Alarobia 9 Janoary 2019

Atolory an’i Jehovah ny tànanareo ... fa miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo. 2 Tantara 30:8, 9

Moa fohy tokoa va ny tànako ka tsy mahavonjy, ary moa tsy manan-kery hoenti-manafaka va Aho ? Isaia 50:2

 

Manolo-tanana Azy

Misy sary hosodoko iray maneho ny nahariana an’i Adama : manolotra ny tanany amin’ilay olona Andriamanitra, ary ilay olona kosa manatsotra ny tanany, miezaka ny hikasika Ilay Mpahary azy.

Mihoatra noho ny nanolo-tanana no nataon’Andriamanitra, tao amin’i Jesosy Kristy. Nidina tetỳ amin’ny olombelona Izy, tonga olombelona. Nangoraka Izy nikasika olona marary, jamba, marenina, moana, malemy, ary ny boka koa aza, izay tsy azo nohatonina. Nokasihiny ilay tranovorona nilanjana faty, zanaka lahitokan’ny mananotena iray, nobaikoiny hoe : “Ry zatovo, hoy Izaho aminao : Miarena”, dia niarina ny maty (Lioka 7:14).

Ilay tanana nanorina ny fanambanin’ny tany (Isaia 48:13) no nahary ihany koa ny olona : “Ny tànanao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao… notefenao toy ny tanimanga aho”, hoy i Joba (10:8, 9). Ny tanany no tonga mba hamonjy antsika (Salamo 119:173) sy hanafaka antsika.

Fa ny olona kosa, noho ny haratsiam-pony, dia nanombo an’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana. Rehefa nitsangana tamin’ny maty Jesosy, dia niteny tamin’ny mpianany hoe : “Izahao ny tànako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy ; tsapao Aho, ka jereo… dia nasehony azy ny tànany sy ny tongony” (Lioka 24:39, 40).

Manolo-tanana anao Jesosy ankehitriny. Io tanana noloahina io no porofo tsy hay fafana mampiseho ny fitiavany. Ny hoe manolo-tanana Azy, dia manaiky fa maty nisolo antsika Izy, nibaby ireo fahotantsika. Io tanana feno fitiavana io dia mitaky ny tanantsika, ary mihoatra noho izany aza, mitady ny fontsika. “Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao” (Jeremia 31:3).