MAHATAKATRA

ny Epistily ho an’ny Hebreo

Raha te handalina bebe kokoa, dia jereo ireo asasoratra samihafa ao amin’ny https://www.bibliquest.net/Commentaires_liste_etudes.htm

 

 

 

Topimaso

 

1   Fampidirana

 

2   Votoatin’ny epistily

 

2.1  Toko 1 hatramin’ny 7 : Ny maha ambony indrindra an’i Kristy sy ny asa fisoronany

 

2.2  Toko 8 hatramin’ny 10. 18 : Ny asan’i Kristy ankehitriny

 

2.3  Toko 10. 19 hatramin’ny 13 : Kristy, anton’ny fiainantsika

 

 

3  Andininy tsara ho fantatra

 

 

1 Fampidirana

 

Vao niforona ny Eglizy, dia nisy Jiosy (Hebreo) maro nanjary nanaraka ny fivavahana kristiana (Asan’ny Apostoly 2. 41 ; 3. 4 ; 6. 7). Tsy ela dia namaly bontana ny fahavalo : taorianan’ny namonoana an’i Stefana, dia nisy fanenjehana lehibe nampiely ny mpino eran’i Palestina (Asan’ny Apostoly 6. 8 hatramin’ny 8. 2). Rehefa nandeha ny fotoana, dia maro tamin’ireo mpino ireo no niha nangatsiaka, sady ny fahavalo rahateo namafy fisalasalana tao an-tsain’izy ireo, hoe tsy nahazoan’izy ireo tombony akory ny fivavahana kristiana, ka aleo ihany angamba miverina amin’ny fivavahana jiosy ny fiainam-pivavahan’ireo razana. Koa ny tanjon’ny mpanoratra ity epistily ity dia ny hampiseho amin’izy ireo hoe tsy inona fa « aloka » ihany, fanehoana an’i Kristy sy ny asany, ny rafitra jiosy manontolo [avy amin’ny Fanekena Taloha, antsoina koa hoe Testamenta Taloha], izay mety ho tian’izy ireo hiverenana, ary efa niverenan’ny sasantsasany aza angamba (Hebreo 6. 4-8). Noho izany dia lany andro io rafitra io : satria efa tonga i Kristy ary nanatanteraka ny zavatra rehetra, dia ialana amin’izay io rafitra io. Koa ampirisihina ny Hebreo hisaraka tanteraka amin’ny fivavahana jiosy.

 

Miantomboka amin’ny fanoritana ny voninahitr’i Jesosy Kristy ny epistily : amin’ny maha Zanak’Andriamanitra Azy, dia ambony noho ny anjely Izy (toko 1 hatramin’ny 2. 8) ; amin’ny maha Zanak’olona Azy, dia ambony noho i Mosesy Izy (toko 2. 9 hatramin’ny 3), ary satria Izy mitondra ny vahoaka mpino ho amin’ny tena fitsaharana, dia ambony noho i Josoa (toko 3-4). Ary amin’ny maha mpisoronabe Azy, araka ny fanaon’i Melkizedeka, dia ambony noho i Arona Izy (toko 5-7). Vao mainka ambony kokoa ny asan’i Kristy, satria Izy Mpanalalana amina fanekena tsara lavitra, naorina tamina fampanantenana tsara lavitra, mifototra amina sorona lavorary, dia ny tenany (toko 8 hatramin’ny 10).

Koa tsy ny zavatra hita maso intsony no tokony hobanjinin’ny Hebreo, fa ny tsy hita maso, banjinina amin’ny finoana. Tokony haka tahaka ireo olon’ny finoana tanisaina ao amin’ny toko 11 izy ireo, ka hiaina amin’ny finoana sy hibanjina an’i Kristy (toko 12). Ampaherezin’ny mpanoratra ny epistily ireo mpino ireo, ary ampirisihiny, amin’ny fanehoany azy ireo ny anton’ny finoany, dia Kristy. Faranany amina torohevitra hiainana araka ny ohatra nomen’i Kristy ny taratasiny (toko 13).

