Alarobia 16 Janoary 2019

(Hoy Jesosy :) Raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana. Matio 6:7

Efa nihaino tokoa Andriamanitra ; efa nihaino ny feon’ny fivavako Izy. Salamo 66:19

 

Mivavaka amin’ny fo

Tafavory hisakafo ity ankohonana kristiana iray. Nanontany ilay ankizivavy kely raha mahazo manao ny vavaka. Neken’ny rainy ny fangatahany. Nanondrika ny lohany izy, ary niteny haingana dia haingana hoe : “Lehibe Andriamanitra, tsara Andriamanitra. Isaorantsika Izy noho izao sakafo izao. Amen !”

— Taiza no nahaizanao izany tonom-bavaka izany ? hoy ny rainy nanontany.

— Ilay ramatoa any amin’ny akanin-jaza no mampamerina izany anay, isaky ny hihinana ody am-bavafo izahay.

— Marina fa tsy kristiana daholo ny ao amin’ny akanin-jaza. Fa ianao, iza moa ianao, amin’Andriamanitra ?

— Zanany aho !

— Izahay koa. Noho izany, sady miresaka amin’Andriamanitra isika no miresaka amin’ny Raintsika… Afaka miteny aminy koa isika hoe tia Azy. Tiany ny mahare ny feontsika zanany !

Nony ampitso, rehefa hisakafo antoandro, dia nangataka ny hivavaka izy mianadahy. Ilay lahy kely telo taona no nanomboka, nanandrana naka tahaka ny fanaon’ny rainy sy ny feony. Fa ny tena nahafatifaty, dia ny nandre azy niresaka mivantana tamin’Andriamanitra. Nisaotra an’Andriamanitra izy, tsy noho ilay sakafo tsara fotsiny, fa noho ny fifaliana ihany koa satria miaraka, ary nangataka taminy mba ho tsara miverina ny dia. Avy eo dia nivavaka ny anabaviny. Nanomboka tamin’ilay tsianjeriny izy : Lehibe Andriamanitra, tsara Andriamanitra… saingy notohiziny tampoka hoe : “Izao dia hivavaka aho…” Teo am-pihainoana azy aho dia nahatsiaro ny nangatahin’ny iray tamin’ny mpianatr’i Jesosy hoe : “Tompoko, mampianara anay hivavaka” (Lioka 11:1).

Aoka ny zanatsika, na dia ireo tena mbola kely aza, hampianarintsika hanatona an’Andriamanitra, mba hiresaka aminy am-pahatokiana, am-pahatsorana ary am-pahamarinana.