Miara-mandeha amin’i Jesoa Kristy

H. L. Heijkoop


FIZAHÀN-TAKELAKA

 

 

TOKONY HIOVA FO VE ?

 

1

NAHOANA NO TOKONY HIOVA FO ?

 

6

            Mpanota ny olombelona

6

               Ny fieritreretana

7

               Ireo fahotana tsy tsapa

8

               Inona no atao hoe ota ?

9

               Inona no atao hoe fiovàm-po ?

 

10

AHOANA NO AHAZOANA
MIHAVANA AMIN’ANDRIAMANITRA ?

 

 

12

               Ampy ve ny fibebahana nataoko ?

13

               Ny fahamarinan’Andriamanitra

13

            Fanamarinana

14

               Ny fitsanganana amin’ny maty,
porofon’ny fahamarinan’Andriamanitra

 

14

            Fantatr’Andriamanitra
ny fiainantsika tany aloha

 

16

               Vita fihavanana amin’Andriamanitra isika

17

               Ka tsy manana fiadanam-po anie aho e !

 

17

NAFAHANA TAMIN’NY HERIN’NY OTA

 

19

               Ny toetran’ny olombelona

20

            Tahaka ny endrik’Andriamanitra
sy araka ny tarehiny

 

20

            Tahaka ny tarehin’i Adama
sy araka ny endriny

 

21

            Tsy ampy ny hoe voavela heloka !

22

            Ny valin-teny omen’Andriamanitra

23

            Ilay Adama farany

24

            Maty niaraka tamin’i Kristy

25

            Zavatra tsapa eo amin’ny fiainana

25

 

NANOKANA OLONA HO VERY VE ANDRIAMANITRA?

 

 

28

            Sori-dahatra mialoha

28

            Tsy natao ho an’ny Jiosy irery
ny fahasoavana

 

29

            Ny maha-taranak’i Abrahama

29

            I Jakoba no tiako, fa i Esao no hàlako

30

            Hamafisin’Andriamanitra
ny fon’ny olona
sasany !

 

30

            Afaka manao izay tiany hatao Andriamanitra

31

            Ny fanaky ny fahatezerana
voavoatra hosimbana

 

32

            Ny tenin’Andriamanitra dia tsy milaza
ny fisian’ny fanendrena mialoha
ho amin’ny fahaverezana

 

 

 

32

NY FIFIDIANANA

 

34

            Inona no ambaran’ny Soratra Masina,
momba ny fifidianana?

 

34

            Nantsoina sy nohamarinina
ary nomena voninahitra

 

35

            Andriamanitsika sady Raintsika

36

            Masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany
ao amin’ny fitiavana

 

36

            Mba ho Azy amin’ny fananganana anaka isika

37

            Ny kristianisma dia manana
toetra mandrakizay

 

 

38

KRISTY, MPISORONABENTSIKA

 

40

            Kristy, mpisoronabentsika

41

            Mpisorona any an-danitra

42

            Nianatra fanarahana Izy

43

            Ireo fakàm-panahy ataon’ny devoly

44

 


 


NY FAHATERAHAM-BAOVAO

 

48

            Ny Zanak’olona, Izay any an-danitra

48

            Ny toetra maha-olona ny olombelona

49

            “Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakàn’Andriamanitra”

 

50

            Nateraka indray

51

            “Tsy maintsy asandratra ny Zanak’olona”

 

52

FIRAISANA AMIN’NY RAY
SY AMIN’I JESOA KRISTY ZANANY

 

 

54

            Firaisana amin’ny Ray
sy amin’i Jesoa Kristy Zanany

 

55

            Andriamanitra dia mazava,
ary tsy misy maizina akory ao aminy

 

 

56

KRISTY, MPISOLOVAVA ANTSIKA

 

58

            Raha manota ny mpino iray

58

            Ny fitsarana ny tena no hany fomba
hoenti-manarina indray ny fifandraisana

 

58

            Ireo fahotana tsy tsapa

60

            Kristy, Mpisolovava antsika

61

            Ny fanasana tongotra

61

            Ny nandàvan’i Petera

62

            Fanarenana

 

63

FAHAMASINANA

 

65

            Inona no atao hoe fahamasinana?

65

Fahamasinan’ny Fanahy

67

Fahamasinana iainana

 

68

Ny lanjan’ny famakiana ny Baiboly

 

70

            Ny fahateraham-baovao

70

            Sakafo ho an’ilay fiainam-baovao

71

            Ny tenin’Andriamanitra no mpitarika antsika

72

            Ny Teny no fiadiana ho antsika

72

            Ny fomba fanadiovana

74

            Fisedrana ny fiainana andavanandro
sy ny foto-pampianarana

 

74

Fankatoavana sy fanekena

 

75

Mivavaka

 

77

            Ny mivavaka dia
mariky ny fahateraham-baovao

 

78

            Tsy voatokana
ho an’ny mpino efa manana traikefa ny vavaka

 

78

            Fatokiana fa hahazo valim-bavaka

79

            Inona no dikan’ny hoe
mivavaka amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa ?

 

80

            Fepetra ilaina, mba hahazoana valim-bavaka

81

            Ireo sakana amin’ny valim-bavaka

82

            Mivavaka araka ny sitrapony

83

Mivavaka tsy mitsahatra

 

83

vita batisa ve ianao?

 

85

Inona no dikan’ny batisa ?

86

            Atao batisa
ho amin’ny Tompo Jesoa voahombo

 

86

            Izao tontolo izao dia mitoetra
eo amin’ilay ratsy avokoa (1 Jaona 5.
19)

 

87

Ny hazofijalian’i Kristy

 

88

Ny Fanasàn’ny Tompo

 

91

            Ny fanorenana ny Fanasàn’ny Tompo

92

            Ny dikan’ny Fanasàn’ny Tompo

93

            Ny fahafatesan’ny Tompo

94

            Oviana ary impiry no tokony handray
ny Fanasàn’ny Tompo ?

 

95

Mandini-tena

 

 

96

Ny Latabatry ny Tompo

 

97

            Ny fiombonana amin’ny ra sy ny tenan’i Kristy

98

            Ilay tenan’i Kristy miafina : ny Fiangonana

99

            Ny Fanasàn’ny Tompo dia fanehoana
ny maha-iray ny tenan’i Kristy

 

100

            Ny toetra manavaka
ananan’ny Fanasàn’ny Tompo

 

101

Ny Latabatry ny Tompo

 

103

fitsaohana

 

106

            Ny tena toerana tokony hivavahana

106

            Ny votoatin’ny fivavahana kristiana

108

            Mitady mpivavaka Aminy ny Ray

110

            Mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana

110

Aiza no tokony hivavahantsika ?

 

113

fanompoana

 

115

            Miantso izay tiany hantsoina Izy

116

            Ho ao Aminy

116

            Hirahiny

117

Fanankinan-tena amin’ny Tompo

 

119

Ny toerana misy antsika eto an-tany

 

121

            Ny toerantsika manoloana izao tontolo izao

121

            Ny toerantsika manoloana ny “toby”

123

 


 

TOKONY HIOVA FO VE ?

 

 

Ry sakaiza malala,

 

            Zava-dehibe tokoa ny fanontaniana apetrakao, ary mila fandinihina la­li­na; koa dia hovaliako avy hatrany.

Manoratra amiko ianao fa matetika, na amin’ny resaka manokana ifa­nao­va­nao aman’olona, na any amin’ny fivoriana izay atrehinao, dia ambara man­dra­kariva fa mila miova fo ianao. Ianao kosa, nefa, tsy mahatsapa loatra ny ilà­na izany. Milofo miasa ianao, manana tokantrano milamina sy namana tia­na ma­ro ianao; manantena ny hahazo toerana ambonimbony kokoa aza ianao, izao, ary maniry ny mba hahita ny zava-misy eo amin’izao tontolo izao. Raha atao bango tokana, dia tena faly sy afa-po amin’ny fiaimpiainanao ianao, ka iza­­ny fitaomana anao hiova fo izany dia toa hevi-dravina tsotra izao, hany ka leo ianao.

            Azoko tsara ny tianao holazaina. Misy ny olona no mandany ny an­dro­ny, mi­ditra amin’ny raharahan’ny hafa, na mananatra sy miteny hoe tsy mety izay atao­nao. Manorisory ny mandre izany isan’andro, indrindra moa raha tsy azo­nao antoka loatra ny fahadisoan’ny zavatra lazain’ireny olona ireny.

            Eo indrindra, nefa, no tena zava-dehibe : marina ve sa tsia ny am­ba­ran’izy ireo ? Tokony hiova fo tokoa ve ianao, sa tsy dia ilaina izany ? Raha za­vatra mai­vamaivana fotsiny ihany mantsy izany, dia tsy hampaninona loatra na dia hi­ta aza, any aoriana, fa diso ny hevitrao. Dia mitandrina fotsiny ianao, amin’ny si­sa. Saingy raha ny momba ny fiovàm-po kosa, dia mikasika ny han­da­nianao ny mandrakizainao izany. Zava-dehibe loatra izany, ka dia mila ma­za­va ny he­vi­trao momba izany.

            Efa mba nieritreritra ny momba ny mandrakizay ve ianao ? Ekeko fa tsy ho fan­tatsika mazava mialohan’ny hahatongavana any mihitsy, tsy akory, ny mom­ba ny any. Ilaina kosa, nefa, ny mihevitra marina ny momba izany, mba ha­hafantarana, na sombintsombiny fotsiny aza ; sa ahoana, hoy ianao ?

            Hoy ity angano iray : Nisy, hono, mpanjaka iray, te hitsapa tovolahy iray ma­rani-tsaina, ka nanontany azy hoe : “Toy inona moa ny faharetan’ny man­dra­kizay ?” Hoy ilay tovolahy namaly : “Ry mpanjaka ô, any an-tany lavitra any dia misy tendrombohitra tena avo, ary ny tendrony dia mihoatra ny ra­ho­na. Va­ra­hina io tendrombohitra io. Isaky ny zato taona, dia misy voronkely iray izay mi­tsaingotsaingoka io tendrombohitra io amin’ny vavany. Ka izao : rehefa lany tsaingohin’io vorona io ilay tendrombohitra, ka tsy hita intsony, dia lasa, izay, ny iray segondra amin’ny mandrakizay.”

            Moa ve izany valim-panontaniana izany tsy maneho fa tsy manam-pahataperana ny mandrakizay ? Mbola tsy tena marina nefa io valin-teny io, satria any amin’ny mandrakizay dia tsy misy, na ny minitra na ny segondra. Any, ny arivo taona dia toy ny indray andro, ary ny indray andro dia toy ny ari­vo taona (2 Petera 3. 8). Tsy manam-pahataperana ny mandrakizay, ka noho iza­ny dia tsy azo refesina.

            Io tantara kely io, nefa, dia maneho kely amintsika ihany ny fifan­drai­san’ny faharetan’ny androm-piainantsika etỳ ambonin’ny tany, sy ny man­dra­ki­zay, izay mbola ho avy. Inona moa izay folo na dimampolo na valopolo, eny fa na ny zato taona aza, manoloana ny mandrakizay ? Ka tsy zava-dehibe tokoa ve ny mahalala hoe aiza, ary manao ahoana, no hiatrehantsika ny man­dra­ki­zay ?

            Mampahatsiaro ahy tantara hafa iray izany. Fantatrao, moa, fa ny an­ka­ma­roan’ny mpanjaka, tamin’ny vanim-potoana antenantenany[1], dia nanana ka­ra­zan’olona mpampihomehy avokoa, tany an-dapany. Amin’ny ankapobeny, dia ka­razan’olona sampontsampona izy ireny, ary nanao akanjo mampi­ho­me­hy iha­ny koa. Ny anjara asany, tamin’izany, dia ny manao izay hanalana voly ny tom­pony, amin’ny vazivazy sy ny teny tsy misy dikany. Izany no mpanao ha­tsi­ka­na, tamin’izany vanim-potoana izany.

            Indray andro, nefa, dia notoloran’ny mpanjakany satroka lava loha mi­sy la­ko­losy kely sy tehina tsy tena izy ilay mpampihomehy azy, nanendreny azy ho mpanjakan’ny mpanao hatsikana. Ireo zavatra izay nomena azy ireo dia to­ko­ny hatolony an’izay mbola adala kokoa noho izy, raha misy izany.

            Taoriana kelin’izay dia narary mafy ilay mpanjaka. Nitsidika azy ilay mpam­pi­homehy, ka nanontany azy ny amin’ny fahasalamany. Namaly moa ny mpan­jaka, fa araka ny tenin’ny mpitsabo azy dia tsy misy fihatsarana azony an­tenaina loatra intsony, ka ho faty tsy ho ela izy.

            “Ka noho izany”, hoy ilay mpanao hatsikana, “tsy efa mba niomana ny amin’izany dia lehibe izany ve ianao, mba ho efa tomombana sy vonona avo­koa izay hivantananao ?”

            “Tsia !”, hoy ny mpanjaka, “ary izay indrindra no loza, satria tsy fan­ta­tro ako­ry hoe hanao ahoana, moa, ny fomba handraisana ahy.”

            “Ka tsy efa mba fantatrao ve, ry mpanjaka, fa tsy maintsy hizotra amin’ izany làlana izany ianao, indray andro any?”

            “Efa fantatro tokoa, saingy tsy dia nahoako loatra. Maro loatra mantsy ny za­vatra nosahaniko.”

            “Kanefa”, hoy ihany ilay mpanao hatsikana, “rehefa handeha ianao, na dia in­dray andro monja aza, dia nisy mpanompo nialoha làlana anao ka na­no­ma­na ny zavatra hohaninao sy hosotroinao, ary ny zavatra hafa ihany koa. Re­he­fa handeha mandritra ny herinandro maromaro, na volana maro­maro indray koa ianao, dia efa vonona mialoha avokoa ny zavatra rehetra. Andro vitsivitsy alo­han’ny handehananao, dia mpanompo maro no mandeha mialoha anao, mba hanomana ny fahatongavanao. Ary amin’izao dia lehibe izao ve, izay han­de­hananao ho any amin’ny toerana hijanonanao man­dra­ki­zay, dia tsy mba nio­mana akory ianao ? Indro, averiko aminao ilay satroky ny adala sy ny te­hi­ny, satria tsy adala toy izany aho.” Tsy marina ve ny voala­zan’ilay mpam­pi­ho­me­hy ?

            Nankany an-tsekoly ianao nandritra ny folo taona mahery. Ankehitriny ianao miasa tontolo andro, ary ny hariva aza ianao mbola manohy mianatra iha­ny, mba hanatsaranao ny toeranao. Izany hoe mandritra ny roapolo taona dia milofo mafy tokoa ianao, mba hahazoanao miaina ara-dalàna mandritra ny efa­polo taona, sy mba hitsinjovanao ny any amin’ny fotoana fisotroan-drono­no, na koa mba hahazoanao manangom-bola hiheverana ny fahanterana, ra­ha toa ianao mbola hiaina mandritra ny folo taona na, raha maharitra, man­dri­tra ny roapolo taona.

            Ahoana àry ny hevitrao ny amin’ireo ray aman-dreny izay tsy mba man­de­fa ny zanany any an-tsekoly ary tsy mba mampianatra azy hiasa, fa manao hoe: “Aleo izy hilalao am-pilaminana eny ka tsy hieritreritra izany hoavy izany e ! Rehefa tonga amin’ny fotoana tsy maintsy hieritreretany ny tenany sy hi­ta­dia­vany izay ilainy ve izy, tsy hahita izay tokony hataony eny ihany !”

            Raha toa àry ianao misahirana mafy toy izany sy mandany taona maro, mba hahazoanao miaina araka ny tokony ho izy mandritra ny dimampo­lo na enimpolo taona, moa ve ianao ho afa-tsiny raha tsy mba nihevitra kely akory ny amin’ny mandrakizay, ka tsy niraika tamin'ny fanontaniana manao hoe : Aiza no handaniako ny mandrakizay ? Sady tsy fantatrao velively akory na ha­ha­zo toerana tsara ianao na tsia, na raha toa ka harary na ho faty alo­han’ny aha­zoanao izany.

            Fantatrao tsara, nefa, fa eo anoloanao ny mandrakizay. “Notendrena ny olo­na ho faty indray mandeha.” Marina tsy azo iadian-kevitra izany fa­nam­ba­ràn’ny Baiboly izany, ka tsy misy afa-manohitra izany, na ireo mpanaraby sy ireo tsy mino ny fisian’Andriamanitra, izay mafy fo indrindra, aza. Tsy sahy ny hi­la­za ny mifanohitra amin’izany izy ireny, satria hihomehezan’ny olona. Iza to­koa moa no mbola tsy nahita ny fahafatesana nihatra tamin’ny olona ma­no­di­di­­na azy ?

               Ahoana kosa, nefa, hoy ny tohin’io andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Hebreo 9 io ? “Ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana.” Moa ve tsy fa­ha­di­soa­na bevava ny tsy mihevitra na inona na inona amin’izany, ka mamela ny za­vatra handeha amin’izao fotsiny ? Marina tokoa fa mbola ho hitanao ihany izay handanianao ny mandrakizay, kanefa kosa amin’izay dia tsy hisy na inona na inona azonao hatao intsony, hanovana ny toe-javatra. “Eo amin’izay ianje­ra­­ny (ianjeran’ny hazo) ihany no handriany” (Mpitoriteny 11. 3).

            Mety hanao angamba ianao hoe tsy misy mahamaika anie e ! Ny za­va­tra sa­haniko, aza, be dia be. Ny fotoana tokony ialàna voly, tsy tianao holaniana ieri­treretana izany zavatra mandreraka tahaka ny fahafatesana iza­ny. Mi­he­vi­tra mantsy ianao fa mbola hisy ihany ny fotoana hahazoanao mi­e­ri­tre­ritra mom­ba izany, rehefa lehibebe sy manam-potoana malalaka kokoa ianao.

               Ianao ve mahazo antoka fa mbola ho velona dimampolo taona in­dray ? na te­lo­polo taona ? na folo taona koa aza ? na roa ambin’ny folo vo­la­na ? na koa adi­ny roa ambin’ny folo ?

            Tsaroako ity mpivarotra iray tany Hollande, izay nihaino toriteny natao teny an-dàlam-be, tao amin’ny trano fivarotany. Rehefa tapitra ilay fitorian-teny, dia la­sa nody tany an-tranony izy, dia nipetraka teo ambony seza, ary fotoana fo­hy taorian’izay, dia maty !

            Ary raha toa aza ka mbola ho velona mandritra ny fotoana lavalava ianao, moa ve izay sitraponao ihany no ataonao, raha mbola tanora sy salama tsara ianao, ka ny ambinambin-javatra ihany no ho an’Andriamanitra ? Koa ra­ha toy iza­ny ny ho safidim-piainanao (raha toa ka mbola velona aina koa ianao), mbo­la hankasitraka anao amin’izany ve Andriamanitra ?

            Marina tokoa, aloha, fa “Andriamanitra dia … tia ny olona rehetra ho­von­jena” (1 Timoty 2. 4). Amin’ny olona rehetra tsy an-kanavaka, mantsy, no ila­za­ny hoe : “Mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo” (2 Korintiana 5. 20). No­rai­siny ilay jiolahy teo amin’ny hazofijaliana, sy ireo olona marobe tsy tambo isai­na, izay nitodika taminy teo am-pialana aina. Nahalala vehivavy antitra iray aho, izay efa dimy amby valopolo taona vao niova fo.

            Ao amin’ny Joba 33 dia hitantsika fa Andriamanitra dia miteny indray man­deha na indroa amin’ny olona, ka raha tsy miraharaha an’izany izy ireo, dia “ma­nisy tombokase ny fananarany azy” Izy.

            Rehefa nandà tsy hankatò an’Andriamanitra imbetsaka i Farao, dia no­ha­ma­fisin’Andriamanitra ny fony, ka tsy afaka nibebaka intsony izy.

            Aorian’ny fakàna ny Fiangonana, dia “ampanateran’Andriamanitra fià­san’ ny fahadisoan-kevitra aminy, mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny ma­rina” (2 Tesaloniana 2. 11-12). Afaka hanao izany aminao ihany koa An­dria­ma­nitra, raha miziriziry tsy mety manaiky ny fitaomany anao hiova fo ianao. Fa “An­driamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsy fahalalana ; fa anke­hi­triny Izy man­didy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka, satria Izy efa na­nen­dry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny faha­ma­ri­na­na, amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome va­vo­lom­be­lo­na hampino ny olona rehetra izany Izy, tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty” (Asa 17. 30-31).

            Tsy tokony hihevitra tsara an’izany zavatra izany àry ve ianao, ka ha­na­tona an’Andriamanitra ankehitriny, hiaiky ny fahotanao ary hangataka aminy mba handray anao ?

“Iraka solon’i Kristy izahay … mangataka indrindra aminareo hoe : mi­ha­và­na amin’Andriamanitra anie ianareo. Izay tsy nahalala ota, dia efa natao­ny ota ha­monjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy kosa isi­ka” (2 Korintiana 5. 20-21).

“Anio, raha hihaino ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo” (He­breo 4. 7) !

 

Manao veloma finaritra.

H. L. H.


 

NAHOANA NO TOKONY HIOVA FO ?

 

 

Ry sakaiza malala isany,

 

            Manontany ahy ianareo, ankehitriny, hoe nahoana moa ny olona no tokony hio­va fo, ary inona marina ny atao hoe fiovàm-po.

            Ny valiny tsotra indrindra, amin’ny fanontaniana voalohany na­pe­tra­ka­reo, dia ny hoe : satria Andriamanitra no milaza izany ! Rehefa Andriamanitra no mi­teny, dia tsy misy valin-teny azo asetry izany. Isika dia olona noarìny, ka no­ho izany, dia tsy misy azontsika atao afa-tsy ny miondrika sy mankatò. “Ra­le­hi­lahy, fa iza moa ianao no mamaly an’Andriamanitra ? Izay zavatra no­fo­ro­ni­na va, hanao amin’izay namorona azy hoe : Nahoana … ?” (Romana 9.20). Hoy ny voasoratra ao amin’ny Asa 17. 30, hoe : “Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsy fahalalana ; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’ izao tontolo izao hibebaka.”

            Eny, eo amin’ny imbalopolo eo ho eo no itenenan’ny Testamenta Ta­lo­ha ny hoe fibebahana (fiovàm-po), ary impitopolo eo ho eo kosa ao amin’ny Tes­ta­menta Vaovao.

            Fa asehon’Andriamanitra mazava amintsika ao amin’ny Teniny ihany koa, ne­fa, hoe nahoana Izy no mandidy ny olona rehetra hibebaka. “Satria ma­hari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fi­be­ba­ha­na izy rehetra” (2 Petera 3. 9). Ao amin’ny Asa 17, ny ambara fa an­ton’ny an­di­dia­ny ny olona rehetra hibebaka, dia “satria Izy efa nanendry andro iray izay hi­tsarany izao tontolo izao.” Ho avy àry ny andro izay ham­pa­moa­han’Ilay Mpahary ny olona tsirairay avy, ny amin’ny fiainany. Ary An­dria­ma­ni­tra, Izay mahalala ny olona rehetra, dia hiteny amin’ny maha-Mpitsara Azy hoe : “Samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra” (Romana 3. 23). Izany no mahatonga an’Andriamanitra ha­niry ny hibebahan’ny olona, “Izany no tsara ka ankasitrahina eo ima­son’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny ma­rina” (1 Timoty 2. 3-4).

            Ny tena antony andidian’Andriamanitra ny olona rehetra hibebaka, àry, dia sa­tria tsy nanompo an’Ilay Mpahary azy ny olombelona, fa mpanota ka men­dri­ka ny fitsarana marin’Andriamanitra.

 

Mpanota ny olombelona

 

            Indrisy, fa zava-marina mampatahotra tokoa izany ! Maro ny olona no tsy mi­hevitra an’izany, ary betsaka koa aza ny mandà izany. Kanefa, moa ve izy ire­ny resy lahatry ny zavatra lazainy ? Moa ve ny olona mahitsy iray, afaka man­dà fa tsy manao ratsy matetika ?

            Tsy indray mandeha aho no nanontany an’ireo manambara avo ho na­hi­tsy fiai­nana hatrany sady tsy mba nanao ratsy olona, raha mbola tsy na­na­me­loka azy ireo mihitsy ny feon’ny fieritreretany, na ny amin’ny zavatra na­tao­ny, na ny amin’ny teny nolazainy, na ny amin’ny fisainany. Tsy nisy sahy ni­la­za fa mbola tsy nanameloka azy mihitsy ny feon’ny fieritreretany.

            Ny atao hoe mpanota dia ny olona izay efa nanota. Tsy ny nahavitany za­va-dratsy betsaka, tsy akory, no maha-mpanota azy, fa rehefa nanota indray man­deha monja, dia efa mpanota.

            Afaka ny hahatsapa an’izany ny olona rehetra, eo amin’ny fiainana an­da­va­nandro. Tsy misy, mantsy, afaka hanao hoe : “Tsy mpamono olona Ra­no­na, sa­tria vao indray mandeha monja no namono olona.” Rehefa momba ny fi­fan­drai­sany amin’Andriamanitra, nefa, dia ovain’ny olona ny fomba fandrefy, sa­tria raha tsy izany dia lasa manameloka ny tenany ihany izy.

 

Ny fieritreretana

 

            Ny olombelona rehetra dia nomen’Andriamanitra fieritreretana avokoa (Ro­ma­na 2.15), mba ho vavolombelona amin’ny ratsy izay ataony. Tsy ny ra­tsy re­he­tra, nefa, no asongadin’ny feon’ny fieritreretana. Ny fieritreretantsika, man­tsy, dia volavolain’ny tontolo manodidina iainantsika. Miteny mandrakariva ne­fa izy, rehefa manao zavatra izay heverin’ny fiaraha-monina nitaizana azy ho ra­tsy ny olona. Nokendren’Andriamanitra mihitsy ny hampitandremana ny olo­na, eny fa na dia ireo mbola tsy nahare ny aminy sy tsy mahalala ny Te­ni­ny, aza, rehefa minia manao ny tsy mety izy, mba hahatonga ny olona rehetra ho afa­ka hieritreritra sy hiaiky fa ratsy sy meloka ny tenany.

            Raha mandinika ny fiainanao ianao, firy moa ny fahotana efa ninianao na­tao ? Andeha atao hoe valo ambin’ny folo taona ianao izao, ka heverina fa nan­dritra ny valo taona voalohany niainanao, dia tsy nanao ota niniana natao ianao. Raha ny tena izy, dia diso izany, satria fantatrao tsara fa efa mba na­no­me tsiny anao ihany ny fieritreretanao, tany aloha. Fa taorian’io valo taona voa­­lohany io, impiry moa ny fieritreretanao no efa niteny taminao ? Aoka ha­taon­­tsika hoe indray mandeha isan’andro, ohatra. Izany hoe in-365 ao ana­tin’ny taona iray, ary ankehitriny dia efa mitontaly eo amin’ny in-3650 eo. Ho an’ny olona efa 28 taona izany, dia in-7300 ; ary ho an’ny olona 68 taona, dia in-21900.

Hitanao amin’izany, àry, fa fara fahakeliny, dia efa niteny taminao in-3650 ny feon’ny fieritreretanao, ny amin’ny fahotana iray. (Ary tsy matetika noho izany aza ve, raha ny marina ?) Ka afaka milaza fa tsy mpanota ve ny olona nanao za­va­tra ratsy maro toy izany ? Ary Ilay Andriamanitra, Izay marina, ve, dia tsy to­ko­ny hanameloka izany olona izany ?

            Tsy efa ampy ve izany, anaporofoana fa ny olombelona rehetra dia men­dri­ka ny fanamelohana, ka mila miaiky eo anatrehan’Andriamanitra fa na­no­ta ta­miny ary mendrika ny ho very mandrakizay ?

 

Ireo fahotana tsy tsapa

 

            Misy fanontaniana iray hafa koa ity. Ny olombelona ve tsy meloka afa-tsy no­ho ny fahotana izay tena niniany natao ihany ?

            Tsy meloka ihany koa ve izy, raha tokony ho fantany fa ratsy ny fi­he­tsi­ny ? Re­hefa mandika lalàna ny olona iray, moa ve ny mpitsara tsy ha­na­me­lo­ka azy, na dia milaza ho tsy mahafantatra ny lalàna aza izy ? Heverina fa to­ko­ny ho fan­tany, mantsy, izany lalàna izany, satria efa nivoaka sy naely. Izany rahateo no nahatonga ny fomba fitenenana hoe : “Tsy misy olona heverina ho tsy ma­ha­lala ny lalàna !” Amin’ny famaritana ny sazy, angamba, ny mpitsara vao me­ty hihevitra izay toe-javatra izay, raha azo antoka fa tena tsy naha­fan­ta­tra ilay la­là­na tokoa ilay voampanga. Ny mpisolovava izay nandika lalàna iray dia hi­ha­rana sazy hentitra kokoa noho ny olona tsotra iray izay nanao toy izany koa. Na irỳ voalohany, nefa, na ity faharoa, dia samy ambaran’ny mpi­tsa­ra avokoa fa meloka.

            Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra dia ahitantsika an’izany fitsipika izany iha­ny koa : “Raha misy olona manota, satria manao izay tsy tokony hatao ka man­dika ny anankiray amin’ny didin’i Jehovah, nefa tsy fantany izany, ka ma­ha­meloka azy, ary mitondra ny helony izy” (Levitikosy 5. 17). Mazava izany. Ny olombelona, amin’ny maha-zavaboary azy, izay tompon’andraikitra eo ana­tre­han’Ilay Nahary azy ka mbola hampamoahiny ny amin’izay rehetra nataony, moa ve manan-jo hitsara ny tenany ho meloka na tsy manan-tsiny ? Tsy azo he­verina izany ! Ilay Mpahary irery ihany, dia Ilay Nahary ny olombelona ka na­no­me azy andraikitra, no hany manana ny zo hitsara raha nahatanteraka ny an­draikitra nomena azy izy na tsia. Andriamanitra irery ihany no mamaritra ny atao hoe fahotana, ka raha te hahafantatra izany isika, dia mila mikaroka izay he­viny ny amin’izany.

            Mazava dia mazava ny Tenin’Andriamanitra ny amin’izany. Ao amin’ny Ge­nesisy 1. 28 sy 2. 15-17 no ahitantsika ny andraikitra nankinin’Andriamanitra tamin’ny olombelona. Nasaina namboly sy nikarakara ny saha tao Edena izy, saingy amin’ny fianteherana amin’Andriamanitra sy fankatoavana Azy. Ny fi­tsa­pana izany fankatoavana izany, moa, dia ny fandraràna tsy hihinana ny voan’ny hazo fahalalàna ny tsara sy ny ratsy.

            Inona nefa no nataon’ny olombelona ? Tamin’ny fotoana voalohany na­ha­zoa­ny naneho ny fankatoavany sy ny fiankinany amin’Andriamanitra, dia efa tsy nihaino an’Andriamanitra sahady izy, ka ninia ny tsy hankatò Azy. Izay no nian­tombohan’ny fandehan-javatra. Telo arivo taona tatỳ aoriana, dia hoy An­dria­manitra, araka izay voarakitra ao amin’ny Teniny : “Eny an-danitra Je­ho­vah miondrika mijery ny zanak’olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an’Andriamanitra. Samy efa nivily izy rehetra, ka tonga vetaveta avokoa ; tsy mi­sy manao ny tsara, na dia iray akory aza” (Salamo 14. 2-3). Arivo taona tao­rian’izany koa, dia mbola hoy ihany ny voalazan’ny Tenin’Andriamanitra hoe : “Tsy misy izay mitady an’Andriamanitra. Samy nania avokoa izy rehetra, samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra ; tsy misy izay manao ny tsara, na dia iray ako­ry aza” (Romana 3. 11-12). Ary hoy ny fanambaràn’ny fitsaràn’An­dria­ma­ni­tra : “Samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’An­dria­­manitra” (Romana 3. 23).

 

Inona no atao hoe ota ?

 

            Mety hiteny angamba ianao hoe : “Manaiky aloha isika fa matetika no ma­nao zavatra ratsy, saingy tsy azo heverina ihany koa ny hoe tsy misy olona tsy mba nanao zavatra tsara ihany teo amin’ny fiainany. Maro ny olona na­ha­vi­ta asa soa, raha tsy hitanisa afa-tsy ireny olona toa an-dry Henri Dunant na ry Al­bert Schweitzer ireny, fotsiny, izay nanokana ny tenany hanampy ny hafa. He­ve­riko koa fa tsy manao zavatra ratsy aho, tsy akory, raha mihinan-kanina sy mi­sotro, na raha mankany an-tsekoly, na koa raha mandeha miasa.”

            Raha amin’izao fotsiny, aloha, dia tsy hita izay maha-ratsy izany za­va­tra re­hetra izany, saingy koa mety hivadika ho ratsy ihany izy ireny. Tsy zava-dra­tsy velively, tsy akory, ny mihinana paoma ; saingy ny ankizy izay mbola mi­si­si­ka ny hihinana paoma ihany, na dia efa noraràn-dreniny aza, dia zaza tsy mpan­katò. Eto isika no mahakasika ny fototry ny fanontaniana hoe : “Inona no atao hoe ota ?”

            Ny olombelona dia noarìn’Andriamanitra ary nomeny andraikitra mba ha­nom­po Azy. Izay rehetra ataon’ny olombelona, ka mifanohitra amin’ny toe­ra­na sy ny andraikitra nomen’Andriamanitra azy, dia ota. Hitantsika izany ao amin’ ny 1 Jaona 3. 4 : “Ny ota no fandikana ny lalàna.” Izay rehetra ataon’ny olom­be­lona, ka tsy iraharahàny ny fahefan’Andriamanitra amin’ny voariny, dia ota avo­koa.

            Araka izany, ny mihinan-kanina, ohatra, dia fahotana raha tsy atao amin’ny fian­teherana amin’Andriamanitra. I Jesoa Tompo dia tsy mba nety ni­hi­nan-ka­ni­na raha tsy navelan’Andriamanitra nanao izany (Matio 4. 4 ; jereo koa Jaona 4. 34). Izany no anton’ny ilazan’ny Tenin’andriamanitra hoe : “Ota izay rehetra tsy avy amin’ny finoana” (Romana 14. 23).

            Raha ampiharintsika amin’ny fiainantsika andavanandro izany, dia inona no hitantsika ? Inona tamin’ireo zavatra nataontsika, na ireo tenintsika, na ireo eri­treritsika, no naneho fankatoavana an’Andriamanitra, ka namaly ny fa­non­ta­nia­na hoe : “Tompo ô, inona no tianao hataoko ?” Moa ve isika tsy mahatsapa fa izay rehetra nataontsika dia ota avokoa ?

            Izany rahateo no voalazan’ny Tenin’Andriamanitra : “Tsy misy manao ny tsa­ra, na dia iray akory aza” (Romana 3. 12).

            “Izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany, mandritra ny an­dro” (Genesisy 6. 5). Izany no antony nahatonga Ilay Andriamanitra marina ha­na­me­loka ny olona rehetra. Izany koa no mahatonga Ilay Andriamanitra be fa­min­dràm-po hitaona ny olona rehetra hibebaka sy hiova fo. Tsy tiany hiha­ran’ ny fitsarana mahatsiravina izay miandry azy, mantsy, izy ireo.

 

Inona no atao hoe fiovàm-po ?

 

            Hiditra amin’ilay fanontanianao faharoa aho, izay manao hoe : “Inona àry moa no atao hoe fiovàm-po ?”

            Tsy mora ny manazava izany, satria na ny teny hoe “fiovàm-po”, na ny te­ny hoe “fibebahana”, dia samy tsy misy mahadika tanteraka ny teny grika hoe “me­tanoia”, izay nampiasaina tamin’ireo sora-tanana firaketana nano­ra­ta­na voa­lohany ny Tenin’Andriamanitra.

            Araka ny 1 Tesaloniana 1. 9 dia azo lazaina fa ao anatin’io teny io dia mi­sy ny hevitra hoe “mitodika”. Taloha mantsy ny fiainan’ireo Tesaloniana ireo dia nifototra tamin’ny sampy. Ankehitriny kosa izy dia “nitodika”, izany hoe ni­a­la tamin’ny sampy ka niverina tamin’Andriamanitra. Ny andinin-tSoratra Ma­si­na sasany, tahaka ny Asa 2. 37-38 ; 17. 30-31 sy ny Apokalypsy 9. 20-21, dia ahi­tana fa izany hevitra izany ihany koa dia mifamatotra amin’ny fandinihan-te­na sy ny fanamelohana ny fiainan’ny tena mbamin’izay nataon’ny tena, eo ana­trehan’Andriamanitra.

               Araka izany, àry, ny atao hoe “miova fo”, na koa “mibebaka”, dia ny ma­na­to­na an’Andriamanitra, mba handini-tena eo anatrehany sy miaiky fa tsy niaina teo ambany fankatoavana Azy, fa nanana fiainana ratsy sy meloka. Midika moa izany fa malahelo amin’izany toe-javatra izany isika.

            Sarotsarotra hazavaina ny teny hoe “fiovàm-po”, saingy tsy ma­na­hi­ra­na ko­sa, ho an’ny olona izay manatona ny fahazavan’Andriamanitra ka miaiky ny ma­ha-izy azy sy ny tokony hanamelohana azy. Tsy ny fahalalan’ny saina no je­ren’Andriamanitra, fa ny fo sy ny feon’ny fieritreretana. Ilay mpamory he­tra voa­tantara ao amin’ny filazantsara dia nanao tsotra fotsiny hoe : “Andria­ma­nitra ô, mamindrà fo amiko, mpanota !” Saingy Ilay Andriamanitra Izay mpa­man­tatra ny voa sy ny fo (Hebreo 4. 12) dia nahafantatra tsara izay za­va­tra no­fo­nosin’izany teny izany.

            Tsia, tsy ny teny lazaina, tsy akory, no zava-dehibe, fa ny toe-po izay en­ti­na manatona an’Andriamanitra. Izany no manambara raha misy marina ny “fibebahana” sy ny “fiovàm-po”. Ankehitriny àry aho manontany anao hoe : moa ve ianao efa niova fo ? Efa nanatona an’Andriamanitra niaraka tamin’ny ota­nao sy ny fahamelohanao ve ianao, ka niaiky taminy fa very noho izany ?

            Aza mangataka andro, fa ataovy anio dia anio izany. Sao tratra ao­ria­na loa­tra, mantsy, raha rahampitso !

 

Manao veloma sy mirary soa ho anareo.

Ny sakaizanareo

 H. L. H.


 

AHOANA NO AHAZOANA
MIHAVANA AMIN’ANDRIAMANITRA ?

 

 

Ry sakaiza malala,

 

            Faly aho nahare anao niaiky fa mpanota very, ary sai­ka ho very man­dra­ki­zay, raha toa ka tsy maintsy niseho teo anatrehan’Andriamanitra amin’ny fo mbo­la tsy nibebaka. Niaiky ny fahotanao teo anatrehan’Andriamanitra koa ianao, saingy toa mbola tsy manana antoka fa voavela heloka. Ankehitriny ianao dia manontany, sao tsy tena mbola nibebaka tsara, na mbola tsy lalina tsa­ra ny fiovàm-ponao. Satria misy andro tsy ieritreretanao izany zavatra izany mi­hitsy, na koa eritreretina ihany fa tsy dia raharahàna.

            Azoko tsara ny tianao ambara, satria nandalo izany toe-javatra izany toa anao koa aho. Nandritra ny taona maro aho dia efa nahalala fa very (ary mbo­la tanora dia tanora aho tamin’izany). Amin’ny atoandro aho, tsy dia mi­e­ri­tre­ri­tra loatra ny amin’izany ; fa amin’ny hariva kosa, rehefa hatory iny, dia ma­nom­­boka matahotra, ary mieritreritra hoe : “Raha maty anio alina aho, dia ho ve­ry mandrakizay !” Dia mamerina miaiky ny fahotako amin’Andriamanitra in­dray aho, ka mangataka aminy mba hamela izany. Mbola tsy nety nahazo an­to­ka ny famelàny ny fahotako ihany nefa aho. Indray andro, dia nilaza ta­mi­ko ny zokiko vavy fa nahazo fiadanam-po. Nanontaniako azy izay nataony, ka ny ha­rivan’iny dia mba nanao tahaka izany koa aho, saingy tsy nisy vokany.

            Indray hariva, teo amin’ny faha-17 taonako, raha nipetraka teo amin’ny si­sim-parafarako aho, kivy sy ketraka, dia nanao anakampo hoe : “Tsy misy di­ka­ny, hay, ny mivavaka. Efa an-taonany maro aho, izao, no nangataka ta­min’ An­driamanitra mba hovonjeny, nefa dia mbola tsy nisy fiovana ihany, man­dra­ka izao”.

            Tamin’izay fotoana izay Andriamanitra dia nahatonga eritreritra toy izao tao an-tsaiko : Kanefa anie efa voasoratra hoe : “Raha miaiky ny fa­ho­tan­tsi­ka isi­ka, dia mahatoky sy marina Izy (Andriamanitra), ka mamela ny faho­tan­tsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1. 9). Tsy marina ve izany ? Marina tokoa izany, satria Andriamanitra dia tsy mba man­dainga, hoy ny eritreritro. Natoron’ny Tompo ahy mazava, àry, ny dikan’ izany, amiko. Midika mantsy izany, fa voavela hatramin’ny voalohany ni­ba­bo­ha­ko azy marina tamin’Andriamanitra ny fahotako. Tamin’izay fotoana izay dia na­meno ny foko, na ny marimarina kokoa, nameno ny eritreritro, ny fia­danana. Azo­ko antoka tanteraka, hatramin’io takariva io, fa voavela tokoa ny heloko. Tsy nanana fisalasalana intsony aho ny amin’izany, satria An­dria­ma­ni­tra no efa niteny !

 

Ampy ve ny fibebahana nataoko ?

 

            Nahoana no taona maro toy izany no nandalo vao nahatsapa ho na­na­na fia­da­nam-po aho ? Tsy azo isalasalana fa ny mety ho antony iray, dia satria tsy dia nahatsiaro novesaran’ny fahamelohana loatra aho, ka tsy nahatsapa la­li­na ny atao hoe fahotana. Tsy hoe misy karazana fetra apetrak’An­dria­ma­ni­tra, tsy akory, ka hoe tsy mamela heloka Izy raha tsy mahatratra izay fetra izay ny fisainantsika momba ny fahotana sy ny fibebahana. Tsy nisy olombelona, na dia iray aza, tamin’ny fotoana niovany fo, nahavita tena nibebaka marina to­­koa, na nanana fahatsapana ampy tanteraka, momba ny fahotana. Fa ao­rian’ny fotoana niovana fo isika, mandrakariva, vao tena mahatsapa hoe tena ra­tsy tokoa.

            Tian’Andriamanitra, nefa, ny hahatsapantsika marina fa very isika. Ara­ka­ra­ka ny maha-lalina izany, mantsy, no maha-lalina kokoa ny fiovàm-pon­tsi­ka. Ara­karaka ny ahatsapantsika ny fanamelohana sahaza antsika no maha-lalina kokoa ny fibabohantsika amin’ny fahotana vitantsika, ka aha­tsa­pan­tsika ihany koa fitsaharana sy fiadanam-po tanteraka, avy eo. Ny Fanahy Masina àry no mi­a­sa ao am-pon’ny mpanota, ka mametraka ny fieritreretany eo ambany fa­ha­zavan’Andriamanitra, mba hahatsapany ny maha-very azy sy ny fahotany, ary hahafantarany ny didim-pitsarana mendrika hotononin’Ilay Andriamanitra ma­rina sy masina ny aminy.

            Tsy izay, nefa, no tena votoatin-javatra. Ny tena antony nahatonga izany toe-javatra izany, mantsy, dia satria ny tenako no nojereko, fa tsy An­dria­ma­ni­tra. Tsy ampy ahy ny Teniny. Rehefa nahatsapa ny fahotako aho, ka na­ha­tsa­pa ihany koa fa diso amin’ny zavatra rehetra, dia tokony ho nihaino ny feon’ Andriamanitra. Mazava sady tsy misy ihambahambana ny Tenin’An­dria­ma­nitra mom­ba izany : “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina An­dria­manitra, ka mamela ny fahotantsika.” Tao anatin’ny foko sy ny fiainako no ni­ta­diavako ny antoky ny famelàn-keloka, fa tsy tamin’ny alalan’ny fandraisana ny Tenin’Andriamanitra, izay manome toky izay rehetra miaiky ny fahotany, fa voa­vela izany.

 

Ny fahamarinan’Andriamanitra

 

            Andriamanitra dia tsy tahaka ny mpitsara malemy fana­hin’izao tontolo izao, izay hanaiky lembenana ka hanamaivana kokoa ny sazin’izay olona mahay mam­pangoraka azy noho ny an’izay olona tsy mahay izany. Tsy mi­fa­no­hitra ve­li­vely amin’ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fahasoavany, mantsy, ny fa­ha­ma­ri­na­ny. Ary izay no zava-mahagaga, ao amin’ny filazantsara. Ilay An­dria­ma­ni­tra tokana ihany, Izay hanatanteraka ny didim-pitsaràny amin’ny mpa­no­ta, in­dray andro any, no maneho ny fahamarinany ankehitriny, amin’ny fa­me­làny sy fa­nafoanany ny helok’izay rehetra manatona Azy, amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Tompo. Ny fahamarinan’Andriamanitra, mantsy, dia am­ba­ran’ny fi­la­zantsara fa miorina amin’ny finoana (Romana 1. 17). “Mba ha­ne­hoa­na ny fa­ha­ma­rinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay ma­na­na fi­noa­na an’i Jesoa” (Romana 3. 26).

 

 

Fanamarinana

 

            Andriamanitra dia tsy afaka manao zavatra tsy marina, tsy mifanaraka tan­te­ra­ka amin’ny fahamarinany. Noho izany, dia very mandrakizay ny olom­be­lo­na raha tsy nahatanteraka ny asam-panavotana tany Golgota i Jesoa Tom­po. Ny fitiavan’Andriamanitra dia te hamonjy ny olona amin’ny fa­ha­ve­re­za­na man­dra­kizay ; saingy tsy azony natao izany, satria ny fahamarinany dia nitaky ny fa­namelohana ny mpanota. Ary tsy afaka ny hanohitra velively ny fa­ha­ma­ri­nan’Andriamanitra ny fitiavany.

            Noho izany àry, dia nisy ilay zava-mahagaga voalaza ao amin’ny He­breo 10 mbamin’ny Salamo 40, sy ny sisa. Ny sitrapon’Andriamanitra, mantsy, dia ny hahatonga ny olona rehetra hovonjena (1 Timoty 2. 4). Tonga olom­be­lo­na i Je­soa Tompo, ka nanao hoe : “Inty Aho tonga … hanao ny sitraponao, An­dria­ma­nitra ô !” Nanaiky ny ho faty teo amin’ny hazofijaliana Izy, mba ha­ne­fa­ny ny tro­sa rehetra momba ny fahotana. Tonga ota Izy, teo, ka nihatra ta­mi­ny ny fa­na­melohan’Andriamanitra ; ary izany fanamelohana izany no nahafa-po tan­te­ra­ka ny fahamarinan’Andriamanitra.

            Tsy noho Izy tenany no niaretan’ny Tompo izany fanamelohana izany. Izy, man­tsy, no Ilay Masina sy Ilay Marina, Ilay tsy mba nahalala ota. Nitondra ny fa­ho­tantsika Izy, mba hisolo toerana izay rehetra mandray Azy ho Mpa­mon­jy, amin’ny alalan’ny finoana.

            Ary ankehitriny Andriamanitra dia afaka miteny amin’ny mpanota re­he­tra hoe : “Mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo” (2 Korintiana 5. 20). Tsy ny fi­tiavany ihany, àry, fa ny fahamarinany koa, dia mitaky fa izay rehetra ma­na­to­na Azy, amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Tompo, dia mandray ny famelàn-ke­loka.

 

Ny fitsanganana amin’ny maty, porofon’ny fahamarinan’Andriamanitra

 

            Tiako hodinihina akaikikaiky kokoa ny momba izany. Nanaiky ny han­keo amin’ny hazofijaliana i Jesoa Tompo, ka nitondra tao amin’ny tenany ny fa­ho­tan’izay rehetra mandray Azy, sy izay mbola hanaiky handray Azy any aoriana (1 Petera 2. 24). Natao ota ihany koa Izy, ka dia niharan’ny fa­na­me­lo­ha­na (2 Korintiana 5. 21 ; Romana 8. 3). “Fahafatesana no tambin’ny ota” (Romana 6. 23), ary toerana lavitra an’Andriamanitra izany (Apokalypsy 20. 14-15). Izany in­drindra no tsy maintsy nihatra tamin’i Jesoa Tompo, teo amin’ny ha­zo­fi­ja­lia­na. Nilaozan’Andriamanitra Izy, nandritra ireo ora maizim-pito ireo, ary maty. Afa­ka niteny nefa Izy teo amin’ny hazofijaliana hoe : “Vita”.

            Afaka nijanona tao am-pasana ve ny Tompo, rehefa nahatanteraka ny asam-panavotana ? Ny fahamarinan’Andriamanitra, izay nahatonga ny fana­me­­lo­hana hihatra taminy, dia nitaky ny hivoahany ny fasana. Tanteraka ny asam-panavotana ; efa nihatra ihany koa ny fitsaràn’Andriamanitra, ary afa-po tanteraka ny fahamarinan’Andriamanitra. Izany àry no nananga­nan’An­dria­ma­ni­tra Azy tamin’ny maty (Efesiana 1. 20). Izany no porofo, eo anatrehan’izao tontolo izao sy eo imasontsika, fa neken’Andriamanitra sy nahafa-po Azy ny asam-panavotana nataon’i Jesoa Tompo, mba hisolo voina ny mpanota (Jao­na 16. 8,10). Raha tsy nitsangana mantsy ny Tompo, dia ho nanambara izany fa mbola tsy tanteraka ny asam-panavotana. Ary dia tsy ho nisy famonjena ho an­tsika (1 Korintiana 15. 17-18). Ny fitsanganana amin’ny maty àry no ivon’ny Fi­­lazantsara, ka ny fanoherana izany fahamarinana izany dia manapotika ny Fi­­lazantsara.

            Hoy ny teny ao amin’ny Romana 4. 25 hoe : … “Izay natolotra noho ny fa­ha­disoantsika, ka natsangana indray ho fanamarinana antsika”.

            Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahasoavana isika, izao. Hoy An­dria­ma­ni­tra amin’ny olombelona rehetra : “Samy efa nanota izy rehetra, ka tsy ma­na­na ny voninahitra avy amin’Andriamanitra.” Hoy koa nefa Izy : “nefa hamarinina mai­maimpoana amin’ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesoa, Izay nasehon’Andriamanitra tamin’ny rany ho fa­na­vo­ta­na amin’ ny finoana” (Romana 3. 23-25).

            Natao “ho an’izay rehetra mino, fa tsy misy hafa” ny hafatra (Romana 3. 22). Izay manaiky ny fitsaràn’Andriamanitra sy miaiky fa very, nefa ihany koa man­dray an’i Jesoa Tompo amin’ny alalan’ny finoana ihany, no manana an­jara amin’izany.

            Niasa tao anatinao, izany, ny Fanahy Masina, ka mitarika anao mba hiaiky ireo fahotanao sy ny fahaverezanao. Nanatona an’Andriamanitra ianao, ka ni­ai­ky teo anatrehany ny momba anao sy izay nataonao. Nitarika ny ma­so­nao An­driamanitra mba hijery an’i Jesoa Tompo, ary hoy Izy taminao : “Maty ho an’ ny mpanota Izy ; ka raha mandray Azy ianao, dia ataoko ho toy ianao no na­nao ny asa vitany.” Nandray ny Tompo Jesoa ianao. Mila mino ihany koa ianao, izao, fa izay rehetra ambaran’Andriamanitra dia marina, ka noho izany dia voavela ny helokao. Tsy araka ny fahatsapanao na ny fi­he­tse­ham-ponao nefa izany, fa araka izay nambaran’Andriamanitra. Izany irery ihany no ian­ki­nan’ny zavatra rehetra. Ny alin’ny Paska (Eksodosy 12), raha nandalo tany Egypta ny anjely mpandringana, dia tsy mba nijanona tamin’ny trano izay na­hi­ta­ny ra. Tsy nampaninona na hitan’ny lahimatoa na ny havany hafa tao an-trano ilay anjely. Ny hany notakiana tamin’izy ireo, dia ny hanatanteraka izay nolazain’Andriamanitra, mba hilaminan’ny zavatra rehetra ; saingy mba ha­na­na­ny ny fiadanana, dia tsy maintsy nino izy ireo fa voaro tamin’ny fan­drin­ga­na­na, satria Andriamanitra no nanambara izany taminy.