 

 

2 Votoatin’ny Epistily

 

2.1  Toko 1 hatramin’ny 7 : Ny maha ambony indrindra an’i Kristy sy ny asa fisoronany

 

Toko 1 – Tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha Andriamanitra dia niteny tamin’ny alalana mpaminany nohajaina fatratra teo amin’ny Jiosy. Ankehitriny, amin’ny andron’ny fivavahana kristiana, dia mbola tsara lavitra ny fomba itenenan’Andriamanitra, satria amin’ny alalan’ny Zanany mihitsy, Ilay Mpahary sy mpanatontosa ny asa fanavotana, omem-boninahitra eo ankavanan’Andriamanitra, ambony lavitra noho ny anjely (and 1-4). Porofo fito avy amin’ny Tenin’Andriamanitra no omena, anambarana fa ambony noho ny anjely i Kristy, ka diso ny Jiosy nanome voninahitra ireo anjely ireo : Kristy no Ilay Zanak’Andriamanitra hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay, lazaina eto fa niditra tao anaty fotoana ary teraka teto an-tany (and 5) ; ny anjely dia mpanompony (and 6-7) ; manjaka ambonin’ny zavatra rehetra Izy (and 8-9) ; Izy no Ilay Mpahary (and 10-12) ; mipetraka eo an-tanan-kavanan’Andriamanitra Izy (and 13). Ny anjely dia tsy inona fa mpanompo ampiasain’Andriamanitra hanompo ny olom-boavidy (and 14).

 

Toko 2 – Ny fahalehibeazana toy izany dia mahatonga ny tenin’i Kristy hanana fahefana lehibe lavitra noho ny tenin’ny anjely ; ny tenin’i Kristy dia teny milaza famonjena, nohamafisin’ny apostoly, nohamarinina fahagagana nataon’Andriamanitra ka tsy tokony hatao tsinontsinona (and 1-4). Ankoatra izany, tsy ny anjely fa i Kristy no hanankinana ny fanapahana ny tany manontolo, amin’ny maha Zanak’olona Azy (and 5-8 ; Salamo 8). Mbola tsy izany aloha izao no zava-misy, nefa efa nosatrohina voninahitra sy haja Izy, satria ny fijaliany sy ny fahafatesany dia nahafeno tanteraka ny halavorariny (and 8-10). Amin’ny maha olona Azy, dia raisiny ho rahalahiny ireo olom-boavidiny (and 11-13). Mba hanatanterahany ny asany, dia tsy maintsy naka ny toetra maha olombelona antsika Izy, mba hidirany ao amin’ny fahafatesana sy handreseny ny devoly, izay nanana ny herin’izany : nesoriny tamin’ny devoly ny fampihorohoroana noho ny tahotra ny fahafatesana (and 14-16). Noho izany dia Kristy, Ilay Zanak’olona, no hany Mpisoronabe sahaza antsika ; fantany tsara ny toetra maha olombelona antsika ; afaka mamonjy ny mpino azon’ny fakam-panahy Izy (and 17-18).

 

Toko 3 – Ny mpisoronabe toy izany dia ambony lavitra ka tsy oharina akory amin’i Mosesy, izay rariny raha nohajain’ny Jiosy fatratra. Nahatoky tokoa i Mosesy, saingy tsy azy ny trano niadidiany, fa Kristy kosa dia manapaka ny tranony, voarafitr’ireo olona izay Azy (and 1-6). Dia ampitandreman’ny mpanoratra ny Jiosy kristiana mba tsy hanao toy ireo razany, izay nanohitra an’i Mosesy, ka tsy afaka niditra tao amin’ny tany nampanantenaina, noho ny tsy finoany. Ny fialana amin’ny fivavahana kristiana dia tsy finoana mitovy amin’izany, tsy finoana mahatonga tsy hahatratra ny atao hoe «fitsaharan’» Andriamanitra (and 7-19).

