Alakamisy 10 Janoary 2019

Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana ... ho an’ny olona rehetra, ho an’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry feizay amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra. 1 Timoty 2:1, 2

 

Tokony hiady ve ?

Manoloana ireo tranga mampihetsika ny vahoaka, dia mety hanontany tena isika hoe inona no tokony hataontsika, amin’ny maha kristiana antsika.

Taomin’ny Baiboly isika hahatsiaro mandrakariva fa manomboka izao isika dia “vahiny sy mpivahiny etỳ ambonin’ny tany” (Hebreo 11:13). Marina fa tsy maintsy manaraka ny lalàna mifehy ny tanintsika isika, ary “manaiky ny fahefana lehibe… voatendrin’Andriamanitra” (Romana 13:1). Nefa kosa Andriamanitra tsy mangataka amintsika hiandany amin’ny atsy na ny aroa, rehefa misy fifandirana mafy tsy iraharahana Azy akory. Indray andro ny Tompo Jesosy dia nilaza tamin’ny mpianany iray hoe : “Manaraha Ahy ; ary aoka ny maty handevina ny maty ao aminy” (Matio 8:22). Eo imason’Andriamanitra, ny tsy mpino dia olona “maty”, nefa na izany aza, dia tiany homena ny fiainana mandrakizay. Ny zava-dehibe amintsika mpino, dia ny manaraka an’i Kristy ka tsy miditra amina ady tsy mahakasika antsika, satria mponin’ny lanitra isika (Filipiana 3:20).

Ny ady tokony hatrehintsika dia ny fandavana ny ratsy amin’ny endriny rehetra, eo amin’ny fiainantsika, ary amin’ny alalan’ny vavaka no andavantsika izany. Raha misy maniratsira Ilay Andriamanitsika, dia aoka isika hivavaka ho an’ireo mpaniratsira ; raha misy mamono olona tsy manan-tsiny, dia aoka isika hivavaka ho an’ireo akaiky azy, izay mana-manjo, ary koa ho an’ireo mpamono olona. Aoka koa isika hivavaka ho an’ireo mpitondra antsika, fa tsy mora ny andraikiny ; aoka tsy hohadinointsika fa “Andriamanitra … tia ny olona rehetra hovonjena” (1 Timoty 2:4).