MAHATAKATRA

 ny Epistily Voalohany ho an’i Timoty

 

Raha te handalina bebe kokoa, dia jereo ireo asasoratra samihafa ao amin’ny https://www.bibliquest.net/Commentaires_liste_etudes.htm

 

Topimaso

1 Fampidirana

2 Votoatin’ny epistily

2. 1   Toko 1-3 : Torolalana momba ny filaminana ao amin’ny “fiangonana eo an-toerana iray”, ao an-tranon’Andriamanitra

2. 2   Toko 4-6 :  Fampirisihana manokana

3   Andininy tsara ho fantatra

 

 

1   Fampidirana

 

Tamin’ny fiandohan’ny dia faharoa nataon’i Paoly hitoriana ny Filazantsara (Asan’ny Apostoly 16. 1), dia nitondra an’i Timoty izy mba hanampy azy. Io tovolahy io dia nanana reny sy renibe mpivavaka nampianatra azy ny Soratra Masina, ary azo antoka fa tena tohina izy tamin’ny fampianaran’i Paoly sy ny firehetam-pony nandritra ny diany voalohany (Asan’ny Apostoly 14. 20-21). Timoty no mpanompo akaiky indrindra an’i Paoly, tena “zanany amin’ny finoana”. Matetika no nahitana azy niaraka tamin’ny apostoly, indrindra nandritra ny naha tany am-ponja an’i Paoly. Marihin’i Paoly fa mpiara-manoratra ny antsasak’ireo epistily nosoratany ho ana fiangonana izy. Koa nanana toerana manokana tao am-pon’i Paoly i Timoty, izay nantenainy mihitsy aza fa hanohy ny asa rehefa tsy eo intsony izy.

Ato amin’ity epistily ity Paoly dia mampianatra an’i Timoty ny fitondrantena mendrika ao  an-tranon’Andriamanitra, dia ny Fiangonana, lohahevitra manokana anton’ny asa fanompoany.

 

2   Votoatin’ny Epistily

 

2. 1   Toko 1-3 : Torolalana momba ny filaminana ao amin’ny “fiangonana eo an-toerana iray”, ao an-tranon’Andriamanitra

 

            Toko 1 — Ao amin’ny fiarahabany i Paoly dia mampiseho ny fahefana feno maha apostoly azy, mba hotafiana izany fahefana izany koa ny asa ampanaoviny an’i Timoty (and  1-2). Tokony hanjaka ao amin’ny kristiana ny fiheverana fa Andriamanitra no Ilay Andriamanitra Mpamonjy, ary ny Fiangonana no vavolombelon’izany fahamarinana izany. Asa sarotra no nankinin’i Paoly tamin’i Timoty, izay mbola tovolahy, dia ny hanampim-bava ireo mpampianatra sandoka tao Efesosy. Ny foto-pampianaran’izy ireo dia avy amin’ny olombelona, tsy misy idiran’ny finoana, ary manilika Ilay Andriamanitra velona, Ilay Mpahary sy Mpamonjy ; faly mihaino ny tenany izy ireo, nefa tsy mahafantatra akory izay lazainy, ary nametraka ny olona ho eo ambany Lalàna (and  3-11).

Paoly, izay mpampiana-dalàna fahiny, dia mihevitra fa tamin’izany fotoana izany dia izy no mpanota lehibe indrindra ; nefa ankasitrahiny ny Tompo namindra fo taminy, ka nanavotra azy ; amin’izany izy dia ohatra mampiseho ny fahari-pon’ny Tompo amin’ny mpanota (and  12-17). Nanankina asa tamin’i Timoty  i Paoly, asa mitaky ady, ary mba hanatanterahany izany ady izany, Timoty dia tsy maintsy mihazona ny finoana, izany hoe ireo fahamarinana rehetra amin’ny fivavahana kristiana, ary koa fieritreretana tsara eo imason’Andriamanitra, mba tsy ho tafalatsaka ao anaty fahadisoana (and  18-20).

 

            Toko 2 — Ny fahasoavana dia mitaky ny hijerentsika am-pitiavana ny olona rehetra, manomboka amin’ireo izay ambony toerana, satria isika rehetra dia an’Ilay Andriamanitra Mpamonjy, Izay miasa am-pitiavana ao amin’ny Filazantsara (and  1, 4). Anjarantsika ny mampiakatra fitalahoana (fangatahana mamaivay ho ana filàna manokana), fivavahana, fifonana (amin’ny maha akaikin’Andriamanitra antsika, dia afaka misolo vava ny hafa isika), fankasitrahana (fisaorana) ho an’ny olona rehetra, satria tiany ho voavonjy ny olona rehetra (and 3-4). Ny tanjona dia ny hahafahan’ny mpino miaina fiainana milamina araka an’Andriamanitra (and  2).