            Ny zavatra mahafinaritra, amin’izany, dia izao : rehefa man­dray ny mpa­no­ta iray Andriamanitra, dia mahazo voninahitra amin’ny lafiny rehetra. Mazava fa miharihary, amin’izany, ny famindràm-pony sy ny fahasoavany ary ny fitia­va­ny, saingy tsy izany ihany. Rehefa misy mpanota manatona an’An­dria­ma­ni­tra, amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo, dia ataon’An­dria­ma­ni­tra ho toy izy no nanao ny asa izay nataon’i Jesoa. Satria efa nizaka ny fa­mai­za­na rehetra noho ny amin’ny fahotana i Jesoa, dia afaka miteny ny mpanota hoe : Tsy misy fahotana intsony no fahitan’Andriamanitra ahy. Tsy misy fa­ho­ta­na tokony hotsaraina intsony, na dia iray aza. Marina àry An­dria­ma­nitra, ra­ha manafaka ahy tsy hiharan’ny fanamelohana intsony ka ma­na­ma­ri­na ahy. An­kalazaina, amin’izany, ny fahitsian’Andriamanitra sy ny fa­ha­ma­ri­na­ny, satria Izy efa nilaza, tao amin’ny Teniny, fa te hamonjy ny mpanota.

            Tonga tena mazava, izany, ny dikan’ny teny ao amin’ny 1 Jaona 9 hoe : “Ra­ha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy (An­dria­ma­ni­tra), ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika, ho afaka amin’ny tsy fa­ha­ma­rinana rehetra.”

 

 

Fantatr’Andriamanitra ny fiainantsika tany aloha

 

            Mety hiteny angamba ianao hoe : “Fa toa tsy mahatsapa fiovana mi­hi­tsy anie aho e ! Toa vao mainka aza aho manao zavatra ratsy betsaka kokoa no­ho ny teo aloha”. Ekena tsy am-pisalasalana fa ankehitriny ianao dia mahita fa­­ho­­ta­na betsaka kokoa noho ny teo aloha, eo amin’ny fiainanao. Lalànan-ja­va­tra izany, satria nampahiratin’ny Fanahy Masina ny masonao. Saingy efa fan­­tatr’Andriamanitra rahateo ny aminao, fony vao nanatona Azy ianao. Fan­ta­ny ny fonao sy ny fiainanao, ary ny fahotana rehetra vitanao sy izay mbola ha­tao­nao. Nahafantatra sy mahafantatra be lavitra ny amin’izany Izy, mihoatra la­vitra indrindra noho izay mety ho takatry ny sainao, eto amin’izao tany izao. “Ni­seho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fi­tia­va­ny ny olona”, na dia tonga amin’izay lazainy ihany koa aza isika hoe : “Fa isi­ka kosa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon’ny filàna sy ny fa­hafinaretana maro, ary velona tamin’ny lolompo sy ny fialonana sady hala no ni­fankahala” (Titosy 3. 4 sy 3). “Fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin’ny fotoan’andro, hamonjy ny ratsy fanahy… Fa Andriamanitra mam­pi­seho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty ha­mon­jy antsika Kristy” (Romana 5. 6-8). “Fony mbola fahavalo … isika no nam­pi­ha­vanina tamin’Andriamanitra” (Romana 5. 10).

 

 

 

Vita fihavanana amin’Andriamanitra isika

 

            Araka izany, na dia fantatr’Andriamanitra tsara tokoa aza ny aminao, dia na­no­me an’i Jesoa Tompo Izy, mba hanananao fiainana mandrakizay amin’ny ala­lan’ny finoana Azy. Hoy mantsy Izy : Raha manatona Ahy amin’ny alalan’ny fi­noa­na ny ran’i Jesoa Tompo ianao, dia hamarinina maimaim-poana (Romana 3. 23-25). Raha manatona Azy ianao, dia hafahany amin’ny trosam-pahotana re­he­tra, ka ny fahamarinany no asehony, amin’izany. Maneho izany fa ha­tra­min’ny fotoana nanatonanao Azy, miaiky ny fahotanao, dia tsy na­na­me­lo­ka anao intsony Izy. Aminy, dia milamina ny zavatra rehetra. Fa ianao ve manan-ja­va­tra hokianina aminy ? Tsia. Nanatona an’Andriamanitra ianao, sa­tria na­ha­tsa­pa fa tena mila ny famelàny ny helokao.

            Koa nahoana àry no tsy manana fiadanam-po ianao ? Ny hoe vita fi­ha­va­na­na amin’Andriamanitra, nefa, dia midika fa tsy misy intsony, na inona na ino­na, olana mbola eo amin’Andriamanitra sy ianao, fa efa milamina ny za­va­tra re­hetra. Tsy misy intsony trosa tokony haloanao amin’Andriamanitra, fa efa no­hamarininy ianao, noho ny finoanao an’i Jesoa Tompo ; ka noho izany ianao dia manana anjara amin’ny fanavotana mandrakizay, izay efa azon’ny Tom­po ra­hateo (Hebreo 9. 12 ; Romana 5. 1). Tsy misy olanao amin’An­dria­ma­ni­tra in­tso­ny koa, satria efa nampihavanina taminy ianao (2 Korintiana 5. 20). Noho iza­ny ianao dia efa vita fihavanana amin’Andriamanitra ! Hoy ny voa­laza ao amin’ny Romana 5. 1 hoe : “Efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia aoka ha­na­na fihavanana amin’Andriamanitra” !

 

Ka tsy manana fiadanam-po anie aho e !

 

            Nefa dia hoy ianao hoe : Tsy manana fiadanam-po anie aho e ! —Mety hi­tran­ga tokoa izany, satria ianao mbola tsy nanaiky fa vita efa ela anie ny fam­pi­ha­vanana. I Jesoa Tompo no nanao izany fampihavanana izany. Izy no fi­ha­va­nantsika. Izy koa no manambara izany fihavanana izany amintsika (Efe­sia­na 2. 15, 14, 17). “Ny rany teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany fam­pi­ha­va­na­na” (Kolosiana 1.20). Ka tamin’ny fotoana izay nandraisanao Azy, ianao dia ma­nana anjara amin’izany fihavanana izany ; saingy mba aha­fa­ha­nao miaina an’izany, dia mila mino ianao fa izany tokoa no izy. Manana fia­da­nam-po ianao raha vao mino fa milaza ny marina Andriamanitra rehefa manambara fa i Jesoa Tompo dia nanao fampihavanana teo amin’ny ha­zo­fi­ja­lia­na. Ianao man­tsy, izao, dia mitovy amin’ireo miaramila japoney tany amina no­sy kelin’ny ra­no­ma­simbe Pasifika, izay tsy nahalala ka dia mbola niaina ta­ha­ka ny tamin’ny ady ihany, dimy taona tatỳ aorian’ny nitsaharan’izany ady izany. Mbola niandry ny fanafihan’ny fahavalo izy ireo… tahaka ny nataony nandritra ny ady ihany. Fa nahoana ? Satria noheveriny fa mbola mitohy ihany ny ady. Ny tena antony lalina tsy anananao fiadanam-po, dia satria ianao tsy mandray ny Tenin’An­dria­manitra tsy am-pihambahambana. Lasa sakana le­hi­be ho anao izany. Fa mi­hoatra noho izany, maniratsira an’Andriamanitra ianao, raha tsy mino ny Te­ni­ny. Satria mantsy “Andriamanitra tsy mba olona ka handainga” (Nomery 23. 19).

Raha vao mino an’Andriamanitra koa nefa ianao, momba io zavatra io, dia mi­la misaotra Azy amin’izay rehetra nomeny anao sy noho ny fahasoavany ma­hagaga. Dia hahatsapa fiadanam-po ianao —fa tsy alo­han’izany akory. Ny olo­na manao hoe : “Mahita aloha, vao mino !” ; fa An­dria­ma­nitra kosa manao hoe : “Mino aloha, vao mahita !”

 

Manao veloma finaritra

Ny namanao H. L. H.

 


NAFAHANA TAMIN’NY HERIN’NY OTA

 

 

Ry sakaiza malala,

 

            Nahita fiadanam-po sy filaminan-tsaina tao amin’ny asam-panavotana no­tan­te­rahin’i Jesoa Kristy ianao, izao. Efa niaiky ny fahotanao teo anatre­han’ An­driamanitra ianao, ary efa nino izay rehetra nambaran’Andriamanitra ny amin’i Jesoa Tompo sy ny asam-panavotana nataony. Fantatrao àry fa tsy hi­ha­ran’ny fitsarana intsony ianao, ka afaka miteny hoe : “Ny rany no nanadio ahy tamin’ireo fahotako rehetra !”

            Tsy mba mitory fifalian-dehibe akory, nefa, izato teninao. Mety ho efa na­ha­tsapa izany ihany ianao, saingy toa efa tsy anananao intsony indray iza­ny, an­ke­hitriny. Tsy mila manontany anao ny zava-nitranga aho. Ny toe-javatra efa niainako dia manambara ny amin’izany ary ny Tenin’Andriamanitra rahateo ma­na­mafy izany.

            Kivy amin’ny tenanao ianao. Nanantena mantsy ianao fa hiova tan­te­ra­ka ny fiainanao rehefa niova fo ianao, ka hiadana ny eritreritrao. Kanjo ny mi­fa­no­hi­tra amin’izany no tsapanao. Mbola ireo eritreritra ratsy teo aloha ihany no mi­ve­ri­na ao an-tsainao, ary mbola ao ihany koa ireo toetranao sy fa­ha­le­me­nao ta­lo­han’ny niovanao fo. Mbola mora sosotra sy mora mirintona toy ny teo alo­ha ihany ianao. Mihevitra ianao fa tsy izany no tokony ho fandehan-javatra (ary marina ny anao), ary tsy ankasitrahin’Andriamanitra izany. Ianao rahateo tsy te hitoetra amin’izany intsony, ka miezaka miady amin’izany, nefa dia toa za­va-poana ihany izany. Toa vao mainka aza miharatsy ihany ny toe-javatra. Indraindray dia toa hitanao ho misy fihatsarany kely, saingy miverina ho ratsy ihany, avy eo. Nivavaka mafy ianao mba hanampian’ny Tompo anao han­dre­sy, saingy toa tsy nandaitra ihany koa izany. Angamba aza ianao mahatsapa ny nolazain’ity mpino iray ity, izay nanao hoe : “Arakaraka ny ivavahako amin’ ny maraina, no vao mainka maha-ratsy kokoa ny zava-mitranga amiko !”

            Fantatro tsara ny amin’izany, satria efa mba niainako ihany koa. Nan­dri­tra ny taona roa voalohany taorian’ny fotoana nahatsapako filaminan-tsaina, dia na­ha­tsapa ny tenako ho ory dia ory aho, ka tsy sahy nilaza tamin’olona akory ny efa niovako fo. Nandritra izany fotoana izany, nefa, dia niteny imbetsaka ta­mi­ko ny reniko hoe : “Mila miova fo ianao.” Tsy sahy nilaza taminy akory aho, hoe efa niova fo anie aho. Heveriko tokoa fa tsy hino izay lazaiko izy, raha na­hi­ta ny fitondràntenako.

            Ahoana no fomba hanazavana an’izany ? Tsy ara-dalàna, mantsy, raha toa ka tsy miova vokatry ny fiovàm-po ny fiainan’ny zanak’Andriamanitra iray ; na, raha toa ka mbola manohy manota hatrany ihany ny mpino iray ka ma­ha­tsia­ro fahoriana lalina, na dia tsy sitrapony aza.

            Antony roa no mahatonga izany toe-javatra izany :

1.  Tsy fantatsika marina ny tena hevitry ny asam-panavotana nataon’i Jesoa Tompo, araka izay anambaràn’ny Tenin’Andriamanitra azy.

2.  Na koa, na dia mahalala ny amin’izany fahamarinana izany aza isika, dia tsy mandray izany kosa ho antsika, tsy mampihatra izany, satria tsy araka ny maha-izy azy no andraisantsika azy, tsy raisintsika tsotra hoe izany no la­zain’ny Tenin’Andriamanitra.

 

Ny toetran’ny olombelona

 

            Tao amin’ny taratasiko farany, dia nasehoko anao, araka ny voalaza ao amin’ireo toko voalohandohany ao amin’ny epistily ho an’ny Romana, fa ny olom­belona rehetra dia efa nanota avokoa, ka noho izany dia meloka eo ana­tre­han’Andriamanitra ; nefa koa, izay rehetra manaiky an’i Jesoa Tompo dia man­dray ny famelàna ny helony, ka dia hamarinin’Andriamanitra. Araka izany, ny olona niova fo rehetra dia afaka miteny hoe : “Efa nohamarinina tamin’ny fi­noa­na isika”, ka dia manana “fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Je­soa Kristy Tompontsika” (Romana 5. 1).

            Miandany amin’ny meloka Andriamanitra, ka namboatra ny zavatra rehetra ho azy, mba hahavonjy azy.

            Manomboka ao amin’ny Romana 5. 12 dia lohahevitra vaovao no ve­la­be­la­­ri­na. Tsy ny amin’ireo fahotantsika intsony, izany hoe ny asa ratsintsika, no la­zaina, fa ny amin’ny toetrantsika. Nahoana moa ny olona no tsy manao afa-tsy ny manota ? Satria na ny toetrany na ny fony dia ratsy. “Ny fo dia ma­mi­ta­ka mihoatra noho ny zavatra rehetra, sady manana aretina tsy azo sitranina ; iza moa no mahafantatra ny aminy ?” (Jeremia 17. 9). “Avy ao ana­tin’ny olona, dia avy ao am-pony, no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny fijan­ga­jan­ga­na, ny ha­la­tra, ny vonoana olona, ny fakàm-badin’olona, ny fieremena, ny lo­lompo, ny fi­ta­ka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avo­na­vona, ny fa­ha­da­lana”, hoy i Jesoa Tompo (Marka 7. 21-22). Ao amin’ny Ti­to­sy 3. 3 dia toy izao no anambaràn’i Paoly apostoly ny amin’ny toetrantsika : “Isika koa dia ada­la fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon’ny filàna sy ny fa­hafinaretana maro, ary velona teo amin’ny lolompo sy ny fialonana, sady ha­la no ni­fan­ka­ha­la.” Tsy ny asa ratsy ataontsika no tanisaina eto, fa fa­me­la­be­la­ra­na ireo fi­he­tse­ham-pontsika, ny toetrantsika, ny maha-isika antsika.

 

Tahaka ny endrik’Andriamanitra sy araka ny tarehiny

 

            Ny Romana 5. 12-21 dia mampahafantatra antsika ny antony ana­nan­tsi­ka iza­ny toetra maha-mpanota antsika izany, izay tsy inona fa noho isika sa­my ta­ra­nak’i Adama avokoa.

            I Adama dia natao ho tahaka ny endrik’Andriamanitra sy natao ho araka ny ta­re­hiny (Genesisy 1. 26 ; 5. 1). Ny hoe “tahaka ny endrik’An­dria­ma­nitra” dia ma­ne­ho ny toerana nomena azy eo anivon’ny zavaboary. Amin’ny maha-mpi­tan­ta­na voatendrin’Andriamanitra azy, izy dia misolo tena an’An­dria­ma­ni­tra eto am­bo­nin’ny tany, ary noho izany, dia lohany manapaka amin’ny za­vaboary ma­nontolo. Na dia teo aza, nefa, ny fahalavoan’i Adama sy ny ko­ron­tana na­te­rak’izany, ary na teo koa aza ny fiovana lehibe vokatr’izany, dia mbo­la mitoetra amin’ny maha-endrik’Andriamanitra azy ihany izy, ary ny olombelona rehetra koa, amin’ny maha-taranany azy (1 Korintiana 11. 7).

            Ny hoe “araka ny tarehin’Andriamanitra” kosa indray, dia manambara ny fa­hadiovan’i Adama sy ny tsy fananany tsiny. Nisy firaisam-po amam-pa­na­hy teo amin’Ilay Mpahary sy ny olona izay noarìny. Indrisy, nefa, fa tsy na­ha­ri­tra ela akory izany. Nandika ny didin’Andriamanitra i Adama, ka dia very ny fa­ha­dio­vany, ary dia lasa mpanota meloka izy. Tsy nolazaina intsony, tatỳ ao­rian’ ny nahalavoan’i Adama, ny maha-araka ny tarehin’Andriamanitra azy na ny ta­ra­nany. Ny zavatra nataon’Andriamanitra tamin’ny naharìny ny olom­be­lo­na ta­ny am-boalohany, ihany, no ampiasana izany fiteny izany (Genesisy 1. 26 ; Ja­ko­ba 3. 9).

 

 

Tahaka ny tarehin’i Adama sy araka ny endriny

 

            Mazava dia mazava ny lazain’ny Genesisy 5 momba izany. Ao amin’ny an­di­ni­ny 1 no ahitantsika fa nataon’Andriamanitra ho tahaka ny tarehiny ny olom­be­lo­na. Ao amin’ny andininy faha-3 kosa, nefa, rehefa niteraka i Adama, ny ta­ra­na­ny dia tahaka ny tarehiny sy araka ny endriny, dia tahaka ny mpa­no­ta me­lo­ka, zavaboary nianjera lavitra an’Andriamanitra. Noho izany, ny zaza re­he­tra te­ra­ka dia efa mpanota sahady raha vao teraka, satria mitovy toetra amin’ny ray aman-dreniny.

            Hoy i Joba : “Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio ? Tsy misy na dia iray akory aza” (Joba 14. 4). Hoy ihany koa i Davida : “Tamin’ny heloka no ni­te­ra­hana ahy, ary tamin’ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko” (Salamo 51. 5). Ao amin’ny Romana 5. 12-21 no ahitantsika ny fehin-kevitra azo tsoa­hi­na avy amin’izany toe-javatra izany ; dia toy izao izany : noho ny fahadisoan’i Ada­ma, dia maty ny olona maro, satria noho ny fahadisoan’ny olona iray, dia nan­­ja­ka ny fahafatesana (and. 15, 17). Ny vokatry ny fahadisoan’i Adama dia na­ha­tratra ny olona rehetra, izay niara-voaheloka taminy avokoa (and. 18), ary no­ho ny tsy fankatoavan’i Adama, dia lasa mpanota avokoa ny taranany re­he­tra (and. 19). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia toy izao : ny toetran’ny olom­belona rehetra, eo am-pahaterahany, dia tahaka ny an’i Adama, razam-be­ny voalohany, taorian’ny fahalavoany, dia mpanota miandry ny fahafatesana ary voaroaka niala tao amin’ny saha Edena, tsy ho eo akaikin’Andriamanitra.

            Eto àry dia ny toetran’ny olona no resahina, fa tsy ireo fahotana natao­ny. Ra­ha mbola tsy manao fahotana iray akory ny olona iray, dia izao ma­na­ra­ka izao ny toetrany : mpanota izy, ka dia mendrika ny fahafatesana, ho fa­na­me­lo­ha­na azy. Tsy hoe meloka izy raha vao teraka ; tsy meloka izy raha tsy atỳ ao­ria­na, noho ireo zavatra hataony, noho ireo fahotana ho vitany. Ao amin’ny Apo­kalypsy 20. 12 dia hitantsika fa ny maty dia hotsaraina araka ny asany avy, fa tsy araka ny toetrany. Ny toetran’ny olombelona, nefa, dia tsy aha­fa­ha­ny ho ton­ga any an-danitra velively. Andriamanitra, rahateo, tsy mahazaka olom­be­lo­na mpanota manatrika Azy. Ilay Andriamanitra masina dia tsy main­tsy mam­pa­na­la­vitra Azy mandrakizay ny olona tahaka izany. Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy (1 Jaona 1. 5), ary tsy ma­ha­za­ka haizina eo anatrehany (Efesiana 5. 8). Hatsipiny any amin’ny maizina any ivelany ire­ny, ka “any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify” (Matio 8. 12 ; 22. 13). Raha tsy na­ha­tanteraka ny asam-panavotana àry i Jesoa Tompo, dia tsy ho ni­sy olona afa­ka niditra any an-danitra, na dia ny zazakely izay maty tao­rian’ny na­ha­te­ra­ha­ny, aza, ka tsy nanatanteraka fahotana iray akory.

 

 

Tsy ampy ny hoe voavela heloka !

 

            Araka izany, àry, dia tsy ampy ny hoe voavela heloka. Raha nitondra ireo fa­ho­tako rehetra teo amin’ny hazofijaliana ny Tompo, kanefa tsy nanao na ino­na na inona ambonin’izany, ho ahy, dia marina fa tsy hotsaraina noho ireo fa­ho­tako intsony aho, saingy ho very mandrakizay ihany. Afaka mamela he­lo­ka An­driamanitra, fa tsy afaka kosa mamela ny toetra ratsy, dia ilay toetra ra­tsy sy mpanota. Efa nampandalovin’Andriamanitra tamina tranga maro isan-ka­ra­za­ny ny olombelona, ahazoany maneho izay mety ho tsara ao anatiny. Toy iza­ny, ohatra, ny talohan’ny Safodrano, raha mbola tsy nanome didy na fan­dra­rana Andriamanitra ; sy ny taorian’ny Safodrano, izay na­me­tra­han’An­dria­ma­nitra fahefana hanafay ny faharatsiana (Genesisy 9. 5-6) ; ary tatỳ ao­ria­na, no­ny nanokana ny Israely ho olony Izy, ka nanome azy ireo ny didiny sy ny fi­tsi­piny, ary nanaiky ny honina eo aminy, noho ny fahatsaram-pony (Deo­te­ro­no­mia 4. 6-8). Avy eo, moa, Izy dia nanome azy ireo mpitsara sy mpaminany ary mpanjaka. Nitaiza azy ireo tamin’ny fitsipiny Izy. Ary tamin’ny farany, dia ton­ga teto an-tany mihitsy Izy, ho “Andriamanitra tonga nofo”, tamin’ny fa­ha­soa­­vana. “Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao ta­mi­­ny, ka tsy nanisa ny fahadisoany” (2 Korintiana 5. 19). Inona nefa no ni­tran­ga ? “Tonga tany amin’ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy” (Jaona 1. 11). “Ary ny mazava dia namirapiratra ao amin’ny maizina ; fa ny maizina tsy nan­dray azy” (Jaona 1. 5). “Aleon’ny olona ny maizina, toy izay ny mazava” (Jao­na 3. 19). Ratsy indrindra ny olombelona, ka dia vitany hatramin’ny nanilikilika sy nandà Ilay Andriamanitra Izay niseho tamin’ny fahasoavany, ary nanombo an’i Jesoa, “Ilay Andriamanitra tonga nofo”, tamin’ny hazofijaliana (1 Timoty 3. 16). Ny hazofijaliana dia naneho miharihary fa ratsy tanteraka ny olombelona, ka tsy misy azon’Andriamanitra atao, afa-tsy ny manameloka azy.

            Izany no antony ilazan’i Jesoa Tompo, ao amin’ny Jaona 3, tsy hoe : “Ra­ha tsy voavela heloka ny olona, dia tsy hahita ny fanjakàn’Andriamanitra”, fa hoe : “Raha tsy ateraka indray ny olona, …

 

 

Ny valin-teny omen’Andriamanitra

 

            Ny Romana 5. 12-21 dia manome antsika vahaolana avy amin’An­dria­ma­ni­tra, mikasika izany zavatra toa sarotsarotra raisina izany. Ilay olona voa­lo­ha­ny, dia ilay Adama voalohany, izany, dia nampita tamin’ny taranany re­he­tra (izany hoe amin’ny olona rehetra hatrany am-bohoka) ny toetra maha-mpa­no­ta azy. No­ho izany dia nirahin’Andriamanitra ho etỳ an-tany i Jesoa Tompo, ilay olona faharoa sy Adama farany (1 Korintiana 15. 45-47), mba ahazoany ma­nome ny toerana novidiny tamin’ny alalan’ny asany (dia ilay fanavotana na­tao­ny teo amin’ny hazofijaliana), ho an’izay rehetra tafaray aminy. Izany, moa, dia mi­ton­dra antsika amin’ny fanontaniana hoe : Manao ahoana moa izany toe­rana iza­ny ?

            I Jesoa Tompo dia “nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany, teo am­bo­nin’ ny hazo”, noho ny fanamelohan’Andriamanitra (1 Petera 2. 24). Tsy izay ihany, ne­fa. Ny Romana 8. 3 dia manambara fa Andriamanitra dia “na­ni­ra­ka ny Za­na­ny, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin’ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin’ny nofo”. Ao amin’ny 2 Korintiana 5. 21 ihany koa, dia ahi­tan­tsi­ka ny hoe : “Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fa­ha­marinan’Andriamanitra ao aminy kosa isika.” Ireo andinin-tSo­ra­tra Masina roa ireo dia tsy miresaka ny amin’ny fahotantsika, tsy akory, na ny amin’ny asa ra­tsintsika, fa miresaka ny amin’ny ota, dia ny fitsipika fototry ny atao hoe ra­tsy, sy ny loharanon’ny ota, ary ny toetra ratsy maha-isika antsika mi­hitsy. Ny Romana 8. 3, moa, dia miresaka ny amin’ny “nofo ota” sy ny amin’ny “ota ao amin’ny nofo”. Ny toetra ratsy maha-isika antsika dia voafaritr’ireo teny am­pia­sai­na ao amin’ny Romana 5. 8 ireo.

            Ao amin’ireo andinin-tSoratra Masina ireo dia hitantsika fa nataon’An­dria­ma­nitra ho ota i Jesoa Tompo, nony nihantona teo amin’ny hazofijaliana. Tsy hoe nitondra ny fahotantsika fotsiny ihany ny Tompo, tamin’izany, fa nan­dray mi­hitsy ny toetra ratsy maha mpanota antsika. Nohelohin’Andriamanitra àry Ilay tsy mba nahalala ota akory, ka nataony tahaka ny olona mpanota, izay ma­nana toetra ratsy maha mpanota. Nohelohin’Andriamanitra avokoa na ny toe­­tra maha mpanota ny olona, na ireo fahotany (ny asa ratsy nataony) ; ary dia samy nampihariny tamin’i Jesoa Tompo avokoa ny fanamelohana ireo za­va­­tra roa loha ireo. Noho izany, dia maty ny Tompo ary nalevina.

 

 

Ilay Adama farany

 

            Ny herin’Andriamanitra kosa, nefa, dia nanangana an’i Jesoa Tompo ta­min’ny maty (Efesiana 1. 20), ka nampiharihary fa afa-po tanteraka ny fi­tsa­rà­ny, raha ny amin’ny fahotantsika sy ny toetra ratsy ao amintsika. Nitsangana ta­min’ny maty ny Tompo, ary efa tanteraka ny fitsarana. Sata vaovao, izao, no ijo­­roany eo anatrehan’Andriamanitra, dia Ilay niaritra tanteraka ny fa­na­me­lo­ha­na, noho ny ota sy ireo fahotana, kanefa kosa natsangan’Andriamanitra, mba ho porofo fa afa-po tanteraka tamin’ny asany ny fitsaràn’Andriamanitra ; ary an­kehitriny Izy dia miaina fiainana fitsanganana amin’ny maty. Izany no satan’i Jesoa Tompo, Ilay olona faharoa, dia Ilay Adama farany, hatramin’ny na­ha­tonga Azy ho lohan’ny ankohonana vaovao, dia ny ankohonan’Andriamanitra.

            Ny Romana 5. 12-21 dia milaza amintsika fa izay rehetra ampitoviana aminy dia mitovy sata aminy koa. “Ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fa­no­me­­zana amin’ny fahasoavan’ny Olona iray, dia Jesoa Kristy, no tonga be ho an’ny maro kosa” (and. 15). “Noho ny fahadisoana maro … no nisehoan’ny fa­no­mezam-pahasoavana ho fanamarinana” (and. 16). “Izay mahazo ny ha­ben’ ny fahasoavana sy ny fanomezan’ny fahamarinana no hanjaka amin’ny fiai­na­na noho ny nataon’ny Anankiray, dia Jesoa Kristy” (and. 17). Ampy ho fa­na­ma­ri­na­na ho fiainana ny asam-panavotana nataon’i Jesoa Kristy ; ary noho ny fan­katoavany, dia natao ho marina isika (and. 18-19). Ny fahasoavana dia man­jaka amin’ny alalan’ny “fahamarinana ho fiainana mandrakizay” (and. 21). “Fa raha nampiraisina taminy tamin’ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho ta­ha­ka izany koa, amin’ny fitsanganany” (Romana 6. 5). Ny Efesiana 2. 6 dia ma­nam­bara zavatra lalindalina kokoa, momba izay. Andriamanitra dia na­me­lo­na antsika miaraka amin’i Kristy, nanangana antsika niaraka tamin’i Kristy, ary na­me­traka antsika ihany koa niaraka aminy any an-danitra, ao amin’i Kristy Je­soa.

            Fantatsika àry fa ny asam-panavotana nataon’i Jesoa Tompo dia tsy mi­ja­no­na eo amin’ny famelàna ny helotsika ihany, fa misy dikany lalindalina ko­koa. Re­hefa manatona an’Andriamanitra ny mpanota iray, amin’ny alalan’ny fiai­ke­ny ny helony, sy noho ny finoany an’i Jesoa Tompo, dia raisin’An­dria­ma­ni­tra ho anisan’ny ankohonany, ka tonga fananan’i Jesoa Tompo. Natao ho toy ny azy ny asam-panavotana manontolo notanterahin’i Jesoa. Izany dia midika fa ny fanamelohana ireo fahotany sy ny ratsy vitany dia efa nentina teo amin’ny ha­zofijaliana avokoa, ka dia efa voaisotra. Ny toetra maha mpanota azy iha­ny koa, nefa, dia efa voaheloka, ka dia efa maty tamin’ny nahafatesan’i Jesoa Tompo teo amin’ny hazofijaliana. Ankehitriny izy dia efa mandray anjara amin’ ny fiainam-baovaon’i Jesoa Tompo natsangana tamin’ny maty. Ilay Ada­ma fa­ra­ny (ilay “fanahy mahavelona” —1 Korintiana 15. 45) dia nanome fo­fo­nai­na azy, sy nanome azy ny fiainany manokana, tamin’ny nitsanganany ta­min’ny ma­ty (Jaona 20. 22). Manana ny fiainana mandrakizay izy, ary i Jesoa Tompo mi­hi­tsy no fiainany (Jaona 3. 15-16 ; 1 Jaona 1. 1-2 ; 5. 11-13, 20).

 

Maty niaraka tamin’i Kristy

 

            Ny olona izay mahatakatra tsara izany dia tsy miezaka intsony ny hi­ha­tsa­ra amin’ny herin’ny tenany. Fantany mantsy fa tsy hainy atao ny ma­na­tsa­ra izay efa nolazain’Andriamanitra fa hoe very mandrakizay. Fantany ihany koa ne­fa izy, fa novonoin’Andriamanitra ho faty teo amin’ny hazofijaliana, tao amin’ i Jesoa Tompo. Izany rahateo no ambaran’ny batisa. Natao batisa ho amin’ny fa­ha­fatesan’i Jesoa Tompo izy, ka dia niara-nalevina taminy tamin’ny alalan’ny ba­ti­sa, ho amin’ny fahafatesana (Romana 6. 3-4). (Tsy manamaivana izany fa­ha­ma­rinana izany ve ny fanaovana batisa amin’ny famafazana ny rano, fa tsy amin’ny fanatsobohana ?) Fantany àry fa Andriamanitra dia tsy mijery azy afa-tsy ao amin’ny maha-olom-baovao azy, dia olom-baovao izay tsy te hanota, ary tsy afaka manota. Tahaka izany indrindra koa no ijereny ny te­na­ny, dia olo­na maty ny amin’ny ota, saingy velona kosa ho an’An­dria­ma­ni­tra, ao amin’i Kris­ty Jesoa (Romana 6. 11). Tsy afaka hiady amin’ny ota ao anatiny, tsy ako­ry, ny kristiana; tsy voalaza, na aiza na aiza, ao amin’ny So­ra­tra Masina, hoe to­ko­ny hanao izany izy ; ny mifanohitra amin’izany aza, ny atao­ny dia ny mi­he­vi­tra ny tenany hoe efa maty ny amin’ny ota. (Marihina moa fa ny Hebreo 12. 4, eto, dia tsy miresaka momba ny ota izay mitoetra ao ana­tin­tsika, fa ny amin’ ny ota eto amin’ity izao tontolo izao, izay manohitra antsika, ity.) Marina fa mbo­la te hitraotra ihany ny ota izay mitoetra ao ana­tin’ny kris­tia­na iray. Te ha­ne­ho izy fa mbola velona ihany, nefa tsy to­ko­ny havelan’ny kris­tia­na hiseho in­tso­ny. Tsy tokony hihevitra azy akory izy, fa mila mijery an’i Je­soa Tompo. Koa re­he­fa miasa ao anatin’ny foko ny ota, ka misintona ny saiko hi­to­dika any ami­ny, dia tsy tokony hohenoiko akory, fa tokony hafantoko amin’ny Tompo Jesoa ny saiko. Tsy ny ota intsony no hameno ny saiko, amin’izay. Re­hefa mibanjina an’i Jesoa Tompo mantsy isika, dia afaka mivelatra eo amin­tsi­ka ny fiainam-bao­vao : “Isika rehetra kosa, amin’ny tava tsy misarona, dia mi­jery ny vo­ni­na­hi­try ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra, ka ovana hahazo iza­ny endrika izany in­drindra, avy amin’ny voninahitra ka ho amin’ny voninahitra, toy ny avy amin’ ny Tompo, dia ny Fanahy” (2 Korintiana 3. 18).

            Raha manao izany aho, dia anjaran’ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao ana­tiko, ny miady amin’ny nofo (ilay toetra maha-mpanota) (Galatiana 5. 17). Tsy anjarantsika ny miady. “Ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin’ny ota, fa velona ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa” (Romana 6. 11).

 

 

Zavatra tsapa eo amin’ny fiainana

 

            Koa ahoana àry, araka izay nosoratako tany am-piandohana, no misy kris­tia­na maro, misento eo ambanin’ny herin’ny ota ? Ary nahoana no tsy misy kris­tiana, na iray aza, tsy mahatsapa izany toe-javatra nandalovany teo amin’ ny fiainany izany, sy ny ady atao amin’izany ? Tsy hoe haharitra mandritra ny an­drom-piainan’ny mpino manontolo, tsy akory, izany ady izany. Hisaorana anie ny Tompo, satria tsy ho izany tokoa. I Jesoa Tompo dia nandresy an’i Sa­tà­na sy ny ota ; noho izany, ireo rehetra manana anjara ao aminy, dia mitoetra ao amin’ny fahafahana (Galatiana 5. 1, 13, 16) ary mivelona amina fiainam-pan­­dre­sena (Romana 8. 1-4). Ireo rehetra mahatsapa ny ambaran’ny Romana 8. 1-11 dia afaka amin’ny herin’i Satàna sy ny ota ary ny fahafatesana. Ny vo­ka­try ny Fanahy no hita ao amin’izy ireo (Galatiana 5. 22), ary ho tanteraka ao ami­ny ihany koa izay zavatra marina takian’ny lalàna (Romana 8. 4).

            Fantatry ny tsirairay, nefa, ny amin’izany ady izany, satria araka izay za­va­tra efa niainantsika ihany no ahalalantsika ny amin’ny hoe fanafahana.

            Rehefa miova fo ny olona iray, dia mahita sy mahatsapa ireo fahotany, ary ma­ha­tsiaro mavesatra ny amin’izany, satria manoloana azy ny fitsaràn’An­dria­ma­ni­tra. Mandray ny fiainam-baovao izy, ary tonga manana sitrapo vaovao izay mifono faniriana hanompo an’Andriamanitra. Ny sitrapon’Andriamanitra no katsahiny, ka tiany hotanterahina tahaka ny lalàna. Amin’izany, nefa, dia ny toe­­tra maha mpanota azy ihany no fantany. Ny Romana 7 moa no milazalaza ny amin’izany.

            Ao amin’ny andininy efatra voalohany, dia ahitantsika ny foto-pam­pia­na­ra­na milaza ny amin’ny toerana misy antsika. Isika dia maty raha ny amin’ny la­là­na, ary nampiraisina amin’ilay Kristy, Izay efa nitsangana tamin’ny maty. Ny an­di­niny faha-5-6, indray, dia manambara ny zavatra miseho eo amin’ny fiai­na­na. Ny zavatra tsikaritra voalohany, amin’izany, dia ny hoe : tsy manana he­ry ny lalàna. Ny lalàna dia masina sy marina ary tsara. Natao ho an’ny “fiai­na­na” izy, satria mantsy voasoratra hoe : “izay manao izany zavatra izany dia ho ve­lo­na.” Araka izay zavatra niainako, nefa, dia tsapako fa fahafatesana no en­ti­ny ho ahy, satria noho izany lalàna izany, dia mitsiry ao am-poko ny fi­tsi­ri­ri­ta­na. Nefa ny lalàna mandrara ahy tsy hitsiriritra. Mitarika ahy hahalala marina ny tena toetrako izany : “Fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin’ny nofoko” (and. 18). Na izany aza, nefa, ny fahalalako fa te ha­nao ny tsara aho, saingy ny ratsy izay hàlako ihany no tanterahiko (and. 15), dia mitarika ahy hanavaka ilay “izaho”, izay te hanatanteraka ny tsara ka man­ka­si­traka ny lalànan’Andriamanitra, araka ny toetra anaty (and. 22), sy ny hery ato anatiko, ny ota, izay mahatonga ahy hanao ny ratsy (and. 20). Tsa­pa­ko amin’izany àry aho fa andevon’ny ota, izay mitoetra ato anatiko. Manota aho : “la­là­nan’ny ota” izany, fitsipika tsy azo ovàna ary tsy ananako hery ano­he­ra­na azy. Andevon’izany lalàna izany aho.

            Noho izany, ny Fanahy Masina dia mitarika ahy hahita ny toetrako tsy misy fa­nan­tenana, ka mahatonga ahy hikiaka koa hoe : “Indrisy ! Olo-ma­han­tra aho ! Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity ?” (and. 24). Ny te­nin’Andriamanitra nefa dia manome valin-teny ho antsika ny amin’izany, ao amin’ny andininy 25, hoe : “Misaotra an’Andriamanitra aho, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika.”

 

Fanafahana

 

            Afaka amin’io tenan’ny fahafatesana io aho ! Voaheloka izy, tao amin’i Kris­ty, teo amin’ny hazofijaliana (and. 3). “Tsy izaho intsony no velona, fa Kris­ty no velona ato anatiko” (Galatiana 2. 20). “Ao amin’i Kristy” aho, dia eo amin’ ilay toerany taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Koa amin’izany, dia tsy mi­sy fanamelohana ho ahy intsony (Romana 8. 1). Ny Fanahy Masina dia na­no­me fiainana vaovao ao anatiko, dia fiainana tsy manota intsony, ary mihoatra no­­ho izany, tsy afaka manota, fa miombom-po tanteraka amin’Ilay nanome azy (Jaona 3. 5-6). Ambonin’izany dia monina ao anatiko ny Fanahy Masina, ary Izy no hery mahatonga ilay fiainana vaovao hivelatra araka ny maha-izy azy (1 Korintiana 6. 14 ; Jaona 4.14 ; 7.38-39). Izy ihany koa no manatanteraka ny ady amin’ny nofo (Galatiana 5. 17). Araka izany, ny lalànan’ny Fanahin’aina ao amin’i Kristy Jesoa (lalàna izay tsy hay ovàna) dia nanafaka ahy tamin’ny la­lànan’ny ota sy ny fahafatesana (Romana 8. 2 ; ampitahao amin’ny 7. 23). Tsy ao amin’ny nofo (izay toetra taloha) intsony aho, fa ao amin’ny Fanahy. Ny toe­rana misy ahy dia voafaritry ny fananako ilay fiainana natolotry ny Fa­na­hy Ma­sina ahy tamin’ny fahateraham-baovao (Jaona 3) sy ny fonenan’Izy Fanahy Ma­­si­na rahateo ato anatiko (Romana 8. 9). Midika izany fa an’i Kristy aho, ka dia kristiana tokoa.

            Ny toetra tokony ho izy, ho an’ny mpino, dia olona afaka —nafahana ta­min’ny fanandevozan’i Satàna sy ny ota ary ny fahafatesana, nafahana mba ha­­nom­po an’Andriamanitra—, olona afaka mba hisitraka ny fiombonana tsy ta­pa­ka amin’Andriamanitra sy hanana fifaliana tonga lafatra (1 Jaona 1. 3-4).

            Ny Tompo anie hanome anareo, sy ahy koa, ny hitoetra mandrakariva ao amin’izany toetra to­ko­ny ho izy izany.

 

            Mirary soa indrindra.

Hoy ny rahalahinareo ao amin’ny Tompo.

            H. L. H.


 

NANOKANA OLONA HO VERY VE ANDRIAMANITRA ?

 

 

Ry sakaiza malala isany,

 

            Somary sahiran-tsaina angamba ianareo, satria nisy feo nilaza fa tsy me­ty ho fantatra dieny etỳ ambonin’ny tany etỳ raha ho voavonjy ny olona na tsia, sa­tria tsy fantatra raha ho voafidy ho amin’izany na tsia.

            Azonareo novaliana tsotra tamin’ny alalan’ny Baiboly nefa izany. Hoy ny Te­nin’Andriamanitra : “Mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana fiai­na­na mandrakizay” (Jaona 3. 16). Raha milaza ny marina, izany, Andria­ma­ni­tra, dia afaka mahazo antoka ny famonjena antsika isika. Tsy misy olona han­dà fa milaza ny marina ny Tenin’Andriamanitra. Nanontany olona iray ni­sa­la­sa­la toy izany aho, raha noheveriny fa teo anilan’Andriamanitra i Paoly apos­to­ly, ka nahita ny boky firaketany. Tsia, hoy izy, mazava loatra. Ka hoy aho ta­mi­ny hoe : Koa ahoana àry no nahafahany nanoratra ho an’ny Tesaloniana hoe : “Fantatrareo ny nifidianana anareo” ? Ary ahoana ihany koa no na­ha­fa­ha­ny ni­an­tso ny olona nanoratany, hoe olona masina, amin’ireo taratasy re­he­tra no­so­ratany ? Tsy nanan-kavaly, moa, io olona io, fa ny ampitso kosa izy dia ton­ga nanatona ahy, ary nanao tamiko hoe : “Izaho koa ankehitriny dia ma­ha­fan­ta­tra fa voavonjy aho”. Araka izany, ny Tenin’Andriamanitra dia mi­re­sa­ka ma­za­va ny amin’ny hoe fifidianana. Zanak’Andriamanitra iza àry no mbola tsy na­ma­ky am-panajana ny teny ao amin’ny Efesiana 1. 4-5, ny Ro­ma­na 8. 29-30, ny 1 Petera 1. 2, sy ny hafa ihany koa, ka tsy nankalaza Ilay Andriamaniny, no­ho ny nanomezany azy izany fahasoavana lehibe izany ?

 

 

Sori-dahatra mialoha

 

            Indrisy, moa, fa ny olombelona dia tsy nijanona teo amin’izay voa­la­zan’ny te­nin’Andriamanitra, fa mbola nampiasa lalina ny sainy, mba ahazoany ma­na­tsoa­ka izay heveriny ho marina ara-drafikevitra. Ny vokany nefa dia mi­ha­ri­ha­ry, fa ireny fanambaràna ireny dia mifanohitra amin’ny tenin’An­dria­ma­ni­tra, ka ma­nala baraka ny anarany. Ny foto-pampianarana milaza ny sori-dra­fi­tra mia­lo­ha ho an’ny olona rehetra dia faniratsirana ny voninahitr’io fifidianana io, ara­ka ny anambaràn’ny Tenin’Andriamanitra azy.

            Hoy mantsy izany fampianarana ny amin’ny sori-drafitra mialoha iza­ny, hoe Andriamanitra dia nifidy olona vitsivitsy hahazo ny famonjena man­dra­ki­zay, ary nanapa-kevitra hanary ny hafa kosa. Ny Romana 9. 8-23 no ano­re­na­na io fampianarana io. Ndeha hovakiantsika sy hodinihintsika tsara izany teny iza­ny.

 

 

Tsy natao ho an’ny Jiosy irery ny fahasoavana

 

            Ny toko valo voalohany amin’ny bokin’ny Romana, dia mamariparitra ny toe­rana misy ny olombelona, sy ny valiny omen’Andriamanitra mikasika iza­ny. Ve­ry tanteraka ny olombelona, araka ny voalaza hoe : “Samy efa nanota izy re­hetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra, nefa ha­ma­ri­ni­na maimaimpoana amin’ny fahasoavany” (Romana 3. 23-24). Voavonjy no­ho ny fahasoavana irery ihany ny olona, ary tsy noferana ho an’ny Jiosy ihany iza­ny fahasoavana izany, fa natao ho an’ny jentilisa koa —ireo izay tsy Jiosy.

            Tsy nanaiky izany nefa ny Jiosy. Nanana toerana niavaka sy azy ma­no­ka­na mantsy izy ireo, ka tsy te hizara izany. Vao mainka moa niseho ni­ha­ri­ha­ry ny fankahalan’izy ireo, rehefa notorìna tamin’ny jentilisa izany fila­zan­tsa­ra iza­ny. Hitantsika izany, ohatra, ao amin’ny Asa 13. 45-50 ; 15. 1 ; 17. 5 ary ny 28. 25-29.

            Ao amin’ny toko faha-9 ka hatramin’ny faha-11 amin’ny Romana, i Pao­ly apostoly dia mandinika izao fanontaniana izao : Ahoa­na no fomba am­pi­fa­na­ra­ha­na izany toerana iombonan’ny Jiosy sy ny jentilisa izany, raha ny Fi­la­zan­tsa­ra no jerena, sy ny toerana miavaka nomen’An­dria­ma­ni­tra ny Jiosy ?

 

 

Ny maha-taranak’i Abrahama

 

            Ny zavatra voalohany izay nireharehan’ny Jiosy, dia ny maha-taranak’i Abrahama azy. Tsara izany, hoy ny apostoly, saingy tsy maintsy ekena ihany koa, izany, i Ismaela, satria zanak’i Abrahama koa. Ary raha la­zai­na aza fa an­de­vovavy ny renin’i Ismaela, izay niavian’ny Arabo, dia mbola tao ihany koa i Esao. I Jakoba sy Esao, mantsy, dia iray ray sady iray reny, ary kambana. Na dia zokiny aza nefa i Esao, dia tsy izy no loharano nipoiran’ny va­hoa­kan’An­dria­manitra. Tsy hoe i Jakoba koa, nefa, no tsaratsara kokoa. Ta­lo­han’ny na­ha­terahan’izy mirahalahy ireo, dia efa nilaza Andriamanitra fa ny zokiny ha­nom­po ny zandriny.

            Tsy hoe zon’ny Jiosy, izany, ny nanana izany tombon-dahiny izany, fa no­ho ny herin’Andriamanitra sy ny fahasoavany, izay samy miasa amin-ka­la­la­ha­na tanteraka. Raha mitaky ny zony ny Jiosy, dia tsy maintsy manaiky ihany koa ny maha-olon’Andriamanitra ny Arabo sy ny Edomita, ary izay indrindra no tsy tiany. Fa raha noho ny fahasoavana sy ny herin’Andriamanitra kosa no ma­ha-olon’Andriamanitra azy ireo, Andriamanitra ve tsy mahazo manitatra izany fi­ta­hiana izany ho an’ny hafa ihany koa ?

            Hitantsika, amin’izany, fa tsy fifidianana na fanilihana ho man­drakizay no re­sa­hina eto, fa tombon-dahiny ananan’ny Jiosy etỳ ambonin’ny tany fo­tsi­ny iha­ny.

 

 

I Jakoba no tiako, fa i Esao no hàlako

 

            Ny teny ao amin’ny Romana 9. 13 dia ampiasaina manokana mba ha­nan­ti­tranterana ny foto-pampianarana mikasika ny fanilihana. Izany nefa dia fam­pi­fan­garoana ny voalazan’ny andininy faha-12 sy faha-13. Ny hitantsika ao amin’ny andininy faha-12 dia zavatra efa nolazain’Andriamanitra tokoa ta­lo­han’ny na­ha­terahan’izy mirahalahy kambana ireo, nefa tsy talohan’ny na­ha­rì­na izao tontolo izao, tsy akory, araka izay hita ao amin’ny Efesiana 1. 4.

            Anjara toerana tetỳ ambonin’ny tany ihany izany. Ary taloha kelin’ny na­ha­te­ra­han’izy mirahalahy no nanambaràn’Andriamanitra ireo teny ireo (and. 10). Ny andininy faha-13 kosa dia fitanisana ny teny ao amin’ny Malakia 1. 2-3, izay fa­nambaràna nataon’Andriamanitra 1400 taona taorian’ny nahafatesan’i Ja­ko­ba sy Esao, rehefa hitany ny fiainan’izy ireo sy ny taranany. Ao amin’ny He­breo 12. 16-17 dia sokajiana ho isan’ny mpijangajanga sy olona tsy manaja ny ma­sina i Esao, izay nivarotra ny fizokiany tamina hanina indraim-bava, ary tsy afa­ka nahita intsony izay fomba hibebahana. Hahagaga ve raha lazain’An­dria­ma­nitra fa halany izany olona izany, araka ny voasoratra hoe : “Halanao ny mpa­nao ratsy rehetra” (Salamo 5. 5) ?

            Hiampita any amin’ny Romana 9. 15 isika, izay manao hoe : “Izaho hiantra izay hiantrako, ary hamindra fo amin’izay hamindrako fo.” Fitanisana ny Ek­so­do­sy 33. 19 izany. Nanangana ombilahy volamena ny Zanak’i Israely ka nandà an’Andriamanitra (Eksodosy 32. 4). Mendrika ny famaizan’An­dria­ma­ni­tra izy ireo (Eksodosy 32. 10) ; nefa dia nifona ho azy ireo i Mosesy. Maneho ny fa­ha­soa­va­ny indray àry Andriamanitra, ka tsy nangringana ny vahoakany. Ireo teny ireo dia porofo manambara fa Andriamanitra dia manana fahefana ha­neho ny fa­ha­soavany, na dia efa tokony hampiharina izao, aza, ny fitsarana. Ny maha-va­hoa­kan’Andriamanitra ny Israely izany, dia tsy miorina afa-tsy amin’ny fa­ha­soa­va­na ihany. Ahoana àry no ampiasana ireo andinin-tSoratra masina ireo, ha­no­hanana ny foto-pampianarana momba ny fanilihana ? Ny Ro­mana 9. 15 dia manorina mafy ny fitsipika fototra ny amin’ny fahasoavana. Ny olona re­he­tra dia mendrika hiharan’ny fitsarana, ka ny famindràm-pon’An­dria­ma­nitra irery iha­ny, sisa, no afaka manoro làlana hivoahana. Soa inona no ho azon’ny olo­na raha tsy hanota intsony (raha toa moa ka ho vitany izany !), manomboka anio ? Satria tsy maintsy hihatra aminy ihany ny fitsarana, noho ny fahotana vi­ta­ny hatramin’izao.

 

 

Hamafisin’Andriamanitra ny fon’ny olona sasany !

 

            Ny Romana 9. 17 dia fitanisana ny Eksodosy 9. 16. Nolazain’An­dria­ma­ni­tra ta­min’i Farao fa hohamafisiny ny fony, mba hanehoany aminy ny he­ri­ny. Mila ma­maky ny voasoratra eo aloha, nefa, isika. Ao amin’ny Eksodosy 5. 2 dia hoy i Farao : “Iza moa Jehovah, no hekeko teny, handefasako ny Israely ?” Dia vao mainka nataony mafimafy kokoa ny fanompoana nataon’ny va­hoaka Israely (5. 17). Na dia maro aza ny famantarana sy ny famaizana na­le­fan’An­dria­manitra, dia tsy nety nankatò izany sitrapon’i Jehovah izany ve­li­ve­ly izy. Ta­min’izay vao nilaza Andriamanitra hoe : Izao dia hamafisiko ny fonao, mba hi­an­jera aminao ny vesatry ny famaizako.

