Talata 15 Janoary 2019

Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana (mandrakizay) ; izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana ny fiainana. 1 Jaona 5:12

 

Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana

Nisy lehilahy manankarena iray, mpanangona irony sangan’asakanto irony, namoy ny zanany lahitokana nandritra ny ady tany Vietnam. Volana vitsivitsy taorianan’ny nahavitan’ny ady, dia tonga tao aminy ity lehilahy iray, nitondra fonosana lehibe, niteny taminy hoe : “Fony aho miaramila, dia namonjy ahy ny zanakao. Noresahiny matetika tamiko ianao sy ny fitiavanao ny zavakanto. Ity atolotro anao ny sariny, hosodoko mba nataoko”. Tohina mafy ilay raim-pianakaviana ary nisaotra azy.

Nony maty ilay rangahy, dia natao lavanty ny fananany rehetra, anisan’izany ny hosodoko nataon’ireo kalazalahy. Tamin’io andro io dia nasain’ilay mpanao lavanty nentina ny sarin’ilay zanaka lahy, ary hoy izy : “Ny atao lavanty voalohany dia ity sary hosodoko ity”. Nangina ny rehetra, tsy nisy nanonona vidiny. Naverin’ilay mpanao lavanty indray ny teniny… Nisy feo niantso avy tany aoriana tany : “Folo dolara”. Ilay mpanao zaridaina nikarakara ny tanàna hatry ny ela no niteny.

Dodona ny olona, ary nihevitra fa hanomboka amin’izay ny tena zavatra… Nefa hoy ilay mpanao lavanty : « Mifarana eto ny varotra. Izao lavanty izao dia nampiarahin’ny maty tamin’ny didy miafina hoe : Izay mividy ity sarin’ny zanany ity no handova ny tanàna manontolo, ary ao anatin’izany ireo sary hosodoko rehetra. »

Izany trangan-javatra izany dia mampahatsiahy ny tantarana Zanaka Lahitokana iray hafa ambaran’ny Baiboly, tantara mahakasika antsika tsirairay : “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16). Mba hahazoana misitraka ny fitiavan’Andriamanitra, mandray ny fahasoavan’Andriamanitra, manjary mpandova an’Andriamanitra, dia ampy ny miantso ny anaran’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra. Tsy misy lalan-kafa ankoatra izay !