Zoma 11 Janoary 2019

Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao. Salamo 51:6

(Hoy Jesosy :) Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia. Jaona 13:35

 

Izay nanohina ny foko

« Teraka tao amina firenena iray any Maghreb (ny faritra avaratra ao Afrika) aho. Tena niezaka an-kitsimpo aho hanao izay hahafaly an’Andriamanitra, nefa nahatsapa mandrakariva fahabangana tsy haiko nofaritana. Hoy ny namako hoe ny vavaka no tsy ampy teo amiko, mba hahatonga ahy ho lavorary.

— Mbola mila zavatra mihoatra noho izany aho, mba hanakaikezako an’Andriamanitra. Ao anatin’ny foko ao no misy fahabangana.

— Kanefa anie ianao tena tsara fanahy e, manao soa betsaka, ary tianao ny olona rehetra.

— Tsia, tsy misy ifandraisany izany.

Indray andro, raha nijery fahitalavitra aho, dia sendra fandaharana nisy lehilahy niteny hoe : “Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana”. Mbola mampihetsi-po ahy hatrany io andinin-tSoratra Masina io, mandraka ankehitriny (Matio 11:28).

Avy eo aho dia nifanena tamina namana iray, izay niteny tamiko hoe kristiana. Nilazako izy hoe mba te hankany am-piangonana aho. Natorony adiresy iray aho. Tamin’ny 10 ora no hanomboka ny fotoam-pivavahana. Nanaitra ahy fatratra ny nahita ireo kristiana tonga, satria tena tsotra izy ireo. Miramirana izy rehetra nifampiarahaba, na lahy na vavy, na tanora na antitra, tsy nisy nanavakavaka mihitsy. Tena nanohina ahy izany ! Izany indrindra no zavatra nandrandraiko : fahatsoram-po marina, fitiavana tena izy, fifankatiavan’ny mpiray tampo.

Nanomboka tamin’io andro io aho dia nandeha tsy tapaka, namonjy fivoriana kristiana. Hitako fa tsy ny fanaovana asa soa na fanatitra, ary tsy ny fanarahana fitsipika no ahazoana miditra any am-paradisa, fa ny finoana ny Tompo Jesosy Kristy. »

Walid