tontolo izao na ho amin’ny fahalovana.

Efa hitantsika tao amin’ny Kolosiana 3. 5 ny dikan’ny hoe “mamela ho faty”, raha niresaka ny filàn’ny nofo. Raha toa misy olon’izao tontolo izao mitady ny hambabo antsika, dia aoka ho tsaroana ny Ohabolana 6. 25: “Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny”. Raha vao mahatsapa izany, dia tokony “hanapaka”. Momba ny toetra ratsy indray, dia tokony hiseho ny hery ara-panahy: “Fa ankehitriny, esory koa izao rehetra izao” (Kolosiana 3. 8). Ny Ohabolana 28. 13 dia milaza amintsika fa: “Izay mitsotra ka mahafoy (ny fahotany) no hahazo famindrampo”. Tsy hery ara-nofo, na fanarahan-dalàna, fa fanapahan-kevitra matotra raisin’ny fo maniry ny hanao izay tian’ny Tompo. Izany rehetra izany dia mitaky fifehezan-tena manokana eo amin’ny fizotra kristiana: “Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo (ny loka)”, hoy ny apostoly amin’ny Korintiana (9. 24). Raha te hiady ianao, tsy maintsy “mahonon- tena” amin’ny zavatra rehetra mba hahazoana ny satroboninahitra. Ary manampy ny apostoly hoe: “Asiako mafy ny tenako… ka andevoziko” (and 27). Ny tiany holazaina amin’izany dia tsy fantatsika mazava. Misy andininy sasany mamehy izany amin’ny hoe “fahononan-tena”, fifehezan-tena. Tsy manaraka izay rehetra hetsipo misy eo aminao, na ny fahakamoana, na ny filàn’ny nofo, fa mahay mifehy ny tena.

Ankinin’ny apostoly amin’i Titosy ny fampirisihana isan-karazany antonona ny sokajin’olona ho hitany any Kreta: ny antitra, ny vehivavy anti-panahy, ny vehivavy tanora. Momba ny tovolahy, fampirisihana iray ihany dia ampy, kanefa dia mafonja tokoa izany: “Ny tanora fanahy koa hanaro hahonon-tena” (Titosy 2. 6). Tsy fanarahan-dàlana akory, izay melohina ao amin’ny Kolosiana 2 hoe: “Nahoana… ianareo (no) mety hodidiana hoe: Aza mandray, aza manandrana, aza manendry?”. Fa kosa fanatanterahana ny fiarahantsika maty amin’i Kristy sy fiarahantsika nitsangana tamin’ny maty taminy. Mikolokolo ilay fiainam-baovao. Izany no zava-dehibe. Tsy misy koa “sitraka” ho katsahina akory, raha mahonon-tena. Sady tsy vita izany raha tsy miaraka amin’ny Fanahy, araka ny Galatiana 5. 16-23, izay hilazana ny “fahononam-po” (fifehezan-tena, fahononan-tena) hameno ireo zavatra hafa notanisaina.

Tsy maintsy ilaina ny fiaikentsika ny helontsika amin’Andriamanitra mba ho voavela heloka sy hodiovina (1 Jaona 1. 9). Ny fiaikena ny fahadisoanao amin’ireo rahalahy nanaovanao ratsy dia mamerina indray ny firahalahiana; fitsinjovana ny hoavy koa izany. Toy izany koa, ny fifanekena heloka ambara ao amin’ny Jakoba 5. 16 sy ny vavaka vokatr’izany dia fanoitra manan-kery tokoa mampianatra antsika sy manakana antsika tsy ho lavo indray.

 

6.3  Mandrakariva

Azontsika ampiasaina mandrakariva ny famonjena avy amin’Andriamanitra. Tsy mitsitaitaika tsy akory izany, na amin’ny ampahany ihany.

“Arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny finoana” ianareo (1 Petera 1. 5). Eo mandrakariva ny herin’Andriamanitra miaro antsika tsy ho lavo. Tsy maintsy hampiasaina ny finoana hiankina amin’io hery io, handray izany, hitoky amin’izany. Tamin’ny fiafaran’ny zavatra nampijaly azy ela i Joba, dia afaka niteny tamim-pankasitrahana hoe: “Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao” (Joba 42. 2). Ny tànan’ny Tompo dia vonona lalandava hamonjy antsika, tànana mahatoky izay nitsotra “niaraka tamin’izay” tamin’i Petera izay nilentika tany anaty rano noho ny tsy finoany (Matio 14. 31). “Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro, dia ny famindramponao, Jehovah ô, no nanohana ahy” (Salamo 94. 18).

“Mahatoky Andriamanitra ka… momba ny fakàm-panahy, dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany” (1 Korintiana 10. 13). Afaka miantehitra amin’ny fahasoavany sy ny mampahatoky Azy mandrakariva isika. Ny ohatra tamin’ireo Isiraelita maty tany an’efitra dia tokony hampahatahotra antsika “fandrao mba misy eo aminareo toa tsy mahatratra izany” (Hebreo 4. 1). Misy anefa zavatra telo loha azo ianteherana izay nomena antsika, ary raha tsy nisy ireo, tsy hisy olona hahatratra ny tanjona: ny Tenin’Andriamanitra (and 12), ny fanalàlan’i Kristy (and 14-15), ary ny seza fiandrianan’ny fahasoavana (and 16). Efa novohana ny làlana, notriarina ny efitra lamba, malalaka mandrakariva ny fidirana ao amin’ny fitoerana masina: “Koa aoka isika hanatona”. Manatona am-pahatokiana, amin’ny fahatsapana fa mifanena amin’ny fahasoavan’Andriamanitra isika; tsy hoe “ahazoana famonjena” ihany, fa voalohany indrindra “mba hahazoana famindrampo”, famindrampo izay tena ilaintsika tokoa mandritra ny fihazakazahantsika rehetra.

Mba hiarovana antsika, na hanarenana antsika, dia azon’Andriamanitra atao ny mampiasa ny famonjen’ny rahalahy. Toy izao no anambaràn’ny Galatiana 6. 1 an’izany: “Ry rahalahy, raha misy olona azon’ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin’ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany”. Ota tsy nahy no resahina eto, izay tsy mitaky ny fifehezan’ny fiangonana voalaza ao amin’ny 1 Korintiana 5 tsy akory, fa ilàna kosa fanampiana ara-panahy, asan’ny mpiandry, izay hanarina ilay lavo, nefa mahatsapa tsara fa ny tenany koa dia mety ho halaim-panahy toy izany!

Manantitra i Joba hoe: “Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran’ny sakaizany” (Joba 6. 14). Antra ilay rahalahy efa kivy, izay efa solafaka, izay tafiditra ao anaty olana tsy voavaha, famindrampo fa tsy fitsarana.

“Tsara ny roa noho ny iray”, hoy ny Mpitoriteny (4. 9). Ny lavo dia “arenin’ny namany”; ao amin’ny fanambadiana, “olon-droa” no hiaraka hisedra ny fifankatiavana amin’ny andro tsara sy mahory. Ary manatona ny olona izay nakambany toy izany ny Tompo: “Ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina”.

Fampitandremana farany, teny fampanantenana farany: “Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo” (1 Korintiana 10. 12). Eboebo, fitsarana tsy marim-pototra, izany rehetra izany dia mitondra amin’ny fahalavoana. — Misy azo ianteherana: “Finoana no itoeranareo” (2 Korintiana 1. 24). Ilay finoana izay mitoky amin’ny herin’Andriamanitra, manatona Azy am-pahatokiana, ary mahay miantso vonjy aminy sy amin’ny fahasoavany. — Farany, fanomezan-toky iray: “Fa mahay mampitoetra azy ny Tompo” (Romana 14. 4). Izy no “Ilay maharo anareo tsy ho tafintohina” (Joda 24).