Rahampitso ve izany?

Fanontaniana tsy vaovao amin’ny sofina izany. Efa hatry ny ela no mampikorontan-tsaina ny olombelona ny tahotra ilay fampanjavonana tanteraka ny voary manontolo.

Efa hatrany amin’ny taona 1000, hono, ireo firenena tandrefana no niaina izany tahotra vokatry ny finoanoam-poana izany. Horohoro moa izany tamin’ilay vanim-potoana voatondro ho andro farany! Ranom-bavaka feno fatahorana re izany, nohararaotin’ireo mpanambaka tamin’izany fotoana izany! Lasa anefa ny taona 1000, nihodina toy ny teo aloha ihany ny zava-drehetra, nisinda teo ny tahotra, niverina niaina toy ny teo aloha indray ny rehetra.

Nanomboka tamin’izany fotoana izany dia niely patrana tokoa ireo karazana faminaniana tahaka izany izay zary ho fihomehezana ho an’ny sasany nefa nampihorohoro ny hafa ihany koa. Vao mainka velona ahiahy ny olona mahita ireo zava-baovao isan-karazany sy ny firoborobon’ny siansa. Mampanontany tena ny tsirairay hoe: “ho hain’ny olombelona ve, izay mpamosavy tsy mahafehy ny herin’ny odiny, ny hijanona alohan’ny ipoiran’ny loza amin’antambo mety ho vokatry ny asany?” Loza mety midika ho fiafaràn’izao tontolo iainantsika izao na fiafaràn’ny fiainana rehetra eto ambonin’ny tany fara-fahakeliny!

 

 

Rahoviana?

Ny Baiboly irery ihany no afaka hilaza amintsika ny momba izany. Tsy manondro datin’andro mazava izy ary tsy azo atao fototra hamoromporonana faminaniana. Milaza kosa anefa io Baiboly io fa hisy ny andro mahory, ny andro farany, ny ora farany, mba hampiharihariana ny toetran’ny olona any am-parany. Na dia amin’ireo olona mitondra ny anarana hoe kristiana aza, dia maro ireo manao tsinontsinona ny fahasoavana, mitsangana hanohitra an’Andriamanitra, ary mitsipaka ny fijoroana ho vavolombelona nataony momba ilay Zanany izay nomeny ho fanavotana izao tontolo izao. Efa ratsy izy ireo no sady mbola hiharatsy hatrany, hoy ny Soratra Masina (2 Timoty 3:13). Lavitra ny zanak’olombelona izany hihatsara izany, fa vao mainka aza izy mitombo amin’ny faharatsiana ary mizotra ho amin’ilay famaizana tsy azo ivalozana hihatra amin’ny ratsy fanahy rehetra.

 

 

Amin’ny fomba ahoana?

Amin’ny fomba fiteny feno kisarisary raketin’ny bokin’ny Apokalypsy no anambaràn’ny Baiboly ireo fitsarana mampivarahontsana izay handimby ny faharetan’Andriamanitra amin’izao vanim-potoana iainantsika izao. “Hangorohoro ny nofo rehetra”, hiteny ratsy an’Andriamanitry ny lanitra izy, dia llay Andriamanitra tsy nitsahatra ny niantso azy ireo hatramin’ny farany hibebaka mba tsy ho tratran’ilay fahoriana lehibe tsy hanam-pahataperana. Eny, efa nasehon’ny Tenin’Andriamanitra miharihary sy manaitra ny saina tokoa ny ambangovangon’ny zavatra hiseho. Iray amin’ireny ity voarakitra ao amin’ny 2 Petera 3:7-10 ity:

“Fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin’izany teny izany ho amin’ny afo ka tehirizina ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy... Fa mahari-po aminareo Izy (Andriamanitra, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra. Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo. Ary amin’izany ny lanitra dia ho lasa amin’ny firimorimoana mafy, ary ho levon’ny afo ny tenan’ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy”.

Araka izany, dia mampahafantatra sy manamafy ny Baiboly fa ho levona tampoka amin’ny alalan’ny afo mijoalajoala tsy misy toa azy izao tontolo rehetra fantatsika izao, ary aorian’ izany ilay fitsarana farany voalaza ao amin’ny Apokalypsy 20:11-15.

Hoavy mampivarahontsana izay miantso antsika hihevitra fa mihelina ihany ny fiainantsika eto an-tany, manentana antsika ihany kca hamitram-pihavanana amin’Andriamanitra,  mialoha ilay fotoana hanehoany ny fahatezerany! Izany fahatezerana mirehitra izany no handimby ilay toa tsy firaharahàny ny ratsy, ny fijaliana sy ny tsy rariny. Fa mandra-pahatongan’izay aloha,  dia mbola tsy mitsahatra ny misarika ny olona hiverina Aminy Andriamanitra, mba hahafahany mandositra io fahatezerana ho avy io. Mitaona ny olona handray ny famelan-keloka atolony Izy ary miantso azy ihany koa hisitraka ny fiadanany.

Mirimorimo tsy araka ny nanampoizantsika azy ny ora eo amin’ny famantaranandron’ny Tantara. Mandritra ity vanim-potoana manokana iainantsika ity, dia tsy mitsahatra ny mamely sy mamitaka ny mponina an-tany i Satàna mba hitarika azy ho amin’ny fahaverezana. Mandritra io fotoana io koa anefa, Andriamanitra Izay mahalala ny hoavy sy ny fiafaràn’ny zavatra rehetra, dia tsy mitsahatra ny mamerimberina amin’ny alalan’ny Teniny fa ankehitriny no andro famonjena.

 

 

Antso

Andriamanitra, Izy tenany mihitsy no naneho ny asam-pamonjena goavana izay notanterahiny tamin’ny alàlan’ny Zanany Lahitokana. Moa tsy natolony ho sorona ho antsika va io Zanany io? Moa tsy efa nahatrany Taminy va ny famaizana sahaza ho antsika tsirairay avy? Nanolotra ny tenany Jesoa Kristy mba ho fanavotana antsika rehetra. “Ny rany teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany fampihavanana” (Kolosiana 1:20). Natao ho anao ihany koa io famonjen’Andriamanitra io, raha toa ka mandositra ilay fahatezerana ho avy ianao, amin’ny alalan’ny finoana  ny anaran’ilay Zanaka Lahitokan’Andriamanitra maty noho ny fahotantsika ary nitsangana tamin’ny maty ho fanamarinana antsika.

Tsy mitady izay hampitahotra anao izahay tsy akory, satria tsy ny tahotra ny helo (izay tena zava-misy) no tokony hitarika anao ho amin’ny fiainana mandrakizay, fa ny Fitiavan’Andriamanitra.

Hoy i Jesoa :

“Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6).

“Hataontsika ahoana no fandositra raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika?” (Hebreo 2:3)