Alahady 13 Janoary 2019

Izany no nanandratan’Andriamanitra Azy indrindra... mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin’ny tany, sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo, ho voninahitr’Andriamanitra Ray. Filipiana 2:9-11

 

Fijaliana sy voninahitra (2)

Jesosy dia nolavin’ny olona, ary maty teo amin’ny hazofijaliana. Saingy tamin’ny sorona nataony no nanatanterahany ny asa nankinin’Andriamanitra taminy, mba hamonjeny ny mpanota.

Natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty Izy, ary taorianan’ny satroka tsilo, dia nasiany “satroboninahitra tena volamena” teo an-dohany (Salamo 21:3), sady nosatrohiny “voninahitra aman-daza” Izy (Hebreo 2:9). Nendahin’ny olona ny fitafian’i Jesosy, fa notafiana “laza sy voninahitra” kosa Izy nony avy eo (Salamo 21:5).

Taorianan’ny nanomboana Azy teo anelanelan’ny jiolahy roa, dia nasain’Andriamanitra nipetraka teo “ankavanan’ny Lehibe” Izy (Hebreo 1:3). Nitsahatra ny fanarabiana, mitsaoka Azy am-panajana lalina indrindra ny mponin’ny lanitra…

Mifanohitra tanteraka ireo zavatra ireo : Ilay toloran’ny lanitra voninahitra toy izany ankehitriny, dia tsy iza fa Ilay Lehilahy nailiky ny teto an-tany. Mbola eo amin’ny tongotra aman-tanany tokoa mantsy ireo ratra nataon’ny olona taminy…

Navelan’Andriamanitra hanampatra ny fankahalany ny Zanany ny olombelona, satria tiany hovonjena izy ireo, izay mpanota nankahala Azy nefa tiany. Anio dia asain’Andriamanitra torìna manerana izao tontolo izao ny famonjena omeny maimaimpoana. Sambatra ireo izay mandray izany famonjena izany, manaiky ny voninahitr’i Jesosy.

Indray andro any anefa, ny olona rehetra dia tsy maintsy hanaiky ny voninahitr’io Lehilahy natao tsinontsinona io. Izany no efa fanapahan-kevitr’Andriamanitra rahateo. Amin’izay andro izay dia handohalika eo anatrehany ny lohalika rehetra. Koa dia ho voatery hanaiky ny fahalehibeazany ny olona, saingy tsy ho voavonjy intsony, indrisy, satria tara loatra amin’izay andro izay.

Koa aza miandry izany andro izany, fa ekeo Jesosy, dieny anio, ho Mpamonjinao sy Tomponao !