            Marina fa efa nolazain’i Jehovah mialoha izany (Eksodosy 4. 21), sa­tria fan­tany fa tsy hankatò ny teniny i Farao. Fantany mantsy ny toe-pon’i Fa­rao (3. 19), ka tatỳ aorian’ny nitenenany imbetsaka tamin’i Farao sy ny nan­de­fa­sa­ny famantarana sy loza maro, sy taorian’ny nandavan’i Farao hatrany ha­tra­ny, tsy handefa ny vahoaka Israely, ary ambonin’izany, ny tsy nitanany ny teniny im­betsaka tsy tambo isaina, vao nohamafisan’i Jehovah ny fony (9. 12). Avy eo Andriamanitra vao nanambara taminy ny teny tanisaina ao amin’ny Ro­ma­na 9. 17.

            Tena marina fa manamafy ny fon’ny olona iray Andriamanitra, in­drain­dray. Na­taony tamin’i Farao izany, ary mbola ataony ihany koa, indraindray, an­ke­hi­tri­ny. Aorian’ny hampakarany ny Fiangonana ihany koa, dia mbola ha­tao­ny amin’ireo izay nandre ny Filazantsara, saingy tsy nety nandray azy (2 Te­sa­lo­nia­na 2. 11). Na izany aza, nefa, dia tsy manatanteraka izany An­dria­ma­ni­tra ra­ha tsy efa nanome fotoana ahazoan’ny olona miova fo (Joba 33. 14-30). Iza­ny dia mifanipaka tanteraka amin’ny foto-pampianarana momba ny fa­ni­li­hana.

 

 

Afaka manao izay tiany hatao Andriamanitra

 

            Ao amin’ny Romana 9. 19-21 dia somary amin’ny ankapobeny ihany ny fi­la­­zana io lohahevitra io. Andriamanitra ve tsy manam-pahefana hanao izay tia­ny hatao amin’ny zavatra noarìny ? Raha tiany hatao fanaka omem-bo­ni­na­hi­tra ny iray, ary ny iray hafa kosa fanaka halàm-baraka, tsy zony ve ny manao iza­ny ? Ny zavaboary ve afaka manakiana ilay Mpahary azy ? Amin’ny maha-Mpa­hary Azy, Andriamanitra dia manana ny fahefana hanao izay tiany hatao amin’ny zavaboariny. Azony atao ny mamindra fo amin’ny iray, ary manokana ny iray kosa ho amin’ny fahaverezana mandrakizay. Tsy nampiasa io fahefana fa­haroa io nefa Izy. Fahazavana sy fitiavana mantsy Izy, ka tsy manao zavatra mi­fanohitra amin’ny maha-Izy Azy.

            Ny andininy faha-21 dia milaza tsara ny momba izany, izay somary mam­pahatsiahy ny Jeremia 19 ihany. Ao, mantsy, Andriamanitra dia mam­pi­se­ho fa ma­nana fahefana hanao izay tiany hatao amin’ny Israely. Ny mpanefy ta­ni­man­ga dia mamboatra vilany amin’ny tanimanga, nefa raha toa tsy mety io vi­la­ny io, dia amboarany vilany iray hafa indray ny tanimanga.

            “Dia tonga tamiko ny tenin’i Jehovah hoe : Moa tsy mahazo manao ami­na­reo toy ny ataon’ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak’i Israely ?” (Je­re­mia 18. 5-6).

            Tamin’ny fomba ahoana nefa no nampiasan’Andriamanitra izany fa­he­fa­ny iza­ny ? “Vetivety Aho dia milaza firenena sy fanjakana hongotako sy ha­ze­ra­ko ary horavako ; nefa raha miala amin’ny ratsy izany firenena noteneniko iza­ny, dia hanenenako kosa ny loza izay nokasaiko hamelezako azy. Ary ve­ti­ve­ty ko­sa Aho dia milaza firenena sy fanjakana haoriko sy hamboleko ; nefa ra­ha ma­nao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko, dia ha­ne­ne­na­ko kosa ny soa izay nolazaiko hanasoavako azy” (Jeremia 18. 7-10).

            Raha misy olona iray miala amin’ny ratsy, dia hanenina ny amin’ny fi­tsa­ra­na izay nokasainy Andriamanitra, ary hamindra fo aminy.

            Toy izany no ampiasan’Andriamanitra ny fahefana tsy azo refesina izay eo am-pelatànany, amin’ny maha-Tsitoha Azy.

 

 

Ny fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana

 

            Izany no ampianarin’ny andininy faha-22 sy faha-23 amin’ny Romana 9, na dia ampiasaina matetika aza ireo andininy ireo mba hanohanana ny foto-pam­pia­narana mikasika ny fanilihana. Raha ny marina, ireo dia porofo tsy azo ho­zon­­go­zonina manohitra izany fampianarana izany.

            Ny andininy faha-22 dia miresaka momba ny “fanaky ny fahatezerana voa­voa­tra hosimbana”. Iza no nanomana azy ? Tsy voalaza eto ny amin’izay. Ara­ka ny hita, nefa, dia mazava fa tsy Andriamanitra, tsy akory, no nanomana iza­ny. Isika ve afaka milaza fa nandefitra dia nandefitra tamin’izy ireny An­dria­ma­ni­­tra, raha toa ka Izy ihany no nanomana azy hosimbana ? Mariho koa, eto, ny ma­ha-samy hafa izany amin’ny voalazan’ny andininy faha-23, izay milaza ma­za­va fa Andriamanitra dia nanomana mialoha ny fanaky ny famindràm-po. Ma­za­va, araka izany, fa ny fanaky ny fahatezerana ihany no nanomana ny te­na­ny ho­simbana. Fa hoy ny voalaza : “Ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no ira­ke­ta­nao fahatezerana ho anao amin’ny andro fahatezerana sy fam­pi­se­hoa­na ny fitsarana marin’Andriamanitra” (Romana 2. 5).

 

 

Ny tenin’Andriamanitra dia tsy milaza
ny fisian’ny fanendrena mialoha ho amin’ny fahaverezana

 

            Tsy misy, na dia porofo kely akory aza, ao amin’ny Soratra Masina, mi­laza fa Andriamanitra dia nanendry mialoha ny olona sasantsasany ho very man­dra­kizay. Izany dia mifanohitra tanteraka amin’ny fanambaràna izay na­taon’ Andriamanitra momba ny Tenany, ao amin’ny Baiboly.

            Ilay “Andriamanitra Mpamonjy antsika, Izay tia ny olona re­he­tra ho­von­je­na”, dia nanolotra an’i Jesoa Kristy Zanany Lahitokana ho avotra “hi­so­lo ny ma­ro”, mba hahatonga ny olona rehetra ho voavonjy ; koa Izy ve dia nanendry ny sasany amin’izy ireo tsy hanana anjara amin’izany famonjena izany, fa ho ve­­ry mandrakizay ? Ndeha hotsahivina fotsiny izay voalaza ao amin’ny Soratra Ma­­sina, toy ny ao amin’ny Jaona 3. 16, ny Romana 3. 22, ny 1 Jaona 2. 2, sy ny maro hafa tsy voatanisa.

            Tsia, fa hisaorana anie Andriamanitra, satria misy tokoa ny fifidianana mpa­nota mahantra ho amin’ny voninahitra. Fa ny Tenin’Andriamanitra dia tsy mi­­la­za velively ny fifidianana ho amin’ny fahaverezana. Ny mifanohitra amin’ iza­ny aza no lazainy, araka ny voasoratra hoe : “Izay mety, aoka izy hisotro mai­maimpoana amin’ny ranon’aina” (Apokalypsy 22. 17), sy hoe : “An­dria­ma­ni­tra Mpamonjy antsika, Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ ny fahalàlana ny marina” (1 Timoty 2. 4).

            Ary raha tsy haintsika ny mampifandray ireo zavatra roa loha ireo, izany hoe : ny fifidianana antokon’olona sy ny fitaomana ny olona rehetra, dia aoka ho­tsaroantsika fa ny fihevitr’Andriamanitra dia ambony lavitra noho ny fi­he­vi­tsi­ka (Isaia 55. 9). Koa olona iza no afaka milaza fa mahatakatra amin’ny sainy na koa mitsara ny fahendrena sy ny làlan’Andriamanitra ? Ny finoana dia man­dray izay efa nolazain’i Abrahama hoe : “Tsy hitsara marina va ny Mpi­tsa­ra ny ta­ny rehetra ?” (Genesisy 18. 25).

 

Mirary soa ho anareo.

Ilay rahalahinareo ao amin’ny Tompo.

H. L. H.


 

NY FIFIDIANANA
(Tohin’ny taratasy teo aloha)

 

            Mipetraka indray àry, izao, ny fanontaniana hoe : Ahoana moa no aha­fan­ta­ra­ko fa voafidy aho ?

            Aoka homarihintsika, aloha, fa ny tenin’Andriamanitra dia tsy miresaka ve­li­vely fifidianana amin’ireo tsy mino. Ny Soratra Masina dia maneho amin’ny tsy mino ny toeram-pahaverezana misy azy ireo sy ny fitsaràn’Andriamanitra, ne­fa koa ny antson’Andriamanitra ho amin’ny fibebahana, ka mametraka eo ana­­­trehan’izy ireo an’i Jesoa Tompo sy ny asany, mba hinoany.

            Rehefa miova fo izy ireo, ka mino an’i Jesoa Tompo, dia lazaina hoe voa­fi­dy. Ahoana moa no mety hahafantarany izany ? Ny 1 Tesaloniana 1. 4-6 no ma­nome antsika ny valiny. Hoy i Paoly apostoly ao : “Fantatray, ry rahalahy ma­lalan’Andriamanitra, ny fifidianana anareo.” Dia hazavainy eo ny antony, hoe : “Fa ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin’ny teny ihany, fa ta­min’ny hery koa sy ny Fanahy Masina ary ny fatokiana be, araka ny aha­fan­ta­ra­­nareo izay toetran’ny fitondràntenanay teo aminareo, noho ny aminareo. Ary ianareo efa nanahaka anay sy ny Tompo, satria nandray ny teny tamin’ny fa­ho­riana be mbamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina”. Nandray ny Te­nin’Andriamanitra izy ireo, ary izay no porofo. Izay rehetra manaiky ka man­dray ny Filazantsara, mantsy, ka vita fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’izany, dia manana ny porofo fa voafidy.

 

 

Inona no ambaran’ny Soratra Masina, momba ny fifidianana ?

 

            Na dia maro aza ny andinin-tSoratra Masina milaza ny fifidianana (oha­tra : 1 Petera 1. 2 ; 2 Timoty 1. 9 ; Titosy 1. 2 ; sy ny hafa), dia ny Romana 8. 28-30 sy ny Efesiana 1. 3-14 no tena manambara ny foto-pampianarana mom­ba azy.

            Hoy ny teny ao amin’ny Romana 8. 29-30 : “Satria izay fantany rahateo no no­tendreny koa hitovy endrika amin’ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin’ny ra­ha­lahy maro Izy. Ary izay notendreny no nantsoiny koa ; ary izay nantsoiny no no­hamarininy koa ; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.”

            Ny zavatra voalohany, izany, dia izao : misy olona fantatr’An­dria­ma­ni­tra mia­loha. Tsy voalaza Andriamanitra, eto, hoe mahafantatra ny toetrany sy ny fom­ba fiainany, na koa ny mety hibebahany na tsia, fa izao ihany : fantany ny olo­na tsirairay avy. Ny Efesiana 1. 4 dia milaza amintsika fa “taloha”-n’ny fa­no­re­na­na izao tontolo izao, izany hoe efa hatrizay hatrizay, no efa na­ha­fan­ta­ran’ Andriamanitra ny olona tsirairay avy.

            Ireo olona rehetra ireo, fa tsy misy latsaka na dia iray aza, dia no­ten­dre­ny mba hitovy endrika amin’ny Zanany. Izany àry no atao hoe fifidianana. Ra­ha mbo­la tsy teraka akory isika, raha mbola tsy noarìna akory i Adama ; eny, raha mbo­la tsy ary akory ny lanitra sy ny tany, araka ny lazain’ny Ge­ne­si­sy 1. 1, dia efa nihevitra antsika Andriamanitra, ka nanapa-kevitra fa hataony mi­tovy en­dri­ka amin’ny Zanany isika. Lazain’ny tenin’Andriamanitra, moa, fa i Kris­ty no “en­drik’Andriamanitra tsy hita” (Kolosiana 1. 15). Ary eto dia ambara fa hatao mi­to­vy endrika aminy isika. Izy no Lahimatoa amin’ny rahalahy maro. Na dia mi­ta­na ny toerana voalohany aza nefa Izy, dia hatao mitovy aminy isi­ka.

            Tsy amin’ny maha-Zanaka mandrakizay Azy, mazava loatra, no ahi­tan­tsi­ka ny Tompo, eto. Amin’izany, mantsy, dia Andriamanitra mandrakizay Izy, ary Izy irery ihany no izany. Eto kosa, dia amin’ny maha-Zanak’An­dria­ma­ni­tra Azy, teraka tetỳ an-tany, ka nahatanteraka ny asam-panavotana teo amin’ny ha­zo­fi­ja­liana, ary ahatanterahan’ny fikasàn’Andriamanitra rehetra, no ilazana Azy (Ko­losiana 1. 19-21 ; Efesiana 1. 10, 20-23).

            Eto dia ny loharanon’ny fitahiana antsika no ampifandraisina amin’ny vo­ka­tra farany —dia ny mandrakizay talohan’ny naharìna ny lanitra sy ny ta­ny, sy ny mandrakizay aorian’ny hahalevonan’ny lanitra sy ny tany. Ary ny fi­ka­sàn’ny fon’Andriamanitra, kosa, ampifandraisina amin’ny fahatanterahany ton­ga la­fa­tra, araka izay ilazana azy ao amin’ny 1 Jaona 3. 2 hoe : “Fantatsika fa raha hi­se­ho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny to­koa.” Isika dia haseho amin’ny maha-zanaky ny fitsanganana amin’ny maty an­tsika (Lioka 20. 36), sy amin’ny maha-zanak’Andriamanitra antsika, rehefa hovàny “ny tenan’ny fietrentenantsika, ka hitovy endrika amin’ny te­nan’ny voninahiny” (Filipiana 3. 21).

           

 

Nantsoina sy nohamarinina ary nomena voninahitra

 

            Ao amin’ny Romana 8. 30 isika dia mahita ny fifandraisan’ny fika­sàn’An­dria­manitra sy ny fotoan’andro ankehitriny. Fony vao teraka isika, dia efa ni­to­di-damosina tamin’Andriamanitra, satria efa mpanota sahady. Niantso an­tsi­ka ne­fa Andriamanitra. Tsy antso faobe mandidy ny olona rehetra hibebaka no am­bara eto, fa, araka ny voalaza, dia ny asam-paharian’Andriamanitra, “Izay (...) miantso ny tsy nisy toy ny misy” (Romana 4. 17). Izay nantsoiny àry dia no­ha­ma­rininy.

            Ny zavatra rehetra, eto, dia hita avokoa araka ny fijerin’Andriamanitra sy ara­ka ny fikasàny. Fony voasoratra ny epistily ho an’ny Romana, dia mbola tsy voan­tso tanteraka avokoa, tsy akory, ny olona nofidina rehetra.

            Ny zava-misy, dia olona vitsy kely monja no voafidy, satria ny re­sa­hi­na, eto, dia ny fi­fi­dia­nana talohan’ny fanorenana izao tontolo izao, ary amin’ny Fi­an­gonana ihany no iresahana izany. Ny Israely sy ny mino aorian’ny fam­pa­ka­ra­­na ny Fiangonana, dia samy voafidy hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao (Apokalypsy 13. 8 ; 17. 8 ; Matio 25. 34).

            Mbola tsy voantso avokoa ny olona rehetra, ankehitriny. Aloha kelin’ny fam­­pakarana ny Fiangonana vao ho tanteraka izany, satria izay vao ho feno izy ireo. Ao amin’ny fikasàn’Andriamanitra, nefa, dia efa voatendry mazava iza­ny. Ary izany no mahatonga ny teny faminaniana hilaza izany zavatra izany toy ny efa tanteraka sahady. Na dia ny fanafiana voninahitra, aza, dia aseho ho tahaka ny efa tanteraka, na dia ambaran’ny Romana 5. 2 ho fanantenana aza ny voninahitr’Andriamanitra, ka lazaina ao amin’ny Romana 8. 11 fa mbola ho­­velomina ity tenantsika mety maty ity. Fa efa mitoetra tsara avokoa ny za­va­tra rehetra. Izay rehetra ilaina mba hanomezana antsika ny anjara toerantsika, no­­ho ny fifidianana ataon’ny fahasoavan’Andriamanitra, dia ho tanteraka amin’ ny alalany avokoa, fa tsy misy na inona na inona ataontsika. Izany no antoka ho antsika.

 

 

Andriamanitsika sady Raintsika

 

            Ny Efesiana 1 dia mamelabelatra bebe kokoa ny amin’izany. Ao amin’ny an­dininy faha-3, Andriamanitra dia antsoina hoe “Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kris­ty Tompontsika”. Amin’ny maha-olona Azy, i Jesoa dia manao hoe “An­dria­manitro” (ohatra, ao amin’ny Matio 27. 46). Amin’ny maha-Zanak’An­dria­ma­nitra Azy, dia Andriamanitra no Rainy (Jaona 17. 1 ; 5. 17-18 ; sy ny ha­fa). Tao­rian’ny nitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty, dia nakambany tao ana­tin’ izany endri-pifandraisana amin’Andriamanitra izany ny mpianany, ka hoy Izy : “Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’An­dria­ma­ni­tro sy Andriamanitrareo” (Jaona 20. 17). Ma­ri­na fa nisy, ary misy fa­ha­sa­mi­hafana, satria Izy tsy manao hoe “Raintsika” sy “Andriamanitsika”. Izy dia mi­­toetra hatrany ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro. Na izany aza, nefa, An­­driamanitra dia tonga Andriamanitsika sy Raintsika ao amin’i Jesoa Tompo.

            Ao amin’ny Efesiana 1. 4-5 dia mitovy amin’izany ny toerana natolotra an­tsika, noho ny fifidianana. Ao amin’ny andininy faha-4 dia hitantsika ny toe­ra­­na mi­sy antsika eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny maha-Andriamanitra Azy ; ary ao amin’ny andininy faha-5 kosa, ny toerana misy antsika eo ana­tre­ha­ny, amin’ny maha-Ray Azy. Voafidy tao amin’i Kristy isika, mba hanana iza­ny toe­ra­na izany ao anatin’ny fahatanterahana. Efa ananan’i Kristy rahateo izany, no­ho ny voninahiny manokana sy noho ireo zony manokana. Isika kosa dia man­dray izany ao aminy.

 

 

Masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany amin’ny fitiavana

 

            Ny andininy faha-4 sy faha-5 ao amin’ny Efesiana 1 dia manao hoe : “Ara­ka ny nifidianany (Andriamanitra) antsika tao aminy (tao amin’i Jesoa), fony mbo­la tsy ary ny fanorenan’izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsi­ny eo anatrehany isika, rehefa notendreny rahateo amin’ny fitiavana.”

            Eto, dia apetraka eo anatrehantsika ny toetra maha-Andriamanitra an’An­dria­manitra. Andriamanitra dia masina, amin’ny maha-Izy Azy, tsy manan-tsiny raha eo amin’ny asany, ary fitiavana no maha-Izy Azy (1 Jaona 1. 5 sy 4. 8, 16). Koa raha tiany ho eo anatrehany isika, dia tsy maintsy mifanaraka amin’ny ma­ha-Izy Azy. Ahoana moa no ahazoan’izay olombelona maloton’ny fa­hotana, mi­joro eo anatrehan’Andriamanitra, dia Ilay Masina indrindra, tsy ma­ha­zaka ny ota ka hanipy izay rehetra mamofona fahotana any amin’ny farihy afo, indray andro any ? Nifidy antsika Izy, mba hanahafantsika ny toetra maha-Izy Azy. Tsy izany ihany, nefa, fa isika dia mila sy afaka mizara izay ao anatin’ny fony sy izay ao an-tsain’Ilay Andriamanitra Fitiavana. Izany no ila­za­na hoe “eo ana­tre­hany amin’ny fitiavana”.

            Araka izany, rehefa tonga eo anilany isika, dia ho “masina sy tsy ma­nan-tsi­ny eo anatrehany amin’ny fitiavana”. Izay rehetra mbola mam­pi­tam­be­ri­na ny fa­ho­tana ao amintsika dia hesorina avokoa ; ireo fahalemena sy ny tsiny ary ny fahotana rahateo dia halàna. Tsy ao anatintsika intsony ilay atao hoe no­fo. Efa tahaka izany sahady, nefa, no ahitan’Andriamanitra antsika. Tsy hi­ta­ny afa-tsy ao anatin’ny fiainantsika vaovao isika, dia izay nomen’i Jesoa Tom­po an­tsika. “Voaforona tao amin’i Kristy Jesoa mba hanao asa tsara, izay nam­boa­rin’Andriamanitra rahateo, mba handehanantsika eo aminy” (Efesiana 2. 10). “Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olo­na hamasinina” (Hebreo 10. 14). “Fa tahaka Azy isika, eo amin’izao tontolo izao” (1 Jaona 4. 17). Fahasoavana lehibe ho antsika mpanota mahantra iza­ny !

 

Mba ho Azy amin’ny fananganana anaka isika

 

            Tsy izany ihany nefa. Afaka ho nahazo izany zavatra voatanisa re­he­tra iza­ny isika, nefa dia mpanompo ihany, eo imason’Andriamanitra. Ny anjely koa, mantsy, dia tokony hifanaraka amin’ny voninahitra sy ny fahamasinan’An­dria­­manitra. Saingy “notendreny rahateo amin’ny fitiavana isika, mba ho Azy amin’ny fananganana anaka amin’ny alalan’i Jesoa Kristy” (Efesiana 1. 5). Ara­ka izay voalaza eto, dia manana fifandraisana mazava amin’Andriamanitra isi­ka, dia fifandraisan’ny ray amin’ny zanany, ary fifandraisan’ny zanaka amin’ ny rainy. Noho ny asa fanavotana nataon’Ilay Zanak’Andriamanitra teo amin’ ny hazofijaliana, dia nataony mitovy toerana aminy isika, taorian’ny ni­tsan­ga­na­­ny tamin’ny maty, ka tonga zanak’Andriamanitra. Eto, araka ny Efesiana 1, dia hitantsika fa Andriamanitra no efa nanendry antsika ho amin’izany, ta­lo­han’ ny nanorenana izao tontolo izao. Efa tamin’izany no nanapahan’Andriamanitra fa izany no toerana tokony hisy antsika. Inona nefa no antony nanaovany an’ iza­ny ? Satria izany no “ankasitrahin’ny fony”. Ny fitiavany irery ihany no lo­ha­ra­non’izany fitahiana rehetra izany.

 

 

Ny kristianisma dia manana toetra mandrakizay

 

            Misy fehin-kevitra lehibe kokoa, nefa, azontsika tsoahina amin’ireo an­di­nin-tSoratra Masina ireo, dia ny hoe : Nofidiny tao amin’i Kristy isika, « fony mbola tsy ary ny fanorenan’izao tontolo izao ». Izany fifidianana izany dia ive­lan’ny fo­toana, ary efa natao talohan’ny niantombohan’ny fotoana aza, ka ha­ha­ritra man­drakizay, fa tsy natao ho an’ny eto an-tany. Ny andininy faha-3, avy eo, dia miresaka momba ny fitahiam-panahy any an-danitra. Israely no va­hoa­ka voa­fidy ho an’ny teto an-tany (Eksodosy 19. 5 ; Levitikosy 25. 2, 23 ; Deo­te­ro­no­mia 7. 6). Ao amin’ny Matio 25. 34 sy ny manaraka, kosa, dia voalaza koa ho an’ny ondry hoe : “… mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo ha­tri­­zay nanorenana izao tontolo izao.” Fitahiana etỳ an-tany izany (fanjakana), ary mifamatotra amin’ny fotoana (hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao).

            Mampiseho ny toerana manokana omena antsika izany. Isika dia ao ana­ti­na von­dro­na iray (dia ny kristianisma), ary anisan’ny tena iray (dia ny Fi­an­go­na­­na), izay samy ivelan’ny fotoana avokoa. Ny fiandohan’ireo dia ta­lo­han’ny na­norenana izao tontolo izao, fony Andriamanitra nanorina azy ireo tao amin’i Kristy. Tsy an’izao tontolo izao ireo (Jaona 17. 14 sy ny manaraka), ary ha­ha­ri­tra aorian’ny fahalevonan’izao tontolo izao. Sady ara-panahy ny toe­tra­ny, no man­drakizay koa. Manazava tsara amintsika ny toetran’ny kristianisma izany.

            Noho izany, ny Efesiana 1. 3-5 dia tsy miresaka ny amin’ny andraikitra sy ny vokany. Izany mantsy dia nanomboka tamin’ny naharìna an’i Adama sy ny na­me­trahana azy tao amin’ny saha Edena, ary hifarana aorian’ny fitsarana eo ana­tre­han’ilay seza fiandrianana fotsy lehibe (Apokalypsy 20).

            Tao amin’ny saha Edena dia nisy hazo roa karazana : ny hazo fa­ha­là­la­na ny tsara sy ny ratsy, izay manambara ny amin’ny andraikitra, araka ny voalaza hoe : “fa amin’ny andro izay ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao” (Ge­ne­si­sy 2. 17), ary ny hazon’aina, izay manambara ny amin’ny fiainana. Ni­hi­na­na ta­min’ilay hazo voalohany i Adama, ka dia tsy afaka nihinana tamin’ilay faharoa in­tsony, satria efa nandray ny sazy vokatr’izany, dia ny fahafatesana.

            Eo amin’ny hazofijaliana dia ahitantsika ireo hazo roa ireo ta­fa­kam­ba­na. Ny Tompo Jesoa dia nitondra ireo vokatry ny andraikitra, ho an’izay mino Azy ; ary noho ny nitsanganany tamin’ny maty, kosa, dia nomeny azy ireo ny fi­ai­na­na. Izy no ilay hazon’aina.

            Izay rehetra momba ny andraikitra, nefa, dia miankina amin’ny fotoa­na, ary eto an-tany ihany, ka tsy tafiditra ao amin’ny fikasàn’Andriamanitra mom­ba ny man­dra­kizay. Nilaina nefa izany, ka izany no nampisy ny fifidianana “tao ami­ny”, dia tao amin’i Kristy izany. Koa ny teny sy ny fikasàn’An­dria­ma­ni­tra re­he­tra dia naseho avokoa taorian’ny hazofijaliana, nony tonga lohan’ny zavaboary vao­vao, izany hoe ny ankohonan’Andriamanitra, Ilay Adama farany. Ma­ha­va­ria­na ny mandinika ny halalin’ny fisainan’Andriamanitra sy ny fa­hen­dre­ny ! Ary isi­ka ihany koa dia afaka mahatsiaro fa anisan’izay tao anatin’ireo fi­ka­sa­na ireo.

 

Mirary soa sy manao mandra-pihaona.

            Ilay rahalahinareo voafehin’ny fitiavan’Andriamanitra.

H. L. H.

 


 

KRISTY, MPISORONABENTSIKA

 

 

Ry sakaiza malala isany,

 

            Rehefa mahafantatra izay zavatra ananan’ny mpino ny olona iray, iza­ny hoe :

— voavela ny helony, ary vita fihavanana amin’Andriamanitra izy,

— noho ny fahateraham-baovao, dia efa nandray fiainam-baovao izy, toe­tra vao­vao, dia fiainan’Andriamanitra izay tsy mahay manota,

— Andriamanitra efa nanameloka sy nanaisotra izany toetra mpanota iza­ny teo amin’ny hazofijaliana, ka noho izany dia ao amin’ny fiai­nam-baovaony ihany, sisa, no ijeren’Andriamanitra ny mpino ; ary dia tsy misy fa­na­me­lo­ha­na intsony, ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa,

— ny Fanahy Masina no monina ao anatiny, noho izany izy dia afaka ta­min’ny herin’i Satàna sy izao tontolo izao ary ny ota, ka afaka ma­nom­po an’An­dria­ma­nitra,

— tonga ankasitrahina ao amin’Ilay Malala izy, ka dia afaka mifaly sa­ha­dy amin’ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra, satria ma­ha­la­la fa efa vo­no­na ho azy izany,

            dia afaka mihevitra fa tsy misy na inona na inona ilainy intsony, am­bo­nin’ izany.

            Eny, raha ny mikasika ny mandrakizay sy ny lanitra, dia azo antoka izany. Saingy ambonin’izany, dia mbola manana zavatra ilaina ihany ny kristiana, eto an-tany. Satria izy zanak’Andriamanitra sy mponin’ny lanitra (Filipiana 3. 20), dia vahiny etỳ ambonin’ny tany. Ary satria koa izy mizotra mankany an-danitra, dia mpivahiny ihany. Ambonin’izany, efa nafahana tamin’ny herin’ny devoly izy, ka te hanompo an’Andriamanitra, satria izany no fanirian’ny fony. Amin’ iza­­ny, nefa, dia mifanohitra tanteraka amin’ny devoly sy ny tsy mino ny toe­ra­na misy azy. Ny asan’ny devoly, raha tsorina, dia ny tsy famelana ny olona han­ka­tò an’Andriamanitra. Noho izany, dia hasehony avokoa ny heriny sy ny ha­fe­tseny rehetra, mba hitaomana ny mpino tsy hankatò an’Andriamanitra, ka ha­no­ta. Eo amin’ny olona tsy mino, moa, dia tsy manana olana izy, ny amin’ iza­ny. Tsy te hankatò an’Andriamanitra rahateo, mantsy, ireny. Te hanota ny fo­ny, ary rehefa manota izy ireo, dia afa-po (Genesisy 6. 5 ; Marka 7. 20-23 ; Romana 3. 10-12).

            Izany no fototra manetsika izao tontolo izao sy iarahan’ny olombelona mi­ai­na. Mba tsy hiankinany amin’Andriamanitra, sy mba hahazoany manao izay si­traky ny eritreriny, dia nivondrona izy (Genesisy 9. 1 sy 11. 4-9). Saingy sa­tria tsy afaka ny hahaleo tena ny olombelona, dia naka ny devoly ho mpan­ja­ka­ny ; ary rehefa nandà Ilay Zanak’Andriamanitra izy, dia nanao ny devoly ho an­driamaniny (Jaona 12. 31 ; 2 Korintiana 4. 4).

            Ny hetahetan’ny kristiana, izany, dia mifanohitra tanteraka amin’ny an’izao ton­to­lo izao. Noho izany, ny kris­tiana dia mampihomehy sy manafintohina ny tsy mino, ary hàlany. Ao amin’ny Jaona 7. 7, ny Tompo Jesoa dia manao amin’ ny olona tsy mino hoe : “Tsy mahazo mankahala anareo izao tontolo izao ; fa Iza­ho no hàlany, satria milaza fa ratsy ny asany.” Ny mino, kosa, dia lazainy, ao amin’ny Jaona 17. 14 hoe : “Halan’izao tontolo izao izy, satria tsy naman’ izao tontolo izao, tahaka Ahy, tsy naman’izao tontolo izao”. Ary ao amin’ny Jao­na 16. 33 dia hoy Izy amin’ny mpianatra : “Atỳ amin’izao tontolo izao no ahi­ta­nareo fahoriana”.

Ny hany eken’izao tontolo izao, dia ny kristiana tsy mitondra tena ara­ka ny maha-kristiana azy, fa tia ny zavatra tiany, ka mbola mipetraka eo am­ba­ny fanandevozan’i Satàna. Fivadihana amin’Andriamanitra nefa izany. An­ke­hi­tri­ny, ny kristiana tahaka izany dia hantsoina hoe “mpamadika” (izany hoe olo­na miara-miasa amin’ny fahavalo).

            Eto no manomboka ny adin’ny kristiana. Taomin’ i Satàna mandrakariva izy ireo mba ha­no­ta. Bitsihiny hevitra maloto sy feno ota. Anehoany za­va­tra ma­ha-meloka. Ampandrenesiny teny tsy mendrika, ary taominy ho any amina toerana ratsy. Ambonin’izany, dia atosiny izao tontolo izao haneho ny fa­no­he­ra­ny azy. Izany rehetra izany dia mampitondra fahoriana ilay olona vaovao. Ilay toetra taloha (izany hoe ilay toetra tsy maniry afa-tsy ny hanota, ka ahitan’i Satàna fomba maro ifandraisana) dia mbola ao anatin’ny mino ihany. Ary dia loza, fa mety handresy ny kristiana i Satàna, ka hitaona azy hanota.

            Saingy soa ihany, fa eo koa, ny fitiavan’Andriamanitra dia efa nanomana ny zavatra rehetra.

 

 

Kristy, mpisoronabentsika

 

            Izany dia aseho antsika ao amin’ny epistily ho an’ny Hebreo. La­zai­na, ao, fa mpivahiny sy vahiny ny kristiana. Mizotra mankany amin’ny vo­ni­na­hi­tra izy (11. 40), satria mandray “fiantsoana avy any an-danitra” (3. 1). Saingy an­ke­hi­tri­ny izy dia mbola atỳ an-taniefitra, izay misy zava-tsarotra sy loza maro. Noho iza­ny, dia aseho antsika Ilay mpisorona. I Jesoa Tompo, Izay any an-danitra, no mpisoronabe mifona ho antsika eo anatrehan’Andriamanitra noho ny amin’ ireo zava-tsarotra sy loza atrehintsika.

            Heverin’ny maro fa ny fisoronana ataon’ny Tompo Jesoa dia misy ifan­drai­sa­na amin’ireo fahotantsika, saingy amin’ny ankapobeny dia tsy tena marina loa­tra izany. Ekena fa ny niantombohan’ny asa maha-mpisoronabe Azy, dia no­ho ny fahotantsika. Ny Hebreo 2. 17 dia milaza hoe : “Mba ho Mpisoronabe ma­mindra fo sy mahatoky ny amin’Andriamanitra (Izy), mba hanaovany fa­na­vo­tana noho ny heloky ny olona”. Ny Hebreo 10. 12 ihany koa, nefa, milaza amin­tsika hoe : “Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay no­ho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra.” Ary ao amin’ny andininy faha-14 dia ahitantsika hoe : “Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina.”

            Ny epistily ho an’ny Hebreo dia mijery ny fifandraisan’ny mpino amin’An­dria­manitra, amin’ny maha-zavaboary azy. Efa notanterahin’i Jesoa Tompo teo amin’ny hazofijaliana ny asam-panavotana, ary izany dia nankasi­tra­hin’An­dria­manitra tanteraka, ka dia voaravona mandrakizay ny amin’ny resaka fa­ho­ta­na. “Nahazo fanavotana mandrakizay” Izy (9. 12). Ny mpino dia efa natao tan­te­raka ho mandrakizay (10. 14). Naseho i Kristy “mba hanafaka ny ota, ta­min’ny nanaterany ny tenany” (9. 26).

Tsy resahina intsony ny fahotana eo amin’Andriamanitra sy ny mpino. No­ho izany, dia tsy resahina intsony koa izany, ato amin’ny epistily ho an’ny He­breo. Ireo fahotana izay mbola ataon’ny mpino taorian’ny niovany fo, dia tsy je­re­na intsony eo amin’ny fifandraisan’Andriamanitra amin’ny olona noarìny, fa eo amin’ny fifandraisan’ny Ray amin’ny zanany. Izany no hitantsika ao amin’ny epis­tily voalohany nosoratan’i Jaona.

 

Mpisorona any an-danitra

 

            Na dia teto an-tany aza, aloha, tamin’ny voalohany, no toerana na­na­tan­te­ra­han’i Jesoa Tompo ny maha-Mpisoronabe Azy, ary izany fisoronany izany dia marina fa misy ifandraisany amin’ny fahotana, dia efa tsy izany intsony izy, an­kehitriny.

            Rehefa nahatanteraka ny asam-panavotana ny Tompo Jesoa dia efa “mi­pe­traka eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra”, any an-danitra. “Mpi­so­ro­na­be tahaka izao no mendrika ho antsika, dia … natao avo noho ny lanitra” (7. 26). “Koa raha etỳ ambonin’ny tany, dia tsy mba ho mpisorona akory Izy” (8. 4).

            Isika, izany, dia manana Mpisorona any an-danitra, Izay efa nanefa ny tro­sam-pahotantsika rehetra, ary ankehitriny Izy dia “velona mandrakizay hanao fi­fonana” ho antsika (7. 25).

            Iza moa io Mpisorona io ? Ny Hebreo 1 dia milaza fa Ilay Zanak’An­dria­ma­ni­tra izany. Noho izany, dia afaka mifona mandrakariva ho antsika eo ana­tre­han’Andriamanitra Izy. Iza moa no ho afaka manao izany, afa-tsy An­dria­ma­ni­tra ihany ? Saingy mba hahazoany mifona ho an’ny olombelona, dia tsy main­tsy tonga olombelona Izy. Ny Hebreo 2 dia milaza amintsika fa tena tonga olom­belona tokoa Izy. Izy no Zanak’olona. Olona Izy, ary olona noho i Adama, aza, satria “nateraky ny vehivavy” (Galatiana 4. 4).

            Zavatra mahatalanjona izany ! Andriamanitra tonga nofo ! “Ary ny Teny dia ton­ga nofo” (Jaona 1. 14). Ilay Nahary ny lanitra sy ny tany, Ilay Nahary ny olom­belona, dia tonga olombelona.

            Ny Hebreo 2 dia manome antsika antony roa nahatongavan’i Jesoa Tompo ho nofo. Ny andininy faha-14 ka hatramin’ny faha-17 dia milaza fa ton­ga olona Izy mba hanatanteraka ny asam-panavotana noho ny fahotantsika, ary hanafaka antsika amin’ny fahefan’ny devoly sy ny fahafatesana. “Mpi­so­ro­na­be mamindra fo sy mahatoky” mantsy Izy (and. 17). Tsy manambara za­va­tra bebe kokoa amin’ny fontsika ve izany ?

            Ny Tompo Jesoa dia nahafantatra izay ho toetrantsika. Fantany ireo loza sy zava-manahirana hodiavintsika. Izany no nahatongavany ho olona, ary niai­na ireo zavatra rehetra iainantsika Izy, mba hianatra hahafantatra, sady ha­nan­dra­na, ireo zava-tsarotra rehetra, ny fahoriana rehetra, ireo fakàm-panahy rehetra, mba hahazoany manampy antsika hiatrika ireo zavatra ireo, satria efa fantany.

 

Nianatra fanarahana Izy

 

            Fantany ny atao hoe mankatò an’Andriamanitra, ho antsika, izay miaina eo ani­vona tontolo ratsy fanahy. Moa ve tsy nianatra fanarahana Izy (Hebreo 5. 8) ? Tsy tokony ho nankatò Izy, satria Izy no Ilay Andriamanitra Avo Indrindra. Sain­gy tonga olombelona sy niaina tetỳ an-tany Izy, ka nianatra nankatò. “Am­pan­drenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino ta­haka ny efa mahay. Jehovah Tompo nanokatra ny sofiko, ary Izaho tsy na­di­tra na nihemotra”, hoy Izy ao amin’ny Isaia 50. 4-5. Tsapany koa, nefa, ny di­kan’izany, ao anatin’ity izao tontolo izao mpankahala an’Andriamanitra ity. “Ny la­mo­siko atolotro amin’ireo mpikapoka ahy, ary ny takolako amin’ireo mpa­non­go-bolombava ; ny tavako tsy nafeniko ho difin’ny fanevatevana sy ny fan­dro­ra­na natao tamiko” (and. 6 DIEM). Nokapohina Izy, raha nilaza ny marina (Jao­na 18. 23). Nanao ahoana moa ny nandraisany ny filazan’ny olona Azy, Ilay An­driamanitra masina, hoe : “Tsy marina va ny filazanay fa Samaritana Ianao, sady manana demonia ?” (Jaona 8. 48-52) ! Tsapany ihany koa, nefa, ny herin’ Andriamanitra, izay tsy miova fa azony itokisana, ka nanaovany hoe : “Jeho­vah Tompo no hamonjy Ahy, ka tsy resin-kenatra Aho ; ary efa nohamafisiko ta­ha­ka ny afovato ny tavako, ka fantatro fa tsy ho menatra Aho. Efa akaiky Izay manamarina Ahy” (Isaia 50. 7-8).

            Mila mianatra mankatò isika, satria zavaboary zatra tsy mpankatò sady mpa­nota. Tsapan’ny Tompo tsara izany ezaka tokony hataontsika izany. Raha no­ho ny fankatoavantsika no anarabian’ny olona sy anesoany antsika, ka mety hamoizantsika zavatra maro na hanimba ny asantsika, ary amin’ny an­ka­po­be­ny, amin’izay zavatra diavintsika rehetra etỳ an-tany, dia afaka miombom-po tan­teraka amintsika Izy, ary tonga manampy antsika (Hebreo 2. 18) sy mi­va­va­ka ho antsika “mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana, ho famonjena amin’izay andro mahory” (Hebreo 4. 16).

            Ny fankatoavana an’Andriamanitra dia midika fa mila mihataka amin’izay olo­na na zavatra mamin’ny fontsika isika. Eny, mety tsy ho ratsy ho azy, tsy ako­ry, ireo, sady samy noraisintsika avy amin’Andriamanitra avokoa. In­drain­dray tokoa Izy dia manaisotra amintsika izay mamin’ny fontsika indrindra eto an-tany. Fantatr’i Jesoa Tompo izany, satria efa niainany. Takiany amintsika, an­gamba, ny miala amin’ny sakaiza tiana, ho fankatoavana Azy, satria mety tsy ho afa-miara-dàlana amintsika ireny. Mety mila mandao ny asa aman-dra­ha­ra­hantsika koa angamba isika ; eny, fa na dia ny asa ara-panahy nirintsika ha­tao ho an’ny Tompo sy efa nankininy tamintsika izao, aza, dia mety hasainy ilao­zantsika. Afaka matoky isika fa mahafantatra ny zavatra rehetra ny Tompo. Nanaiky hietry Izy, dia nankatò hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana (Filipiana 2. 8). Niady mafy Izy tao Getsemane, ary ni­taraina hoe : “Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity” (Lioka 22. 42). Tsy tokony ho nihemotra teo anoloan’izany làlan’ny fankatoavana an’ An­driamanitra izany ve ny fanahiny masina ? Làlana sarotra dia sarotra tokoa ny nizoran’Ilay Masina, Izay “nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany, teo am­bo­nin’ny hazo” (1 Petera 2. 24), ka “natao ota hamonjy antsika” (2 Korintiana 5. 21) ; ary nandao Azy teo Andriamanitra, ary nampihatra taminy ny fa­na­me­lo­ha­na sahaza antsika (Matio 27. 46 ; Zakaria 13. 7 ; Romana 8. 3) ! Eny, ni­zo­tra tamin’ny làlan’ny fankatoavana tanteraka Izy, ary tsy hisy zanak’An­dria­ma­ni­tra, na iza na iza, handia izany làlana izany : tsy hahavita tahaka izany ve­li­ve­ly isika. Noho izany, dia tsy hisy koa sorona ataontsika ho fankatoavana, ka tsy hahafantaran’Ilay Mpisoronabentsika izay ao am-pontsika, na tsy ha­ha­zoa­ny ny adintsika. Saingy satria nahatanteraka hatramin’ny farany izany làlan’ny fan­ka­toavana izany Izy, ka afaka nanao hoe : “Nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” (Lioka 22. 42), dia fantany koa, satria efa niainany, ny fan­draisan’ny fo an’Andriamanitra, raha mandalo izany, ary ny fanampiana omen’Andriamanitra. Hoy ny voasoratra : “Ary nisy anjely avy tany an-danitra, ni­seho teo aminy ka nampahery Azy” (Lioka 22. 43). Izany no anampiany an­tsi­ka, mba “hahitantsika fahasoavana, ho famonjena amin’izay andro mahory” (Hebreo 4. 16).

 

 

Ireo fakàm-panahy ataon’ny devoly

 

            Rehefa tonga maka fanahy antsika i Satàna, dia ory ny fontsika. Manao ahoa­na ny fahorian’ilay olona vaovao ao anatintsika, rehefa tonga ny devoly, ma­nisika saina tsy madio ao amintsika, na mitaona ny fontsika tsy hankatò, na mam­pitombo tsy mitsahatra ireo fanafihany, na mampivily ny saintsika rehefa ma­maky ny Tenin’Andriamanitra isika, na koa mampitsiry hevitra ratsy ao ana­tin’ny fontsika rehefa mivavaka isika, sy amin’ny fotoana tokony ha­nan­dra­tan­tsi­ka fanahy mandritra ny fivoriana.

            I Jesoa Tompo dia nalain’i Satàna fanahy, ary mbola tsy nisy olona nan­da­lo ny toy izany. Nalaim-panahy nandritra ny efapolo andro Izy (Lioka 4. 2). Na­me­ly Ilay masina sy madio, tamin’ny heriny sy ny hafetseny rehetra, i Satàna.

            Nanomboka tamin’ny fahalavoana, dia tsy nanana olana velively ny amin’ ny olona i Satàna. Nahita mpiray tsikombakomba mahery taminy izy, tao ana­tin’ny fo mpanota (finaritra ao amin’ny fahotana) izay ao anatin’ny olona lavo. “Izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany, mandritra ny an­dro” (Ge­ne­sisy 6. 5).

            Tsy mba tahaka izany i Adama, talohan’ny fahalavoany. Noarìn’An­dria­ma­ni­tra ho madio izy, saingy fanafihana iray monja dia ampy nahalavo azy, na dia tsy nahita làlana ifandraisana taminy tao anatin’ny fony aza i Satàna. Lavo i Adama, ary lasa andevon’i Satàna.

            Tao amin’i Jesoa, dia olom-baovao no teto an-tany, olona tsy mba nanana fo mpanota. “Tsy nahalala ota” Izy. Namely azy koa i Satàna, saingy hafa ny fan­dehan’ny ady, teo.

            I Adama dia voatafika tao anatin’ny saha Edena, izay feno zavatra naneho ny fahalehibeazan’Andriamanitra sy ny hatsaram-pony. I Jesoa Tompo kosa dia tany an-taniefitra  —izay marika lehibe amin’ny ozona eto amin’ity tany ity—, ary tsy nisy na inona na inona ho Azy tany. Nanampatra ny heriny sy ny ha­fetseny i Satàna, teo, mba hahatonga Ilay Masina ho lasa mpanota. Na­ha­ri­tra efapolo andro ny ady, ary nandritra izany i Satàna dia nampiasa ny fiadiany re­hetra, nefa dia resy. I Satàna no lasa, fa tsy ny Tompo Jesoa. Iza amintsika moa no afaka milaza ny amin’ny fakàm-panahy nahazo ny Tompo ? Iza no ma­halala tanteraka ny hafetsen’i Satàna sy ny tetik’ady rehetra nam­pia­sain’ ilay andrianan’ny haizina ? Ireo karazana fakàm-panahy telo farany ihany man­tsy no voatantara tamintsika. Nanao ahoana ny hamafin’izany, ho an’Ilay ma­dio, masina, ho an’Ilay “tsy nahalala ota”, nifanandrina tamin’izany ka­ra­zam-piadian’ny maizina rehetra izany ? Nanao ahoana ny fahorian’ny fa­na­hi­ny, izay masina ! Koa izany no hahatsapany tsara izay mianjady amintsika sy iom­bonany tanteraka amintsika, rehefa manampatra ny hafetseny amintsika i Sa­tàna ! Misy tokoa ve fakàm-panahy ataony amintsika ka tsy efa nam­pan­da­lo­viny tamin’ny Tompo Jesoa ? Noho izany, dia tena afaka manampy antsika to­koa ny Tompo Jesoa. Nivavaka ho an’i Petera Izy, mba tsy hangozohozo ny finoany. “Satria nalaim-panahy ny tenany, tamin’ny fahoriana nentiny, dia ma­ha­vonjy izay alaim-panahy koa Izy” (Hebreo 2. 18). “Fa isika tsy manana mpi­so­ro­nabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa na­laim-panahy tamin’ny zavatra rehetra, tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota” (Hebreo 4. 15).


 

Ny fiombonam-pony amintsika
izay ao anatin’ny zava-tsarotra sy ny fahoriana manjo antsika

 

            Raha mamoy hava-malala isika, iza moa, mihoatra noho Ilay nitomany teo amin’ny fasan’ny sakaizany, no afaka hahatsapa ny alahelon’ny fontsika ? Re­he­fa mahatsiaro ho irery isika, iza moa no tena nanirery noho Izy, Izay nian­tso­antso hoe : “Tsy mahita tory aho, sady tahaka ny tsikirity irery eo an-tam­pon-trano” (Salamo 102. 7) ? Rehefa mandao antsika ireo namana, iza no afa­ka mahatsapa ny mahazo antsika mihoatra Azy, satria voalaza fa : “Samy nan­dao Azy izy rehetra, ka nandositra” (Marka 14. 50) ? Rehefa tsy azon’ny olona ny mahazo antsika, na koa raha toa ka tsy maneho fiombonam-po amintsika ako­ry ireo izay itantarantsika ny zava-manahirana antsika, iza no afaka ha­ha­zo ny manjo antsika, mihoatra noho Izy, Izay navela ho irery tanteraka, ka ni­an­tsoantso hoe : “Niandry antra aho, fa tsy nisy, sy mpanony, fa tsy nahita” (Sa­lamo 69. 20) ? Raha niteny tamin’ny mpianany Izy, fa hatolotra tamin’io ali­na io, ka ho faty ho azy ireo, ary ny iray taminy kosa hamadika Azy, dia tsy na­ha­tsapa afa-tsy tsy firaharahàna Izy, teo amin’ireo izay nifanditra hahalala izay ho lehibe amin’izy ireo (Lioka 22. 19-24). Rehefa mila fahazavana isika, iza no afaka manampy antsika, tahaka Azy, Izay voalaza im-pito ao amin’ny fila­zan­tsa­ra araka an’i Lioka, fa nandeha nivavaka ? Eny, nandany alina tontolo Izy mba hivavahana, rehefa misy zava-dehibe hataony.

            Izany no Ilay Mpisoronabentsika any an-danitra, Izay “velona mandrakizay, ha­nao fifonana” ho antsika (Hebreo 7. 25). Tsy misy zava-tsarotra mahakasika ny tenany intsony, satria efa vita ny adiny. Amin’izany Izy dia afaka manampy an­tsika tanteraka, satria efa nandalo tamin’ireo ady mianjady amintsika sy ireo zavatra ilaintsika.

            Raha mandalo zava-manahirana aho, ka mahatsiaro ho kivy eny an-dà­la­na, dia manana Ilay mampahery sy manampy ahy, dia i Jesoa Kristy, Izay mi­fo­na ho ahy. Izy moa, raha mifona ho ahy, dia efa mahafantatra tsara ny fam­pi­ononana izay omen’ny fahasoavan’Andriamanitra, satria efa nandray izany, nan­dritra ny niainany tetỳ an-tany, fony nandalo zava-tsarotra tahaka izany. Fantany fa ampaherezina sy ampiononina ny fanahy, rehefa mandalo zava-tsa­rotra. Manome ahy ny zavatra rehetra Izy, ary mangataka amin’An­dria­ma­ni­tra ho ahy, noho ny fahatsapany tanteraka ny manjo ahy sy izay ilaiko. Mila fa­na­za­va­na ve aho, na koa mila fitarihan-dàlana ? Afaka manome ahy izany re­he­tra izany Andriamanitra, ary raisko avy aminy izay rehetra mahasoa ahy. Iza­ny, moa, dia noho ny asa sy fanampian’i Kristy irery ihany, Ilay Mpa­na­là­la­na ahy aminy.

            Satria ve mivavaka aho, dia mahazo izany rehetra izany ? Ny Tompo Je­soa dia nivavaka ho an’i Petera, talohan’ny nahafantarany izay zavatra hi­tran­ga. Tsia ! Tsy miankina velively amin’izay mety ho vavaka ataontsika ny fi­fo­na­ny ho antsika. Ny fahasoavany, ao am-pony manokana, no ma­na­tan­te­ra­ka ny za­vatra rehetra. Ampahafantariny antsika izany, mba hanatonantsika “ny se­za fian­drianan’ny fahasoavany, amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika fa­min­dràm­po sy hahitantsika fahasoavana, ho famonjena amin’izay andro ma­ho­ry” (Hebreo 4. 16).

 

            Manao veloma finaritra anareo.