Andriamanitra tokana no fantatry ny Jiosy (mifanohitra amin’ireo sampy), fa ny zava-baovao entin’ny fivavahana kristiana dia Mpanalalana tokana, Olona nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra  —fahamarinana fototra notorin’i Paoly ; andraikiny ny hanambara izany amin’ny jentilisa (and 5-7).

Ny Fiangonana, amin’ny maha tranon’Andriamanitra azy, dia fijoroana ho vavolombelona etỳ an-tany. Noho izany dia hajaina ao ny fandaminan’Andriamanitra tao amin’ny fahariana. Izany no mahatonga ny lehilahy hanana toeram-pahefana sy hisahana ny zavatra atao ampahibemaso ao amin’ny fiangonana [raha tahiny ka voahajany ny fahamasinana], fa ny vehivavy kosa dia tsy misehoseho  —hita amin’ny maha tsotsotra ny fitafiny izany— ary mangina. Ny anjaran’ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin’ny “fiangonana eo amin’ny toerana iray” dia mifanaraka amin’ny lamina napetrak’Andriamanitra hatrany am-boalohany  (and 8-15).

 

            Toko 3 — Mba handraisany anjara amin’ny filaminan’ny fiangonana, dia misy ireo loholona manana andraikitra hitandrina ny andian’ondry (izany hoe hikolokolo ny fanahin’ny olona sy ny fandehan’izy ireo) (Asan’ny Apostoly 20. 28). Kanefa misy toetra tsara takiana, mba hanaovana io asa io ; ny fijoroana tsara ho vavolombelona ataon’ilay olona sy ny fianakaviany dia manome lanja ara-toe-panahy io asa io (and 1-7). Toy izany koa, misy toetra tsara ilaina, mba hanaovana asa fanompoana ao amin’ny fiangonana (and 8-13). Marihina fa ny vehivavy, noho ny toerana misy azy, dia tsy manana andraikitra ho loholona, fa afaka manompo (ho diakona) kosa (and 11 ; Romana 16. 1).

Nomen’ny apostoly an’i Timoty ireo didy ireo mba hitandremany ny filaminana ao amin’ny Fiangonana, mba hifanaraka amin’ny fahamarinana torina ao izany (and 14-15). Dia fehezin’i Paoly amin’ny teny fohy ny fahamarinana tokony hijoroan’ny Fiangonana ho vavolombelona : Kristy (and 16).

 

Fanamarihana :

Ny Fiangonan’Andriamanitra dia tranon’Andriamanitra (and  14-15) : efa monina  ao sahady Izy ankehitriny, etỳ an-tany, manatrika ao Izy. Ny Fiangonana dia fiangonan’Ilay Andriamanitra velona : misy herim-piainana ao. Ny Fiangonana dia andry sy fiorenan’ny fahamarinana : izy no mitory sy mihazona ny fahamarinana eto an-tany ; izay tsy mihazona ny fahamarinana na tsy mampiseho izany dia tsy ilay Fiangonana araka ny fiheveran’Andriamanitra azy.

Ny zava-miafin’ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra (and  16) dia ivon’ny zavatra ijoroan’ny Fiangonana ho vavolombelona eo anoloan’izao tontolo izao ; mifandraika indrindra amin’ny maha Izy Azy an’i Kristy izany ; tsy misy fahamarinana mihitsy raha tsy voahazona io fanambarana ny maha Izy Azy an’i Kristy io :

  •          Andriamanitra tonga nofo : eo afovoan’ny ratsy sy ny fahalemen’ny olona, kanefa ambony noho hy faharatsiana rehetra

  •          nohamarinina tamin’ny Fanahy : ny fahamarinany dia nibaribary nandritra ny fiainany manontolo, tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina

  •          azon’ny anjely nojerena

  •          ninoan’izao tontolo izao, izany hoe nanjary antom-pinoana ho an’izao tontolo izao

  •          nakarina am-boninahitra.

 

 

2. 2   Toko 4-6 :  Fampirisihana manokana

 

Toko 4 — Alohan’ny hanomezany fampirisihana an’i Timoty, dia atoron’i Paoly azy hoe hatraiza no halehan’ny tontolo kristiana, any am-parany any, rehefa havela hisongona ny Tenin’Andriamanitra ny fihevitr’olombelona : fiodinana amin’ny fivavahana (fitsipahana Ilay Andriamanitra Mpahary), fampahorian-tena, fandrarana tsy hanambady, fifadiana hanina sasantsasany (and  1-3). Ny vahaolana dia ny fahatokiana an’Andriamanitra sy ny fiankinana aminy (and 4-6). Tokony hiatrika izany i Timoty ka hampiely ny fampianarana tsy misy kilema, noho izany dia tokony hanilika ireo zavatra foromporonin’ny sain’olombelona sy handeha amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra (and  7-8), matoky fotsiny fa miahy ny olony Andriamanitra (and 9-10). Koa omen’i Paoly didy izy hampita izany zavatra izany, ary hanana fitondrantena tsy azo tsiniana, mba ho azo inoana ny fampianarany (and 11-12). Ampirisihin’i Paoly izy mba hampiasa ny fanomezam-pahasoavana ananany, an-kafanam-po sy fahasahiana (and 14-15) ; tokony hotandremany ny tenany sy izay zavatra ampianariny (and 16).

