MAHATAKATRA

ny Epistily Voalohany ho an’ny Korintiana

Raha te handalina bebe kokoa, dia jereo ireo asasoratra samihafa ao amin’ny https://www.bibliquest.net/Commentaires_liste_etudes.htm

 

 

Topimaso

1 Fampidirana

2 Votoatin’ny Epistily

            2.1 Toko 1 hatramin’ny 9 : Ny Fiangonana sy izao tontolo izao : fisarahana sy fijoroana ho vavolombelona

            2.2 Toko 10 : Loza ny mitonona ho kristiana nefa tsy tena manana fiainana miaraka amin’ny Tompo akory

            2.3 Toko 11 hatramin’ny 14 : Fandaminana sy fandehan’ny fiangonana, amin’ny maha vatan’i Kristy azy (tenan’i Kristy)

  2.4 Toko 15 sy 16 : Ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty — Fampirisihana farany

 

3 Andininy tsara ho fantatra

 

 

1.     Fampidirana

Ny fiangonana tao Korinto dia niforona tamina fotoana nandalovan’ny apostoly Paoly tao amin’io tanàna io (Asan’ny Apostoly 18). Tatỳ aoriana dia nisy fikorontanana be nipoitra tao amin’io fiangonana io. Angamba izany dia noho ny fitaoman-dratsin’ny tontolo tena lo tokoa tao amin’io tanàna io  —saina fifandrafiana sy fiandaniana nahatonga fitsitokotokoana ; fitondrantena ratsy nekena tsara tao amin’ny fiangonana ; fifampitorian’ny mpino, hatramin’ny fitondrana izany teo anoloana mpitsara jentilisa. Nosoratan’ny apostoly Paoly ho azy ireo ity taratasy ity mba hanaitra ny sain’izy ireo, ka hiarenany hiala amin’izany toerana ambany dia ambany izany ; resahiny ny olana nentin’ny Korintiana teo aminy : ny fanambadiana sy ny fitovoana (toko 7), ny fihinanana hena naterina ho an’ny sampy (toko 8).

Ity taratasy ity dia mirakitra foto-pampianarana tena lehibe, toy ny maha iray ny mpino izay mandrafitra ny vatan’i Kristy (tenan’i Kristy), sy ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty.

 

 

2.     Votoatin’ny Epistily

2.1         Toko 1 hatramin’ny 9 : Ny Fiangonana sy izao tontolo izao : fisarahana sy fijoroana ho vavolombelona

Toko 1- Ao ambadik’ireo toejava-nisy manokana teo amin’ny Korintiana, ity epistily ity dia miantefa amin’ny ankapobeny amin’ny fiangonana rehetra, na aiza na aiza misy azy (and 1-3). Ary alohan’ny hiresahana ny olana, dia tsindrian’i Paoly ny fahasoavana nomen’Andriamanitra ny Korintiana (and 4-9) sy ny zavatra niantsoana azy ireo, izany hoe ny fiombonana amin’ny Zanak’Andriamanitra, dia Jesosy Kristy.

Avy eo dia resahiny ny olana voalohany : nisaratsaraka izy ireo (and 10-16) ; natoky ny fahendreny ny tsirairay, ka samy nanana ny mpitarika azy. Koa asehon’ny apostoly azy ireo fa nofoanan’ny hazofijalian’i Kristy ny fahendren’ny olombelona ; Kristy no fahendren’Andriamanitra, ary ao aminy isika ; tsy ao amin’ny olombelona intsony no ireharehantsika, fa ao amin’i Kristy (and 17-31).

 

Toko 2- Ampahatsahivin’ny apostoly azy ireo fa tsy fahendren’olombelona no nentiny nanatona azy ireo, mba tsy hiankinan’izy ireo amin’izany, fa amin’ny herin’Andriamanitra irery ihany, hery ara-panahy (and 1-5). Raha ny momba ny fahendren’Andriamanitra indray, tsy afaka mahatakatra izany ny fanahin’ny olona ara-nofo, ary amin’ny alalan’ny Fanahin’Andriamanitra ihany no ahafahana mampita sy mahatakatra izany (and 6-16).

 

Toko 3- Ny fitsitokotokoana tao amin’ny fiangonana tao Korinto dia nampiseho ny maha ara-nofo azy ireo ; koa tsy afaka hampianatra azy amina ventin-kanina ny apostoly. Asehony azy ireo fa tsy ny mpanompo no tokony hojerena, fa Andriamanitra ; ny fahombiazan’ny asa sy ny fitombony dia avy amin’Andriamanitra, ary isika dia mpiara-miasa aminy fotsiny ihany (and 1-9) ; avy amin’ny olombelona ny fomba ratsy anaovana ny fanompoana sy ao amin’ny fiangonana ; hosedraina ny asa, ary amin’izay no hahazoana valisoa na fatiantoka (and 10-15). Ary ireo izay manimba ny tempolin’Andriamanitra kosa (ny Fiangonana), izay itoeran’ny Fanahy, dia holevonina (and 16-17). Tokony hitandrina izany izy ireo hiandany amin’ny fahendren’Andriamanitra, fa tsy hanaraka ny fahendren’olombelona (and 18-23).

