Ny toerana mahahontsa tanteraka misy ny olombelona

 

“Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra” (Romana 5:12)

 

“Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny faharatsiana rehetra sy ny tsy fahamarinan’ny olona izay misakana ny fahamarinana amin’ny fanaovan-dratsy” (Romana 1:18).

 

“Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra” (Romana 3:23)

 

“Dia hoy aho hoe : Lozako, very aho satria olona maloto molotra sady eto amin’ny firenena maloto molotra no itoerako” (Isaia 6:5 Dikanteny Iombonana)

 

Andriamanitra no naneho fitiavana tamin’ny olombelona

 

“Ary hoy ny anjely: Aza matahotra, fa indro milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra: fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo” (Lioka 2:10-11)

 

“Fa Andriamanitra dia fitiavana. Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanany Lahitokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alàlany. Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika” (1 Jaona 4:8-10)

 

“Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16)

 

Ny làlan’ny famelan-keloka

 

“Fa ankehitriny Izy (Andriamanitra) mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka” (Asa 17:30)

 

“Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy (Andriamanitra) ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1:9)

 

“ Tompoko, inona no mety hataoko mba hovonjena aho? Dia hoy izy roa lahy: Minoa an’i Jesoa Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao” (Asa 16:30-31).

 

“Inona no hataonay mba hiasanay ny asan’Andriamanitra? Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny” (Jaona 6:28-29).

 

 

 

 

Ny onitra noho ny otan’olombelona

 

“… ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2:20)

 

“Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika, sy notorotoroina noho ny helotsika ; ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy ; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika” (Isaia 53:5).

 

“Ary iray no Mpanalàlana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesoa, Izay olona, sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra” (1 Timoty 2:5-6).

 

“Fa fantatrareo fa … nanavotana anareo tamin’ny fitondrantena adala … ny ra soan’i Kristy” (1 Petera 1:18-19).

 

“Ny ran’i Jesoa Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra” (1 Jaona 1:7)

 

Ny finoana no andraisana famelan-keloka sy miteraka fisaorana

 

“Jesoa ... nanao hoe: Mino ny Zanak’Andriamanitra va ianao? Ralehilahy namaly ka nanao hoe: Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy? Hoy Jesoa taminy: Efa nahita Azy ianao, sady Izay miresaka aminao no Izy. Ary hoy izy: Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy” (Jaona 9:35-38)

 

“Izay mino ny Zanaka, manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy” (Jaona 3:36)

 

“… Isika izay mino Ilay nanangana an’i Jesoa Tompontsika tamin’ny maty, Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika” (Romana 4:24-25).