Alatsinainy 14 Janoary 2019

Ho amintsika ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy amin’Andriamanitra... amin’ny fahamarinana sy ny fitiavana. 2 Jaona 3

 

Amin’izao fiandohan’ny taona izao

Mba ho tsaratsara kokoa noho ny taona lasa teo ve ity taona ity ?

Mitovy ihany ny fahasahiranana hitantsika. Misy hatrany ny fahantrana eo amin’ny manodidina antsika, ary angamba aza ao an-tokantranontsika. Tsapantsika fa tsy dia nisy inona nihatsara. Raha ny marina, dia tsy niova Raolombelona. Tiana erỳ ny manindrahindra azy hoe afaka mikaroka sy mahita zavatra mahatalanjona, na hoe mihevitra ny tombontsoan’ny hafa, na koa hoe mahavita zava-dehibe noho hy herimpony… Nefa ve izy tsy toy ny teo aloha ihany : liana fahefana sy harena ary fahafinaretana mora azo ? Ary mba hahatratrarany ny tanjona katsahiny, dia mety hanjary masiaka izy, ho mpandainga, mpangalatra, ary tsy hifaditra ovana.

Hoy Andriamanitra amintsika, ao amin’ny Baiboly : “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra, sady manana aretina tsy azo sitranina ; iza moa no mahafantatra ny aminy ? Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo” (Jeremia 17:9, 10). Nefa asehony antsika ihany koa fa mahay manova izany Izy. Tonga tetỳ an-tany Andriamanitra, tonga teto anivontsika, tao amin’i Jesosy Kristy Zanany, mba hamerina indray ny tantarantsika. Jesosy no olona hany lavorary teo imason’Andriamanitra. Ny fitondrantenany madio sy feno fitiavana dia nampiharihary ny hasiaham-pon’ireo mpiara-belona taminy, izay nanombo Azy teo amina hazofijaliana. Teo anefa Jesosy, lasibatry ny fankahalan’ny olona, dia nanaiky hohelohina, nisolo toerana antsika. Ny fahafatesana sy ny fitsaran’Andriamanitra no sahaza antsika. Maty ho antsika Jesosy, ary nitsangana tamin’ny maty. Ankehitriny Izy dia manolotra fiainam-baovao, ho an’izay mino, ary koa ny fihavanana sy fiombonana amin’Andriamanitra. Izany no fepetra voalohany hahafahan’ny tsirairay miaina, eo anivon’ny olombelona, ireto toetra nasehon’ny fiainan’i Jesosy ireto : fihavanana, fitiavana, fahamarinana, fahitsiana, fifaliana, fanetrentena… Mba ho vavolombelon’izany ve ianao amin’ity taona vaovao ity ?