MAHATAKATRA

 ny Epistily Faharoa ho an’ny Korintiana

 

Raha te handalina bebe kokoa, dia jereo ireo asasoratra samihafa ao amin’ny https://www.bibliquest.net/Commentaires_liste_etudes.htm

 

 

Topimaso

1 Fampidirana

2 Votoatin’ny epistily

            2.1 Toko 1 hatramin’ny 7 : Ny nataon’i Paoly mandra-panovan’ny Korintiana ny fihetsiny, taorianan’ilay epistily voalohany

            2.2 Toko 8 sy 9 : Ny fanangonam-bola ho an’ireo mpino tany Jodia

            2.3 Toko 10 hatramin’ny 13 : Miady amin’ireo manohitra ny maha apostoly azy i Paoly

 

3 Andininy tsara ho fantatra

 

 

1  Fampidirana

 

Nisy vokany ilay epistily voalohany nosoratan’i Paoly ho an’ny fiangonana tao Korinto. Ity epistily faharoa ity dia nosoratany mba hilazany amin’izy ireo ny fampiononana azony noho izany. Nefa mbola nisy ihany tao Korinto olona nanohitra ny apostoly ary nametraka fisalasalana momba ny fahefany sy ny maha apostoly azy, niampanga azy tamin-javatra maro. Koa voatery izy nanamarina ny maha apostoly azy, ka novelabelariny ny tokony ho fitondrantenan’ny mpanompo mahatoky ; maka toerana lehibe ato amin’ity taratasy ity ny momba izany, ary hita taratra amina safeliteny tsotsotra ny fihevitr’ireo mpanohitra azy.

 

2  Votoatin’ny Epistily

2.1                 Toko 1 hatramin’ny 7 : Ny nataon’i Paoly mandra-panovan’ny Korintiana ny fihetsiny, taorianan’ilay Epistily voalohany

 

Toko 1- Aorianan’ny fiarahabana (and 1-2) dia misaotra an’Andriamanitra i Paoly satria ireo fampiononana azony tao anatin’ireo fizahan-toetra nolalovany dia nampianatra azy ho tonga tena mpampionona marina (and 3-7). Ireo fitsapana ireo anefa dia namaivay aoka izany, ka nihevitra mihitsy izy fa efa teo am-bavahoanan’ny fahafatesana. Faly izy satria nitarika vavaka sy fisaorana izany (and 8-11). Hita tsara izany fa matotra ny fitarihana azy tamin’ny zavatra rehetra, koa tsy kitoatoa (araka ny niampangana azy ao amin’ny and 17-20) no nahatonga azy hiova hevitra ka nanapa-kevitra tsy hamangy ny Korintiana (and 12-16). Tsy namangy aloha izy, mba hitsimbinany azy ireo (and 23-24).

 

Toko 2- Natahotra tokoa mantsy izy hoe raha nandeha aloha loatra, dia ho nalahelo nahita azy ireo tsy nitoetra tsara (and 1-4). Ampirisihiny izy ireo hampiseho fitiavana amin’ilay olona tsy maintsy nesorina (jereo 1 Korintiana 5), mba hiafara amina fanarenana tanteraka ny fibebahana natombony  (and 5-11). Nihevitra ny hitory tany Troasy i Paoly, nefa tsy tafandry mandry izy noho izy ireo ka naleony nanomboka nanakaiky azy ireo (and 12-13), sady nanohy nitory ihany teny an-dalana (and 14-17).

 

Toko 3- Toa nisy olona sasantsasany nanohitra ny asa fanompoan’ny apostoly, niampanga azy ho milaza tena fa tsy manana taratasy filazan-tsoa avy amin’olon-kafa. Ny fiangonana tao  Korinto anefa dia vokatry ny asany, ary ny fahombiazany dia avy amin’Andriamanitra Izay tompoiny (and 1-6) ! Manokatra fonon-teny i Paoly, hampitoviany ny asan’ny lalàna  —izay manameloka sy manakana tsy hahita an’i Kristy ary mametraka ny fanahy ao anaty tahotra—  amin’ny asa fanompoany (asan’ny Fanahy)  —izay mametraka ny fanahy ao anaty fahafahana (and 7-16). Io fahafahana io no mahatonga antsika ho afaka mibanjina ny anton’ny finoantsika, dia ny Tompo ao amin’ny voninahiny, mba haha voaova antsika tsikelikely, hahazo ny endriny (and 17-18).