Ilay sakaizanareo

H. L. H.


 

NY FAHATERAHAM-BAOVAO

 

 

Ry sakaiza malala isany,

 

            Araka izay hitantsika tao anatina taratasy iray tany aloha, dia maty mi­a­ra­ka amin’i Kristy ny kristiana. Ratsy loatra ny toetran’ilay olona taloha, ka tsy main­tsy nomelohin’Andriamanitra. Izany rahateo, miaraka amin’ny vahaolana omen’ An­driamanitra, no nohazavain’i Jesoa Tompo tamin’i Nikodemosy, ao amin’ny Jaona 3.

            Raha ny tena izy, moa, dia manomboka ao amin’ny toko faha-2, andininy faha-23, ny resaka momba izany. Tao Jerosalema ny Tompo, tamin’io fotoana io. Nandritra ny fotoanan’ny fety, tahaka izay nataony tamin’ny Paska, dia na­nao fahagagana Izy, hany ka “maro ny nino ny anarany, raha nahita ny fa­man­ta­rana izay nataony.” Izao nefa no voalaza, manampy izany : “Fa Jesoa tsy na­to­ky azy, satria Izy nahalala ny olona rehetra ; ary tsy nitady olona ha­nam­ba­ra olona Izy ; fa ny tenany nahalala izay tao am-pon’ny olona.” Ary nony avy na­na­tona an’i Jesoa ny iray tamin’izany olona izany, dia nahazo izao teny ma­ve­sa­tra izao taminy, hoe : “Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo ma­hita ny fanjakàn’Andriamanitra.”

 

 

Ny Zanak’olona, Izay any an-danitra

 

            Ao amin’ny andininy faha-11 sy faha-13 amin’ny toko faha-3, ny Tompo dia dia mampiseho hoe iza Izy. Izy no Zanak’olona, Izay any an-danitra. Izany dia isan’ny zava-miafina mahatalanjona momba ny Tenan’i Jesoa. Ny Jaona 1. 1 dia milaza fa Izy dia Andriamanitra tenany, izany hoe Jehovah. Ao amin’ny an­di­niny faha-14, nefa, dia hoy ny voasoratra, hoe : “Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika”, dia Ilay “Andriamanitra … naseho teo amin’ny nofo” iza­ny (1 Timoty 3. 16). Andriamanitra sy olombelona, tafaray ao amina Persona iray, zavatra saro-pantarina izany !

            Andriamanitra mandrakizay ny Tompo Jesoa, saingy nanetry tena, ka dia ton­ga olombelona. Tsy milaza nefa izany, hoe tsy Andriamanitra intsony Izy. Tsy azo heverina izany. Nandray nofo aman-dra Izy (Hebreo 2. 4), ary tonga olo­na tokoa (Galatiana 4. 4 ; 1 Timoty 2. 5) ; saingy na dia olona aza Izy, dia An­driamanitra mandrakizay koa (Isaia 9. 6). Zazakely nandry teo amin’ny fi­hi­na­nam-bilona Izy, nefa koa mihazona sy mitahiry ny zavatra rehetra. Raha sa­sa­try ny dia Izy, indray andro, ka noana sy nangetaheta, dia nangataka rano ta­min’ilay vehivavy Samaritana. Nasehony taminy fa Tsitoha izy, ka manome ny Fanahy Masina, ary mahalala ny zavatra rehetra, koa dia mahafantatra tan­te­ra­ka ny fiainan’ilay vehivavy. Amin’ny maha-tena olona Azy, dia natory Izy, tao an-tsambokely ; saingy nitsangana kosa, nandidy ny rivotra sy ny ra­no­ma­si­na. Rehefa nanonona ny Anarany Izy, dia lavo tamin’ny tany ny miaramila. Fo­toana fohy taorian’izany, nefa, dia nisambotra sy namatotra Azy ireo, ary nan­drora ny tavany sy nanaraby Azy.

            Sady tetỳ an-tany Izy, fony niresaka tamin’i Nikodemosy, no tany an-da­ni­tra. Izy dia afaka nilaza hoe : “Izay fantatray no lazainay” (Jaona 3. 11). Na­ha­fan­tatra Izy, ary Andriamanitra irery ihany no tena mahafantatra, araka ny tena he­vitr’io voambolana io. Tsy nisy olombelona tany an-danitra ; ka noho izany, tsy misy afaka milaza ny amin’ny zavatry ny lanitra. Ny Zanak’olona, kosa, dia ni­dina avy tany an-danitra. Eny, mbola tany an-danitra Izy. Raha niresaka mom­ba ny lanitra àry Izy, dia nilaza ny zavatra efa hitany, sy mbola hitany. Za­va­tra fantany rahateo no nolazainy, dia ny amin’ny lanitra izay Azy sy vo­ni­na­hi­ny. Tafaray ao aminy Andriamanitra sy ny olona, satria Izy dia sady An­dria­ma­ni­tra no olona, ao amina Persona iray. Izany no nahazoan’ny anjely na­nam­ba­ra, fony Izy teraka, hoe : “Fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona an­ka­sitrahiny” ! (Lioka 2. 14). Fantany Andriamanitra sy ny voninahiny, ary fan­ta­ny ihany koa ny olombelona.

 

 

Ny toetra maha-olona ny olombelona

 

            Hitantsika ao amin’ny Jaona 2. 23-25, ny amin’ny fijerin’ny Tompo ny olo­na. Tsy mba olona tsy nino, izay ho nandà Azy ampahibemaso, tsy akory, ireo ni­re­sahany ireo, fa olona izay nahafantatra sy nanaja Azy ary resy lahatra ny amin’ny maha-Mesia Azy, noho ny famantarana izay nataony. “Nino ny ana­ra­ny” ireo. Raha mijery maimaika isika, dia alaim-panahy hihevitra fa ireo no ani­san’izay nolazaina ao amin’ny Jaona 1. 12 fa nomena hery ho tonga zanak’An­dria­manitra. Nefa izao no voalaza momba azy ireo : “Fa Jesoa tsy natoky azy, sa­tria Izy nahalala ny olona rehetra ; ary tsy nitady olona hanambara olona Izy ; fa ny tenany nahalala izay tao am-pon’ny olona.”

            Resy lahatra ireo olona ireo, saingy mbola tsy niova fo. Nino ny Anaran’i Jesoa ireo, saingy tsy nandray Azy (Jaona 1.12). Nahita ny fahagagana na­tao­ny ireo ; resy lahatra ny fony sy ny sainy, tamin’izany, fa Izy no Mesia. Maro ny ta­haka azy ireo, tamin’izany andro izany, ary mbola an-tapitrisany koa, an­ke­hi­tri­ny. Tsy misalasala izy ireny, ny amin’ny fahamarinana kristiana. Ny sainy sy ny fony dia manampy azy ireo hahatakatra ny fahamarinana sy ny fa­ham­bo­nian’izany, ary izany no nanekeny ny finoana kristiana. Ny olombelona, amin’ ny toetra maha-olona azy fotsiny izao, dia manaiky tsara izany, satria mi­pe­tra­ka ho ambonin’ny fahamarinana sy ho ambonin’Andriamanitra, amin’izany. Mi­he­vi-tena ho mahalala ny marina izy, ka izay eken’ny sainy sy (na) ny fony ho tsa­ra no inoany,.

            Hafa tanteraka kosa, nefa, ny zavatra rehetra, rehefa ao amin’ny fa­ha­za­van’Andriamanitra ny feon’ny fieritreretana ! Eo vao hita ny toeram-pa­ha­ve­re­za­na sy fahamelohana misy ny tena ; ka tsy ny hitsara an’Andriamanitra in­tso­ny, na ny hitsara izay nambarany, no mameno ny saina. Ny hany hita mi­ha­ri­ha­ry dia ny fahamelohan’ny tena, izay mahatonga hitalaho hoe : “An­dria­ma­ni­tra ô ! Mamindrà fo amiko, mpanota !”

            Eken’ny olona ihany, amin’ny maha-olona azy, fa ilaina ny fahateraham-bao­vao, ho an’ny jentilisa sy ireo olona miaina ao amin’ny fahotana kivalavala. Fa ny tsy azon’ny olona, amin’ny maha-olona azy, dia ny hoe tsy maintsy ate­ra­ka indray ny isam-batan’olona, anisan’izany ny Jiosy, eny, na dia ny Fariseo aza, na dia ireo izay mankasitraka ny Tompo aza, ireo izay mino ny anarany, na dia i Nikodemosy aza, izay Fariseo, lehibe iray amin’ny Jiosy ary mpam­pi­a­na­tra ny Israely, olona nanome voninahitra ny Tompo Jesoa, dia voninahitra fa­ra­tampony azo omena ny olona, ary nanao hoe : “Raby ô, fantatray fa mpam­pianatra avy amin’Andriamanitra Ianao ; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy” (Jaona 3. 2) ; na izany olona izany, aza, dia mila ateraka indray (Jaona 3. 7). Fa Ilay na­nam­bara izany, moa, dia Ilay milaza izay fantany (Jaona 3. 11), satria Izy Ilay Andriamanitra mandrakizay. Tsy ny fahavalony ihany no itakiany an’izany, fa ireo manaiky Azy indrindra koa. Moa ve izany tsy mampahafantatra antsika ny toeram-pahaverezana tanteraka misy ny olombelona, sy ny tsy fahaizany ma­natona an’Andriamanitra, amin’ny toetra maha-olombelona azy ?

 

 

Raha tsy ateraka indray ny olona,
dia tsy mahazo mahita ny fanjakàn’Andriamanitra”

 

            Ny Tompo, eto, dia miresaka ny amin’ny fanjakàn’Andriamanitra, araka izay nanehoana azy tamin’izany vanim-potoana izany. Rehefa haseho amin’ny vo­ni­nahitra tsy ho ela izany, dia ho hitan’ny tany rehetra. Fa ankehitriny, aloha, dia mbola hafa dia hafa ny manoloana antsika, ao anatin’ny antsoiko hoe toe­tra maha-kristiana an’izany fanjakana izany, araka izay anehoana azy amin­tsi­ka amin’ny alalana fanoharana maro.

            Nony tonga tetỳ an-tany ny Tompo Jesoa, dia tonga tao Aminy ny fan­ja­kàn’Andriamanitra. Izay nanaiky Azy sy nandray Azy marina, amin’ny maha-Za­nak’Andriamanitra Azy ihany, nefa, no nahita izany fanjakana izany. Ireny irery ihany no nateraka indray.

            Tsy manaitra antsika ve ny hoe na ny rahalahin’i Jesoa, aza, dia tsy nino Azy ? Voasoratra ao amin’ny Marka 3. 21, mantsy, hoe : “Ary ny havany, raha nan­dre, dia nivoaka hihazona Azy ; fa hoy ireo : Efa very saina Izy” (Jereo koa ny Jaona 7. 5).

            Nahafantatra ny Tompo nefa izy ireo ! Hitany isan’andro isan’ora, nandritra ny taona maro, ny fiainany masina sy tonga lafatra, tao Nazareta. Tsy nam­ba­ran’i Maria sy Josefa tamin’izy ireo ve ny nanambaràn’ny anjely ny amin’ny ha­ha­te­ra­hany sy ny zava-mahagaga rehetra, tahaka izay voambara ao amin’ny Lioka 2, ohatra ? Izy ireo ve tsy nahare ny fanambaràna nataon’i Jaona Mpa­nao Batisa, izay zanak’olom-pirahavavy aminy ? Izy ireo ve tsy nahita maso ny fa­mantarana amam-pahagagana nataon’i Jesoa ? Hoy i Jaona : “Hitanay ny vo­ni­nahiny, dia voninahitra mendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray” (Jao­na 1. 14). Raha nisokatra ny lanitra, ka re ny feon’Andriamanitra na­nam­ba­ra hoe : “Ianao no Zanako malalako, Ianao no sitrako” (Marka 1. 11), ny ha­va­ny kosa dia nilaza Azy ho very saina, ka te hihazona Azy. Izany no ma­na­po­ro­fo ny fahamarinan’ny tenin’i Jesoa manao hoe : “Raha tsy ateraka indray ny olo­na, dia tsy mahazo mahita ny fanjakàn’Andriamanitra.”

 

 

Nateraka indray

 

            Tsy araka izay niheveran’i Nikodemosy azy, tsy akory, ny dikan’izany, na ara­ka ny ambaran’ny filôzôfia sy ny anganonganon’ny jentilisa maro, ka ila­za­ny fa hateraka indray tahaka ny zazakely ny olona efa antitra, na hiova ho toy ny zatovo fotsiny. Ny zaza vao teraka dia mitovy toetra amin’ny ray aman-dre­ni­ny, fa tsy ho tsara noho izy ireo velively, tsy akory. I Seta, zanak’i Adama tao­rian’ny nahalavoany, dia mitovy endrika amin’ilay rainy, izay mpanota ihany (Ge­nesisy 5. 3). Hoy i Joba : “Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio ? Tsy mi­sy, na dia iray akory aza” (Joba 14. 4) ! Ary ny Romana 5. 19 dia ma­nam­ba­ra amintsika fa noho ny tsy nankatoavan’i Adama, dia tonga mpanota avokoa ny taranany rehetra. “Izay ateraky ny nofo dia nofo” (Jaona 3. 6). Na dia ate­ra­ka impolo tahaka ny teo ihany aza, mantsy, i Nikodemosy (izany hoe nateraka ray aman-dreny mpanota), dia tsy misy na inona na inona miova, raha ny amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra.

            Mila hateraka indray[2] ny olona (Jaona 3. 3), izany hoe amin’ny fomba vao­vao tanteraka, dia avy amina loharanon’aina vaovao. Lazain’i Jesoa ao amin’ ny Jaona 3.5 ny amin’izany loharanon’aina vaovao izany, ka hoy Izy : “Lazaiko ami­nao marina dia marina tokoa : Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fa­nahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakàn’Andriamanitra izy.” Ny rano, ao amin’ny Soratra Masina, dia fantatra fa kisarisarin’ny Tenin’Andriamanitra izay miasa amin’ny olona, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Ny Efesiana 5. 26 dia manambara izany mazava ; tahaka izany koa ny Jaona 13. 10, izay am­pi­ta­hai­na amin’ny Jaona 15. 3.

Manadio izay rehetra sasàna aminy ny rano. Ny tenin’Andriamanitra, izay ampiharin’ny Fanahy Masina, dia manadio ny fironan-tsain’ny olona sy ny eri­treriny ary ny zavatra ataony. Miaraka amin’izany, ny Fanahy Masina dia mi­ton­dra fiainam-baovao ao amin’ny olona, amin’ny alalan’ny Teny, fiainana hafa to­koa, tsy manana ny toetran’ireo ray aman-dreny niteraka, fa kosa ny toe­tran’Ilay manome fiainana. “Izay ateraky ny Fanahy dia fanahy” (Jaona 3. 6).

            Hamafisin’ny Soratra Masina ombieny ombieny, moa, fa vokatry ny Te­nin’ Andriamanitra ny fahateraham-baovao. Hoy i Paoly, manoratra ho an’ny Ko­rin­tia­na : “Izaho no niteraka anareo ao amin’i Kristy Jesoa, tamin’ny filazantsara” (1 Korintiana 4. 15). Hoy ny voasoratra ao amin’ny Jakoba 1. 18 : “Tamin’ny si­tra­pony no niterahany antsika, tamin’ny teny fahamarinana.” Hoy koa i Petera : “Sa­tria efa nodiovinareo ny fanahinareo, tamin’ny fanarahana ny fahamarinana … fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin’ny voa mety ho lo, fa tamin’ny tsy me­ty ho lo, dia ny tenin’Andriamanitra, izay velona sady maharitra” (1 Petera 1. 22-23). Ao amin’ny 1 Tesaloniana 1. 5 dia voalaza miaraka ny Tenin’An­dria­ma­nitra sy ny Fanahy Masina.

            Ny Tompo dia manambara ny amin’ny tsy maintsy ahaterahana indray, mba hahazoana miditra ao amin’ny fanjakàn’Andriamanitra, satria Nikodemosy izay niresahany, dia anisan’ny lohan’ny Jiosy. Raha ny fomba firesaky ny Tom­po no heverina, araka izay nanoratan’i Jaona azy hatrany hatrany, dia afa­ka misintona hevitra fototra iray isika, dia ny hoe : hatramin’ny fahalavoana tao Edena ka mandra-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao, dia tsy maintsy ilaina ny fahateraham-baovao, mba hahazoana manana fifandraisana amin’ An­driamanitra.

 

 

“Tsy maintsy asandratra ny Zanak’olona”

 

            Raha manambara ny amin’ny zavatry ny lanitra ny Tompo, manomboka ao amin’ny Jaona 1. 12, dia misongadina ny zava-dehibe iray ilaina. Ny Za­nak’ olo­na, Izay any an-danitra, dia mahalala ny voninahitry ny lanitra, izay fo­ne­nan’Ilay “mazava”, izay tsy misy maizina ao aminy (1 Jaona 1. 5). Raha hiditra ao amin’izany voninahitra izany ny olombelona, dia tsy maintsy voalamina, alo­ha, ny momba ny ota. Mila afa-po ny amin’ny momba ny ota Ilay An­dria­ma­ni­tra, Izay voatsiratsira loatra, noho ny fahotan’ny olombelona. Ny olombelona dia tsy maintsy voadio amin’izay rehetra manakana azy tsy hiditra ao amin’ny vo­ni­nahitr’Andriamanitra. Ahoana àry no hahazoan’ny olombelona, izay mpa­no­ta be lavitra noho ny tamin’ny nandroahana azy hiala tao Edena, miditra any amin’ny paradisa any an-danitra, izay fonenan’Andriamanitra ?

            Tsy mety ho tanteraka izany, raha tsy nanao asa fanavotana, han­da­mi­na­na izay rehetra ilaina momba izany, Ilay sady Andriamanitra no olona. Tsy main­tsy hasandratra ny Zanak’olona, “mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3. 14-16).

            Tsy faran’izay lehibe sy avo ve izany fanomezana natolotr’Andriamanitra izany ?

            Endrey ! Mbola maro ny zavatra mifandraika amin’izany. Afaka miantso isika hoe : “Aba, Ray ô !”, satria ny Fanahy Masina, noho ny fiainam-baovao ao anatintsika, no manambara fa zanak’Andriamanitra isika (Romana 8. 15). Mpi­ara-mandova amin’i Kristy isika, ary tsy ho ela dia hiara-hanjaka aminy amin’izao rehetra izao sy hiara-hitsara aminy (Romana 8. 17 ; Efesiana 1. 10-11 ; 1 Korintiana 6. 2-3 ; sns.). Ny 1 Jaona 3. 1 dia mametraka antsika ho mi­to­vy laharana amin’i Jesoa Tompo, izay tsy mba fantatr’izao tontolo izao. Ny an­di­ni­ny faharoa dia manambara fa rehefa hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, ary “ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa”. Ny 1 Jaona 4. 17 dia milaza fa, raha ny amin’ny fitsarana, na dia mbola etỳ ambonin’ny tany aza isika, dia efa tahaka Azy izay any an-danitra sahady. Ny andininy faha-19, indray, dia ma­nambara hoe : “Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha.” Eny, manana ny toe­tran’Andriamanitra, izay fitiavana, isika. Mandresy izao tontolo izao isika (5. 4). Ary dia mbola mitanisa zavatra maro tahaka izany koa ny Soratra Masina.

            Na izany aza, nefa, tsy ny firaisana amin’ny Ray sy amin’ny Zanaka ve no le­hi­be indrindra, amin’ny zavatra rehetra (1 Jaona 1. 3) ? Ary izany dia ho an­tsi­ka, izay tsy nahazo nahita akory ny fanjakàn’Andriamanitra etỳ an-tany, ara­ka ny lazain’ny tenin’ny Tompo ao amin’ny Jaona 3, na niditra ao aminy, isika izay mpanota very, tokony ho very mandrakizay, dia isika izay fa­ha­va­lon’An­dria­ma­nitra sady tokony ho hàlany ; isika dia mahafantatra ny Ray sy i Jesoa Tom­po (1 Jaona 5. 20). Tsy tahaka ny fahafantaran’ny olombelona noarìna an’ Ilay Mpahary azy, nefa, no ahafantarantsika Azy, amin’izany, fa amin’ny tena maha-Izy Azy marina tokoa. Eny, manana firaisana amin’ny Ray sy amin’i Jesoa Kristy Zanany isika, ary izany dia tsy hoe rehefa tonga any an-danitra iha­ny, fa dieny etỳ an-tany. Raha ny amin’ny etỳ ivelany, tsy misy mampiavaka an­tsika amin’ny olombelona manodidina antsika, izay mbola eo ambany fa­he­fan’i Satàna.

            Rehefa azontsika izany, ka iainantsika marina tokoa, tsy ho feno sy tan­te­ra­ka ve ny fifaliantsika ?

 

Manao veloma finaritra anareo.

H. L. H.

 

 


 

FIRAISANA AMIN’NY RAY
SY AMIN’I JESOA KRISTY ZANANY

 

 

Ry sakaiza malala isany,

 

            Hitantsika tany aloha, fa na iza na iza mino an’i Jesoa Tompo, dia tsy hoe ma­hazo ny famelàna ny helony fotsiny ihany, fa mahazo fiainam-baovao mi­hi­tsy koa. Naterak’Andriamanitra izy, ka dia manana ny ain’Andriamanitra sy ny toe­tran’Andriamanitra (Jaona 1. 13 ; 2 Petera 1. 4). Izany fiainana izany, moa, izay fiainana feno tanteraka, no antsoina hoe “fiainana mandrakizay”, ary ny 1 Jao­na 5. 20 dia milaza ny amin’i Jesoa Tompo, fa “Izy no Andriamanitra ma­ri­na sy fiainana mandrakizay.” Ny Tompo Jesoa mihitsy izany no fiainantsika.

            Miteraka vokany tsy tambo tononina izany, ho antsika. Tonga olona an­ka­si­trahina isika, “ao amin’ny Malala” (Efesiana 1. 6), ary tafafindra ho ao amin’ ny fanjakàn’Ilay Zanaka malalan’ny Ray (Kolosiana 1. 13). Noho izany, dia ma­nai­ky antsika tanteraka Andriamanitra, toy ny anekeny Ilay antsoiny hoe “Ma­la­la”. Mbola tsara lavitra noho izany, nefa, ny ambaran’i Jaona apostoly ao amin’ny epistily voalohany nosoratany. Lazainy fa natao mitovy Aminy isika. Tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Azy (1 Jaona 3. 1). Eto amin’izao tontolo izao isika, dia tahaka Azy, Izay efa any an-danitra an­ke­hi­tri­ny (4. 17). Ho tahaka Azy isika, ka hahita Azy amin’izay tena endriny tokoa (3. 2). Ampitahao ihany koa izay voalazan’ny 1 Jaona 4. 12-13 sy izay ao amin’ ny Jaona 1. 18. Ny ao amin’ny 1 Jaona 5. 20 ihany koa, moa, dia manao hoe : “Fan­ta­tsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ka efa nanome antsika fa­ha­za­van-tsaina, mba ho fantatsika Ilay marina.” Voarakitr’izany avokoa ny zavatra re­hetra.

            Rehefa noarìn’Andriamanitra i Adama, dia nomeny saina. Izay no mam­pi­a­va­ka ny olombelona sy ny biby. Ny fahazavan-tsain’ny olombelona, nefa, dia mom­ba ny tany ihany, ka tsy mahatakatra afa-tsy ny zavatry ny tany. Na dia za­vaboary ambony noho ny olombelona ihany koa aza, nefa, ireo anjely, dia tsy afaka mahafantatra an’Andriamanitra. Mpanompo mahery sy matanjaka ireny, ary vonona mandrakariva ny hanatanteraka izay sitrapon’An­dria­ma­ni­tra ; saingy naniry hahita sy handinika ihany koa ny zavatra izay nolazaina an­tsi­ka (1 Petera 1. 12).

            Ny mpanota very, izay fahavalon’Andriamanitra, nefa nandray an’i Jesoa Tom­po, dia nomeny Ilay Zanany ho fiainam-baovao ; ka ao aminy sy amin’ny ala­lany, dia omeny azy koa fahazavan-tsaina hahafantarany an’Andriamanitra. Tsy hoe afaka mahita ny fisehoan’ny voninahiny fotsiny isika, araka izay ha­hi­tan’izao tontolo izao azy tsy ho ela, amin’ny fiverenan’i Jesoa Tompo eny amin’ny rahon’ny lanitra, ka ho hitan’ny maso rehetra, fa hahita Azy amin’izay te­na endriny tokoa, fa tsy araka izay hisehoany fotsiny ihany. Eny, ankehitriny isi­ka dia efa afaka mahazo izany fisainany izany. Hitantsika ny tena vo­ni­na­hi­ny, izay mameno ny fontsika rahateo ihany koa. Manana fisainana sy fi­he­tse­ham-po mitovy amin’ny an’Andriamanitra isika. Vohainy ho antsika ny fony, ka la­zainy amintsika izay ao anatiny sy izay mameno izany ; ary dia azontsika sy iarahantsika mizara ny teniny sy ny fihetseham-pony. Tonga manana firaisana amin’ny Ray sy amin’i Jesoa Kristy Zanany isika.

 

 

Firaisana amin’ny Ray sy amin’i Jesoa Kristy Zanany

 

            Inona moa no mameno ny fon’ny Ray ? Moa ve tsy ny Zanaka ary ny vo­ni­na­hitr’io Zanany io sy ny asany ? Raha mbola tetỳ an-tany ny Zanaka, dia ni­toe­tra tao aminy avokoa ny fahafenoan’Andriamanitra rehetra (Kolosiana 1. 19). Na tamin’ny niantombohan’ny asa ampahibemaso nataon’ny Tompo (Lio­ka 3. 22), na teo amin’ny fiafaran’izany (Matio 17. 5), dia izao no fa­nam­ba­ràn’ ny Ray : “Ity no Zanako malalako, Izay sitrako.” Taorian’izany dia tonga ny asam-panavotana tany Golgota.

            Nanao ahoana moa no nahitan’ny Ray izany asa izany ? Hoy i Jesoa : “Iza­ny no itiavan’ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko, mba han­drai­sa­ko azy indray” (Jaona 10. 17). Ny Ray dia tia Ilay nandeha an-tsitrapo na­na­to­na ny hazofijaliana, Ilay maty, mba hanome voninahitra ny anaran’An­dria­ma­ni­tra sy hanatanteraka ny sitrapony ; dia Ilay nanaiky hitondra ny fahotantsika tao amin’ny tenany, teo amin’ny hazo (1 Petera 2. 24), ka natao ho ota (2 Korintiana 5. 21), ary niharan’ny fitsaràn’Andriamanitra sy nafoiny. Eny, dia Izay tsy nanan-tsiny, fa tanteraka tao anatin’izany rehetra izany : “Kristy, Izay na­natitra ny tenany tsy manan-tsiny, ho an’Andriamanitra” (Hebreo 9. 14).

            Hoy ny Ray amintsika : “Ity no Zanako malalako.” Dia hoy kosa isika ma­ma­ly izany : “Izy no Mpamonjy malalantsika”. Hoy ny Ray : “Noho ny fitiavany Ahy (Eksodosy 21. 5), dia niaritra ny fijaliana rehetra tany Golgota Izy, ka na­ha­tan­te­raka ny asam-panavotana” ; ary hoy kosa isika : “Tia antsika i Kristy, ka nanolotra ny tenany ho fanatitra mba ho fanavotana antsika” (Jereo Efe­sia­na 5. 2). Isika tsirairay avy, kosa, hanao hoe : “Ny Zanak’Andriamanitra … efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2. 20).

            Izany Zanaka be voninahitra izany, Izay mameno ny fon’ny Ray, dia ma­me­no ny foko ihany koa. Ny Ray dia maneho amintsika ny voninahitry ny Za­na­ka, ary isika kosa manambara amin’ny Ray izay rehetra hitantsika ao amin’ ilay Zanaka. Izany no firaisana sy fiombonana : iray fo sy tombon-tsoa ; ary Olona iray ihany no miara-mameno fifaliana sy fahafaham-po ao anaty.

            Tsy izany indrindra koa, ve, no ataon’Ilay Zanaka ? Izy no naneho antsika ny Ray. Rentsika Izy nanao hoe : “Aba, Ray ô !” (Marka 14. 36). Ary isika koa, an­kehitriny, dia afaka manao hoe : “Aba, Ray ô !” (Romana 8. 15).

            Tsy izany ve no zavatra ambony indrindra, dia ny mahafantatra an’An­dria­ma­ni­tra, eny, mahalala Azy ? Tsy ny mandray sy misitraka ny fitahiany sy ny za­va­tra rehetra omeny ihany, fa ny mandray sy ny manana Azy ho An­dria­ma­ni­tra mihitsy ? Ary ny manana firaisana amin’Ilay Andriamanitra Ray sy amin’ ny Zanany, noho izany ? Tsy misy ambony sy manan-danja noho izany. Ny fa­na­tan­terahana izany dia mitondra fahasambarana tanteraka ho an’ny fo, dieny etỳ an-tany.

            Izany no nahatonga ny apostoly hanao hoe : “Izao zavatra izao no so­ra­ta­nay, mba ho tanteraka ny fifalianareo” (1 Jaona 1. 4).

 

 

Andriamanitra dia mazava, ary tsy mba misy maizina akory ao aminy

 

            Io firaisana amin’ny Ray sy amin’ny Zanany io dia mazava ho azy fa tsy main­tsy mifanaraka amin’ny toetra maha-Andriamanitra an’Andriamanitra. An­dria­manitra dia mazava. Tsy maintsy ao amin’ny mazava, izany, isika vao afa­ka manana firaisana aminy. Isika nefa dia maizina fahiny, fa efa mazava ao amin’ny Tompo, kosa, ankehitriny (Efesiana 5. 8). Mandeha ao amin’ny ma­za­va isika, ary izany no ananantsika firaisana amin’ny kristiana hafa, satria man­tsy ny ran’i Jesoa Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, no fototry ny toerana misy an­tsika ankehitriny sy porofon’ny maha-marina Azy.

            Ao amin’ny 1 Jaona 1. 7 dia tsy ny amin’ny fomba andehanantsika amin’ izany no resahina, fa hoe aiza no andehanantsika. Rehefa miresaka momba ny fandehanana ao amin’ny mazava isika, dia ny amin’ny fiainantsika sy ny fi­ton­dràntenantsika no tiana holazaina, amin’izany. Ny resaka àry, eto, dia ny hoe aiza no andehanantsika. Ary izay rehetra nateraka indray, ka afaka tamin’ ny fahefan’ny maizina, dia tonga mendrika “hanana anjara amin’ny lovan’ny olo­na masina, eo amin’ny mazava” (Kolosiana 1. 12-13), dia mandeha amin’ny ma­za­va. Ny ra izay nanadio tamin’ny fahotana rehetra no porofo manamarina an’izany toerana misy ahy izany. Andeha isika handray ohatra iray : raha mbo­la ao anatin’ny koveta feno ranon-tsavony ny tanako, dia tsy ho azon’ny loto ve­li­vely. Ny herin’ny ranon-tsavony, izay nanadio ny tànako, dia manakana azy tsy haloto. Amin’ny fomba ahoana moa no hampaloto ny tanako, raha mbo­la mitoetra ao anatin’ny rano izay manan-kery hanadio izay rehetra maloto izy ? Dia tahaka izany koa, ny herin’ny ra, izay manjaka ao anatin’ny mazava, no porofo fa mifanindran-dàlana amin’ny mazava aho.

            Tsy manova na inona na inona nefa izany, noho ny fananako ny toetrako fa­hiny, izay mbola ao anatiko ihany. Raha mandà izany aho, ka milaza fa tsy ma­nana ota, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatiko. Ary raha milaza aho fa mbola tsy nanao zava-dratsy mihitsy, ary mbola tsy nanota, dia mam­pan­dainga an’Andriamanitra ; satria mantsy Andriamanitra dia efa niteny hoe : “Sa­my efa nanota izy rehetra” (Romana 3. 23).

            Ny 1 Jaona 1. 10 dia tsy milaza hoe : “Raha hoy isika : tsy manota isika”, fa hoe : “Raha hoy isika : tsy nanota isika”, matoanteny mitanisa ny lasa. Ny So­ra­tra Masina dia tsy milaza velively fa tsy maintsy manota ny mino. Manana toe­tra vaovao mantsy isika, dia toetra izay tsy afaka manota, sady isika koa ma­na­na ny herin’Andriamanitra ao anatintsika, dia ny Fanahy Masina, Izay ma­no­me antsika hery ahazoantsika mandeha araka ilay fiainam-baovao ana­nan­tsika. Ao amin’ny mazava no andehanantsika, ka afaka manavaka tsara izay tsy mifanaraka amin’izany mazava izany isika.

            Indrisy, nefa, fa isika dia voatery manao hoe : “Fa tafintohina amin’ny za­va­tra maro isika rehetra” (Jakoba 3. 2). Saingy tsy mahafa-tsiny antsika, tsy ako­ry, izany.

            Manantena aho fa ho afaka hiresaka bebe kokoa ny amin’izany, ao amin’ ny taratasiko manaraka.

 

Mametraka ny veloma finaritra.

                                               Ilay sakaizanareo H. L. H.

 

 


 

KRISTY, MPISOLOVAVA ANTSIKA

 

 

Ry sakaiza malala isany,

 

            Manohy ny taratasiko teo aloha aho, ka te hiresaka izao zavatra manaraka izao :

Raha manota ny mpino iray

 

            Inona no mitranga raha manota isika, amin’ny maha-mpino antsika ? Mety manova ny toerana maha-zanak’Andriamanitra antsika ve izany ? Ary tonga lavitra ny tavan’Andriamanitra ve isika ?

            Ao amin’ny Hebreo 9 sy 10 no ahitantsika ny valin’izany fanontaniana iza­ny. Nahazo fanavotana mandrakizay i Kristy. “Fa ny fanatitra iray ihany no efa na­ha­tanterahany ho mandrakizay izay olona hohamasinina” (Hebreo 10. 14). Ta­fa­toetra mandrakizay ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, amin’ny ma­ha-zavaboariny antsika. Tonga fifandraisan’ny zanaka amin’ny Rainy, ny fi­fan­drai­santsika aminy. Tsy voaovan’inona na inona intsony izany fifandraisana izany.

            Koa tsy miraharaha ny fahotan’ny zanany intsony àry ve, izany, Ilay Rain­tsi­ka ? Ny Raintsika dia Ilay Andriamanitra mazava, ka tsy misy maizina mi­hi­tsy ao aminy. Madio dia madio ny masony, ka tsy mahazaka ny ratsy ; ary tsy main­tsy hamasinina ao amin’izay manatona Azy Izy. Zakany ny fahotan’ny tsy mi­no, ny fahotan’izao tontolo izao tsy mankatò Azy, fa tsy tantiny velively kosa ny fahotan’ny zanany. Izy Izay Masina, ve, mety hanana fifandraisana amin’ny ota, na amin’ny olona izay voaloton’ny fahotana ? Noho izany, tapaka avy ha­tra­ny ny firaisantsika amin’Ilay Ray sy ny Zanany, raha manana fisainana sy fi­te­ny feno ota sy foana isika, na maneho tsy fankatoavana, izany hoe manota. Tsy ho tafaverina amin’ny laoniny izany firaisana izany, raha tsy voaisotra, ara­ka ny fihevitr’Andriamanitra, izany fahotana izany. Ka “raha miaiky ny fa­ho­tan­tsika isika, dia mahatoky sy marina Izy, ka mamela ny fahotantsika sy ma­na­dio antsika, ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1. 9). Ny fiai­kena ny fahotana sy ny fitsarantsika ny tenantsika ihany no hampahadio an­tsika.

 

 

Ny fitsarana ny tena no hany fomba
hoenti-manarina indray ny fifandraisana

 

            Foto-kevitra hitantsika ao amin’ny Soratra Masina iray manontolo izany, na ao amin’ny Testamenta Taloha na ao amin’ny Testamenta Vaovao. Andeha isi­ka handray ohatra mikasika izany, ao amin’ny Testamenta Taloha. Ao amin’ny Levitikosy 4 sy 5 sy sombintsombin’ny toko faha-6 sy faha-7 dia ahi­tan­tsika ireo toro-làlana nomena ny Israelita izay nanota. Tsy mpanota man­dro­so ho amin’ny fibebahana, tsy akory, no resahina eto, na dia azon’ny mpi­to­ry filazantsara ampiasaina hanehoana ny foto-kevitry ny filazantsara ihany, aza, ireo andinin-tSoratra Masina voalaza ireo. Ao anatin’ireo toko ireo, ny Isra­elita dia aseho ho toy ny vahoaka izay entina eo amin’Andriamanitra, amin’ ny alalan’ny fanati-panavotana (Levitikosy 16), ary Andriamanitra dia mitoetra eo anivony, amin’ny alalan’ny fanatitra alatsa-dra izay atao tsy tapaka (Ek­so­do­sy 29. 38-46). Ankehitriny kosa, nefa, satria efa nampanatonina an’An­dria­ma­ni­tra, amin’ny maha-olony azy, ireo vahoaka ireo, sady tonga matoky fa an­ka­si­tra­hina noho ny amin’Ilay Malala (Efesiana 1. 6 ; Levitikosy 1 ary 7 sy 8), ary satria efa nahazo zavatra tandrify ny fony izy, hoentiny mamakivaky ny efi­tra (dia ny mofo atao fanatitra, izany) (Levitikosy 2), ka manana firaisana amin’ An­driamanitra, amin’ny fandraisana anjara sy fisitrahana zavatra iray loha iha­ny (dia ny fanati-pisaorana izany) (Levitikosy 3 sy 7. 11-34), dia tsy maintsy ala­mi­na ny amin’izay mety ho fahalotoana mahazo azy isan’andro.

            Ny Levitikosy 5. 1-4 dia mamaritra amintsika ireo karazana fahalotoana telo lehibe miseho eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Ny karazany voa­lo­ha­ny, lazain’ny andininy 1, dia rehefa tsy vita ny mijoro hanohitra ny ratsy, na hian­dany amin’ny tsara. Araka izany, ny fanadinoana koa dia mety ho ota. Ny an­di­niny faharoa dia milaza ireo fahalotoana vokatry ny mbola tsy fi­sa­ra­han­tsi­ka tanteraka amin’ireo zavatra avy amin’izao tontolo izao. Ny andininy faha-4 dia milaza ireo vokatry ny tsy fahampian’ny fahalalana onony sy ny fifehezan-te­na, izany hoe fahalotoana mivoaka avy ao anatin’ny fontsika ihany. Ma­nam­py izany, dia lazain’ny andininy faha-15 ihany koa ny fahadisoana amin’ny za­va­tra voatokana ho an’Andriamanitra. Farany, ao amin’ny andininy faha-20 sy ny manaraka, dia resahina ny amin’ny halatra sy ny fihazonana zavatr’olona.

            Ahoana no hahadio ny Israelita iray rehefa nanao fahadisoana izy ? To­ka­na ihany ny làlana, dia araka izay voalaza ao amin’ny Levitikosy 5. 5-6 hoe : “Ra­ha meloka amin’ny anankiray amin’ireo izy, dia hiaiky izay zavatra na­no­ta­ny, ary hitondra ny saziny ho an’i Jehovah, noho ny fahotana izay nataony.” Mi­sy zavatra hafa koa, mety manampy izany (ohatra, tsy maintsy ampiana am­pa­ha­diminy ny zavatra izay averina, raha tamin’i Jehovah na tamin’ny ra­ha­la­hy no nakana izany (Levitikosy 5. 6, 23-24)) ; fa ny zavatra voalohany, ny fe­pe­tra fototra, dia izao : miaiky ny fahotana ary mitondra fanatitra noho ny ratsy na­tao.

            Ny fitsarana ny tena  —fanambaràna ireo fahotana vita, izany hoe ny fa­ha­di­soa­na natao—  no fepetra ilaina, amin’ny famelàn-keloka sy ny fanarenana re­he­tra (jereo, ohatra, ny ao amin’ny 1 Korintiana 11. 31 sy ny 1 Jaona 1. 9). Mba hahaizantsika mitsara sy mandinika ny tenantsika  —izany hoe tsy ny man­di­nika sy ny mitsara ny zavatra nahadiso antsika ihany, tsy akory, fa ny man­di­nika sy ny mitsara ny toetrantsika mihitsy koa, tahaka izay nataon’i Da­vi­da ao amin’ny Salamo 51. 5-7—  dia taomin’Andriamanitra isika hibanjina ny ha­zo­fi­jaliana, mba hahatsapantsika ny atao hoe ota. Tsy hoe halatsaka ho an­tsi­ka indray, tsy akory, ny ran’i Kristy  —vita indray mandeha izany, ary tsy mi­ve­ri­na intsony—, fa ny mba hahatonga antsika hiaiky fa maharikoriko ireo fa­ho­ta­na rehetra, ireo izay vao nataontsika ihany koa, rehefa mandinika izay tsy main­tsy niaretan’ny Tompo teo amin’ny hazofijaliana, noho ny fahotantsika, isi­ka (fanatitra noho ny ota). Tsy ny hazofijaliana mivantana, tsy akory, no voa­la­za ao amin’ny Levitikosy 1 ka hatramin’ny 7, fa fampahatsiahivana azy ihany. Ao amin’ny Levitikosy 16 sy ao amin’ny Eksodosy 29 no ahitantsika ny ha­zo­fi­ja­lia­na, izay fototra ahazoantsika manakaiky an’Andriamanitra.

            Ny fibanjinantsika izay niaretan’ny Tompo Jesoa tany Golgota noho ny fa­ho­tan­tsika, ihany, no hahatsapantsika fa tena maloto sy maharikoriko tan­te­ra­ka ny fahotana. Tsy maintsy nafoin’Andriamanitra Izy, teo, ka niaritra ny fa­na­me­lo­ha­na sy ny fahafatesana, satria “nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany, teo ambonin’ny hazo” (1 Petera 2. 24). Taomina àry isika handini-tena marina, ka halahelo noho izay nataontsika. Tsy hanamaivamaivana ny fahotana intso­ny isika, na koa hanadino fa ny hany làlana ahazoana mamerina indray ny fa­na­na­na firaisana amin’Andriamanitra, dia ny fiaikena ny heloka eo anatrehany, alo­ha, sy eo anatrehan’ny olona ihany koa, raha izy ireo no nilanja ny vo­ka­tr’ilay hadisoantsika.

 

 

Ireo fahotana tsy tsapa

 

            Misy zavatra tena manahirana, eto : manota isika, matetika, nefa tsy ma­ha­tsa­pa izany mihitsy, ary indraindray aza dia heverintsika fa zavatra tsara no ataon­tsika. Tsy mahafa-tsiny antsika, nefa, ny tsy fahalalana. “Raha misy olo­na manota, satria manao izay tsy tokony hatao, ka mandika ny anankiray amin’ny didin’i Jehovah, nefa tsy fantany izany, (dia) mahameloka azy (izany), ary mitondra ny helony izy” (Levitikosy 5. 17).

            Izany no nahatonga an’i Davida hangataka, ao amin’ny Salamo 19, hoe : “Ataovy tsy manan-tsiny aho, ny amin’ny ota izay tsy fantatra.” Mila mahatsapa ny otantsika, aloha, isika, vao ho afaka miaiky izany, araka ny voasoratra ao amin’ny Levitikosy 4. 23, 28, hoe : “Misy mampahafantatra azy ny fahotany izay nataony.” Saingy iza no hampahafantatra izany, raha toa ka hevitra na teny sy zavatra natao tsy misy mpahalala izany ? Iza no handresy lahatra antsika, rehefa mihevi-tena ho marina isika ? Ny fitiavan’Andriamanitra dia efa nanomana ny amin’izany koa : “Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo, mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesoa Kristy, Ilay Marina” (1 Jaona 2. 1). Aoka hovakiantsika sy hodinihintsika tsara izany teny izany.

 

 

Kristy, Mpisolovava antsika

 

            Ny teny grika hoe “parakletos”, eto, izay adika hoe “mpisolovava”, dia tsy hi­tantsika afa-tsy ao amin’ny Jaona 14 sy 16 ary ao amin’ny teny izay di­ni­hin­tsi­ka. Ao amin’ny Jaona 14 sy 16 moa izy dia adika hoe “Mpananatra”, na “Mpam­pionona”, ary iantsoana ny Fanahy Masina.

            Io raharaha maha-mpisolovava io dia tanterahin’i Jesoa Tompo ho antsika any an-danitra amin’izao fotoana izao ; saingy tsy eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny maha-Andriamanitra Azy, satria efa vita sy tanteraka teo amin’ny ha­zo­fi­jaliana ny asa fanavotana antsika ; fa eo anatrehan’ny Ray.

            Ao amin’ny iray amin’ireo taratasy tany aloha, dia hitantsika ny maha-Mpi­so­ro­nabentsika ny Tompo Jesoa, izay mifona ho antsika, eo ana­tre­han’An­dria­ma­ni­tra, mikasika ny fahalementsika sy ny zava-manjo antsika etỳ an-tany. Eto, indray, dia ahitantsika ny fifandraisan’ny Tompo Jesoa amin’ny fa­ho­tan­tsi­ka andavanandro. Mpisolovava antsika eo anatrehan’ny Ray kosa Izy, raha sen­dra manota isika. Tsy hoe Mpisolovava antsika rehefa malahelo ka miaiky ny fahotantsika fotsiny ihany, nefa. Amin’ny fotoana izay hanotako, dia efa mi­so­lo­vava ahy any an-danitra sahady Izy, ary mitsangana hiaro ahy sy ny tom­bon­tsoako, eo anatrehan’ny Ray.

            Iza io Mpisolovava io ? I Jesoa Kristy, Ilay Marina. Izy no tandrify indrindra ny fahamarinan’ny Ray, sady fahamarinako ihany koa (1 Korintiana 1. 30). Am­bo­nin’izany nefa Izy dia nanatanteraka asam-panavotana lavorary tanteraka, ka tsy avotra noho ny fahotantsika ihany, fa avotra ho an’izao tontolo izao mi­hi­tsy. Izy, izany, noho ny maha-Izy Azy sy noho ny asam-panavotana lavorary no­tan­terahiny ka nankasitrahin’ny Ray, dia tonga Mpisolovava ho ahy, raha na­nota aho.

            Hitantsika teo aloha, nefa, fa aorian’ny fiaikena ny fahotana irery ihany no mi­­sy ny famelàn-keloka. Noho izany, ny fizarana faharoa amin’ny asa maha-mpi­­s­o­lovava ny Tompo Jesoa, dia ny fikarakarana antsika sy ny fitaomana an­tsi­ka hiaiky ny fahadisoantsika.

 

 

Ny fanasana tongotra

 

Ny alina nanolorana ny Tompo, dia naneho izany asa fanompoana izany Izy, tamin’ny alalana fihetsika iray manambara zavatra. Te hanorina ny Fa­na­sàn’ny Tompo Izy, dia ilay famantarana ny fiombonan’Ilay Mpamonjy Izay ma­ty, amin’ireo rehetra isan’ny momba ny tenany (1 Korintiana 10. 16-17). Saingy ahoa­na nefa no hisian’ny fiombonana amin’ny mpianatra izay maloto, sy Ilay Tom­po, Izay tsy maintsy ho faty, mba hanafoana ny ota ? Tsy misy afa-tsy ny fi­tsa­rana ny maloto (1 Korintiana 11. 26-32).

Araka izany, ny Tompo, Izay mahafantatra tsara hoe iza Izy, noho ny fi­tia­va­ny tapitra ohatra ka niaritra hatramin’ny farany, dia nandray ny toeran’ny mpa­nompo ka nanasa ny tongotry ny mpianany. Nampiasain’Andriamanitra ny tsy fahalàlan’i Petera (izay tsy nahatakatra fa izay rehetra nataon’ny Tompo dia tsara, ka na dia tsy azontsika aza, dia tokony hekentsika hatrany), mba ham­pahafantarana antsika mazava ny dikan’ity fanasana tongotra ity. Ny mpi­a­natra dia efa madio, satria efa voasasa tanteraka (nampandroina), tamin’ny ala­lan’ny fahateraham-baovao. Saingy mba hahazoany anjara aminy, ka mba hi­ai­nany ny firaisana aminy, dia tsy maintsy nodiovina izy ireo, tamin’ny fa­ha­lo­toa­na nanjo azy ireo tamin’ny fizotrany andavanandro (Jaona 13. 8-11).

 

 

Ny nandàvan’i Petera

 

            Asehon’ny filazantsara amintsika, ary amin’ny alalan’ny zavatra nan­da­lo­van’i Petera ihany koa, ny fomba anatanterahan’ny Tompo io asa maha-mpi­so­lo­vava Azy io. Very ny firaisan’i Petera tamin’ny Tompo. Tsy dia nisy toe-ja­va­tra lehibe nitranga loatra, nefa, satria na izy tenany, aza, tsy nahatsapa iza­ny, sady tsy nisy nampahafantatra azy rahateo. Rehefa nilaza tamin’ny mpi­a­na­ny nefa ny Tompo fa ho tafintohina ny Aminy izy rehetra, dia hita fa i Petera ko­sa dia nihevi-tena ho tsara, ka nanambara fa ny fitiavany sy ny maha-ma­ha­to­ky azy dia be kokoa noho ny an’ireo mpianatra namany. Hoy moa izy, tamin’ izany : “Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina mandrakizay” (Matio 26. 33). Tsy ho niteny toy izany i Pe­te­ra, raha tena nanana firaisana tanteraka tamin’ny Tompo. Tsy manan-toerana eto, mantsy, ny nofo sy ny avonavona. Nampiasain’ny Tompo ham­pi­tan­dre­ma­na an’i Petera izany teniny izany, nefa koa nataony hampahafantarana azy fa ma­ha­lala ny zava-drehetra Izy, mba hahatsiarovan’i Petera izany, rehefa avy nan­dà Azy izy. Hanampy azy hiarina, amin’izay, ny fieritreretana fa na­ha­fan­ta­tra ny zavatra rehetra ny Tompo, saingy tsy mba nanilika azy ; ary hananany to­ky fa tsy hanilika azy velively, tsy akory, ny Tompo ankehitriny. Fahamoram-po sy fahasoavana tsy hay lazaina izany ! Eny, fitiavan-dehibe sy fikarakarana fa­tra­tra ! Talohan’ny nanotan’i Petera dia efa nivavaka ho azy ny Tompo, nefa tsy ny hanakanana an’i Satàna tsy haka fanahy azy, tsy akory, no antony. Nila io fahalavoana io i Petera, hianarany mahafantatra ny tenany. Tsy nahatratra iza­ny tanjona izany ny teny mamy sy feno fitiavana nataon’ny Tompo ; ary na ny fampitandremana mavesa-danja naloaky ny vavany, aza, dia tsy nisy vo­ka­ny (and. 34). Noho izany, tsy ny fanafoanana ny fakàna fanahy an’i Petera no nan­gatahin’ny Tompo, fa ny tsy hahalevona ny finoany. Ary mba hiarovany azy tsy ho azon’ny hakiviana, taorian’ny nahalavo azy, dia nomen’ny Tompo an­draikitra hotanterahina izy, aorian’ny fiverenany.

            Sahirana nihevitra ny tenany loatra nefa i Petera, ka tsy nisy nahataitra ny fi­eritreretany, na inona na inona. Mety nampalahelo azy ny tenin’ny Tompo mi­van­tana manokana ta­mi­ny, hoe : “Hay ! tsy mahazaka ny miara-miari-tory ami­ko, na dia ora iray ihany aza, ianareo !” (Matio 26. 40), nefa ireny dia tsy na­ha­ton­ga azy hahatsapa tena ; ary mbola nandositra koa aza izy, namela ny Tom­po ho irery, nanamparan’ny fahavalo ny heriny (Matio 26. 56). Eny, fa na dia efa nandà ny Tompo aza izy, rehefa nanomboka nianiana hoe : “Tsy fantatro iza­ny Lehilahy izany” (Matio 26. 72), dia mbola tsy tonga saina ihany (kanefa dia io Petera io ihany no nanambara hoe : “Ianao no Kristy Zanak’An­dria­ma­ni­tra velona.”) Endrey ! Manao ahoana ny faharatsian’ny fon’ny zanak’olom­be­lo­na !

            Nefa, ô fitiavana mahatalanjona ! Tamin’ny fotoana izay nikapohan’ny mi­a­ra­mila sy namelahany tehamaina ary nandrorany Azy (Matio 26. 67), indrindra, dia nitodika nijery an’i Petera Izy. Io fijerin’ny Tompo azy io, tamin’izay fotoana izay, miampy ny fitamberenan’ny tenin’ny Tompo Jesoa tamin’ny fanenon’ny ako­ho, no nampisokatra ny mason’i Petera. “Ary rehefa nivoaka teny ivelany izy, dia nitomany fatratra” (Matio 26. 75).