 

Toko 4- Fa i Paoly kosa dia mpanompo tsy manaiky hotsarain’iza na iza afa-tsy Andriamanitra (and 1-5). Raha toa ny Korintiana mirehareha ao amin’ny olombelona, Paoly sy ireo apostoly hafa kosa dia tena nanetry tena fatratra (and 6-13). Paoly no rain’izy ireo ara-panahy (and 14-16) ; mampitandrina izy fa raha toa halemem-panahy no nasehony hatreto, tsy ho ela izy dia hasiaka amin’ireo mpiavonavona. Ny tokony hataon’izy ireo dia ny miverina fotsiny mitondra tena toa an’i Paoly sy amin’izay efa nampianariny hatrizay  (and 17-21).

 

Toko 5- Olana faharoa indray no jeren’ny apostoly. Nisy faharatsiana ara-pitondrantena goavana teo anivon’ny fiangonana tao Korinto, ary tsy nisy niraharaha izany  (and 1-2) ! Ambaran’i Paoly azy ireo ny fomba fijeriny izany (and 3-5) ary ampahatsahiviny ny fahamasinana takiana amin’ireo izay manana an’i Kristy ho paskany (= ny sorona nilaina mba hanafahana amin’ny ota ; and 6-8). Atorony azy ireo ny tokony hatao, ny famaizana tokony hampiharina, satria manana andraikitra hisaraka amin’ny ratsy izy ireo (and 9-13).

 

Toko 6- Mbola misy olana iray hafa indray asongadin’ny apostoly. Nitondra ireo adiny teo anoloan’ny tribonalin’izao tontolo izao izy ireo, toy ny hoe tsy nisy rahalahy afaka nanampy handamina disadisa, ary toy ny hoe tsy maintsy niaro mafy ny zony izy ireo (and 1-6). Nifanao ny tsy rariny izy ireo, toy ny olona tsy nohamasinina (and 7-11) ! Nefa dia masina izy ireo, ary tokony hitondra tena araka izany.

 

Momba ny vatana indray, dia tokony navahana ny zavatra mandalo (« ny kibo » sy ireo « hanina » mandalo ao) sy ny vatana izay hitsangan-ko velona. Tsy teo ambany Lalàna intsony izy ireo, ka afaka amin’izay mandalo (and 12-13) ; fa ny vatana, izay hitsangan-ko velona kosa, dia an’ny Tompo ary tempolin’ny Fanahy Masina, ka tokony hohazonina ho madio ary handositra ny fijangajangana (and 13-20).

 

Toko 7- Izao ny apostoly dia mamaly fanontaniana iray napetraky ny Korintiana, momba ny fifandraisan’ny lahy sy ny vavy (Korinto dia tanàna tena feno fahalovana). Malalaka tanteraka izany fifandraisana izany, saingy ao anatin’ny sehatry ny fanambadiana ihany, ary mifanaja ny lahy sy ny vavy. Raha ivelan’ny fanambadiana, dia fijanganjangana izany (and 1-7).

  •          Ny maha mpitovo dia mety hiainana ho toy ny fahasoavana manokana, nefa aleo manambady toy izay ho azon’ny fakampanahy hijangajanga (and 7-9).

  •          Ny mpivady dia tsy tokony hisaraka (and 10-11).

  •          Raha toa misy iray amin’ireo mpivady tsy an’ny Tompo, ilay mpino (niova fo taorianan’ny fanambadiana) dia tokony hanao izay rehetra azony atao mba hihazonana ny fiaraha-monina ; nefa tsy afaka hitazona ilay tsy mpino tena maniry mafy ny handeha izy. Rehefa ny iray amin’ny mpivady ihany no mpino, dia tsinjovin’Andriamanitra ilay vady tsy mpino sy ny ankizy.

  •          Mampirisika i Paoly mba hijanonana amin’ny toerana nisy ny tena tamin’ny fotoana niovana fo (and 17-24). — Rariny raha mihevitra kokoa ny zavatr’izao tontolo izao ireo izay manambady ; ny mpitovo izany dia afaka manolo-tena kokoa  hanompo ny Tompo. Koa tsara kokoa izany ny mitovo, nefa tsy fepetra tsy maintsy atao izany. Ary rehefa manambady, dia tsy maintsy « ao amin’ny Tompo » (and 25-40).