 

Toko 4 – Nampanantenaina fitsaharana tany Kanana ny Israely, saingy tsy nahatratra izany. Isika ihany koa dia ampanantenaina fitsaharana any an-danitra (ny Sabata fitsaharana dia tsy fitsaharana fotsiny aorianan’ny fahasasarana, fa fitsaharana rehefa vita tanteraka ny asa). Amin’ny finoana ihany no ahafahana mahatratra io fitsaharana io (and 1-3). Tsy ny rehetra no mahatratra izany, ka mbola manan-kery mandraka ankehitriny ny teny fampitandremana mba tsy hanamafy ny fo (and 4-7). Mbola apetraka eo anoloantsika ihany io fitsaharana io, ka tokony hiezaka isika hiditra ao (and 8-11). Ny Tenin’Andriamanitra no mamantatra ny toe-pontsika momba izany, mandinika ny ao anatintsika lalina ao, ary mampihanjahanja antsika eo imason’Andriamanitra (and 12-13).

Rehefa tapitra izay fononteny momba ny fampanantenana ny fitsaharana izay, dia miverina  manohy ny nolazainy teo amin’ny faran’ny toko 2 ny mpanoratra. Ny Mpisoronabentsika dia efa niditra ao amin’ny fitsaharana, koa aoka isika hihazona ny fiantsoana antsika ho any an-danitra. Aoka isika hanatona Azy am-pahatokiana, fa hamaly ny filantsika Izy (and 14-16).

 

Toko 5 – Tany Israely, ny mpisoronabe dia olon-tsotra ihany, nanana fahalemena mitovy amin’ny an’ireo olona soloiny tena (and 1-3). Andriamanitra no niantso ho amin’io asa io, nanomboka tamin’i Arona (and 4). Andriamanitra irery ihany no manana zo hanova ny fomban’ny fisoronana, ary izany no mahatonga ny mpanoratra hitanisa andininy roa ao amin’ny Soratra Masina, mampiseho fa Andriamanitra no nametraka ny Zanany ho Mpisoronabe mandrakizay (and 4-6). Ny nahatonga Azy ho izany dia ny fankatoavany lavorary, izay nanosika Azy hanatanteraka ny asa teo amin’ny hazofijaliana, na dia tamina fijaliana tsy hay lazaina aza no nanatontosany izany (and 7-9). Koa io fisoronana io izany dia tsy araka ny fanaon’i Arona intsony (izay tsy lavorary sady mihelina) fa manaraka fanao hafa tanteraka, dia ny fanaon’i Melkizedeka (and 10 ; jereo toko 7). Eto dia tapahin’ny mpanoratra ny famelabelarana io lohahevitra io, mba hananarany ireo mpino nanao tsirambina ny ara-panahiny, ka tsy ahafahan’ny mpanoratra manazava tsotra izany zavatra izany (ny kristiana « efa lehibe » dia mivelona amina ventin-kanina ara-panahy, ary tokony hahalala izay mikasika an’i Melkizedeka) (and 11-14).

 

Toko 6 – Ny mpino hebreo dia ampirisihina tsy hijanona amin’ny fahamarinana fototra, fa hitombo (and 1-3). Raha miverina ilalana izy ireo, izay efa nahazo tombontsoa maro aoka izany, dia tsy hisy fanafana intsony ; homelohina izy ireo (and 4-8). Na dia mampitandrina toy izany aza anefa ny mpanoratra, dia tsy mihevitra fa tonga amin’izany toerana izany izy ireo, satria mitondra voa ho an’Andriamanitra (and 9-10) ; fa ampirisihiny kosa izy ireo hazoto mandrombaka ireo fampanantenan’Andriamanitra, toy ny nataon’ireo razana (and 11-15). Mba hananantsika antoka momba ireo fampanantenana ireo, dia nanao fianianana Andriamanitra (and 16-18). Vao mainka moa azo antoka ny fanantenantsika, satria ny vatofantsika ifaharany dia izay misy an’i Jesosy, ho mandrakizay (and 19-20).