 

 

Fanarenana

 

            Tsy nifarana hatreo, tsy akory, ny asa nataon’ny Tompo. Taorian’ny ni­tsan­ga­na­ny tamin’ny maty Izy dia nandefa hafatra ho an’ny mpianatra, ary na­no­no­na manokana ny anaran’i Petera, tao anatin’izany hafatra izany (Marka 16. 7). Tao­riana kelin’izany, dia nanana fihaonana manokana taminy Izy (Lioka 24. 34). Tsy voatatitra ao amin’ny filazantsara moa ny resaka nataony, tamin’iza­ny. Manana teny manokana atao amin’ny olony tsirairay avy ny Tompo. Hi­tan­tsi­ka koa ny fihaonana nangirifiry nefa tena nahasoa an’i Petera, voalaza ao amin’ny Jaona 21.

            Tsy ho nilaza ve isika fa tsy nilaina io fampietrena ampahibemaso an’i Pe­te­ra io ? Rehefa dinihina, tsy mafy loatra ve ny fahitantsika azy ? Nody ihany ne­fa ny sain’i Petera ! Nitomany fatratra izy !

            Fa mahafantatra izay tsara indrindra ho an’i Petera Ilay sady mahalala tan­te­ra­ka ny fon’ny zanak’olombelona, no feno fitiavana mitafotafo ny olony sy ma­ne­ho izany amin’ny fahendrena tsy misy tomika.

            Rehefa tena nitsara tena marina i Petera, tsy ny fihetsiny ihany no no­me­lo­hi­ny, fa ny tenany mihitsy koa ; rehefa niaiky izy fa nilaina tokoa ny fa­ha­là­lan’ An­driamanitra ny zavatra rehetra, mba hahitany ny fitiavana Azy tao anatiny, dia afaka nanarina azy tanteraka ny Tompo, ka nanendry azy ho mpiandry ny on­dri­ny sy hamahana ireo ondry keliny sy ny andian’ondriny.

Izany no asa fanompoana tanterahin’ny Tompo, amin’ny maha-mpi­so­lo­va­va antsika Azy, eo anatrehan’ny Ray. Ho nankaiza moa isika, raha tsy na­na­na Azy ho Mpisolovava ? Samy manimba ny firaisana amin’Andriamanitra avo­koa ny eritreritra maloto sy ny teny foana ary ny fanehoana fahavitan-tena. Ary tsy ho tafaverina amin’ny laoniny velively izany firaisana izany, raha tsy amin’ny fi­ai­kena ny fahotana sy ny fitsarana ny tena.

Ilay Mpisolovava ahy dia efa mivavaka ho ahy, mialohan’ny hanotako, mba tsy ho levona ny finoako. Miteny amiko amin’ny alalan’ny Teniny Izy, mba hi­ta­ri­ha­ny ahy handini-tena sy hitandrina, mialoha ny hanatanterahako fahotana iray. Mijery ahy amin’ny fotoana tena ilàna izany indrindra Izy, ka mampiasa ny ra­ha­lahy, ny famakian-teny, ny zava-misy, eny, na dia ny akoho aza, raha ilai­na izany, mba hampahatsiaro ahy ny teniny. Mitarika ahy handini-tena sy hi­ai­ky ny heloko Izy, mba hampiverina indray ny firaisako amin’ny Ray sy Ilay Za­na­ka. Izy no Mpisolovava ahy, eo anatrehan’ny Ray. Tsy mba miala sasatra ve­li­vely Izy, mandra-pameriny ahy sy mahatafarina tanteraka ny zava-dre­he­tra. Na dia ao amin’ny toeram-boninahiny aza Izy, ankehitriny, dia mbola ma­no­hy manompo ahy ihany ka manasa ny tongotro, mba hahazoako manana an­ja­ra aminy, sy mba hahatanteraka sahady ny fifaliako, dieny mbola etỳ an-tany.

 

Mirary soa ho anareo.

                                   Ilay sakaizanareo H. L. H.

 


 

FAHAMASINANA

 

           

Ry sakaiza malala isany,

 

            Mbola te hiresaka aminareo ny amin’ny fahamasinana aho, izao ; nefa mi­a­loha izany, dia ilaina ny mijery izay ambaran’ny Tenin’Andriamanitra momba ny dikan’izany. Raha amin’ny fitenenana andavanandro, aloha, ny antsoin’ny olo­na hoe masina, dia olona tsy manana fahotana ary tsy manan-tsiny na fa­ha­le­mena, na farafaharatsiny, tsy fantatra ho manana an’izany. Araka izany, dia maro ny mpino no diso hevitra ny amin’ny foto-pampianarana momba ny fa­ha­ma­sinana, ka mihevi-tena ho masina, satria tsy tafalatsaka tanatina fa­ho­ta­na hita miharihary.

            Toherin’i Paoly moa izany, ka dia hoy izy, ao amin’ny 1 Korintiana 4. 4, hoe : “Tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany.” Ary ao amin’ny Sa­la­mo 19. 12 i Davida dia mangataka ny hodiovina amin’izay ota tsy fantatra. Je­reo koa ao amin’ny 1 Jaona 3. 20 sy Levitikosy 5. Rehefa ho avy ny Tompo, dia “hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina, ka hampiseho ny fi­ka­sàn’ny fo ; dia samy hahazo izay derany avy amin’Andriamanitra avy izy re­he­tra” (1 Korintiana 4. 5). Ny tsy fahitantsika intsony zavatra ratsy ao amintsika dia tsy manaporofo velively fa tena tsy misy ratsy intsony tokoa. Nefa ve ny tsi­rai­ray tsy mahita zava-dratsy maro ao aminy, rehefa mandinika ny fiainany eo am­ba­nin’ny fahazavan’Andriamanitra, araka ny Tenin’Andriamanitra ?

Ankoatra izany, ny Soratra Masina dia mampiseho amintsika fa tsy mitovy ny fahadiovana sy ny fahamasinana. Ny Eksodosy 28. 38 dia miresaka ny he­lo­ky ny zava-masina, ary ny 1 Tantara 23. 28, ny fanadiovana ny zavatra ma­si­na. Ao amin’ny Efesiana 1. 4 sy Kolosiana 1. 22 dia voasoratra hoe : mba ho ma­si­na sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika. Voavaka tsara, izany, ny atao hoe fahamasinana sy fahadiovana.

 

 

Inona no atao hoe fahamasinana ?

 

Raha jerentsika ireo andininy maro ao amin’ny Soratra Masina miresaka ny atao hoe “masina” sy “fahamasinana”, dia ataoko fa mazava, fa midika hoe fi­sa­ra­hana izany, ary raha ampiharina amintsika izany voambolana izany, dia mi­di­ka hoe : fisarahana amin’izay rehetra namatotra antsika hatrizay, mba ha­no­ka­na­na antsika ho an’Andriamanitra ; kanefa midika koa izany fa isika dia mi­ton­dra ireo marika manokana mampiseho io fiombonantsika amin’An­dria­ma­ni­tra io, sy io fanokanana antsika io. Jereo, ohatra, ny Nomery 6. 1-11. Tsy fe­no ao anatintsika koa ny fahamasinana. “Tsy misy masina tahaka an’i Je­ho­vah, fa tsy misy afa-tsy Ianao” (1 Samoela 2. 2). “Ianao ihany no masina” (Apo­kalypsy 15. 4). “Ho masina ianareo, satria masina Aho” (1 Petera 1. 16). Ny Tompo irery ihany no masina tanteraka. Diso izay mampitaha ny tenany amin’ny tenany ihany, araka ny ambaran’ny Soratra Masina : “Tsy hendry ire­ny, satria manohatra ny tenany amin’ny tenany sy mampitaha ny tenany amin’ ny tenany” (2 Korintiana 10. 12). Ary mazava fa Andriamanitra irery ihany no afaka hitsara ny dingana vitantsika, araka ny heviny.

Ao amin’ny Jaona 17. 17 ny Tompo Jesoa mangataka hoe : “Manamasina azy amin’ny fahamarinana ; ny teninao no fahamarinana.” Ny fahamarinana dia izay nambaran’Andriamanitra momba ny tenany, ary avy amin’izany no aha­fan­tarantsika ny toetra, na ny tokony ho toetran’ny fifandraisantsika aminy. Izany no anambaràn’ny Tompo Jesoa fa Izy no fahamarinana (Jaona 14. 6). Izy no nanambara tamintsika an’Andriamanitra (Jaona 1. 18). Toy izany koa, ny tenin’Andriamanitra, izay nanambaràny ny Tenany, dia fahamarinana.

Noho ny fahamarinana  —avy amin’ny nambaran’Andriamanitra momba ny Te­nany sy ny zony amintsika—  dia tafasaraka amin’izay rehetra nangeja an­tsi­ka hatramin’izay isika, mba ho an’Andriamanitra.

Ao amin’ny Testamenta Taloha, dia mbola tsy hitantsika, aloha, ny fa­nam­ba­rà­na feno ny amin’Andriamanitra. Hita ao fa Izy no Jehovah, Ilay nanana tem­po­ly tetỳ an-tany, izay tiany nonenana, teo afovoan’ny vahoakany. Noho iza­ny, ao amin’ny Testamenta Taloha, dia mifandraika amin’izany ny fa­ha­ma­si­na­na. Ny tendrombohitra, ny tanànan’i Jerosalema, ny fiaran’ny fanekena sy ny tempoly, ny mpisorona, ny levita, eny, ny vahoaka rehetra aza, ny fitaovana ha­nao­vana fanompoana, ny fanatitra, sns., izany rehetra izany dia no­ha­ma­si­ni­na. Nisy ifandraisan’izany rehetra izany tamin’i Jehovah, satria Izy dia nonina teo afovoan’ny vahoakany. “Fahamasinana no mendrika ny tranonao” (Salamo 93. 5). “Amin’izay akaiky Ahy no hisehoako ho masina” (Levitikosy 10. 3).

Fa ankehitriny kosa, Andriamanitra dia efa naseho tanteraka ao amin’ny Tom­po Jesoa : Andriamanitra tonga nofo. Na dia tena olona aza ny Tompo, ny mampiavaka ny fanompoany, kosa, dia satria Izy irery ihany no nanambara an’ Andriamanitra. Ka rehefa naneho tanteraka izany teo amin’ny hazofijaliana Izy, ka nahazo fanavotana mandrakizay, dia nitsangana tamin’ny maty, ary naka ny toerany teo ankavanan’Andriamanitra. Amin’ny maha-olombelona Azy no na­naovany izany  —izany no lazain’ny Jaona 17. 4-5 amintsika.

Amin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia nanana ny voninahitra ho man­dra­ki­zay Izy, talohan’ny naharìna izao tontolo izao. Fa ankehitriny kosa Izy dia afa­ka mitaky izany voninahitra izany, amin’ny maha-olombelona Azy koa, satria vi­ta­ny ny asam-pamonjena teo amin’ny hazofijaliana tany Golgota ary nomeny vo­ninahitra tanteraka Andriamanitra. Amin’izao fotoana izao Izy dia mipetraka eo an-tànan-kavanan’Andriamanitra, ao amin’ny voninahiny, amin’ny maha-olo­na nomem-boninahitra Azy. Olona any an-danitra.

Ny zavatra nokatsahin’Andriamanitra hatrizay dia ny hahatonga antsika hi­to­vy endrika amin’ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy (Ro­mana 8. 29). Ao amin’ny Jaona 17. 17-19 dia hoy ny Tompo Jesoa : “Ho an’ireto no anamasinako ny tenako.” Izy mihitsy no nanokana ny tenany tao an-danitra, mba ho an’Andriamanitra tanteraka, ary “mba hanamasinan’ny fa­ha­ma­rinana azy ireo” no nanaovany izany. Hitantsika eto ny fatran’ny fa­ha­ma­si­nan­tsika sy ny fomba hahamasina antsika. Tsy inona izany fa i Kristy ao amin’ny voninahitra.

 

 

Fahamasinan’ny Fanahy

 

Rehefa mamaky ny Testamenta Vaovao isika, dia mahita fa fomba roa no ila­zà­na ny fahamasinantsika. Voalohany, dia lazaina fa nohamasinina isika (1 Korintiana 6. 11 ; 2 Tesaloniana 2. 13 ; 1 Petera 1. 2 ; sns.). Noho izany, ma­ro ireo tsongandahatsoratra iantsoana antsika ho olona masina (jereo, oha­tra, ny fiantombohan’ireo epistily). Io fanamasinana io dia niseho tamin’ny fa­ha­te­ra­ham-baovao. Nosarahin’ny Fanahy Masina tamin’ny tontolo nisy antsika isi­ka, tamin’ny nanomezany antsika aim-baovao, ny toetran’Andriamanitra (Jao­na 3 ; 2 Petera 1 ; Efesiana 4. 24). Manaraka izany, dia voasoratra fa to­ko­ny hanamasina ny tenantsika isika, amin’ny fiainantsika andavanandro (He­breo 12. 14 ; Efesiana 5. 25-27 ; sns).

Ireo lafiny roa amin’ny fahamasinana ireo dia atambatra ao amin’ny Apo­ka­lypsy 22. 11, amin’ny hoe : “Izay masina, aoka mbola hihamasina ihany.”

Tsongandahatsoratra maro no ahitantsika ny fomba fampihàrana izany. Ara­ka ny hitantsika ao amin’ny Romana 8. 29 dia efa notendren’Andriamanitra hi­to­vy endrika amin’ny Zanany isika. Io hevitra io ihany no ambaran’ny Efe­sia­na 1. 4-5, fa amin’ny fomba hafa. Hoy ny ao amin’ny 1 Korintiana 15. 49 : “Toy ny nitondrantsika ny endriky ny amin’ny tany no hitondrantsika ny endrik’Ilay any an-danitra (ny Tompo Jesoa) koa.” Lazain’ny 1 Jaona 3. 2 hoe rahoviana iza­ny no ho tanteraka : “Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa.”

Amin’ny tsongandahasoratra sasany kosa, dia efa mitovy amin’ny Tompo Je­soa isika. Ao amin’ny 1 Jaona 3. 1 dia tsy fantatr’izao tontolo izao isika, sa­tria tsy nahalala Azy izao tontolo izao, ary ao amin’ny 1 Jaona 4. 17 dia voa­la­za fa tahaka Azy isika, eo amin’izao tontolo izao, izany hoe efa eo amin’ny vo­ni­na­hitra.

Ny anton’izany, dia satria miorina amin’ny asam-panavotana nataon’ny Tom­po Jesoa ny zavatra rehetra. Raha ny toerana misy antsika, dia efa ana­nan­tsika ny zavatra rehetra (1 Korintiana 1. 30). Tafasaraka tamin’izao tontolo izao isika, tamin’ny fahateraham-baovao, ary manana ny fiainana man­dra­ki­zay. Tanteraka noho ny fanatitra iray ihany isika, ary nohamarinina eo ima­son’ An­driamanitra. Zanak’Andriamanitra isika, sady mpandova Azy, ary mipetraka any an-danitra, ao amin’i Kristy (Efesiana 2. 6). Manana ny zavatra rehetra, iza­ny, isika, raha ny amin’ny fanahintsika ; fa mbola tsy mandray anjara amin’ ny zavatra rehetra ny vatantsika ; ary mbola eo ny nofo. Noho izany, ny toe­ra­na misy antsika, amin’izao fotoana izao, dia mbola tsy mifanaraka amin’ny toe­ra­na nasiana antsika noho ny asam-panavotan’ny Tompo Jesoa.

 

 

Fahamasinana iainana

 

Ireo fampirisihana rehetra  —ary izany no tanjon’ny fanompoana rehetra (Efe­siana 4. 11-16 ; Kolosiana 1. 28)—  dia mikatsaka ny ahatanterahantsika izay ho toetrantsika rahatrizay. Fa hanao ahoana tokoa moa isika rahatrizay ? Hi­tovy Aminy isika, dia Ilay olona nomem-boninahitra any an-danitra. Izy koa, iza­ny, no tokony ho fitaratry ny fandehantsika andavanandro. Noho izany, dia voa­laza hoe : “Izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany, mba hadio tahaka Azy” (1 Jaona 3. 3 ; jereo koa 1 Te­sa­lo­niana 3. 12-13).

Ahoana moa no ahafahantsika hitovy Aminy bebe kokoa ? Amin’ny fie­za­han­tsika andavanandro ve ? Sa amin’ny fikatsahana ny hanova ny fiainantsika ka hanana fiainana masimasina kokoa ? Ao amin’ny Romana 7 isika dia ma­hi­ta olona manao toy izany. Vokany, dia mihiaka izy hoe : “Indrisy ! olo-ma­han­tra aho ! Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity ?” (and. 24).

Manoro làlana tsara kokoa ny Tenin’Andriamanitra : “Isika rehetra kosa, amin’ny tava tsy misarona, dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fi­ta­ratra, ka ovàna hahazo izany endrika izany indrindra, avy amin’ny vo­ni­na­hi­tra ka ho amin’ny voninahitra, toy ny avy amin’ny Tompo, dia ny Fanahy” (2 Ko­rintiana 3. 18).

Rehefa mibanjina ny Tompo Jesoa amin’izao maha-Izy Azy ankehitriny izao isika, Izy izay nomem-boninahitra any an-danitra, rehefa mamaky izay re­he­tra voasoratra momba Azy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra sy mandinika iza­ny, dia miova ny fiainantsika. Voaova ara-môraly isika, hitovy Aminy. Izay za­va­tra ifantohan’ny fontsika dia hanisy ny tombo-kaseny eo amin’ny fi­ai­nan­tsi­ka.

Toy izany koa ny fahamasinana. Ny ho toetrantsika : mitovy amin’ny Tom­po Jesoa nomem-boninahitra, no fatran’ny fahamasinantsika. Ny maso mi­ban­ji­na Azy no hanatanteraka izany fanamasinana izany. Ny fahamasinana, araka ny karazany sy ny toetrany, dia izay iainantsika rehefa mivelona ao anatintsika i Kristy.

Izany no ilazan’ny Tompo Jesoa hoe : “Ho an’ireto no anamasinako ny te­na­ko, mba hanamasinan’ny fahamarinanao azy” (Jaona 17. 17-19). Amin’izao fo­toana izao Izy dia efa mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, amin’ny maha-olona nomem-boninahitra Azy : “Izay masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin’ny mpanota, ka natao avo noho ny lanitra” (Hebreo 7. 26), ary ny fibanjinantsika Azy no hahamasina antsika. Milazalaza amintsika ny momba Azy ny fahamarinana, ny Tenin’Andriamanitra, maneho Azy amin­tsi­ka ao amin’ny voninahitry ny Tenany. Ary fenon’ny fahatanterahany sy izay re­he­tra maha-Izy azy ny fontsika. Amin’izany, ao am-pontsika dia tsy misy toe­ra­na intsony ho an’izao tontolo izao na ho an’ny zavatr’izao tontolo izao. Amin’ izany, ny fiainantsika dia hiha-mitovy amin’ny Azy, ary ho tafasaraka kokoa amin’izay etỳ an-tany, mba hatokana ho an’Andriamanitra irery. Izany no atao hoe fahamasinana.

Amin’izany làlana izany, dia tsy maintsy matoky ny tsy fi­va­di­han’An­dria­ma­ni­tra isika. “Ho an’Izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan’ny voninahiny, amin’ny firavoravoana, ho an’Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tom­pontsika, anie, ny voninahitra sy ny fahalehibeazana, ny fanjakana sy ny fa­he­fana, hatramin’ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay ! Amen” (Joda 24-25 ; jereo koa Matio 19 : 26).

 

Manao veloma finaritra anareo.

Ny sakaizanareo H. L. H.


 

NY LANJAN’NY FAMAKIANA NY BAIBOLY

 

 

Ry sakaiza malala isany,

 

Mba te hanontany anareo aho izao, raha mamaky isan’andro ny Baiboly ia­nareo. Ny tiako holazaina, amin’izany, dia tsy ilay famakiana azy rehefa ta­fa­vo­ry ny fianakaviana, angamba eo am-pisakafoana, fa ny famakiana azy ao amin’ny fanginana, rehefa irery iny ny tena. Zava-dehibe tokoa ny anaovanao iza­ny. Ny mpino manamaivana io famakian-teny io, dia tsy mitoetra ao amin’ny fi­ombonana amin’ny Tompo, ary tsy ho afaka ny tena ho sambatra.

Tsy ho azontsika an-tsaina mihitsy ny hasarobidin’ny Baiboly, satria io no Te­nin’Andriamanitra. Amin’ny alalany irery ihany no ianarantsika mahafantatra an’Andriamanitra sy ny heviny. Naneho ny tenany tao amin’ny Testamenta Ta­lo­ha Andriamanitra, tamin’ny Teny nambarany sy nasainy nosoratana. Tao no na­nambaràny hoe Iza moa Izy, inona ny zavatra nataony, inona ny tiany ha­tao, ary ahoana ny fomba tokony hanompoan’ny olona Azy. Dia tonga tetỳ an-ta­ny ny Zanaka, ary nanambara an’Andriamanitra tamintsika (Jaona 1. 18). Ne­fa ny Teny ihany no ahafantarantsika izay rehetra mikasika ny Zanaka : ny fa­ha­terahany, ny fiainany sy ny fahafatesany, ny teniny sy ny asa nataony. Ary An­driamanitra Fanahy Masina, izay etỳ an-tany amin’izao fotoana izao ary mo­ni­na ao anatin’ny mpino tsirairay, dia manambara amintsika ny zava-drehetra, amin’ny alalan’ny Teny. Noho izany, tsy tokony hisy mpino tsy hankafy ny Bai­bo­ly. Ary ny fitomboany amin’ny fahasoavana sy ny fahafantarany an’i Jesoa Kris­ty, Tompo sy Mpamonjy antsika, dia mifamatotra amin’ny fitiavany ny Teny sy ny fampiasany izany.

Raha mamaky ny Salamo 119 isika, dia hitantsika fa ny dingana tsirairay eo amin’ny fiainam-panahin’ny mpanoratra ny Salamo dia mifamatotra amin’ny Te­ny. Voalohany, ilay fiainam-baovao vokatry

 

 

Ny fahateraham-baovao

 

dia asan’ny Teny (and. 93). “Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao, fa ire­ny no amelomanao ahy.” Jereo koa ny andininy faha-25, 37, 40, 50, 88, 107, 116, 144, 149, 154, 156, 159 ary 175. Misy andininy sasany, manambara izany ma­za­va koa : “Tamin’ny sitrapony no niterahany antsika, tamin’ny teny fa­ha­ma­ri­nana” (Jakoba 1. 18). “Efa teraka indray ianareo, tsy tamin’ny voa mety ho lo, fa tamin’ny tsy mety ho lo, dia ny tenin’Andriamanitra, izay velona sady ma­ha­ri­tra” (1 Petera 1. 23). Izany koa dia ambaran’ny Tompo ao amin’ny Jaona 3 : “Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakàn’Andriamanitra izy”. Araka ny Efesiana 5. 26 sy tson­gan­da­ha­tso­ra­tra hafa, ny rano, ao amin’ny Soratra Masina, dia kisarisarin’ny Teny, am­pi­ha­rin’ny Fanahy Masina amin’ny olona.

Ny tenin’Andriamanitra dia misarika ny sainan’ny olona mpanota ho eo amin’ny fahazavan’Andriamanitra. Eo no ahitan’ny olona hoe iza An­dria­ma­ni­tra, dia mandini-tena izy, ka miaiky ny fahotany eo anatrehan’Andriamanitra. Iza­ny no fibebahana. Rehefa mandini-tena toy izany ny olona, dia voadio ny fo­ny, ary ny Fanahy Masina no manome azy fiainam-baovao, araka an’An­dria­ma­ni­tra, amin’ny alalan’ny Teny.

Noho izany rehetra voalaza izany, rehefa miresaka amin’ny tsy mpino isi­ka, hitory ny Filazantsara aminy, dia tsy maintsy mahalala ny te­nin’An­dria­ma­ni­tra. Ny tenintsika, irery, tsy hahatonga na oviana na oviana ny olona iray hio­va fo. Ny tenin’Andriamanitra ihany no afaka manao izany : “Ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy” (Romana 10. 17). Fa ny tenin’Andriamanitra koa dia

 

 

Sakafo ho an’ilay fiainam-baovao

 

“Endrey ny hamamin’ny teninao, raha andramako ! Mihoatra noho ny tan­te­ly ato am-bavako aza !” (Salamo 119. 103). “Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza, ary mamy noho ny tantely, eny, no­ho ny tantely mitete avy amin’ny tohotra” (Salamo 19. 10). Hoy ny Tompo Je­soa : “Tsy ny mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra” (Matio 4. 4). Jereo koa Hebreo 5. 12-14 sy 1 Petera 1. 25 ; 2. 2.

Ilay fiainam-baovao novokarin’ny Teny dia mila sakafo mifanaraka amin’ izany fiainana izany. Tsy inona izany fa ny Tompo Jesoa, amin’ny maha- 1° Mpa­monjy maty Azy (Jaona 6. 56), 2° Ilay nandia ity tany ity, Olona masina sy ma­ri­na, Azy (Jaona 6. 33), ary 3° Tompo nasandratra Azy any an-danitra, dia Ilay voa avy amin’ny tany (Josoa 5. 11). Tsy misy afa-tsy ao amin’ny Teny no ahi­tan­tsika ny Tompo. Ao amin’ny Testamenta Taloha, Izy dia hitantsika ao amin’ireo endrika “aloka” sy kisarisary rehetra, ary koa ao amin’ireo fa­nam­ba­ràn’ny mpaminany. Ao amin’ny Testamenta Vaovao, Izy dia nambara mi­ha­ri­ha­ry tamintsika : tamin’ny fiainany tetỳ an-tany (ao amin’ireo filazantsara, ao amin’ny Asan’ny Apostoly ary ao amin’ny Epistily) sy amin’ny maha-Tompo na­san­dratra Azy (ao amin’ny Asan’ny Apostoly, ao amin’ny Epistily ary ao amin’ny Apokalypsy).

Tsy mahagaga raha marefo sy marary ny fiainam-panahin’ny maro, ka tsy ma­ha­zaka afa-tsy ronono ara-panahy izy ireny, fa tsy ventin-kanina (Hebreo 5.12-14), raha manamaivana ny fivoriana isan-kerinandro sy ny fandinihana ny Te­ny, ary tsy mamakafaka izany isam-potoana.

Tsy mitombo isika, izany hoe tsy hatanjaka mihitsy ny fiainam-pa­na­hin­tsi­ka, raha tsy omentsika sakafo ara-dalàna.

 

 

Ny tenin’Andriamanitra no mpitarika antsika

 

“Inona no hiarovan’ny zatovo ny làlan-kalehany tsy ho voaloto ? Ny fi­tan­dre­mana araka ny teninao.” “Ato am-poko no iraketako ny teninao, mba tsy ha­no­tako Aminao.” “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao” (Sa­la­mo 119. 9, 11, 105).

Hoy Jehovah tamin’i Josoa : “Mahereza sy matanjaha tsara ianao, hi­tan­dre­manao hanao araka ny lalàna rehetra, izay nandidian’i Mosesy mpa­nom­po­ko anao ; aza miala aminy, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny an­ka­via, mba hambinina ianao amin’izay rehetra alehanao. Aoka tsy hiala amin’ny va­va­nao ity bokin’ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman’alina, hitandremanao ha­nao araka izay rehetra voasoratra eo ; ary amin’izany dia hahalavorary ny là­la­nao ianao sady hambinina” (Josoa 1. 7-9).

Ao amin’ny Asa 20. 32, raha nahatsapa ireo loza nitatao tamin’ny loholona tao Efesosy i Paoly, dia nanolotra azy ireo “ho amin’Andriamanitra sy ho amin’ ny tenin’ny fahasoavany”. I Timoty dia miresaka “ny Soratra Masina, izay mam­pa­hendry anao ho amin’ny famonjena” (2 Timoty 3. 15).

Ahoana moa no ahafantarantsika hoe inona ny ota, raha tsy mahalala ny te­nin’Andriamanitra isika ? Tsy manafaka amin’ny fahamelohana, tsy akory, ny tsy fahalalàna (Levitikosy 5. 17). Ahoana no ahafantarantsika izay mety hatao sy izay araka ny sitrapon’Andriamanitra, raha tsy dinihintsika ny Teniny, izay anam­baràny amintsika ny zavatra rehetra ? Ahoana no ahafantarantsika izay fa­na­pahan-kevitra tokony horaisina, eo anoloana toe-javatra voafaritra iray, sy ny làlana tokony hizorana, raha tsy fantatsika ny Teny ?

“Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao, ka manome fahalalàna ho an’ny kely saina.” “Ny didinao mampahahendry ahy mihoatra noho ny fa­ha­va­lo­ko, satria ato amiko mandrakizay ireny. Hendry noho ny mpampianatra ahy re­he­tra aho, satria ny teny vavolombelonao no fisaintsainako. Hendry noho ny anti-panahy aho, satria ny didinao no notandremako” (Salamo 119. 130, 98-100).

 

 

Ny Teny no fiadiana ho antsika

 

“Ny Tenin’Andriamanitra, ho sabatry ny Fanahy” (Efesiana 6. 17). “Hamaly izay miteny ratsy ahy aho” (Salamo 119. 42).

Toy inona no fampiasan’ny Tompo Jesoa io sabatra io ! Isaky ny manafika i Satàna, dia valiany hoe : “Voasoratra hoe” (Matio 4. 4, 7, 10). Hany ka tsy main­tsy nandositra i Satàna ; tsy nanam-pahefana mihitsy izy, teo ana­tre­han’ ny tenin’Andriamanitra.

Fa ny Tompo koa dia nilaza izao teny izao tamin’ny olona : “Tsy voasoratra (...) va hoe” (Jaona 10. 34), “Ahoana moa izao voasoratra izao” (Lioka 20. 17), sns. “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sa­ba­tra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fi­sai­nan’ ny fo. Ary tsy misy zavatra ary, na inona na inona, izay tsy miseho eo ana­tre­ha­ny ; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’Izay iafa­ran’ny ataontsika” (Hebreo 4. 12-13).

Io no hany fiadiantsika, sady iarovan-tena amin’i Satàna sy izao tontolo izao, no anafihana koa. Tsy tokony hohadinointsika mihitsy, fa io no tenin’Ilay Andriamanitra velona, ka noho izany, mahery io. Raha io no ampiasaintsika, dia ho tsapan’izay rehetra iantefany ny hery avy amin’Andriamanitra. Na tsy ma­naiky izany aza ilay olona iresahantsika, ka mbola miseho ivelany ihany hoe tsy miraika sy tsy mankasitraka, dia handresy lahatra azy ihany ny sainy, amin’ny fahamarinan’izay voalaza.

Nahatsapa izany mazava tsara mihitsy aho, indray mandeha, fony mbola ta­no­ra. Nizara trakta tao anaty fiaran-dalàmby aho, dia nisy rangahy iray na­nom­bo­ka niady hevitra tamiko momba ny fivavahana kristiana. Noraisiko ny Bai­bo­liko, dia namaky andininy iray manohitra izay nolazainy aho. Rehefa na­nao izany indroa na intelo aho, dia hoy izy hoe : “O ry ingahy, tsy amin’ny Bai­bo­ly anie no tiako hiadiana hevitra, fa aminao e !” Novaliako izy hoe tsy ma­ha­la­la na inona na inona ankoatra izay ao anaty Baiboly aho. Nanandrana niteny in­droa na intelo ihany izy, dia nihodina, sosotra, ary lasa namaky teny. Tsy mi­sy mahatohitra ny tenin’Andriamanitra.

Tamin’izany fotoana izany ihany koa, dia nisy trangan-javatra niseho, mi­to­vi­to­vy amin’izany. Tamin’izay kosa aho tsy nandray ny Baiboliko, fa na­nom­bo­ka niady hevitra tamin’ilay olona niresahako. Tsy ela akory aho dia nahatsiaro fa resy.

Taona maro lasa, izay, dia teny ambony fiaran-dalamby feno dia feno mpan­deha aho ; nisy mpandeha nitaraina momba ny haratsian’izao va­ni­nan­dro izao, ary nanamafy fa tsy hisy fiovàna mihitsy izany. Niditra tamin’ny re­sa­ka aho, ka nilaza fa azoko antoka fa hisy vaninandro tsara noho izao, ary mbo­la hiaina izany aho. Dia namakiako andinin-tSoratra Masina vitsivitsy izy. No­ha­ra­biany aho, saingy namakiako andininy hafa indray izy, momba ny toe­tran’ ny olona sy ny famonjena ao amin’i Kristy. Nihodina izy, sady niresaka tamin’ olon-kafa. Fahefatr’adiny tatỳ aoriana nefa aho dia nasainy niaraka taminy. Nentiny tamina toerana mangingina aho, dia sady nitomany izy no nangataka Bai­boly tamiko, satria hoy izy, mba te hanana izany zavatra namakiako teny ho azy izany izy.

 

 

Ny fomba fanadiovana

 

Ny tenin’Andriamanitra koa no hany làlana hahatonga antsika ho voadio sy ho­hamasinina. “Tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny te­na­ny hamonjy azy, mba hahamasina azy amin’ny anadiovany azy amin’ny ra­no fanasana amin’ny teny” (Efesiana 5. 25-26). “Manamasìna azy amin’ny fa­ha­ma­ri­na­na ; ny teninao no fahamarinana” (Jaona 17. 17).

Ny fampiharantsika lalandava ny tenin’Andriamanitra amin’ny fizotrantsika sy ny làlantsika no hany hahatonga ny fiainantsika ho voadio sy hisarahantsika amin’izay mety ho ratsy. Ilay mpisolovava antsika eo imason’ny Ray dia ma­na­sa ny tongotsika amin’ny alalan’ny Teny (1 Jaona 2. 2 ; Jaona 13) ; fa ny an­ja­ran­tsi­ka kosa, dia ny manaiky hosasana tongotra.

“Ato am-poko no iraketako ny teninao, mba tsy hanotako aminao” (Salamo 119. 11). “Tompo ô, izaho mpanomponao dia hazavain’ireny (ny fi­tsa­ràn’An­dria­ma­nitra) tokoa ; fa lehibe ny tombontsoa ho an’izay mitandrina azy. Mety ma­nao hadisoana ny olona, saingy tsy mahasikaritra akory” (Salamo 19. 12-13 DIEM [dkt. prot. : 11-12]).

Ny tenin’Andriamanitra dia ilay tokana koa.

 

 

Fisedrana ny fiainana andavanandro sy ny foto-pampianarana

 

“Mitandrina ny didinao sy ny teny vavolombenao aho ; fa ny làlan-kalehako re­he­tra dia eo anatrehanao” (Salamo 119. 168). “Izay manan-tsofina, aoka izy hi­hai­no izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana” (Apokalypsy 2 sy 3). Ao amin’ny Fiangonana, ny zavatra rehetra dia tokony hodinihintsika daholo amin’ ny fanazavana omen’ny Fanahy ny fiangonana, izany hoe amin’ny tenin’An­dria­ma­nitra, na ny zavatra momba ny foto-pampianarana izany, na ny momba ny fizotra andavanandro. “Aoka ny mpaminany roa na telo no hiteny, fa aoka ny hafa hamantatra” (1 Korintiana 14. 29).

Fa tokony hosedraintsika amin’ny tenin’Andriamanitra koa ny fan­de­han­tsi­ka manokana, ireo hevintsika manokana. Tsy misy lanjany mihitsy, na kely aza, izay mety ho fisainantsika manokana, na inona na inona. Izay lazain’ny te­nin’Andriamanitra ihany no tokony hekena (jereo, ohatra, ny Levitikosy 5. 14-19). Ao amin’ny Asa 17.11 dia lazaina fa tsara kokoa noho ireo Jiosy tany Te­sa­lo­nika ireo tao Beria, satria nandinika, tamin’ny fanazavan’ny tenin’An­dria­ma­ni­tra, ireo fanambaràn’ny apostoly Paoly. Ao amin’ny 1 Korintiana 15. 3-4 dia ny apostoly mihitsy no maneho fa ny foto-pampianarany dia avy amin’ny So­ra­tra Masina.

“Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fi­tai­za­na amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsa­ra ho amin’ny asa tsara rehetra” (2 Timoty 3. 16-17).

 

Fankatoavana sy fanekena

 

“Ianao namoaka ny didinao mba hotandremana tsara” (Salamo 119. 4). “Amin’ny fitandremana, azy misy valiny lehibe” (Salamo 19. 11). “Raha mi­tan­dri­na ny didiko ianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany” (Jaona 15. 10). “Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Iza­hay ka honina ao aminy” (Jaona 14. 23). “Izao no fitiavana an’Andria­ma­ni­tra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny” (1 Jaona 5. 3).

Hitantsika amin’izany ny lanja omen’Andriamanitra ny fahafantarana ny Te­ni­ny sy ny fankatoavana ny Teniny. Tsy tokony hanontany foana ve isika hoe : “Tompo ô ! Inona no tianao hataoko ?”

Ny fahotana voalohany dia ny fandikana ny tenin’Andriamanitra. Marina to­koa fa ny fahotana dia ny manao na tsy manao zavatra, nefa tsy mieritreritra ny fahefan’Andriamanitra amintsika : “ny ota no fandikana ny lalàna” (1 Jaona 3. 4). Koa na inona na inona ataontsika, nefa tsy anontaniantsika izay si­tra­pon’ Andriamanitra na tsy ankatoavantsika izany, dia fahotana.

Toy inona ny fiainam-pankatoavana hitantsika ao amin’ny Tompo Jesoa ! Ton­ga tetỳ an-tany Izy, hanao ny sitrapon’Andriamanitra (Hebreo 10. 7). Tsy main­tsy nianatra nankatò Izy, tamin’izany (Hebreo 5. 8), satria zavatra tsy mba fan­ta­ny izany hoe mankatò izany, noho Izy Andriamanitra mandrakizay. Nefa tetỳ an-tany Izy, dia afaka nilaza hoe : “Izaho manao izay sitrany man­dra­ka­ri­va” (Jaona 8. 29). “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka ahy, sy ny mahavita ny asany” (Jaona 4. 34).

Toy inona ny fijerin’Andriamanitra io Olona io, izay nanana sitrapo lavorary tan­te­raka sy avy amin’Andriamanitra, nefa tsy nanao afa-tsy ny si­tra­pon’An­dria­manitra tetỳ amin’izao tontolo izao, tontolo tsy misy afa-tsy olona manao izay nahim-pony avy !

Ka ho toy inona ny hafalian’Andriamanitra, raha mahita, ankehitriny, olona ma­ni­ry sy faly hanompo Azy ary marisika mandinika ny Teniny, mba hianatra ha­ha­lala Azy sy ny sitrapony !

Tsy hay saintsainina ny lanjan’ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra, ho an­tsi­ka, ny lanjan’izany amin’ny fiainantsika andavanandro, hianarantsika ma­ha­la­la Azy avy amin’izany ! Ho faly ny fontsika, satria hahita eo ny voninahitry ny Tompo sy izay rehetra nomanin’ny fitiavan’Andriamanitra ho antsika. Mia­na­tra ny hahalala bebe kokoa hatrany izany voninahitra izany isika, ka afaka ha­ha­la­la kokoa ireo hevitr’Andriamanitra ; ary amin’izany isika dia manomana fia­dia­na ho azontsika ampiasaina, na hiarovantsika tena amin’ny fanafihan’i Sa­tà­na izany, na hanafihantsika koa, izany hoe hiresahantsika amin’ny olona mom­ba ny famonjena ny fanahiny.

Izay mitaraina hoe ny fitadidiany dia toy ny fitatavànana tsy mitana na ino­na na inona, dia tokony hahalala fa na tsy mitana na inona na inona aza ny fi­ta­ta­và­nana, dia voadio ihany. Ny rano dia mifaoka ny fakofakon-doto rehetra. Toy izany koa ny tenin’Andriamanitra. Aza vakiana fotsiny ny Teny, fa sain­tsai­no. Ampiasao amim-pankasitrahana koa ireo asasoratra misy, nefa sedrao amin’ny fanazavan’ny Teny avokoa ny zavatra rehetra. Aza avela haka ny toe­ran’ny tenin’Andriamanitra, mihitsy, izay rehetra mety ho famelabelarana, na inona na inona, satria ho fitaka feno fangidiana izany.

“Anaka, raha raisinao ny teniko, ary raketinao ao am-ponao ny didiko, ka aton­gilanao amin’ny fahendrena ny sofinao, ary ampitandremanao fahalalàna ny fonao ; eny, raha miantso ny fahalalàna ianao ary manandratra ny feonao ha­ha­zo saina, raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao ary mikatsaka azy toy ny mikatsaka harena afenina, dia ho fantatrao marina ny fatahorana an’i Je­ho­vah, ary ho hitanao ny fahalalàna an’Andriamanitra” (Ohabolana 2. 1-5).

 

Manao veloma finaritra anareo.

H. L. H.

 

 


 

MIVAVAKA

 

 

Ry sakaiza malala isany,

 

Tamin’ny taratasiko farany aho dia nitaona anareo hisaina momba ny fa­ma­kiana ny tenin’Andriamanitra. Izao aho dia te hanontany anareo hoe manao ahoa­na ny fiainam-bavakareo. Samy mavesa-danja indrindra ireo zavatra roa lo­ha ireo, satria tena mifamatotra tanteraka. Raha ny tenin’Andriamanitra fo­tsi­ny no vakiana, ka atao an-tsirambina ny vavaka, dia avonavona sy fi­re­ha­re­ha­na no ho vokatr’izany. Raha mionona amin’ny vavaka fotsiny, fa tsy mamaky ny Teny, dia fizirizirin-tsaina no ho tonga, sy ny fahajambana tsy maintsy mi­a­ra­ka aminy, satria tsy fantatra ny hevitr’Andriamanitra. Marina tokoa fa ny tsy fi­a­narana ny tenin’Andriamanitra dia porofo fa tsy raharahàna ny fi­he­vi­tr’ Andriamanitra sy ny zony. Noho izany, raha izay no miseho, dia ny sitraponao ma­no­kana no hifehy ny fiainam-bavakao, ary ny “izaho” no lasa ivony, na dia mi­se­ho ho mpivavaka aza io “izaho” io, ohatra, amin’ny farisihany mitory ny fi­la­zan­tsara na zavatra hafa. Fa rehefa ampiarahina amin’ny fandinihana ny te­nin’Andriamanitra kosa ny vavaka, dia fitahiana lehibe ho an’ny fiainam-pa­na­hy no vokany.

Ao amin’ny Soratra Masina, dia tsindriana mafy ny momba ny vavaka. Na­nomboka ny asany tamin’ny vavaka ny Tompo Jesoa (Lioka 3. 21). Niforona ny fiangonana, ary olona telo arivo no niova fo, taorian’ny fivoriam-bavaka nan­dri­tra ny folo andro (Asa 1. 13-14), ny asa lehibe natao tamin’ny jentilisa dia nian­tomboka niaraka tamin’ny vavaka (Asa 13. 2-3), ary toy izany koa, tamin’ ny fampidirana ny Filazantsara tany Eoropa, dia nifamatotra tao ny tenin’An­dria­ma­nitra sy ny vavaka (Asa 16. 9-13). Namela ampahany tamin’ny raharaha no­sa­haniny teo aloha ny apostoly roa ambin’ny folo lahy, mba haharitra amin’ ny vavaka sy ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra (Asa 6. 4). Rehefa va­kia­na ny Asan’ny apostoly, dia toa tsy nanao afa-tsy ny nitoriteny i Paoly ; ary re­he­fa ny epistily no vakiana, dia toa tsy nanao afa-tsy ny nivavaka izy. Jereo, oha­tra : Romana 1. 9-10 ; 1 Korintiana 1. 4 ; Efesiana 1. 16 ; 3. 14 ; Filipiana 1. 4 ; Kolosiana 1. 3, 9 ; 1 Tesaloniana 1. 2. Ary izao no lazain’ny tenin’An­dria­ma­ni­tra amintsika : “Mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy, amin’ny fi­va­va­ha­na rehetra sy ny fangatahana” (Efesiana 6. 18), ary koa “Mivavaha, ka aza mi­tsa­ha­tra” (1 Tesaloniana 5. 17). Ary averimbrimbena matetika amintsika iza­ny, ao amin’ny tsongandahatsoratra maro ao amin’ny Soratra Masina.


 

Ny mivavaka dia mariky ny fahateraham-baovao

 

Ny mivavaka dia tsy mitovy amin’ny “mitanisa vavaka”, tsy akory. An’ari­vo­ny maro ny vavaka tanisaina isan’andro. Indray mandeha aza, dia izao no voa­so­ra­tra tamina gazety amerikana iray mitantara ny zava-niseho tamina fa­nom­poam-pivavahana : “Ny vavaka nataony no tena mirindra indrindra, miohatra amin’ny vavaka rehetra natao teo anoloan’ny fiangonana tao Boston.” Mam­pa­ha­tsia­hy ny nolazain’ny Tompo tamin’ny Fariseo izany : manao vavaka lava re­ny, mba ho fiolahana (Marka 12. 40).

Ny tena kristiana marina ihany no tena afaka mivavaka marina. Ny vavaka dia fanehoana ilay fiainam-baovao, izay nomen’Andriamanitra ary miaina ny fi­an­kinana Aminy. Tsy midika tsy akory izany, hoe tsy mihaino mihitsy ny va­va­ka ataon’ny olona mbola tsy niova fo Andriamanitra. Ren’Andriamanitra ny feon’ny zana-goaika, ary omeny hanina izy ireny. Toy izany koa, mety hihaino ny vavaky ny tsy mpino Andriamanitra, rehefa avy amin’ny fo no anaovany iza­ny. Tadidio fotsiny ny ao amin’ny Genesisy 21. 17 sy Jona 1. 14.

Nefa na dia nanonona vavaka an-jatony aza i Paoly fony izy mbola Fa­ri­seo, ary angamba tena vokatry ny fony, dia hoy ny Tompo tamin’i Ananiasy, no­ny niova fo i Paoly : “Indro, efa mivavaka izy.” Izany dia porofon’ny fiovàny, po­ro­fo fa nandray fiainam-baovao izy, ka miankina amin’Andriamanitra.

Mahatsapa ny fiankinany ilay fiainam-baovao ary mampiseho izany, toy ny za­za menavava mamoaka tomany sy feo tsy fantatry ny olon-dehibe, ary tsy dia mahafinaritra henoina loatra. Nefa Andriamanitra dia mihaino vavaka tsy mi­rin­dra, na toa adaladala mihitsy aza, matetika. Ho an’ny fony, amin’ny ma­ha-Ray Azy, dia mariky ny fanankinan-tenan’ilay fiainam-baovao aminy izany. Ary araka ny harenan’ny fitiavany, amin’ny maha-Ray Azy, dia “manome za­va­tra tsara” ho an’ilay mivavaka Izy.

 

 

Tsy voatokana ho an’ny mpino efa manana traikefa ny vavaka

 

Marina izany, nefa raha toa ny olona vao niova fo mbola tsy tena mahay hoe ahoana ny fomba ivavahana, sady tsy mahalala raha marina ny vavaka atao­ny, tsy ho tsara ve raha miandry kely aloha izy ?

Vao am-bolana vitsy fotsiny no niova fo ireo Tesaloniana, raha nanoratra ny epistily voalohany ho azy ireo i Paoly ; nefa dia hoy izy hoe : “Mivavaha, ka aza mitsahatra” (5. 17). Ary mihoatra noho izany aza ! izy, ilay apostoly lehibe, izay nampiova fo azy ireo tamin’ny toriteniny ary nampianatra azy ireo ny fi­he­vitr’Andriamanitra, dia nankasitraka ny vavak’izy ireo : “Ry rahalahy, mivavaha ho anay” (5. 25).

Aseho antsika, amin’izany, ny lanjan’ny vavaka sy ny fan­ka­si­tra­han’An­dria­ma­ni­tra izany. Dia hisy ve ray aman-dreny ho faly satria tsy miresaka na man­ga­ta­ka na inona na inona aminy mihitsy ny zanany, noho izy mbola tsy mahay mi­te­ny tsara, na koa satria mangataka zavatra tsy azon’ny ray aman-dreny ome­na izy indraindray, sao ratsy ho azy ? Ka noho izany, faly Andriamanitra ma­hi­ta ireo zanany, izay vao nateraka indray, manatona Azy, matoky Azy, ary ma­me­traka ny olany rehetra eo aminy. Fifaliana ho Azy ny mamaly vavaka, ary raha tsy mamaly aza Izy, satria tsy hahasoa an’ilay mpangataka izany, dia ma­no­me fiadanana ho an’ny fony. “Aza manahy na inona na inona ; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fia­da­nan’An­driamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesoa” (Filipiana 4. 6-7).

 

 

Fatokiana fa hahazo valim-bavaka

 

Izao no voasoratra ao amin’ny Romana 8. 31-32 : “Raha Andriamanitra no mom­ba antsika, iza no hahatohitra antsika ? Izay tsy niaro ny Zanany lahy, fa na­to­lony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy mai­maim­poana koa va ny zavatra rehetra ?” Ary hoy ny Tompo Jesoa ao amin’ny Jao­na 16. 27 : “Ny Ray dia tia anareo.”

Raha momba antsika ilay Andriamanitra Tsitoha, raha tia antsika Izy ka te ha­no­me ny zavatra rehetra ho antsika, dia toy inona tokoa ny herin’ny vavaka !

Nefa tsy izany ihany ! Ao amin’ny Jaona 14. 13-14 ny Tompo Jesoa dia ma­me­la antsika hivavaka amin’ny anarany, ary mampanantena fa hohenoiny ny vavaka toy izany. Ampiany ao amin’ny Jaona 16. 23, hoe : “Na inona na ino­na hangatahinareo amin’ny Ray, dia homeny anareo amin’ny anarako iza­ny.” Tsy misy famerana, tsy misy fisalasalana.

Misongadina tsara koa izany, raha dinihintsika ny fiainan’ny Tompo Jesoa ao amin’ny Soratra Masina. Ao amin’ny Salamo 109. 4 dia milaza ny Tompo Je­soa fa nanokana ny fiainany tetỳ an-tany, ho amin’ny vavaka. Izay no nam­pia­va­ka Azy. Tena Olona tanteraka Izy, ary ny tena maha-olona, marina, dia ny fiankinana amin’Andriamanitra. Andriamanitra Mpahary dia tsy nahary ny olo­na hahaleo tena, ary satria ny olona tsy te hiankina amin’Andriamanitra, dia la­sa miankina amin’ny devoly.

Ao amin’ny Tompo Jesoa no ahitantsika Olona marina sy tanteraka, ka no­ho izany, ahitantsika ny atao hoe fanankinan-tena tanteraka. Ao amin’ny Isaia 50. 4 no ilazany hoe : “Ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, am­pan­dre­ne­siny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay.” Hitantsika ao amin’ny Fi­la­zan­tsara ny fiainam-bavaka nananany.

Ao amin’ny Filazantsara nosoratan’i Lioka, ny Tompo dia aseho antsika amin’ny lafiny maha-Olona tanteraka Azy, toy ny Zanak’olona. Hitantsika ao amin’io filazantsara io ny Tompo mivavaka im-balo, ary, indraindray, mandany ny alina manontolo mihitsy, mivavaka (3. 21 ; 5. 16 ; 6. 12 ; 9. 18, 29 ; 11. 1 ; 22. 41 sy 23. 34). Impito isika no mahita azy mivavaka mandritra ny fa­nom­poa­ny, talohan’ny hazofijaliana, ary indray mandeha talohan’ny hahafatesany, teo amin’ny hazofijaliana. Mahavariana tokoa ny mandinika ny zava-niseho tamin’ ny nivavahan’ny Tompo Jesoa, satria misy lesona goavana azo tsoahina amin’ iza­ny, ary diboky ny fitiavana Azy ny fontsika ; fa tsy hiresaka izany aloha aho, izao. Tiako fotsiny ny hisarika ny saintsika fa ny Tompo Jesoa, izay nahery ni­va­va­ka tokoa, dia afaka nilaza hoe : “Raha izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy man­dra­kariva Ianao” (Jaona 11. 42). Izay vavaka rehetra nataony dia no­he­noi­na avokoa, ary fantatry ny Tompo Jesoa mialoha izany, eny fa na dia fony Izy ha­nan­ga­na olona maty efa nalevina efatra andro aza.