 

Toko 8- Resahin’ny apostoly ny momba ny fahafahana kristiana. Toa valim-panontaniana manokana napetraky ny Korintiana izy ity, satria izy ireo dia nihambo ho avo fahalalana, ka afaka mihinana henan’ny biby natao sorona ho an’ny sampy (any amin’ny toeran-kafa dia voarara izany, noho ny demonia miafina ao ambadik’ireo sorona ireo). Nefa dia manararaotra loatra ny fahafahana kristiana ny fanaovana zavatra mahatafintohina ny fieritreretan’ny rahalahy iray. Noho ny fitiavana ny rahalahy, ireo izay afaka dia tsy tokony hampiasa ny fahafahany hihinana hena toy izany, mba tsy hanjary vato fanafintohinana ho an’ny sasany (and 1-13).

 

Toko 9- Tantarain’i Paoly fa izy dia tsy nampiasa ny zony, na dia tamin’ny fanompoana ny Tompo aza. Tanisainy aloha ireo zony (and 1-14) ; avy eo dia asehony hoe nahoana izy no tsy nampiasa izany : noho ny fitiavany ny olombelona sy ny Filazantsara (and 15-23). Ny antony nanosika azy tamin’ny fandehany, amin’ny maha kristiana azy, dia ny tanjona sy ny satroboninahitra natao ho loka (and 24-27).

 

2.2        Toko 10 : Loza ny mitonona ho kristiana nefa tsy tena manana fiainana miaraka amin’ny Tompo akory

Toko 10- Ny tantaran’ny Testamenta Taloha manontolo dia tokony ho fampitandremana antsika, indrindra ny amin’ny hoe filazana fa manaraka ny Tompo, nefa tsy araka izany akory ny ao am-po. Koa mampitandrina ny apostoly, momba ny antony nahatonga an’Andriamanitra tsy hankasitraka ny vahoaka Israely, na dia teo aza ireo tombontsoany manokana : fanompoan-tsampy, filàna ara-nofo, fimonomononana (and 1-13). Saro-piaro amin’izay zavatra tiantsika ny Tompo (lafo dia lafo tokoa ny sarany nahazoany antsika !). — Loza mananontanona antsika, na isika manokana na isika miaraka, ny hitonon-tena toy izany ho mpivavaka, nefa tsy manana fiainana miaraka amin’ny Tompo akory : Ny hoe miara-mihinan-kanina aman’olona dia manambara fiombonana, tsy eo amin’ny latabatry ny Tompo ihany, fa  eo amin’ny alitara jiosy koa, na eo amin’ny latabatry ny demonia. Ny fiombonantsika dia amin’ny Tompo, ary sarobidy aminy tokoa izany, ka tokony hitandrina isika mba tsy hanana fiombonana hafa tsy mifanaraka aminy (and 14-22). — Momba ny hena eny amin’ny mpivaro-kena na any aman’olona tsotra, dia tsy tokony hametraham-panontaniana be loatra. Ny tanjon’ny fitondrantenantsika dia ny hamonjena olona faran’izay maro. Ny maka tahaka ny fitondrantenan’i Paoly dia fitsipika ankapobeny lehibe tokony harahina (and 23-33).

 

2.3        Toko 11 hatramin’ny 14 : Fandaminana sy fandehan’ny fiangonana amin’ny maha vatan’i Kristy azy (tenan’i Kristy)

Toko 11- Asehon’i Paoly aloha fa ny fandaminana ao amin’ny fiangonana dia mifanaraka amin’ny fandaminana ao amin’ny fahariana, ary raisiny ho ohatra (and 1-16) ny toerana misy ny lehilahy (manapaka) sy ny ny vehivavy (manaiky). Kianiny avy eo ny korontana ataon’ny Korintiana amin’ny fisaratsarahan’izy ireo, nefa tokony hiray hina (and 17-19), ary omeny tsiny izy ireo satria mandray ny Fanasan’ny Tompo amin’ny fomba tsy mendrika, amin’ny fampiarahany izany amina fisakafoanana be loatra, toy ny hoe sakafo hohanina eo amin’izao tontolo izao izany. Asehony azy ireo ny toetra manetriketrika ananan’io fahatsiarovana ny Tompo io (and 20-34).