 

Toko 4- Nandeha lalandava tam-pahitsiana i Paoly, ary nilaza ny marina hatrany, tamin’izany asa fanompoana noraisiny noho ny fahasoavana izany : azony alaina ho vavolombelona ny fieritreretan’ireo olona rehetra nandre azy. Ireo izay tsy nandray ny Filazantsara notoriny kosa dia olona tsy mino nohajambain’i Satana (and 1-6). Io harena nananan’i Paoly io  —ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy—  dia sarobidy aoka izany, ka tsy tokony ho takon’ny zavatra nitahiry azy, izany hoe ny tenan’i Paoly. Koa izany no anoharany tena amina vilany tany, izay tsy manana hery na voninahitra manokana, mba ho hita tsara ny fiainan’i Jesosy ao aminy (and 7-12). Miankina tanteraka amin’Andriamanitra izy, ary nitozo na dia teo aza ny fahoriana nolalovany, satria nibanjina ny mandrakizay feno voninahitra izy (and 13-18).

 

Toko 5- Izao dia ny vatany eto an-tany indray no oharin’ny apostoly amina tranolay marefo sy mora levona, izay misedra ny fizahan-toetra misy eo amin’ny fiainana, nefa ny fanantenany dia ny ho eo amin’ny Tompo, mitafy vatana araka ny lanitra, ho mandrakizay (and 1-8). Eo amin’ny fanatrehan’ny Tompo dia haseho miharihary ny zavatra rehetra, koa izany no mahatonga azy handeha amin’ny fahatahorana ny Tompo sy amin’ny fomba matotra, manoloana ny Korintiana (and 9-13). Koa fitiavana no manosika azy handeha toy izany, fitiavana an’i Kristy, tsy mihevitra azy ireo araka ny nofo, fa « ao amin’i Kristy », ary ny asan’i Kristy no nampihavana azy ireo tamin’Andriamanitra (and 14-19). Ny asa fanompoan’i Paoly dia tsy voafetra ho amin’ireo mpino ao Korinto ihany ; miangavy izy mba hihavana amin’Andriamanitra ny olona rehetra (and 20-21).

 

Toko 6- Tena matotra ny apostoly tamin’ny fanatanterahana ny asany, mba tsy ho azo kianina (and 1-3) ; ary izany, na dia nisy aza ireo fizahan-toetra goavana (and 4-5), fa niantehitra tamin’ny loharanon-kery omen’Andriamanitra izy (and 6-7). Notoherin’ny olona izy, fa nankasitraka azy kosa Kristy (and 8-10). Am-pitiavana be no ampirisihany ny Korintiana hanokatra ny fon’izy ireo sady handeha hatrany ao amin’ny lalana fisarahana amin’ny ratsy, izay lalana tery (and 11-18 hatramin’ny toko 7 and 1).

 

Toko 7- Iangavian’ny apostoly ny Korintiana mba handray azy (singa hafa azo itarafana ny fanoherana azy ihany koa izany), tsindriany fa nahitsy hatrany izy teo anivon’izy ireo ary naneho fitiavana lehibe azy ireo (and 2-4). Lazainy fa nionona tanteraka ny fony rehefa nanambaran’i Titosy, izay hitany ihany nony farany, fa na dia nasiaka aza ny taratasiny voalohany, dia namokatra araka ny nantenaina (and 5-7). Satria nampalahelovina araka an’Andriamanitra izy ireo, dia nandray andraikitra momba ny faharatsiana teo anivony (and 8-11). Vao mainka lehibe ny fifalian’i Paoly, satria i Titosy koa dia faly tamin’ny Korintiana sy ny fandraisany azy, ary mitombina tsara ny fahatokisan’i Paoly azy ireo, izay nolazainy an’i Titosy (and 12-16).

