Alahady 6 Janoary 2019

Vokiso ny famindramponao nony maraina izahay, mba hihobianay sy hifalianay amin’ny andro rehetra hiainanay. Salamo 90:14

 

Mihira ve ny any an-danitra ? (1)

Manao ahoana izao ianao, ry Andry ?

— Hitanao ? … tsy nanome fanantenana ho ahy intsony ny dokotera.

Niditra hopitaly, efa ho andro vitsivitsy izay, ity mpifanolo-bodirindrina amiko. Ary taorianan’ny resaka fohy nifanaovako taminy momba ny aretiny, dia nanontaniako izy hoe :

— Ary ianao, ahoana ny fahitanao ny any ankoatra ?

— Heveriko fa tokontokony ho eo anilan’Andriamanitra ihany aho.

— Tena zava-misy izany, aminao, ny fiverenana amin’Andriamanitra. Ary ilay lafiny hafa, ny helo koa ve ?

— Tena misy koa ka !

— Heverinao izany fa ho azo ekena ho eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra ianao ; ary ho sambatra mandrakizay any am-paradisa ny fanahinao. Fa inona no mahatonga anao ho resy lahatra toy izany ?

— Tsy fantatrao tokoa aho ! Tsy nanao izay rehetra azoko natao ve aho, mba ho tsara fanahy amin’ny vady aman-janako ? Ary raha ny fiheverako, mbola tsy nanao ratsy tamin’ny mpiara-monina tamiko aho ! na tamin’ny mpiara-belona amiko koa aza…

— Raha mba afaka miteny toy izany mantsy aho… Nefa azonao an-tsaina ve izay mitranga any am-paradisa sy izay atao any ?

— Heveriko fa tsy misy zava-dratsy any, tsy misy fijaliana ; toa milaza izany iny Baibolinao iny. Angamba toerana mahasambatra any, ary ataoko fa mihira betsaka any. Tena tiako tokoa ny mihira !

Raha ny amin’izay, dia marina ny voalazanao. Misy tononkira izay, ao amin’ny Baiboly, hiraina any ambony any. Vakiako aminao ilay izy : “Ho an’Izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny rany… ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay”.

(rahampitso ny tohiny)