MAHATAKATRA

ny epistily nosoratan’i Jakoba

 

Raha te handalina bebe kokoa, dia jereo ireo asasoratra samihafa ao amin’ny https://www.bibliquest.net/Commentaires_liste_etudes.htm

 

 

 

Topimaso

1 Fampidirana

2 Soridrafitry ny epistily

3 Andininy tsara ho fantatra

 

 

1 Fampidirana

 

Jakoba, izay nanoratra ity epistily ity, dia angamba ny rahalahin’ny Tompo (Galatiana 1. 19) ; noheverina ho iray tamin’ireo rahalahy lohandohan’ny fiangonana tao Jerosalema izy (Galatiana 2. 9 ; Asan’ny Apostoly 15. 13). Inoana fa nifanena tamina Jiosy marobe tany “am-pielezana” izy, ireo niely tany Azia minora ary tonga namonjy ny andro firavoravoana tao Jerosalema (Asan’ny Apostoly 2. 5-11). Raha nanoratra ho azy ireo izy, dia niteny ihany koa tamin’ny vahoaka manontolo, ary azo antoka fa nanana fitiavana toy ny nitiavan’i Paoly azy ireo (Romana 9. 1-5). Ny vahoaka jiosy, amin’ny maha izy azy, dia nijanona hatrany teo ambanin’ny lalàna, ary tamin’ny fiandohan’ny fivavahana kristiana dia maro ireo mpino mbola nifikitra tamin’ny lalàna ; izany no antony isian’ireo fampirisihana maro momba izany. Misy ireo fampirisihana sasantsasany mitovy amin’ny nataon’ny Tompo tamin’ny vahoaka nandritra ny “toriteny teo an-tendrombohitra” (jereo Matio 5-7).

 

 

2 Soridrafitry ny epistily

 

Toko 1 – Miteny amin’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra i Jakoba (and 1). Nandalo fizahan-toetra ny vahoaka, satria teo ambany famaizan’Andriamanitra. Ny sasantsasany tamin’ireny dia navela hitranga mba hampahery ny finoana ary hamokatra ny faharetana nilaina teo amin’ny fandeha ; tokony ho antom-pifaliana izany, satria nahatratra ny tanjony (and 2-4). Andriamanitra dia vonona lalandava hanaiky ny fangatahan’ireo mino Azy (and 5-8). Mampirisika azy ireo ny apostoly mba hirehareha amin’ny toerana nomen’Andriamanitra azy ireo, fa tsy amin’ireo harena ho levona indray andro any (and 9-11).

Sambatra ireo maharitra amin’ny fizahan-toetra, kanefa ny toejavatra mizaha toetra ny finoana dia tsy tokony hafangaro amin’ny toejavatra ateraky ny filan’ny nofo (and 12-15). Andriamanitra, Ilay Raintsika any an-danitra, dia tsy maka fanahy toy izany : ny zavatra rehetra omeny antsika dia tsara sy lavorary (and 16-18).

Mety hihetsika matetika ny nofo ; koa tokony hotazonina amin’ny lamboridy izy io, ary tokony hotandremana ny Tenin’Andriamanitra, izay mampiseho ny maha isika antsika (and 19-24). Ny fandalinana tsara ireo fahamarinana momba ny fivavahana kristiana dia hitarika antsika hampihatra azy ireny (jereo toko 2), amin’ny fiambenantsika mba hifehy ny nofo (jereo toko 3), mba tsy ho foana ny fanompoantsila ny Tompo (and 25-27).

 

Toko 2 – Mampirisika ny mpamaky i Jakoba mba tsy hizaha tavan’olona, toy ny ataon’izao tontolo izao, amin’ny fanindrahindrana ny mpanankarena sy ny fanaovana tsinontsinona ny mahantra, fa kosa hitia ny namana, na iza izany na iza (and 1-9). Miteny amin’ny fieritreretan’izy ireo izy, ary milaza aminy fa raha diso amin’io teboka iray ao amin’ny lalàna io izy ireo, dia meloka amin’ny lalàna rehetra, ka noho izany dia mpandika lalàna (and 10-11). Tokony hitoetra eo ambanin’ny lalànan’ny fahafahana kristiana izy ireo, lalàna mamindra fo, fa tsy eo ambanin’ny lalànan’i Sinay (and 12-13).

Io fitiava-namana io dia tokony hiseho amin’ny fanaovana asa soa. Izany asa soa izany no manambara eo anatrehan’ny olona ny tena fisian’ny finoana ao anatintsika (and 14-26).

 

Toko 3 – Alohan’ny hampianarana ny hafa, dia tokony hanomboka hifehy ny lela aloha, ilay rantsana kely afaka manimba zavatra maro (and 1-8). Tsy takatry ny saina ny hoe vava iray ihany no manonona fitahiana sy fanozonana (and 9-12). Mba ialàna amin’izany, dia tokony hanaraka ny fahendren’Andriamanitra, izay madio sy milamina, ary mitarika ho amin’ny fahalemem-panahy, fa tsy hanaraka ny fahendren’olombelona, izay entanin’i Satana, ary mitondra ho amin’ny fikorontanana sy fifandirana (and 13-18).

 

Toko 4 – Indrisy fa saina tia ady sy fifandirana no nanamarika io vahoaka io. Avy amin’ny fanalavirany an’Andriamanitra izany, ary nanjary fahavalony mihitsy aza Andriamanitra, noho ny fitiavan’izy ireo izao tontolo izao (and 1-4). Tsy maintsy nanohitra azy ireo Andriamanitra. Ny tokony nataon’izy ireo dia ny nanohitra ny devoly, izay nitarika azy ho amin’izany lalana izany (and 5-7), ary koa nanadio tena sy nanetry tena teo anatrehan’Andriamanitra noho ny toetrany (and 8-10). Tokony nitandrina tsy hifampitsara izy ireo, satria Andriamanitra irery ihany no mahalala ny ao am-po (and 11-12). Ary koa, satria Andriamanitra mahalala ny zavatra rehetra, dia tokony niankina taminy izy ireo amin’ny zavatra rehetra, ary tsy hanao toy ny hoe afaka mifehy ny toejavatra miseho eo aminy (and 13-17).

 

Toko 5 – Nisy olona sasantsasany tsy nieritreritra afa-tsy ny hanankarena eto an-tany, ary izany na dia hanambakany ny rahalahiny aza ; nomelohin’i Jakoba mafy izy ireo (and 1-6). Avy eo dia nampirisika ireo nozoim-pahoriana izy mba hiandry ny fiavian’ny Tompo am-paharetana, satria efa mby akaiky izany (and 7-11), ary mba tsy hiovaova amin’izay nekena (and 12). Tamin’ireo tra-pahoriana ireo dia nisy narary ; nandrisika ny hivavaka ho azy ireo ny apostoly, satria ny vavaka dia afaka manao zavatra maro (and 13-18). Farany dia nampahery azy ireo izy mba hiambina, ka tsy hisy na iray aza hiala amin’ny fahamarinana (and 19-20).

 

 

 

3  Andininy tsara ho fantatra

 

“Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony, ka midina avy amin’ny Rain’ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin’ny fihodinana” (1. 17)

 

“Maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa” (2. 26)

 

“Ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana...” (3. 17)

 

“Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena” (4. 6)

 

“Manohera ny devoly, dia handositra anareo izy” (4. 7)

 

“Manetre tena eo anatrehan’ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy” (4. 10)

 

“Sambatra izay efa naharitra” (5. 11)

 

“Ny fiàsan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra” (5. 16).

 

 

    LGEA