 

2.2                 Toko 8 sy 9 : Ny fanangonam-bola ho an’ireo mpino tany Jodia

 

Toko 8- Asian’ny apostoly resaka ny momba ny famoriam-bola nataon’ireo fiangonana ho an’ny mpino mahantra any Jodia. Marihiny ny fahalalahan-tanan’ireo mpino ao Makedonia, na dia mahantra ihany koa aza izy ireo (and 1-5). Ary satria fantany ny fitiavan’ny Korintiana, dia ampirisihiny izy ireo hanao toy izany koa (and 6-8), maka tahaka ny Tompo (and 9). Na izany aza, tsy mampirisika azy ireo hanome mihoatra noho izay tokony ho izy i Paoly, fa araka ny ananan’ny tsirairay (and 10-15). Ary satria saro-pady ny resaka vola, dia mitandrina ny apostoly milaza amin’izy ireo ny fomba hitondrana ireo vola : nomen’Andriamanitra fahazotoana hanao izany i Titosy, ary rahalahy roa matotra no hiaraka aminy, notendren’ny apostoly sy ny fiangonana (and 16-24).

 

Toko 9- Efa ela ny Korintiana no nanomboka io fanangonam-bola io, ka nampirisika fiangonana hafa izany, ary efa tokony nofaranana. Nasain’i Paoly natao talohan’ny fahatongavany izany, mba tsy hihevitra izy ireo hoe maka vola aminy ny apostoly, ary tsindriany ny toe-po tokony hananana rehefa manome (and 1-7). Tsy hanao ny tsy rariny Andriamanitra ka hanadino ny asan’izy ireo (Hebreo 6. 10), fa hataony manankarena ireo izay manome. Tsy vitan’ny hoe hamaly ny filan’ireo olona masina io fanomezana io, fa hamokatra ao am-pon’izy ireo koa fisaorana ho voninahitr’Andriamanitra (and 8-14). Miakatra avo ny eritreritry ny apostoly, ka mihevitra ilay fanomezana lehibe indrindra nomen’Andriamanitra antsika ao amin’i Kristy (and 15).

 

2.3                 Toko 10 hatramin’ny 13 : Miady amin’ireo manohitra ny maha apostoly azy i Paoly

 

Toko 10- An-kamoram-po no ampitandreman’i Paoly ny Korintiana fa mety hasiaka amin’izay izy, amin’ireo olona manaratsy azy (and 1-2). Toa tsy dia nahasarika mantsy ny fijery an’i Paoly, sady votsa vava izy, hany ka ireo izay mitsara ivelany dia tsy nahita ny haavony ara-panahy ; nataony tsinontsinona izy ary nolaviny (and 3-11). Ny tanjon’i Paoly anefa dia ny hitondra ny eritreritry ny olona rehetra hankatò an’i Kristy, ary tsy hatahotra izay mpanohitra izy. Ny fahefany dia avy amin’ny Tompo, ary ny fitsipi-pitondrantenany dia ny fanetrentena ; tsy nidera tena izy, fa nirehareha ao amin’ny Tompo irery ihany (and 12-18).

 

Toko 11- Naha saro-piaro ny apostoly ny fitiavan’ny Korintiana an’i Kristy (and 1-2). Teo anivon’izy ireo anefa dia nisy apostoly sandoka, nitady hampihodina azy ireo hiala amin’i Kristy (and 3-4) ka nanaratsy ny fampianaran’i Paoly (and 5-6). Manamarina ny nataony i Paoly, tamin’ny tsy nanekeny hovelomin’ny Korintiana, mba tsy hiampangan’ny mpanaratsy azy hoe mandray karama, nefa izy ireo miasa maimaimpoana (and 7-12). Ny ilazany azy ireo dia mpiasa mamitaka manao ny asan’i Satana (and 13-15). Manjary miresaka ny tenany i Paoly, mba hanazavany ny fitondrantenany, izay heveriny fa hadalana (and 16-23) : ireo fizahan-toetra tsy tambo isaina sy mahagaga nolalovany dia tsy nanakana azy tsy hanao ny asa maha apostoly azy, ary tsy misy amin’ireo mpanaratsy azy,  afaka hihambo ho mahavita izany (and 23-33).

