Misy banga hofenoina hoe ? Hain’Andriamanitra izany !

 

 

Iray amin’ireo olana goavan’ny olombelona ny fahatsapany fa misy banga ao anatiny ary manana faniriana lalina tiany hotanterahina izy, kanefa tsy hainy ny fiavian’izany mazàna. Mikiky azy io, ary katsahiny fatratra izay fomba rehetra hamenoana azy. Azo atao ny mandà an’Andriamanitra, saingy tsy mety fa mitoetra mandrakariva kosa io fahatsapana fahabangana io. Ary matetika, mba handosirana io zava-misy io, dia mirona amin’ny fidorohana zava-mahadomelina ny olona, mamono eritreritra amin’ny fanaovana asa be dia be, amin’ny fanarahana an-jambany filôzôfiaisan-karazany sy fampianarana samihafa hampivelarana ny tena..

 

Ahoana no hamenoana an’io banga io ?

 

Ho famenoana an’io banga io, dia misy mihitsy vonona ny hanolo-tena hivavaka amin’ny devoly, hamono tena, na hanaraka olona iray izay omeny ny toerana tokony ho an’Andriamanitra irery. Ao koa ireo vonona ny hiady hahazoana izao tontolo izao noho ny faniriana miafina ho tonga andriamanitra kely. Izay tsy mahita an’Andriamanitra ivelan’ny tenany dia mitady izany ao anatiny. Tsy misy dikany anefa ny fiainana tsy misy an’Andriamanitra, toy ny sambo iray tsy misy familiana, atopatopan’ny onjan-dranomasina misafoaka sy rivotra misafotofoto etsy sy eroa. Izao anefa, mihanjahanja eo imason’Andriamanitra ny olombelona. Mandinika azy Izy ary mahalala ny hetahetan’ny fanahiny. Tsy Izy ve no nahary azy ? Izany no antony nanomezany ny olona ny fomba ahitàna Azy.

 

Andriamanitra irery no afaka mameno an’io banga io

 

Eny, Andriamanitra dia afaka mameno sady te hameno ny banga ao anatinao : “Ary ny firenena rehetra avy amin’ny iray ihany dia namponeniny ambonin’ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan’andro sy ny faritry ny fonenany, mba hitady an’Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy” (Asa 17:26-27). Eny, tsy lavitra antsika tokoa Andriamanitra. Ny zavatra rehetra manodidina antsika dia manaporofo fa eo Izy, satria Izy “dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra, Izy no Tompon’ny lanitra sy ny tany” (Asa 17:24). Vonona ny hikarakara anao sy hamaly ny hetahetam-ponao Izy. Hoy i Jesoa Tompontsika hoe : “Mankanesa atỳ Amiko ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara Amiko, fa malemy fanahy sy tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo” (Matio 11:28-29). Tamin’ny alàlan’i Jesoa no nanambaràn’Andriamanitra ny tenany tamin’ny olona teto an-tany. Tonga olombelona Izy mba hanatonany antsika: i Jesoa Kristy dia Andriamanitra tonga nofo ary niara-nonina tamintsika. Na teo aza anefa izany, dia hita mandrakariva fa manana toetra mpiodina, tsy mpankatò, tsy hay fehezina ary tsy mahatanty an’Andriamanitra ny olombelona. Porofon’izany: nankahalainy tsy amin’antony ny Tompo Jesoa. Niray tetika izy ireo ary nifanaraka ny hamono Azy tamin’ny fanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana, mba hampanginany ilay feo naneho miharihary ny toetra maha-mpanota azy.

 

Mihoatra noho ny fahabangana nofenoin’Andriamanitra : fiainana mandrakizay

 

 

Inona àry no tianao ?

Ny hamenoan’Andriamanitra ny banga manery anao ve ? Miafara amin’ny fiainana mandrakizay io làlana io, ombàn’ny fitahian’Andriamanitra anao lalandava.

Sa aleonao ve hijanona ihany amin’izao fahatsapana fahabangana izao, ka hanohy hameno io banga io amin’ny zava-poana, dia amin’ny fahafinaretan’izao tontolo izao, ary hitoetra lavitra an’Andriamanitra ? Miafara amin’ny helo lavitra an’Andriamanitra sy ny ozona mandrakizay io làlana io.

Dieny izao anefa Andriamanitra dia mametraka ny fiainana eo anoloanao, mba hisafidiananao : “Fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana ; izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana ny fiainana” (1 Jaona 5:11-12). Fidio ny Zanak’Andriamanitra, hahazoanao fiainana satria te-hamonjy ny olona rehetra Andriamanitra. Vonona ny hanamarina ireo rehetra mibebaka Izy. Fasahisahiana, ary mampidi-doza aza, ny manao ampitso lava ny fahasoavana atolotra anao anio.

 

Ry mpamaky malala, fantaro fa tian’Andriamanitra ny hahasambatra anao, ary “misy fifaliana eo anatrehin’ny anjelin’Andriamanitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka” (Lioka 15:10).