Alatsinainy 7 Janoary 2019

Ho an’Izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny rany... ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Apokalypsy 1:5, 6

 

Tsy manana hira hohiraina (2)

— Fantatra ve ny feon’izany tononkira izany ?

— Ireo izay miandany amin’Andriamanitra dia hihira izany amin’ny fomba lavorary, satria hahafantatra tsara ny heviny feno !

— Avereno vakiana amiko hoe ilay fiandohany… Manan-danja izany teny izany : ny ra, dia ny ran’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana.

— Izany tokoa ; ny ainy no natolony, mba hamafana ny fahotantsika. Ireo izay mihira izany tononkira izany any an-danitra dia tsy miresaka izay zava-bitan’izy ireo tsy akory, fa izay nataon’i Jesosy. Tia azy ireo Jesosy, ary maty namonjy azy ireo. Ny fepetra hahatongavana any, dia ny hoe nodiovina ho afaka tamin’ny fahotan’ny tena, tamin’ny alalan’ny ran’i Jesosy. Lazaiko marina aminao fa raha miteny ianao hoe tsy nanota, dia tsy ho afaka hiara-mihira io tononkira io amin’izy ireo. Voadona mafy izy ka niaiky hoe :

— Tena tsy noeritreretiko mihitsy izany !

— Andriamanitra kosa, ry Andry, efa nieritreritra izany, satria tia antsika ! Henoy koa ireto teny roa ato amin’ny Baiboly ireto : “Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha” (Efesiana 2:8-9). Tsy misy olona afaka hahazo, noho ny asa nataony, anjara tsara mba ho eo anilan’Andriamanitra. Ary hentitra koa Andriamanitra, milaza amintsika hoe : “Mahatoky ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra izao teny izao : tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota” (1 Timoty 1:15). Lasa eritreritra izy, namerina hoe :

— Hamonjy ny mpanota !

— Eny, tsy hoe hanampy azy ireo mba ho voavonjy, fa hamonjy azy ireo.

Nony ampitso dia falifaly erỳ ny endrik’i Andry, ary hoy izy tamiko : “Fantatrao moa, ankehitriny aho dia manana tononkira hohiraina ! Izao : Ho an’Ilay tia ahy, ka nanasa ahy ho afaka amin’ny fahotako, tamin’ny rany”…