 

Toko 12- Manohy miresaka ny tenany ihany ny apostoly, manambara zavatra niainany izay mbola tsy nisy niaina hatrizay : nentina tany an-danitra mihitsy izy, ary nahazo fanambarana tany (and 1-4). Mba tsy hampirehareha azy anefa, dia nasiana « tsilo » tao amin’ny nofony izy, ka nanjary ratsy jerena (and 5-7). Farany izy nanaiky izany ihany, ka niankina tanteraka tamin’ny fahasoavan’ny Tompo (and 8-10). Izao i Paoly dia menatra manamarina ny maha apostoly azy, nefa ny Korintiana efa nahita ny porofo rehetra momba izany (and 11-15). Hohazoniny ny fomba fifandraisany amin’izy ireo ; toy izany ihany koa ny an’ireo olona irahiny (and 16-18). Matoa izy manoratra ireo zavatra ireo amin’ny Korintiana, dia satria natahotra ny hahita toetra ratsy amin’izy ireo, noho ireo apostoly sandoka (and 19-21).

 

Toko 13- Averin’i Paoly lazaina amin’ny Korintiana fa raha tonga izy dia tsy hitsitsy ireo mpiasa ratsy ireo ; hasehony ny fahefana maha apostoly azy, ka tsy maintsy hiaiky izy ireo, satria vokatry ny asany (and 1-6). Tsy te hanambany ny Korintiana anefa izy ; aleony aza izy no hambaniana, fa izy ireo kosa ho mahery (and 7-10). Fanaovam-beloma feno fitiavana no mamarana ny epistily (and 11-13).

 

 

3  Andininy tsara ho fantatra

 

« Fa isika rehetra kosa, amin’ny tava tsy misarona, dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra, ka ovaina hahazo izany endrika izany indrindra, avy amin’ny voninahitra ka ho amin’ny voninahitra, toy ny avy amin’ny Tompo, dia ny Fanahy. » (3. 18)

 

« Fa Andriamanitra, Izay nandidy hoe : Aoka ny mazava hahazava ao amin’ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin’ ny fahazavan’ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny tavan’i Jesosy Kristy. » (4. 6)

 

« Ary tsy ketraka izahay ; fa na dia mihalevona aza ny toetranay ivelany, dia havaozina isanandro isanandro kosa ny toetranay anatiny. » (4. 16)

 

« Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay ho anay. » (4. 17)

 

« Aleontsika ny tsy hitoetra ao amin’ny tena, fa ny hitoetra any amin’ny Tompo. » (5. 8)

 

« Andriamanitra ... nampihavana antsika taminy, amin’ny alalan’i Kristy. » (5. 18)

 

« Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo, hikambanana amin’ny tsy mino. » (6. 14)

 

« Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona... Koa ... misaraha aminy... ary aza manendry izay zavatra tsy madio ; ... ary ho Rainareo Aho, ... hoy Jehovah Tsitoha.

 Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana, amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra. » (6. 16 hatramin’ny  7. 1)

 

« Fa fantatrareo ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanankarena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanankarena anareo ny alahelony. » (8. 9)

 

«  Isaorana anie Andriamanitra, noho ny fanomezany tsy azo tononina. » (9. 15)

 

« Fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay, fa mahery amin’Andriamanitra... mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’i Kristy. » (10. 4, 5)

 

«  Ampy ho anao ny fahasoavako ; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena. » (12. 9).

 

 

LGEA