 

Toko 7 – Iverenan’ny mpanoratra indray ny lohahevitra tapaka tao amin’ny toko 5, manambara ny maha lehibe kokoa ny fisoronana araka ny fanaon’i Melkizedeka, miohatra amin’ny fisoronan’i Arona. Ny dikan’ny anarana hoe Melkizedeka (Mpanjakan’ny fahamarinana sy Mpanjakan’ny fiadanana), ampian’ny tsy fisiana tetiarana momba azy, dia nahatonga azy ho toy Ilay Zanak’Andriamanitra (and 1-3). Lehibe noho i Abrahama izy, satria nomeny ny ampahafolon-karenany (jereo Genesisy 14. 13-20), ka noho izany, lehibe noho ny mpisorona rehetra taranak’i Abrahama, avy amin’i Levy (and 4-10).

Satria tsy lavorary ny fisoronana araka ny Levitikosy, dia nosoloina ny fisoronana araka an’i Melkizedeka, ary ho mandrakizay fa tsy voafetra ara-potoana intsony (and 11-17). Koa satria mifarana ny fisoronana araka ny Levitikosy, dia foanana ny fanekena tao Sinay (ny lalànan’i Mosesy) (and 18-19) ary nosoloina fanekena tsara kokoa, nasiana fianianana ary manana an’i Jesosy ho mpiantoka (and 20-22). Kristy dia tsy toy ireo mpisorona nifandimby noho ny fahafatesana, fa mitoetra ho mandrakizay ary afaka mamita izay atombony (and 23-25). Io mpisorona lavorary io no ilaintsika (and 26). Ny mpisorona nalaina avy tamina olombelona mpanota dia tsy maintsy nanolotra fanatitra ho an’ny tenany ; fa tsy toy izany kosa Kristy, Izay nandravona indray mandeha tsy miverina ny olana momba ny ota, tamin’ny nanolorany ny tenany, ka noho izany dia nampitoerina ho mandrakizay : koa Kristy dia afaka mamonjy hatramin’ny farany ireo izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany (and 27-28).

 

2.2  Toko 8 hatramin’ny 10. 18 : Ny asan’i Kristy ankehitriny

 

Toko 8 –Mpisoronabe toy izany, Kristy, no manao tsy an-kiato ny asany any an-danitra (and 1-2). Ny zavatra tokony hateriny dia tsy araka ny fanekena tao Sinay intsony (and 3-5), fa araka fanekena tsara kokoa (and 6-7). Ity toko iray manontolo ity dia natokana hanamafisana fa misy fanekena vaovao napetraka, ary midika izany fa ailika ny fivavahana jiosy manontolo, ny rafitra momba ny lalànan’i Mosesy araka ny Testamenta Taloha. Io fiovana hatrany am-potony io no zavatra sarotra ekena indrindra ho an’ny Jiosy, na taloha na ankehitriny, na dia Jiosy kristiana aza. Misy teny lava nataon’ny mpaminany Jeremia (and 8-12 ; Jeremia 31. 31-34) tanisaina eto, manamarina sy manindry fa tena izany tokoa ny fihevitr’Andriamanitra, izany no noeritreretiny momba ny hoavy.

« Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda, nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ny razany tamin’ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta ; fa izy ireny tsy nitoetra tamin’ny fanekeko, ary Izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah. Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’Israely, rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah : Dia hataoko ao an-tsainy ny lalànako, sady hosoratako ao am-pony, ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko ; ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, na hanao hoe : Mahalalà an’i Jehovah ; fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra ; fa hamindra fo amin’ny tsy fahamarinany Aho, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany »  —io no fanekena vaovao, manafoana ilay voalohany (and 13).

 

