Alakamisy 17 Janoary 2019

Manoratra aminareo ray aho, satria efa mahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Manoratra aminareo zatovo aho, satria efa naharesy ilay ratsy ianareo. Nanoratra taminareo ankizy madinika aho, satria efa mahalala ny Ray ianareo. 1 Jaona 2:13

 

Krizy ara-panahy

Hatramin’ny andro fahagola, dia efa nozaraina telo ny sokajin-taona eo amin’ny fiainan’ny olombelona : ny fahatanorana, ny maha olon-dehibe ary ny fahanterana. Ao amin’ny Baiboly koa dia misy sokajin-taona “ara-panahy”, ho an’ny mpino : ny ankizy madinika, ny zatovo ary ny ray (1 Jaona 2:13). Ny taona ara-panahy dia tsy voatery hifanandrify amin’ny taona ara-batana. Ohatra, ny olona 60 taona vao nino an’i Kristy dia mbola ankizy madinika ihany amin’ny finoana.

Ny fitambaran’ireo rehetra mino ny Tompo Jesosy no miara-mandrafitra ny ankohonan’Andriamanitra. Samy manana ilay fiainam-baovao avokoa izy rehetra, dia ny ain’i Kristy. Ny ankizy madinika amin’ny finoana dia mahafantatra an’Andriamanitra ho Rainy. Antsoina izy hitombo ara-panahy, ary handalina ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Noho izany ny apostoly Jaona dia miteny amin’ireo ray, amin’ireo zatovo, amin’ireo ankizy madinika, ary manome azy ireo torolalana mifanaraka amin’ny tokony ho dingan’ny fitomboany, araka ny ampianaran’ny Tenin’Andriamanitra sy ikarakaran’ny Ray azy ireo, rehefa manaiky hotefeny izy ireo (jereo Hebreo 12:6-8, 11).

Hisy fotoan-tsarotra vitsivitsy (hantsointsika hoe “krizy”) mety handalovantsika, hotsahivina anaty pejy hotsinjaraina ato. Ny sasany amin’ireny dia ilaina, indrindra ilay voalohany, ny ankamaroany kosa dia mety tsy ampoizina. Ohatra ao anaty Baiboly no halaina, handraisantsika lesona.

Koa ho hitantsika ato ny fifanenana amin’ny Tompo, ny antso ho amin’ny asa fanompoana, ireo tsy fahombiazana sy ny fisalasalana, ny aretina, ny fifandirana, ny tsy fahatakaran’ny hafa izay manjo ny tena ; nefa koa ny fanafahana, ny fahatoniana, ny fizahan-toetra sy ny vokany.