 

Toko 5 —Satria nomena fahefana toy izany i Timoty, dia tsy tokony hodiany tsy hita ny fahaiza-miaina eo amin’ireo fifandraisan’ny mpirahalahy (and 1-3). Tokony homeny voninahitra ny mpitondratena tsy manan-kianteherana, ary tokony ho tsinjony koa ireo izay mila fikarakarana manokana. Ireo izay manana fianakaviana dia tokony hovelomin’izy ireo (and 4, 8), ary ny hafa, izay velomin’ny fiangonana, dia tokony ho tsy nanan-tsiny ary nanana toe-panahy araka an’Andriamanitra (and 5-7, 9-10).  Ireo mpitondratena mbola tanora, izay itataovan-doza ho tafalatsaka ao anaty fahotana, tsy fanaovana na inona na inona, sy ny fifosafosana, dia tokony hanambady indray (and 11-15). Mety hisy mpino te hamelona mpitondratena, mba ho ny “tena mpitondratena” ihany, izany hoe ireo izay tsy manan-taranaka hikarakara azy, no hovelomin’ny fiangonana (and 16).

Ny loholona, izay manao ny asany ara-dalàna, dia tokony hohajaina, nefa mety ho diso izy ireny, ka raha misy izany, dia tokony hananatra azy eo imason’ny olona rehetra i Timoty (and 17-21).

Nitandrina tokoa i Timoty mba hadio fitondrantena, hany ka tsy nisotro divay izy, na dia nila kely izany ihany aza, noho ny fahasalamany  —nila izy, satria ny faniriana hadio fitondrantena dia tsy tokony hitarika amina fifehezan-tena tafahoatra (and 23). Ilazan’i Paoly izy tsy ho maimaika hanambara fiombonana aman’olona eo amin’ny asa fanompoana, mba tsy ho tandindomin-doza ho voaloto, satria ny fahotana ataon’ny tsirairay dia mety tsy hiseho (and  22-25).

 

            Toko 6 — Iverenan’ny apostoly resahina ny fifandraisana amin’ny maha mpirahalahy, ary lazainy fa tokony hanaja ireo ambaratongam-piarahamonina izany, mba tsy hanala baraka ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny fiangonana (and  1-2). Ireo mampianatra zavatra hafa ankoatra ny teny tsy misy kilema nampitain’i Paoly tamin’i Timoty dia mpiasa ratsy, ary hitondra fikorontanana be (and  3-5). Ny manana toe-panahy araka an’Andriamanitra sy ny mianina (mifaly amin’izay omen’Andriamanitra antsika) no mendrika hatao ao an-tranon’Andriamanitra (and  6-8). Ireo izay tsy faly, satria mitady zavatra bebe kokoa hatrany, dia mifantoka amin’ny zavatry ny tany ary voavily hiala amin’ny finoana (and  9-10). Timoty dia tokony handositra ny fikatsahana ny harenan’ny tany, hiady ho an’ny fahamarinana, ary hihazona ny fiainana mandrakizay (and  11-12). Noho ny fahefan’i Paoly amin’ny maha apostoly azy, dia baikoiny i Timoty hitandrina ireo didy vao nomeny azy, mandra-pisehon’i Kristy am-boninahitra (and  13-16).

Mbola manantitra amin’ireo mpanankarena ihany i Paoly, mba hatoky an’Andriamanitra izy ireo ary mba hanome ny harenany eto an-tany hanasoavana ny olona masina (and  17-19) ; avy eo dia ampirisihiny farany i Timoty hihazona izay nankinina taminy sy hanalavitra ireo mpanohitra ny teny, izay mihambo ho mahalala ny zavatra rehetra (and  20-21).

 

 

3   Andininy tsara ho fantatra

 

“Mahatoky ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra izao teny izao : tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin’ireny izaho no lohany” (1. 15)

 

“Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra” (2. 5, 6)

 

“... hatao ao an-tranon’Andriamanitra, dia ny fiangonan’Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan’ny fahamarinana” (3. 15)

 

“Ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no mahasoa amin’ny zavatra rehetra”(4. 8)

 

“Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, omban’ny fianinana” (6. 6)

 

“Fa ianao kosa, ry lehilahin’Andriamanitra, ... miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an’Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy. Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay” (6. 11, 12).

 

 

LGEA