Indroa Andriamanitra no nanao fanambaràna miharihary, momba Azy : “Ianao no Zanako malalako, Ianao no sitrako”, ary izany dia satria nivavaka ny Tom­po (Lioka 3. 21, 22 sy 9. 35, ampitovio amin’ny Matio 17. 5) ; ary hoy ny Tom­po Jesoa : “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny ma­ha­vita ny asany” (Jaona 4. 34) ary koa “ … satria Izaho manao izay sitrany man­dra­ka­riva” (Jaona 8. 29). Noho izany, novalian’Andriamanitra daholo izay zavatra nangatahiny, satria nifanaraka tanteraka tamin’ny fi­sai­nan’An­dria­ma­ni­tra ary tsy nikatsaka afa-tsy ny voninahitr’Andriamanitra.

Noho izany, raha mivavaka amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa isika, dia afa­ka matoky fa hovaliana, satria ny vavaka ataontsika dia miakatra eo ano­loan’ Andriamanitra, toy ny hoe vavaka ataon’ny Tompo Jesoa tenany mihitsy, ka ma­ha­zo valiny hatrany.

 

 

Inona no dikan’ny hoe
mivavaka amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa ?

 

Afaka mametraka izany fanontaniana izany isika, satria efa hitantsika ny vo­ka­try ny vavaka toy izany. Ny dikany dia hoe mivavaka amin’Andriamanitra amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa.

Midika ve izany fa tokony hofaranantsika amin’ny hoe “Amin’ny anaran’ny Tom­po Jesoa” ny vavaka ataontsika, izay angatahantsika izay rehetra he­ve­rin­tsi­ka ho tsy maintsy ilaina ? Matetika isika no misaina sy manao izany, nefa na iza­ny aza, dia tsy marina izany.

Ny mivavaka amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa dia midika hoe mivavaka mi­so­lo toerana Azy, ka noho izany, dia misalotra ny fahefany rehetra sy ny zo­ny. Noho izany,  ny vavaka atao dia tsy maintsy manana ny toetran’ny vavaky ny Tompo Jesoa.

Raha misy olona mankany amina mpivaro-boky, hividy Baiboly, satria ni­ra­hin’olona iray fantatr’ilay mpivarotra fa mpino azo antoka, dia ho mora amin’io mpi­va­ro­tra io ny hino azy. Nefa raha tonga izy hividy karatra ilalaovana sy bo­ky misy tantara mamoafady, dia tsy hino azy ilay mpivarotra. Satria ilay mpi­va­ro­tra mahalala ilay mpino, dia fantany fa tsy hitady izany zavatra izany io olona io, ka noho izany, tsy amin’ny anaran’io mpino io no ahatongavan’ilay mpividy.

Dia tahaka izany, ny vavaka atao amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa dia tsy main­tsy manana ny toetran’ny vavaka ataon’Izy Tompo mihitsy. Voalohany, ma­ne­ho fiankinana tanteraka izany ; manaraka izany, ny vavaka toy izany dia tsy manana antony hafa ankoatra ny voninahitr’Andriamanitra ; ary fahatelo, mi­fa­na­raka tanteraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra izany.

 

 

Fepetra ilaina, mba hahazoana valim-bavaka

 

Ao amin’ny Jaona 15. 7 dia hoy ny Tompo : “Raha miray amiko ianareo, ka mi­toe­tra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo, na inona na ino­na, fa ho tonga aminareo izany.”

Hitantsika eto ny fanomezan-toky ngeza indrindra fa omen’Andriamanitra an­tsi­ka izay tadiavintsika. Tsy misy fanavahana izany. Mety hisy mihoatra no­ho ny hoe “izay tianareo, na inona na inona” ve ?  —“Angataho izay tianareo, na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.”

Io fanomezan-toky io, nefa, dia aorian’ny hoe : “Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko”. Io, izany, no fepetra hahatanterahan’ilay va­va­ka. Raha miray amin’ny Tompo Jesoa isika, dia hitovy Aminy bebe kokoa ha­tra­ny. Raha mitoetra ao anatintsika ny teniny, ny fihetseham-pontsika, ny za­va­tra omentsika lanja, ary izay tiantsika dia hifanaraka amin’ny fihetseham-po­ny, ny tombontsoany sy ny sitrapony, ary ho fantatsika fa tena araka ny si­tra­pon’Andriamanitra izany. Koa teny fampanantenana toy io ihany no omena ao amin’ny Jaona 16. 23-27 : “... satria ianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa ni­voa­ka avy tamin’ny Ray Aho.”

Mbola misy fepetra iray hafa, lazaina ao amin’ny Hebreo 11. 6 : “Izay ma­na­to­na an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino.” “Aoka hangataka amin’ny fi­noa­na izy, ka tsy hiahanahana akory ; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dra­no­ma­si­na entin’ny rivotra ka atopatopany. Fa aoka tsy hanampo handray za­va­tra amin’ny Tompo izany olona izany” (Jakoba 1. 6-8).

Mamaly ny finoana Andriamanitra. Ahoana moa no hamaliany vavaka, ra­ha tsy tena matoky Azy ilay mpangataka, ka mino fa hataon’Andriamanitra iza­ny ?

Ao amin’ny Matio 21. 21-23 dia misy zavatra toy izany ihany koa, lazain’ny Tom­po. Ny anampiny an’izay, nefa, dia ny porofon’ny finoana.

Indray andro, dia nisy mpanao tsingeringerina niampita ny riandranon’ny Nia­ga­ra (renirano mampisaraka an’i Canada sy Etazonia) tambonina tady. Ni­ve­ri­na fanindroany indray izy, nitondra biroety ; dia indray mandeha koa, ni­ton­dra sariolona mitovy habe amin’olona. Dia nanontany ny mpijery izy, raha mi­no izy ireo fa afaka hiampita mitondra olona velona izy ; nihiaka daholo ny re­he­tra, hoe eny. Nefa nony nangataka olona tsara sitrapo hampitainy izy, dia tsy nisy sahy nandroso.

Izany no antony iresahan’ny Tompo, tsy ny finoana ihany, fa koa ny po­ro­fon’ny finoantsika, miseho rehefa miteny amin’ny tendrombohitra isika hoe : “Mi­findrà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina” (Matio 21. 21).

 

 

Ireo sakana amin’ny valim-bavaka

 

Nahoana àry no maro dia maro tokoa ny vavaka tsy mahazo valiny ? Ma­no­me antony maro antsika ny Soratra Masina.

Ao amin’ny Daniela 10 dia hitantsika fa misy vavaka, izay tsara tokoa, nefa tsy valiana, satria mampiasa ny heriny rehetra i Satàna tsy hahatanteraka iza­ny. Tsy ho hatramin’ny farany izany, fa raha avelan’Andriamanitra izy, dia afa­ka ny mampihemotra tsy hahatanteraka izany  eo no ho eo. Ary ave­lan’An­dria­ma­ni­tra hisy izany, indraindray, hisedrana ny finoantsika sy ny faharetantsika.

Mety hisy koa, nefa, antony avy ao anatintsika, izay tsy aha­fa­han’An­dria­ma­ni­tra mamaly ny vavaka ataontsika. Ao amin’ny Isaia 59. 2 dia izao no no­la­zai­na tamin’i Israely : “Ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’An­dria­ma­nitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.” Hoy ny mpanao Salamo : “Raha nankasitraka ota tao am-po­ko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo” (Salamo 66. 18). Hoy ny ao amin’ny 1 Jao­na 3. 21-22 : “Raha tsy mba manameloka antsika ny fontsika, dia manana fa­ha­sa­hiana eo anatrehan’Andriamanitra isika. Ary na inona na inona no an­ga­ta­hin­tsika, dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy manao izay an­ka­si­tra­hi­na eo imasony isika.”

Ny Soratra Masina dia mitanisa anaran-javatra maro momba izay ana­me­lo­han’ny fontsika antsika ka tsy amaliana ny vavaka ataontsika.

Ao amin’ny Marka 11.22-26 dia voalaza ny tsy fahavonònana hamela he­­lo­ka (jereo koa ny Efesiana 4.32). Ny ahafahantsika manatona an’Andriamanitra, dia satria efa navelan’Andriamanitra ny fahotantsika, noho i Kristy. Ahoana moa no hananantsika fahasahiana, raha tsy navelantsika tamin’ny fontsika ma­nontolo koa izay rehetra nataon’olona antsika ?

Hoy i Jakoba : “Mangataka ianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fan­ga­ta­ka, mba holaninareo amin’ny filànareo” (Jakoba 4. 3). Raha mangataka amin’Andriamanitra zavatra hahafa-po ny filàn’ny fontsika isika, ny sitrapon’ny no­fo, ahoana moa no hanomezan’Andriamanitra antsika izany ? Halan’An­dria­ma­ni­tra ny nofo, ary efa nomelohiny teo amin’ny hazofijaliana (Romana 8. 3). Mi­an­tso antsika Izy mba hanao ny tenantsika ho efa maty ny amin’ny ota (Ro­ma­na 6. 11), ka hamono ny momba ny tenantsika izay etỳ an-tany (Kolosiana 3. 5-17). “Izay an’i Kristy Jesoa dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny fa­ni­ria­ny sy ny filàny tamin’ny hazofijaliana” (Galatiana 5. 24). Ny fangatahana za­va­tra toy izany, ve, tsy efa porofo fa tsy mitoetra ao anatintsika ny tenin’ny Tom­po Jesoa (Jaona 15. 7), ka mifanohitra tanteraka amin’ny fisainan’ny Tompo sy ny sitrapon’Andriamanitra ny hevitsika ?

Mbola misy antony iray hafa koa, ambara ao amin’ny 1 Petera 3. 1-7. Ny fom­ba fifandraisana ao an-tokantrano, eo amin’ny mpivady, eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, eo amin’ny samy ankizy aza, dia mety hanapaka ny va­va­ka. Ahoana moa no hananantsika fahasahiana eo imason’Andriamanitra ra­ha tsy milamina daholo ny ao amin’ny fianakaviana, na raha mbola misy ola­na tsy voavaha !

 

 

Mivavaka araka ny sitrapony

 

Noho izany, ny zavatra voalohany, aloha, dia ny mandinika ny tenantsika ao amin’ny fahazavan’Andriamanitra, miaiky izay rehetra ratsy eo imason’ny Tom­po, ary raha ilaina, eo imason’ny olona, ka manadio ny tenantsika noho iza­ny fitsaràntsika ny tenantsika izany. Dia hanana fahasahiana eo ima­son’An­dria­ma­ni­tra isika.

Manaraka izany, mba ahazoana antoka fa hahazo izay angatahintsika amin’Andriamanitra isika, dia tsy maintsy mivavaka araka ny sitrapony. Ka ahoa­na àry no ahafantarantsika ny sitrapon’ny Raintsika ? Nampitainy ta­min­tsi­ka tamin’ny Teniny ny heviny, ka raha miray aminy isan’andro isika, dia ha­hay hamantatra ny heviny ao amin’ny Teniny, amin’ny alalan’ny Fanahy Ma­si­na. Izany no maha-zava-dehibe ny fianarana isan’andro ny Teniny. Ahoana moa no hanatanterahan’Andriamanitra vavaka angatahantsika zavatra efa no­me­ny antsika hatry ny ela ? Ohatra, ny fidinan’ny Fanahy Masina, nefa ny So­ra­tra Masina dia mampianatra mazava fa efa nomena ny Fanahy Masina, ary mi­toe­tra etỳ an-tany ankehitriny, dia ao amin’ny Fiangonana sy ao amin’ny mpi­no tsirairay ! Na koa ny fanafahana amin’ny ota ao anatintsika, nefa efa no­me­lo­hin’Andriamanitra tao amin’ny Tompo Jesoa teo ambony hazofijaliana iza­ny (Romana 8. 3 ; 2 Korintiana 5. 21).

Amin’ny Teniny sy amin’ny fiombonana amin’ny Tompo isan’andro no ia­na­ran­tsi­ka mahalala ny sitrapon’Andriamanitra. Amin’izany no ahafahantsika mi­va­va­ka araka ny sitrapony ka ahazoantsika antoka fa ho tanteraka ny va­va­ka ataontsika.

 

 

Mivavaka tsy mitsahatra

 

Ka raha izany, ny mpino efa lasa lavitra, ireo izay efa nandalina ny tenin’ An­driamanitra ihany, izany, no afaka mivavaka ?

Soa ihany fa tsy izany ! Hiteny amin’ny zanany ve ny ray aman-dreny hoe tsy mahazo mangataka na inona na inona aminy intsony, alohan’ny ha­ha­le­hi­be azy, satria mbola mibadabada, ary indraindray aza, mangataka zavatra ada­la­dala ? Tsia ! Faly izy ireo, satria manatona azy miaraka amin’ny fan­ga­ta­ha­ny ilay zaza. Ho azy ireo, dia izany no porofo fa resy lahatra ilay zaza fa izy ireo no ray aman-dreniny, ary tsy afaka hamaha olana izy raha tsy misy azy ireo. Mampiseho izy fa matoky azy ireo, ary na dia tsy mazava tsara ao an-tsai­ny aza izany, indraindray, dia miandrandra ny fitiavan’izy ireo sy ny fi­ka­ra­ka­rà­ny ilay zaza.

Andriamanitra Raintsika dia tena faly mihitsy mandre ny feontsika, rehefa ma­na­tona Azy isika. Zanany isika. Hoy ny Tompo mantsy an’i Paoly, izay vao nio­va fo : “Indro, efa mivavaka izy.” Nasainy nosoratan’i Paoly ho an’ny Te­sa­lo­nia­na koa, izay vao niova fo, hoe : “Mivavaha, ka aza mitsahatra.” Ary io apos­toly ngezalahy io, izay azo antoka fa nahatonga olona alikisa hiova fo no­ho ny toriteny nataony tamin’izany fotoana izany, izay nahazo fanambaràna ma­no­ka­na nanehoan’Andriamanitra taminy ny fisainany rehetra, eny, izy izay tany amin’ny lanitra fahatelo, “nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony ho­la­zain’olona” (2 Korintiana 12. 2-4), io apostoly io dia natoky tanteraka ny he­rin’ny vavaka, ka nangataka tamin’ireo vao niova fo hoe : “Ry rahalahy, mi­va­va­ha ho anay” (1 Tesaloniana 5. 17,25). Ny porofo mazava indrindra hoe man­dro­so ny mpino iray, dia ny fahatsapany bebe kokoa hatrany ny lanjan’ny va­va­ka  —eny, tsy misy dikany ny zavatra rehetra raha tsy misy vavaka.

Hoy Andriamanitra Raintsika amintsika, hoe : “Aoka ny fivavahana sy ny fi­fo­na­na mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’An­driamanitra, amin’ny zavatra rehetra.” Ary raha sanatria isika, in­drain­dray, mangataka aminy zavatra tsy voahevitra, tsy azon’ny fitiavany omena an­tsi­ka, dia mampanantena kosa izy fa “ny fiadanan’Andriamanitra, izay mi­hoa­tra noho ny fahalalàna rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo, ao amin’i Kris­ty Jesoa” (Filipiana 4. 6-7). Enga anie ka hotarihin’ny Tompo isika, izaho sy ianao, mba hahatsapa bebe kokoa hatrany ny lanjan’ny vavaka, ka hampiasa be­be kokoa io tombondahiny goavana io. Ho toy inona ny fahasambaran’ny fon­tsi­ka, ary hanao ahoana ny lanjan’ny fijoroantsika ho vavolombelona, eo amin’ny fiainantsika !

 

Manao veloma finaritra anareo.

Ny rahalahinareo ao amin’ny Tompo.

H. L. H.

 

 

 


 

VITA BATISA VE IANAO ?

 

 

Ry sakaiza malala isany,

 

Saika hiresaka aminareo momba ny Fanasàn’ny Tompo aho, nefa misy lo­ha­hevitra iray tokony hodinihina, alohan’izany : Vita batisa ve ianareo ?

Manan-danja tokoa izany fanontaniana izany. Hoy ny tenin’Andriamanitra : “Izay mino sy atao batisa no hovonjena” (Marka 16.16a). Ary ao amin’ny 1 Pe­te­ra 3. 21 dia lazaina, momba ny batisa, fa “mamonjy anareo koa ankehitriny … izay tenan’io tandindona io”. Raha bangoina, amin’ireo teny ireo sy amin’ny ha­fa koa, dia ny famonjena mifandraika amin’ny batisa no resahina.

Toa vaovao aminareo izany hevitra izany, ary toa mifanipaka amin’izay no­so­ra­ta­ko taminareo momba ny ilàna ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny fi­noana an’i Jesoa Kristy, mba ho voavonjy. Ny olana dia satria rehefa mi­re­sa­ka “famonjena”, dia ny hoe “mankany an-danitra” na “miova fo sy voavela he­lo­ka” no ao an-tsaina, matetika. Nefa ao amin’ny Soratra Masina dia misy he­vi­tra hafa ihany koa ny hoe “famonjena”. Hita mazava tsara izany ao amin’ny Asa 2. 40 : “Aoka hovonjena ho afaka amin’ity taranaka maditra ity ianareo.” Eto, dia tsy mety mihitsy ny mandika izany hoe “mankany an-danitra”, na “ma­ha­zo famelàn-keloka”.

Tsy misy ifandraisany amin’ny fankanesana any an-danitra ny batisa. Ny fi­fan­draisantsika mandrakizay amin’Andriamanitra, ny toerana hisy antsika amin’ny mandrakizay, dia miankina amin’ny fiaikentsika heloka eo ana­tre­han’ An­driamanitra sy ny finoantsika ny Tompo Jesoa. Tsy natao batisa mihitsy ilay jio­lahy teo ambony hazofijaliana, nefa dia nilazan’ny Tompo hoe : “Anio ihany dia ho tafaraka amiko any am-paradisa ianao” (Lioka 23. 43 DIEM). Ary tatỳ ao­ria­na, dia an’arivony ireo olona niova fo teo ambavahoana, ka lasa any amin’ ny Tompo Jesoa, na dia tsy natao batisa velively aza.

Fa ho an’ny toerana misy antsika etỳ an-tany, kosa, dia misy dikany lehibe ny batisa. Ny Jiosy izay nino ny teny nolazain’i Petera tamin’ny Pentekosta, dia nanamarika tamin’ny batisa ny fisarahany tamin’ny vahoaka jiosy, izay mbo­la teo ambany fanamelohan’Andriamanitra, noho ny nandavany an’i Kris­ty. Izany fitsarana izany dia efa tanteraka, tamin’ny fanafihan’ny miaramila ro­ma­na notarihin’i Titosy tamin’ny taona 70. Nefa ny tenin’Andriamanitra dia mbo­la mihatra ihany amin’ny vahoakany, amin’izao fotoana izao. Hianjera amin’ity tontolo izay meloka ity ny fahatezeran’ny lanitra. Ireo izay mino sy atao batisa dia misaraka amin’izao tontolo izao sy ny fanamelohana azy. Ny ba­ti­sa, izany, dia kisarisary maneho ny famonjena antsika ankehitriny, araka ny voalaza ao amin’ny 1 Petera 3. 21.

 

Inona no dikan’ny batisa ?

 

Ny batisa dia nekena tamin’ny ankapobeny teo amin’ny Jiosy. Amin’ilay na­tao hoe batisan’ny proselyta, ny jentilisa iray dia nisaraka tamin’ny fireneny ka niaraka tamin’i Israely. Hitantsika maneho izany hevitra izany koa i Jaona Mpa­nao batisa. Nilaza izy fa efa akaiky ny fitsarana ny Jiosy (Lioka 3. 7-9, 16-20). Ireo izay nino ny teniny dia natao batisa ary nisaraka tamin’ny sarababem-ba­hoa­ka tsy nino. Nasain’ny Tompo Jesoa natao batisa Izy, mba hahatonga azy ho isan’ireo Sisa tavela mino. Niditra teo amin’ny vavahady Izy, ho ao amin’ny valan’ondry (Jaona 10. 1-3).

Io hevitra io koa no ambara mazava amin’ny atao hoe batisa kristiana.

Ao amin’ny filazantsara araka an’i Matio, ny Tompo dia aseho ho toy ilay Mpan­jakan’i Israely. Koa amin’izany, raha naniraka ny mpianany hitory ny teny Izy (Matio 10. 5), dia nanao hoe : “Aza mandeha any amin’ny làlan’ny jentilisa, ary aza miakatra amin’izay tanànan’ny Samaritana, fa aleo mankany amin’ny on­dry very amin’ny taranak’i Israely.”

Nandà ilay Mpanjakany i Israely. Koa dia nilaza ny Tompo fa ny “fan­ja­kàn’ ny lanitra” dia mbola tsy apetraka amin’ny voninahiny, fa mbola vonjimaika iha­ny, fanjakana izay tsy misy mpanjaka ary mbola ahafahan’ny fahavalo ma­nam­pa­tra ny heriny ihany (Matio 13). Miaraka amin’izany, nefa, dia milaza ny Tom­po fa tsy tokony hoferana ho eo amin’i Israely ihany izany fanjakana iza­ny : “Ny tanimbary dia izao tontolo izao” ; “Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Za­nak’olona” (and. 38, 37). Rehefa nolavina tanteraka sy nohombohana ny Tom­po, dia namory ny mpianany tany Galilia, lavitra an’i Jerosalema. Teo no na­ni­ra­ha­ny azy ireo hanomboka hitory ny Filazantsara any amin’ny firenena re­he­tra. Izay rehetra mino izany Filazantsara izany dia tsy atao ho isan’ny Israely in­tso­ny, fa tsy maintsy atao batisa ho an’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Satria efa tonga ny fanjakana, tamin’ny alalan’ny Tenan’ ilay Mpanjaka, dia naseho mazava, izany, ny Telo Izay Iray, ka tsy misy làlan-ka­fa intsony hanatonana an’Andriamanitra (ny Telo Izay Iray). Nefa satria etỳ an-tany dia tsy fantatra Andriamanitra raha tsy amin’ny alalan’ny Tompo Je­soa, dia matetika ny Soratra Masina no milaza fa atao batisa ho an’ny anarany ny mpino.

 

 

Atao batisa ho amin’ny Tompo Jesoa voahombo

 

Ny 1 Korintiana 10.2 dia mampiseho mazava ny dikan’ny hoe “manao ba­ti­sa ho amin’i”. Ny dikan’izany dia hoe akambana amin’olona iray, atao mitovy toe­ra­na aminy. Ny Israelita dia “natao batisa ho amin’i Mosesy, tao amin’ny ra­ho­na sy ny ranomasina”. Toy izany koa, isika dia atao batisa ho amin’ny Tom­po Jesoa (Asa 19. 5 ; sns.). Nefa isika tsy atao batisa ho amina Tompo velona, efa nasandratra any an-danitra. Marina fa efa miray amin’io Tompo io isika. An­kehitriny isika dia efa afaka miombona Aminy, ary any amin’ny man­dra­ki­zay, dia hiara-mizara aminy izay rehetra ananany, noho ny asa vitany teo amin’ny hazofijaliana.

Ity izao tontolo izao ity, nefa, dia tsy mahalala Azy ho toy Ilay Nitsangana sy Nasandratra. Ny nahitany Azy farany, dia ilay nahafatesany teo amin’ny ha­zo­fi­jaliana sy ny nandevenana Azy. Ho an’izao tontolo izao, Izy dia Ilay maty ta­min-kenatra teo amin’ny hazofijaliana sy nalevina, Ilay novonoiny.

Fa isika, kosa, efa nandray an’io Voahombo io. Efa nam­pa­ha­fan­ta­rin’An­dria­ma­ni­tra antsika fa tsy misy famonjena afa-tsy amin’ny anarany, dia ny ana­ran’ilay olona nolavina (Asa 4. 11-12). Tamin’ny alalany no nahazoantsika fa­me­làn-keloka sy fiainana mandrakizay. Hiaraka aminy ho mandrakizay isika, any amin’ny toerana misy Azy ao amin’ny voninahiny. Ankehitriny kosa isika dia miaina miaraka Aminy, eo amin’ilay toerana nisy Azy tetỳ an-tany, dia ilay no­la­vina.

Ary mifanaraka amin’ny hevitr’Andriamanitra rahateo izany : “Raha miara-mi­a­ritra aminy isika, mba hiara-manam-boninahitra aminy koa” (Romana 8. 17).

 

 

Izao tontolo izao dia mitoetra eo amin’ilay ratsy avokoa
(1 Jaona
5. 19)

 

Noarìn’Andriamanitra nadio sy tsy nahalala ota i Adama. Tsy nankatò an’ An­driamanitra nefa izy, ka lasa mpanota. Nikambana ireo taranany mba ho le­hi­be, mba ho tonga mahery hanohitra an’Andriamanitra, sy hanao izay tsy ha­ha­tan­te­ra­ka ny ozona etỳ an-tany. Nanorina ny tanàna voalohany i Kaina. Ny ta­ra­na­ny dia olona mpamorona, nanatsara ny fiainana. Farany, dia nikambana ny olona mba ho lehibe sy hanan-kery (Genesisy 11. 4). Izany no ni­an­tom­bo­han’izao tontolo izao, izany no fiaraha-monina naorin’ny olombelona. Ni­ka­ra­ka­ra io tontolo io Andriamanitra. Nampitandremany izy, tamin’ny alalan’i Noa. Tao­rian’ny safodrano, dia nanomboka zava-baovao indray Izy, tamin’ny tany efa voadio. Rehefa niodina taminy indray ny olona, ka nanompo sampy, dia ni­an­tso an’i Abrahama Izy, niresaka taminy, nanokana ny ankohonany tsy hi­fan­ga­ro amin’ny firenena hafa, nanome azy ny didiny sy ny fitsipiny, nanao fa­ne­kem-pihavanana taminy, ary nitondra azy ho any amin’ny taniny, dia ilay tanin’i Ima­noela.

Fantatsika ny vokatr’izany. Niodina tamin’Andriamanitra koa ny taranak’i Abrahama, na dia niresaka taminy aza Andriamanitra, tamin’ny fifehezany, ta­min’ireo mpitsarany, ireo mpanjakany sy ireo mpaminaniny.

Dia nirahiny indray ny Zanany. Te hamela ny helok’izy ireo Andriamanitra, ka nanolotra azy ny Tompo Jesoa ho Mpampihavana : “Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy, ka tsy nanisa ny fa­ha­di­soa­ny” (2 Korintiana 5. 19). Nefa tsy noraisiny ilay tanana na­to­lo­tr’An­dria­ma­ni­tra, fa aleony nandà ny Tompo Jesoa. “Tsy manaiky hanjakan’iny lehilahy iny iza­hay.” Ny antony nanamelohana Azy, dia satria Izy Zanak’Andriamanitra. No­homboany Izy, ary mbola nanampy trotraka ny fahadisoany koa ny na­mo­noa­ny Azy tamina fomba mahatsiravina.

Teo amin’ny hazofijaliana, dia niara-nioko nanohitra ny Tompo izao tontolo izao. Tonga mpisakaiza i Heroda sy i Pilato. Ny mpisoronabe sy ny mpanora-da­làna, izay hery ara-pivavahana lehibe indrindra teto an-tany, dia niombona ta­min’ny fanjakana romana, izay hery sivily sy politika lehibe indrindra. Ny so­ra­tra teo amin’ny hazofijaliana dia natao tamin’ireo teny telo fantatr’izao tontolo izao, tamin’izany fotoana izany. Notarihin’i Satàna izy rehetra, tamin’izany adi­ny tamin’Andriamanitra izany.

Nabaribary teo amin’io hazofijaliana io ny toetran’izao tontolo izao ; tsy ny toe­tran’ireo nanatrika ihany, fa koa ny toetran’ny fiaraha-monina na­o­rin’olom­be­lo­na. Ny fahefana rehetra teo am-pelatanan’io fiaraha-monina io, dia nam­pia­saina hiadiana tamin’Andriamanitra.

Tsy misy indrafo intsony, ho an’izao tontolo izao. Tsy manana atolotra intso­ny Andriamanitra, taorian’ny hazofijaliana. Tsy misy afa-tsy fanamelohana si­sa, ary hotanterahin’Andriamanitra tsy ho ela izany, tsy hisy famindràm-po. Iza­ny no ambaran’ny toko faha-6 ka hatramin’ny toko faha-20 ao amin’ny Apo­ka­lypsy.

Raha mbola tsy manatanteraka izany fitsarana izany Andriamanitra, an­ke­hi­tri­ny, dia satria mbola misy indrafo tiany homena ho an’ny olona. Izy ireo no asai­ny mibebaka sy ilazany hoe : “Aoka hihavana Amiko ianareo !”

 

 

Ny hazofijalian’i Kristy

 

Teo amin’ny hazofijaliana, dia am-pahatezerana no nijeren’Andriamanitra izao tontolo izao. Ahoana moa no tsy ho izany, manoloana ny fa­nim­ba­zim­bàn’ ny olona ny Zanany sy ny nanalany baraka Azy ? Teto an-tany nefa, dia nisy iha­ny toerana iray azony nojerena amim-pitiavana sy fahafaham-po. Tsy inona iza­ny fa ny hazofijaliana, sy Ilay voafantsika teo. Raha niombona izao tontolo izao sy izay rehetra niaraka taminy, hanohitra Ilay teo amin’ny hazofijaliana, dia nasehon’Andriamanitra fa tsy misy ihambahambana ny fiandaniny amin’ ilay Voahombo.

Izany no zava-misy eto an-tany, nanomboka tamin’ny hazofijaliana : an­ki­la­ny, izao tontolo izao izay namono an’i Kristy, ary tsy mahalala Azy afa-tsy toy Ilay Voahombo sy Ilay nalevina ; andaniny, ny hazofijaliana sy ireo rehetra mi­ray aminy. Mbola manolotra ny fahasoavany sy ny indrafony ho an’ny tsirairay iha­ny Andriamanitra, nefa amin’ny alalan’i Jesoa irery ihany. Natsangan’An­dria­ma­nitra tamin’ny maty Izy, ary nataony Tompo sy Kristy (Asa 2. 36). Tsy misy voavonjy, izany hoe afaka amin’ny fitsarana, raha tsy mino ilay Voa­hom­bo sy mandray Azy ho Tompo. “Izahay kosa mitory an’i Kristy voahombo ta­min’ny hazofijaliana, dia fahatafintohinana amin’ny Jiosy ary fahadalana amin’ ny jentilisa, fa amin’izay voantso kosa, na Jiosy na jentilisa, dia Kristy, Izay he­rin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra” (1 Korintiana 1. 23-24).

Fantatrareo, izany, ankehitriny, fa ny Tompo Jesoa no hany làlana aha­zoan’ny mpanota manatona an’Andriamanitra ary ahazoany famelàn-keloka. Efa noraisinareo ho Tomponareo Izy. Ary hiombona aminy mandrakizay iana­reo, ka hiara-mandray anjara aminy amin’izay vokatry ny asany rehetra feno vo­ni­na­hitra teo amin’ny hazofijaliana.

Fa inona no dikan’izany, amin’ny fiainana etỳ an-tany ? Midika izany fa ma­nai­ky ianareo fa tsy ara-drariny ny nanomboan’izao tontolo izao ny Tompo, ary mihoatra noho izany aza : niala tamin’izao tontolo izao ianareo, ka lasa ni­an­dany tamin’ny Tompo Jesoa, ary lasa ankohonan’Andriamanitra ; nefa tsy main­tsy ambara ampahibemaso izany. Tsy ampy ny manao izany ao am-po fo­tsi­ny. Tsy maintsy misaraka amin’izao tontolo izao koa ianareo, etỳ ivelany. Ta­haka izany no tsy naha-ampy ho an’i Israely ny nialoka teo ambany ran’ny za­nak’ondry, fa tsy maintsy niala tany Egypta koa ny vahoaka. Ary rehefa ta­fi­ta ny Ranomasina Mena izy vao lazain’ny tenin’Andriamanitra hoe voavotra. Ary ao amin’ny 1 Korintiana 10 dia efa hitantsika fa ny fiampitana ny Ra­no­ma­si­na Mena dia tandindon’ny batisa.

Noho izany, ny batisa no anambaràntsika ny maha-kristiana antsika, ary iso­ka­jia­na antsika ampahibemaso ho mpiaraka amin’ny Tompo, Izay no­la­vin’ izao tontolo izao sy nohomboany. Izany no tena fanekem-pinoana ataon’ny olo­na, satria izany no fiaikena fa Tompo i Jesoa Izay nohomboana : miandany Aminy ilay atao batisa, manohitra izao tontolo izao. “Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’i Kristy Jesoa, dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany ?” (Romana 6. 3).

Andriamanitra, izany, ao amin’ny fanjakàny, dia mahita antsika toy ny efa ta­fa­voaka teo amin’izao tontolo izao, izay eo ambany fitsaràny, ka tonga eo am­ba­ny fahefan’ny Tompo iray Mpamonjy, namoy ny ainy, niharan’ny fi­tsa­ra­na noho isika. Toerana tsy misy fanamelohana intsony izany, fa ny mifanohitra amin’izany, fanafahana amin’ny herin’ny ota, ny herin’izao tontolo izao, ny he­rin’i Satàna ary ny lalàna. Izany no antony nilazan’i Ananiasy tamin’i Saoly hoe : “Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa ianao ka ho­sa­sa­na ho afaka amin’ny fahotanao” (Asa 22. 16). Mbola tsy voasasa tamin’ny fa­ho­ta­ny àry ve i Paoly ? Raha ny amin’ny famonjena mandrakizay ho azy, amin’Andriamanitra, dia azo antoka izany. Raha maty talohan’ny nanaovana ba­ti­sa azy izy, dia tsy isalasalana fa ho lasa tany an-danitra. Antsoin’i Ana­nia­sy hoe rahalahy izy. Fa ny amin’ny fanjakàn’Andriamanitra etỳ an-tany, dia mbo­la tsy afaka ny fahotany. Amin’ny endrika ivelany i Paoly dia mbola ani­san’ izao tontolo izao ihany, izay iharan’ny fanamelohana.

Izany no ilazana ao amin’ny 1 Petera 3, fa mamonjy antsika, ankehitriny, ny tenan’ny tandindon’ny rano tamin’ny safodrano, dia ny batisa. Toy ny ni­fin­dran’i Noa niala tamin’ny toerana eo ambany fanamelohana, ka tonga tamin’ny toe­ra­na nahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra (tany voadio) (Genesisy 8.21), ta­min’ny niaretany ny rano tamin’ny safodrano, dia toy izany koa, amin’ny ala­lan’ny ranon’ny batisa, izay manambara ny fanamelohan’Andriamanitra ny ota teo amin’ny hazofijaliana, no mahatonga antsika ampahibemaso ho eo am­ba­ny fifehezan’i Jesoa, Izay maty, ary nahafa-po an’Andriamanitra. Izany koa no ila­zan’i Petera ao amin’ny Asa 2 hoe : “Aoka hovonjena ho afaka amin’ity ta­ra­na­ka maditra ity ianareo. Ary izay nandray tsara ny teniny, dia natao batisa.”

Koa mbola mamerina manontany anareo aho, hoe : vita batisa ve ia­na­reo ?

Raha tsia, dia mbola tsy kristiana ianareo etỳ an-tany, satria mbola tsy ni­di­tra ho kristiana, araka ny fomba tokana eken’ny tenin’Andriamanitra. Raha fan­ta­tra­reo ny Tompo Jesoa ho toy Ilay maty nahatonga anareo ho voavela he­lo­ka sy nahazo ny fiainana mandrakizay, Ilay hiara-miombona aminareo amin’ny voninahitra mandrakizay, tsy tianareo ve ny hiara-dia aminy am­pa­hi­be­ma­so, etỳ an-tany koa ? Na dia voazimbazimba sy hàlan’izao tontolo izao aza izany toerana izany ?

Tamin’izay voalaza rehetra teo, dia tsy ny lafiny rehetra momba ny batisa, tsy akory, no voalazako. Tsy noresahiko koa ny tombontsoa manokan’ny ray aman-dreny kristiana manolotra ny zanany hatao batisa. Nianina tamin’ny di­ka­ny voalohany monja aho, izay lehibe indrindra.

 

Mirary soa ho anareo.

Ny rahalahinareo ao amin’ny Tompo.

H. L. H.

 

 


 

NY FANASÀN’NY TOMPO

 

 

Ry sakaiza malala isany,

 

Araka ny nolazaiko taminareo tamin’ny farany teo, dia te hiresaka kely mom­ba ny Fanasàn’ny Tompo aho.

Tsara homarihina fa ireo rafitra lehibe roa misy amin’ny fivavahana kris­tia­na rehetra, ny batisa sy ny Fanasàn’ny Tompo izany, dia samy mam­pa­ha­tsia­ro ny firaisana amin’ilay Tompo Izay maty. Araka ny efa hitantsika, ny batisa dia mifandraika amin’ny toerana misy antsika ivelany, eo amin’izao tontolo izao. Ho an’ny tsirairay, izany, io. Na dia olona telo arivo aza no miaraka atao ba­ti­sa, toy ny ao amin’ny Asa 2, dia zavatra mikasika ny tsirairay manokana iza­ny. Ny Fanasàn’ny Tompo, kosa, na dia atao etỳ an-tany aza, dia mikasika ny toerantsika manokana amin’ny maha-tenan’i Kristy antsika. Noho izany dia za­va-dehibe, eto, ny fiombonana. Noho izany, ny olona irery mandray mofo sy di­vay, hankalazany ny Fanasàn’ny Tompo, dia manohitra tanteraka ny tenin’ An­driamanitra. Izany no mahatonga ny apostoly Paoly, izay nametrahana ny an­drai­kitra manokana hanambara ny fahamarinana momba ny Fiangonana sy ny fiombonany amin’i Kristy, hilaza hoe : “Kristy tsy naniraka ahy hanao batisa” (1 Korintiana 1. 17), na dia natao batisa aza izy, sady mba nanao batisa olona vi­tsi­vitsy koa. Fa ao amin’io epistily io ihany izy dia miresaka ny fanambaràna ma­no­ka­na azony tamin’ny Tompo, momba ny Fanasàn’ny Tompo (11. 23), ary to­ko roa mihitsy no iresahany an’izany.

Manana toerana lehibe tokoa ny maha-tsirairay ny olona, ao amin’ny So­ra­tra Masina. Ny olona tsirairay dia tsy maintsy miova fo ho azy irery, tsy main­tsy manatona tsirairay an’Andriamanitra, mino ny Tompo Jesoa sy ny rany, ary man­dray ny toerana izay nolavina, miaraka amin’ny Tompo Izay voahombo (ao amin’ny batisa). Anisan’ny fahadisoana iray lehibe ataon’ny Eglizy katolika ny fandàvana izay lafiny mikasika ny tsirairay izay, ka manao ny zavatra re­he­tra ho toy ny tsy maintsy sahanin’ny Eglizy (“tsy misy famonjena ivelan’ny Egli­zy”). Nefa anisan’ny fahadisoana lehibe ho an’ny protestantisma, koa, ny minia tsy mahita izay lafiny fiombonana izay : ho azy ireo, dia ny ataon’ny tsirairay iha­ny no zava-dehibe, tokony hanao araka ny fiheviny avy ny tsirairay, ary mia­ra­ka amin’ireo izay mitovy hevitra aminy. Nefa betsaka ny fitahiana mi­fan­drai­ka amin’ny fiombonana, lazain’ny Soratra Masina. Tsy kisendrasendra, tsy ako­ry, raha tafaraka ny mpianatra raha nanorina ny Fanasàn’ny Tompo i Je­soa Tompo ; izay dia manaja ny foto-kevitra momba ny Fanasàn’ny Tompo, izay tokony ho tsangambato fahatsiarovana ny fahafatesan’ny Tompo. Tsy mi­sy afa-tsy ny tenan’i Kristy ihany, nefa, no afaka manao izany (1 Korintiana 10. 16-17). Izay mety ho fihamboana hankalaza izany, nefa tsy manokana toerana ho an’ny isan’ny tenan’i Kristy rehetra, izay miaina araka izany, dia ma­na­po­ti­ka ny toetran’ny Fanasàn’ny Tompo. Tamin’ny Tompo nanorina izany, dia ny mi­la­za maro foana no nampiasainy, izany hoe ny mpianatra rehetra mi­kam­ba­na, ary toy izany koa no hitantsika ao amin’ny 1 Korintiana 10 sy 11, izay hany an­da­la­na miresaka ny Fanasàn’ny Tompo, ankoatra ireo ao amin’ny Fi­la­zan­tsa­ra.

 

 

Ny fanorenana ny Fanasàn’ny Tompo

 

Ny Matio 26, Marka 14 sy Lioka 22 no miresaka izany amintsika. Ireo tson­gan­da­hatsoratra roa voalohany dia milaza fa naorina ny Fanasàn’ny Tompo raha vao avy niresaka ny amin’ny famadihan’i Jodasy sy ny nivoahany ny tra­no ny Tompo. Araka an’i Lioka, dia toa azo heverina fa tsy nandeha i Jodasy ra­ha tsy taorian’ny Fanasàn’ny Tompo. Tsy milaza ny filaharan-javatra ara-po­toana, nefa, i Lioka. Ao amin’ny filazantsara nosoratany, dia ara-môraly daholo no anambaràny ny zavatra rehetra.

Araka ireo tsongandahatsoratra rehetra misy, dia hita fa nanorina ny Fa­na­sà­ny ny Tompo, tamin’ny fiafaràn’ny sakafon’ny Paska. Ny Paska dia tsan­gam­ba­to fahatsiarovana ilay zanak’ondry novonoina tany aloha (Eksodosy 12), ary ny ran’izany zanak’ondry izany no niaro ny vahoaka tsy hiharan’ny fi­tsa­ràn’Andriamanitra. Izao dia tonga ny fotoana tsy maintsy hamonoana ilay te­na zanak’ondrin’ny Paska (1 Korintiana 5. 7), izay tsy maintsy handatsahana ny rany ho an’ny maro, ho famelàn-keloka (Matio 26. 28). Fantatry ny Tompo Je­soa fa io alina io no hakana Azy mba hohomboana. Fantany Izy fa tsy main­tsy hitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany, eo ambonin’ny hazo (1 Petera 2. 24), ary tsy maintsy hatao ota, hamonjy antsika (2 Korintiana 5.21). Fantany fa ny dikan’izany dia hafoin’Andriamanitra Izy. Fantany ny sanda tsy maintsy ha­loa­ny, mba ahazoantsika ny fanavotana. Ary hitantsika, ora vitsy taoriana, tao Ge­tse­mane, ny lanjan’izany ho Azy, nony nasehon’i Satàna Azy izany, ka ni­ta­ri­ha­ny Azy, raha azo atao, tsy hankatò indray, tamin’izay ora izay.

Amin’ny fotoana toy ireny, ny Tompo dia mitady ny fiombonana amin’ny sa­kai­za­ny. Tatỳ aoriana, tao Getsemane, dia hoy Izy tamin’izy ireo : “Mitoera eto, ka miaraha miari-tory amiko.” Raha nahita azy ireo natory Izy, dia nilaza hoe : “Hay ! Tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko, na dia ora iray ihany aza, ianareo ?” (Matio 26. 38-40). Ary “tamin’iny alina iny, izay namadihana Azy” no nanorenan’ny Tompo ny Fanasàny (1 Korintiana 11. 23).

Ho an’ny mpianatra, dia tsy zavatra mahagaga izany. Toy ny momba ny ba­ti­sa, dia nanaraka ny fombafomba efa nisy ny Tompo, ary nanome an’izany di­ka­ny vaovao sy lalina, nampifandraisany tamin’ny Tenany sy ny fa­ha­fa­te­sa­ny. Araka ny Jeremia 16. 6-7 dia hitantsika fa fomba jiosy ny manao sakafo fi­sao­na­na, izay ihinanana sy isotroana, ho fahatsiarovana olo-malala izay maty. Tsy Andriamanitra mihitsy koa, ve, no nanorina ny sakafon’ny Paska, ho fa­ha­tsia­rovana ny zanak’ondry novonoina sy ny fanafahana mahagaga, noho ny ran’ny zanak’ondry, tamin’ny fitsaràn’Andriamanitra sy tamin’ny fahefan’i Fa­rao sy i Egypta ? Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny fankalazana ny Paska dia tsy misy resaka momba ny kapoaka, fa nampian’ny Tompo izany (Lioka 22. 17). Rehefa nofenoiny toy izany ilay tandindona, dia navelany (Lioka 22. 18), fa no­ta­zo­ni­ny kosa ny toetrany, ho an’ilay fanorenana vaovao hataony. “Ity no te­na­ko, izay omena ho anareo ; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy. Ary ara­ka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo …” (and. 19-20).

 

 

Ny dikan’ny Fanasàn’ny Tompo

 

“Izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.” Fahatsiarovana ny Tompo, iza­ny, io. Tsy fahatsiarovana ny voninahiny talohan’ny nahatongavany ho olo­na, na fahatsiarovana ny fiainany tetỳ an-tany. Tsy fahatsiarovana ny na­nom­boa­na Azy sy izay rehetra tsy maintsy hiaretany, noho izany. “Fa na oviana na ovia­na ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka, dia ma­nam­ba­ra ny fahafatesan’ny Tompo ianareo” (1 Korintiana 11. 26). Ireo ma­ri­ka nampiasaina dia manamafy izany tanteraka. Ny mofo, izay maneho ny te­na­ny, araka ny nambaran’ny Tompo, dia novakiny talohan’ny nanomezany azy ho an’ireo mpianany. Ary nomeny mitokana ny divay, ho tandindon’ny rany. Ny fam­pi­sa­ra­hana ny vatana sy ny ra dia manambara mazava ilay Mpamonjy Izay maty.

Izany no dikan’ny Fanasàn’ny Tompo. Sakafo iaraha-mihinana io, ho fa­ha­tsia­ro­vana Ilay efa maty.

Tsotra tokoa ny zavatra ampiasaina. Misy ve zavatra mora hita tahaka ny mo­fo, izay hanin’ny olona isan’andro ? Any amin’ny tany tatsimo, dia zavatra ma­ha­za­tra koa ny divay, izay sotroina toy ny kafe sy dite any amin’ny tany ha­fa. Nefa dika toy inona no nomen’ny Tompo izany sakafo izany !

Tena sakafo io natao io. Mihinana ny mofo sy misotro ny divay isika. Tsara isi­ka raha mahatsapa izany, mba tena hihinana sy hisotro, fa tsy hoe maka som­bin­tsom­bina mofo kely fotsiny, sy divay indray mitete ! Ny mofo dia mofo fa­hi­ta andavanandro, ary ny divay koa torak’izany ; ary mijanona ho izany ireo. Tsy hoe niova noho ny fisaorana natao taloha, ny mofo sy ny kapoaka. Araka ny 1 Korintiana 11. 24 sy Lioka 22. 19 dia hitantsika fa ilay fisaorana ao amin’ ny Matio 26. 26 sy ao amin’ny Marka 14. 22 dia midika hoe mankasitraka, man­ka­la­za. Hita koa izany amin’ny andininy toy ny Efesiana 1.3, sy ny sisa, izay ahitantsika ny apostoly misaotra an’Andriamanitra. Ao amin’ny Matio 14. 19 koa ny Tompo dia misaotra, ary tsy hisy sahy hilaza fa ireo mofo dimy sy ireo trondro roa dia nivadika ho zavatra hafa, fa tsy mofo sy trondro intsony.

Zava-dehibe izany, mba ahafantarana fa mifanohitra tanteraka amin’ny So­ra­tra Masina ny foto-pampianaran’ny Eglizy romana momba ny fiovàn’ny mofo sy divay ho vatana sy ran’i Jesoa Kristy (tena lasa vatana sy ran’ny Tompo ny mo­fo sy divay, noho ireo teny litorjika ataon’ny pretra), sy ny foto-pam­pia­na­ran’ny Fiangonana loterana momba ny fisia-miaraka (tena eo ara-batana i Kris­ty, ao anatin’ny mofo, miaraka amin’ny mofo ary isan’ny mofo), ary ny vo­ka­tr’ireo foto-pampianarana ireo, dia fandàvana tanteraka ilay asa vita indray man­deha monja. Matetika ny Tompo no mampiasa sarin-teny, hanehoany ny Te­na­ny. Hoy Izy : “Izaho no vavahadin’ondry”, ary koa “Izaho no Mpiandry tsa­ra” (Jaona 10). Ao amin’ny Jaona 14 dia hoy Izy : “Izaho no làlana sy fa­ha­ma­ri­na­na ary fiainana.” Mazava fa sarin-teny no ampiasain’ny Tompo eto.

 

 

Ny fahafatesan’ny Tompo

 

Iza no tena mahazo tanteraka ny dikan’izany ? Izy, Izay Tompo, dia nan­de­ha tany amin’ny fahafatesana. Fitiavana izany, fahasoavana izany, fa­min­dràm-po izany ! Hevitr’Andriamanitra mahagaga ! Ilay Mpanjakan’ny fiainana, ilay loharanom-piainana, maty sy nalevina ! Porofo tokoa izany fa naka ny toe­ran­tsi­ka Izy ! Tsy nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany ihany Izy, fa natao ota koa. Rehefa mahita Azy ho toy izany isika, toy inona ny fihetseham-pon­tsi­ka hankasitraka Azy, hidera Azy, ho tia Azy ! Ho antsika no nanekeny ny fa­ha­fa­te­sana. Lehibe tokoa ny fitiavany antsika, hany ka sitrany ny handoa io vi­di­ny io ho famonjena antsika. “Mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, masiaka ta­ha­ka ny fiainan-tsy hita ny fahasaro-piaro ; ny lelafony dia lelafo mi­de­da­de­da, eny, lelafon’i Jehovah. Na dia ny ony maro, aza, tsy mahavono ny afon’ny fi­tia­vana, ary ny renirano tsy mahapaoka azy ; na dia misy olona manome ny fa­na­nany rehetra ao an-tranony, aza, hamidy fitiavana, dia hatao tsinontsinona izy” (Tononkiran’i Solomona 8. 6-7 ; jereo koa Salamo 69. 1-2).

Tena fankatoavana an’Andriamanitra tokoa izany ! Naleony maty (ary fa­ha­fa­te­sana toy inona), toy izay tsy hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Fa­na­pa­han-kevitra hentitra izany, nakany ny toerana hitondra Azy “hatramin’ny fa­ha­fa­te­sa­na, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazofijaliana” !

Noho izany, ny Tompo dia manasa antsika hiombon-databatra Aminy, toy ny vahiny asaina, mba hanambara ny fahafatesany, ary ho fahatsiarovana Azy. Tsy tonga handray zavatra isika. Tsy sakramenta, tsy akory, ny Fa­na­sàn’ ny Tompo (izany hoe fomba ahazoana fahasoavana). Tsy misy milaza izany ao amin’ny Soratra Masina[3]. Ilay Tompo nasandratra ho amin’ny voninahiny dia manasa antsika hiara-hiombon-databatra Aminy, mba ahatsiarovantsika ny fa­ha­fa­te­sa­ny, ny nijaliany 2000 taona lasa izay. Mbola hanao izany koa isika, any amin’ny mandrakizay. Hitantsika ao amin’ny Apokalypsy 5 ny Zanak’ondry any an-danitra “nitsangana tahaka ny efa voavono”, toy ny nanaovana ny Tom­po, fony Izy tetỳ an-tany.

Ary toy ny hahafeno ny lanitra amin’ny fankasitrahana sy ny fitsaohana, in­dray andro any, noho ny fahitana ilay Zanak’ondry voavono, no isian’izany amin’izao fotoana izao, etỳ an-tany, rehefa manambara ny fahafatesany isika. Re­he­fa mibanjina Azy isika, dia feno hafanana ny fontsika sady safononoka ; ary amin’ny hirantsika, amin’ny fisaorantsika sy amin’ny fanginantsika no hia­ka­ran’ny fankasitrahantsika, ny hafanam-pontsika sy ny fiderantsika any Ami­ny.

Mazava ho azy fa tsy afaka ny hivory hanao fanompoam-pivavahana isika ra­ha tsy amin’ny maha-kristiana antsika. Ny hany afaka mandray izany toe­ra­na izany, dia ireo mahalala fa voavela ny helony, ary vita fihavanana amin’An­dria­manitra izy. Izany fandraisana anjara izany no anehoany ny fiombonany Ami­ny sy ny fandraisany anjara amin’ny asany (1 Korintiana 10. 16). Raha eo amin’io toerana io, ny ahiahy momba ny fahotana vita, ve, tsy fandàvana ny asa lavorary nanaovany ny olony ho tanteraka ho mandrakizay ? (Hebreo 10. 14).

Vokatr’izany koa, eo amin’io toerana io, tsy misy fanomezam-pahasoavana mi­a­sa, fa mivory fotsiny isika, amin’ny maha-mpisorona antsika, mba hanao fa­na­ti-piderana sy fankasitrahana, “vokatry ny molotra izay manaiky ny ana­ra­ny” (Hebreo 13). Eo, ny apostoly iray dia toy ny mpino tsotra ; raha manatrika eo ny mpitondra ny fiangonana sy ilay manana fanomezam-pahasoavana le­hi­be hanompoana, dia mivory toy ny mpivavaka tsotra, anisan’ny mpivavaka re­he­tra.

