Mibebaha ianao !

 

 

Samy manohy ny làlany avy ny zanak’olombelona, tsy misy mpifehy, tsy misy lalàna, tsy misy Andriamanitra, tsy misy tompo. Ary na manaiky ihany aza izy indraindray fa misy Andriamanitra any an-danitra, dia tsy te hifandray na hifampiraharaha Aminy izy raha tsy amin’izay heveriny ho mifanaraka amin’ny fomba fijeriny.

 

Ilaina ny fibebahana

 

Aoka ny olona toy izany hiato kely ka hihaino izay lazain’ny Filazantsaran’Andriamanitra !

Izany Filazantsara izany dia manambara hoe  mpanota izy, olo-meloka, very, ary ny anjarany dia fanamelohana mandrakizay.

Io Filazantsara io dia manambara aminy fa ny làlan-kizorany dia mitondra azy any amin’ny fahaverezana, na dia heveriny ho mahitsy sy mifanaraka amin’ireo hetahetany aza.

Inona àry no tokony hataon’io olona io, amin’izany toerana misy azy izany ?

Tokony hanaiky ny fijerin’Andriamanitra ny fiainany izy, aloha. Nefa dia tsy maintsy handia fanamboarana maharary sy hisedra zava-tsarotra izy amin’ny fanovàna ny fisainany, ny fony ary ny fanahiny : izany no antsoina hoe FIBEBAHANA. Mitaky finoana izany, izany hoe matoky izay lazain’Andriamanitra amiko, ary mitarika ahy hanana toe-po, fijery sy fihevitra vaovao izany.

 

Ny fiaikena fa mpanota :

singa mavesa-danja

amin’ny fibebahana

 

Mila mahatsapa any anatiny lalina indrindra any ny toerana misy azy sy ny fanamelohana mendrika azy ny olo-meloka. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia fampiharako ny fitsaràn’Andriamanitra amin’ny tenako, amin’ny maha-olom-bery sy mpanota tsy misy fanafana ahy. Ankehitriny dia araka ny fijerin’Andriamanitra no ijereko ny asako, ny fiainako, izay ataoko ho fahamarinako, ny hambom-poko. Izany no ahalalako fa zava-poana avokoa ireo ezaka rehetra nataoko hatramin’izao, hahazoako famonjena teo anatrehan’Andriamanitra. Ary farany, ny olona mibebaka dia mahateny toa an’i Joba hoe : “Koa dia miaiky sy mibebaka eto amin’ny vovoka sy ny lavenona aho” (Joba 42:6).

 

Ny fibebahana :

asan’ny Fanahy Masina

 

Tsy maintsy mila ny asan’ny Fanahy Masina ny olona, vao afaka manaiky ny fahadisoany sy miaiky fa izay zavatra rehetra naoriny mba hahazoany famonjena dia zava-poana ihany eo imason’Andriamanitra. Ny Fanahy Masina irery ihany no afaka miasa handresy lahatra ny olona; ka tokony hanaiky ny fijerin’Andriamanitra ny fiainany izy, ary tsy tokony hanohitra io asan’ny Fanahy Masina io. Ry sakaiza, “ny hamoràm-pon’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka” (Romana 2:4).

 

Miara-dàlana

ny fibebahana sy ny finoana

 

Tokony ho fantatrao koa fa “tsy misy famonjena amin’ny hafa ; fa tsy misy anarana hafa (afa-tsy i Jesoa Kristy) ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena” (Asa 4:12)

Hoy ny Tompo Jesoa Kristy hoe: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alàlako” (Jaona 14:6).