Toko 9 – Ny fanekena voalohany dia niavaka noho ireo fitsipika momba ny zavatra hita maso, toy ny rafitry ny tabernakely (dia ny an’ny Tempoly, tatỳ aoriana) (and 1-5) izay toerana nanatanterahan’ny mpisorona ny asany (and 6-7). Ireny zavatra hita maso ireny dia tandindon’ny zavatra any an-danitra fotsiny ihany, ka tsy nahatonga ho lavorary ireo olona nanatona (and 8-10). Ny fanekena vaovao dia miavaka satria Kristy no nanolotra ny tenany ho an’Andriamanitra. Tsy toy ny ran’ireo biby natao fanatitra  —izay tsy nahadio afa-tsy ny nofo—  ny ran’i Kristy, fa manadio ny fieritreretan’ireo izay manatona (and 11-14). Nilaina ny nahafatesany, mba hahazo ny lova mandrakizay ireo izay misitraka ny fanekena vaovao (and 15-17), toy ny nilana sorona iray hisantatra ilay fanekena voalohany, naseho tamin’ny ra nafafy tamin’ny vahoaka sy ny tabernakely (and 18-23). Efa nanolo-tena tamin’ny fomba lavorary Kristy, ka any an-danitra mihitsy Izy ankehitriny ho antsika, eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra (and 24-26). Noho ny sorona nataony, dia foana ny ota (and 26), hany ka ireo izay nonerana ny fahotany dia tsy hotsaraina (Jaona 5. 24), na dia sahaza azy aza izany (and 27), fa hovonjena amin’ny fiaviany (and 28).

 

Mba hahatakarana tsaratsara kokoa :

Ny mpisoronabe ihany no nahazo niditra tao amin’ny fitoerana masina indrindra, nefa na izany aza dia mitondra ra ary indray mandeha isan-taona ihany, amin’ny Andro Fanavotana (Levitikosy 16). Io famerana ny fanatonana an’Andriamanitra io, sy ny sorona samihafa naverimberina, dia mampiseho fa tsy nalalaka ny fanatonana an’Andriamanitra, ary tsy nafahana ny fieritreretana (9. 6-10). Fa nanomboka tamin’ny nahatongavan’i Kristy kosa, dia niova ny zavatra rehetra :

  •          Nahazo fanavotana ho mandrakizay Izy

  •          Voadio ny fieritreretana, fa tsy ny vatana ihany, tsy ny nofo fotsiny

  •          Afaka manompo malalaka sy mitsaoka Ilay Andriamanitra velona ny mpino

  •          Tsara kokoa ny fanekena.

 

Na dia ailika aza ny fandaminana araka ny fanekena taloha, dia misy fampitahana ny fandaminana taloha sy ny vaovao, izay mampivohitra fitoviana sy fifanoherana ; ary hita fa ny zavatra taloha, indrindra ny natao tamin’ny Andro Fanavotana ao amin’ny Levitikosy 16, dia kisarisarin’ny zavatra vaovao :

  •          Ny fiantombohan’ny fanekena voalohany dia natao tamina ra nalatsaka ; ny fahafatesan’i Kristy no ahazoana manomboka ny fanekena vaovao.

  •          Tsy misy famelan-keloka, raha tsy misy ra alatsaka. Fahiny, dia maro ny sorona natao ; fa rehefa tonga kosa Kristy, dia iray ihany ny sorona.

  •          Ny tabernakely etỳ an-tany dia kisarisarin’ny zavatra any an-danitra ihany.

  •          Ny zavatra any an-danitra dia nilaina nodiovina, toy ny tabernakely tetỳ an-tany, nefa nilana sorona tsara kokoa, dia ny nanoloran’i Kristy ny tenany. (Talohan’ny nanorenana izao tontolo izao tokoa mantsy, dia nitarika fikomiana tany an-danitra i Satana, ary nandoto ny zavatra any an-danitra izany.)

  •          Kristy dia niditra tany an-danitra, toy ny mpisoronabe fahiny niditra tao amin’ny fitoerana masina indrindra tao amin’ny tabernakely.

  •          Kristy dia niseho teo anatrehan’Andriamanitra, toy ny mpisoronabe fahiny niseho teo anatrehan’Andriamanitra, manoloana ny fiaran’ny fanekena.

  •          Ny mpisoronabe fahiny dia nivoaka avy tao amin’ny tabernakely, rehefa vita ny asa fanadiovana nataony ; toy izany koa, hiseho fanindroany Kristy, tsy amin’ota, amin’izay miandry Azy, ho famonjena.

 

Ny asan’i Kristy dia nataony indray mandeha tsy miverina, ka tsy misy sorona tokony hatao intsony. Na izany aza, hisy ny fitsarana aorianan’ny fahafatesana, ho an’ireo izay tsy nino ny asan’i Kristy.