Efa nahare ny Tompo manasa anao ve ianao, ary nihaino izany fanasàny iza­ny ?

 

 

Oviana ary impiry no tokony handray ny Fanasàn’ny Tompo ?

 

Any amin’ny mandrakizay, isika dia hidera sy hankalaza ny Zanak’ondry man­dra­kariva. Tamin’ny fotoana tsy nisian’ny olana, tamin’ny niandohan’ny Fi­an­go­na­na, dia natao isan’andro ny Fanasàn’ny Tompo (Asa 2. 46). Nony niova ny zava-nisy, tatỳ aoriana, ka tsy afaka nivory isan’andro intsony ny kristiana, dia hitantsika fa nanao izany isaky ny andro voalohany amin’ny herinandro izy ireo. Nolazain’Andriamanitra ao amin’ny Teniny izany, mba hahalalantsika azy, sa­tria tiany hampahafantarina antsika lalandava ny sitrapony. Vakiantsika ao amin’ny Asa 20. 7 fa nivory hamaky ny mofo ireo rahalahy. Tsy nivory hihaino an’i Paoly izy ireo, na dia apostoly aza izy. Anton-javatra avoavo kokoa noho iza­ny no nivoriany ; nefa tao amin’io fivoriana io, dia nomena fotoana ite­ne­na­na ihany koa i Paoly. Ny fomba itantarana izany amintsika dia mampiseho fa fa­ha­za­rana ny mivory, manana izany tanjona izany.

Raha azontsika, na dia kely fotsiny aza, ny tombontsoantsika hanana iza­ny toerana izany sy hanao io fanompoana io, izany hoe “manambara ny fa­ha­fa­te­san’ny Tompo (...) mandra-piaviny” ; ary raha rentsika ilay fanasana na­taon’ilay Tompo malalantsika, ilay “Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka na­no­lotra ny tenany hamonjy ahy”, izay mangataka hoe : “Izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy”, tsy ho satrin’ny fontsika ve hanatanteraka izany foa­na ?

Ary inona ny andro tena mendrika izany, mihoatra noho ny “andron’ny Tom­po”, ilay andro nitsanganany tamin’ny maty sy nisehoany indroa misesy ni­fa­nao herinandro, tamin’ireo mpianatra tafangona (Jaona 20) ?

 

 

Mandini-tena

 

Mifandraika amin’izany, nefa, dia mampirisika antsika ny Teny handini-te­na, hamantatra ny tenantsika. Tsy hoe handinika raha mendrika haka io toe­ra­na io isika, satria izay tena kristiana dia mendrika izany. Raha misalasala ny amin’izany ianao, dia misalasala momba ny lanjan’ny asan’i Kristy.

Ny ilaina dia ny mahafantarana hoe mandray io toerana io am-pa­ha­men­dre­ha­na ve isika sa tsia. Marina fa sakafo ny Fanasàn’ny Tompo, ary mofo sy di­vay ihany no raisintsika eo ; na izany aza, dia mitoetra ho Latabatry ny Tom­po hatrany io, ary Izy Tompo no manasa. Ny mofo vakìna sy ny divay atolotra dia mariky ny tenany nomeny sy ny rany nalatsany ho antsika. Tokony ho­tsa­roan­tsika lalandava izany, rehefa manatona hanao io fanompoana io isika. No­ho izany, dia tena ilaina tokoa ny fandinihantsika ny tenantsika, ny fitsaràntsika ny tenantsika. Izay tsy mifanaraka amin’io toerana masina indrindra etỳ an-ta­ny io dia tsy maintsy esorina, aloha, amin’ny fandinihana ny tena.

Nohadinon’ny Korintiana izany. Tsy “namantatra” ny tenan’ny Tompo izy ireo, satria nataony ho toy ny sakafo azy ireo samirery ihany izany. Hany ka tsy maintsy nanitsy azy ireo ny Tompo : “Noho izany, dia betsaka ny marary sy ma­ro­fy eo aminareo, ary maro ihany ny efa nodimandry.” Raha tsy mieritreritra ny voninahitra tokony homena ny Tompo isika, dia Izy kosa hitandro izany. He­vi­tra mavesa-danja tokoa izany !

 

Mirary soa hoa anareo.

Ny rahalahinareo ao amin’ny Tompo, Izay ho avy tsy ho ela.

H. L. H.

 


 

NY LATABATRY NY TOMPO

 

 

Ry sakaiza malala isany,

 

Tamin’ny taratasiko farany, dia hitantsika izay lazain’ny tenin’An­dria­ma­ni­tra momba ny Fanasàn’ny Tompo, ao amin’ireo filazantsara sy ny 1 Korintiana 11. Hitantsika fa izany dia sakafo ho fahatsiarovana ny fahafatesan’ny Tompo Je­soa. Te hiresaka aminareo lafiny hafa momba ny Fanasàn’ny Tompo aho izao, araka izay hitantsika ao amin’ny 1 Korintiana 10, dia ny fiombonana.

Ao amin’ny epistily voalohany ho an’ny Korintiana no amalian’ny apostoly Pao­ly fanontaniana samihafa napetraka taminy. Nanontaniana izy, ohatra, ra­ha afaka mihinana ny henan’ny biby natao fanatitra ho an’ny sampy ny kris­tia­na. Novaliany izany ao amin’ny toko faha-8, ary tohizany io lohahevitra io ao amin’ny toko faha-10.

Tany Korinto dia nisy mpino nihevitra toy izao : tsy inona ny sampy fa tapa-kazo na vato, ka tsy maninona isika raha mihinana ny fanatitra natao ho an’ ireo sampy ireo ; mahazo milami-tsaina isika miditra any amin’ny tempolin’ireo sam­py ireo ary mihinana any, satria tsy misy afa-tsy Andriamanitra iray, ka no­ho izany, dia tsinontsinona ny sampy. Zavatra ivelany ihany, tsy dia misy di­ka­ny, izany. Koa dia afaka mihinana izany isika, mba tsy hahatafintohina ny jen­ti­li­sa.

Eken’ny apostoly fa tsinontsinona ny sampy. Nefa sarihiny ihany ny sain’ ireo mpino, hahatsiaro fa ao ambadiky ny sampy no iafenan’ny demonia, ara­ka ny nolazain’Andriamanitra ao amin’ny Deoteronomia 32. 17. Raha ny ma­ri­na, izany, dia ho an’ireo demonia ireo no anaterana ny fanatitra. Nefa, na amin’ireo fanatitra ataon’ny jentilisa na amin’ireo fanatitra ataon’ny Israelita, ny olo­na dia miombona amin’ny alitara anaovana ny fanatitra na akana ny za­va­tra hohaniny. Noho izany ny olona dia mandray anjara amin’ny ratsy tsy na­tao­ny akory. Amin’ny zavatra toy izany, ny fahendrena dia ny tsy mandray anjara. Ra­tsy fampiasa ny fahalalana izay olona mandray anjara amin’ny zavatra toy izany  —na miseho mandray anjara fotsiny, aza—, zavatra fantatra fa diso, ao amin’ny sehatry ny fanompoam-pivavahana. Tsy tokony hanala tena hoe tsy man­dray anjara amin’izay atao etỳ ivelany ny fo. Izany dia tsy vitan’ny hoe tsy misy fahatsoram-po, fa manambany an’i Kristy koa, sady manamaivana ny he­vi-petsin’i Satàna. Tsy efa nafahana tamin’ny fanandevozan’i Satàna ve ny kris­tiana, mba hanompo ilay Andriamanitra velona sy marina ? Tsy efa no­vi­di­na lafo ve izy, mba hanome voninahitra an’Andriamanitra ?

Miainga amin’izany ny Fanahy Masina no miresaka amintsika ny momba ny Fanasàn’ny Tompo, ary maneho ilay lafiny iray tsy voalaza ao amin’ny fi­la­zan­tsara. Tsy voalaza tao izany, satria mbola tsy niorina ny Fiangonana ary mbo­la tsy naseho ny foto-pampianarana momba ny Fiangonana.

Manan-danja nefa izany lohahevitra izany, matoa noresahina alohan’ny ire­sa­hana ny fankalazana ny Fanasàn’ny Tompo (toko 11). Misy heviny lehibe man­drakariva ny filaharan’ny lohahevitra, ao amin’ny Soratra Masina. Tsy afa­ka hankalaza amin’ny fomba mendrika ny Fanasàn’ny Tompo isika, raha tsy ma­ha­zo tsara ny fampianarana ao amin’ny 1 Korintiana 10. 15-22.

 

 

Ny fiombonana amin’ny ra sy ny tenan’i Kristy

 

“Miteny toy ny amin’ny olo-manan-tsaina aho ; heveronareo izay lazaiko. Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin’ny ran’i Kristy va iza­ny ? Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin’ny tenan’i Kristy va izany ?” (1 Korintiana 10. 15-16).

Mitodika amin’ny fahatakaranantsika ara-panahy, aloha, ny Soratra Ma­si­na. Isika dia nahazo fiainam-baovao sy ny hosotra avy amin’Ilay Masina (1 Jao­na 2. 20), dia ny Fanahy Masina, Izay hitarika antsika ho amin’ny fa­ha­ma­ri­na­na manontolo (Jaona 16. 13 ; 1 Korintiana 2. 9-15). Heverin’ny tenin’An­dria­ma­ni­tra hoe ny mpino tsirairay dia mahay manavaka tsara ary mahalala izay ataony. Ny kristiana manao zavatra tsy fantany, na mandeha tsy misy fan­di­ni­hina, araka ny fihetseham-pony, dia manohitra tanteraka ny foto-pi­sai­nan’ ny fivavahana kristiana.

Noho izany, izay mandray anjara amin’ny Fanasàn’ny Tompo dia maneho fa manana anjara amin’ny zavatra marihin’ny mofo sy ny divay, dia ny tena sy ny ran’ny Tompo Jesoa. Nefa tsy izay ihany. Miombona amin’ireo rehetra ma­na­na anjara amin’izany koa izy. Ao amin’ireo andininy ireo, ny voambolana hoe “firaisana” dia midika ho fiaraha-mandray anjara amin’ny zo rehetra sy ny adi­dy rehetra entin’ilay zavatra ambara.

Misaraka ny ra sy ny tena. Noho izany, ilay Mpamonjy, Izay maty, no ase­ho antsika. Ao amin’ireo andinin-tSoratra Masina ireo, ny ra no lazaina voa­lo­ha­ny, satria ny ran’ny Tompo no fototra iorenan’ny zava-drehetra. Tsy toy ny fi­la­ha­rana rehefa mankalaza ny Fanasàn’ny Tompo.

Misy, izany, ny firaisana naorina eo amin’ireo olona manana anjara amin’ Ilay Mpamonjy, Izay maty. Miray amin’ny rany izy ireo ; tombondahiny ho azy iza­ny ! Voasasa amin’ny rany isika (Apokalypsy 1. 5) ; navotana (Efesiana 1. 7 ; 1 Petera 1. 19) ; nohamarinina (Romana 5. 9) ; nohamasinina (Hebreo 13. 12) ; voavotra ho an’Andriamanitra (Apokalypsy 5. 9) ; nampanakaikezina (Efe­sia­na 2. 13). Ny rany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra (1 Jao­na 1. 7), ary noho ny rany, isika dia manana fatokiana hiditra ao amin’ny fi­toe­ra­na masina (Hebreo 10. 19) ; noho ny ran’i Kristy, dia novidin’Andriamanitra ny Fiangonana (Asa 20. 28).

Ny voambolana hoe “tenan’i Kristy” dia hita ao amin’ny 1 Korintiana 10. 16 ; 12. 27 sy Efesiana 4. 12, ary manondro ny Fiangonana. Mbola hita koa iza­ny ao amin’ny Romana 7. 4 sy Hebreo 10. 10 ; amin’ireo andininy ireo, iza­ny dia toa mifandraika amin’ny nahafatesantsika miaraka amin’i Kristy ; amin’ ny fanafoanana teo amin’ny hazofijaliana ilay olona ara-nofo. Izay toetrantsika re­he­tra, amin’ny maha-olombelona antsika, dia nofoanana tamin’ny na­ha­fa­te­san’i Kristy. Jereo ny Kolosiana 1. 21 : “Ary ianareo, izay olon-ko azy fahiny sy fa­ha­valo tamin’ny sainareo, noho ny fanaovan-dratsy, no efa nampihavaniny an­ke­hi­triny, tao amin’ny tenan’ny nofony, tamin’ny fahafatesana.”

Noho izany, ny resahina eto dia fiombonan’ny olona rehetra manana an­ja­ra amin’ny vokatra be voninahitra avy tamin’ny asan’ny Tompo Jesoa, nefa koa maty niaraka tamin’i Kristy, ary ankehitriny, miombona amin’ny maha-olom-baovao azy ireo. Na dia etỳ an-tany aza izany fiombonana izany, ilay “olo­na taloha”, izay toetrantsika amin’ny maha-olombelona antsika, dia tsy ma­nan-toerana ao intsony.

 

 

Ilay tenan’i Kristy miafina : ny Fiangonana

 

“Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika, na dia maro aza ; fa isi­ka rehetra dia samy mandray amin’izany mofo iray izany avokoa” (1 Ko­rin­tia­na 10.17). Azo adika koa hoe : Satria iray ny mofo, isika izay maro dia tena iray ihany, satria manana anjara amin’izany mofo iray izany isika rehetra.

Voalaza mazava eto izay efa hitantsika tamin’ny andininy faha-16. Mi­om­bo­na, ary lasa vatana iray, ireo rehetra mandray ny ran’ny Tompo Jesoa sy ny te­na­ny nomeny ho antsika. Amin’ireo andininy ireo, dia tsy nohalalinina loatra ny foto-pampianarana momba ny tena, satria ny zavatra resahina eto dia ny fi­om­bo­nana sy ny toetrany tsy manam-paharoa. Velabelarana amin’ny an­tsi­pi­ria­ny kokoa izany ao amin’ny 1 Korintiana 12, ao amin’ny epistily ho an’ny Efe­sia­na, ary any amin’ny andininy hafa.

Ao amin’ny 1 Korintiana 12. 13 dia aseho amintsika ny niforonan’izany fi­om­bonana izany. Ny fototra, ny fanorenana, dia ny asa vitan’ny Tompo Jesoa teo amin’ny hazofijaliana. Fa ny nandrafetana azy kosa, dia ny batisan’ny Fa­na­hy Masina. Lazain’ny Soratra Masina mazava ny fotoana na­nom­bo­han’ izany. I Jaona Mpanao batisa dia efa nilaza mialoha fa ny Tompo Jesoa dia ha­nao batisa amin’ny Fanahy Masina. Ao amin’ny Asa 1. 4-5, ny Tompo Jesoa dia milaza amin’ny apostoly fa rehefa afaka andro vitsivitsy dia hahazo io ba­ti­sa io izy ireo, rehefa harotsaka ny Fanahy Masina.

Fomba roa samihafa no ilazan’ny Soratra Masina ny Fiangonana, amin’ny ma­ha-tenan’i Kristy azy. Indraindray, araka ny fiheveran’Andriamanitra azy, iza­ny hoe tahaka izay ho toetrany any an-danitra (Efesiana 1. 22). Amin’izay fo­toa­na izay, ny mamorona azy dia ny mpino rehetra natao batisa ho tena iray ta­min’ny Pentekosta (Asa 2) sy ireo izay nanampy izany tatỳ aoriana (Asa 2.47), mandra-paka azy am-boninahitra. Amin’io fotoana io, ao amin’ny indray mi­py maso monja, dia ho feno tanteraka ny Fiangonana etỳ an-tany. Ny maty tao amin’ny Tompo dia hatsangana, ary isika, izay mbola velona, dia hovàna tan­te­raka. Nefa indray mipi-maso ihany dia ho tanteraka izany. Jereo ny voa­la­za momba izany ao amin’ny 1 Tesaloniana 4. 15-17 sy 1 Korintiana 15. 51-54.

Amin’ny ankapobeny  —ary toy izany hatrany rehefa momba ny an­drai­ki­tsi­ka sy ny fizotrantsika etỳ an-tany—  ny Fiangonana dia raisin’ny Soratra Ma­si­na ho toy ny fikambanan’ny mpino velona eto an-tany amin’ny fotoana iray. Ireo izay efa lasa, efa nodimandry ao amin’ny Tompo, dia tsy mila fam­pa­he­re­za­na intsony. Efa tsy eto an-tany intsony izy ireo.

Ao amin’ny 1 Korintiana 12. 27 dia mazava tsara ny toetran’io tenan’i Kristy io, raha amin’izay lafiny izay. Izao no voalaza tamin’ny Korintiana : “Ianareo no te­nan’i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa, araka ny anjaranareo avy.” Azon­tsika tsoahina avy amin’izany, fa ny mpino amin’ny toerana iray dia te­nan’i Kristy. Dia hisy vatana isaky ny toerana misy mpino monina, izany. Ma­za­va fa tsy izany velively, araka ny efa hitantsika tao amin’ny 1 Korintiana 10. 16-17. Maneho izany mazava koa ny andininy faha-28 ao amin’ny toko faha-12. Raha resahina ny fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra ny Fi­an­go­na­na, ny voatonona voalohany dia ny apostoly ; ary fantatsika tsara fa tsy tany Ko­rinto izy ireo. Ny Fiangonana tany Korinto, izany, dia tsy inona fa fanehoana teo an-toerana ihany ilay tena iray, izay hita tany Korinto amin’ilay Fiangonana iray, dia ny vatan’i Kristy.

Fa ndeha isika hiverina amin’ny 1 Korintiana 10. 16 indray.

 

 

Ny Fanasàn’ny Tompo dia fanehoana
ny maha-iray ny tenan’i Kristy

 

Efa hitantsika fa ny batisan’ny Fanahy Masina no mahatonga ny tena ho iray, fa tsy ny fandraisana anjara amin’ny Fanasàn’ny Tompo, tsy akory. Raha iza­ny mantsy no izy, dia ho ireo izay mandray anjara amin’ny Fanasàn’ny Tom­po ihany no ho isan’ny Fiangonana. Mifanohitra tanteraka amin’ny fam­pia­na­ran’ny Soratra Masina izany ; ary tsy milaza izany koa io andininy di­ni­hin­tsi­ka io.

Toy ny nilazan’ny Tompo Jesoa, raha nizara ny mofo Izy, hoe : “Ity no te­na­ko”, nampisehoany marika hita maso, fanehoana hita maso ny tenany izay na­to­lo­ny ho antsika, dia toy izany koa no anampian’ny Soratra Masina eto fa ny mofo sy ny divay dia marika hita maso, fanehoana ilay vatan’i Kristy mia­fi­na, dia ny Fiangonana. Izay misotro ny divay sy mihinana ny mofo dia ma­nam­ba­ra fa isan’ireo mandray anjara amin’ny vokatra feno voninahitra azon’ny ran’ ny Tompo Jesoa nalatsaka sy ny tenany natolony teo amin’ny hazofijaliana. Isan’ny tenan’i Kristy izy. Eto, izany, raha ny momba ny Fanasàn’ny Tompo, dia ampianarin’ ny Soratra Masina antsika ny maha-isika antsika, fa ao amin’ ny toko faha-11 sy ao amin’ireo filazantsara kosa, dia aseho amintsika ny ataontsika.

Noho izany, dia tsy mandray samirery ny Fanasàn’ny Tompo isika, fa mia­ra­ka, amin’ny maha-isan’ny tena iray antsika. Ny voalaza hatrany dia ny hoe “isi­ka”, nefa raha ny resaka atao, dia “izaho” mandrakariva no lazaina. Rehefa ma­ma­ky ny mofo isika, dia maneho ny maha-iray antsika amin’ireo isan’ny te­nan’i Kristy rehetra. Mazava, izany, fa ny isan’ny tena rehetra dia tokony ho afa­ka mandray ny Fanasàn’ny Tompo  —nefa koa, dia izy ireo irery ihany. Ra­ha manaiky olona tsy niova fo, izany hoe olona tsy azo antoka fa isan’ny te­nan’i Kristy, dia tsy Fanasàn’ny Tompo izany, fa Fanasàn’izay vondron’olona na­nao io sakafo io fotsiny ihany ; toy izany koa, raha tsy ekena handray anjara ny mpino izay isan’ny tenan’i Kristy, nefa tsy misy azo anakianana azy araka izay lazain’Andriamanitra hoe sakana tokony handavana azy, toy ny fi­ton­dràn­te­na ratsy, foto-pampianarana diso na fifandraisana amina zavatra maloto. Ra­ha vao mametraka fepetra hafa (toy ny fanekena fahamarinana sasantsasany izay tsy tena fototra), dia manjary tahaka ny sakafo ho an’ny tena ihany no anao­vana ny Fanasàn’ny Tompo, ka esorina aminy ny toetra maha-Fa­na­sàn’ ny Tompo azy, araka ny fanambaràn’ny Soratra Masina azy.

Ho setrin’izany, araka ny hitantsika tany aloha, ny Soratra Masina dia ma­non­dro mazava ny toetran’ny Fanasàn’ny Tompo. Sakafo iombonan’ny Tompo amin’ny olony rehetra io. Izay rehetra mandray anjara amin’izany, dia efa maty nia­ra­ka tamin’i Kristy avokoa. Efa olom-baovao izy ireo, efa nahazo fiainam-bao­vao, izay antsoin’ny Soratra Masina hoe “fanahy” (Jaona 3. 6), ary one­nan’ ny Fanahy Masina. “Raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo” (2 Korintiana 5. 17).

Tsy araka ilay olona taloha, izany, no ankalazana ny Fanasàn’ny Tompo. An’ny Tompo io Fanasàna io, Azy Tompo Ilay maty sy nitsangana tamin’ny maty, Izay “efa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy” (Asa 2. 36). Ny Tom­po Izay nitsangana tamin’ny maty dia manasa ny olony hihinana ny sa­ka­fo­ny, amin’ny maha-olona nasaina azy ireo. Izy no mandray, ary Izy irery ihany koa no manam-pahefana. Fanasàn’ny Tompo ve ny sakafo tsy anomezana io toe­rana io ho an’ny Tompo, fa andaminan’ny olona ny zavatra rehetra, amina fitsipika araka izay eritreriny ?

 

 

Ny toetra manavaka ananan’ny Fanasàn’ny Tompo

 

Efa hitantsika fa ireo mpino irery ihany no afaka mandray anjara amin’ny Fa­na­sàn’ny Tompo. Misy tsongandahatsoratra hafa, toy ny 1 Korintiana 5 sy ny 2 Jaona, izay milaza zavatra sasantsasany manakana ny olona tsy handray an­ja­ra amin’izany, na dia fantatra fa tena mpino aza izy ireo.

Ao amin’ny 1 Korintiana 10. 18-22 dia tsipihin’ny Fanahy Masina fa ny fi­fan­drai­sa­na maloto dia tena sakana tsy azo ihodivirana, na dia tsy nandray anjara ma­no­ka­na tamina faharatsiana aza ilay mpino.

Efa hitantsika fa tany Korinto, dia nisy rahalahy sasantsasany, nihevitra toy izao : tsy inona ny sampy fa tapa-kazo sy vy ihany, satria tsy misy afa-tsy An­dria­ma­ni­tra iray. Noho izany, tsy maninona isika na dia mihinana zavatra na­tao fanatitra ho an’ny sampy aza, na mihinan-kanina ao amin’ny tempolin’ny sam­py.

Hazavain’ny Soratra Masina amin’ny fomba hentitra, fa tena diso izany fi­sai­na­na izany. Amin’ny ankapobeny, ny mpivavaka dia manana anjara amin’ ny zavatra mampiavaka azy ireo amin’ny olon-kafa. Ho an’ny Fiangonana, dia ny ran’i Kristy sy ny tenan’i Kristy izany ; ka noho izany, ny mpino dia tsy afaka hi­ombona amina zavatra tsy mifanaraka amin’izany mariky ny fahafatesan’i Kris­ty izany. Velabelarin’ny Soratra Masina izany lohahevitra izany, mi­an­tom­bo­ka amin’ny fanatitra nataon’ny Israelita sy ny jentilisa. Ny hany fanatitra azon’ny Israelita ihinanana, dia ny fanati-pihavanana ao amin’ny Levitikosy 3 sy 7. Miainga amin’io, izany, ny Soratra Masina, ary mahagaga tokoa fa io fa­na­ti­tra io no kisarisary tandrify indrindra momba ny Fanasàn’ny Tompo sy ny fa­nom­poam-pivavahan’ny Fiangonana mifandraika amin’izany.

Fanatitra an-tsitrapo ataon’ny tsirairay izany ; tsy misy olona noterena ha­nao izany. Nefa rehefa feno fiderana sy fisaorana ny fon’ny Israelita iray (Le­vi­ti­ko­sy 7. 11 sy ny manaraka), ka te hanao fanati-pihavanana izy, dia nisy fi­tsi­pi­ka avy amin’Andriamanitra, arahiny, momba ny zavatra entiny mba han­ka­si­tra­han’Andriamanitra izany. Ambonin’ny zava-drehetra, dia voalaza mazava hoe aiza no tokony hanaterany izany : eo anoloan’i Jehovah, eo amin’ny va­ra­va­ran’ny trano lay fihaonana, izay nitoeran’Andriamanitra, sy any amin’ny toe­ra­na ahazoan’ny vahoaka mihaona Aminy, dia ny alitara. Hitantsika amin’izany fa tsy azo sarahina amin’ny alitara ny fanompoana ; iray ihany ireo. Nafafy ma­no­di­di­na ny alitara ny ra (Levitikosy 3. 2). Ny sabora sy ny voa dia naterina teo amin’ny alitara, ary ny tratrany dia nahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo ana­tre­han’i Jehovah (7. 29-31), ary antsoin’i Jehovah hoe : haniko (3. 3-5, 11, 16 ; No­me­ry 28.2). Ny mpisorona nanompo nandritra io fanatitra io dia nahazo ny so­ro­ny havanana. Ny anjaran’i Arona sy ny zanany kosa dia ny tratrany. Ary izay nanolotra ilay fanatitra dia mahazo mihinana ny henan’ny fanatiny, mia­ra­ka amin’ireo rehetra madio teo amin’ny vahoaka.

Ao amin’ny Levitikosy 7. 19-21 dia misy fitsipika lehibe tokoa momba ny fa­ha­lo­toa­na. Ny nofo izay nikasika zavatra maloto dia tsy maintsy dorana amin’ ny afo. Eo amin’ny toerana anaterantsika ny fanatitra koa, dia mety hisy za­va­tra maloto izay handoto ilay fanatitra madio ka tsy ahazoana mihinana azy in­tso­ny. Nefa voarara mafy koa ny olona izay maloto mba tsy hihinana izany fa­na­ti­tra izany, ary toy izany koa ny olona izay tsy maloto, nefa nikasika fa­ha­lo­toan’olon-kafa  —na fanahy iniana na tsy nahy. Jereo koa Nomery 19 sy Le­vi­ti­ko­sy 5. 17. Mitovy ny fanamelohana amin’ireo tranga roa ireo, toy ny samy na­nao izany ireo olona ireo : “hofongorana tsy ho amin’ny fireneny” izany olo­na izany. Melohin’Andriamanitra tanteraka ny fihevitry ny olona momba izany, hoe tsy mandoto anao ny fiombonana amin’ny foto-pampianarana diso na fa­ha­ra­tsiana ara-môraly, raha tsy ianao no nanao io foto-pampianarana na fa­ha­ra­tsia­na io.

Momba ny fiombonana amin’ny alitara, dia mbola be noho izany ny zavatra hi­tan­tsika. Hitantsika ao amin’ny Levitikosy 7. 15-18 fa ny nofon’ny fanati-pi­ha­va­na­na dia tsy azo hanina afa-tsy amin’ilay andro anaterana azy iny ihany teo ano­loan’Andriamanitra (dia ny alitara). Tsy azo notapahina ny fiombonana ta­min’ny alitara, mba tsy hahavery ny toetra amin’ny maha-fanatitra azy. Ny fa­na­ti-tsitrapo sy ny fanati-panalam-boady dia azo hanina ihany ny ampitso, sa­tria misy hery lehibe kokoa sy fanoloram-po bebe kokoa, hany ka maharitra ko­koa ny fiombonana amin’ny alitara. Ao amin’ny Levitikosy 17 dia ahitantsika fa­na­ka­na­na tanteraka ny fanolorana fanati-pihavanana any amina toerana ha­fa ankoatra ny varavaran’ny trano lay fihaonana, mba hamafazana ny ra eo amin’ny alitara, sy handorana ny sabora. Izay nandika izany dia hofongorana tan­te­ra­ka.

Ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia mbola mazava kokoa noho izany ny fom­ba ilazana azy. Hoy ny Tompo Jesoa ao amin’ny Matio 23. 19 hoe ny ali­ta­ra dia mahamasina ny fanatitra. Noho izany, tsy vitan’ny hoe lehibe kokoa no­ho ny fanatitra ny alitara, fa ny hahazoan’ilay fanatitra ny fanamasinana azy dia ny fiombonany amin’ny alitara.

 

 

Ny Latabatry ny Tompo

 

Ny alitara anaterana ny fanatitra dia antsoina hoe “latabatr’i Jehovah”, ao amin’ny Malakia 1. 7, toy ny ao amin’ny Ezekiela 41. 22. Ao amin’ireo andininy roa ireo, dia hitantsika fa zavatra iray ihany no antsoina hoe “latabatra” sy “ali­ta­ra”. Ny voambolana hoe “alitara” dia manambara kokoa ny fanatitra atao eo am­bo­niny, fa ny hoe “latabatra” kosa dia mifandraika amin’ny sakafo sy ny fi­om­bonana vokatr’izany. Ny fanati-pihavanana dia fiarahan’Andriamanitra mi­sa­ka­fo amin’ny vahoakany. Nahazo ny anjarany Andriamanitra. Arona sy ny an­ko­honany koa (izay kisarisarin’i Kristy sy ny Fiangonana, amin’ny maha-fia­na­ka­viana mpisorona azy) dia nahazo ny anjarany. Ary ireo rehetra izay nadio ta­min’ny vahoaka dia nahazo ny anjarany.

Izany koa no hitantsika ao amin’ny Testamenta Vaovao. Izao no lazain’ny He­breo 13.10 : “Isika manana alitara, izay tsy ananan’ny mpanompo ny ta­ber­na­ke­ly fahefana hihinanana” (izany hoe ireo olona anisan’ny mpivavaka jiosy). Ao amin’ny 1 Korintiana 10. 18-20 koa dia azo ampifamadihana ny voam­bo­la­na hoe “latabatra” sy “alitara”.

Averin’ny Fanahy Masina ihany ilay anarana nomeny ny alitara tany amin’ ny Testamenta Taloha, ka ampifandraisiny amin’ny Fanasàn’ny Tompo sy ny toe­tra maneho fiombonana amin’io Fanasana io.

Amboaran-teny re izany : “Latabatry ny Tompo”, “Fanasàn’ny Tompo” ! La­ta­ba­ny io, izay anasany ny olony hiara-hisakafo Aminy. Mazava fa tsy ilay la­ta­ba­tra fanaka hita maso misy ny mofo sy ny divay, no lazaina eto, fa ny La­ta­ba­try ny Tompo, Izay maty sy natsangana tamin’ny maty, izay anasany ny olony ma­ty niaraka taminy, mba hiara-hihinana aminy. Latabatra ara-panahy io, toe­ra­na ao amin’ny trano fanahiny, anasany ny olony hanatona Azy, ary aha­fa­han’izy ireo manakaiky Azy. Izany no atao hoe Fanasàn’ny Tompo.

Mbola misy ihany ve hisalasala fa eo amin’ny “Latabatry ny Tompo” dia tsy mi­sy afa-tsy iray ihany no manam-pahefana ? iray ihany no afaka manapa-ke­vi­tra hoe iza no handray anjara eo ? iray ihany no afaka milaza hoe amin’ny fom­ba ahoana no hanatanterahana ny fanompoana ? iray ihany no afaka ma­na­pa-kevitra hoe iza no ampiasaina hanao io fanompoana io ? Ny Tompo no ma­na­paka ny zavatra rehetra, ary Izy irery ihany no mitarika, amin’ny alalan’ny Fa­na­hy. Tsy misy olona afaka miteny, tsy misy mila manao zavatra, raha tsy hoe tian’ny Tompo ampiasaina izy.

Eto ny Fanahy Masina dia manindry ny toetra manavaka ananan’ny Fa­na­sàn’ny Tompo. Tsy azo atao ny handray anjara amin’ny Latabatry ny Tompo sy amin’ny latabatry ny demonia. Saro-piaro ny fitiavana. Tian’ny Tompo tokoa ny olony, ka niaretany ny fahafatesana ho azy ireo, ny fahafatesana teo amin’ ny hazofijaliana, teo ambany fitsaràn’Andriamanitra. Tia ny olony tokoa Izy, ha­ny ka “velona mandrakizay hanao fifonana ho azy” (Hebreo 7. 25). Tiany to­koa izy ireo ka namboarany toerana, dia ny Latabany, anasany ny olony ha­na­to­na Azy hihinana ny sakafony. Tsy azony leferina ny tsy firaharahàna Azy, sy ny zon’ny fitiavany ary ny fiombonana masina Aminy. Nanafaka ny olony ta­min’ny herin’i Satàna sy izao tontolo izao Izy. Natao ota ho azy ireo, mba ha­mo­noa­na ilay olona ara-nofo, amin’ny fitsaràn’ilay Andriamanitra marina sy ma­si­na. Koa ahoana no hanekeny ny fifandraisan’ny olony amin’i Satàna sy izao tontolo izao, hanaraka ny fitsipiky ny olona amin’ny maha-olona azy ? Ary in­drin­dra indrindra, eo amin’io toerana io, izay iantranoan’izy ireo ao Aminy, mba hahatsiaro ilay asa mahagaga nataon’ny fitiavany, dia ny nanolorany ny te­na­ny teo amin’ny hazofijaliana ; io toerana io, izay ametrahana izany rehetra iza­ny eo anoloan’izy ireo, rehefa manome azy ireo ny mofo novakiana sy ny di­vay naidina Izy, ka milaza amin’izy ireo hoe : Ity no rako, izay nalatsaka ho ana­reo. Ity no tenako, izay nomena ho anareo, izao no ataovinareo ho fa­ha­tsia­ro­vana ahy !

Dia mety hisy ve fo tia Azy ka hanamaivana ny zony eo amin’io toerana io ? Afaka manao zavatra ve izy, nefa tsy mangataka amin’ny fivavahana hoe : “Tom­po ô ! inona no tianao hataoko ? Aiza ny toerana hanasanao ahy ? Aiza ny Latabatrao, ahazoako mandray ny Fanasàn’ny Tompo ?”

Na dia misy aza, nefa, zanak’Andriamanitra mahavita izany, dia tsy miova ny Tompo. Tsy ekeny ny hiombona amin’ireo olona manamaivana ny zo ana­na­ny eo amin’ny Latabany. “Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy” (Matio 12. 30).

“Mampahasaro-piaro ny Tompo va isika ? Mahery noho Izy va isika ?” (1 Korintiana 10.22).

Efa naka ny toeranao eo amin’ny Latabatry ny Tompo ve ianao, dia ilay ha­ny toerana ankalazana ny Fanasàn’ny Tompo ?

 

Manao veloma finaritra anareo.

Ny rahalahinareo voafatotry ny fitiavan’ny Tompontsika.

H. L. H.


 

FITSAOHANA

 

 

Ry sakaiza malala isany,

 

Rehefa avy niresaka momba ny Fanasàn’ny Tompo tamin’ireo taratasy teo alo­ha isika, dia te hidinika aminareo momba ny fitsaohana indray aho izao. Ma­ri­na fa tena mifamatotra amin’ny Fanasàn’ny Tompo izany, nefa tsy mitovy. Ny fanaovana ny Fanasàn’ny Tompo, araka ny anehoan’ny Soratra Masina azy, dia mitondra antsika ho amin’ny fivavahana, nefa tsy izany no fitsaohana.

Inona no atao hoe fitsaohana ? Mety ho azontsika lazaina hoe mari-pa­na­ja­na omentsika an’Andriamanitra, noho ny maha-Izy Azy sy araka ny fan­drai­san’ireo izay mivavaka aminy Azy. Ny teny hebreo ampiasaina matetika ao amin’ny Testamenta Taloha, ilazana io “fitsaohana” io, dia midika hoe “mi­an­ko­ho­ka”. Hitantsika izany, ohatra, ao amin’ny Genesisy 18. 2. Ny teny grika mi­ve­rim­be­rina matetika ao amin’ny Testamenta Vaovao dia ny hoe “proskuneo”, ary milaza “mari-panajana” izany, na an’Andriamanitra na ny olombelona.

Mazava fa adidin’ny voary manan-tsaina rehetra ny mitsaoka an’An­dria­ma­ni­tra. Mitsaoka Azy ny anjely (Nehemia 9. 6). Mitsaoka Azy ny olo-masiny. Ao amin’ny filazantsara mandrakizay, dia asaina ny olona hanome voninahitra an’ Andriamanitra sy hiankohoka eo anatrehany (Apokalypsy 14. 7). Ary tsy ho ela dia hiankohoka eo anatrehany ny zavatra rehetra etỳ an-tany (Zefania 2. 11 ; Za­karia 14. 16 ; Salamo 86. 9 ; sns.).

Fa raha miankohoka eo anatrehan’Andriamanitra ny anjely, satria ma­ha­la­la Azy, ny olona izay mbola tsy nateraka indray koa, dia hiankohoka eo ana­tre­ha­ny tsy ho ela, satria nahita ny herin’ny fitsaràny, na te hiaina eo ambany fa­he­fan’ny Tompo Jesoa. Tsy izany fivavahana ivelany izany ihany, nefa, no ta­dia­vin’Andriamanitra amin’ny olona. Ny tadiaviny dia ny fivavahana amin’ny fo sy fanajana vokatry ny fitiavan’ny olona an’Andriamanitra. Efa niresaka izany ta­min­tsika tokoa Andriamanitra, ary ny Teniny no mampianatra antsika ny toe­tran’izany fivavahana izany, ny heriny ary ny toerana tokony hisy azy. Ao amin’ ny Jaona 4, ohatra, ny Tompo dia miresaka amin’ny fomba tsotra sady ma­za­va.

 

 

Ny tena toerana tokony hivavahana

 

Hoy ilay vehivavy Samaritana tamin’ny Tompo : “Tompoko, hitako fa mpa­mi­na­ny Ianao. Ny razantsika nivavaka teto amin’ity tendrombohitra ity, fa iana­reo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana.”

Toy ny ankamaroan’ny olona amin’izao fotoana izao, izy dia tsy nitady afa-tsy izay hevitry ny olona. “Ianareo kosa milaza.” Tsy niteny indraim-bava akory izy, momba ny sitrapon’Andriamanitra mikasika izany zavatra izany. Tsy tonga ao an-tsainy akory ny hanontany raha efa nampahafantatra ny heviny momba iza­ny ny Tompo na tsia, ary raha efa nifidy toerana atsy na aroa Izy. Tsy no­ton­droiny mazava ve i Jerosalema ? Azon’i Davida izany, nony nan­ka­si­tra­hin’ An­driamanitra ny fanatitra nataony tao amin’ny famoloan’i Araona (1 Tantara 21. 28). Nahafantatra ny safidin’Andriamanitra i Solomona rehefa nanomboka na­no­rina ny tempoly (2 Tantara 3. 1). Nony vitan’io mpanjaka io ny fa­no­re­na­na, dia nanome toky azy Andriamanitra fa tsara ny nataon’i Solomona, ka hi­toe­tra eo ho mandrakizay ny anarany (2 Tantara 7. 16).

Mazava fa tena tsy mahalala mihitsy izay voalazan’ny Soratra Masina mom­ba izany ilay vehivavy. An’iza nefa ny fahadisoana ? Angamba manazava iza­ny tsy fahalalany izany ny toerana misy azy hatramin’ny nahaterahany sy ny fiaviany. Saingy tsy mahafa-tsiny azy izany. Nilaza ho nanana fifandraisana ta­min’ny Andriamanitr’i Jakoba izy, nefa tsy nahalala, ary tsy niezaka hahalala ra­ha efa nanambara ny heviny momba izany io Andriamanitra io.

Afaka nampahatsiahy ny zavatra nataon’ny “razany” izy. Nandritra ny taon­ja­to maro, dia ilay tempoly teo amin’ny tendrombohitra Gerizima no ivon’ny toe­ra­na fanompoan’ny Samaritana ; nefa tsy antony mitombina mihitsy izany iham­boa­na fa io tempoly io no tena toerana marina ivavahana. Marina fa na­na­ra­ka ny dian’ireo razany ity vehivavy ity, raha nivavaka toy ny fanaon’izy ireo. Saingy mbola mipetraka ihany ny fanontaniana hoe : “Io ve no toerana voa­fi­din’Andriamanitra hanatonan’ny vahoakany Azy sy hivavahany Aminy ?” Te­ny indraim-bava amin’ny tenin’Andriamanitra fotsiny, dia ny hoe : “Izao no la­zain’i Jehovah”, dia ampy hanafoana izany heviny sy fomba fisainany ary fi­he­tse­ham-pony izany.

Ary mihoatra noho izany : Raha toa ekena, aza, fa tsy nahalala na inona na inona tokoa izy, momba ny fanambaràna mikasika an’i Jerosalema, dia to­ko­ny nankasitrahin’Andriamanitra ve ny fanompoam-pivavahana nataony teo amin’ny tendrombohitr’i Gerizima ? Maro angamba ireo Samaritana resy la­ha­tra an-kitsimpo fa tsara ny fomba fanatanterahany ny fanompoam-pivavahana. Ne­fa fanompoana toy izany ve dia azo ekena eo anatrehan’Andriamanitra ? Mi­hoatra noho ny fanambaràn’ny tenin’Andriamanitra ve ny sain’olombelona ? Tsia ! Noho izany, dia lavin’ny Tompo Jesoa tanteraka ny zavatra nolazain’ilay ve­hi­va­vy Samaritana : “Ianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo ; izahay ko­sa mivavaka amin’izay fantatray, satria avy amin’ny Jiosy ny famonjena.”

Zavatra telo no aharihary amintsika, amin’izany fanambaràna izany :

1. Zava-doza sady ratsy ny manova zavatra efa nam­ba­ran’An­dria­ma­ni­tra momba ny heviny, ho lohahevitra azon’ny olombena ampiharana ny heviny manokana.

2. Ny fivavahana amin’Andriamanitra toy ny nataon’ireo razantsika, dia tsy antoka mihitsy, tsy akory, ilazana hoe tsara izany fomba ataon­tsi­ka izany.

3. Na dia madio aza ny saintsika manao izany, dia tsy antony han­ka­si­tra­han’Andriamanitra izay ataontsika, tsy akory, izany. Izay lazain’An­dria­ma­nitra ihany no misy lanjany, raha misy fanontaniana mipetraka. Ny hany adidin’ny zanak’Andriamanitra, dia ny manaraka izay hevitr’ An­driamanitra. “Raha misy olona manota, satria manao izay tsy to­ko­ny hatao ka mandika ny anankiray amin’ny didin’i Jehovah, nefa tsy fan­ta­ny izany, ka mahameloka azy, (dia) mitondra ny helony izy” (Le­vi­ti­kosy 5. 17).

 

Tsy miresaka an’i Jerosalema intsony ny Tompo. Asehony amin’ny fomba tso­tra sady mazava ny fahamarinana, mba hanambaràny zava-baovao aorian’ izay.

Teo ambany lalàna, dia i Jerosalema no toerana tokony hivavahana, araka ny didin’Andriamanitra. Tatỳ aoriana nefa, dia tonga tetỳ an-tany ny Za­nak’An­dria­manitra. “Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin’ny nofo” (1 Timoty 3. 16). “Ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy” (Jao­na 1. 18). “Tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ ny Zanaka hanehoana Azy” (Matio 11. 27).    Izany ve dia tokony tsy hisy ako­ny amin’ny fomba ivavahan’ny olona amin’Andriamanitra ? Tsy miorina amin’ny fahalalana an’Andriamanitra ve ny fivavahana ?

 

 

Ny votoatin’ny fivavahana kristiana

 

Ao amin’ny Jaona 4.10 ny Tompo Jesoa dia efa manoro amin’ny teny fohy ny toetran’ny vanim-potoana vaovao, dia ny andron’ny Fiangonana.

“Raha fantatrao ny fanomezan’Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe : Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano ve­lo­na.”

“Ny fanomezan’Andriamanitra !”    Hitantsika eto ny fanehoana feno ny amin’Andriamanitra. Tamin’ny andron’ny lalàna, dia tsy izay toetra Mpanome izay no nahafantarana an’Andriamanitra, fa Ilay Nitaky ! Notakiany hanompo Azy ny olona, ary arakaraka ny fankatoavana ireo didiny no anomezany ny fi­ta­hia­ny. Nitoetra tao amin’ny haizim-pito Izy (Deoteronomia 4. 11 ; 5. 22-23 ; Sa­la­mo 18. 12), izany hoe tsy naneho ny tenany, fa nanafina ny tena maha-Izy Azy. Tsy hoe ratsy, tsy akory, ny lalàna, fa mifanohitra amin’izany aza : ma­si­na, marina ary tsara. Ny olona nefa dia mpanota. Ary arakaraka ny anindriana ny fitakian’ny lalàna no mampibaribary ny fahotan’ny olona. Raha marina ny fa­nam­baràn’ny sasany hoe ny lalàna dia endrik’Andriamanitra, dia ho very tsy mi­sy fanafana ny olona ary hafoy. Nefa tsy marina izany. Ny lalàna  —na dia no­men’Andriamanitra aza—  dia tsy Tenan’Andriamanitra na endriny. Fepetra ara-môraly ihany izy, izay mampiseho ny tokony ho fitondràntenan’ny olona mpa­no­ta manoloana an’Andriamanitra.

Andriamanitra dia fahazavana, ary Andriamanitra dia fitiavana. Rehefa ta­fa­len­ti­ka ao amin’ny fahantrana mangitsokitsoka ny olona, dia an-tsitrapo sy amin’ny fahatanterahana tokoa no anoloran’Andriamanitra ny fanomezany. Ilay naneho tanteraka an’Andriamanitra tetỳ an-tany dia nilaza, indray man­de­ha, hoe : “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray” (Asa 20. 35). Dia tsy hataon’Andriamanitra ve izay lazainy hoe “mahasambatra kokoa” izay ?

Teo ambany lalàna  —raha tsy nodikaina io lalàna io—  dia Andriamanitra no Ilay mandray. Fa ao amin’ny Filazantsara kosa, dia Izy hatrany no Ilay mpa­no­me. Ary mihoatra noho izany aza : Nomeny ny zavatra sarobidy in­drin­dra taminy, nomeny ho antsika olombelona, izay tsy mendrika afa-tsy ny fa­ha­ve­re­za­na mandrakizay.

Aseho mazava ao amin’ny epistily ho an’ny Hebreo ny fahasamihafan’ny toe­ra­na nisy ny Israelita ambany lalàna sy ny kristiana. Ho an’ny Israelita, dia mbo­la tsy naseho ny làlana mankany amin’ny fitoerana masina indrindra (9. 8). Ireo fanatitra natao dia tsy afaka nanala ny ota (9. 9 ; 10. 4, 11). Ny mpi­so­ro­na­be koa dia rakotry ny fahalemena, ka tsy maintsy nanolotra fanatitra hanafaka ny ota ho an’ny tenany koa (5. 3).

Ny kristiana kosa dia notanterahina ho mandrakizay (10. 14) ary manana fi­e­ri­treretana voadio (9. 14). Noho izany, dia afaka miditra malalaka ao amin’ny fi­toe­rana masina izy, satria efa triatra ny efitra lamba ary novohana ny làlana man­ka­ny amin’Andriamanitra. Manana mpisoronabe mitandrina ny tra­non’An­dria­manitra izy, Izay notanterahina ho mandrakizay (10. 19-22 ; 7. 28). An­dria­ma­ni­tra dia Ilay Mpanome !

Tsy ho tanteraka nefa izany rehetra izany, raha tsy noho ny voninahitra sy ny fietrentenan’Ilay Zanak’Andriamanitra, Izay tonga tetỳ an-tany ka niaritra ny za­va­tra rehetra, ho an’ireo mpanota, izay fahavalony. Tsy fantatr’ilay vehivavy Izy ; ny nahitany Azy, raha be indrindra, dia Jiosy maha-te ho tia ; fa tsy ni­e­ri­tre­ritra mihitsy izy hoe io no Tompo, ilay Andriamanitry ny lanitra sy ny tany, ilay Zanakalahy Tokana ao an-tratran’ny Ray. Raha nahatsapa izany izy, na dia kely fotsiny aza, dia ho nangataka taminy ary ho nomeny rano velona. Ara­ka ny Jaona 7. 39, ny rano velona dia sary maneho ny Fanahy Masina monina ao am-pon’ny mpino.

Ny hitantsika eto, izany, dia ny fahasoavan’Andriamanitra, izay lo­ha­ra­non’ ny zavatra rehetra, ary manaraka izany dia ny voninahitry ny Tenan’ny Zanaka sy ny fahatongavany amin’ny fietrentena lalina teo anivon’ny olona tetỳ an-ta­ny.

Farany, dia hitantsika eto Ilay Zanaka tenany mihitsy, Izay manome rano ve­lo­na, dia ny Fanahy Masina, ho an’ireo fanahy mangetaheta, noho ny vo­ni­na­hi­ny manokana. Ireo zavatra ireo no fototra ilaina, hanatanterahana ny fa­nom­poam-pivavahana kristiana.

 

 

Mitady mpivavaka Aminy ny Ray

 

“Mivavaka amin’ny Ray”   Angamba nanaitra ilay vehivavy tokoa izany, toy ny zavatra tena vaovao tanteraka ! Israely dia zanak’Andriamanitra, ilay la­hi­ma­toa (Eksodosy 4. 22), zanak’i Jehovah, ilay Andriamaniny (Deoteronomia 14. 1) ; Andriamanitra no Rain’i Israely, ary Efraima no lahimatoany (Jeremia 31. 9). Nefa izy ireo mbola tsy nivavaka tamin’Andriamanitra amin’ny maha-Ray azy, satria “tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy” (Matio 11. 27). Anisan’ny mandrafitra ny fi­va­va­ha­na kristiana izany zavatra izany : fahalalana an’Andriamanitra, amin’ny fi­fan­draisany amin’ny vahoakany amin’ny maha-Ray Azy, ary fivavahan’ny va­hoa­ka­ny Aminy, amin’izany maha-Ray azy izany. Natao ho an’ny tsirairay avy, ne­fa, izany fanambaràna izany : “izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy”.

Ny olona manana izany fahalalàna izany, araka io tenin’i Jesoa Tompo io, dia izay nomen’i Jesoa azy. “Ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy” (Jaona 1. 18). Rehefa nahatanteraka ny asany Izy, dia nampifandraisiny tamin’ny Ray ny olony : “Miakatra ho any amin’ny Rai­ko sy ny Rainareo Aho.” Ary izany dia efa anjaran’ny mpino, na dia mbola za­za vao aza izy. Ho an’ireo zaza amin’ny finoana, dia hoy ny apostoly : “Na­no­ra­tra taminareo ankizy madinika aho, satria efa mahalala ny Ray ianareo” (1 Jao­na 2. 13 ; ampitahao amin’ny Jaona 17. 2-3).

Mitady mpivavaka Aminy Andriamanitra. Fahasoavana re izany ! Tany Isra­ely, ny lehilahy rehetra dia tsy maintsy nandeha in-telo isan-taona tany Je­ro­salema, mba hiankohoka eo imason’i Jehovah (Deoteronomia 16. 16). Man­dri­tra ny Fanjakana arivo taona, ny firenena rehetra eran-tany dia tsy maintsy hi­akatra isan-taona any Jerosalema, hiankohoka eo anatrehan’Andriamanitra.

Izay tsy manao izany dia hofaizina (Zakaria 14. 16-19). Fa ny Ray kosa dia mi­tady mpivavaka marina Aminy, dia mpivavaka izay tsy manao izany amin’ny fom­ba ivelany fotsiny, fa amin’ny fony marina. Inona no lanja omentsika izany za­va­tra tadiavin’ny Ray izany ?