 

Toko 12- Amin’ireo fisehoan-javatra ara-panahy, dia ampianarin’ny apostoly ny fomba hanavahana ireo izay avy amin’ny Fanahin’Andriamanitra ; tena zava-dehibe amin’izany ny manaiky fa Jesosy no Tompo (and 1-3). Dia asehony ireo hetsika samihafa ataon’ny Fanahy, amin’ireo fanomezam-pahasoavana omeny ny tsirairay (and 4-11). Eo ambany fahefan’ny Tompo no ampiasana azy ireny, Andriamanitra no mampahomby azy, ary ny Fanahy no mampihetsika sy mizara azy ireny, rehefa misy ilàna azy manokana. Koa ny Eglizy dia oharin’ny apostoly amina vatana iray voarafitra rantsambatana maro samy manana ny anjara asany, samy tsy maintsy ilaina, samy mifampiankina sady miankina amin’ny Loha, ary samy manan-danja avokoa. Izany no ilazana fa ny Eglizy dia vatan’i Kristy (tenan’i Kristy), satria Kristy no Lohany (and 12-31). Io vatan’i Kristy io dia voaforona tamin’ny batisan’ny Fanahy Masina resahin’ny Asan’ny Apostoly 2, ary io Fanahy io irery ihany no mampirindra ny asan’ireo rantsambatana samihafa.

 

Toko 13- Mba hanatontosan’io vatan’i Kristy io ny asany, dia ny fitiavana no fepetra lehibe indrindra (and 1-3), ary lazalazaina ny toetra mampiavaka izany (and 4-7). Ny finoana sy ny fanantenana ihany koa dia fototry ny fiainan’ny mpino, nefa rehefa hifarana ny zavatra rehetra, dia ny fitiavana irery sisa no hitoetra (and 8-13).

 

Toko 14- Ny tanjon’ny fampiasana ny fanomezam-pahasoavana dia ny hampiorina ny tenan’i Kristy. Amin’ireo fanomezam-pahasoavana atolotry ny Fanahy ireo, ny faminaniana dia tena ilaina tokoa hampiorenana, fa ny fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra, izay tena ankafizin’ny Korintiana satria mahatalanjona azy ireo, dia tsy ilaina raha tsy misy mandika (and 1-13). Ilaina ny faharanitan-tsaina ara-panahy rehefa mampiasa ny fanomezam-pahasoavana (and 14-25), ary tokony hatao am-pilaminana izany, ao anaty fiadanan-tsaina (and 26-40), manaja ny fandaminan’ny fahariana efa hita tao amin’ny fiandohan’ny toko 11 (and 34-35). Ny didy nomena dia manana ny fahefan’ny Tompo.

 

2.4        Toko 15 sy 16 : Ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty — Fampirisihana farany

Toko 15- Nisy olana hafa nitranga tany Korinto : nisy olona nandà ny fitsanganana amin’ny maty, ao anatin’izany ny fitsanganan’ny vatana. Porofoin’i Paoly fa raha tsy misy ny fitsanganan-ko velona, dia foana ny finoan’izy ireo, izany hoe tsy misy ilàna azy ary lainga fotsiny (and 1-19) ; koa tsy misy dikany mihitsy ny nanaovam-batisa, ny miasa sy mijaly ho an’i Kristy (and 29-34). Ambaran’ny apostoly amin-kery anefa fa velona Kristy, nitsangana avy ao amin’ny maty, ary ho toy izany koa isika, ka hanana hoavy maharitra mandrakizay (and 20-28). Ny hoe fitsanganana amin’ny maty dia fiovan’ilay vatana teto an-tany, izay niverina ho vovoka, hanjary vatana ho an’ny lanitra, feno voninahitra, toy ny an’i Kristy (and 35-50). Atoron’i Paoly hoe rahoviana sy ahoana no hahatongavan’izany, ao anatin’ny indray mipy maso, rehefa miverina ny Tompo (and 51-58).

 

Toko 16- Mbola mamaly fanontaniana napetraky ny Korintiana momba ny zavatra madinidinika ihany koa i Paoly, toy ny fanangonam-bola hanampiana ireo olona masina (and 1-4). Dia miresaka fikasana samihafa hamangy olona izy, ary amin’izany dia asehony ny fomba fifampitondran’ny mpanompo (and 5-18). Fanaovam-beloma ampitain’ny apostoly no mamarana ny epistily (and 19-24). Na ny fomba fifanaovam-beloma aza dia manana ny lanjany.

 

 

3.     Andininy tsara ho fantatra

 

« Fa ny teny ny amin’ny hazofijaliana dia ...  herin’Andriamanitra » (1. 18)

 

« Tsy misy mahalala ny ao am-pon’Andriamanitra, afa-tsy ny Fanahin’Andriamanitra ihany » (2. 11)

 

« Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy » (3. 11)

 

« Esory ny masirasira ela... Fa voavono Kristy, Paska ho antsika ;  ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana ... amin’ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana » (5. 7-8)

 

« Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo ? » (6. 19)

 

« Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika, na dia maro aza » (10. 17)

 

« Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo ianareo, mandra-piaviny » (11. 26)

 

« Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin’ny kapoaka » (11. 28)

 

« Ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy » (12. 12)

 

« Raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra » (14. 12)

 

« Efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy, ho santatr’izay efa nodimandry » (15. 20)

 

« Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fitiavana » (16. 14).

 

 

LGEA