Asabotsy 12 Janoary 2019

(Faminaniana momba an’i Kristy :) Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy... Natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika. Isaia 53:3

Ary izaho dia ... fandàtsan’olona sy fanevatevam-bahoaka. Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy. Salamo 22:6, 7

 

Fijaliana sy voninahitra (1)

Rehefa avy niteny tamin’ny olona Andriamanitra fahiny, tamin’ny alalan’ny mpaminany, dia naniraka an’i Jesosy Zanany malalany ho etỳ an-tany, ka niteny tamintsika tamin’ny alalany (Hebreo 1:1-2). Ahoana ny fomba nandraisana an’i Jesosy ?

Jesosy dia teraka tao amina fianakaviana mahantra iray, ka tavy fihinanam-bilona no mba nampiasaina ho fandrianjaza fatoriany. Ary taoriana kelin’izay dia efa nitady hamono Azy i Heroda mpanjaka.

Nony lehibe Izy dia nolavina raha vao nanomboka ny fanompoany imasom-bahoaka. Tao an-tanànany dia notadiavina hazera tany amin’ny hantsana Izy (Lioka 4:29).

Tsy nanao afa-tsy ny tsara Jesosy, nanasitrana marary, nandroaka demonia, nanangana ny maty… Saingy ireo fahagagana ireo sy ny teny nataony dia vao mainka nahatonga ny mpitarika hankahala sy hialona Azy bebe kokoa hatrany. Nofandripandrihan’ireo mpitarika ireo Izy, nampangainy ho mpirehareha, mpiteny ratsy an’Andriamanitra, adala, misy demonia…

Farany, nampiasa vavolombelona mandainga izy ireo, ary nandresy lahatra ny vahoaka mba hiantsoantso hitaky ny hahafatesan’i Jesosy. Nataon’izy ireo izay hanamelohana Azy ho faty teo amin’ny hazofijaliana.

Nahery setra ireo miaramila, tsy nitsitsitsitsy naniratsira Azy. Nororainy ny tavany, nasiany tehamaina Izy, nokapohiny, ary nosatrohiny tsilo. Dia nentina teny Kalvary Jesosy, nendahina taminy ny akanjony, ary nohomboana teo amin’ny hazofijaliana Izy, teo anelanelana jiolahy roa. Niray saina hankahala sy hanao tsinontsinona Ilay Zanak’Andriamanitra ireo sokajin’olona rehetra teo amin’ny fiarahamonina, izay nitangorona teo, hitazana izany fampijaliana izany.

Rehefa maty teo Jesosy, dia nisy miaramila nandefona ny lanivoany. Napetraka tao am-pasana ny fatiny.

Nefa nitsangana tamin’ny maty Izy, ary niakatra any an-danitra…