 

Toko 10. 1-18 – Tamin’ny fanekena voalohany, ny fanavaozana isan-taona ny sorona tamin’ny Andro Fanavotana dia nampiseho fa tsy foana tsy akory ny ota (and 1-3). Tsy afaka nanafoana izany mantsy ireny biby natao fanatitra ireny. Raha ny marina, ny sorona natao tamin’ny fanekena taloha sy ny rany nalatsaka dia tsy nanaisotra ny ota, fa nitahiry ireny ho amin’ny fotoana hisian’ny sorona hataon’i Kristy. Koa tonga Kristy hanolotra ny tenany, indray mandeha tsy miverina ; tonga Izy hanao ny sitrapon’Andriamanitra, mba hanamasina antsika (and 4-10). Satria Izy tsy nila namerina io sorona io, dia nipetraka eo an-tanan-kavanan’Andriamanitra  —miandry ny hanjakany amin’izao rehetra izao (and 11-13)—, ary ireo izay nahazo tombontsoa tamin’io sorona io dia natao lavorary indray mandeha tsy miverina (and 14-18).

 

2.3  Toko 10. 19 hatramin’ny 13 : Kristy, anton’ny fiainantsika

 

Toko 10. 19-39 – Rehefa avy nampiseho ny halavorarin’ny fandaminana vaovao ny mpanoratra ny epistily, dia mampirisika sy mampahery ny mpino hifikitra amin’izany.

Satria efa manana fahalalahana feno eo anatrehan’Andriamanitra izy ireo  —efa nosokafana tanteraka ny lalana hanatonana an’Andriamanitra—, dia ampirisihin’ny mpanoratra mba hanatona am-pinoana (and 19-22), avy eo hihazona ireo zavatra ireo ary hiambina, noho ny fitiavana, mba tsy hisy hiverina ilalana (and 23-25). Ho an’ireo mihemotra tokoa mantsy, dia tsy misy fanatritra noho ny ota azo atao intsony, satria efa natao indray mandeha tsy miverina izany ; koa tsy ho azo ihodivirana ny fitsarana azy ireo (and 26-31).

Dia mamelabelatra ny vokatr’izany eo amin’ny fiainana andavanandro ny mpanoratra ny epistily. Ny Jiosy kristiana dia tojo fijaliana be sy fahasahiranana. Tsy tokony ho kivy izy ireo, fa hahazo antoka kosa hoe ny fiainana kristiana dia fiainana amin’ny finoana, toy ny efa nisy hatrizay. Ampahatsahiviny fa ny fahatokian’izy ireo an’Andriamanitra no nahafahany niaritra ny fanaratsiana hatreto (and 32-34) ; koa ampirisihiny izy ireo hitozo am-paharetana sy hiambina mba tsy hihemotra (and 35-39).

 

Toko 11 – Mba hizorana amin’izany lalana izany dia ilaina ny finoana, ny faharesen-dahatra momba ireo zavatra nasehon’ny mpanoratra azy ireo. Tamin’izany finoana izany ihany koa no nizoran’ireo razambeny, izay nifikitra tamin’Andriamanitra, ary nataon’Andriamanitra tsara laza (and 1-3). Mba hampaherezana azy ireo, dia tanisain’ny mpanoratra ny lisitra lavabe misy mpino nialoha azy ireo teo amin’io lalan’ny finoana io ary nihazona ny finoana mandra-pahafaty, na dia tsy nahazo izay nampanantenaina azy ireo aza (and 13-16 ; 39-40) : notahin’Andriamanitra manokana izy ireo (and 4-40).

 

Fanamarihana :

Ny finoana sy ny fiainam-pinoana no nanamarika hatrany ireo olon’Andriamanitra, tamin’ny vanimpotoana rehetra. Tanisaina mifanarakaraka  :

  •          ny fitsipiky ny finoana (1. 1-7),

  •          ny fanantenana ny lanitra (11. 8-12)

  •          ny faharetana asehon’ny finoana (11. 13-22)

  •          ny finoana mahazo antoka ny fitsanganana amin’ny maty (11. 23-31)

  •          ny fankatoavan’ny finoana (11. 23-31)

  •          ny hery omen’ny finoana (11. 32-36)

  •          ny voninahitra ao amin’ny fietrena lalina (11. 37-38).