 

 

Mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana

 

“Avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana ; fa ny Ray koa mitady ny mpi­va­vaka aminy ho tahaka izany. Andriamanitra dia Fanahy ; ary izay mi­va­va­ka aminy, tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana” (Jaona 4.23-24).

Hitantsika eto ny tena toetran’ny fivavahana kristiana. Ny tena fivavahana ma­ri­na dia tsy fanompoana manaraka fombafomba, sahaza ny tany ; fa mi­fa­na­ra­ka kosa amin’ny maha-izy Azy an’Andriamanitra, ary noho izany, dia ma­nai­ky fa efa maneho ny tenany tanteraka Andriamanitra.

Tsy misy olona tsy mpino afaka hivavaka toy izany ! Satria ny fa­ha­te­ra­ham-baovao ihany no nahazoantsika fiainam-baovao, izay antsoin’ny Soratra Ma­si­na hoe “fanahy”. “Izay ateraky ny nofo dia nofo ; ary izay ateraky ny Fa­na­hy dia fanahy” (Jaona 3. 6 ; Romana 8. 16). Fivavahana ara-panahy izany, ara­ka ilay olom-baovao, mifanaraka amin’ny maha-Izy azy an’Andriamanitra.

Nefa mety misy koa mpino tsy manana fiainam-panahy. Ny apostoly Paoly dia tsy afaka niresaka tamin’ny Korintiana toy ny amin’ny olona mandeha ara­ka ny fanahy, satria nandeha araka ny nofo izy ireo. Tsy hoe “tao amin’ny no­fo” izy ireo : toetrany talohan’ny niovany fo izany. Nefa na dia nateraka indray aza izy ireo, izany hoe manana ny fiainam-baovao, izay “fanahy”, dia araka ny no­fo ihany ny fizotrany sy ny fisainany, izany hoe toy ny fisainan’ny olona amin’ny maha-olona azy fotsiny.

Ny fanompoana nataon’i Israely dia araka ny tany sy voa-janahary ihany. Na­tao teo amina toerana iray voafaritra izany, dia tao amina tempoly tena kan­to tokoa. Io fanompoana io dia efa voalamina hatramin’ny antsipiriany kely in­drin­dra, ary ny olona nitafy ny akanjo faran’izay sarobidy sy narahin’ny mozika la­fa­tra tokoa, dia afaka nanolotra izay tsara sy mihaja indrindra azon’ny tany no­me­na. Tsy nisy zavatra ara-panahy mihitsy teo. Tsy nisy fepetra napetraka, tsy akory, hoe ny mpisorona, ny mpihira na ilay mpanao fanatitra dia tokony na­te­ra­ka indray. Nefa izany rehetra izany dia naorin’Andriamanitra tenany mi­hi­tsy, satria fanompoam-pivavahana natao tetỳ an-tany, ho an’ilay An­dria­ma­ni­tra mbola tsy naneho ny tenany, fa mbola niafina tao amin’ny haizina.

Nofoanan’Andriamanitra, nefa, teo amin’ny hazofijaliana, ilay olona voa-ja­na­ha­ry. Isika izay nateraka indray, izay nino ny Tompo Jesoa, dia efa maty nia­raka tamin’i Kristy (Romana 6. 8). Ny fizotrantsika dia tokony hifanaraka amin’ilay fiainam-baovao novokarin’ny Fanahy Masina tao anatintsika, tamin’ ny alalan’ny fahateraham-baovao. Ary ny Fanahy Masina, Izay monina ao ana­tintsika, no manome antsika ny herin’Andriamanitra ahazoantsika manao iza­ny.

Noho izany, ny fivavahantsika dia tokony ho ara-panahy. Fepetra ara-mô­ra­ly ilaina izany, ary tsy afa-miala amin’izany isika. Araka ny nolazain’ny Tom­po Jesoa mazava, ao amin’ny andininy faha-24, dia ny Fanahy Masina no hery isian’ny tena fivavahana kristiana marina.

Mifanaraka tanteraka amin’izany, dia tsy misy fombafomba, ary tsy misy fan­ka­la­zana andidiana antsika, momba ny fivavahantsika. Mahagaga tokoa iza­ny, satria teo amin’ireo Israelita dia voalamina hatramin’ny antsipiriany ny za­va­tra rehetra. Tsy fantatsika akory ny teny fisaorana nataon’ny Tompo, ta­min’ny nanorenany ny Fanasàn’ny Tompo. Tsy misy fitantarana ny fomba na­ma­kìn’ny apostoly ny mofo. Tsy misy tonon-kira nohiraina tamin’ny andron’ny apos­to­ly ka voatahiry ho antsika. Ny hany ataontsika, dia ny manompo amin’ ny Fanahin’Andriamanitra (Filipiana 3. 3). Raha miverina amin’ny fombafomba tao amin’ny Testamenta Taloha isika, ka mitady izay hampifanaraka izany amin’ny fivavahana kristiana, dia manary ilay toetra maha-kristiana ny fi­va­va­han­tsika, izany hoe ny fivavahana amin’ny Fanahin’Andriamanitra.

Tsy ho “amin’ny fanahy” ihany nefa ny fivavahana, fa ho “amin’ny fa­ha­ma­ri­na­na” koa. “Inona no marina ?”, hoy i Pilato. Tsy fantany fa Ilay teo anoloany, na­siana satroka tsilo, no fahamarinana. Ny fahamarinana dia izay nam­ba­ran’ An­driamanitra momba Azy, ary ny Zanaka no nanambara an’Andriamanitra !

Amin’ny lafiny iray, dia nivavaka tamin’ny fahamarinana koa ny zanak’i Isra­ely ; satria ny fanompoana nataony dia nifanaraka tamin’ny fanambaràna an’Andriamanitra tamin’izany fotoana izany, dia i Jehovah. Fa ankehitriny dia efa nambara tanteraka Andriamanitra, satria efa tonga tetỳ an-tany Ilay “An­dria­manitra tonga nofo”. Ary fahasoavana tsy hay lazaina no na­ha­fan­ta­ran­tsi­ka Azy. “Fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika Ilay marina” (1 Jaona 5. 20).

Marina fa mitombo miandàlana ny fahafantarana ny fahamarinana. Miasa ao anatintsika ny Fanahin’Andriamanitra, mba hitarika antsika ho any amin’ny te­na fahamarinana. Nefa tena bitika ny fahasamihafan’ny fahalalana misy eo amin’ny samy mpino, raha oharina amin’izay misy eo amin’ny olona iray mbola tsy nateraka indray sy ny olona vao mino. Ny olona amin’ny maha-izy azy, amin’ny maha-tsy mpino azy, dia tsy afaka hahalala an’Andriamanitra mihitsy. (Amin’izany izy dia toy ny biby izay tsy afaka hahalala ny momba ny teknika sy ny filozofia.) Amin’ny fahateraham-baovao no ahazoantsika fiainana vaovao, izay fanahy, ary amin’ny alalan’izany no ahafahantsika mahalala an’An­dria­ma­ni­tra. Izay no “fomban’Andriamanitra” (2 Petera 1. 4). Ary ao amin’io fiainam-bao­vao io no iasan’ny Fanahy Masina, Izay monina ao anatintsika, ary Izy koa no herin’Andriamanitra mampifandray io fiainam-baovao io amin’Andriamanitra (Jao­na 4. 14). Ho an’ireo mbola zaza ao amin’i Kristy, dia izao no voalaza : “Iana­reo kosa manana hosotra avy amin’Ilay Masina ka mahalala ny zavatra re­he­tra. Tsy noho ny tsy ahafantaranareo ny marina no nanoratako taminareo, fa noho ny ahafantaranareo izany” (1 Jaona 2. 20-21).

Noho izany, dia afaka manatona an’Andriamanitra Raintsika isika. Noho ny he­rin’ny Fanahy Masina, Izay mampifandray ilay fiainam-baovaontsika amin’ An­driamanitra, no ahafahantsika mahita Azy sy misitraka Azy. Afaka ny hahita an’Andriamanitra amin’ny maha-Izy Azy ve isika, ka tsy hitolagaga sy tsy ho te ha­ne­ho izany eo anatrehany ? Ny zanak’Andriamanitra rehetra izay tsy ni­ja­no­na teo amin’ny fitahiana fotsiny, fa nanandratra ny masony hijery Ilay mpa­no­me, dia samy mahalala fa tsy azo saintsainina akory izany. Lehibe indrindra ny vo­ni­na­hi­try ny Ray, toy ny voninahitry ny Zanaka, hany ka kely loatra ny fon­tsi­ka hahalala izay sombiny hitantsika amin’izany. Ary vao mainka koa aza isika tsy afaka hanambara izany amin’ny teny. Fa mivavaka “amin’ny fanahy” isika, ka noho izany, ny fivavahana dia tsy amin’ny teny aloaky ny vavantsika, fa amin’ny fihetseham-po ara-panahy miloatra avy ao am-pontsika.

Mbola misy fanontaniana iray mipetraka ihany :

 

 

Aiza no tokony hivavahantsika ?

 

Tsy azo iadin-kevitra fa ny mpino tsirairay dia samy efa tokony hivavaka ma­no­ka­na. Ahoana moa no ahafahantsika mijery ny asa nataon’ny Tompo Je­soa, sy ny fitiavany, ary ny fahasoavan’ny Ray, ka tsy hisaotra sy hidera ? Ne­fa izany zavatra rehetra izany dia iarahantsika manana amin’ny za­nak’An­dria­ma­ni­tra rehetra. Tsy rariny ve raha hitarika amin’ny fiaraha-mivavaka izany ?

Ary rahoviana moa isika no tena voataona hivavaka, raha tsy rehefa ta­fa­vo­ry hanambara ny fahafatesan’ny Tompo Jesoa, ka mandray avy eny an-tà­na­ny ny mofo novakìna sy ny divay naidina ? Eo no ahitantsika ny fa­ha­tan­te­ra­han’ny asa nataony sy ny fitiavany. Ny fibanjinana ilay Zanak’ondry novonoina no hitarika antsika, any an-danitra, hankalaza Azy sy hiankohoka eo ana­tre­ha­ny (Apokalypsy 5). Ary toy izany koa etỳ an-tany.

Eny, marina tokoa fa mivory hanambara ny fahafatesany isika. Ny fan­ka­la­za­na ny Fanasàn’ny Tompo dia tsy tena hoe fanompoam-pivavahana, tsy ako­ry. Nefa raha mandeha ara-panahy ireo izay mandray anjara amin’izany, dia tsy afaka manao afa-tsy ny misaotra sy ny mivavaka. Amin’izay fotoana izay vao tena lasa fanompoam-pivavahana ny fankalazana ny Fanasàn’ny Tompo.

Afaka mitondra fiderana mendrika an’Andriamanitra ve ny olona iray ? I Ada­ma, talohan’ny fahalavoana, dia afaka nisaotra an’Andriamanitra noho ny ha­tsaram-pony. Fa ankehitriny kosa, dia efa nambara tanteraka Andriamanitra ta­min’ny alalan’ny Tompo Jesoa. Raha fivavahana avo lenta toy izany no tan­te­ra­hin’ny olona iray, dia midika izany fa ao amin’io olona io dia efa tafakatra avo dia avo ny fiainam-panahiny, ka mila hitovy amin’ny an’Ilay ivavahany.

Hitantsika ao amin’ny 1 Korintiana 14 ny momba ny fivavahana ataon’ny Fi­an­go­nana. Ianarantsika ao hoe ahoana ny foto-kevitra ivavahana amin’An­dria­ma­nitra, amin’izao fotoana izao, ary iza no afaka mivavaka araka izany fo­to-kevitra izany. Fanampiny manan-danja tokoa izany, amin’ny fa­ha­fan­ta­ran­tsi­ka ny sitrapon’Andriamanitra. Hitantsika fa ny mihira sy ny misaotra ary ny mi­de­ra no mandrafitra ny fanompoam-pivavahana, hatramin’ny fiandohany. Hi­tan­tsi­ka koa fa tsy miankina amin’olona iray izany, fa amin’ny fandaminana sy ny asan’Andriamanitra ao amin’ny Fiangonana. Jereo indrindra indrindra ny an­di­ni­ny faha-12 ka hatramin’ny faha-17. Omen’ny Tompo lanjany ny fi­va­va­ha­na misy fisainana ataon’ny vahoakany.

Mivory ny olony, matoky fa ny Tompo irery ihany no manam-pahefana eo afo­voan’izy ireo, ary Izy irery ihany no mifidy izay tiany hampiasaina. Am­pi­ha­rin’ny Tompo izany fahefany izany, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina monina ao amin’ny Fiangonana. Ny zava-dehibe, dia tsy hoe olona iray, na folo, na roa­po­lo no manao ny fanompoana, fa ny Fanahy Masina dia afaka miasa ma­la­la­ka hampiasa izay tiany, ka afaka mampiasa, raha te hampiasa, olona iray, na dimy, na folo na mihoatra.

Iainanao ve izany fomba fivavahana izany ? Tsy ara-tsaina velively izany ! Ara­ka ny efa hitantsika rahateo, dia vokatra avy ao am-pon’olona mifantoka amin’ny Ray izany, dia Ilay Ray nanome ny Zananilahy Tokana ho azy ireo, mba ho faty teo amin’ny hazofijaliana, olona mibanjina ilay Mpamonjy, dia Ilay Za­nak’Andriamanitra, Izay tia azy ireo sy nanolo-tena hamonjy azy.

 

Manao veloma finaritra anareo.

H. L. H.


 

FANOMPOANA

 

 

Ry sakaiza malala isany,

 

Ny fiainan’ny kristiana iray dia mifototra amin’ny mandray sy manome.  Ny fi­ainany dia tokony ho tahaka ny fantsona, izay idiran’ny rano amin’ny ilany iray ary ivoahany amin’ny ilany iray. Ny kristiana izay mandray fotsiny, ka tsy ma­nome mihitsy, dia ho lasa olona vontom-pinoana fa manonofy fotsiny (mpi­va­va­ka tsy hay fantarina sy entin’ny fihetseham-pony ihany). Mifanohitra amin’ izany, ny kristiana variana manome ka tsy manam-potoana andraisana ho azy, dia tsy hahomby ara-panahy.

Tamina taratasiko iray tany aloha aho dia efa nanamarika fa ny fa­nom­poa­na rehetra dia tokony hiantomboka “eo an-tongotr’i Jesoa”, izay toerana aha­fa­han­tsi­ka mihaino Azy sy miombona aminy. Hitantsika izany, ohatra, tamin’i Ma­ria, momba ny fitsaohana. Tamin’ny fotoana nahamety izany, dia afaka na­no­so­tra ny tongotry ny Tompo Jesoa tamin’ny zava-manitra sarobidy izy, satria efa nipetraka matetika teo an-tongony, ka nahafantatra ny momba Azy sy ny fi­sainany. Ary i Marta koa dia fantatsika fa nanompo Azy, rehefa avy nandray fam­pa­he­rezana taminy, fony izy be ahiana.

Ireo ohatra roa ireo dia ahitantsika lafiny roa amin’ny fanompoana kris­tia­na. I Maria dia mampiseho izay tokony hatao raha mibanjina ny Tompo sy mi­ban­ji­na an’Andriamanitra ; ary i Marta kosa, dia izay tokony hatao amin’ny olo­na. Vakiantsika ao amin’ny 1 Petera 2 fa isika dia “fisoronana masina, ha­na­ti­tra fanati-panahy sitrak’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy”. Ma­na­ra­ka izany, isika dia “fanjakà-mpisorona”, mba hanambara ny fahatsaran’Ilay ni­an­tso antsika hiala tamin’ny haizim-pito ho amin’ny fahazavany mahagaga. Tia­na hasian-teny kely eto io lafiny faharoa amin’ny fanompoana io. Ilay voa­lo­ha­ny, moa, efa nodinihintsika tamin’ny Fanasàn’ny Tompo sy ny fitsaohana.

Foto-kevitra lehibe iray amin’ny Soratra Masina ny hoe ny fanompoana re­he­tra dia tokony hatao avy amin’ny Tompo, ary tompon’andraikitra eo ana­tre­ha­ny ny mpanompo. Ho an’ireo rehetra izay mandinika, dia mazava tsara iza­ny. Ny mpanompon’Andriamanitra dia mampita ny hafatr’Andriamanitra amin’ ny olona. Noho izany, dia Andriamanitra mihitsy no miantso ny mpanompony ary manome azy ny fanomezam-pahasoavana rehetra ilainy ! Ny Efesiana 4. 7-12, miaraka amin’ny Salamo 68. 18, dia mampiseho fa nahazo izany fa­no­me­za­na izany ny Tompo, niakatra any an-danitra ary mizara izany ho amin’ny olo­ny. Ary ireo andinin-tSoratra Masina rehetra miresaka io lohahevitra io dia ma­na­ma­fy izany avokoa.

 

 

Miantso izay tiany hantsoina Izy

 

“Niakatra teo an-tendrombohitra Jesoa ka niantso izay tiany hankeo ami­ny ; dia nankeo aminy ireo. Ary nanendry roa ambin’ny folo lahy Izy, ho ao ami­ny sy hirahiny hitoriteny” (Marka 3. 13-14). Ny resahina amin’io andininy io dia ny fiantsoana ireo apostoly roa ambin’ny folo lahy. Tsy azontsika am­pi­ta­hai­na amin’ny asa nanirahan’ny Tompo azy ireo ny zavatra ankinin’ny Tompo amin’ny mpanompony ankehitriny. Araka ny Matio 10 dia tsy tokony nitoriteny afa-tsy tamin’ny Jiosy izy ireo. Rehefa nolavin’i Israely ny Tompo, ary na­ha­tan­te­ra­ka ny asam-panavotana teo amin’ny hazofijaliana, dia zavatra vaovao in­dray no nankininy tamin’izy ireo, ao amin’ny Marka 16. 15, dia ny handeha any amin’izao tontolo izao. Tsy miova kosa nefa ireo foto-kevitra momba ny an­tso­ny.

Zavatra telo lehibe no hitantsika ao amin’ny Marka 3. 13-14. Voalohany : ny Tom­po dia miantso izay tiany hantsoina. Faharoa, antsoiny izy ireo mba ho ao ami­ny. Fahatelo : irahiny izy ireo mba hitoriteny.

Ny lohahevitra voalohany dia izay efa noresahantsika teo aloha. Ny Tompo dia miantso ny mpiasany araka izay tiany sy sitrapony manokana. Izao no no­la­zai­ny tamin’i Jeremia : “Hatry ny fony ianao mbola tsy noforoniko tany an-kibo no efa fantatro ; ary hatry ny fony ianao mbola tsy teraka no efa no­ha­ma­si­ni­ko sy notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena” (Jeremia 1. 5). Momba an’i Jaona Mpanao batisa, araka izany foto-kevitra izany ihany, dia zavatra mi­to­vy amin’izany no nambaran’ny Anjelin’ny Tompo, ao amin’ny Lioka 1. 13-17. Ary ny amin’ny tenany manokana, dia izao no soratan’i Paoly : “Raha si­trak’ An­driamanitra, Izay nanokana ahy hatrany an-kibon’i neny sy niantso ahy ta­min’ny fahasoavany, ny nampiseho ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin’ny jentilisa (...)” (Galatiana 1.15-16).

Ny fiantsoana ireo mpiasan’ny Tompo dia tsy misy na inona na inona idi­ran’olona, na mpanompon’Andriamanitra, eny na ny Fiangonana aza. No­ha­zo­nin’ny Tompo ho Azy manokana io zo io. Ary araka ny novakiantsika tao amin’ ny Jeremia sy ny epistily ho an’ny Galatiana teo, dia efa talohan’ny na­ha­te­ra­han’ny olona iray no efa nanomboka ny fanomanana momba izany, ary mitohy man­dra-pilazan’ny Tompo ny faniriany, aorian’ny fiovàm-po.

 

 

Ho ao aminy

 

Hanao inona no iantsoan’ny Tompo olona ? Aorian’ny fiovàm-po ve, ary eo no ho eo, no iantsoany antsika hanao asa lehibe ? Miantso Izy mba “ho ao ami­ny”. Ny fepetra tsy azo ihodivirana ho an’ny tena mpanompo, izany, dia voa­lo­ha­ny, ao aminy ary nofaniny amin’izany. Nisy fotoana ela teo ane­la­ne­lan’ ny Marka 3. 13 sy Marka 6. 7, izay nanirahan’ny Tompo ireo mpianany. Ary re­he­fa nahatanteraka ny asa manokana nanirahana azy izy ireo, dia nalain’ny Tom­po hitokana hiaraka taminy indray. Tsy misy fanompoana tena tahiana, ra­ha tsy miainga avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo ilay mpanompo, ary miverina eo aminy, aorian’ny fanompoany. “Ary ny apostoly niangona teo amin’i Jesoa ka nilaza taminy izay rehetra efa nataony mbamin’izay nampianariny.” Manao toy izany ataon’ny apostoly izany ve isika ? Fitahiana lehibe tokoa sy lesona te­na mavesa-danja no azon’izy ireo, nony nitokana niaraka tamin’ny Tompo, mba hiresaka mangina aminy momba “izay rehetra efa nataony mbamin’izay nam­pia­nariny”. Raha mitady izany bebe kokoa ve isika, tsy ho feno fitahiana ko­koa ny fanompoantsika ?

Tsy afa-miaraka ara-batana amin’ny Tompo intsony isika, ankehitriny, toy ireo mpianany fahizany, nefa afaka manao izany ara-panahy. Izao no voa­so­ra­tra ao amin’ny Jaona 14. 21 : “Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy ; ary izay tia Ahy no ho tian’ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hi­se­ho aminy.” Manohy izany ny andininy faha-23 : “Raha misy tia Ahy, dia hi­tan­dri­na ny teniko izy ; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka ho­ni­na ao aminy.”

Porofointsika amin’ny fitandremana ny didin’ny Tompo ny fitiavantsika Azy. Je­reo koa 1 Jaona 5. 3. Zavatra mifanohitra tokoa raha misy olona milaza fa tia ny Tompo nefa mandika ny didiny !

Mbola mandeha lavidavitra kokoa, nefa, ny andininy faha-23. Izay tena tia ny Tompo, dia tsy hianina amin’ny fanaovana izay lazain’ny Tompo mazava fo­tsi­ny, hoe tokony hataony. Fanirian’ny Tompo iray ihany dia ampy ho azy. Ny fitiavana dia mikatsaka izay hahafa-po Azy mandrakariva. Ao amin’ny Tes­ta­men­ta Vaovao, dia vitsy ireo didy voalaza mazava. Nefa manambara ny he­vi­ny amin’ny Teniny ny Tompo, ary matoky fa ampy izany, hiasan’ny olony ara­ka izay tokony ho izy. Ary izay ahitana izany, dia ao amin’izany olona izany no honenan’ny Ray sy ny Zanaka. Koa dieny izao isika dia afaka ho ao aminy. Te­na ilaina izany mba hanofanany antsika marina tokoa ho amin’ny fa­nom­poa­na tiany hataontsika.

 

 

Hirahiny

 

Ao amin’ny Marka 6. 7 dia maniraka ny mpianatra ny Tompo. Efa nam­pia­na­ri­ny izy ireo, ka noho izany, dia efa vonona ho amin’ny asa nankinina ta­mi­ny. Raha ny fijerin’olombelona, dia tsy izany no zava-nisy. Ny fahitany ny apos­toly dia olona “tsy mba mpahay lalàna na nampianarina” (Asa 4. 13). Ary ara­ka ny fijerin’ny olona, dia izany tokoa izy ireo. Tsy nianatra momba ny teo­lo­jian’ny tamin’izany fotoana izany izy ireo. Tsy nahafantatra izay fomba an­di­kan’ireo mpampianatra ny Baiboly. Nesorin’ny Tompo tamin’ny asa nataony ha­tri­zay. Ka niaraka taminy izy ireo. Ary nahafantatra izany ny olona rehetra, na ireo fahavalony aza (Asa 4. 13). Izany no nahafahan’ny Tompo nampiasa azy ireo ho amin’ny fanompoana lehibe indrindra. Tamin’ny fitorian’i Petera te­ny, dia olona telo arivo no niova fo indray andro. Ny foto-pampianarany sy ny fi­om­bo­nany no nanorenana ilay asa vaovao natombok’Andriamanitra tamin’io an­dro io, dia ny fanorenana ny Fiangonan’Ilay Andriamanitra velona (Asa 2. 42).

Tsy hoe tsy nanao na inona na inona, tsy akory, izy ireo talohan’io andro io. Ny andro voalohany niarahany tamin’ny Tompo, dia efa nisy zavatra nan­ki­ni­ny tamin’izy ireo. Nefa mpanampy ihany izy ireo, tamin’izany, olona mpa­na­tan­te­ra­ka baiko fotsiny. Niarahan’izy ireo nizara tamin’ny Tompo ny alahelo sy ny fankahalana noho ny Filazantsara (Marka 3). Izy ireo no nivoy ny lakana re­he­fa te hiampita ny Tompo (Marka 4. 35-41), sy ny sisa.

Manomboka amin’ny andro iovantsika fo, dia efa te hampiasa antsika sa­ha­dy ny Tompo, raha miaraka aminy isika. Misy zavatra atao hatrany, raha te hi­a­ra-hiasa amin’ny Tompo isika. Afaka mizara bokikely, manasa olona ha­na­ra­ka fivoriana hitoriana ny Filazantsara sy ho fampitomboana, na koa afaka ma­nam­py mikarakara ireny fivoriana ireny, sns. Raha te hanao zavatra isika, dia hanome asa ho antsika hatrany ny Tompo. Midika nefa izany fa vonona isi­ka hanao izay rehetra ankininy amintsika. Any am-boalohany nefa isika dia tsy to­ko­ny hanantena ny hanankinan’ny Tompo asa lehibe eo no ho eo.

Ao amin’ny Matio 25, ny Tompo dia manome ho an’ny mpanompony araka izay fahaizany avy. Marihina fa tsy ilay nomena talenta dimy, na ilay nandray roa, no nantsoin’ny Tompo hoe mpanompo tsy mahasoa sy malaina, fa ilay tsy nan­dray afa-tsy iray sy tsy nampiasa izany. Io mpanompo io mantsy dia tsy nam­pi­a­sa ilay hany talenta nananany, koa nesorina taminy izany ary nomena ilay niasa mafy tamin’ny talenta nankinina taminy. Araka izany, dia mbola mi­am­py indray ny eo am-pelatànany. Arakaraka ny mamparisika antsika amin’ny za­va­tra kely ankinin’ny Tompo amintsika (izany hoe ataony eo anoloantsika), no maha-haingankaingana kokoa ny ahafahany manankina zavatra lehibe amin­tsi­ka, saingy tsy maintsy miankina aminy sy mankatò Azy isika, rehefa ma­nao ireny zavatra kely ireny.

Taona maro lasa izay, tany amin’ny faritra feno tendrombohitra tany Ame­ri­ka, dia nisy mpanompovavy tanora iray, tsotra dia tsotra tokoa, ary tsy ni­a­na­tra afa-tsy telo volana monja. Ny vola azony dia efatra dollars ary notsinjarainy ho toy izao : iray ho an’ny trano, iray ho an’ny misiona, ary ny roa farany dia ho an’ny rainy, izay nahantra tokoa ary namelona ankohonana maro. Tao amin’io faritra io, dia izy no nanome be indrindra. Ny hariva, ary mandraka alim-be, dia nanao asa fanampiny izy, hahazoany vola hividianany fitafiana ho azy. Indray andro, dia nisy mpanompon’Andriamanitra tonga nitsidika tany amin’io toerana io. Vitsy dia vitsy ny azo niantranoana, ary nomen’ilay to­vo­va­vy azy ny efitranony. Teo ambony latabatra dia nisy ny Baiboliny, ary nisy fa­na­ma­ri­ha­na saika isaky ny pejy. Fa ny tena nanaitra ity mpanom­pon’An­dria­ma­ni­tra ity, dia ny fanamarihana voasoratra tao amin’ny Marka 16. 15 : “Man­de­ha­na any amin’izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olom­be­lona rehetra.” Izao no nosoratany vaventy sy mazava tsara : “Raha mba afaka manao izany mantsy aho !”.

Ny ampitso, dia noresahin’ilay mpanompon’Andriamanitra tamin’ity to­vo­va­vy izany ; nefa dia nigogogogo nitomany razazavavy ka tsy nahaloa-peo. Tatỳ ao­ria­na vao fantany ny tantarany. Vao efatra ambin’ny folo taona izy dia niova fo. Indray andro, nony tafaverina tao an-tranony izy, dia nahita taratasy kely ni­sy soratra hoe : “Antson’i Sina ho amin’ny Filazantsara !” Tsy nisy nahalala hoe avy aiza io taratasy kely io. Fa nanomboka tamin’izay  izy dia tsy ni­e­ri­tre­ri­tra intsony afa-tsy i Sina. Nandritra ny folo taona izy dia nangataka isan’andro ta­min’ny Tompo mba halefany any Sina. Fa vao tsy ela, dia nisy fiovana tao ami­ny. Resy lahatra izy fa diso hevitra, ary tsy nofanin’ny Tompo ho lasa mi­sio­ne­ra any Sina, fa ho misionera ao amin’ny ankohonany ihany. Ha­tra­min’ izay, ny vavaka nataony dia ny hoe : “Ataovy misionera an-tsitrapo ho Anao ato an-tokantranoko aho.” Ary notanterahan’ny Tompo izany vavaka izany.

Nitady zavatra lehibe izy, nandritra ny folo taona, nefa tsy nanao tsi­non­tsi­no­na ny kely koa. Nanaporofo izany ny fizaràny ny karamany. Nefa notarihina ha­nao an-tsitrapo ny zavatra bitika indrindra izy, dia ny hijoro ho va­vo­lom­be­lon’ny Tompo, ao amin’ilay sehatra kely dia kely misy ny mpanampy an-da­ko­zia. Ary taorian’izay Andriamanitra vao afaka nampiasa azy hanao zavatra fe­no fitahiana tokoa tany Sina ! Satria resy lahatra io mpanompon’Andriamanitra io fa nalefan’ny Tompo tany amin’io tanàna io, hanampy ilay tovovavy. Ary ny nia­fa­ra­ny, dia lasa tany Sina razazavavy. “Izay mahatoky amin’ny kely in­drin­dra, dia mahatoky koa amin’ny be” (Lioka 16.10).

 

 

Fanankinan-tena amin’ny Tompo

 

Efa hitantsika fa ny Tompo tenany no miantso ny mpanompony, araka izay si­tra­pony, ary Izy irery no maniraka azy. Nefa tsy izay ihany ! Ny fanompoana koa dia tokony hatao amin’ny fiankinana amin’ny Tompo. “Zarazaraina ho sa­mi­ha­fa­ ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany” (1 Korintiana 12. 5). Ireo mpanompo tao amin’ny Matio 25 dia tsy maintsy nanao tatitra tamin’ny Tom­po ary nitondra fanazavana teo anoloany. Ao amin’ny Marka 6 dia tonga ny mpianatra ka “nilaza taminy izay rehetra efa nataony mbamin’izay nam­pi­a­na­ri­ny” (jereo 1 Korintiana 3. 10 ; 4. 5).

Mba hahatanterahantsika izany andraikitra izany, dia nomena ny Fanahy Ma­si­na isika. Te hitarika antsika amin’ny zavatra rehetra Izy, mba tsy ha­nao­van­tsika ny sitrapontsika (Galatiana 5. 17). Izany indrindra no miseho momba ny fanompoana (Filipiana 3. 3, jereo koa Asa 16. 6-10). “Ireo rehetra ireo dia asan’ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony” (1 Ko­rintiana 12. 11). Tarihin’ny Fanahy Masina, izany, isika, ao amin’ny fa­nom­poan­tsika. Ny fanompoana dia tanterahintsika amin’ny fiankinana amin’ny Tom­po sy ny fandraisana andraikitra eo anatrehany.

Zava-dehibe tokoa izany. Voalohany àry, dia manome antsika fahasahiana le­hi­be izany. Tsy sahy hanao na inona na inona ny mpino, raha ny tenany fo­tsi­ny no jereny. Hitany mantsy ny haben’ny fahalemeny, haratsiana be koa aza, matetika, ka tsy sahy manao na inona na inona. Na dia fantany tsara aza fa nahazo fanomezam-pahasoavana manokana tamin’ny Tompo izy sady nan­tsoin’Izy Tompo, dia tsapany lalina fa tsy afaka hanome fitahiana mihitsy izy. Tsy nisy na oviana na oviana mpanota nibebaka noho ny tenin’olombelona, ary toy izany koa, dia tsy misy mpino voatahy koa noho ny tenin’olombelona. Ahoa­na moa no ahafantaran’ny olona iray ny zavatra ilain’ireo olona ire­sa­ha­ny ?

Fa raha ampiasain’ny Fanahy Masina kosa isika, dia ho fitahiana la­lan­da­va no vokatr’izany. Izy no mahalala izay zavatra ilaina, amin’io fotoana io, sy ny fomba amaliana izany. Omen’ny Fanahy Masina tenim-panahy ireo olona am­pia­sainy, mba hampita zava-panahy (1 Korintiana 2.13).

Andraikitra lehibe koa nefa izany. Mila mihaino tsara ny fitantanan’ny Fa­na­hy Masina antsika isika, mba ahafahany mampiasa antsika araka izay tiany. Sa­tria Izy irery ihany no afaka mitarika antsika manokana, sy mitarika ny fa­nom­poam-pivavahana ao amin’ny Fiangonana. Ny fiheverantsika ho afaka ma­nendry izay olona tokony hitarika ny asa fanompoana, ao amin’ny Fi­an­go­na­na, dia mifanohitra tanteraka amin’ny ambaran’ny Soratra Masina ; raha ny ma­ri­na, dia fanaovana tsinontsinona ny Fanahy Masina izany. Ary tsy tsara ko­koa ny milaza fa afaka mandray anjara amin’ny asa fanompoana avokoa ny olo­na rehetra, na ny mametra izany ho an’olona iray na sasantsasany. Ny Fa­na­hy Masina ihany no afaka manendry izay tiany hampiasaina. Midika izany fa ny adidintsika dia ny mivonona, amin’ny fivoriana, mba hampiasainy, raha tia­ny.

Mazava fa amin’ny fivoriana ampahibemaso, ny Fanahy Masina dia mam­pi­a­sa ireo fanomezana manokana nomen’ny Tompo ho amin’izany. Azony atao ihany koa, nefa, ny mampiasa fanomezam-pahasoavana kely kokoa, na dia maro aza ny fanomezam-pahasoavana lehibe eo. Raha ny momba ny mi­va­va­ka sy ny fisaorana na ny fanondroana hira, dia tsy misy fanomezam-pa­ha­soa­va­na manokana, tsy akory. Amin’ny ankapobeny, dia asan’ny nofo ilay an­tsoin’ny olona indraindray hoe fanomezam-pahasoavana hivavaka. Raha ny mi­va­va­ka sy misaotra, dia azon’ny Fanahy Masina ampiasaina avokoa izay re­he­tra manana toe-panahy tsara ka manaiky hampiasaina.

Toy inona izany, ao amin’ireo fivoriana, ny andraikitra ho an’ny tsirairay, na ta­no­ra na zokinjokiny kokoa, mba ho araka izay ahafahan’ny Fanahy Masina mam­pi­a­sa antsika  —raha tiany—, ary mba hamela Azy hampiasa antsika.

 

Mirary soa ho anareo.

Ny rahalahinareo ao amin’ny fanompoana ny Tompo.

H. L. H.


 

NY TOERANA MISY ANTSIKA ETO AN-TANY

 

 

Ry sakaiza malala,

 

Tamin’ny iray tamin’ireo taratasy tany aloha, dia naseho anareo ny toerana mi­sy antsika eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny maha-mpino antsika. Tiako in­dray, izao, ny hisarika ny sainareo momba ny toerana misy antsika etỳ an-ta­ny. Ho hitantsika fa mifamatotra amin’i Kristy koa izany. Satria toy ny na­no­và­na antsika hitovy amin’i Kristy, mba hahazoantsika miseho eo ana­tre­han’An­dria­ma­nitra, no ampitoviana antsika koa amin’i Kristy, eo imason’izao tontolo izao. Raha lazaina amin’ny fomba hafa, dia izao : etỳ an-tany isika, dia na­pe­tra­ka amin’ny toerany, toy ny hametrahana antsika eo amin’ny toerany, eo ana­tre­han’Andriamanitra. Hitondra soa ho antsika mihitsy ny fahatsiarovana la­lan­da­va izany fahamarinana izany.

Raha dinihina ny toerana misy antsika etỳ an-tany, dia misy lafiny roa sa­my manan-danja tokoa. Ny voalohany, dia mifandraika amin’izao tontolo izao ; ary ny faharoa, dia mifandraika amin’ny “toby”, izany hoe ny tontolo kristiana izay naka ny toeran’ny fivavahana jiosy, amin’izao vaninandro izao, amin’ny ma­ha-vavolombelon’Andriamanitra azy (jereo Romana 11 ary ampitovio amin’ ny Matio 13).

 

 

Ny toerantsika manoloana izao tontolo izao

 

Hoy ny Tompo Jesoa tamin’ny Jiosy : “Ianareo avy atỳ ambany, Izaho avy any ambony ; ianareo avy amin’izao tontolo izao, Izaho tsy mba avy amin’izao ton­to­lo izao” (Jaona 8. 23). Tatỳ aoriana, dia hoy Izy nony nametraka ireo olo­ny tamin’ny Rainy : “Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy na­man’ izao tontolo izao” (Jaona 17. 16). Ary ao amin’ny andininy faha-14 ka ha­tra­min’ ny faha-19 dia tena entiny eo amin’ny toerany manoloana izao tontolo izao mi­hi­tsy ny mpianany, toy ny nametrahany azy ireo tamin’ny toerany manoloana ny Ray, ao amin’ny andininy alohan’izay (and. 6-13). Maka ny toeran’ny Tompo etỳ an-tany izy ireo, satria  —mariho tsara—  tsy naman’izao tontolo izao, toa  Azy tsy naman’izao tontolo izao. Satria efa nateraka indray izy ireo, ka tsy an’ izao tontolo izao intsony. Nanomboka teo, dia matetika Izy no namerimberina fa ho halan’ny olona sy hohenjehina izy ireo, toy ny nanaovana Azy. Izany no ma­ha­ton­ga Azy hiteny, ohatra : “Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo. Raha naman’izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao ; fa satria tsy naman’izao ton­to­lo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo izao, dia ha­lan’ izao tontolo izao ianareo. Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe : Ny mpa­nom­po tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia ha­nen­ji­ka anareo koa ; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa” (Jao­na 15. 18-20). Asehon’ny apostoly Jaona koa ny fifanoherana tanteraka misy eo amin’ny mpino sy izao tontolo izao, araka ny soratany hoe : “Fan­ta­tsi­ka fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa” (1 Jaona 5. 19).

Nefa mbola mihoatra noho izany no asehon’ireo tsongandahatsoratra ireo amin­tsi­ka. Ny mpino tsirairay dia raisin’Andriamanitra ho toy ny efa maty, sy na­tsan­gana tamin’ny maty, niaraka tamin’i Kristy (Romana 6 ; Kolosiana 3. 1-3). Amin’ny alalan’ny nahafatesan’i Kristy sy ny nitsanganany tamin’ny maty iza­ny, dia olona tanteraka izy ireo, eo imason’Andriamanitra, napetraka ive­lan’ izao tontolo izao, toy ny nitondrana an’i Israely nivoaka avy tany Egypta, hi­am­pi­ta ny Ranomasina Mena. Tsy “an’izao tontolo izao” intsony izy, na dia ni­ra­hi­na (Jaona 17. 18) hiaina ho an’i Kristy eo anivon’izao tontolo izao aza.

Izany no nahafahan’i Paoly nilaza, raha mbola niasa ho an’i Kristy izy, fa : “sa­na­tria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazofijalian’i Jesoa Kris­ty Tompontsika, Izay naha-voahombo izao tontolo izao tamin’ny hazofijaliana, ra­ha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin’izao tontolo izao” (Galatiana 6. 14). Ny hitany tamin’ny hazofijalian’i Kristy dia izao tontolo izao efa voatsara (Jao­na 12. 31), ary raha mampihatra ny hazofijaliana amin’ny tenany izy, dia mi­he­vi-tena ho toy ny efa maty  —voahombo raha ny amin’izao tontolo izao—, ha­ny ka misaraka tanteraka amin’izao tontolo izao, toy ny fisarahana vokatry ny fahafatesana irery ihany.

Raha fintinintsika izay novakiantsika teo, dia hitantsika fa ny kristiana, na dia eo anivon’izao tontolo izao aza, dia tsy an’izao tontolo izao. Tsy an’izao ton­to­lo izao izy, toy ny tsy maha-an’izao tontolo izao an’i Kristy. Rafitra vaovao ha­fa no misy azy, satria “raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo” (2 Korintiana 5. 17). Araka ny efa hitantsika, dia efa nivoaka tanteraka tamin’izao tontolo izao izy, tamin’ny nahafatesan’i Kristy sy ny nitsanganany tamin’ny maty ; noho iza­ny, dia tokony hisaraka tanteraka aminy. Tsy mety raha manaraka ny fa­naon’ izao tontolo izao izy (Galatiana 1. 4 ; Romana 12. 2). Tokony ham­pa­ha­fan­ta­ri­ny fa tsy an’izao tontolo izao intsony izy, na amin’ny fisainany, na amin’ny fom­ba­fom­ba­ny, na amin’ny fitondràntenany, na amin’ny zavatra ataony. Mihoatra no­ho izany aza, amin’ny fampiharana ny hazofijaliana amin’ny tenany, dia to­ko­ny hahatsiaro ho voahombo izy, raha ny momba izao tontolo izao. Koa tsy afa­ka hisy zavatra hahasarika intsony, tsy hisy hery afaka hampifanatona za­va­tra roa samy hafa efa voatsara toy izany. Fa mbola misy lafiny iray hafa toy izao koa : ny kristiana dia etỳ an-tany, maka ny toeran’i Kristy. Izany hoe mom­ba an’i Kristy izy, sy toa an’i Kristy, etỳ an-tany. Tokony hijoro ho va­vo­lom­be­lo­na ho an’i Kristy, izany, izy, ka hizotra toy ny nizoran’i Kristy (Filipiana 2. 15 ; 1 Jao­na 2. 6), ary tokony hanampo fa hatao toa izay natao an’i Kristy. Tsy hoe ho­hom­boana tahaka Azy, tsy akory, isika ! Fa raha mahatoky isika, dia hisedra fa­no­he­ra­na toa Azy, eo amin’izao tontolo izao. Arakaraka ny mampahatoky an­tsi­ka amin’ny fanarahana ny diany, no hanenjehana antsika. Raha toa ny mpi­no amin’izao fotoana izao tsy dia iharan’ny fankahalana loatra, dia satria tsy tena tafasaraka amin’izao tontolo izao.

Alohan’ny handinihina ny lafiny hafa amin’ity lohahevitra ity, dia tsy aritro ny tsy hanintona ny sainareo ny amin’ny tokony hanapahana izay kofehy re­he­tra mety mbola mamatotra antsika amin’izao tontolo izao, amin’ny lafiny ara-mô­ra­ly. Tsy mila ny hoe marani-tsaina vao mahatsikaritra fa ny fomba fi­sai­nan’ izao tontolo izao sy ny fanarahana izao tontolo izao, dia miha-mahazo vahana hain­ga­na dia haingana, ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra ; ary hi­ham­boa­na aza izany, eo amin’ny Latabatry ny Tompo. Manala baraka tanteraka izany, ary mampalahelo mafy an’Ilay antony ivoriantsika, hanambaràna ny fa­ha­fa­te­sa­ny ! Fampirisihana ho an’ny olona masina rehetra izany, mba hanetreny te­na eo imason’Andriamanitra, sy hangatahany am-bavaka ny fahasoavana hiai­na bebe kokoa ho Azy, hisaraka bebe kokoa amin’izao tontolo izao, mba ho hi­tan’izao tontolo izao fa isika dia an’Ilay nolaviny, Ilay noroahiny sy no­hom­boa­ny.

Vitsy loatra isika no manana ny toe-tsain’i Paoly, izay naniry hahalala “ny fi­om­bo­na­na amin’ny fijaliany”, mba “hampitovina amin’ny endriky ny fa­ha­fa­te­sa­ny”, raha nibanjina Ilay Kristy nasandratra izy, Ilay nameno ny fony ary tan­jon’ny fanantenany.

Enga anie ny Tompo hanome antsika sy ireo olo-masina tiany rehetra, fi­nia­vana hanolo-tena bebe kokoa ho Azy sy hisaraka tanteraka amin’izao ton­to­lo izao.

 

 

Ny toerana misy antsika manoloana ny “toby”

 

Izao no vakiantsika ao amin’ny epistily ho an’ny Hebreo : “Rehefa nentin’ ny mpisoronabe niditra ho ao amin’ny fitoerana masina ho fanatitra noho ny ota ny ran’ny biby, dia nodorana teny ivelan’ny toby ny fatiny. Ary amin’izany, Je­soa koa dia niaritra teny ivelan’ny vavahady, mba hahamasina ny olona amin’ny rany. Koa aoka isika hivoaka hankeo aminy, eo ivelan’ny toby, mi­ton­dra ny latsa izay nentiny” (Hebreo 13. 11-13). Misy zavatra roa loha mi­son­ga­di­na mazava, ao amin’io tsongandahatsoratra io :

1. Ny ran’ny fanatitra noho ny ota dia nentina tao amin’ny fitoerana ma­si­na ;

2. Ny fatin’ny biby natao fanatitra dia nodorana teny ivelan’ny toby.

Asehon’ny mpanoratra ny epistily ho an’ny Hebreo fa ireo zavatra roa ireo dia mifandraika amin’ny fahafatesan’i Kristy, ary kisarisary tena maneho an’i Kris­ty ireo fanatitra ireo.

Hitantsika eto koa, nefa, ny lafiny roa amin’ny toerana misy ny mpino, dia ny toerany manoloana an’Andriamanitra ao amin’ny fitoerana masina, izay ni­ton­dra­na ny ra, sy ny toerany etỳ an-tany, ivelan’ny toby, izay nijalian’i Kristy. Araka ny efa voalaza, toy ny maha-ao amin’i Kristy antsika, eo imason’An­dria­ma­ni­tra, maka tanteraka ny toerany ary mitafy ny vidin’ny fanekena Azy, dia ape­tra­ka eo amin’ny toerany koa isika etỳ an-tany, amin’ny henatra nanjo Azy sy ny nandavana Azy. Noho izany, ny toeran’ny mpino etỳ an-tany dia ivelan’ ny “toby”. Izany no lazain’ny mpanoratra ny epistily : “Aoka isika hivoaka han­keo aminy, eo ivelan’ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny.”

Mety hanontany ahy angamba ianareo hoe : “Inona no atao hoe toby ?” Ma­za­va, tamin’ilay tsongandahatsoratra novakiana teo, fa ny fivavahana jiosy iza­ny. Inona izao no mifandraika amin’izany, ankehitriny ? Ny fivavahana jiosy dia avy tamin’Andriamanitra, ary tetỳ an-tany izy dia natao ho vavolom­be­lon’ An­driamanitra. Nivaona nefa ny fivavahana jiosy, ary taorian’ny nandàvana tan­te­ra­ka an’i Kristy, tamin’ny nitorian’ireo apostoly teny, dia nailika izy ka no­so­loa­na ny fivavahana kristiana, araka ny ampianaran’ny Romana 11. Ny toby iza­ny, amin’izao fotoana izao, dia ny tontolo kristiana voarindra, ny fiangonana mi­to­no­na ivelany ho kristiana.

Mbola hanontany ihany angamba ianareo hoe : “Maninona isika no asaina mi­voa­ka ivelan’ny toby ?” Noho ny tsy fahombiazany amin’ny fijoroany ho va­vo­lom­be­lon’Andriamanitra. “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fa­na­hy amin’ny fiangonana” (Apokalypsy 2. 11 ; sns.). Antoka ho antsika, nefa koa andraikitsika, ny mandinika ao amin’ny fanazavan’ny Teny no­so­ra­tan’An­dria­ma­nitra, izay rehetra mampisandratra ny maha-izy Azy an’Andriamanitra. Raha dinihintsika toy izany ireo antokom-pivavahana rehetra (ireo foto-pi­noa­na), dia hiharihary amintsika ny tsy fankatoavany sy ny fahadisoany. Noho iza­ny, dia tsy misy na inona na inona azon’ny mpino atao intsony, ny mpino izay te hanaraka ny hevitr’Andriamanitra, afa-tsy ny maka ny toerany “ivelan” ’izany re­he­tra izany, fisarahana amin’ny savorovoro sy ny fahadisoana rehetra amin’ izao andro ratsy izao, dia mitambatra amin’ireo rehetra izay mankatò ny Teny, ka mivory tsotra amin’ny anaran’i Jesoa (Matio 18. 20).

Betsaka ny anatra omen’ny Eksodosy 33 momba izany. Rehefa nidina avy ta­ny an-tendrombohitra i Mosesy (Eksodosy 32), dia hitany fa nanompo sampy ny vahoaka iray manontolo. Niverina niakatra izy, mba hivavaka hifona ho an’ ny vahoaka, ary vaovao ratsy no azony avy any. “Naka ny lay (izy) ka nanorina azy eo ivelan’ny toby lavidavitra, ary ny anarany dia nataony hoe ‘Ny trano lay fi­hao­na­na’. Ary izay rehetra nitady an’i Jehovah dia nivoaka ho eny amin’ny trano lay fihaonana, izay teo ivelan’ny toby” (Eksodosy 33. 7). Izany no fi­he­tsi­ka nataon’i Mosesy, nanoloana ireo vahoaka meloka, satria fantany ny he­vitr’ An­driamanitra. Hitantsika amin’izany tantara izany ny sary ara-môralin’izao va­ni­nan­dro iainantsika izao. Ary tiako hosarihana manokana amin’izany ny sai­na­reo.

Efa ampy izay ny zavatra voasoratro, hahalalanareo ny toerana misy ny mpi­no etỳ an-tany. Efa hitantsika ny fisarahana amin’izao tontolo izao, an­ki­la­ny, ary ny toerana ivelan’ny “toby”, andaniny. Ny fakàntsika izany toerana iza­ny dia hahatonga antsika ho halan’ny sasany, ary ho ambanian’ny hafa. Raha iza­ny nefa no miseho, dia hiha-mitovy kokoa amin’ilay Tompo Malalantsika isi­ka. Izany no atao hoe mitondra “ny latsany”, araka ny voambolana am­pia­sain’ ny epistily ho an’ny Hebreo.

Enga anie isika tsy hatahotra ny voalohany ary tsy ho menatra ny faharoa. Ny mifanohitra amin’izany aza, ho faly isika fa natao mendrika hitondra fa­ha­fa­ham-baraka, ho voninahitry ny anarany (Asa 5. 41).

 

Manao veloma finaritra.,

Ny rahalahinareo mifatotra amin’ny fanompoana ny Tompo.

E. D.


(Dos du livre)

 


Miara-mandeha
amin’i
Jesoa Kristy

H. L. Heijkoop


Ity boky ity dia
amboaran-taratatasy
mamaly ireo fanontaniana
apetraka tanora mpino.

Fahamarinana kristiana maromaro
no voafintina mazava ato.

Ohatra :

—        ny fiovàm-po

—        ny fahateraham-baovao

—        ny fanafahana amin’ny ota

—        ny fihavanana amin’Andriamanitra

—        ny firaisana amin’Andriamanitra

—        ny fahamasinana

—        ny famakiana ny Baiboly

—        ny vavaka

—        ny Fanasàn’ny Tompo

—        ny fitsaohana

—        ny fanompoana.


 

 



[1] Lazaina amin’ny teny frantsay hoe “moyen âge”.

[2] Ny voambolana grika ampiasaina eto, « gennethei anôthen » (and. 3), dia tsy mitovy amin’ny ampiasaina ao amin’ny Titosy 3. 5 (« palingenesia »), izay anambaràna ny fiterahana indray sy ny fanavaozana entin’ny Fanahy Masina.

 

[3] Ny Jaona 6 no matetika ampiasaina ho porofo fa sakramenta ny Fanasàn’ny Tompo. Tsy mi­re­sa­ka ny Fanasàn’ny Tompo, nefa, ny Jaona 6, satria mbola tsy naorina izany. Tsy miresaka ny te­na­ny sy ny kapoaka koa ny Tompo, toy ny ambarany hatrany, ao amin’ny Fanasàn’ny Tompo, fa ny nofony sy ny rany, ary hevitra hafa mihitsy izany.