MAHATAKATRA

ny Epistily Faharoa nosoratan’i Petera

Raha te handalina bebe kokoa, dia jereo ireo asasoratra samihafa ao amin’ny https://www.bibliquest.net/Commentaires_liste_etudes.htm

Topimaso

1    Fampidirana

2    Votoatin’ny epistily

3    Andininy tsara ho fantatra

1   Fampidirana

Toy ny epistily voalohany, ity taratasy faharoa nosoratan’ny apostoly Petera ity dia miantefa amin’ireo Jiosy kristiana niely tany amin’ny jentilisa (3. 1). Fenoiny ilay taratasiny voalohany, niresaka momba ny fiavian’ny Tompo hametraka ny fanjakana arivo taona : mampitandrina izy momba ny ho firoborobon’ny ratsy amin’ny andro farany, mialoha io fiavian’ny Tompo io. Resahiny ireo izay tsy hiraharaha ny fiverenan’i Kristy, any am‐parany any, satria te hanadino fa efa nisy fotoana nanapotehan’Andriamanitra ny mpaniratsira tamin’ny safodrano, ary izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonina “ho amin’ny afo”. Ampahafantariny fa izany no « fitondran’»Andriamanitra hampiharina amin’io toejavatra io.

2   Votoatin’ny epistily

Toko 1 — Amin’ny maha mpiandry azy, dia ampaherezin’i Petera ireo mpino mba hahatsiaro ny anjara sarobidy ananan’izy ireo. Vao miarahaba izy dia efa manao izany (and 1‐

2). Ampahatsahiviny ny tombontsoa lehibe nomen’Andriamanitra azy ireo, nanala azy ireo teo amin’izao tontolo izao (and 3‐4), mbamin’ny andraikitr’izy ireo hiaina mifanaraka amin’izany fahasoavana noraisiny izany (and 5‐7), mba hitondran’izy ireo vokatra ho an’Andriamanitra (and 8‐9). Rehefa mahatanteraka izany adidiny izany izy ireo, dia ho afaka miditra tsy an‐kenatra ao amin’ny fanjakana arivo taonan’i Kristy (and 10‐11).

Tsy ho ela i Petera dia handao izao tontolo izao mba ho any an‐danitra, ka niezaka mba hahatsiarovan’ny mpino izany zavatra izany rehefa tsy eo intsony izy (and 12‐15). Vavolombelona nahita an’i Kristy nomem‐boninahitra izy, ka manana fahefana hanao izany (and 16‐18). Io fahitana io dia manome lanja kokoa ny tenin’ireo mpaminany, teny tokony hotandremana mandra‐piavin’i Kristy (and 19‐21).

Toko 2 — Indrisy, fa tsy hijano‐potsiny ny fahavalo. Hampiasa mpampianatra sandoka izy, hanisy ratsy ny andian’ondry (and 1‐3). Nefa ny hanjo ireo mpamitaka ireo dia toy ny nahazo ny anjely naongana, na ireo olona tsy nino tamin’ny andron’i Noa, na ireo vetaveta tany Sodoma sy Gomora ; fa ireo olona manana ny toe‐panahy araka an’Andriamanitra kosa dia hafahana (and 4‐9). Ireo mpampianatra sandoka ireo dia ho fantatra amin’ny fitondrantenany (and 10‐19). Hamitaka ireo mpisandoka ireo, hilaza fa mahalala an’i Kristy, nefa dia hiverina amin’ny toetrany tany am‐boalohany ihany (and 20‐22).

Toko 3 — Eo anivona toejavatra toy izany, ny olona mahatoky dia tsy maintsy mifikitra amin’ny Tenin’Andriamanitra, nolazain’ireo mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha sy ireo apostoly ao amin’ny Testamenta Vaovao. Koa mbola ampahatsahivin’i Petera ihany ny efa nolazain’ny mpaminany (and 1‐2) : amin’ny andro farany dia hametraka fisalasalana momba ny fiavian’ny Tompo ireo mpaniratsira (and 3‐4). Hanaraka io fiaviana io ny fitsarana ny zanak’olombelona tsy mino, izay holevonina amin’ny afo, tahaka ny nandevonana azy tamin’ny safodrano tamin’ny andron’i Noa, zavatra izay inian’ireo mpaniratsira ireo hadinoina (and 5‐7). Ny lanitra sy ny tany ankehitriny tokoa mantsy dia holevonina amin’ny afo, saingy tsy misy daty omena, satria etsy andaniny, tsy mikaonty ny fotoana, ho an’Andriamanitra (iray andro dia toy ny arivo taona, ary arivo taona dia toy ny iray andro), ary etsy ankilany, mahari‐po Izy, ka miandry ny hibebahan’ny olona rehetra (and 8‐10). Aorianan’izany fandravana izany dia hisy lanitra vaovao sy tany vaovao. Rehefa mandinika ny maha manetriketrika izany toejavatra izany ny mpino, dia tokony tsy hisy hokianina ka ho vonona hiditra ao amin’ny lova nampanantenaina (and 11‐14), lova resahin’ny apostoly Paoly ao amin’ireo taratasiny, izay anisan’ny Soratra Masina (and 15‐16).

Eo am‐pamaranana dia ampirisihin’i Petera ny mpino mba hifahatra tsara, hitandrina tsy ho voataonan’ny fahadisoana, ary mba hitombo amin’ny fahasoavana (and 17‐18).

3   Andininy tsara ho fantatra

“Finoana soa” (1. 1)

“Izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra” (1. 4) “Fa nahazo laza amam‐boninahitra tamin’Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy

tamin’ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe : ‘Ity no Zanako malalako, Izay sitrako’ ” (1. 17)

“Ny teny faminaniana ... toy ny jiro mahazava ... mandra‐...piposaka ao am‐ponareo ny fitarikandro” (1. 19)

“Fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin’ny fakam‐panahy” (2. 9)

“Ny indray andro amin’ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro” (3. 8)

“Mahari‐po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra” (3. 9).

LGEA