Talata 8 Janoary 2019

Na dia mihomehy aza, dia ory ihany ny fo, ary ny faran’ny hafaliana dia alahelo. Ohabolana 14:13

Afaho amin’ny fahatereko aho. Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko, ka mamelà ny fahotako rehetra. Salamo 25:17, 18

 

Fahafatesana sa fiainana mandrakizay ?

Tanora ianao, angamba manafina ny hakivianao ao ambadika fialamboly samihafa na mozika mahatonga ho mafy fo. Manao fihetsika feno fikomiana na herisetra mihitsy aza ianao, mba hanambaranao ny fangidiana ao anatinao. Sambatra ve ianao satria mihira, na efa tonga saina satria mandà, na velona tokoa satria mihetsiketsika fatratra ?

Tena malahelo mafy ianao, manoloana fahabangana lehibe !

Natoky izao tontolo izao ianao, kanefa dia nandiso fanantenana anao izy. Natoky ny olona ianao, saingy namadika anao izy. Tsy misy sori-dalana harahina intsony ny fiarahamonina iainanao. Nanome lamosina an’Andriamanitra izy. Tsy misy azony atao intsony, afa-tsy ny miaina sy ny ho faty ao anatin’ny hakiviany, lavitra an’Andriamanitra.

Aza diso lalana ianao. Ankehitriny ny fahasambarana amin’izao fotoana izao sy ho mandrakizay dia mbola atolotr’Ilay Andriamanitra Mpahary anao : Izy mihitsy no Ilay Andriamanitra sambatra, Ilay “Andriamanitra finaritra” (1 Timoty 1:11). Aoka ho tsapanao ny ratsy rehetra sy ny haizina manodidina anao. Ekeo, eo anatrehan’Ilay Andriamanitra tia anao, fa tsy tsara noho ny hafa tsy akory ianao. Dia hamela ny helokao Izy.

Nanatona anao Andriamanitra, tonga tetỳ anivon’ny olombelona, toy ny olombelona, tao amin’ny tenan’i Jesosy Kristy Zanany. Tonga tetỳ Andriamanitra mba hampahafantatra anao ny fitiavany anao, ary mba hilaza aminao fa afaka mamonjy anao sy tsy manameloka anao, nefa koa tsy manao tsinontsinona ny fahamarinany. Jesosy Kristy mantsy, noho ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny fitiavany anao, dia nanolo-tena hizaka teo amin’ny hazofijaliana ny famaizana sahaza ny fahotanao. Raha mino izany ianao, dia ny ain’i Jesosy no hivelomanao : ho hitanao ny lalana mankany amin’ny tena fahasambarana !