 

Toko 12 – Mba hilazana ny tsara indrindra amin’ireo vavolombelona marobe ireo, dia asehon’ny mpanoratra i Kristy, Ilay ohatra faratampony momba ny fandeha amin’ny finoana, Ilay tena Vavolombelona, Izay niharitra ny fanalam-baraka nasehon’ny olombelona hatrany amin’ny hazofijaliana, ary efa omem-boninahitra ankehitriny (and 1-3). Ireo olona iresahan’ny mpanoratra dia tsy hahalala fahafaham-baraka toy izany ; noho izany dia tokony hiaritra ny fizahan-toetra andalovany izy ireo, hihevitra fa avy amin’Andriamanitra izany mba hahasoa azy, hany ka tokony hekena (and 4-13). Tokony ho tony hatrany izy ireo ary hiambina mba tsy hisy ho lavo na hihemotra toa an’i Esao, noho ny fikendrena zavatry ny tany (and 14-17).

Izay rehetra napetraka mifandraika amin’ny lalànan’i Mosesy dia mampivarahontsana sy mahatahotra ; Ilay Andriamanitra masiaka tany Sinay mantsy no nifampiraharaha tamin’ireo razambeny. Fa izy ireo kosa dia anisan’ny fiangonan’ny mpino, manana an’i Jesosy ho Mpanalalana amin’ilay fanekena vaovao  —ilay fanekena vaovao dia fiadanana, fahasambarana ary fitahiana (and 18-24).

Andriamanitra anefa dia mahatahotra mandrakariva amin’ny maha masina Azy, hany ka rehefa miala amin’ny lalan’ny finoana dia mifanehatra Aminy araka io toetra io ; koa raha mandà Azy, dia tsy afaka hiala amina afo mandevona (and 25-29).

 

Toko 13 – Omen’ny mpanoratra fampirisihana samihafa ny mpamaky, hampiharina amin’ny fiainana andavanandro mba handehanana amin’io lalam-pinoana io, ary ampirisihiny koa mba haka tahaka ny finoan’ireo teo aloha (and 1-7). Io lalana io dia mitondra azy ireo hivoaka tao amin’ny tobin’ny Israely (izany hoe ny fivavahana jiosy) mba ho any amin’i Kristy, Izay « nodorana » teny ivelany, toy ireo fanatitra noho ny ota (and 8-14). Any amin’i Kristy no ahafahana manolotra fanompoam-pivavahana marina ho an’Andriamanitra (and 15-16). Aoriana-na fampirisihana farany (and 17), dia mangataka vavaka amin’izy ireo ny mpanoratra ny epistily (and 18-19) ary manolotra azy ireo ho amin’ny fahasoavan’Andriamanitra (and 20-21), alohan’ny hanaovany veloma (and 22-25).

 

 

3  Andininy tsara ho fantatra

 

« Izy (ny Zanany) koa no famirapiratan’ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra » (1. 3)

 

«  Fa Ilay natao ambany kely noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy, ary noho ny fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy » (2. 9)

 

« ... mba handringanany amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly » (2. 14)

 

« Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela » (4. 12)

 

« Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana » (4. 16)

 

« Kristy, Izay nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an’Andriamanitra » (9. 14)

 

« Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina » (10. 14)

 

« Koa amin’izany, ry rahalahy, satria manana fahatokiana hiditra ao amin’ny fitoerana masina isika noho ny ran’i Jesosy... dia aoka isika hanatona» (10. 19, 22)

 

« Ary ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita» (11. 1)

 

« ... mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy » (12. 2)

 

« Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay » (13. 8)

 

« Koa aoka isika hivoaka hankeo aminy eo ivelan’ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny » (13. 13)

 

« Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ny alalany ho an’Andriamanitra mandrakariva » (13. 15).

 

 

LGEA